“Nikely aina mandrakariva koa aho mba tsy hotsinin’ny feon’ny fieritreretako,
na eo anatrehan’Andriamanitra, na eo anatrehan’ny olombelona” (Asa 24,
16)
.
Ry havana, Homba anareo anie ny fiadanana!
.
01. Ao anatin’ny hafaliana sy ny fanantenana entin’i Kristy tafatsanganko velona no iarahabanay anareo indray amin’ity hafatra ampitainay Evekan’i Madagasikara ity. Izay niainan’ireo mpianatra roa lahy tany Emaosy no irarianay iainantsika mianakavy: ho eo anivontsika hatrany i Kristy, na dia eo aza ny fahasahiranana mianjady amintsika amin’ny endriny samihafa. Ny fihaonantsika Aminy sy ny fihainoantsika ny Teniny anie ho loharanom-piadanana ho an’ny tokantrano tsirairay.
Raha ny fiainan’ny Eglizy manokana no jerena dia mampisaotra an’Andriamanitra ny fahatongavan’i Monseigneur Tomasz Gryza, solontenan’ny Papa eto amintsika. Nanamarika manokana an’ity taona ity ihany koa ny fanamasinana an’i Monseigneur Donatien Francis Randriamalala ho Eveka’ny diosezin’Ambanja sy ny fametrahana an’i Monseigneur Zygmunt Robaskiewicz ho Evekan’i Mahajanga. Entintsika am-bavaka ny androm-pirenena ho an’ny ankizy (JNE) izay hatao amin’ny volana jolay 2023 eto Antananarivo ka harahintsika tsara ireo lamina sy toromarika omen’ny tompon’andraikitra. Efa mitodika any amin’ny taon-jobilin’ny Fanantenana amin’ny taona 2025 sahady koa ny fijerin’ny finoantsika. Fahasoavana miampy fahasoavana ireo.
.
MANOVA KOLONTSAINA NY FAHANTRANA
02. Raha atao indray mijery ny fiainam-pirenena dia izao no azo lazaina: tsy azo odian-tsy hita ireo ezaka sy zava-bitan’izao fitondrana izao, raha tsy hiteny afa-tsy ny foto-drafitr’asa (sekoly, hopitaly, fandrakofana tara ny lalam-pirenena sasany, lalan-kely), ny fandraisana ireo mpampianatra FRAM ho mpiasam-panjakana, ny asa avotra mirindra sy asa tana-maro, ny fanomezana alalana ireo fikambanana sy vondrona misehatra amin’ny fampivoarana, ny fandriam-pahalemana amin’ny faritra sasany. Tsy vitsy koa ireo olona tsara sitra-po miezaka manao ny marina sy mifanakalo hevitra amin’ny Raiamandreny am-panahy ato amin’ny Eglizy ary miezaka mampanjaka ny fahamarinana.
03. Eo andanin’izany anefa dia miharihary ny fahantrana lalina sy amin’ny lafiny maro izay mampikaikaika tokoa hatraiza hatraiza. Saika sehatra rehetra mihitsy no isehoan’ny fahantrana mahazo antsika, na ara-toe-karena(1) izany na ara-piarahamonina na ara-pitondran-tena(2) sy toe-tsaina, ny tontolo iainana(3) ... Miova tsikelikely hatramin’ny kolontsaina izay manefy ny fomba fisainana sy ny fomba fiainana ary ny fomba fifandraisana. Ary miova koa hatramin’ny fihainoana ny feon’ny fieritreretana izay mirona tsikelikely amin’ny famonoana olona sy ny herisetra, ny fitsaram-bahoaka, ny kolikoly, ny fanariana ny zaza nateraka, ny halatra mason’ny varira sy taolam-paty, ny doro tanety sy ny fanondranana antsokosoko ny harem-pirenena, ny fidorohana zava-mahadomelina, sns. Ilay fandalan’ny Malagasy ny aina dia nivadika ho kolontsaim-pahafatesana. Lasa kolontsaina tsikelikely ny kolikoly sy ny tsy firaharahana ny lalàna ary tonga hatramin’ny tsy firaharahana ny hafa(4), ny tsy fifampihainoan’ny mpitondra sy ny vahoaka, na ny vahoaka samy vahoaka. Ny tena mampalahelo dia manao an’ireo ny kristianina sy ny mpivavaka. Ny mpitondra sy tompon’andraikitra izay natao hanome ohatra no miova toe-tsaina voalohany; hany ka manaraka ho azy ny vahoaka. Ny maha olona mihitsy no mikorontana araka ny fomba fijerin’ny Papa Benoît XVI(5).
