logo
Lakroan'i Madagasikara
15 aogositra

Fetin’i Masina Maria tsy tokony hampisaraka

P. Yvon MATHIEU, scj. il y a 4 années

Mankalaza ny fetin’ny Fampakarana an’i Masina Maria any an-danitra isika ny 15 Aogositra. Raha i Masina Maria sy ny mombamomba azy anefa no asian-dresaka, dia maro no alaim-panahy hisaina avy hatrany ny tsy fitovian-kevitra aterany. Fandalinana. Lahatsoratra analaina tao amin'ny Gazety Lakroa lah. 3881, pejy 13.

Fetin’i Masina Maria tsy tokony hampisaraka
Mankalaza ny fetin’ny Fampakarana an’i Masina Maria any an-danitra isika ny 15 Aogositra. Raha i Masina Maria sy ny mombamomba azy anefa no asian-dresaka, dia maro no alaim-panahy hisaina avy hatrany ny tsy fitovian-kevitra aterany. Fandalinana.

 

Heverin’ny olona sasany ho porofo manamarina ny fisarahan’ny mpino kristianina ny fanapotehana ny sary vongan’i Masina Maria tao amin’ny fokontanin’Antsororokavo Fianarantsoa (Lakroan’i Madagasikara, laharana faha 3879, 3 aogositra 2014). Dia mipetraka ny fanontaniana hoe: mampisaraka ny mpino kristianina ve ny fety rehetra fanajana an’i Masina Maria sa misy tokony hodinihin’ny tsirairay lalina kosa ny sasany: sao mba manampy azy hino bebe kokoa sy hifikitra amin’i Jesoa ?

 

Ny mampiavaka ny Fiakaran’i Jesoa amin’ny Fampakarana an’i Masina Maria any an-danitra

 

Na amin’ny teny malagasy, na amin’ny teny frantsay, dia miavaka tsara ireto fety anankiroa ireto. Raha miteny hoe “Ascension” ny Frantsay, isika Malagasy kosa miteny hoe Fiakaran’i Jesoa any an-danitra. Efapolo andro manaraka ny fetin’ny Paka ny Eglizy no mankalaza izany. Na dia miteny hoe nakarina ho any an-danitra” i Lioka ao amin’ny Evanjely nosoratany (Lk 24, 51), ka naveriny indray ao amin’ny Asan’ny Apositoly hoe: “dia nakarina teo anatrehan’izy ireo... i Jesoa (Asa 1, 9), dia nohamafisiny tsara ao amin’ny fitantarany fa “niakatra any an-danitra” (Asa 1, 11) Izy. Ny fahefana sy ny herin’ny tenany amin’ny maha Andriamanitra Azy no niakaran’i Kristy any an-danitra. Fantany mialoha izany, satria nampiomana ny sain’ireo Apositoly izy nandritra ny fotoana niarahany tamin’izy ireo: “Handeha ho any amin’ny Raiko aho”, “Handeha aho hanomana toerana ho anareo” sns.

Ny an’i Masina Maria kosa dia “Assomption” no filaza azy amin’ny teny frantsay, izay adikantsika hoe Fampakarana an’i Masina Maria any an-danitra. Manazava koa i Mompera Carlo BERTON ao amin’ny boky nosoratany“I Maria: Renin’i Jesoa”, hoe“Nakarin’ny herin’Andriamanitra izay tompon’ny fanavotana izy. Vokatry ny fanavotana nataon’i Jesoa Zanany izany, ilay Mpandresy ny fahafatesana” (p.130).

Na dia mazava be toy izany aza ny mampiavaka ireto fety anankiroa ireto, dia isan’ny vato fanafintohinana ho an’ny sasany ny fandikana vilana azy, ka mampametra-panontaniana ny maro hoe: Tsy nandalo fahafatesana toa an’i Jesoa Zanany ve izany i Masina Maria?

Ny zavatra tsy fantatra no mampisalasala sy tsy mampino ary mampanaonao foana. Izany indrindra no mitranga raha vao ity fetin’ny 15 Aogositra ity no resahina, satria misy mihevitra tokoa fa tsy maty i Masina Maria fa nampakarina velona any an-danitra. Sao vokatry ny tsy fahalalana ny marina momba ny fety tokoa izany, ka mahatonga fandikana vilana ny tena heviny ?

