logo
Lakroan'i Madagasikara
Fananana asa sy fampiofanana

Mila ezaka lehibe ny fampivoarana ny sehatry ny asa sy ny fampiofanana eto Madagasikara

Besa il y a 5 années

Vita ny 7 novambra teo ireo fikaonandoha ho an’ny paikadim-pirenena ho amin’ny fampivelarana ny fahaiza-manao. Tsy mifandanja ny filana sy ny fahaizamanao.

Mila ezaka lehibe ny fampivoarana ny sehatry ny asa sy ny fampiofanana eto Madagasikara
Seha-pihariana dimy, izay heverina ho andry iankinan’ny fampiroboroboana ny  famoronana asa eto Madagasikara,  no nanaovana fikaonandoha teny amin’ny Antenimiera ny varotra sy ny indostria tetsy Antaninarenina. Zavatra telo lehibe no azo tsoahina tamin’izany.

 

Tsy ampy ny fanofanana eto Madagasikara

Raha dinihina ny filana eo amin’ny fahaizamanao eto Madagasikara, ary ampitahaina amin’ireo sampam-pihofanana misy, dia tsapa ny tsy fahampiana araka isa, ny kalitao ary  ny safidy ny  fiofanana sy ny karazany ireny. Ohatra vitsivitsy no entina eto: ny eo amin’ny sehatry ny tenona sy ny fitafiana, dia saika tsy misy mihitsy ireo toeram-pihofanana mifanandrify amin’ny karazana asa  ilain’izany sehatr’asa izany, fa ny atao hoe “ coupe et couture” mahazatra no betsaka. Tahaka izany koa ny eo amin’ny sehatry ny asa vaventy sy ny harena stratejika , izay mila mpiasa tsotra mahafehy ny faninginana fantsona vaventy na an-tanety, na andranomasina , ny familiana fitaovana vaventy, ny fahaizana ny voho sy ny ankibon’ny tany. Ny amin’ny sehatry ny fambolena sy ny fiompiana indray, dia ny fahalalana fototra ny amin’ny karazan-tany mety amin’ny izay voly atao na ny fanomanana ny tany sy ny fepetra amin’ny fambolena hahazoana vokatra tsara kalitao nefa betsaka kokoa  noho ny mahazatra ny habetsahan’ny hotazana amin’ny hekitara iray . Ny fambolena vary ohatra dia tsy hampiharina amin’ny ankapobeny ny voly vary maro anaka, na ny voly vary toratady sy mampiasa ketsa tanora.

Ny antony hafa mahatonga ny tsy fahampian’ny safidy na ny hatsaran’ny fampiofanana, dia ny tsy fananantsika mpampiofana mifanaraka amin’ny mari-pitarafana sy ireo hasi-taranja ilaina amin’ny sehatry ny asa sasany. Indindra ireo mila ny teknolojia vaovao , na fahaizamanao araka ny vokatry ny fikarohana sy ny fandaminana vaovao eo amin’ny seha-pihariana samihafa. Tsy mifandray koa ireo toeram-pihofanana sy ny tontolon’ny asa, ka toa mifanao atsimo sy avaratra matetika ny fanofanana nomena sy ny asa izay atao.

 