Manampy trotraka an’izany ireo fampanantenana maro izay tsy tanteraka ka mampiraviravy tanana ny vahoaka na mampanaonao foana azy. Miaka-bidy tsy miato sady haingana ny zavatra ilain’ny vahoaka andavanandro; mitaraina ny mpamboly sy ny mpiompy fa tsy misy mpiraharaha ny olany; mihalafo hatrany ny fampianaran-janaka ary mihagoragora ny fanabeazana; mitombo hatrany ireo very asa sy tsy an’asa; mihapotika ny lalana manerana an’i Madagasikara. Tsy ahitam-bahaolana maharitra ny fahasahiranan’ny vahoaka amin’ny jiro sy ny rano ary ny maro hafa. Hany ka tsy hita taratra intsony ny maha fanasina sy fahazavana ny mpianatr’i Kristy (jereo Mt 5,13-14) sy ny maha vavolombelona azy (jereo Asa 1,8).
04. Singanina manokana koa ny tontolo iainana izay mihapotika hatrany nefa tsy mahataitra ny maro, na ny mpitondra na ny vahoaka. Maika ny fampiharana ny lalàna sy ny fanasaziana mafy ireo mpanimba. Ezaka ifarimbonan’ny rehetra ny fanentanana momba ny fiarovana ny tontolo iainana: mpitondra, vahoaka, fianakaviana, mpanabe, mpanao politika, mpitondra fivavahana, mpanao gazety, mpikaroka, mpanan-kanto, miaraka amin’ireo rafitra sy fikambanana ary vondrona samihafa.
MIANTOKA NY HOAVINTSIKA NY FIFIDIANANA
05. Hiatrika fifidianana isika amin’ity taona ity. Adidy amin’ny maha olom-pirenena sy amin’ny maha kristianina izany. Manomboka hatrany amin’ny fanaraha-maso ny fisoratana anarana ao amin’ny lisi-pifidianana ka hatrany amin’ny fandatsaham-bato sy ny fiarahana manara-maso ny voka-pifidianana. Ao anatin’ny “fotoana mialoha ny fampielezan-kevitra” (pré-campagne) isika izao. Lasa alohan’ny fotoana ny famoriam-bahoaka etsy sy eroa mbamin’ireo fomba fanao amin’ny fampielezan-kevitra. Hatramin’ny hetsika ara-piarahamonina sy ara-pivavahana avy no atao fitaovana hahazoana ny fon’ny mpifidy amin’ny fifidianana. Atahorana hiteraka ady sy fisarahana ny hetsika ataon’ireo mpanao politika sy ny mpilatsaka hofidiana.
Aoka anefa isika tsy ho alaim-panahy tsy hifidy na sanatria hitaona ny hafa tsy hifidy noho ny toa tsy fahombiazan’ny fifidianana tany aloha. Tsy ho very ny ezaka ataon’ny tsirairay sy iaraha-manao, fa anjara biriky amin’ny fitiavan-tanindrazana. Ny feon’ny fieritreretany no tokony hibaiko ny tsirairay fa tsy izay be mpanaraka na izay ahazoana tombontsoa vetivety. Masina sy sarobidy ny feon’ny fieritreretana satria ao no ihainoantsika ny feon’Andriamanitra koa aoka samy ho saro-piaro amin’izany. Ampahatsiahivina hatrany fa tsy misy afaka misandoka ho kandidàn’ny Eglizy katolika.
Ny miantoka ny fifidianana madio sy mahomby dia ny fanajan’ny olon-drehetra ny lalàna sy ny fitsipika rehetra momba izany. Natao hanome ohatra amin’izany ny mpitondra sy tompon’andraikitra rehetra amin’ny fifidianana; toy izany koa ireo mpilatsaka hofidiana sy ny mpomba azy. Ary tena iankinan-javatra lehibe ny fahaizan’ny vahoaka manaja ny lalàna sy ny fitsipika rehetra momba ny fifidianana. Koa entintsika am-bavaka sahady ny dingana sy ny ezaka andrasana amin’ny rehetra.
Ny mikasika ny olona tokony hofidiana, na dia eo aza ny feon’ny fieritreretan’ny tsirairay izay tena hajaina tokoa, dia mba tianay ihany ny mampahatsiahy ny toetra tokony hananany satria “ny politika dia fitaovana fototra hanatsarana ny fiainana maha olom-pirenena sy vinavina ho an’ny olombelona(6) ”. Olo-marina sy hendry ary tia tanindrazana no ilain’i Madagasikara, izany hoe olona mpanara-dalàna sy sarotiny amin’ny lalàna, tsy mizaha tavan’olona. Tsy maintsy ho olona manana ny maha izy azy ihany koa, fa tsy voafatotry ny politikan’ny antokony na ny tombontsoan’ny fianakaviany na ny faritra niaviany. Ary ny tena ilaina amin’ity fifidianana ity dia olona mahay mihaino ka vonona sy manana vinavina mazava hanarina izao fahantrana lalina mahazo ny vahoaka malagasy izao; tsy hanilika andraikitra amin’ireo mpitondra teo alohany fotsiny. Olona misokatra amin’ny hafa koa no ilaina, ary afaka mampisokatra ny firenena amin’ny hafa satria tsy miteraka afa-tsy fizarazarana ny fitiavan-tanindrazana manilika ny hafa, araka ny fampahatsiahivan’i Papa François(7).
