logo
Lakroan'i Madagasikara
Olontsambatra Victoire Rasoamanarivo

Andrasana ny fananganana azy ho Olomasina

R. Herménégilde il y a 2 années

Manitikitika ny sain’ny kristianina ny fivoaran’ny fanadihadiana momba ny fananganana ho Olomasina an’i Victoire Rasoamanarivo. (lahatsoratra nalaina tao amin'ny Lakroa laharana 3882, alahady 24 aogositra 2014)

Andrasana ny fananganana azy ho Olomasina
Manitikitika ny sain’ny kristianina ny fivoaran’ny fanadihadiana momba ny fananganana ho Olomasina an’i Victoire Rasoamanarivo. Namahavaha manodidina izany i mompera Randrianoelisoa Joseph Noël, aomonien’ny lasapelina Victoire ao Andohalo. Jery todika sy fanazavana.


 

Midika ho fihamafisan’ny finoana ny hamaroan’ny olona mandeha eny amin’ny lasapelin’i Victoire Rasoamanarivo. Miandrandra fahasoavana izy ireo ka tonga mangataka miaraka amin’i Victoire. Azo amintinina momba ny lanjan’i Victoire eo amin’ny fiainam-pinoan’ny kristianina izany, araka ny nambaran’i mompera Randrianoelisoa Joseph Noël. Ny fiantsoana fotsiny an’io fanampin’anarana Victoire io no mahazatra, fa ilay vehivavy lahika malagasy, Victoire Rasoamanarivo eto no resaka. Ilay nasandratry ny Papa Joany Paoly 2 ho Olontsambatra tamin’ny 30 apirily 1989. Andrasana ankehitriny ny fananganana azy ho Olomasina.

 

Ny niandohan’ny fanadihadiana

Tamin’ny taona 2005 no nanomboka ny fanadihadiana momba an’i Victoire, niaraka tamin’ny an’i mompera Jacques Berthieu. Ny kardinaly Razafindratandra Armand Gaëtan no ariseveka teto amin’ny diosezin’Antananarivo tamin’izany. Nanaovana antso, nalefa tamin’ny Radio Don Bosco, ny fanentanana ireo manana fahasitranana tamin’ny fomba mahagaga, teo amin’ny aretim-batana. Niangaviana izy ireo hanatona ny tompon’andraikitra. Dia teo no nitondran’ny ray aman-dreniny an’i Angelique Soafinaritra: zazavavy kely sitrana noho ny vavaka hasivian’andro natao. Zanak’olona miasa amin’ny toeram-pitsaboana eny Ambohimahitsy Ambohimangakely izy. Teraka tamin’ny taona 1998 i Angelique ary tratran’ny aretina atao hoe “hydrocéphalie”, aretina mahazo ny loha: miseho amin’ny fitombon’ny rano ao amin’ny atidoha ka mampitombo ny haben’ny loha.

Vita ny fanadihadiana. Nalefa tany Roma ny boky mirakitra izany. Niainga tamin’ny 20 pejy aloha ny voalohany saingy tsy nety. Avy eo nojerena lalindalina kokoa ny zava-misy. Ary dia niafara hatrany amin’ny 300 pejy ny tatitra, rahefa niverenana fanintelony ny fandrafetana milamina azy.

Voarakitra ao amin’ny tahirin-kevitra fanadihadiana ny momba ny ray aman-drenin’ny ankizy. Ao koa ny vavolombelona nahita ny fandehan’ny aretina sy ny olona manakaiky azy, ny olom-piangonana ary ireo dokotera nitsabo azy. Ao ihany koa ny sary misy ny zaza fony izy narary, ny dingana samihafa natao tamin’ny fitsaboana.

Hita fa aretim-batana tsy sitram-panafody ary nahafa-nenina ny dokotera tamin’ny fitsaboana azy ilay niseho. Nanontaniana ny ray aman-dreniny momba ny nataon’izy ireo ka nahatonga ny fahasitranana. Nampiasaina ny rano voahasina nalaina teny amin’ny “sanctuaire” misy an’i Victoire. Nanaovana vavaka hasivian’andro, ary tamin’izany no nahasitrana tampoka ny aretina ka nahataitra ny ray aman-dreniny. Nojeren’ny dokotera izay nitsabo azy izany ary resy lahatra ireo fa tena fahagagana tokoa no nitranga. Io no tranga hitan’ny kardinaly fa niharihary indrindra ka nanaovana ny fanadihadiana lalina.

