“Et moi, je suis avec vous tous les jours jusqu’à la fin du monde” (Mt 28, 20) |
“Indro aho eo aminareo mandrakariva mandrapahatongan’ny faran’izao tontolo izao” (Mt 28, 20) |
|
Chers frères et soeurs, |
|
Ry havana malala, |
…………… |
||
Cette semaine, nous, vos évêques, étions en réunion à Antananarivo, après la visite à Rome auprès du Pape François et de divers dicastères au Vatican et nous aimerions vous transmettre un court message. Nous voudrions revivifier l’espérance et la joie en ce début de la période de l’Avent, préparation de Noël et cheminement vers la nouvelle année 2023. |
Tafavory teto Antananarivo izahay Eveka Raiamandreninareo tamin’ity herinandro ity, taorian’ny fitsidihana nataonay tany Roma niaraka tamin’ny Papa Fransoà sy ireo sampan-draharaha isan-tsokajiny ao Vatikana ka te hampita hafatra fohy ho anareo rehetra ary te hamelombelona indray ny fanantenana sy ny hafaliana amin’izao hanombohantsika ny vanim-potoanan’ny Fiavian’ny Tompo (Avent) izao, hiomanana amin’ny Noely ary hidirantsika mankany amin’ny taona vaovao 2023. |
|
C’était avec joie que le Pape François nous a reçus pendant une semaine au Vatican. Cela l’a rappelé les bons souvenirs de sa visite dans notre Ile et l’accueil que le peuple malagasy lui a reservé. Il s’est surtout réjoui de la bonne réputation de l’Eglise de Madagascar, près du peuple, a-t-il dit. L’enthousiasme des catéchistes et l’abondance des vocations à la pretrise et à la vie religieuse ainsi que l’engagement dans les oeuvres sociales (écoles, hôpitaux et divers centres de soins, acceuils des hadicapés...) sont des images positifs mis en exergue. Cette joie s’est poursuivie avec la nomination de Mgr Donatien comme évêque du diocèse d’Ambanja et de Mgr Zygmunt en tant qu’évêque du diocèse de Mahajanga. Nous en remercions le Saint Père et nous accompagnons de nos prières les nouveaux nommés, nous les soutenons dans l’effort pour l’Evangélisation. Nous continuons également à prier pour le Pape François, tel qu’il le demande à chaque fois qu’il s’adresse au peuple des croyants. Nous réiterons nos félicitations aux deux diocèses et à tous leurs chrétiens. |
Hafaliana tokoa no nandraisan’ny Papa Fransoà anay nandritra ny herinandro tao Vatikana izay namelona tao am-pony ny fahatsiarovana tsara tamin’ny namangiany ny Nosintsika sy nandraisan’ny vahoaka Malagasy azy. Nahafaly azy indrindra ny nandre ny laza tsaran’ny Eglizy eto Madagasikara izay akaiky ny vahoaka, hoy izy. Nisongadina tamin’ireo endrika tsaran’ny Eglizy ny fahavitrihan’ireo katesista sy ny firoboroboan’ny fiantsoan’Andriamanitra ho Pretra sy relijiozy ary ny firotsahan’izy ireo amin’ny asa fanasoavana ny mpiara-belona (sekoly, hopitaly sy toeram-pitsabona samihafa, fitaizana sembana…). Nifampitohy tamin’ny fanendrena an’i Mgr Donatien ho Evekan’ny diosezin’Ambanja sy Mgr Zygmunt ho Evekan’ny diosezin’i Mahajanga izany hafaliana izany ka isaorantsika ny Papa Ray Masina ary hitondrantsika am-bavaka ireo voatendry sy hanohanantsika azy ireo amin’ny ezaka fitoriana ny Vaovao Mahafaly. Tohizintsika toy izany koa ny fivavahana ho an’ny Papa Fransoa araka ny fangatahany isaky ny miresaka amin’ny vahoaka mpino. Mamerina hatrany ny fiarahabana ireo diosezy roa ireo sy ny vahoaka kristianina ao aminy izahay. |
|
