logo
Lakroan'i Madagasikara
Tafatafan’i Talata

Asain’i VMSA hampihavana ara-panahy ny Filohampirenena

Ratalata Jean Ba il y a 3 années

Mampihavana ny Ffkm. Manana vinam-pampihavanana koa ny Vmsa. Saingy… vinam-pampihavanana manaitra sy manahiran-tsaina no narosony.

Mihazakazaka ny te ho zanak’i… Tsia tsy “zanak’i dada” akory fa te ho zanak’Andriamanitra satria izany no fiantso ireo mpampihavana. Fijery kristianina izay famaritana izay. Ilay kristianina vonona hihavana amin’ny fahavalony.

 

Raha ny fijery ny zava-misy dia mbola tsy mifanakaiky amin’izany famaritana ny fampihavanana araka ny foto-pisainana kristianina izay ny tazana eo anivon’ny fiarahamonim-pirenena. Jereo ange…

 

Namory ny “movansy” dimy ny filoham-piangonana efatra mivondrona anatin’ny Ffkm (Fiombonan’ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara). Movansy ? Efa nilaozan’ny toetr’andro izany famaritana izany kanefa mbola tsy hita izay nahasolo azy. Misy ny movansy efatra nahazatra : Zafy, Ratsiraka, Ravalomanana ary Rajoelina. Ity farany no tena nitsipaka ny fisian’ny Movansy Rajoelina fony izy filohan’ny Tetezamita. Nofoanana ny movansy Rajoelina rava ho azy ilay fampihavanana mampiantso ny movansy. Ny movansy fahadimy ankehitriny dia ny an’ny filoha Rajaonarimampianina. Tsy maintsy antsoina hoe movansy Rajaonarimampianina izy ity satria dia izay akaiky ny filoha Rajaonarimampiaina no nalefa nisolontena azy nandritra ny fampihavanana nataon’ny Ffkm ny tapaky ny volana novambra teo. Ireo mpiandraikitra ambony ao anatin’ny antoko Hvm no nalefan’ny Filoha Rajaonarimampianina nisolo tena azy fa tsy izay mahasolotena ny vahoaka akory (efa Filoham-pirenena izy).

 

Namaly ny fanasan’ny Ffkm avokoa ireo ankolafy 5 ka samy nandefa solontena avy araka ny fangatahan’ny Ffkm. Tsiahivina etoana ireo nalefan’ny ankolafy tsirairay nisolotena ireo filoha nitondra teo aloha sy ny amperinasa : Ankolafy Zafy dia ny Pr Ramiandrisoa, Ankolafy Ratsiraka nahitana an-dRtoa ramisandrazana sy Atoa Montfort, Ankolafy Ravalomanana dia nahitana an-dRtoa isany Olga Ramalason sy Ihanta Randriamandranto, ny depiote Razafintsiandraofa Brunelle sy Rtoa Ratsivalaka Michelle, Ankolafy Rajaonarimampianina (Rakotovao Rivo, Mohamed Rachid, Harrison Randrianarimanana).

 

Rehefa nifarana ny dinika teo ambany fitarihan’ny Filoham-piangonana efatra dia tsapa fa samy manana ny fampihavanany ny mpandray anjara. “Hihavana izahay raha…” ary dia mifanipaka ny tohiny avy eo na sarotra tanterahina mihitsy aza. Tahaka ny milaza hoe “aleo tsisy izany fampihavanana izany”, “Tsy mila izany ho tanteraka ny mpanao politika malagasy…”, “Tsy izany no iankinan’ny fiainam-bahoaka…”

 

Ny filoham-pirenena dia milaza koa fa izy no mitarika ny fampihavanam-pirenena (toa te hilaza izy fa ny azy no manara-penitra… raha ny fandraisana ny fomba fiteniny). Saingy… Efa ho herin-taona sahady izao no nanaovan’ny filoha Rajaonarimampianina fianianana amin’ny maha filoham-pirenena azy kanefa… Kanefa… mbola tsy tazana ilay fampihavanana tena tiany hatao ary nampanantenainy raha nanao ny fianianany izy teo Mahamasina. Eo imolotra ihany hatreto.