Tsinontsinoavina ny fikarohana sy ny siansa

Raha toa ka mivoatra ny asa iray , dia ilaina ny fikarohana. Maro no mpikaroka eto Madagasikara, saingy tsy omena lanja ny fikarohana nataon’izy ireo .ao ohatra ny ivotoeram-pirenena momba ny fikarohana eo amin’ny indostria, izay mahita vokatra tsara ilain’ny orinasa eto an-toerana, nefa sady tsy ampianarina any amin’ireo toeram-pihofanana, na tsy raisina eny amin’ny orinasa tokony mila azy ireny vokatry ny fikarohana ireny. Tahaka izany koa ireo voka-pikarohana vita teny amin’ny sampana politeknika, sy ireo sampam-pianarana, na fikarohana isa-karazany misy eto amin’ny firenena. Lasa ny firenena hafa indray aza no migoka ny mamy sy ny tombontsoa avy amin’ny herim-pon’ireo mpikaroka Malagasy. Maro no ohatra tamin’izany raha tsy ilaza afa-tsy  ny sehatry ny fambolena sy ny fiompiana ary  ny NTIC isika. Tsy manokana vola ho amin’ny fikarohana koa ny fanjakana, ary tsy manosika ny sehatra siantifika sy teknika , ka zary lasa faralahin-jaza io sehatra io nefa iankinan’ny fampandrosoana mifandraika amin’ny volontany izany. Ny mpianatra amin’ireny toeram-pihofanana teknika mila fahaizana siantifika ohatra , dia mitaraina ny amin’ny fahambanian’ny fahaizana siantifika ananan’ny mpianatra. Ny mpianatra afaka BAC , dia tsy mbola nandalo laboratoara siantifika akory ,satria tsy misy, na tsy miasa intsony ireny laboratoara ireny na teny amin’ny lisea , na CEG. Hita izany amin’ny habetsaky ny mpianatra amin’ny sokajy siantifika sy teknika izay iray ampahatelon’ny mpianatra manala BAC tao anatin’ny folo taona farany .

 

Tsy misy rafitra mazava ny sehatry ny asa sy ny fampananana asa

Manahirana eo amin’ny sehatry ny fanofanana ity koa, dia ny tsy fisian’ny rafitra mazava, hazahoana ny vaovao rehetra  mikasika ny asa, ny fanofanana, sy ny manodidina izany. Voalohany amin’izany ny amin’ny fankatoavana ireo maripahaizana nomen’ireo toeram-pihofanana. Misy an’ny minisitera  iankinan’ilay toeram-pihofanana, ao ny minisiteran’ny asa. Indraindray dia toa mifanipaka ny fanapahan-kevitry ny minisitera roa satria misy eken’ny minisiteran’ny asa, nefa tsy eken’ny minisitera iankinan’ilay seha-panofanana. Eo koa ny mari-pitarafana ny asa, ny fankatoavana ny fahaizana noho ny traikefa ananana sy ny maro samihafa. Eo koa ny famatsiana vola ny fanofanana izay toa samy mandeha samy mitady, ka tsy hita mivaingana ny vokatra azo.

Izany indrindra no nanomezan’ny mpikaon-doha ny tokony hananganana ny “agence nationale de l’emploi et de la formation professionnelle”, ny handraisan’ny mpampiasa , ny mpiasa, ny fanjakana ary ny mpiofana anjara amin’ny famatsiana ara-bola ireo toeram-pihofanana samihafa . ny nahavelom-bolo, dia ny naneken’ireo mpampiasa handrotsaka araka izay zakan’ny isa-tseha-pihariana 0,5% ka hatramin’ny 2%  amin’ny bolongana karama fototry ny mpiasa ao aminy harotsaka ao amin’io “agence “io. Ny notakian’izy ireo kosa, dia ny tsy hapandoavina hetra azy ireo amin’ny sandan’io vola narotsany ao amin’ny “agence” io.

 

Hiposaka ve ny masoandro ?

Samy be fanantenana  ireo nandray anjara tamin’ireo fikaonan-doha ireo, satria toa nifanao velirano, ny fanjakana izay nosoloan’ireo minisitera nandray anjara tao, izay notarihan’ny Minisiteran’ny  asa sy ny fampianarana teknika ary ny fiofanana arak’asa, ireo mpampiasa, ny mpiasa ary koa ireo mpihofana fa hanatanteraka izay tapaka, ary ho hita soritra ao amin’ny fehezan-dalàna mikasika ny politikam-panjakana momba ny asa  sy  ny fiofanana arak’asa izany. Ary hanana ny paikady momba ny fampiroboroboana ny fahaizamanao sy ny fanofanana arak’asa ny fanjakana.