FO MADIO, FANANTENANA, FIROTSAHANA
06. Tsy ny fifanomezan-tsiny sy ny fifanilihana andraikitra mihitsy no hampandroso ny firenena. Ny toetran’ny fon’ny tsirairay sy ny mpiara-miaina no tsy maintsy itodihana. Ny fon’ny olona no fototra iavian’ny ratsy rehetra, araka ny fampianaran’i Jesoa (jereo Mk 7,16-23). Fibebahana no takiana, fo madio no ilaina hananan’ny olona rehetra(8) mba hampirindra ny fiaraha-miaina(9) sy ny fampivoarana iarahana. Ho lohalaharana amin’izany ny kristianina amin’ny ambaratonga rehetra misy azy.
Raha namangy antsika ny Papa François tamin’ny taona 2019 dia “mpamafy fanantenana sy fiadanana” no niantsoana azy. Izany no nilazana ny iraka nataony taty amintsika, izay iraka ampanaovina ny Eglizy manontolo. Isika no Eglizy hanatontosa izany iraka izany. Ka tsy hiraviravy tanana isika na hanaraka ny rivotry ny tantara fotsiny; satria ao am-pontsika ny fanantenana avy amin’ny fitsanganan’i Jesoa Tompo ho velona. Vavolombelon’izany fanantenana izany ny kristianina, ary ho mpitondra azy eo anivon’ny vahoaka malagasy mikaikaika sy mila hanary toky ary efa mitady hivaona amin’ny fomba fiainana sy ny fomba fisainana. Vao mainka miantso antsika kristianina hatrany izao zava-misy sarotra iainantsika izao mba hijoro amin’ny finoana maha kristianina antsika, haneho eo amin’ny fiainantsika fa olona nahazo fampianarana sy fahasoavana isika. Hasehontsika fa na mafy toy izao aza ny fiainana dia azo atao hatrany ny mijoro amin’ny finoana, ny manao ny marina sy miaro azy, ny manaja ny fihavanana sy mitandrina ny didin’Andriamanitra. Fotoana izao hanehoana fa ny feon’ny fieritreretana ihany no milaza amintsika ny marina. Miantso antsika amin’ny fifampitsinjovana maha kristianina antsika izao fahantrana lalina izao, indrindra ny fitsinjovana ny madinika sy ny sahirana rehetra.
Miantso antsika Eglizy ihany koa ny fahantran’ny firenentsika hanohy sy hanamafy ireo ezaka irotsahantsika hanompoantsika ny mpiray tanindrazana. Hitady lalana hatrany isika mba hahazoan’ny taranaka fanabeazana feno sy madio, amin’ny alalan’ny sekoly sy ny fikambanana masina. Ny fiahiana ny mahantra, ny marary, ny bado, ny sembana sy ireo voailika no mari-drefy ahalalana fa tsy mivaona amin’ny Vaovao Mahafaly ny fiainantsika ny finoana. Hozohina sy hosokafana hatrany ny pastoraly fanatonana ny olona sy fampivoarana azy amin’ny maha olona manontolo. Ny fanabeazana no ivon’io fampivoarana io ka niantsorohan’ny Eglizy hatramin’izay. Hojerena akaiky amin’izany ny fidorohana zava-mahadomelina izay lasa fomba fiainana ary tsy mifidy taona sy anjara fari-piainana. Hataontsika laharam-pahamehana amin’ny fijoroana amin’ny finoana sy amin’ny fampivoarana ny fikajiana ny tany “tranobe iombonantsika” sy ny tontolony. Tsy ho mpanaraka izay fanaon’ny olona isika satria tsy izay fanaon’ny olona dia mety avokoa; fa hahatsiaro tena ho mpitarika ny hafa ho any amin’i Jesoa “Lalana sy Fahamarinana ary Fiainana” (Jo 14,6). Izany no maha vavolombelon’ny fanantenana antsika.
