logo
Lakroan'i Madagasikara
Tafatafan'i Talata

646 miliara Ar sy 240 taonina samy very e

Ratalata Jean Ba il y a 3 années

646 miliara ariary no natobaka ao amin’ny kaonteran’i Jirama dia niakatra hatrany ny fanampiana ary niakatra hatrany koa anefa ny delesitazy. 240 taonina ny volamena naondrana tsisy bedy.

Tao ho ao dia maromaro ireo vaovao tokony hahataitra navoakan’ny Banky Iraisam-pirenena momba ny toekaren’i Madagasikara. Sehatra roa no ndeha ho singanina etoana.

 

Nambaran’ny Banky Iraisam-pirenena fa nahatratra 646 miliara ariary ny vola natobaka tao amin’ny “kaonteran’i” Jirama nanomboka ny taona 2011 hatramin’ny faran’ny volana sepitambra. Raha tsinjaraina izany dia tahaka izao : ny 2011 hatramin’ny 2013 dia tafakatra 456 miliara ariary ny vola fanampiana (subvention) nomena ny Jirama. Ary tafakatra 190 miliara ariary izany nanomboka ny volana zanvie 2014 hatramin’ny volana sepitambra 2014.

 

Raha ireo tarehimarika ireo  no hitafatafana dia nahatratra 152 miliara teo ho eo ny vola fanampiana nomena ny Jirama ny taona 2011 hatramin’ny 2013. Tao anatin’ny Tetezamita isika tamin’izany. Ary ny volana zanvie 2014 hatramin’ny sepitambra 2014 dia efa tafakatra 190 miliara ariary izany. Nihoarana izany ilay salan’isa hita nandritra ny Tetezamita rehefa tafiditra ao anatin’ny Repoblika “ara-dalana” ny firenena. Hafahafa izany. Mila tsy ampino. Manaitra. Nahay nifehy tena tokoa ve ny mpitondra ny Tetezamita ? Sa sanatria maika hamerina ny vola lany nandritra ny fampielezan-kevitra izay nahazo fahefana ? Marihina mantsy fa tsy niova ny mpitondra ny Jirama ny Filoham-pirenena lanim-bahoaka dia mahalala tsara ny kaontin’i Jirama satria fony izy minisitry ny vola dia tao anatin’ny Filankevi-pitantanan’i Jirama ny tenany. Tsaroana fa mba nampiaka-peo ihany ny Filoham-pirenena roa na telo volana izay fa misy fandaniana mampiahiahy ao. Nijanona ho tendrom-po na surtension fotsiny izany fa tsy  hita izay vokatry ny fanadihadiana raha nisy ny fanadihadiana natao. Amin’ny tahaka izao tokoa no ilaina ny fisian’ny loharanom-baovao malalaka ary mangarahara eo amin’ny fitantanam-bolan’ny fanjakana. Raha mba vita isan-taona ny loi de règlement izany hoe ny lalàna momba ny fampiasana ny tetibolam-panjakana taona iray dia ho mora hita ireo tarehimarika avy amin’ny Banky Iraisam-pirenena ireo.

 

Niakatra hatrany izany ny vola fanampiana azon’i Jirama kanefa dia hiarahana mahita ny vokatra : “Jiro tapaka, rano tsy mandeha, fangatahana famandrihana vaovao (abonnement) tsy hahazoana valiny…”. Niaraka niakatra amin’ny vola fanampiana ny tanjaky ny delesitazy.

 

Manoloana ny tarehimarika tahaka izao avy amin’ny vahiny dia mitodika aty amin’ny mpahay toekarena malagasy ny saina. Nankaiza izy ireo ? Aiza ireo manam-pahaizana eo anivon’i Jirama ? Ny olom-pirenena Malagasy tsirairay ve ho afaka hanadihady izay any anaty kaontim-bolan’i Jirama any ? Ny ao anatin’ny fakitiorany aza raha sendra mba mangata-panazavana rehefa midangana tampoka iny valiteny feno avona no mba setriny mainka fa izay any lavitra any. “Na hitomany ao anaty haizina ao aza ianareo tsy hahazo fanazavana” toa izay valim-boraingona izay tokoa no sahaza e.

