logo
Lakroan'i Madagasikara
Mompera Ralibera Rémi

Samy manana ny fijeriny fa aza lotoina ny anarany

Recueilli par Ranaivo il y a 5 années

Ho setrin’ny lahatsoratra niseho tamin’ny La Gazette de la Grande Ile izay nandratra fo sy nanaitra ny saina dia indro avoaka etoana ny lahatsoratra nataon’ny namana mpanao gazety hafa. Isaorana izy nanaiky ny hamoahana izany etoana.

Samy manana ny fijeriny fa aza lotoina ny anarany

Mompera Rémy RALIBERA : Zézoita nafana vay

10 octobre 2014, 06:46

 Aza mihevitra « Ny antitra » ho nilaozan’ny toetr’andro ianao. Ny vatana no ohatra ny osaosa fa ny saina mbola mety tsara. Ohatra ny vao omaly no niresahako toa hanihany tamin’i Mompera toy izany. Naman’ny olona rehetra izy. Tsy misoritra eny aminy ny fahalainana hiresaka. Mbola tadidiko ilay hoe: ” ‘Ndao àry ho eny Andohalo isika raha hiresaka”. Resaka inona moa?  Gazety, politika, fiangonana. Tsy nahatsiaro andro ho hariva. Izay ilay Mompéra zézoita nafana vay.

 

Mpanao gazety, mpanao fandalinana manaraka ny vanim-potoana, nandritra ny taona maro (tsy efa ho 30 taona?) nifandimby tao amin’ny Gazety Lakroàn’ i Madagasikara izy. Iza koa moa no tsy hahatadidy ny feony sy ny endriny raha mbola olom-pirenenana mpanaraka ny fivoarana ara-politika teto? Ohatra ny hanihany no niresahany tamin’io takariva io hoe: Naman’Ingahibekely angaha ianao? Tsy fantatro akory ny tena dikan’ilay “Ingahibekely “ raha tsy elaela. Dia nihomehezany aho fa manafina foto-kevitra. Mahitsy i Mompéra rehefa miresaka kanefa mitandrina fatratra mba tsy hiteniteny foana sy hivatravatra amin’ny tsy antony. Mpandalina ny fiainam-pirenena sy nandray anjara lehibe tamin’ny asa fanaovan-gazety. Asa na noho izany no nahavoafidy azy ho Filohan’ny holafitry ny mpanao Gazety in-droa misesy? Nampianatra teny amin’ny Onivérsité-n’Antananarivo koa izy tao amin’ny « école de journalisme ».

 

 Tantara tsotra

 

 Tao amin’ireo sekoly katolika hatrany izy no nandrato fianarana, niantomboka tao amin-dry Fréra teo Andohalo, nandalo tao amin’ny Kolejy Masina Misely Amparibe, ary tonga tany amin’ny Oniversité Grégoriana tao Rôma. Nanaraka ny zotra-piofanana sy fianaran’ny Zézoita rehetra izy : noviciat, juvénat, philosophie. Efa fony kely i Mompera no mpamaky ny asa soratry ny mpandalina sy mpanao famakafakana politika marobe. Anisan’ny famakiny dia izay nosoratan’ny rainy Albert RALIBERA, izay mpanao gazety tao amin’ny lakroan’i Madadagasikara ihany koa nandritra ny 18 taona. Tao aorian’ny fiverenan’i Mompera avy tany am-pitandranomasina tamin’ny taona 1961 dia tafaroboka tao amin’ny tontolon’ny seraseara ny tenany. Izy no niandraikitra ny fandaharan’ny finoana Katolika tao amin’ny Radiom-pirenena, ary tamin’ny taona 1966 no nanombohany tao amin’ny Lakroàn’ i Madagasikara. Ny asa fanaovan-gazety taminy dia talenta nomen’Andriamanitra azy, araka ny naverimberiny matetika. Tsy nanana fotoana nianarana izany manokana izy saingy nankafy boky aman-gazety nandritra ny fiainany. “Nanao politika hatrany aho, kanefa tsy mpikambana tamin’ireny antoko politika ireny, ary indrindra tsy nieritreritra haka toerana politika. Ny fanaovana politika dia tsy fitaka sy heloka bevava tsy akory, fa fijery lavitra kokoa sy mahatakatra ny mety hiseho ho amin’ny fitantanana raharaham-panjakana” Toy izany hatrany ny firesak’i Mompéra matetika.