MBA HO EGLIZY MIARA-DIA
07. “Aza miady irery fa sao resy”, hoy ny hirantsika. Mivoy fiarahan-dia rahateo ny Sinaody ataontsika amin’izao fotoana izao. Amin’ny maha Eglizy miara-dia antsika no iatrehantsika ny andavanandrom-piainantsika izay iarahantsika amin’ny Malagasy sy ny olombelona rehetra. Hotadidiantsika sy hataontsika fomba fiaina hatrany ilay tsianjery nampianarin’ i Papa François antsika Malagasy hoe: “tsy misy olona afaka milaza hoe tsy mila anao aho”. Ny finoana no aoka mibaiko ny fiainantsika fa tsy izay hevitra na teny voizina etsy sy eroa. Ny fampianaran’i Jesoa Kristy no iantsoana antsika hampiely finoana koa hitandrina isika amin’ny fampielezana ireo hevitra hafa tsy miainga amin’ny finoana. Ireo te hifandray sy hiara-dia amin’ny Eglizy ihany koa dia hahatsiaro izany mba hampirindra ny fiarahan-diantsika. Azo atao hatrany ny miara-dia.
Eto am-pamaranana dia tsiahivina eto izay nolazain’i Jesoa tamin’i Masimbavy Faustine hoe: “Tsy hiadana izao tontolo izao raha tsy mitoky amin’ny famindram-poko”. Antsointsika sy ivelomantsika isan’andro izany famindram-pon’Andriamanitra izany. I Jesoa Tompo maty fa nitsanganko velona anie hankahery antsika hatrany ka hamelona ny Fanantenany ao amintsika. Ary ny vavak’i Masina Maria Mpanjakavavin’i Madagasikara sy i Md Josefa Mpiaro ny Eglizy ary ny Olomasina sy ny Olontsambatra anie homba antsika hatrany. Eo am-piandrasana ny fankalazana ny Pantekôty, na ny nidinan’ny Fanahy Masina tamin’i Masina Maria sy ny Apôstôly, dia hifampitondra am-bavaka isika ary italahoanay mafy ny hitomboan’ny fanomezan’ny Fanahy Masina ao amintsika mba hanazava ny feon’ny fieritreretantsika ahafahantsika mibebaka sy manova endrika ity tany mamintsika ity.
Mitso-drano anareo izahay Eveka Raiamandreninareo!
Natao teto Antananarivo, anio, 18 mey 2023.
Fankalazana ny niakaran’ny Tompo any an-danitra.
Son Exc. Mgr Marie Fabien RAHARILAMBONIAINA, Evekan’i Morondava Filohan’ny Fivondronamben’ny Eveka eto Madagasikara
Son Exc. Mgr Filgence RABEMAHAFALY, Arsevekan’i Fianarantsoa, Filoha lefitra
Son Exc. Mgr Gabriel RANDRIANANTENAINA, Evekan’i Tsiroanomandidy, Sekretera Jeneraly
Son Éminence le Cardinal Désiré TSARAHAZANA, Arsevekan’i Toamasina,
Son Exc. Mgr Benjamin Marc RAMAROSON, Arsevekan’Antsiranana,
Son Exc. Mgr Odon Marie Arsène RAZANAKOLONA, Arsevekan’Antananarivo
Son Exc. Mgr Fulgence RABEONY, Arsevekan’i Toliary
Son Exc. Mgr Francis Donatien RANDRIAMALALA, Evekan’Ambanja
Son Exc. Mgr Georges Varkey PUTHIYAKULANGARA, Evekan’i Port-Bergé
Son Exc. Mgr Mgr Zygmunt ROBASZKIEWICZ, Evekan’i Mahajanga
Son Exc. Mgr Marcellin RANDRIAMAMONJY, Evekan’i Fenoarivo Atsinanana
Son Exc. Mgr Jean de Dieu RAOELISON, Evekan’Ambatondrazaka
Son Exc. Mgr Rosario VELLA, Evekan’i Moramanga
Son Exc. Mgr Gustavo Bombin ESPINO, Evekan’i Maintirano,
Son Exc. Mgr Jean Claude RANDRIANARISOA, Evekan’i Miarinarivo,
Son Exc. Mgr Fidelis RAKOTONARIVO, Evekan’Ambositra
Son Exc. Mgr José Alfredo CAIRES DE NOBREGA, Evekan’i Mananjary,
Son Exc. Mgr Fulgence RAZAKARIVONY, Evekan’Ihosy Son Exc. Mgr Gaetano DI PIERRO, Evekan’i Farafangana
Son Exc. Mgr Vincent RAKOTOZAFY, Evekan’i Tolagnaro
Son Exc. Mgr Jean Pascal ANDRIANTSOAVINA, Eveka mpanampin’Antananarivo
Rév Père Jeannot Martial ANDRIANANDRAINY, Administrateur diocésain d’Antsirabe
Rév Père Raoul SENDRATSARA, Administrateur diocésain de Morombe
Son Exc. Mgr Raymond RAZAKARIVONY, Evêque Emérite de Miarinarivo
Son Exc. Mgr Michel MALO, Evêque Emérite d’Antsiranana
Son Exc. Mgr Armand TOASY, Evêque Emérite de Port-Bergé
Son Exc. Mgr Antoine SCOPELLITI, Evêque Emérite d’Ambatondrazaka
1 Jer. Ny tatitry ny Banky iraisam-pirenena: https://www.banquemondiale.org/fr/country/madagascar/overview
2 Fitsaram-bahoaka, fanalan-jaza, herisetra sy fanolanana tsy misy tahotra. Mahakasika ny fitsaram-bahoaka dia azo jerena ohatra ny antontan’isa homen’ny OpenStat ao amin’ny Madagascar initiative for digital Innovation.