Par ailleurs, cela a beaucoup touché le Pape d’avoir appris les catastrophes naturelles traversées par notre pays (cyclones, inondations...), la dégradation de l’environnement et de la société en général, ainsi, il nous a demandé de transmettre le message pour revivre les valeurs malagasy qui hélàs, semblent, disparaitre petit à petit, à cause de nombreux faits, abondamment véhiculés, qui les détruisent. Les provocations et les manques de respect mutuels à travers les différents moyens de comunication font partie de ces faits, de même la corruption à tous les niveaux dont se plaignent les sans voix et ceux qui n’ont pas de protecteur, l’arrogance de ceux qui se croient au-dessus de la loi, à cause de leur richesse et de leur poids dans la société, la destruction du secteur de l’éducation qui revêt plusieurs aspects, les incendies de forêts protégées... |
Etsy ankilany, nanohina ny fon’ny Papa ny nandre ireo voina natoraly nandalovan’ny firenentsika (rivo-doza, tondra-drano…), ny fahenoany ny fahasimban’ny tontolo iainana sy ny fiarahamonina amin’ny ankapobeny ka nampitondra ny hafatra izy mba hamerina hiaina ireo soatoavina maha malagasy izay tsikaritra ho mihamanjavona, indrisy, vokatr’ireo karazan-trangan-javatra, maro mpivoy, mamotika azy. Anisan’izany ny fifampihantsiana sy ny tsy fifanajana intsony eny amin’ireny fitaovan-tserasera isan-tsokajiny ireny, ny kolikoly atao isan’ambaratongany izay mampikaikaika ireo tsy manam-peo sy tsy mba manam-piahy, ny tsy maty manota ireharehan’ireo mihevitra ny tenany ho tsy azo atao inona, noho ny fananany vola sy ny tanjany ara-piarahamonina, ny famotehana ny sehatry ny fanabeazana izay miseho amin’ny lafiny maro, ny fahamaizan’ireo ala arovana… |
|
Ainsi, le fihavanana est sur le point de devenir une coquille vide, le sens sacré des Raiamandreny est en déperdition, la violence et l’arnaque sont maintenant les forces qui entrainent les jeunes. C’est pour cela que le Pape a dit que c’est un devoir et une responsabilité de l’Eglise de vivre en premier les valeurs et la sagesse en cheminant avec le peuple dans le secteur social. C’est avec ce message que nous vous exhortons à être témoins de l’entraide au sein de la société dans laquelle nous évoluons, suivant nos moyens et possibilités. Comme St Paul en son temps “Nous sommes donc les ambassadeurs du Christ, et par nous c’est Dieu lui-même qui lance un appel” (2Cor 5, 20), nous vous supplions avec les moyens de nos jours : de grâce, cessez ces différentes façons de profiter des autres, iaino amin’ny fomba faran’izay madinika ny Evanjely henontsika isan’alahady car, dirigeants et peuple, nous sommes pour la plupart des chrétiens. |
Vokatr’izany, efa mitady ho vilian-tsahona ny fihavanana, very ny hasin’ny Raiamandreny, ny herisetra sy ny fisolokiana no lasa hery manentana ny tanora. Anatin’izany tranga rehetra izany no nilazan’ny Papa fa adidy sy andraikitry ny Eglizy ny miaina voalohany ny soatoavina sy fahendrena amin’ny alalan’ny fiarahany dia amin’ny vahoaka amin’ny sehatra sosialy. Izany hafatra izany no anentananay antsika mianakavy mba ho vavolombelon’ny fifampitsinjovana isika eny amin’ny fiarahamonina misy antsika tsirairay, araka ny sokajiny avy. Tahaka an’i Md Paoly tamin’izany andro izany “sady solon’i Kristy àry izahay no irak’Andriamanitra, ka tahaka an’Andriamanitra no mananatra…” (2 Kor 5, 20) no mitalaho aminareo amin’ny fomba ankehitriny hoe : atsaharo re ny fifanararaotana amin’ny lafiny maro ireny, iaino amin’ny fomba faran’izay madinika ny Evanjely henontsika isan’alahady, satria kristianina avokoa ny ankamaroantsika na mpitondra na vahoaka. |
|