Hiposaka ve ny masoandron’ny fampianarana teknika sy ny fanofanana arak’asa? Ho to anie izany. Aoka tsy hiverina hidinika indray afaka herintaona , na roa taona rehefa hiova ny minisitra noho ny fifandimbiasam-pahefana, fa hiroso amin’ny fiombonam-po ny ho amin’ny fampanana asa mendrika, sy mpiasa voahofana amin’izay Madagasikara.

Partager l'article:

Lakroa en direct
  • 24 Jun. 2019 - 14:06-

    Un Chinois élu pour la première fois à la tête de la FAO. Le vice-ministre chinois de l'Agriculture, Qu Dongyu, a été élu dimanche 16 juin à la tête de la FAO, Agence des nations unies pour l'agriculture et l'alimentation en obtenant une majorité absolue dès le premier tour de scrutin. M. Qu Dongyu, premier Chinois à accéder à cette fonction, a obtenu 108 voix, la candidate française Catherine Geslain-Lanéelle, 71 voix et le candidat géorgien Davit Kirvalidze, 12 voix, selon le décompte annoncé après le premier tour de scrutin.

  • 23 Jun. 2019 - 07:30-

    Coupe d'Afrique des Nations. Les Barea ont arraché le nul face au Syli national dans le cadre de la première journée de la CAN 2019 pour le groupe B. La Guinée a dominé la première période mais les hommes de Nicolas Dupuis ont vite pris le dessus grâce au but de Anicet (48’) et Carolus (55’). Les Barea affronteront le Burundi pour la deuxième journée.

  • 22 Jun. 2019 - 09:00-

    CAN 2019. La VAR sera utilisée à partir des quarts de finale de la Coupe d'Afrique des Nations. Le président de la CAF, Ahmad Ahmad, l’a annoncé la veille de l’ouverture de la compétition continentale. « Au début, c'était prévu pour les demi-finales, mais nous avons exigé qu'il fallait aller un peu plus en avant. Le comité exécutif a décidé pour les quarts de finale, pour que ce soit une réussite », a-t-il déclaré.

  • 20 Jun. 2019 - 11:30-

    5G. Depuis le début de cette année, de nombreux fabricants de téléphones ont dévoilé leurs prochains téléphones 5G. Le résumé, de ce que les principaux fabricants de téléphones prévoient, est dans l'article https://www.lakroa.mg/item-1739_articles_newtech_18-diverses-marques-compatibles-avec-le-raseau-5g.html 

  • 20 Jun. 2019 - 10:30-

    Ambassade de France. L’ambassadeur de France à Madagascar, Véronique VOULAND-ANEINI, a donné une conférence de presse, le mercredi 19 juin à Ambatomena. Elle a fait le bilan, plutôt positif, de ses quatre années à la tête de la mission diplomatique française à Madagascar.  

  • 20 Jun. 2019 - 07:05-

    Vidin-tsolika. Hidina ny vidin’ny solika avy amin’ny fihaonan’ny filoha Andry Rajoelina sy ireo mpandraharahan'ny solika. Hihena 500 ariary ny vidin’ny pétrole, ny gasoil dia hihena 150 ariary ary ny lasantsy dia hihena 100 ariary. Tanjona tamin’izany ny mba hampihena ny vidim-piainana eo anivon’ny tokantrano malagasy. Hihena arak’izany ny saran’ny fitaterana solika alain’ireo mpandraharaha ireo.

  • 19 Jun. 2019 - 14:30-

    FIJEV. La Forum International des Jeunesses et Emploi Vert (FIJEV) se déroule au CCI Ivato et prendra fin le samedi 22 juin 2019. Cette édition régionale réunit 250 participants parmi lesquels 200 jeunes- entrepreneurs issus du Comores, Djibouti, Seychelles, île de la Réunion, Mayotte, Maurice, Mozambique et Madagascar avec les experts et représentants des institutions nationales et internationales. Différents ateliers pratiques et des foires pour les emplois verts sont au programme pour ce forum.