 

Ho mpampihavana ara-panahy ?

 

Ny an’ny mpanara-dia azy moa dia ireny ny fanambarana nataon’ny Vondrona Miaro ny Safidim-bahoaka ny Ara-dalàna (Vmsa). Nilaza ny Vmsa fa “tokony ho velarina bebe kokoa na ny sehatra na ny mpandray anjara amin’ity resaka fampihavanam-pirenena ity”. Izany dia araka ny hita ao amin’ny fanambarana nataon’ny Vmsa ny 21 novambra teo. Izany hoe aleo ho maro ny mpandray anjara amin’izay sarotra ny mahita ny marimaritra iraisana ve no dikan’izao fanambarana izao ? Raha ny izy tokoa dia efa tokony hahafaoka be ny “movansy Rajaonarimampianina” izay filoha amperinasa, voafidim-bahoaka. Araka ny fiteny mahazatra dia efa légal ary légitime ny filoha amperinasa. Ny fangatahan’ny Vmsa ny fanitarana ny mpandray anjara dia toa milaza fa tsy manana ny légitimité ireo nisolotena ny filoha Rajaonarimampianina ireo. Satria ve Hvm no betsaka ? Manana mpandrindra nasionaly ny Vmsa ka ireto izy ireo : Voninahitsy Jean Eugène, Reboza Julien, Mahavimbina Alain, Rasamoelina Brigitte, Toto Lydia, Vaovao Benjamin izany hoe iray isaky ny faritany teo aloha. Hita araka izany fa tsy avy amin’ny Hvm ny mpitarika ny Vmsa.

 

 

Misy voambolana roa no nanaitra tamin’ny fanambarana navoakan’ny Vmsa.

 

Voalohany. Adika tsy hanalana na hanovàna izany ampahany nalaina tamin’ny fanambarana izay nanaitra : “…mandrisika ny Filoham-pirenena mba hanohy ny ezaka fandraisana antanana ny fanatanterahana ny fihavanampirenena izay ventesiny hatramin’izay, na amin’ny sehatra ara-panahy sy ny maha-olona izany…” Ity sehatra ara-panahy ity no manaitra. Inona ilay sehatra ?

 

Faharoa. “…izy irery (TTF : ny filoham-pirenena io) ihany no manana hery fanatanterahana izany amin’ny ara-dalàna (force exécutoire légale)…” Moa tsy didy jadona ve izany ? fa angaha moa tsy mbola hampandalovina eo amin’ny Antenimieram-pirenena izay hevitra tapaka ary havadika ho lalàna ka mpanatanteraka ny filoham-pirenena avy eo ? Sa izao ilay hoe sady mandidy no manapaka… ? Mampatahotra.

 

Mety ho diso fijery Ratalata eto kanefa ny ahiahy tsy ihavanana ary ny alahelo aleo ambara havanana hatrany.

Partager l'article:

Lakroa en direct
  • 18 Oct. 2017 - 12:09-

    Blueline business. Blueline lance ce 18 octobre son offre dénommée Blueline business. Cette offre est destinée spécialement aux entreprises avec 3 pôles de compétence : offre de connectivité, intégration et infogérance et services hébergés.

  • 18 Oct. 2017 - 11:54-

    Récente publication. Santé : Message de la Commmission Episcopale de la Santé http://www.lakroa.mg/item-1197_articles_sport_18-la-commission-encourage-la-poursuite-de-la-lutte.html

  • 17 Oct. 2017 - 13:38-

    Senatera vaovao, minisitra vaovao. Araky ny fanambarana nataon’i Sekretera Jeneralin’ny Fiadidiana ny Repoblika teny Iavoloha ny antoandron’ny 17 okitobra dia : voatendry ho loholon’i Madagasikara nisolo toerana an’i Ahmad i Rivo Rakotovao. Randriarimanana Harison Edmond kosa no voatendry ho minisitra eo anivon’ny Fiadidiana ny Repoblika misahana ny fambolena sy fiompiana misolo ny toeran’i Rivo Rakotovao. Soritana fa efa nisahana io ministera io i Randriarimanana Harison Edmond. Izao fanapahana izao dia efa noraisina ny 12 okitobra fa izao vao nambara ampahibemaso.