Pour vous, gouvernants à tous les niveaux, écoutez ce qui fait mal à la population (social, économique) et ne profitez pas de sa pauvreté. Nous, peuple, respectons les biens communs et évitons les dénigrements et les provocations mutuelles qui n’apportent pas l’apaisement et qui ne sont pas des solutions aux difficultés. La nation malagasy est toujours dans le coeur du Pape François, et il n’a pas du tout oublié l’amour que nous lui avons témoigné en l’accueillant chez nous, c’est ainsi qu’il nous a donné une bénédiction particulière. |
Ho anareo mpitondra isan’ambaratongany, henoy ny maharary ny vahoaka (sosialy, ekonomika…) ary aza manararaotra ny fahantran’izy ireo. Isika vahoaka hajao ny fananana iombonana ary halaviro ny fifaniratsirana sy ny fifampihantsiana tsy mitondra fitoniana sy tsy mamaha olana ara-pahasahiranana. Ao am-pon’ny Papa Fransoà hatrany ny firenena malagasy ary tena tsy hadinony ny fitiavana nasehon’ny firenentsika nandray azy ka nanomezany ny tso-drano manokana ho antsika mianakavy. |
|
Nous entrons dans la période de l’Avent suivant le calendrier liturgique, nous nous préparons à célébrer la Nativité du Seigneur. Contemplez Jésus, Fils de Dieu, fait homme, enfant fragile dans la crèche (Lc 2, 7), Il a porté toutes les souffrances que nous supportons, il nous appelle à être ses frères et soeurs. Confions-lui les combats que nous vivons au quotidien, et que chacun multiplie ses efforts pour avoir le bonheur, tel que le Seigneur l’a voulu depuis notre création. Cette période de l’Avent est celle pour laquelle nous pouvons augmenter la conversion pour le bien, comme l’appel de Jean Baptiste qui crie dans le désert :“ Préparez le chemin du Seigneur...” (Lc 3, 4-6). Nous constituons la société où nous sommes. Aussi, ce sont nous qui pouvons changer l’aspect de la société où nous vivons par la conversion individuelle, à commencer par soi-même jusqu’à la nation toute entière. Revêtez-vous de la grâce de l’enfant Jésus, en cette période de l’Avent, pour nous aider à toujours écouter notre conscience, à nous éloigner du mal et à vivre le bien. C’est en Dieu, source de toute bonté que nous pouvons tirer le bien dont nous avons besoin dans notre vie de chaque jour. Ne laissez pas la corruption et la violence guider notre vie. Que chaque famille soit une place pour façonner des personnes honêtes qui craignent Dieu et qui se soucient de leurs prochains, par l’éducation de nos enfants tel qu’il est écrit dans le livre des Proverbes : “ Instruit l’enfant selon la voie qu’il doit suivre, et quand il sera vieux il ne s’en détournera pas” (Pr 22, 6), comme cela, nos descendants ne seront pas des productreurs d’agresseurs et d’auteurs de tromperie dans la société, avec des mensonges et des arnaques. |
Hiditra amin’ny vanim-potoan’ny Fiavian’ny Tompo isika araka ny tonon-taona litorjika, hiomana hankalaza ny nahaterahan’ny Mpamonjy. Banjino i Jesoa, Zanak’Andriamanitra, tonga olombelona, zazakely marefo anaty fihinanam-bilona (Lk 2, 7), nitondra ny jaly rehetra mpanjo antsika, mitondra sy miantso antsika hiray tampo aminy. Ankino aminy ny ady sarotra iainana andavanandro, ary ampitomboy ny ezaka ataon’ny isam-batan’olona hahatonga antsika ho sambatra arak’izay irian’Izy Tompo nanomboka hatrany amin’ny fahariana antsika. Izao vanim-potoan’ny Fiaviana izao no fotoana mety hampitomboantsika ny fibebahana ho amin’ny tsara, araka ny antson’i Joany Batista tany an’efitra hoe “amboary ny làlan’ny Tompo…” (Lk 3, 4-6). Isika mianakavy no mandrafitra ny fiarahamonina misy antsika. Arak’izany, dia isika ihany koa no afaka manova ny endri-piarahamonina iainantsika amin’ny alalan’ny fibebahan’ny tsirairay miantomboka amin’ny tenany ka hatrany amin’ny firenena. Tafio ny fahasoavan’i Jesoa zazakely tonga nofo, amin’izao Fiaviana