 

Ny fampianaram-pinoana fototra omen’ny Eglizy

Mazava tsara ny famaritan’ny Konsily Vatikana faha 2 ny fetin’ny 15 Aogositra, izay mamerina ny fanambarana nataon’i Papa Pie faha 12 tamin’ny 1 novambra 1950 (foto-pampianarana apositolika Munificentissimus Deus) : “...nony tapitra ny fiainany teto an-tany, dia nampakarina vatana sy fanahy any amin’ny voninahitra any an-danitra... mba hitoviany kokoa amin-Janany... nandresy ny fahotana sy ny fahafatesana” i Masina Maria (Fiangonana Fahazavan’izao tontolo izao, LG § 59).

Mbola azo heverina ho tsy fahafatesana ihany koa ve ilay Torimaso lava, andikana ny fety ortodoksa hoe “Dormition”?

Efa tany amin’ny taonjato fahadimy sy fahenina no nankalaza ny 15 Aogositra ny fiangonana kristianina tatsinanana. Torimaso lavan’i Masina Maria no ilazany azy io, na “Dormition” amin’ny dikan-teny frantsay. Tsy hoe voakaikitr’irony lalitra mampatory irony akory i Masina Maria na koa matory foana no raharahany any an-danitra, fa raha izany dia tsy niseho tetsy sy teroa Izy : Lourdes, La Salette, sns. Fantatsika rehetra fa ny Malagasy fahiny, raha hiteny fa maty na nodimandry ny Mpanjaka iray, dia ataony hoe “niamboho ny mpanjaka”. Tsy misy valaka amin’izany ity teny hoe Torimaso lava ity. Ary ny Soratra Masina ihany dia ampy hanazava amintsika ny tena dikany: “Matory i Lazara sakaizantsika, ka handeha Aho hamoha azy”, hoy i Jesoa tamin’ireo Apositoly (Jo 11, 11). Zavatra hafa no tao an-tsain’ireo mpianany, ka voatery nanome fanazavana misimisy kokoa i Joany mpanoratra ny Evanjely nanao hoe : “Ny nahafatesany no nolazain’i Jesoa, nefa torimaso tsotra izao kosa no nampoizin’izy ireo” (Jo 11, 13). Dia i Jesoa mihitsy no nanazava tsara tamin’ny farany hoe: “Maty i Lazara”(Jo 11, 14). Ny Torimaso lavan’i Masina Maria izany dia tsy inona fa fahafatesana am-piadanana.

Mazava tsara amintsika rehetra amin’izao àry, fa tena nahatapitra ny fiainany tety an-tany tokoa i Masina Maria, fa raha tsy izany, dia mandringa ny asa fanavotana nataon’i Jesoa Zanany nandalovan’ilay Andriamanitra tompon’ny Aina ny lalan’ny fahafatesana, raha toa ka tsy nananjara tamin’izany lalan’ny miankandrefam-baravarana izany ilay Renin’Andriamanitra nanome ny Zanany ny fomban’ny olombelona afa-tsy ny fahotana irery ihany.

Araka izany, dia isan’ny fety mampiray ny mpino kristianina rehetra ny fetin’ny 15 Aogositra nampakarana an’i Masina Maria any an-danitra, satria fandraisana anjara miavaka amin’ny fitsanganan’ny Zanany ho velona (Katesizin’ny Fiangonana Katolika, § 966), ilay Lahimatoa amin’ny maty rehetra. Ary na inona na inona ny antokom-pinoana maha kristianina antsika dia manao fiekem-pinoana hoe : “Izaho mino ny fitsanganan’ny vatana amin’ny maty”. Samy miandrandra ilay fahasoavana nomena an’i Masina Maria mialoha isika tsirairay avy, raha mbola mihevi-tena ho kristianina ihany, dia isika izay “misento ao anatintsika ao, miandry ny fananganan-janaka amam-panavotana ny vatantsika” (Rom 8, 23). Santarin’i Masina Maria, ilay vehivavy nino voalohany ny teny rehetra nolazain’ny Tompo taminy ny fanantenana ilay Paradisa manomboka ety an-tany, ka hahatanteraka ny faminanian’i Md Paoly hoe : “Ary rahefa mitafy ny tsy fahalòvana ity mety lò ity, ka mitafy ny tsy fahafatesana ity mety maty ity, dia ho tanteraka amin’izay ny teny voasoratra hoe: Efa noresena ny fahafatesana ka levona” (1 Ko 15, 54). Manamafy izay ny voalazan’ny Papa Fransoa tamin’ny toriteniny ny 15 aogositra 2013 hoe : “i Masina Maria dia sady renintsika no rahavavy ary anabavintsika”: noho izy voaloam-bokatry ny voavotra noho ny fitsanganan’i Jesoa Kristy.