Ny vikera jeneraly, i mompera Ravelonantoandro Marc, no nitondra an-tanana ny dosie ary nisy fifandraisana tsy miato tamin’ny taty Madagasikara manazava izay tsy mazava. Misy rafitra moa any Roma mandray an-tanana manokana ny tranga fanadihadiana ho fananganana Olomasina tahaka ireny.

 

Lalina ny fanadihadian’i Roma

Noheverina fa efa milamina ny fandehan-javatra tamin’ny 2012 ary efa nanantena ny maro fa hatsangana ho Olomasina i Victoire saingy tsy izay no nitranga. Ho an’ny tany andafy araka ny fanazavana, dia hoe aretina sitram-panafody io “hydrocéphalie” io any. Ilay hasivian’andro teo amin’ny faha 8 andro anefa no nahasitrana azy. Fa tamin’ny dian’ny evekantsika farany teo, tamin’ny “visite ad limina”, dia nihetsika indray ny dosie Victoire. Noresahan’ireo eveka tamin’ny Papa Fransoa ny zava-misy aty amintsika ny amin’ny firohotry ny olona amin’ny fanatonana an’i Victoire. Nisy fotoana aza ny Papa nandefa olona taty nijery izany. Mila porofo manko ny firosoana amin’ny dingan’ny fananganana Olomasina (Zahao “Tsara ho fantatra”, Lakroa tamin’ny 27 apirily 2014, p8)

 

Mitady fahasoavana am-bavaka ny olona

Fasana moa tany am-boalohany io nasiana an’i Victoire io fa taty aoriana vao lasa “sanctuaire”, toerana masina. Tamin’ny taona 2000 no nanomboka nisy lamesa tao, rahefa lasa Olontsambatra i Victoire. Ny zanak’i Masina Maria no nanao raozery tao isaky ny sabotsy, fa ny sisa dia mamangy fasana fotsiny.

Ny firohotry ny olona nankeny no nahatonga ny kardinaly Razafindratandra hametraka olona hikarakara ny toerana ho lasa “sanctuaire”, hatramin’ny 2005 nahatongavan’i mompera Joseph Noël. Ankehitriny, misy lamesa isan’andro ao, ny alatsinainy ka hatramin’ny sabotsy, miditra amin’ny 7 ora latsaka fahefany ary misy pretra mifandimby miandraikitra izany. Ny alahady dia ny tolakandro no misy lamesa. Ahitana olona manodidina ny 60 eo ho eo isan’andro, fa ny sabotsy: mihoatra lavitra izany satria feno olona hatraty an-tokotany.

Pretra dimy mirahalahy ankehitriny no miara-mikaon-doha amin’ny fanarahana ny dosie Victoire mifandray amin’ilay resaka fahasitranana mahagaga. Ny atao amin’izao dia ny mifandray amin’ireo dokotera nitsabo an’i Angelique, mba hiomana amin’izay mety ho fiantsoan’ny any Roma. Misy telo moa izy ireo dia ny Profesora Casimir, ny Profesora Catherine ary ny Dokotera Léonide. Ireo no hiresaka amin’ny dokotera any Roma, hanazava ny fandehan’ny zavatra taty. Dia izay no andrasantsika amin’izao. Ary jerena akaiky ny fahasalaman’i Angelique Soafinaritra. Ahitana fa tena tsy miverina tokoa ilay aretina. Ny tena olana manko dia tratran’ny aretina “bilharziose” sy ny “cysticercose” izy, dia noheverin-dry zareo fa ilay aretina no niverina. Efa sitrana anefa ireo amin’izao ary fantatra mazava ny antony nahatonga  ireo fa tsy misy ifandraisany amin’ilay “hydrocéphalie”.

 

Atao totoafo ny vavaka

Mifarana ny 24 aogositra ny taom-pankalazana ny faha 120 taona nahaterahan’i Victoire any an-danitra, araka ny voambolana ampiasaina. Taratry ny finoana ny fitsanganan-ko velona toa an’i Kristy izany. Fa ny fanohizana ny vavaka dia tsy ankiato. Antenaina tsy ho ela intsony ny fananganana azy ho Olomasina.

Partager l'article:

Les réactions

Denis Rakotorisoa, [24 Jan. 2017 12:36]
Dia entina ambavaka daholo izany rehetra izany mba ho tantera ny sitrapon'Andriamanitra.

Votre réaction?