izao, hanampy antsika hihaino mandrakariva ny feon’ny fieritreretana, hanalavitra ny ratsy ary hiaina ny tsara. Ao amin’Andriamanitra loharanon’ny hatsarana rehetra isika no afaka manovo ny tsara azo iainana isan’andro. Aza avela ho mpibaiko ny fiainantsika ny kolikoly sy ny herisetra. Aoka ny isam-pianakaviana mba ho sehatra tena hamolavola olom-banona matahotra an’Andriamanitra sy mijery ny mpiara-belona, amin’ny fanabeazana omentsika ny taranaka araka ny voalaza ao amin’ny bokin’ny Ohabolana hoe : “Ampianaro ny zaza ny làlana tokony halehany dia tsy hiala amin’izany izy na rehefa antitra aza” (Oh 22, 6), amin’izay tsy ho lasa mpamokatra mpanao herisetra sy mpamitaka ny fiarahamonina amin’ny lainga sy ny fisolokiana ny taranatsika. |
|
Nous terminons notre message en vous souhaitant une célébration de Noël dans la joie, loin de l’insécurité et que vous accueilliez la nouvelle année dans la sérénité et la paix. C’est d’ailleurs pendant la nouvelle année 2023 que nous allons accueillir le nouveau Nonce Apostolique qui va résider et travailler à Madagascar. Que ce Noël comble de grâces notre pays, chaque famille, voire chaque individu, et puisse-t-il parfaire toutes les bonnes intentions de chacun et à tous les niveaux pour la gloire de Dieu et pour le bonheur et la paix pour nous, peuple tout entier. Nous empruntons ce qu’ont dit les anges qui ont annoncé la naissance du Sauveur à Bethléem : “Gloire à Dieu au plus haut des Cieux et paix sur la terre aux hommes qu’il aime” (Lc 2, 14). Que Dieu vous bénisse et passez de bonnes fêtes. Nous vous confions à Marie Mère de Dieu, dont nous célèbrerons de façon particulière la fête, le 1er janvier, et à Saint Joseph son époux. |
Eto am-pamaranana àry dia mirary soa anareo rehetra izahay Eveka Raiamandreninareo hankalaza Noely anaty hafaliana, lavitry ny tsy fandriam-pahalemana ary koa handray ny taona vaovao anaty fitoniana sy fiadanam-po. Io taom-baovao 2023 io rahateo no handraisantsika ny Nonce Apostolique vaovao honina sy hiasa eto Madagasikara. Enga anie izao Noely izao, hampitobaka fahasoavana ho an’ny firenentsika sy ny isan-tokatrano ary ny isam-batan’olona mihitsy, ka handavorary izay ezaka tsara rehetra kasain’ny tsirairay sy ny isan’ambaratongany ho voninahitr’Andriamanitra ary ho hasambarana sy fiadanana ho antsika vahoaka tsy vaky volo. Hindraminay ny tenin’ireo Anjely nilaza fa ho teraka ny mpamonjy tany Betlehema hoe: “voninahitra ho an’Andriamanitra any amin’ny avo indrindra, ary fiadanana ho an’ny olona izay namindrany fo” (Lk 2, 14). Samia ho tahian’Andriamanitra ary manaova fety sambatra. Ankininay amin’i Masina Maria Renin’Andriamanitra hankalazaintsika amin’ny fomba manokana ny 1 Janoary sy Masindahy Josefa vadiny madio indrindra ianareo rehetra. |
|
. |
||
Nous, vos évêques, vous bénissons Fait à Antananarivo, ce dimanche 27 novembre 2022 Premier dimanche de l’Avent Les évêques de Madagascar |
Mitsodrano anareo izahay Evekanareo Natao teto Antananarivo, anio Alahady 27 Novembre 2022 Alahady voalohany amin’ny fiavian’ny Tompo Ny Evekan’i Madagasikara |
Partager l'article:
Point de situation cyclone
tropical Emnati. Bilan humain du 01 mars 2022 à 18h00. 15 décès enregistrés
(05 à Farafangana, 02 à Ihosy, 03 à Vangaindrano, 04 à Manakara et 01 à
Mananjary). • 169 583 personnes sinistrées (44 046 ménages) ; • 17 265
personnes déplacées (4 166 ménages) dans 71 sites d'hébergement de 11 Régions (Amoron'i
Mania, Androy, Anosy, Atsimo Andrefana, Atsimo Atsinanana, Fitovinany,
Ihorombe, Matsiatra Ambony, Sofia, Vakinankaratra et Vatovavy).