3 Efa noresahin’i Papa Fransoa io tamin’ny lahateniny ho an’ireo manam-pahefana ara-politika sy sivily teny Iavoloha tamin’ny 19 septambra 2019. Jer. koa ny «La dégradation de l’environnement à Madagascar: problèmes et perspectives des solutions», in Revue des sciences, de Technologie et de l’Environnement (RSTE), volume 3. Edition : Spéciale Université d’ÉTÉ. Version online, mise à jour 06.02.2021.
4 Jer. Hafatr’i Papa Fransoa ho an’ny Andro maneran-tany faha-49 ho an’ny fandriam-pahalemana, 1 janoary 2016, n. 4.
5 Ny Andraikitry ny Fiangonana aty Afrika, lah.11 3 ny tontolo iainana.
6 Hafatr’i Papa Fransoa ho an’ny Andro maneran-tany faha-52 ho an’ny fandriam-pahalemana, 1 janoary 2019 4
7 Hafatra tamin’ny andro iraisam-pirenena ho an’ny mpifindra monina sy ny mpitsoa-ponenana, 2021
8 Jer. Pape François, Angelus 19 Janvier 2022, « Se fier à la parole qui change le monde et les cœurs »
9 Jer. Hafatr’i Papa Fransoa ho an’ny Andro maneran-tany ho an’ny fandriam-pahalemana, 1 janoary 2014.
Partager l'article:
Point de situation cyclone
tropical Emnati. Bilan humain du 01 mars 2022 à 18h00. 15 décès enregistrés
(05 à Farafangana, 02 à Ihosy, 03 à Vangaindrano, 04 à Manakara et 01 à
Mananjary). • 169 583 personnes sinistrées (44 046 ménages) ; • 17 265
personnes déplacées (4 166 ménages) dans 71 sites d'hébergement de 11 Régions (Amoron'i
Mania, Androy, Anosy, Atsimo Andrefana, Atsimo Atsinanana, Fitovinany,
Ihorombe, Matsiatra Ambony, Sofia, Vakinankaratra et Vatovavy).
Bilan provisoire des dégâts après passage du Cyclone Tropical Emnati : Bilan humain du 26 Février 2022 à 16h00
· 09 décès enregistrés dont 04 à Farafangana, 02
à Ihosy et 03 à Vangaindrano ;
· 121 770 sinistrés (soit 33 280 ménages) dont 76 674 sinistrés
(soit 16 952 ménages) pour la Région Atsimo Atsinanana ;
· 86 995 personnes déplacées (soit 18 974
ménages) dont 66 118 personnes (soit 14 342 ménages) pour la Région Atsimo
Atsinanana ;
· L’ensemble des personnes déplacées est hébergé dans 123 sites
d'hébergement de 12 Régions : Amoron'i Mania, Androy, Anosy, Atsimo Andrefana,
Atsimo Atsinanana, Atsinanana, Fitovinany, Ihorombe, Matsiatra Ambony, Sofia,
Vakinankaratra et Vatovavy.
Bilan provisoire des dégâts après passage du Cyclone
Tropical Emnati : Bilan humain du 26
Février 2022 à 16h00
· 09 décès enregistrés dont
04 à Farafangana, 02 à Ihosy et 03 à Vangaindrano ;
· 121 770 sinistrés (soit 33
280 ménages) dont 76 674 sinistrés (soit 16 952 ménages) pour la Région Atsimo Atsinanana
;
· 86 995 personnes déplacées
(soit 18 974 ménages) dont 66 118 personnes (soit 14 342 ménages) pour la Région
Atsimo Atsinanana ;
· L’ensemble des personnes
déplacées est hébergé dans 123 sites d'hébergement de 12 Régions : Amoron'i Mania,
Androy, Anosy, Atsimo Andrefana, Atsimo Atsinanana, Atsinanana, Fitovinany,
Ihorombe, Matsiatra Ambony, Sofia, Vakinankaratra et Vatovavy.
