logo
Lakroan'i Madagasikara
Tafatafan’i Talata

Advantista vaovao, Shine sy ny hafa

Ratalata Jean Ba il y a 5 années

Tsapa ho mavitrika ireo antokom-pinoana lazaina kao hoe fiangonana zandriny. Samy manana ny tekinikany izy ireo.

Maro ireo fiangonana sokajiana ho zandriny ary hambara ihany koa hoe sekta no hita eny anivon’ny fiarahamonina. Hitantsika nameno ny kianjan’ny Coliseum ao antsonjombe ny fiangonana Vahao ny oloko, indray asabotsy iny, volana vitsy izay. Nisy nanaraka azy tato aoriana fa toa tsy nitovy ny fahombiazana. Ireo trano malalaka eny amin’ny fokontany dia betsaka no ampiasain’ny antokom-pivavahana samihafa.

 

“Raha ny teto amin’ny fokontaninay izao dia efa nisy an’izany fianakaviana nifampitana tamina fiangonana Pantekotista” hoy ity lehilahy iray. Nazavaina fa isaky ny alahady dia mifaninana mampiasa fanamafisam-peo ilay tokantrano sy ilay fiangonana. Ilay fiangonana aloha no teo talohan’ilay tokantrano e. Izany hoe efa tokony nahafantatra ilay nividy ilay trano fa isaky ny alahady tontolo andro dia miasa mafy ny fanamafisam-peo ao amin’ilay fiangonana. Tsy naharitra ny ady fa niala ilay tompon-trano fa ilay fiangonana mbola ao manohy ny asany ary tsapa fa nihena ny herin’ny fanamafisam-peo.

 

Fa tato anatin’ny andro vitsivitsy izay dia tsapa fa maromaro ireo vaovao momba ireo antokom-pinoana samihafa ary samy hafa ireo.

 

Ny faran’ny volana okitobra teo izao dia nisy fanambarana fa mitsangana izany SDARM izany na Seventh Day Adventist Reform Movement na Advantista Mitandrina ny Andro Fahafito Fihetseham-panavaozana. Tsy mankasitraka ny fomba arahin’ny advantista hono izy ireo ka miverina amin’ny loharano nipoiran’ny advantista. Nanangana fiangonana vaovao izany ary efa tanana roa no misy azy ireo eto Madagasikara dia ny ao Mandroseza sy any Toamasina. Ambaran’izy fa efa tany amin’ny volana febroary 2014 teo no tonga voalohany teto Madagasikara ity fihetseham-panavaozana ity.

 

Isan’ny hita sy tsapa koa tao ho ao dia misy fotoana maro ao amin’ny televiziona no ahitana fandaharana resaka fitoriana. Misy vahiny ary adika amin’ny teny malagasy ny resany. Fa misy koa pasitera mivady malagasy miteny malagasy avy hatrany, mifandimby na miaraka mitory. Isan’izany ny mpanorina ny fiangonana Shine. Isan’ny ahitana azy ny ao amin’ny televiziona TvPlus. Vidiana moa ireny fotoana ahitana azy ireny fa tsy midika fa an’ny Shine akory ny TvPlus… Tsetsatsetsa tsy aritra no ampahatsiahivana fa nisy fotoana nilazana fa ana antokom-pivavahana avy any ivelany ny TvRecord.

 

Ankehitriny dia hita fa manemitra ny rindrina ao Antananarivo ny afisy milaza fa manana vahiny ny fiangonana Shine. Ary hampiasa ny Palais des sports et de la culture ity antokom-pivavahana ity. Mandritra ny efatra andro. Manomboka ny 20 novambra izany ary mifarana ny 23 novambra. Maraina sy hariva. Tahaka ny mahazatra an’ireo antokom-pinoana ireo moa dia vavaka, fanasitranana, no teny entin’izy ireo mambabo ny olona ho avy. Io fotoana io dia natokan’ity fiangonana ity ho fanamarihana ny fahafolo taonany.

 

Ny antokom-pivavahana fahatelo hita sy re tao Antananarivo dia antokom-pivavahana miaraka amin’izany pasitera Chris Oyakhilome. Vao mitsangana mihitsy izy ity Christ Embassy ity ary ny Cemes ao Betongolo ao no ampiasainy. Nizara boky vita  printy tsara tarehy teny Antaninarenina no nahitana azy ireo nampahafantatra ny fijoroany. Boky vita amin’ny teny malagasy, na teny frantsay na koa teny anglisy. Nozaraina maimaim-poana. Ny fanombohan’ny volana novambra teo no nahitana izany.