Bilan provisoire des dégâts après passage du Cyclone Tropical Emnati : Bilan humain du 26 Février 2022 à 16h00
· 09 décès enregistrés dont 04 à Farafangana, 02
à Ihosy et 03 à Vangaindrano ;
· 121 770 sinistrés (soit 33 280 ménages) dont 76 674 sinistrés
(soit 16 952 ménages) pour la Région Atsimo Atsinanana ;
· 86 995 personnes déplacées (soit 18 974
ménages) dont 66 118 personnes (soit 14 342 ménages) pour la Région Atsimo
Atsinanana ;
· L’ensemble des personnes déplacées est hébergé dans 123 sites
d'hébergement de 12 Régions : Amoron'i Mania, Androy, Anosy, Atsimo Andrefana,
Atsimo Atsinanana, Atsinanana, Fitovinany, Ihorombe, Matsiatra Ambony, Sofia,
Vakinankaratra et Vatovavy.
Bilan provisoire des dégâts après passage du Cyclone
Tropical Emnati : Bilan humain du 26
Février 2022 à 16h00
· 09 décès enregistrés dont
04 à Farafangana, 02 à Ihosy et 03 à Vangaindrano ;
· 121 770 sinistrés (soit 33
280 ménages) dont 76 674 sinistrés (soit 16 952 ménages) pour la Région Atsimo Atsinanana
;
· 86 995 personnes déplacées
(soit 18 974 ménages) dont 66 118 personnes (soit 14 342 ménages) pour la Région
Atsimo Atsinanana ;
· L’ensemble des personnes
déplacées est hébergé dans 123 sites d'hébergement de 12 Régions : Amoron'i Mania,
Androy, Anosy, Atsimo Andrefana, Atsimo Atsinanana, Atsinanana, Fitovinany,
Ihorombe, Matsiatra Ambony, Sofia, Vakinankaratra et Vatovavy.
Olana
nateraky ny compte fake. Niala tsiny tamin’i Madagascar Espace i Raveloson
Lee Priscilla, administrateur ny page « Mariazy ho anao », ny zoma 4
fevier lasa teo teny andrefan’Ambohijanahary. Niala tsiny satria nahatsiaro ho
nanana fahadisoana noho ny famelana ilay vaovao nataon’i Raholiarimanga Lovasoa
tompon’ny « compte fake Wella Romène » ka niteraka fahavoazana lehibe
ho an’i Madagascar Espace. « Tsy nohamariniko akory manko ny
fahamarinan’io publication io, ary
Raholiarimanga Lovasoa tompon’ny « compte fake Wella Romène » dia tsy
nanao mariazy tao amin’ity toerana ity araka ny fanamarihana nataon’ny
tompon’andraikitra ao amin’ny cybercriminalité.
Bilan provisoire des
dégâts (31 Janvier 2022 – 18h00). • 55 personnes décédées (Analamanga 39, Alaotra
Mangoro 7, Fitovinany 2, Vatovavy 3, Sofia 2, Analanjirofo 1, Matsiatra Ambony
1); • 131 549 sinistrés répartis dans 12 régions (Alaotra Mangoro, Analamanga,
Analanjirofo, Atsinanana, Boeny, Diana, Fitovinany, Itasy, Matsiatra Ambony, Sofia,
Vakinankaratra, Vatovavy) ; • 27 581 personnes déplacées dont 27 200
réparties sur 72 sites d’hébergement pour le Grand Tanà qui reste l’épicentre
des dégâts ; • 11774 cases d’habitation inondées ; • 58 cases d’habitation détruites.