Olana
nateraky ny compte fake. Niala tsiny tamin’i Madagascar Espace i Raveloson
Lee Priscilla, administrateur ny page « Mariazy ho anao », ny zoma 4
fevier lasa teo teny andrefan’Ambohijanahary. Niala tsiny satria nahatsiaro ho
nanana fahadisoana noho ny famelana ilay vaovao nataon’i Raholiarimanga Lovasoa
tompon’ny « compte fake Wella Romène » ka niteraka fahavoazana lehibe
ho an’i Madagascar Espace. « Tsy nohamariniko akory manko ny
fahamarinan’io publication io, ary
Raholiarimanga Lovasoa tompon’ny « compte fake Wella Romène » dia tsy
nanao mariazy tao amin’ity toerana ity araka ny fanamarihana nataon’ny
tompon’andraikitra ao amin’ny cybercriminalité.
Bilan provisoire des
dégâts (31 Janvier 2022 – 18h00). • 55 personnes décédées (Analamanga 39, Alaotra
Mangoro 7, Fitovinany 2, Vatovavy 3, Sofia 2, Analanjirofo 1, Matsiatra Ambony
1); • 131 549 sinistrés répartis dans 12 régions (Alaotra Mangoro, Analamanga,
Analanjirofo, Atsinanana, Boeny, Diana, Fitovinany, Itasy, Matsiatra Ambony, Sofia,
Vakinankaratra, Vatovavy) ; • 27 581 personnes déplacées dont 27 200
réparties sur 72 sites d’hébergement pour le Grand Tanà qui reste l’épicentre
des dégâts ; • 11774 cases d’habitation inondées ; • 58 cases d’habitation détruites.
Bilan provisoire des dégâts (27 Janvier 2022 – 18h30). · 48 personnes décédées (Analamanga 33, Alaotra Mangoro 7, Analanjirofo 1, Fitovinany 2, Soafia 2, Matsiatra Ambony 1, Vatovavy 2) ; · 129 718 sinistrés répartis dans 12 Régions (Analamanga 33, Alaotra Mangoro 7, Analanjirofo 1, Fitovinany 2, Soafia 2, Matsiatra Ambony 1, Vatovavy 2, Atsinanana, Boeny, Diana, Itasy, Vakinankaratra) ; · 55 362 personnes déplacées dont 47 619 réparties sur 98 sites d’hébergement pour la Région Analamanga qui reste l’épicentre des dégâts ; · 11 791 cases d’habitation inondées ; · 58 cases d’habitation détruites.
Bilan provisoire des dégâts (26 Janvier 2022 – 19h00). · 41 personnes décédées (Analamanga 32, Alaotra Mangoro 7, Analanjirofo 1, Matsiatra Ambony 1) ; · 110 394 sinistrés répartis dans 10 Régions (Analamanga 32, Alaotra Mangoro 7, Analanjirofo 1, Matsiatra Ambony 1, Atsinanana, Boeny, Diana, Itasy, Soafia, Vakinankaratra) ; · 71 781 personnes déplacées dont 55 859 réparties sur 90 sites d’hébergement pour la Région Analamanga qui reste l’épicentre des dégâts ; · 8 927 cases d’habitation inondées ; · 58 cases d’habitation détruites.
Bilan provisoire des dégâts (25 Janvier 2022 – 17h) : · 39 personnes décédées Alaotra Mangoro (7), Analamanga (31), MatsiatraAbony 1; · 67 042 sinistrés répartis dans 7 régions Alaotra Mangoro, Analamanga, Atsinanana, Boeny, Diana, MatsiatraAbony, Sofia; · 38 929 personnes déplacées réparties sur 72 sites d’hébergement pour le Grand TANA qui reste l’épicentre des dégâts ; · 7 524 cases d’habitation inondées dont 57 détruites; · 5640 enfants privés de cours; · 156 établissements scolaires touchés ; · 96% des personnes déplacées au niveau du Grand Tana (Source BNGRC).
Bilan provisoire des dégâts pour Grand Tanà (20 Janvier 2022 – 18h) : 11 personnes décédées. 23 428 sinistrés. 9 091 personnes déplacées réparties sur 26 sites d’hébergement. 3 497 cases / maisons d’habitation inondées. 11 cases / maisons d’habitation détruites.
Liste des sites d’hébergement actuels – Antananarivo (19
janvier). Pavillon Tsena Mora :187, Tentes dotées pour le fkt Amboditsiry :
650, Terrain foot près de Transport Leong ?, site Amboditanimena : 1 376,
site Imamba : 410, Gymnase Mahamasina : 2 717, Bureau Fokontany
Manjakamiadana : 183, EPP Manjakamiadana ?, bureau fkt Ambohipotsy :
200, ANS ampefiloha 32, Site Ambodimita : 16, EPP Andohatapenaka : 520,
bureau fkt Antohomadinika IIIG Hangar (200) : 98, Epp Antohomadinika IIIG Hangar (110) 106, Gymnase
Couvert Ankorondrano : 1 100, Bureau Fkt Andranoro : 8, bureau
fkt Ambodihady : 10, bureau fkt Ankazomanga Atsimo : 265, Site Trano
Karana près rond-point : 415, Bureau Fkt Ambodivonkely : 83, Biraom-pokontany
Antanjombe Ambony : 81.