  • 19 Jun. 2019 - 12:10-

    Lalàna mifehy ny serasera. Manomboka any Mahajanga ny fihaonana fakan-kevitra isa-paritra ho fanavaozana ny lalàna mifehy ny serasera izay tarihan’ny Ministeran’ny Serasera sy ny Kolontsaina. Tanjona amin’izany ny fanolorana tolo-dalàna vaovao eo anivon’ny Antenimiera.  

  • 19 Jun. 2019 - 11:00-

    Retrouvez lakroa.mg sur Facebook en cliquant sur le lien : https://www.facebook.com/lakroamg/

  • 19 Jun. 2019 - 09:00-

    CAN 2019. Finalement, la CAN 2019 se jouera avec 24 équipes. En effet, le Mali était incertain pour cette édition après l’ultimatum de la FIFA par rapport au retard du nouveau statut de la fédération malienne de foot (Femafoot). Le comité de normalisation de la Femafoot à voter de nouveaux statuts conformément aux exigences de la FIFA. Cette dernière devra valider le processus avec la CAF.  Pendant ce temps, la participation du Mali à la compétition continentale est assurée.

  • 19 Jun. 2019 - 07:21-

    Mpisoloky tratra. Nohon’ny fisolokiana volan’olona, voasambotry ny polisy avy ao amin’ny boriborintany faha-6 ny vehivavy roa ary lehilahy iray. Tratra teo ampanatanterahana ny asany ilay lehilahy. Saika haka vola mitentina 40 millions ariary miaraka amin’ny taratasy hosoka tany amin’ny banky no nahatratrarana azy. Nanoro avy hatrany ny misy ireo vehivavy roa namany ity lehilahy ity.

  • 18 Jun. 2019 - 15:24-

    En garde à vue. L'ancien président de l'UEFA Michel Platini est placé en garde à vue sur une affaire de corruption relative à l'attribution de la Coupe du monde 2022 au Qatar. Platini est questionné pour « faits de corruption active ou passive de personnes n'exerçant pas une fonction publique ». La FIFA affirme être au courant des informations concernant Platini mais ne dispose pas des détails de l'enquête en cours.

  • 18 Jun. 2019 - 08:12-

    Prix du carburant. Répondant à la question concernant la hausse du prix du carburant, le Président Andry Rajoelina a vivement affirmé qu’il ne fléchira pas devant le lobby des pétroliers et que sa priorité reste l’intérêt du peuple malagasy. En ce moment, une rencontre se déroule entre le Chef d’État et les opérateurs pétroliers afin de discuter de la baisse du coût du carburant ainsi que celui des groupes utilisés par la Jirama.

  • 24 May. 2019 - 07:48-

    18 sisa ny isan’ny senatera. Raha 63 ny isan’ny senatera teo aloha dia lasa 18 sisa izany. Ny fanovana dia noraisina nandritra ny filan-kevitry ny Minisitra natao tany Antsiranana ny 22 mey 2019 teo. Mitsinjara toa izao izany isa izany : ny roa ampahatelony fidiana mitovy isa, isaky ny faritany avy izany hoe 12 voafidy ka loholona roa isaky ny faritany (teo aloha). Ary ny 6 tendren’ny Filoham-pirenena avy amin’ireo vondron-kery maro an’isa indrindra amin’ny lafiny toekarena sosialy sy kolontsaina na noho ny fahaizany manokana.

  • 21 May. 2019 - 08:25-

    Drapeau à damier pour Lauda. Le triple champion du monde de F1 et président non exécutif de l'écurie Mercedes, dont l'état de santé inquiétait depuis une transplantation pulmonaire l'an dernier, est décédé à l'âge de 70 ans. Sa famille l'a annoncé dans un texte diffusé aux médias : «C'est avec une grande tristesse que nous vous annonçons que notre cher Niki s'est éteint paisiblement, entouré de ses proches, ce lund 20 mai. » L'état de santé de celui qui était devenu président non exécutif de l'écurie Mercedes en 2012 s'était dégradé à l'été 2018.