Bilan provisoire des dégâts (27 Janvier 2022 – 18h30). · 48 personnes décédées (Analamanga 33, Alaotra Mangoro 7, Analanjirofo 1, Fitovinany 2, Soafia 2, Matsiatra Ambony 1, Vatovavy 2) ; · 129 718 sinistrés répartis dans 12 Régions (Analamanga 33, Alaotra Mangoro 7, Analanjirofo 1, Fitovinany 2, Soafia 2, Matsiatra Ambony 1, Vatovavy 2, Atsinanana, Boeny, Diana, Itasy, Vakinankaratra) ; · 55 362 personnes déplacées dont 47 619 réparties sur 98 sites d’hébergement pour la Région Analamanga qui reste l’épicentre des dégâts ; · 11 791 cases d’habitation inondées ; · 58 cases d’habitation détruites.
Bilan provisoire des dégâts (26 Janvier 2022 – 19h00). · 41 personnes décédées (Analamanga 32, Alaotra Mangoro 7, Analanjirofo 1, Matsiatra Ambony 1) ; · 110 394 sinistrés répartis dans 10 Régions (Analamanga 32, Alaotra Mangoro 7, Analanjirofo 1, Matsiatra Ambony 1, Atsinanana, Boeny, Diana, Itasy, Soafia, Vakinankaratra) ; · 71 781 personnes déplacées dont 55 859 réparties sur 90 sites d’hébergement pour la Région Analamanga qui reste l’épicentre des dégâts ; · 8 927 cases d’habitation inondées ; · 58 cases d’habitation détruites.
Bilan provisoire des dégâts (25 Janvier 2022 – 17h) : · 39 personnes décédées Alaotra Mangoro (7), Analamanga (31), MatsiatraAbony 1; · 67 042 sinistrés répartis dans 7 régions Alaotra Mangoro, Analamanga, Atsinanana, Boeny, Diana, MatsiatraAbony, Sofia; · 38 929 personnes déplacées réparties sur 72 sites d’hébergement pour le Grand TANA qui reste l’épicentre des dégâts ; · 7 524 cases d’habitation inondées dont 57 détruites; · 5640 enfants privés de cours; · 156 établissements scolaires touchés ; · 96% des personnes déplacées au niveau du Grand Tana (Source BNGRC).
Bilan provisoire des dégâts pour Grand Tanà (20 Janvier 2022 – 18h) : 11 personnes décédées. 23 428 sinistrés. 9 091 personnes déplacées réparties sur 26 sites d’hébergement. 3 497 cases / maisons d’habitation inondées. 11 cases / maisons d’habitation détruites.
Liste des sites d’hébergement actuels – Antananarivo (19
janvier). Pavillon Tsena Mora :187, Tentes dotées pour le fkt Amboditsiry :
650, Terrain foot près de Transport Leong ?, site Amboditanimena : 1 376,
site Imamba : 410, Gymnase Mahamasina : 2 717, Bureau Fokontany
Manjakamiadana : 183, EPP Manjakamiadana ?, bureau fkt Ambohipotsy :
200, ANS ampefiloha 32, Site Ambodimita : 16, EPP Andohatapenaka : 520,
bureau fkt Antohomadinika IIIG Hangar (200) : 98, Epp Antohomadinika IIIG Hangar (110) 106, Gymnase
Couvert Ankorondrano : 1 100, Bureau Fkt Andranoro : 8, bureau
fkt Ambodihady : 10, bureau fkt Ankazomanga Atsimo : 265, Site Trano
Karana près rond-point : 415, Bureau Fkt Ambodivonkely : 83, Biraom-pokontany
Antanjombe Ambony : 81.
Fifidianana ENAM. Migadona indray ity ny fotoam-pifidianana eny amin'ny ENAM Androhibe, anjaran' ny Cycle Expertise amin'ity indray mitoraka ity. 112 mianadahy izy ireo no indray handatsa-bato ho an'izay kandida laniny sy teliny hitantana ny andiany fahadimin'ny Cycle Expertise momba ny ady amin'ny tsy fahaiza-mitantanana eto amin'ny Firenena amin'ny alarobia 19 janoary 2022. Mizarazara amina - sampana efatra ny toeram-piofanana. Sampana samy miady amin'ny kolikoly sy ny tsy fanajana ny fahaiza-manao avokoa eo amin’ny ny asam-panjakana.