  • 17 Oct. 2017 - 12:48-

    Bilan de la peste au 16 octobre. La situation de l’épidémie de la peste affecte actuellement 38 Districts, qui se trouvent dans 17 Régions de Madagascar. 805 cas de peste ont été notifiés, dont 595 de formes pulmonaires et 210 de formes buboniques. Le bilan fait état de 74 décès.  Parmi ces cas notifiés : 62 sont confirmés selon les résultats de l’Institut Pasteur de Madagascar (IPM) ; 367 sont probables selon le test de diagnostic rapide (TDR) ; 377 sont des cas suspects. Source : Minsanp

  • 17 Oct. 2017 - 07:12-

    Deuxième session ordinaire. Selon l’article 75 de la Constitution l'Assemblée Nationale se réunit de plein droit en deux sessions ordinaires par an. La durée de chaque session est fixée à soixante jours. La première session commence le premier mardi de mai et la seconde, consacrée principalement à l'adoption de la loi de finances, le troisième mardi d'octobre. De même pour le Sénat comme le dispose l’article 84. Cette deuxième session commence ce 17 octobre à 14 heures pour les députés et 16 heures pour les sénateurs.

  • 17 Oct. 2017 - 06:37-

    Araka ny fanarahana akaiky ataon'ny #cellule_riposte_peste ireo ZAP nahitana ny trangana pesta ka nanakatonana ireo sekoly dia misy izy ireo no efa tsy misy ahiahiana intsony. Miverina mianatra noho izay ny mpianatra eny anivon'ireto ZAP ireto manomboka ny Alarobia 18 Oktobra ho avy izao:

    DREN ANALAMANGA:
    CISCO MANJAKANDRIANA

    • ZAP RANOVAO
    • ZAP AMBOHITROLOMAHITSY

    DREN ITASY:
    CISCO ARIVONIMAMO

    • ZAP ARIVONIMAMO I
    • ZAP ARIVONIMAMO II
    • ZAP ALAKAMISY KELY
    • ZAP AMPAHIMANGA
    • ZAP AMBATOMIRAHAVY

     CISCO MIARINARIVO
    • ZAP MIARINARIVO I
    • ZAP MANAZARA

     CISCO SOAVINANDRIANA
    • ZAP MAHAVELONA

    DREN HAUTE MATSIATRA:
    CISCO LALANGINA

    • ZAP ALAKAMISY AMBOHIMAHA 

    CISCO AMBOHIMAHASOA
    •ZAP AMPITANA
    •ZAP ISAKA
    •ZAP AMBOHINAMBOARINA

    DREN AMORON'I MANIA:
    CISCO FANDRIANA
    • ZAP IMITO

    DREN VAKINANKARATRA:
    CISCO ANTSIRABE I manontolo

     

    Cellule riposte/MEN

  • 16 Oct. 2017 - 07:29-

    Situation générale de la peste le 13 octobre. La situation épidémiologique du 1er août au 13 octobre 2017 est détaillée comme suit : 610 est le nombre total de cas rapporté (cumul pour tout Madagasikara pour toute cette période et pour tout type de peste confondue).

    63 : Nombre de personnes décédées (cumul pour tout Madagasikara pour toute cette période et pour tout type de peste confondue).  Taux de létalité nationale : 10,3% (c’est le rapport du nombre de décès avec le nombre total des cas notifies). Source : Minsan.

  • 15 Oct. 2017 - 18:13-

    Atlantis Business School renforce sa présence auprès des écoles à Antananarivo. Le samedi 14 octobre Rasolofonjatovo Ny Aina, un des responsables du bureau de Atlantis Business School ou ABS offre à Antananarivo a rencontré les représentants de quelques écoles d’expression française pour présenter les avantanges et les possibilités de poursuivre les études au sein de l’ABS. ABS offre aux étudiants la possibilité d'étudier à Maurice pour obtenir un diplôme internationalement reconnu décerné par UUM (University Utara Malaysia)  prestigieuse université malaisienne. ABS est aussi accréditée auprès de he Association to Advance Collegiate School of Business des États-Unis.