  • 03 May. 2019 - 07:39-

    2019, des médias sous influence. La précarité des journalistes et des médias malgaches les rend particulièrement vulnérables à l’influence des hommes d'affaires et des responsables politiques qui possèdent de nombreux organes de presse. L’élection présidentielle remportée fin 2018 par l’ex-leader de la transition Andry Rajoelina a confirmé la très forte politisation des médias locaux et notamment de la presse écrite. La quasi-totalité des titres ayant pris parti pour l’un ou l’autre des principaux candidats, l’accès à une information neutre et indépendante a été fortement limité. Le ministère des Affaires étrangères a directement écrit à l’ambassade d’Allemagne pour empêcher la publication d’un sondage dans un magazine d’information financé par une fondation allemande. Sur le plan légal, le Code de la communication adopté en 2016 fait référence. Au classement mondial de la liberté de la presse 2019 de RSF, Madagascar se trouve à la 54 place, classement depuis 2013.

  • 27 Mar. 2019 - 14:16-

    . Ho avy ny Papa. ny fanambarana ofisialy nataon'ny Nonce ny tolakandron'ny 27 Marsa teo fa ho avy hanatanteraka famangiana apostolika eto Madagasikara ny Papa Fransoa. Ny 6 sepitambra izy no eto hatramin'ny alahady 8 sepitambra. Feno 30 taona izao no nandalovan'ny Papa iray voalohany teto Madagasikara dia ny Papa Joany Paoly faha2 izany.


  • 27 Mar. 2019 - 14:16-

    . Ho avy ny Papa. ny fanambarana ofisialy nataon'ny Nonce ny tolakandron'ny 27 Marsa teo fa ho avy hanatanteraka famangiana apostolika eto Madagasikara ny Papa Fransoa. Ny 6 sepitambra izy no eto hatramin'ny alahady 8 sepitambra. Feno 30 taona izao no nandalovan'ny Papa iray voalohany teto Madagasikara dia ny Papa Joany Paoly faha2 izany.


  • 06 Mar. 2019 - 07:23-

    Carême 2019. Le temps de Carême 2019 commence ce jour, Mercredi des cendres. Pour nous accompagner dans ce temps fort de notre foi voici deux liens :

    Message intégrale du Pape pour ce Carême 2019

    https://www.lakroa.mg/item-1640_articles_une_18-ala-craation-attend-avec-impatience-la-ravalation-des-fils-de-dieua-rm-819.html  

    Et une analyse succincte de ce message

    https://www.lakroa.mg/item-1641_articles_religion_18-se-convertir-pour-auvrer-a-la-rademption-de-la-craation.html


  • 31 Jan. 2019 - 06:49-

    Bilan provisoire global en date du 30 janvier 2019 à 18h. Le bilan provisoire global après les « Fortes pluies » et « Tempête Tropicale Modérée EKETSANG» fait état de : • 27 Décédés (18 à cause du glissement de terrain, 4 morts par noyade, 1 mort d’un écroulement d’une maison suite à l’inondation, 4 morts d’un écroulement d’une maison) ; • 1 Disparu (emportée par l’eau) ; • 3 Rescapés (suite au glissement de terrain) ; • 9 586 Sinistrés (254 dues au glissement de terrain et 9 332 à cause de l’inondation) ; • 833 Déplacés actuels (451 dues au glissement de terrain et 382 à cause de l’inondation) ; • 2 462 Déplacés cumulés (518 dues au glissement de terrain et 1 944 à cause de l’inondation) ; • 1 778 Cases d’habitation inondées ; • 187 Cases détruites (7 dues au glissement et 83 dues à l’inondation).
    CECI EST LE DERNIER BULLETIN EN CE QUI CONCERNE L’INONDATION ET LE GLISSEMENT DE TERRAIN DE CES DEUX DERNIERES SEMAINES A MADAGASCAR. (Source : BNGRC, Centre d'Etudes de Réflexion de Veille et d'Orientation).

Du même auteur

monde
politique

Dans la même rubrique

education
education
Publicité