 

Samy manana ny tetika hambabony ny fon’ny olona ireo antokom-pinoana ireo. Ao ny fampiasana voambolana “mirefotra” toy ny croisade ny an’ny sasany mbola hamafisina ka croisade internationale, délivrance… Misy koa ny fampiasana ny tekinika eo amin’ny fifandraisana na communication (dokam-barotra, fandaharana manokana amin’ny televiziona, mampiasa écran géant rehefa vory vahoaka, afisy, sns.). Tsy misaraka amin’ireo antokom-pinoana ireo ny fanamafisam-peo  ary ampiasaina mafy izany. Eo koa ny fahaizan’ireo mpitarika antokom-pinoana mikabary na mandaha-teny angamba no mahalaza ny tian-kambara. Ao ireo manao izany amin’ny fiteny malagasy ranoray ao ireo manasa vahiny miteny anglisy matetika ary dia mandika ny eto antoerana, fomba iray hisarihana tanora koa io teny anglisy ka asiana fampianarana teny anglisy ao am-piangonana. Santionany ireo tetika ireo.

 

Santionany amin’ireo fiangonana sy antokom-pinoana mampiseho ny fahavitrihany ireo. Betsaka ireo Epp, na sekoly tsy miankina ireny no ampiasain’ny antokom-pivavahana samihafa rehefa tsy mianatra ny mpianatra. Manofa trano izy ireny. Fidiram-bola fanampiny ho an’ilay sekoly izany no tsy manangana trano ilay antokom-pivavahana fa mionona amin’ny fampiasana izay trano efa mijoro.

 

Isan’ny hampiasa ny Coliseum ny mpanankanto iray ato ho ato. Maimaim-poana ny fidirana amin’izany fety izany. Fiderana an’Andriamanitra ny azy. Tsy fantatra mazava izay antokom-pivavahana miara-dia aminy na manampy azy amin’izany.

 

Inona no dikan’ny firoboroboan’ireny fiangonana ireny ? Very fanahy mbola velona ve ny Malagasy ? Sa tsy mahasarika ny fiangonana miaraka ao anatin’ny FFKM ka isan’izany ny EKAR ? Saro-baliana izany. Teny natao isarihana ny sain’ny rehetra.

Partager l'article:

Lakroa en direct
  • 19 Jul. 2019 - 08:45-

    JIOI 2019. Dans le cadre des Jeux des Îles, les Barea affrontent en premier les Seychelles. Le match se déroulera au stade Auguste Vollaire le 20 juillet à 14h15. Madagascar n’a pas perdu, lors des deux dernières rencontres entre les deux sélections, avec une victoire (0-1) le 11 juin 2016 et un match nul (1-1) le 29 mai 2018.

  • 18 Jul. 2019 - 14:15-

    USA. Le cardinal DiNardo interpelle Donald Trump sur les droits des migrants. «Il est contraire aux valeurs américaines et chrétiennes de chercher à empêcher aux personnes d’émigrer ici quand elles fuient pour sauver leurs vies et pour trouver une sécurité pour leurs familles», déclare le cardinal DiNardo.

  • 18 Jul. 2019 - 11:27-

    Birao maharitra AN. Vita ny fifidianana ny mpikambana ireo mandrafitra ny Birao maharitry ny Antenimieram-pirenena. Toy izao izany : Filohan’ny Antenimierampirenena : Razanamahasoa Christine Harijaona, Ambatofinandrahana (IRD). Filoha Lefitra Antananarivo : Rasolonjatovo Honoré, Faratsiho (IRD). Filoha Lefitra Antsiranana : Rahelihanta Jocelyne, Antsiranana I (IRD). Filoha Lefitra Fianarantsoa : Razafitsiandraofa Jean Brunelle, Ikongo (IRD). Filoha Lefitra Mahajanga : Rahantanirina Lalao, Mahajanga I (IRD). Filoha Lefitra Toamasina : Michelle Bavy Angelica, Fenérive Est (IRD). Filoha Lefitra Toliara : Rabenirina Jean Jacques, Betioky Atsimo (IRD).
    Questeur 1 : Henri Jean Michel, Ambovombe (IRD). Questeur 2 : Rakotomanga Lantoarivola Sedera, Antananarivo II (IRD). Questeur 3 : Rabenirina Maminiaina Solondraibe, Ambohidratrimo (TIM).
    Mpampakateny : Angèle Solange, Amboasary Atsimo (Mahaleotena). Mpampakateny lefitra : Rafenomanantsoa Tsirimaharo Ny Aina, Antananarivo III (IRD).