 

Ny sehatra faharoa singanina dia ny momba ny fanondranana volamena. “Tombanana ho 240 taonina ny volamena naondrana antsokosoko any ivelan’i Madagasikara” hoy ny manam-pahaizana eo anivon’i Banky Iraisampirenena. Mba niandry ny fampiakaram-peo avy amin’ny mpiaro ny sisintany ihany fa tsy nandrenesam-peo ry zareo. Fa karazana fanompana an’ireo mpiaro ny sisin-tany tokoa ny famoahana tarehimarika tahaka izao. Fantatsika ny vidin’ny graman’ny volamena. Raha tombanana ho 40 000 ariary ny grama dia mitentina any amin’ny miliara ariary maro any koa izany ny harena nivoaka ny sisintany. Vola very. Ny haba tsy niditra. Rehefa mahita manam-pahaizana manome tarehimarika tahaka izao izay vao mahatsapa ny dikan’ireny mpijirika volamena eny amin’ny sisin’arabe ao Analakely ao, izay vao mahatsapa ny tena dikan’ireo mpanao volamena tantanan’ny karana marobe manerana ny Nosy ireo. Tsy hita firy ny asan’izy ireo kanefa tsy mikatona ireo mpanao volamena ireo. Ny Malagasy koa amin’io tsy hoe mitombo ny mitondra volamena fa toa volamena “10 carats” aza no mba eny amin’ny raha tsy varahina mihitsy aza no mba hisalorany.

 

Tratry ny masobe tsy mahita na ny mpanamarim-pitantanana eo anivon’i Jirama na ireo mpiaro ny sisintany. Voalaza fa mety higadra mandrapahafaty ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana fa niditra antsokosoko ary mba inona no sazin’ny olona namela ny harena hivoaka antsokosoko ? Ary ny an’ireo mpamoaka ? Fantatra anie izy ireo e. Efa antaonany amperinasa izy ireo.

 

Izay indray ary ny tafatafa amin’izao talata 4 novambra izao fa samia tsara indray e.

Partager l'article:

Lakroa en direct
  • 18 Oct. 2017 - 12:09-

    Blueline business. Blueline lance ce 18 octobre son offre dénommée Blueline business. Cette offre est destinée spécialement aux entreprises avec 3 pôles de compétence : offre de connectivité, intégration et infogérance et services hébergés.

  • 18 Oct. 2017 - 11:54-

    Récente publication. Santé : http://www.lakroa.mg/item-1197_articles_sport_18-la-commission-encourage-la-poursuite-de-la-lutte.html

  • 17 Oct. 2017 - 13:38-

    Senatera vaovao, minisitra vaovao. Araky ny fanambarana nataon’i Sekretera Jeneralin’ny Fiadidiana ny Repoblika teny Iavoloha ny antoandron’ny 17 okitobra dia : voatendry ho loholon’i Madagasikara nisolo toerana an’i Ahmad i Rivo Rakotovao. Randriarimanana Harison Edmond kosa no voatendry ho minisitra eo anivon’ny Fiadidiana ny Repoblika misahana ny fambolena sy fiompiana misolo ny toeran’i Rivo Rakotovao. Soritana fa efa nisahana io ministera io i Randriarimanana Harison Edmond. Izao fanapahana izao dia efa noraisina ny 12 okitobra fa izao vao nambara ampahibemaso.