Fifidianana ENAM. Migadona indray ity ny fotoam-pifidianana eny amin'ny ENAM Androhibe, anjaran' ny Cycle Expertise amin'ity indray mitoraka ity. 112 mianadahy izy ireo no indray handatsa-bato ho an'izay kandida laniny sy teliny hitantana ny andiany fahadimin'ny Cycle Expertise momba ny ady amin'ny tsy fahaiza-mitantanana eto amin'ny Firenena amin'ny alarobia 19 janoary 2022. Mizarazara amina - sampana efatra ny toeram-piofanana. Sampana samy miady amin'ny kolikoly sy ny tsy fanajana ny fahaiza-manao avokoa eo amin’ny ny asam-panjakana.
Fahatezeran’ny filoham-pirenena Andry Rajoelina teo Ivato. Tafaverina ny alatsinainy 30 aogositra teo ny filoha Rajoelina rehefa namita iraka ekonomika sy diplomatika tany Frantsa. Niara-dia tamin’ny mpilalao Barea sasay ny tenany. Nanao vaan-dresaka fohy tamin’ny mpanao gazety ny tenany teo ampahatongavana teo Ivato. Naneho ny hatezerany tamin’ny mpikambana ny FMF ny tenany (Federasiona Malagasy Football) izay nambarany fa nisakana ny fahafahan’ny mpijery manatrika ny alalan’ny Barea ny 2 spetambra. Hahita izay nanao sonia iny taratasy iy hoy izy.
Fitokanana ny Kianja Barea Mahamasina. Nambaran’ny filoha nandritra ny tafa fohy ntaony ho an’ny mpanao gazety teny Ivato fa ho tanterahina ny 4 septambra izao ny fitokanana ny Kianja Barea izay nokasaina natao ny 2 septambra. Ity kianja monisipaly ity dia nohavaozina nanomboka tamin’ny fiandohan’ny taona 2020, mitentina 77 tapitrisa dolara avy amin’ny volam-panjakana madiodio, araka ny nambara tamin’izany fotoana.
Famindram-pitantanana teo amin’ny Praiminisitra sy ny minisitry ny harena ankibonan’ny tany teo aloha. Notontosaina tamin’ny 23 aogositra 2021 ny famindram-pitantanana teo amin’ny Praiminisitra Ntsay Christian sy ny minisitry ny harena an-kibon’ny tany teo aloha Ravokatra Fidiniavo. Ny Praiminisitra izany no mitantana ity minisitera ity taorian’ny fametram-pialan’ny minisitra Brice Randrianasolo telo andro taorian’ny nanendrena azy tamin’ny 15 aogositra 2021.
Fahazoan’ny mpitsara bakalorea any Antsiranana vola tamin’ny faritra sy kaominina. Nanolotra vola ho an’ireo mpitsara fanadinana bakalorea izay nanao fitokonana ny governoran’ny Faritra Diana sy ny ben’ny tanànan’ny kaominina ambonivohitra Antsiranana tamin’ny 23 aogositra 2021. Mitentina 34 tapitrisa Ariary ny avy avy amin’ny governora ary 16 tapitrisa Ariary ny avy amin'ny ben’ny tanàna. Nilaza ny tsy hitsara manko ireo mpitsara raha tsy voaloa ny tambim-pitsaran’izy ireo teo aloha. Ny minisiteran’ny fampianarana ambony sy ny fikarohana siantifika anefa dia efa nilaza, araka ny fampahafantarana nataony tamin’ny 17 aogositra fa efa nalefa any amin’ny oniversite isanisany ny vola tambin-karaman’ireo mpitsara ny fanadinana bakalorea 2020.
Fivoaran’ny ‘covid-19’ sy ny hamehana ara-pahasalamana. Tsikaritra ho vitsy ny tranga vaovao amin’ny ‘covid-19’ raha mitaha amin’ny fitiliana atao tamin’iny herinandro iny, fa misy ihany ny tranga ahitam-pahasarotana. 3/351, 5/578, 3/845 ohatra ny tranga vaovao tamin’ny fitiliana natao tamin’ny 26, 27, ary 28 aogositra. Ny 23 marsa 2020 ka hatramin’ny 27 aogositra 2021, miisa 241 052 no fitambaran’ny fitiliana natao, miisa 955 ireo lavo, miisa 42 862 ireo tranga ka ny 42 566 no sitrana araka ny antotanisa ofisialy avy amin’ny minisiteran’ny fahasalamam-bahoaka. Mbola ao anatin’ny hamehana ara-pahasalamana i Madagasikara raha ny didim-panjakana navoaka tamin’ny 22 aogositra 2021, ary mipetraka ireo fepetra sakana samihafa.