  • 14 Oct. 2017 - 13:13-

    Fahatongavan’ny nofo mangatsiakan’ny Filoham-pirenena teo aloha Zafy Albert. Ny nofo mangatsiakan'ny Filoha Albert Zafy dia ho tonga eny Ivato ny 14 oktobra amin'ny 4 ora sy 10mn. Aorian'ny fanomezamboninahitra ho tontosanan’ny fanjakana, dia ho entina eny antranony eny Ivandry villa franchise ny vata mangatsiaka. Toy izao ny lalana hizorana: Ivato- Talatamaty-rond point Ankazomanga - route des hydrocarbures - Ivandry.

  • 14 Oct. 2017 - 12:21-

    Fanambaran’ny Filoham-pirenena, Hery Rajaonarimampianina, manoloana ny fahalasanan’ny Filoha Zafy Albert. Ry Vahoaka malagasy, amin’alahelo tokoa no nandrenesana ny fodiamandrin’ny Profesora ZAFY Albert tany amin’ny Nosy La Réunion. Very olomanga ny firenena satria Filoham-pirenena voafidim-bahoaka tamin’ny taona 1992 ny filoha Zafy Albert, ary niady sy nandala ny demokrasia sy ny fihavanam-pirenena. Koa amin’ny anaran’ny vahoaka Malagasy, amin’ny anaran’ny fitondram-panjakana iray manontolo, sy amin’ny anaran’ny tenanay manokana, no itondranay ny fiaraha-miory amin’ny vadiny sy ny zanaka aman-jafiny ary ny fianakaviana, mangataka ny fitahian’Andriamanitra mba hampahery azy ireo hatrany.

  • 13 Oct. 2017 - 14:04-

    Décès du Pr Zafy Albert. Le professeur Albert Zafy, ancien président de la République malgache, est décédé ce vendredi 13 octobre à l’hôpital de Saint-Pierre, selon la publication qu’on peut lire sur le site de la Présidence de la République de Madagasikara. Il a été évacué sur l'île de la Réunion ce jour 12 octobre. Le Professeur, fondateur du parti Undd et acuellement Président d’honneur, ancien Président de la république a été admis à la polyclinique d’Ilafy le 11 octobre 2017. Il est âgé de 90 ans. www.lakroa.mg présente ses condoléances à la famille. Paix à son âme.

  • 13 Oct. 2017 - 07:35-

    Situation épidémiologique à Madagascar du 1er août au 12 octobre 2017. Voici la situation épidémiologique : Au total : 561 cas dont 57 décédés. • Létalité globale est de : 10,2%. • Formes cliniques : 415 cas de Peste pulmonaire ; 144 cas de Peste bubonique ; 1 cas Peste septicémique ; 1 cas de peste non précisée. • Confirmés : 39, • Probable : 219, • Suspect : 303. Source : MSANP, Communiqué par : BNGRC.

  • 11 Oct. 2017 - 07:26-

    Lisitra fanampiny zap hanakatona sekoly, lisitra navoaka ny 10 okitobra. Miato ihany koa ny fampianarana amin'ireto toerana ireto, na ny sekoly miankina na ny tsy miankina. Misy amin'izy ireo no efa tsy nampianatra androany misy kosa ireo hikatona manomboka rahampitso 11 okitobra 2017= Dren Itasy, Cisco Soavinandriana : ZAP Antanetibe. Dren Haute Matsiatra, Cisco Vohibato : Zap Mahaditra. Dren Vakinankaratra, Cisco Antsirabe 1 : Zap Antsirabe Ampovoany, Zap Soamalaza Mahatsinjo, Zap Antsenakely Andraikiba, Zap Mahazoarivo Avarabohitra.