  • 17 Oct. 2017 - 12:48-

    Bilan de la peste au 16 octobre. La situation de l’épidémie de la peste affecte actuellement 38 Districts, qui se trouvent dans 17 Régions de Madagascar. 805 cas de peste ont été notifiés, dont 595 de formes pulmonaires et 210 de formes buboniques. Le bilan fait état de 74 décès.  Parmi ces cas notifiés : 62 sont confirmés selon les résultats de l’Institut Pasteur de Madagascar (IPM) ; 367 sont probables selon le test de diagnostic rapide (TDR) ; 377 sont des cas suspects. Source : Minsanp

  • 17 Oct. 2017 - 07:12-

    Deuxième session ordinaire. Selon l’article 75 de la Constitution l'Assemblée Nationale se réunit de plein droit en deux sessions ordinaires par an. La durée de chaque session est fixée à soixante jours. La première session commence le premier mardi de mai et la seconde, consacrée principalement à l'adoption de la loi de finances, le troisième mardi d'octobre. De même pour le Sénat comme le dispose l’article 84. Cette deuxième session commence ce 17 octobre à 14 heures pour les députés et 16 heures pour les sénateurs.

  • 17 Oct. 2017 - 06:37-

    Araka ny fanarahana akaiky ataon'ny #cellule_riposte_peste ireo ZAP nahitana ny trangana pesta ka nanakatonana ireo sekoly dia misy izy ireo no efa tsy misy ahiahiana intsony. Miverina mianatra noho izay ny mpianatra eny anivon'ireto ZAP ireto manomboka ny Alarobia 18 Oktobra ho avy izao:

    DREN ANALAMANGA:
    CISCO MANJAKANDRIANA

    • ZAP RANOVAO
    • ZAP AMBOHITROLOMAHITSY

    DREN ITASY:
    CISCO ARIVONIMAMO

    • ZAP ARIVONIMAMO I
    • ZAP ARIVONIMAMO II
    • ZAP ALAKAMISY KELY
    • ZAP AMPAHIMANGA
    • ZAP AMBATOMIRAHAVY

     CISCO MIARINARIVO
    • ZAP MIARINARIVO I
    • ZAP MANAZARA

     CISCO SOAVINANDRIANA
    • ZAP MAHAVELONA

    DREN HAUTE MATSIATRA:
    CISCO LALANGINA

    • ZAP ALAKAMISY AMBOHIMAHA 

    CISCO AMBOHIMAHASOA
    •ZAP AMPITANA
    •ZAP ISAKA
    •ZAP AMBOHINAMBOARINA

    DREN AMORON'I MANIA:
    CISCO FANDRIANA
    • ZAP IMITO

    DREN VAKINANKARATRA:
    CISCO ANTSIRABE I manontolo

     

    Cellule riposte/MEN

  • 16 Oct. 2017 - 07:29-

    Situation générale de la peste le 13 octobre. La situation épidémiologique du 1er août au 13 octobre 2017 est détaillée comme suit : 610 est le nombre total de cas rapporté (cumul pour tout Madagasikara pour toute cette période et pour tout type de peste confondue).

    63 : Nombre de personnes décédées (cumul pour tout Madagasikara pour toute cette période et pour tout type de peste confondue).  Taux de létalité nationale : 10,3% (c’est le rapport du nombre de décès avec le nombre total des cas notifies). Source : Minsan.

  • 15 Oct. 2017 - 18:13-

    Atlantis Business School renforce sa présence auprès des écoles à Antananarivo. Le samedi 14 octobre Rasolofonjatovo Ny Aina, un des responsables du bureau de Atlantis Business School ou ABS offre à Antananarivo a rencontré les représentants de quelques écoles d’expression française pour présenter les avantanges et les possibilités de poursuivre les études au sein de l’ABS. ABS offre aux étudiants la possibilité d'étudier à Maurice pour obtenir un diplôme internationalement reconnu décerné par UUM (University Utara Malaysia)  prestigieuse université malaisienne. ABS est aussi accréditée auprès de he Association to Advance Collegiate School of Business des États-Unis.