Partager l'article:

Lakroa en direct
  • 16 Nov. 2018 - 07:45-

    Voici les tendances publiées sur le site de la CENI ce 16 novembre 2018 à 6 heures et 58 minutes. C’est une tendance nationale, BV traités : 22 576 sur 24 852 soit : 90,84%. Inscrits : 8 906 101 sur 9 913 599 votants : 4 807 829 suffrages exprimés 4 453 212 soit 92,48%. Taux de participation : 53,98%.

    - RAJOELINA Andry Nirina : 1 763 347 soit 39,60%

    - RAVALOMANANA Marc : 1 535 795 soit 34,49%

    - RAJAONARIMAMPIANINA Hery : 390 356 soit 8,77%

    - MAILHOL André Christian Dieu Donné : 56 928 soit 1,28%

    - RANDRIAMAMPIONONA Joseph Martin : 53 629 soit 1,20%

    - RAFALIMANANA Ny Rado : 52 897 soit 1,19%

  • 16 Nov. 2018 - 07:45-

    Administrateur apostolique du diocèse de Mahajanga. Mgr Gustavo Bombin Espino, OSST, actuellement évêque du diocèse de Maintirano (dont il est le premier évêque) a été désigné comme Administrateur apostolique du diocèse de Mahajanga. L’annonce a été faite durant les obsèques de Mgr Roger Victor Solo Rakotondrajao le vendredi 9 novembre à Mahajanga. Pour mémoire, Mgr Gustavo Bombin Espino était évêque de Tsironomandidy entre février 2004 et février 2017 ‘érection du noouveau diocèse de Maintirano). Mgr Gustavo Bombin Espino est né le 24 septembre 1960 à San Llorente (Valadolid en Espagne).

  • 14 Nov. 2018 - 13:41-

    Voici les tendances publiées sur le site de la CENI ce 14 novembre 2018 à 13 heures et 6 minutes. C’est une tendance nationale, BV traités : 17504 sur 24 852 soit : 70,43%. Inscrits : 7 062 725 sur 9 913 599 votants : 3 827 816 suffrages exprimés 3 539 985 soit 92,48%. Taux de participation : 54.20%.

    - RAJOELINA Andry Nirina: 1396356 (39.45%)
    - RAVALOMANANA Marc: 1297579 (36.65%)
    - RAJAONARIMAMPIANINA Hery: 266857 (7.54%)
    - MAILHOL André Christian Dieu Donné: 46243 (1.31%)
    - RANDRIAMAMPIONONA Joseph Martin: 41091 (1.16%)
    - RAFALIMANANA Ny Rado: 39742 (1.12%)

  • 13 Nov. 2018 - 14:56-

    FMF out, comité de normalisation in. Le Bureau du Conseil de la FIFA a décidé, ce 12 novembre 2018, de désigner des comités de normalisation pour les Fédérations de Football de République dominicaine (FEDOFUTBOL) et Madagascar (FMF) conformément à l’art. 14, al. 1a et l’art. 8, al. 2 des Statuts de la FIFA. À Madagascar, la décision de nommer un comité de normalisation est liée à la procédure électorale de la FMF, qui n’a pas été effectuée conformément aux exigences réglementaires applicables aux membres de la FIFA. Le mandat du comité expirera au plus tard le 12 mai 2019. La participation des Barea à la CAN n'est pas concernée par la mise en place du comité de normalisation.