Fahatezeran’ny filoham-pirenena Andry Rajoelina teo Ivato. Tafaverina ny alatsinainy 30 aogositra teo ny filoha Rajoelina rehefa namita iraka ekonomika sy diplomatika tany Frantsa. Niara-dia tamin’ny mpilalao Barea sasay ny tenany. Nanao vaan-dresaka fohy tamin’ny mpanao gazety ny tenany teo ampahatongavana teo Ivato. Naneho ny hatezerany tamin’ny mpikambana ny FMF ny tenany (Federasiona Malagasy Football) izay nambarany fa nisakana ny fahafahan’ny mpijery manatrika ny alalan’ny Barea ny 2 spetambra. Hahita izay nanao sonia iny taratasy iy hoy izy.
Fitokanana ny Kianja Barea Mahamasina. Nambaran’ny filoha nandritra ny tafa fohy ntaony ho an’ny mpanao gazety teny Ivato fa ho tanterahina ny 4 septambra izao ny fitokanana ny Kianja Barea izay nokasaina natao ny 2 septambra. Ity kianja monisipaly ity dia nohavaozina nanomboka tamin’ny fiandohan’ny taona 2020, mitentina 77 tapitrisa dolara avy amin’ny volam-panjakana madiodio, araka ny nambara tamin’izany fotoana.
Famindram-pitantanana teo amin’ny Praiminisitra sy ny minisitry ny harena ankibonan’ny tany teo aloha. Notontosaina tamin’ny 23 aogositra 2021 ny famindram-pitantanana teo amin’ny Praiminisitra Ntsay Christian sy ny minisitry ny harena an-kibon’ny tany teo aloha Ravokatra Fidiniavo. Ny Praiminisitra izany no mitantana ity minisitera ity taorian’ny fametram-pialan’ny minisitra Brice Randrianasolo telo andro taorian’ny nanendrena azy tamin’ny 15 aogositra 2021.
Fahazoan’ny mpitsara bakalorea any Antsiranana vola tamin’ny faritra sy kaominina. Nanolotra vola ho an’ireo mpitsara fanadinana bakalorea izay nanao fitokonana ny governoran’ny Faritra Diana sy ny ben’ny tanànan’ny kaominina ambonivohitra Antsiranana tamin’ny 23 aogositra 2021. Mitentina 34 tapitrisa Ariary ny avy avy amin’ny governora ary 16 tapitrisa Ariary ny avy amin'ny ben’ny tanàna. Nilaza ny tsy hitsara manko ireo mpitsara raha tsy voaloa ny tambim-pitsaran’izy ireo teo aloha. Ny minisiteran’ny fampianarana ambony sy ny fikarohana siantifika anefa dia efa nilaza, araka ny fampahafantarana nataony tamin’ny 17 aogositra fa efa nalefa any amin’ny oniversite isanisany ny vola tambin-karaman’ireo mpitsara ny fanadinana bakalorea 2020.
Fivoaran’ny ‘covid-19’ sy ny hamehana ara-pahasalamana. Tsikaritra ho vitsy ny tranga vaovao amin’ny ‘covid-19’ raha mitaha amin’ny fitiliana atao tamin’iny herinandro iny, fa misy ihany ny tranga ahitam-pahasarotana. 3/351, 5/578, 3/845 ohatra ny tranga vaovao tamin’ny fitiliana natao tamin’ny 26, 27, ary 28 aogositra. Ny 23 marsa 2020 ka hatramin’ny 27 aogositra 2021, miisa 241 052 no fitambaran’ny fitiliana natao, miisa 955 ireo lavo, miisa 42 862 ireo tranga ka ny 42 566 no sitrana araka ny antotanisa ofisialy avy amin’ny minisiteran’ny fahasalamam-bahoaka. Mbola ao anatin’ny hamehana ara-pahasalamana i Madagasikara raha ny didim-panjakana navoaka tamin’ny 22 aogositra 2021, ary mipetraka ireo fepetra sakana samihafa.
Filaharana haka tapakila hidirana ao Mahamasina. Ho tokanana amin’ny 2 septambra, andro hanatanterahana ny lalao hifanandrinan’i Barea Madagasikara sy ny ekipan’i Bénin amin’ny fifanintsanana hiadiana ny amboara eran-tany 2022 ny kianja Barea ao Mahamasina, araka ny fandaminana avy amin’ny prezidansa nampitaina tamin’ny fiandohan’ny herinandro lasa teo. Filaharana lava hatramin’ny vao maraina no hita ny alakamisy 26 sy zoma 27 aogositra mba haka ny tapakila hidirana ao Mahamasina, hijery baolina sady hanatrika ny fitokanana ny kianja.