  • 14 Oct. 2017 - 13:13-

    Fahatongavan’ny nofo mangatsiakan’ny Filoham-pirenena teo aloha Zafy Albert. Ny nofo mangatsiakan'ny Filoha Albert Zafy dia ho tonga eny Ivato ny 14 oktobra amin'ny 4 ora sy 10mn. Aorian'ny fanomezamboninahitra ho tontosanan’ny fanjakana, dia ho entina eny antranony eny Ivandry villa franchise ny vata mangatsiaka. Toy izao ny lalana hizorana: Ivato- Talatamaty-rond point Ankazomanga - route des hydrocarbures - Ivandry.

  • 14 Oct. 2017 - 12:21-

    Fanambaran’ny Filoham-pirenena, Hery Rajaonarimampianina, manoloana ny fahalasanan’ny Filoha Zafy Albert. Ry Vahoaka malagasy, amin’alahelo tokoa no nandrenesana ny fodiamandrin’ny Profesora ZAFY Albert tany amin’ny Nosy La Réunion. Very olomanga ny firenena satria Filoham-pirenena voafidim-bahoaka tamin’ny taona 1992 ny filoha Zafy Albert, ary niady sy nandala ny demokrasia sy ny fihavanam-pirenena. Koa amin’ny anaran’ny vahoaka Malagasy, amin’ny anaran’ny fitondram-panjakana iray manontolo, sy amin’ny anaran’ny tenanay manokana, no itondranay ny fiaraha-miory amin’ny vadiny sy ny zanaka aman-jafiny ary ny fianakaviana, mangataka ny fitahian’Andriamanitra mba hampahery azy ireo hatrany.

  • 13 Oct. 2017 - 14:04-

    Décès du Pr Zafy Albert. Le professeur Albert Zafy, ancien président de la République malgache, est décédé ce vendredi 13 octobre à l’hôpital de Saint-Pierre, selon la publication qu’on peut lire sur le site de la Présidence de la République de Madagasikara. Il a été évacué sur l'île de la Réunion ce jour 12 octobre. Le Professeur, fondateur du parti Undd et acuellement Président d’honneur, ancien Président de la république a été admis à la polyclinique d’Ilafy le 11 octobre 2017. Il est âgé de 90 ans. www.lakroa.mg présente ses condoléances à la famille. Paix à son âme.

  • 13 Oct. 2017 - 07:35-

    Situation épidémiologique à Madagascar du 1er août au 12 octobre 2017. Voici la situation épidémiologique : Au total : 561 cas dont 57 décédés. • Létalité globale est de : 10,2%. • Formes cliniques : 415 cas de Peste pulmonaire ; 144 cas de Peste bubonique ; 1 cas Peste septicémique ; 1 cas de peste non précisée. • Confirmés : 39, • Probable : 219, • Suspect : 303. Source : MSANP, Communiqué par : BNGRC.

  • 11 Oct. 2017 - 07:26-

    Lisitra fanampiny zap hanakatona sekoly, lisitra navoaka ny 10 okitobra. Miato ihany koa ny fampianarana amin'ireto toerana ireto, na ny sekoly miankina na ny tsy miankina. Misy amin'izy ireo no efa tsy nampianatra androany misy kosa ireo hikatona manomboka rahampitso 11 okitobra 2017= Dren Itasy, Cisco Soavinandriana : ZAP Antanetibe. Dren Haute Matsiatra, Cisco Vohibato : Zap Mahaditra. Dren Vakinankaratra, Cisco Antsirabe 1 : Zap Antsirabe Ampovoany, Zap Soamalaza Mahatsinjo, Zap Antsenakely Andraikiba, Zap Mahazoarivo Avarabohitra.

  • 10 Oct. 2017 - 13:59-

    Récentes parutions. Culture : http://www.lakroa.mg/item-1190_articles_culture_18-pesita-sy-fantsy.html. Social: http://www.lakroa.mg/item-1189_articles_societe_18-signature-daune-convention-entre-la-cnaps-et-la-flm.html

  • 10 Oct. 2017 - 13:32-

    Communiqé du Sefafi. Le Sefafi vient de publier un nouveau communiqué intitulé : “Intérêt légitime et droit à être informé”. Épidémie de peste, révision de la constitution, accueil de réfugiés syriens… Autant d’actualités polémiques qui ont soulevé un tollé, suscité l’incompréhension et l’indignation, semé le désarroi voire même la panique au sein de l’opinion et qui, dans certains cas, ont fini par indisposer le pouvoir ! L’État aurait pu éviter la psychose en tenant le public informé et en prenant les devants par des mesures d’urgence appropriées pour limiter la propagation de la maladie.