  • 13 Nov. 2018 - 07:46- Voici les tendances publiées sur le site de la CENI ce 13 novembre 2018 à 6 heures et 57minutes. C’est une tendance nationale, BV traités : 13 283 sur 24 852 soit : 53,45%. Inscrits : 5 370 311 sur 9 913 599 votants : 2 876 312 suffrages exprimés 2 659 943 soit 92,48%. Taux de participation: 53,56%.
    - RAJOELINA Andry Nirina : 1 051 134 (39,52%)
    - RAVALOMANANA Marc: 950 724 (35,74%)
    - RAJAONARIMAMPIANINA Hery: 212 682 (8%)
    - MAILHOL André Christian Dieu Donné: 35 382 (1,33%)
  • 12 Nov. 2018 - 08:08-

    Voici les tendances publiées sur le site de la CENI ce 12 novembre 2018 à 6 heures et 8 minutes. C’est une tendance nationale, BV traités : 10437 sur 24852 soit : 42%. Inscrits 4 285 527 sur 9 913 599 votants : 2 301 808 suffrages exprimés 2 129 443 soit 92,51%. Taux de participation: 53.71%.

    - RAJOELINA Andry Nirina : 835301 soit 39.23%
    - RAVALOMANANA Marc: 785748 soit 36.90%
    - RAJAONARIMAMPIANINA Hery: 160879 soit 7.55%
    - MAILHOL André Christian Dieu Donné: 28308 soit 1.33%

  • 10 Nov. 2018 - 12:47-

    Voici les tendances publiées sur le site de la CENI ce 10 novembre 2018 à 10h 25minutes. C’est une tendance nationale, nombre de bureau de vote (BV) traité : 3 663  sur les 24 852. Inscrits : 1 646 896 sur 9 913 599 votants : 860 662. Suffrages exprimés : 798 788. Taux de participation : 52.26%.  

    RAJOELINA Andry Nirina : 40.90%.

    RAVALOMANANA Marc: 39.09%.

    RAJAONARIMAMPIANINA Hery: 5.75%

    MAILHOL André Christian Dieu Donné: 1.46%

    RABARY Andrianiaina Paul: 0,95%

  • 06 Nov. 2018 - 07:44-

    Camions pour le SAMVA. Le communiqué du Conseil des Ministres du lundi 5 novembre 2018 effectué 16 Heures au Palais d’Ambohitsorohitra nous apprend l’arrivée d’un premier lot de 11 camions remis au SAMVA (Service Autonome de Maintenance de la Ville d'Antananarivo) pour l’enlèvement des ordures de la capitale a été portée à la connaissance du Conseil, et le Chef de l’Etat a insisté sur l’importance d’une bonne gestion de ce nouveau parc de véhicules et la mise en place de procédures de contrôles strictes. On attend les impacts réels de cette remise de camions.

  • 04 Nov. 2018 - 08:46-

    Nodimandry i Mgr Rakotondrajao Roger Victor Solo. Nodimandry ny sabotsy 3 novambra teo i Mgr Rakotondrajao Roger Victor Solo, evekan’i Mahajanga, mpiahy ny vaomieran’ny « Justice et paix » nasionaly sy ny fonja. Tsiahivina etoana ny resaka nataony mikasika ny tany ao Soamahamanina. Lahatsoratra nivoaka tao amin'ny Lakroan'i Madagasikara laharana 3979, pejy faha-12 ary ity ny rohy ahitana izany eto amin’ny www.lakroa.mg  https://www.lakroa.mg/item-818_articles_dossier_18-resaka-nifanaovana-tamin-i-mgr-rakotondrajao-roger-victor-solo.html

  • 24 Oct. 2018 - 11:42-

    Endrika fanakorontanana. Nanambara ny Za’Gasy ny zoma 19 okitobra lasa teo teny Ambohimitsimbina fa tena fanakorontanana no nataon’ilay mpomba ny kandida iray heverina fa goavana, izay nitaona ny ireo izay tsy voasoratra amin’ny lisi-pifidianana ho tonga hifidy amin’ny biraom-pandatsaham-bato 7 novambra. Marihina fa nitety haino aman-jery io pomba ny kandida iray io ny 18 okitobra lasa teo. Miantso ny Ceni sy ny Cfm ary ny mpitandron’ny filaminana ary ny Hcc mba hanao fanazavana mikasika ny fakana ordonnance sy ny resaka lisi-pifidianana ity fa mety hampikorontana ny fifidianana.