Fandavan’ny CAF ny hanatrehan’ny mpijery ny lalao ao Mahamasina. Nolavin’ny CAF (Confédération africaine de football) ny fangatahan’ny sekretera jeneralin’ny FMF (Fédération malagasy de football) ny hahafahan’ny mpijery miisa 1500 hanatrika ny lalao baolina kitra hatao ao Mahamasina amin’ny alakamisy 2 septambra 2021, ao anatin’ny fifanintsanana hiadiana ny amboara eran-tany 2022 hatao any Qatar. Araka ny fampatsiahivan’ny CAF ao amin’ny valim-pangatahan’ny FMF tamin’ny 27 aogositra, dia araka ny lamina napetraky ny CAF sy ny FIFA ny tsy hanatrehan’ny mpijery ny lalao noho ny valanaretina ‘covid-19’.
Hetsiky ny RMDM Frantsa sy fisamborana/ famotsorana an’i Fanirisoa Ernaivo. Nandritra ny dian’ny filoham-pirenena malagasy tany Paris no nisian’ny hetsiky ny rodoben’ny mpanohitra RMDM Frantsa tarihin’i Fanirisoa Ernaivo izay mitsikera hatrany ny fitantanan’ny filoha Rajoelina sy mitaky ny fialany. Nandritra ny fihaonana tamin’ny Medef ny 25 aogositra, dia nisy ny fisamboran’ny polisy frantsay ity mpitarika ny RMDM Frantsa ity noho ny vaovao nampitaina tamin’izy ireo fa hoe mitondra fitaovam-piadiana izy saingy navotsotra ihany satria tsy nahitana izany tany aminy. Nambara ihany koa ny fisian’ny ‘mandat d’arrêt international’ hisambotra azy saingy tsy azo notanterahina izany raha ny nambaran’ny nokasaina hosamborina satria mpialokaloka politika no maha any azy. Voalaza fa ‘mandat d’arrêt’ nosoniavin’ny minisitry ny raharaham-bahiny Patrick Rajoelina tamin’ny 16 aogositra izany. Ny minisitry ny fitsarana ankehitriny Imbiky Herilaza dia nanamafy fa didim-pitsarana efa nivoaka ny fisamborana azy, nilaza izy fa hifampiraharaha amin’ny fanjakana frantsay ny fanjakana malagasy ny hisamborana sy hampodiana an’i Fanirisoa Ernaivo aty Madagasikara.
Vidin-javatra midangana sy ny minisitera. Nametraka ny tokony ho saran’ny entana sasantsasany ilaina andavanandro ato anatin’ny enim-bolana ny minisitry ny indostria sy ny varotra ary ny fanjifana Edgard Razafindravahy. Tamin’ny 26 aogositra teo no nitondrany ny fanazavana momba izany. Anisan’izany ny menaka fihinana « huile de palme » izay tsy tokony hihoatra ny 6000 Ariary ny litatra, ny menaka soja ‘en vrac’ tsy tokony hihoatra ny 7000 Ariary ary ny anaty tavoahangy mihidy tsy hihoatra ny 7500 Ariary, ny vary tsy tokony hihoatra ny 2300 Ariary ny kilao, ny siramamy tsy tokony hihoatra ny 2600 Ariary ny kilao, torak’izany koa ny lafarinina tsy tokony hihoatra ny 2600 Ariary ny kilao, ny arina fandrehitra tsy tokony hihoatra ny 23 000 Ariary ny gony. Mbola lavitry ny vidiny teo aloha izay efa tsy zakan’ny ankamaroan’ny olona ireo raha ny fanehoan-kevitry ny olona satria tany amin’ny 5000 Ariary ny litatry ny menaka taon-dasa. Ny filoha malagasy moa dia nanome andro telo hamahana ny olan’ity fidangan’ny vidin’entana ilaina andavanandro ity tamin’ny kabariny saingy tsy tafa izany raha ny zava-misy.