Commbien font 8 + 6? (security question)

Lakroa en direct
  • 24 Jan. 2017 - 07:45-

    Diarin’ny kardinaly Pietro Parolin. Toa izao ny fandaharam-potoan’ny kardinaly Pietro Parolin, sekreteram-panjakan’ny Fiketrahana Masina, mandritra ny fitsidihany eto Madagasikara.
    26 janoary : 11 ora sy sasany alina ny fahatongavan’ny kardinaly Parolin eny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato.
    27 janoary : Fandraisan’ny fitondram-panjakana Malagasy azy ny tontolo andro izay ahitana fihaonany amin’ny mpitondra samihafa.
    28 janoary : Maraina no hanaovany ny fitsofan-drano ny foibe vaovaon’ny Fivondronamben’ny Eveka eto Madagasikara izay eny Ambatoroka. Vita izay dia hisy ny famangiana ny UCM ao Ambatoroka ihany ahitana fihaonana amin’ny mpiandraikitra sy ny mpianatra izany.
    Tolakandro: fihaonany amin’ny Eveka rehetra eto Madagasikara.

  • 24 Jan. 2017 - 07:43-

    Diarin’ny kardinaly Pietro Parolin (29 janoary – 31 janoary). 29 janoary no hanaovana ny Sorona Masina eo amin’ny kianjaben’i Mahamasina manomboka amin’ny 9 ora maraina. Ampahatsiahivina ny pretra fa loko fotsy no loko litorjika amin’io andro io.
    30 janoary amin’ny 10 ora maraina dia hisy ny Famelabelaran-kevitra eny amin’ny efitrano malalaky ny Ists eny Mandrimena Andoharanofotsy. “Ny atao hoe fifandraisana diplomatika ho an’ny Fiketrahana Masina” no lohadinika amin’izany.
    31 janoary: Maraina: Hisy ny famangiana ny toeram-piofanana ho pretra ao Faliarivo
    Tolakandro: Fitsidihana ny Akamasoa eny Andralanitra
    Hariva: Mitodi-doha ho any Roma ny kardinaly Pietro Parolin.

  • 24 Jan. 2017 - 07:28- Diarin’ny kardinaly Pietro Parolin. Toa izao ny fandaharam-potoan’ny kardinaly Pietro Parolin, sekreteram-panjakan’ny Fiketrahana Masina, mandritra ny fitsidihany eto Madagasikara.
    26 janoary : 11 ora sy sasany alina ny fahatongavan’ny kardinaly Parolin eny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato.
    27 janoary : Fandraisan’ny fitondram-panjakana Malagasy azy ny tontolo andro izay ahitana fihaonany amin’ny mpitondra samihafa.
    28 janoary : Maraina no hanaovany ny fitsofan-drano ny foibe vaovaon’ny Fivondronamben’ny Eveka eto Madagasikara izay eny Ambatoroka. Vita izay dia hisy ny famangiana ny UCM ao Ambatoroka ihany ahitana fihaonana amin’ny mpiandraikitra sy ny mpianatra izany.
    Tolakandro kosa ny fihaonany amin’ny Eveka rehetra eto Madagasikara.
  • 23 Jan. 2017 - 13:25-

    Concours NewcoPark 2017. NewcoPark, en partenariat aec JCI Iarivo et ESSCA, lance la 4ème édition du Concours de création d’entreprises. Ce concours de business model a pour vocation de promouvoir la création d’entreprises start-up dans le pays. NewcoPark est une ong qui a pour vocation de soutenir l'entrepreneuriat en Afrique. Il est à rappeler que les éditions antérieures, à Madagsaikara, ont été effectuée en collaboration avec ISCAM d'Antananarivo. Pour cette édition, le concours aura lieu le 21 mars 2017 à l’ESSCA Antanimena. L’inscription est ouverte sur http://www.newcopark.com/ .

  • 23 Jan. 2017 - 13:17-

    Iegap. L’association Industrial Engineering Group from Antsiranana Polytechnic ou Iegap est une association à but non lucratif créée sous l’ordonnance N°60.133 du 03/10/60. Elle a pour but de : 1-Regrouper tous les Ingénieurs sortant de l’Ecole Polytechnique d’Antsiranana depuis sa création ; 2- Apporter des améliorations pour le développement de l’Ecole ; 3- Participer pleinement au développement rapide et durable de la nation surtout dans le domaine de l’industrie ; 4- Créer un domaine d’entraide, d’échange d’informations, connaissance et expérience entre les membres. On compte plus 1300 ingénieurs sortants de l’Ecole polytechinques d’Antsiranana et 300 membres actifs au sein de l’Iegap.

  • 23 Jan. 2017 - 13:14-

    Election du président de l’Iegap. Les membres de l’association Industrial Engineering Group from Antsiranana Polytechnic ou Iegap vont tenir leur Assemblée général ordinaire et en même temps une assemblée générale élective pour élire le 11 février 2017 leur président et les membres du nouveau bureau. Un comité d’élection est mis en place pour assurer le bon déroulement de cette élection. Le comité est présidé par Rakotomanana Heriniaina. Quatre candidats sont en lice pour le poste de président dont deux vice-présidents sortants. L’élection peut se faire soit au Le Pavé le jour même ou en ligne. Les intéressés peuvent se connecter sur le site de l’association : http://www.iegap.mg/iegap.