  • 17 Oct. 2018 - 07:46-

    Sipem Bank. Tamin’ny desambra 2014 no nahazo ny agrément bancaire ny Sipem bank. Miasa toy ny banky izy ankehitriny. Betsaka ireo tolotra misy amin’izany, toy ny fampindramam-bola. Marihina fa ity orinasa ity dia tena orinasa malagasy araka ny nambaran’ireo mpikarakara. Malagasy avokoa ireo mpiasa ao. Ny Malagasy ihany koa no manana petra-bola betsaka ao na hoe majorité. « Orinasa madinika sy ireo orinasa vaventy no mihindram-bola ato aminay amin’izao fotoana izao » hoy ihany izy ireo. Izy rahateo dia niatomboka tamin’ny micro-finance.

  • 28 Sep. 2018 - 06:51-

    Salon des écoles supérieures catholique. Le salon des Ecoles supérieures Catholique se déroule ce vendredi 28 septembre 2018 au sein du Collège Saint Michel Amparibe. 22 universités, écoles et instituts supérieurs participent à ce salon. L’enseignement supérieur catholique se veut être le moteur de la chrétienneté et de la citoyenneté responsable. L’événement est placé sous le patronage de SEM Mgr Benjamin Marc Ramaroson, Archevêque d’Antsiranana et Président de la commission épiscopale pour l’éducation et l’enseignement catholique.

  • 14 Sep. 2018 - 08:38-

    Poulet de chair à Madagasikara. Pour Olivier Fanchette, de Innodis Poultry, il y a encore de la marge pour produire du poulet de chair à Madagasikara. “C’est pour cette raison que nous participons à la Foire Internationale d’Agriculture”. Innodis Poultry est l’un des plus grands producteurs de poulet de l’île Maurice. Selon Fanchette, cette société exporte vers Madagasikara du poulet de chair avec garantie sanitaire sans antibiotiques. De son côté Iqbal Mohungoo, de la société Meaders Feeds, assure l’alimentation des poulets de chair, une alimentation répondant aux besoins d’une clientèle autant présente sur le marché local que régional dont Madagasikara.

  • 13 Sep. 2018 - 07:45-

    Colloque sur l’énergie. Lors d’une rencontre avec la présse Andry Ramaroson a fait savoir que le Groupement Des Professionnels de l’Energie à Madagascar GDPEM organise un colloque en entrée libre qui se tiendra au 3A Andrefanambohijanahary durant 2 jours ou 4 demi-journées avec comme thème “Energie, 1er levier de la croissance économique de Madagascar”. La première demi-journée (matin du 14 septembre) une conférence-débat sur l’économie d’énergie et l’après-midi sur le génie électrique. La troisième demi-journée (matin du 15 septembre) une conférence-débat sur le thème 1er levier économique de Madagascar. Et l’après-midi sera consacré à la restitution des travaux.

  • 10 Sep. 2018 - 07:28-

    Affaires courantes du Président. Pour la HCC, rentrent dans la catégorie juridique des attributions présidentielles courantes, les affaires constituant la poursuite normale d’une procédure régulièrement engagée avant la démission du Président de la République, toute affaire dont l’importance dépasse celle des affaires de gestion journalière si la procédure qui a donné lieu à l’acte règlementaire concerné a été engagée bien avant la période critique et a ensuite été réglée sans précipitation et si les questions politiques, qui ont pu se poser sur le plan administratif, ont été résolues avant cette période critique.