  • 17 Jul. 2019 - 09:30-

    Mercato-Jeremy Morel. En fin de contrat avec l'OL, l’international malgache Jeremy Morel signe pour un an de contrat avec le Stade Rennais. « Je suis très enthousiaste et fier de rejoindre le Stade Rennais F.C. Je vais faire du mieux possible pour apporter mon expérience au club. J’avais plusieurs sollicitations mais sportivement je me voyais plus ici. J’espère avoir fait le bon choix. À moi de tout faire sur le terrain pour remercier le Président de sa confiance », a-t-il déclaré.  

  • 16 Jul. 2019 - 09:30-

    Désensablement. La piscine naturelle du Parc National Isalo est de nouveau ouverte à la baignade depuis le vendredi 12 juillet dernier. « La profondeur et la propreté de l’eau ont été testées par les agents de Madagascar National Parks afin de s’assurer que toutes les conditions requises pour la baignade durant la haute saison touristique 2019 soient au mieux », déclare Madagascar National Parks sur Facebook.

  • 15 Jul. 2019 - 14:30-

    Jeux des îles. A l’île Maurice, les sportifs venant des sept îles de l'océan Indien s'affronteront sur quatorze disciplines : athlétisme, badminton, le basketball, boxe, cyclisme, football, haltérophilie, judo, natation, tennis de table, voile, beach volley et volleyball. Pour cette édition, l’ouverture officielle se fera le 19 juillet et prendra fin le 28 juillet.

  • 15 Jul. 2019 - 13:00-

    FMF. Lova Ramisamanana ne pourra se présenter à la course pour être à la tête de la fédération malgache de football. Il l’évoque sur sa page Facebook ainsi, « j’ai le regret de vous annoncer que je ne pourrai pas me présenter à la présidence de la fédération malagasy de football, faute de n’avoir pu réunir les 3 cautions requises. Nous nous sommes battus jusqu’au bout mais nous n’avons pu faire face à certains obstacles. »

  • 15 Jul. 2019 - 08:30-

    CAN 2019. Suite à leur victoire respective contre la Tunisie et le Nigéria, le Sénégal et l’Algérie disputeront la finale de cette édition de la Coupe d’Afrique des Nations. Pour rappel, les Fennecs ont battu ces Lions de la teranga lors de la phase de poule sur le score de 1-0 avec le but de Youcef Belaili.

  • 11 Jul. 2019 - 06:30-

    Fandaminana. Handamina ny polisim-pirenena ho an’ny alakamisy alina araka ny resadresaka tamin’ny mpanao gazety nataon’ireo tompon’andraikitra ao amin’ny Polisim-pirenena. Nanome ireo toromarika manodidina ny filaminana mandritra ny fijerena baolina kitra amin’izao Can izao izy ireo. Maro ny polisy hiasa amin’io alin’ny alakamisy io raha ny nambaran’ireto tompon’andraikitra ao amin’ny polisim-pirenena ireto.

  • 09 Jul. 2019 - 13:30-

    Supporter les Barea. L’inscription est ouverte pour aller supporter les Barea en Egypte pour leur quart de finale contre la Tunisie. Les billets sont disponibles auprès de l’Air Madagascar à Analakely. Adressez-vous à la même agence pour plus d’infos.

  • 06 Jul. 2019 - 13:00-

    Pape François – Poutine. Le président russe Vladimir Poutine a rencontré le pape François au Vatican le 4 juillet pour une discussion privée de 55 minutes. Le pape François et Poutine ont discuté de questions d'actualité en Syrie, en Ukraine et au Venezuela, ainsi que de questions environnementales et de questions concernant l'Eglise catholique en Russie, selon le bureau de presse du Saint-Siège.