  • 16 Jan. 2017 - 12:49-

    Date des examens du Baccalauréat.- Le Ministère de l’Enseignement Supérieur et de la recherche Scientifique a communiqué les dates des examens du baccalauréat session 2017. Le baccalauréat d’Enseignement supérieur général débutera le lundi 24 juillet 2017. En ce qui concerne le baccalauréat technologique et le baccalauréat professionnel et technique les épreuves débuteront le lundi 24 juillet 2017 pour les épreuves d’enseignement général (1ère série) et le lundi 31 juillet 2017 pour les épreuves d’enseignement technique et technologique (2ème série). http://www.mesupres.gov.mg/IMG/jpg/Bacc2017-ConfPress.jpg

  • 16 Jan. 2017 - 12:47-

    Inscription aux examens du baccalauréat. Les registres d’inscription aux examens du baccalauréat sont ouverts depuis ce lundi 16 janvier 2017 à 8 heures auprès des directeurs de l’Office et services du baccalauréat de chaque Université et seront clôturés le vendredi 31 mars 2017 à 18 heures. Les droits d’inscription sont fixés comme suit : quinze mille ariary pour les candidats d’école ; cinquante mille ariary pour les candidats libres ; cent mille ariary pour les candidats de nationalité étrangère ayant fait leur scolarité à Madagasikara. http://www.mesupres.gov.mg/IMG/jpg/Bacc2017-ConfPress.jpg

  • 13 Jan. 2017 - 07:49-

    Région Anosy. Le chef de Région Anosy était l’invité de la RNM. Il a présentéle bilan des actions de la région durant l’année 2016. Mais aussi les perspectives pour l’année 2017. On sait que les actions concrètes vont se poursuivre comme le soutien des collectivités décentralisées par exemple la dotation de matériel. Le 3 janvier 2017 le Chef de Régio a commencé la distribution de table banc. La première fournée 20 tables-bancs pour l’epp Tanambao dans le Cisco Tolagnaro, une école symbolique pour le chef de région.

  • 13 Jan. 2017 - 06:50-

    France-Afrique. Le 27ème Sommet France-Afrique se tient le 13 au 14 janvier dans la Capitale Malienne, sous la thématique “Le partenariat, la paix et l’émergence”. Madagasikara va participer pleinement à ce sommet. Le Premier Ministre Mahafaly Solonandrasana Olivier représente la personne du Président de la République de Madagasikara. A la tête de la délégation malagasy, il quittera Antananarivo dans la matinée du vendredi 13 janvier. Ce Sommet devrait permettre de faire émerger de nouvelles mesures afin de favoriser l’éducation et la formation professionnelle, l’innovation et la numérisation pour favoriser la diversification économique et l’accès au financement pour favoriser la transformation économique (source : Primature).

  • 12 Jan. 2017 - 13:09-

    Salon de l’étudiant. MadaJeune organise un salon de l’étudiant dédié spécialement aux étudiants qui ont échoué aux différents concours organisés par les différents établissements publics (universités, instituts…). Ce salon de janvier dure deux jours. Il a ouvert ses portes ce 12 janvier 2017 et se déroule au Palais des Sports de Mahamasina de 9 heures à 17 heures. 25 établissements participent à ce salon. Pour les organisateurs du salon, l’objectif est de bien informer les bacheliers pour qu’ils puissent bien s’orienter. L’entrée dans ce salon est gratuite.

  • 12 Jan. 2017 - 06:51-

    Séisme : Un séisme a été de magnitude 5,5 a secoué la Grande Ile dans la nuit du mercredi 11 janvier 2017 au jeudi 12 janvier vers 1h07mn. L’épicentre du séisme est situé à la longitude 46,62 et la latitude 20,1 du côté de Betafo.  Date & time: Wed, 11 Jan 22:06:59 UTC Magnitude: 5.4, Depth: 10.0 km, https://www.volcanodiscovery.com/earthquakes/quake-info/1545154/M5-Wed-11-Jan-Madagascar.html

  • 12 Jan. 2017 - 06:50-

    PCA de l’OMNIS. Le Conseil des Ministres du mercredi 11 janvier 2017, au Palais d’Etat d’IAVOLOHA a par décret nommé Monsieur  Rabeharisoa Erick, Président du Conseil d’Administration de l’Office des Mines Nationales et des Industries Stratégiques.