  • 10 Sep. 2018 - 07:28-

    Non affaires courantes du Président. Pour la HCC, ne rentrent pas dans les compétences attribuées au Chef de l’Etat ad intérim celles qui procèdent des articles 45 alinéa 3, 54 ; 55 -2°, 4° sauf en cas de faute grave ou de crime ou délit commis par le haut fonctionnaire, 5°, 6°, 7°, 8° ; 56 ; 57 alinéa premier ; 58 ; 59 alinéa 2 ; 60 ; 61 ; 103 ; 104 ; 107 ; 137 ; 162 ; 163. Il est habilité à exercer toutes les autres attributions confiées au Président de la République par la Constitution.

  • 01 Sep. 2018 - 09:48-

    Journée mondiale de prière pour la sauvegarde de la création 2018. Instituée en 2015 par le Pape François, quelques mois après la publication de son encyclique « Laudato si’, sur la sauvegarde de la maison commune », cette journée a lieu chaque 1er septembre, en communion de prière avec les Eglises orthodoxes, « pour offrir « à chacun des croyants et aux communautés la précieuse opportunité de renouveler leur adhésion personnelle à leur vocation de gardiens de la création, en rendant grâce à Dieu pour l’œuvre merveilleuse qu’Il a confiée à nos soins. » (Pape François, Lettre du Pape François pour l’institution de la « Journée mondiale de prière pour la sauvegarde de la création », 6 août 2015).

  • 01 Sep. 2018 - 07:56-

    Liste des personnes exerçant des hautes fonctions et hauts emplois civils et militaires de l’Etat, candidates aux élections, assujetties à l’obligation de démission prévue à l’article 6 alinéa 5 de la Loi organique relative au régime général des élections et des référendums. I – Les personnes nommées aux hautes fonctions et hauts emplois civils de l’Etat :   – Grand Chancelier de l’Ordre National malagasy ; – Ambassadeurs ou chefs titulaires de missions diplomatiques avant rang d’Ambassadeurs ; – Gouverneur de la Banque Centrale ; – Secrétaires généraux, Directeurs généraux et Directeurs de ministères ; – Présidents d’Universités ; – Représentants de l’Etat au niveau des collectivités territoriales décentralisées ; – Directeurs généraux, membres des organes d’administration ou de gestion des organismes rattachés aux Institutions et aux départements ministériels.

  • 01 Sep. 2018 - 07:55-

    Liste des personnes exerçant des hautes fonctions et hauts emplois civils et militaires de l’Etat, candidates aux élections, assujetties à l’obligation de démission prévue à l’article 6 alinéa 5 de la Loi organique relative au régime général des élections et des référendums. II – Les personnes dont la nomination aux hautes fonctions et hauts emplois militaires est faite par décret en Conseil des Ministres : – Officiers Généraux ; – Inspecteur général de l’Armée Malagasy; – Inspecteur général de la Gendarmerie Nationale ; – Chef de l’Etat-Major général de l’Armée Malagasy ; – Commandant de la Gendarmerie Nationale ; – Adjoints au chef de l’Etat-Major général de l’Armée Malagasy; – Adjoints au Commandant de la Gendarmerie Nationale ; – Commandant des Forces Aériennes ; – Commandant des Forces Navales ; – Commandant des Forces d’Intervention – Commandant des Forces de développement ; – Chef d’Etat-major du commandement de la Gendarmerie Nationale ; – Commandants des régions militaires; – Commandants des Circonscriptions inter-régionales de la Gendarmerie Nationale ; – Tous autres fonctions et hauts emplois militaires dont la nomination est faite par décret en Conseil des Ministres.

  • 24 Aug. 2018 - 00:29-

    Le couple présidentiel a reçu, ce matin du 22 Août 2018, l’Archevêque de Toulouse, Mgr Le Gall Robert au Palais d’Iavoloha, dont c’est la seconde visite à Madagascar. Les discussions ont porté sur les actions humanitaires de la diaconie catholique de France àa Madagascar « Nous avons été très heureux de cette rencontre qui honore notre mouvement sur la diaconiede la beauté, et comment la beauté sous toutes ses formes pourrait conduire à Dieu » a déclaré Mgr Le Gall, qui a notamment le diocèse de Lourdes sous sa responsabilité. La place et le rôle de la Grande Île au niveau de la Région Océan Indien et sur le plan international ont été aussi évoqués lors de la rencontre

Du même auteur

monde
politique

Dans la même rubrique

religion
religion
Publicité