  • 10 Oct. 2017 - 13:59-

    Récentes parutions. Culture : http://www.lakroa.mg/item-1190_articles_culture_18-pesita-sy-fantsy.html. Social: http://www.lakroa.mg/item-1189_articles_societe_18-signature-daune-convention-entre-la-cnaps-et-la-flm.html

  • 10 Oct. 2017 - 13:32-

    Communiqé du Sefafi. Le Sefafi vient de publier un nouveau communiqué intitulé : “Intérêt légitime et droit à être informé”. Épidémie de peste, révision de la constitution, accueil de réfugiés syriens… Autant d’actualités polémiques qui ont soulevé un tollé, suscité l’incompréhension et l’indignation, semé le désarroi voire même la panique au sein de l’opinion et qui, dans certains cas, ont fini par indisposer le pouvoir ! L’État aurait pu éviter la psychose en tenant le public informé et en prenant les devants par des mesures d’urgence appropriées pour limiter la propagation de la maladie.

  • 10 Oct. 2017 - 07:23-

    Lisitra fanampiny. Ankoatra ireo ZAP sy CISCO voalaza eto ambany dia mihato ihany koa ny fampianarana eny anivon'ireto ZAP sy CISCO ireto mandritra ity herinandro ity:

    DREN ANALAMANGA CISCO ANJOZOROBE: ZAP ANJOZOROBE I

    DREN ITASY, CISCO ARIVONIMAMO:

    - ZAP ALAKAMISY KELY

    - ZAP AMPAHIMANGA

    - ZAP AMBATOMIRAHAVAVY

    DREN HAUTE MATSIATRA CISCO FIANARANTSOA MANONTOLO

    DREN ANALANJIROFOCISCO FENERIVE EST MANONTOLO

    DREN AMORON'I MANIA CISCO FANDRIANA: ZAP IMITO

    (Cellule riposte/MEN)

  • 07 Oct. 2017 - 08:28-

    Cisco sy zap tsy mianatra. Manoloana ny fitrangan’ny aretina pesita dia nandray fepetra samihafa ny Ministeran’ny Fanabeazam-pirenena. Voalohany, misy ny  Fanadiovana faobe ny sekoly rehetra ao amin’ilay ZAP na CISCO misy ny marary ;  Fandrarahana fanafody ireo sekoly rehetra ao anatin’ny ZAP na ny CISCO ;  Fanakatonana ny sekoly ao anatin’ny 3 andro aorian’ny fandrarahana fanafody. Faharoa, misy ny fepetra ho raisina amin’ny herinandron’ny faha 9 oktobra ka hatao “Semaine d’observation” ny herinandron’ny miandoha ny 9 okitobra. Ka jereo anatin’ity rohy ity ny Cisco sy zap tsy mianatra mandritra io herinandro io : http://www.lakroa.mg/item-1183_articles_education_18-fepetra-noraisina-ho-fisorohana.html

  • 05 Oct. 2017 - 08:41-

    Premium class Soatrans. La coopérative Soatrans vient de lancer une nouvelle offre dénommée Premium class. Le lancement de cette offre a été effectué ce 3 octobre 2017. Avec cette offre les passagers sont sûrs de partir à l’heure indiquée quelle que soit le nombre de clients ayant réservés. Les voyageurs bénéficient de l’internet avec le Wi-Fi intégré à bord. Chaque voiture est dotée de gps cela permet de contrôler la vitesse employée et de suivre la voiture en temps réel. Les départs se font toutes les deux heures (6h, 8h, 10h le matin et 14h, 16h et 18h l’après-midi).

  • 05 Oct. 2017 - 07:42-

    Lahatsoratra farany. Santé : http://www.lakroa.mg/item-1180_articles_sport_18-pesita-misy-mpizesita-mahay.html

  • 03 Oct. 2017 - 06:58-

    Sekoly mikatona ho an’ny Cisco 6. Tahaka izao ny fanambarana navoakan’i Paul Rabary, minisitry ny fanabeazam-pirenena : « Miato ny fampianarana amin'ireto toerana voalaza ireto amin'ity herinandro ity ho fanohizana ny fanadiovana ny sekoly (miankina sy tsy miankina): Antananarivo Renivohitra, Antananarivo Avaradrano, Antananarivo Atsimondrano, Ambohidratrimo, Toamasina I, Toamasina II.

    Amin'ny alatsinainy izany ny ankizy vao miverina mamonjy ny toeram-pianarany any amin'ireo toerana ireo ! »

Du même auteur

monde
politique

Dans la même rubrique

chronique
chronique
Publicité