  • 10 Oct. 2017 - 07:23-

    Lisitra fanampiny. Ankoatra ireo ZAP sy CISCO voalaza eto ambany dia mihato ihany koa ny fampianarana eny anivon'ireto ZAP sy CISCO ireto mandritra ity herinandro ity:

    DREN ANALAMANGA CISCO ANJOZOROBE: ZAP ANJOZOROBE I

    DREN ITASY, CISCO ARIVONIMAMO:

    - ZAP ALAKAMISY KELY

    - ZAP AMPAHIMANGA

    - ZAP AMBATOMIRAHAVAVY

    DREN HAUTE MATSIATRA CISCO FIANARANTSOA MANONTOLO

    DREN ANALANJIROFOCISCO FENERIVE EST MANONTOLO

    DREN AMORON'I MANIA CISCO FANDRIANA: ZAP IMITO

    (Cellule riposte/MEN)

  • 07 Oct. 2017 - 08:28-

    Cisco sy zap tsy mianatra. Manoloana ny fitrangan’ny aretina pesita dia nandray fepetra samihafa ny Ministeran’ny Fanabeazam-pirenena. Voalohany, misy ny  Fanadiovana faobe ny sekoly rehetra ao amin’ilay ZAP na CISCO misy ny marary ;  Fandrarahana fanafody ireo sekoly rehetra ao anatin’ny ZAP na ny CISCO ;  Fanakatonana ny sekoly ao anatin’ny 3 andro aorian’ny fandrarahana fanafody. Faharoa, misy ny fepetra ho raisina amin’ny herinandron’ny faha 9 oktobra ka hatao “Semaine d’observation” ny herinandron’ny miandoha ny 9 okitobra. Ka jereo anatin’ity rohy ity ny Cisco sy zap tsy mianatra mandritra io herinandro io : http://www.lakroa.mg/item-1183_articles_education_18-fepetra-noraisina-ho-fisorohana.html

  • 05 Oct. 2017 - 08:41-

    Premium class Soatrans. La coopérative Soatrans vient de lancer une nouvelle offre dénommée Premium class. Le lancement de cette offre a été effectué ce 3 octobre 2017. Avec cette offre les passagers sont sûrs de partir à l’heure indiquée quelle que soit le nombre de clients ayant réservés. Les voyageurs bénéficient de l’internet avec le Wi-Fi intégré à bord. Chaque voiture est dotée de gps cela permet de contrôler la vitesse employée et de suivre la voiture en temps réel. Les départs se font toutes les deux heures (6h, 8h, 10h le matin et 14h, 16h et 18h l’après-midi).

  • 05 Oct. 2017 - 07:42-

    Lahatsoratra farany. Santé : http://www.lakroa.mg/item-1180_articles_sport_18-pesita-misy-mpizesita-mahay.html

  • 03 Oct. 2017 - 06:58-

    Sekoly mikatona ho an’ny Cisco 6. Tahaka izao ny fanambarana navoakan’i Paul Rabary, minisitry ny fanabeazam-pirenena : « Miato ny fampianarana amin'ireto toerana voalaza ireto amin'ity herinandro ity ho fanohizana ny fanadiovana ny sekoly (miankina sy tsy miankina): Antananarivo Renivohitra, Antananarivo Avaradrano, Antananarivo Atsimondrano, Ambohidratrimo, Toamasina I, Toamasina II.

    Amin'ny alatsinainy izany ny ankizy vao miverina mamonjy ny toeram-pianarany any amin'ireo toerana ireo ! »

Du même auteur

monde
politique

Dans la même rubrique

chronique
chronique
Publicité