Filaharana haka tapakila hidirana ao Mahamasina. Ho tokanana amin’ny 2 septambra, andro hanatanterahana ny lalao hifanandrinan’i Barea Madagasikara sy ny ekipan’i Bénin amin’ny fifanintsanana hiadiana ny amboara eran-tany 2022 ny kianja Barea ao Mahamasina, araka ny fandaminana avy amin’ny prezidansa nampitaina tamin’ny fiandohan’ny herinandro lasa teo. Filaharana lava hatramin’ny vao maraina no hita ny alakamisy 26 sy zoma 27 aogositra mba haka ny tapakila hidirana ao Mahamasina, hijery baolina sady hanatrika ny fitokanana ny kianja.
Fandavan’ny CAF ny hanatrehan’ny mpijery ny lalao ao Mahamasina. Nolavin’ny CAF (Confédération africaine de football) ny fangatahan’ny sekretera jeneralin’ny FMF (Fédération malagasy de football) ny hahafahan’ny mpijery miisa 1500 hanatrika ny lalao baolina kitra hatao ao Mahamasina amin’ny alakamisy 2 septambra 2021, ao anatin’ny fifanintsanana hiadiana ny amboara eran-tany 2022 hatao any Qatar. Araka ny fampatsiahivan’ny CAF ao amin’ny valim-pangatahan’ny FMF tamin’ny 27 aogositra, dia araka ny lamina napetraky ny CAF sy ny FIFA ny tsy hanatrehan’ny mpijery ny lalao noho ny valanaretina ‘covid-19’.
Hetsiky ny RMDM Frantsa sy fisamborana/ famotsorana an’i Fanirisoa Ernaivo. Nandritra ny dian’ny filoham-pirenena malagasy tany Paris no nisian’ny hetsiky ny rodoben’ny mpanohitra RMDM Frantsa tarihin’i Fanirisoa Ernaivo izay mitsikera hatrany ny fitantanan’ny filoha Rajoelina sy mitaky ny fialany. Nandritra ny fihaonana tamin’ny Medef ny 25 aogositra, dia nisy ny fisamboran’ny polisy frantsay ity mpitarika ny RMDM Frantsa ity noho ny vaovao nampitaina tamin’izy ireo fa hoe mitondra fitaovam-piadiana izy saingy navotsotra ihany satria tsy nahitana izany tany aminy. Nambara ihany koa ny fisian’ny ‘mandat d’arrêt international’ hisambotra azy saingy tsy azo notanterahina izany raha ny nambaran’ny nokasaina hosamborina satria mpialokaloka politika no maha any azy. Voalaza fa ‘mandat d’arrêt’ nosoniavin’ny minisitry ny raharaham-bahiny Patrick Rajoelina tamin’ny 16 aogositra izany. Ny minisitry ny fitsarana ankehitriny Imbiky Herilaza dia nanamafy fa didim-pitsarana efa nivoaka ny fisamborana azy, nilaza izy fa hifampiraharaha amin’ny fanjakana frantsay ny fanjakana malagasy ny hisamborana sy hampodiana an’i Fanirisoa Ernaivo aty Madagasikara.
Vidin-javatra midangana sy ny minisitera. Nametraka ny tokony ho saran’ny entana sasantsasany ilaina andavanandro ato anatin’ny enim-bolana ny minisitry ny indostria sy ny varotra ary ny fanjifana Edgard Razafindravahy. Tamin’ny 26 aogositra teo no nitondrany ny fanazavana momba izany. Anisan’izany ny menaka fihinana « huile de palme » izay tsy tokony hihoatra ny 6000 Ariary ny litatra, ny menaka soja ‘en vrac’ tsy tokony hihoatra ny 7000 Ariary ary ny anaty tavoahangy mihidy tsy hihoatra ny 7500 Ariary, ny vary tsy tokony hihoatra ny 2300 Ariary ny kilao, ny siramamy tsy tokony hihoatra ny 2600 Ariary ny kilao, torak’izany koa ny lafarinina tsy tokony hihoatra ny 2600 Ariary ny kilao, ny arina fandrehitra tsy tokony hihoatra ny 23 000 Ariary ny gony. Mbola lavitry ny vidiny teo aloha izay efa tsy zakan’ny ankamaroan’ny olona ireo raha ny fanehoan-kevitry ny olona satria tany amin’ny 5000 Ariary ny litatry ny menaka taon-dasa. Ny filoha malagasy moa dia nanome andro telo hamahana ny olan’ity fidangan’ny vidin’entana ilaina andavanandro ity tamin’ny kabariny saingy tsy tafa izany raha ny zava-misy.