  • 05 Jul. 2019 - 11:00-

    CAN 2019. La CAF a rejeté les plaintes contre la RDC pour match truqué. Suite à l’insuffisance de preuve réelle, les accusations de corruption de la fédération zimbabwéenne de football vis-à-vis de leur gardien de but ont été rejeté. De ce fait, le match entre Madagascar et la RDC dans le cadre des huitièmes de finale aura bel et bien lieu dimanche prochain.

  • 05 Jul. 2019 - 08:30-

    Wi-fi gratuit. Le mercredi 10 juillet prochain, le wi-fi gratuit sera disponible à Antananarivo. Il sera possible de se connecter librement, sur quatre zones incontournables de la capitale comme au jardin Antaninarenina, à l’arrêt bus Ambohijatovo, au jardin Antanimena et au pont de Behoririka.

  • 04 Jul. 2019 - 10:30-

    Nicolas Dupuis. Selon Jeune Afrique, Nicolas Dupuis est 31ème dans le classement des entraîneurs les mieux payés en Afrique. Il perçoit 7000€ par mois, selon les chiffres publiés par le média. Le sélectionneur de l’Egypte, Javier Aguirre, est le coach le mieux rémunéré sur le continent avec un salaire mensuel de 108 000 euros.

  • 03 Jul. 2019 - 15:15-

    CAN 2019. Anicet Andrianantenaina et Carolus Andriamanitsinoro intègrent l’équipe type de la phase de poule de cette Coupe d’Afrique des Nations. Pour rappel, Anicet était l’homme du match pendant la rencontre face à la Guinée. Carolus l’était à son tour pendant le match contre le Nigéria.

  • 03 Jul. 2019 - 14:30-

    FIER-Mada. Tanterahana ny alarobia 7 hatramin’ny 11 aogositra ho avy izao ny FIER-Mada faha 21, ao amin’ny kianja Makis Andohatapenaka. Amin’izany dia hisy ny lao-bary an-dasy hiompana amin’ny « fandrosoana maharitra : tetik’asam-panjakana vatsiana vola amin’ny voajanahary sy ifampierana amin’ny tantsaha eny ifotony ».

  • 03 Jul. 2019 - 13:15-

    Energie solaire. La nouvelle technologie solaire pourrait produire de l'eau potable propre pour des millions de personnes dans le besoin. Des appareils appelés alambics solaires utilisent le soleil pour évaporer l'eau salée et condenser la vapeur en eau potable saine. Les chercheurs ont mis au point un nouveau système accélérant le processus d'évaporation, permettant ainsi à un petit alambic solaire de fournir toute l'eau potable dont une famille a besoin.

  • 03 Jul. 2019 - 08:30-

    Fampandrenesana. Tapaka ny lalana : -Lalana Dr Rajaonah- Pharmacie Ankadifotsy- EKAR Antanimena- ESCA ny saboty 6 jolay 2019. Voarara ho an’ny fifamoivoizan’ny  fiara rehetra tsy an-kanavaka ny ampahany amin’ireo lalana ireo. Izany dia noho ny fankalazana ny faha-50 taonan’ny Sekoly Les Lutins Ankadifotsy, araky ny fampandrenesana.

  • 02 Jul. 2019 - 08:00-

    Supporter les Barea. Une offre exceptionnelle est disponible pour les 8è de finale de cette CAN. Elle est à 2.200.000 ar ( Billet d avion A/R +Hebergement+Transfert hôtel-stade+ Billet d entrée stade ) 298.000 ar ( Visa de séjour ) 198.000 ( Passeport ) soit 2.688.000 AR Départ d Ivato samedi 06 juillet - retour Ivato Lundi 08 juillet Appareil A 380 . Plus d infos contacter Air MADAGASCAR

  • 01 Jul. 2019 - 10:30-

    USA-Corée du Nord. Le président Donald Trump et le président nord-coréen Kim Jong Un se sont rencontrés dimanche dans la zone démilitarisée (entre la Corée du Nord et du Sud) fortement fortifiée et ont convenu de relancer les pourparlers sur le programme nucléaire de Pyongyang. Trump, faisant pression pour obtenir un accord définissant un héritage, est devenu le premier dirigeant américain assis à entrer en Corée du Nord.

Du même auteur

monde
politique

Dans la même rubrique

chronique
chronique
Publicité