  • 11 Jan. 2017 - 12:38-

    Financement parallèle se confirme. Maharavo Doudou, au nom du DFP, Dinika ho Fanavotam-Pirenena, lance un cri d’alarme. Pour le DFP, le pouvoir actuel se tourne vers le financement parallèle. Maharavo relève deux signes principaux : d’une part, la persistance des bruits de remaniement et d’autre part, la venue prochaine de Recep Tayyip Erdogan, président en exercice de la Turquie. Le remaniement, s’il y a ne peut que retarder l’arrivée des financements traditionnels. La Turquie elle-même n’est pas encore admise au sein de l’Union Européenne aussi la venue du président de pays est un pied de nez aux bailleurs traditionnels.

  • 10 Jan. 2017 - 07:54-

    Rentrée scolaire second trimestre.  Le 1er février 2016 le Ministère de l’Education Nationale a publié l’arrêté N°2647/2016-MEN fixant les calendriers scolaires relevant de son ressort pour l’année scolaire 2016-2017. Selon cet arrêté, la rentrée scolaire pour le second trimestre a commencé le 9 janvier 2017 et se terminera le vendredi 7 avril 2017. Les journées des écoles auront lieu les 15, 16 et 17 février 2017. Les vacances de Pâques s’étaleront du samedi 8 avril au mardi 18 avril 2017.

  • 09 Jan. 2017 - 09:02-

    1 milliard d’ariary. Ce 7 janvier, au Ministère des Affaires Etrangères, les Ministres Wang Yi et Atallah Béatrice ont signé un mémorandum d’entente. Ce document concerne les relations bilatérales, et porte sur les domaines de l’agriculture, les Infrastructures, la pèche, les transports et l’Industrie. Par ailleurs, il a été annoncé que la République Populaire de Chine remettra prochainement à Madagascar deux bateaux garde-côtes, et financera également, à hauteur d’un milliard d’ariary, la réhabilitation des bâtiments du Ministère malgache des affaires étrangères.

  • 09 Jan. 2017 - 09:01-

    Madagascar-Chine. Le Ministre des Affaires Etrangères de la République Populaire de Chine, Wang Yi, est en visite officielle à Madagasikara. Il a été reçu par le Président de la République, Hery Rajaonarimampianina, le 7 janvier au Palais d’Iavoloha. « Vous êtes le premier invité d’honneur de cette année à Madagasikara, et je vous souhaite la bienvenue » a déclaré le Président de la République à son hôte. La visite officielle du Ministre Wang Yi à Madagasikara est la première effectuée par un Chef de la diplomatie chinoise dans la Grande Île depuis le début des relations en 1973.

  • 03 Jan. 2017 - 09:11- Vœux à Iavoloha. Le Président de la République, Hery Rajaonarimampianina, a reçu au cours de la matinée de ce 2 janvier les vœux des entités et des organismes rattachés à la Présidence (le Cabinet de la Présidence de la République, le Secrétariat Général de la Présidence, la Grande Chancellerie) ainsi que ceux du Gouvernement. « Démontrer et convaincre par le travail, redoubler d’efforts face aux nombreux défis à relever au cours de cette année nouvelle 2017 » : c’est le message fort du Chef de l’Etat lors de ces présentations de vœux. Les dirigeants du parti HVM sont également venus à Iavoloha présenter les vœux de nouvel an au Président Hery Rajaonarimampianina.
  • 03 Jan. 2017 - 09:11-

    Vœux à Mahazoarivo. Des membres du Gouvernement se sont rendus le 2 janvier, au Palais de Mahazoarivo, pour présenter leurs vœux au Premier ministre, Mahafaly Solonandrasana Olivier. Les proches collaborateurs du Premier ministre au sein de la Primature ont également adressé leurs meilleurs vœux pour cette année 2017. Le Premier Ministre en retour leur adressé ses remerciements et ses encouragements dans leurs missions respectives.

  • 03 Jan. 2017 - 07:49-

    Retraite des fonctionnaires à 65 ans. Le Ministère des Finances et du Budget, porte à la connaissance du grand public qu’à partir de 2017, l’âge de la retraite des fonctionnaires est fixé à 65 ans. Cette décision a été prise afin de combler la caisse de prévoyance de la retraite. Les responsables de ce Ministère font savoir que bon nombre d’institutions et entreprises étatiques ne versent pas régulièrement les cotisations de retraite de leurs salariés de ce fait l’Etat verse 290 milliards d’ariary par an pour combler le gap.

Du même auteur

monde
politique

Dans la même rubrique

religion
religion
Publicité