 

 Naman’ny tanora

 

Tanora marobe no namany. Noresahany fa anisan’ireo tanora sy mpitolona nanao ny fihetsiketsehana nandritra ny taona 1972 (niisa 400) nalefa tany Nosilava izy. Ny mompera Zézoita dia tsy nomanina loatra ho mompera hitanatana tanàna, kanefa henjana dia henjana ny resaka ataon’izy ireo mikasika ny fiaraha-monina sy ny fiangonana. Tsy mba nanavaka i Mompera rehefa miresaka amin’ireo tanora fa noraisiny ho namana akaiky izy ireny. Tamin’ny taona 1989 raha nandalo sy nitsidika teto ny Papa Ray Masina Jean Paul II, dia niady fo mafy i Mompera ny hisian’ny tanora hafa finoana handray anjara amin’ny dinidinika nifanaovana tamin’ny Papa Ray Masina. Mahagaga, hoy izy, fa tsy taitra sy tsy voasarika firy eo amin’ny fiangonana sy ny asa fanompoana aterak’izany ny tanora. Tsaroako koa fa kivazivazy nataon’I Mompéra matetika ny hoe: “Saika tsy hifantoka amin’ny Eglizy aho fa efa saika hanao miaramila”. Tiany loatra koa mantsy ny baolina Kitra fony fahatanoràny. Marary mihitsy ny aiko, hoy izy, raha misy ady baolina kitra ka tsy maharaka izany aho, eny na dia hoe amin’ny Téléviziona aza no hanarahana azy.

Tamin’ny désambra 2007, no namoahany ilay boky « autobiographie »-ny. Nandrasan’ny maro fatratra izany boky nosoratany izany, ka tsy nahagaga raha tao anatin’ny iray volana monja dia 900 isa tamin’ireo 3000 natonta no lafo sahady. Tao anatin’ity boky nosoratan’i Mompéra ity no nanaovany famotsipotsirana ny endriky ny fanaovana politika teto amin’ny Nosintsika nandritra ny 50 taona farany. Feno 82 taona izy, ary nodimandry tamin’ny désambra 2008.

 

Ony RAMBELO

 

 

https://www.facebook.com/notes/ony-rambelo/mompera-r%C3%A9my-ralibera-z%C3%A9zoita-nafana-vay/85538751780769

Partager l'article:

Lakroa en direct
  • 20 Jul. 2019 - 10:19-

    Ntsay Christian remplace Christian Ntsay.“Conformément aux dispositions de l’article 54 de la Constitution, est nommé Premier Ministre, Chef du Gouvernement : Monsieur NTSAY Christian” tel est le premier article du décret N°2019-1407, portant nomination du Premier Ministre, publié par la présidence de la République ce 19 juillet 2019. Le choix du premier ministre a été effectué sur la base des noms présentés par les députés majoritaires de l’IRD. Selon la "rumeur" Les trois noms présentés sont : Fienena Richarn Haja Resampa et Ntsay Christian. Il est donc reconduit (pour la deuxième fois) par le président Andry Rajoelina.

  • 19 Jul. 2019 - 08:45-

    JIOI 2019. Dans le cadre des Jeux des Îles, les Barea affrontent en premier les Seychelles. Le match se déroulera au stade Auguste Vollaire le 20 juillet à 14h15. Madagascar n’a pas perdu, lors des deux dernières rencontres entre les deux sélections, avec une victoire (0-1) le 11 juin 2016 et un match nul (1-1) le 29 mai 2018.

  • 18 Jul. 2019 - 14:15-

    USA. Le cardinal DiNardo interpelle Donald Trump sur les droits des migrants. «Il est contraire aux valeurs américaines et chrétiennes de chercher à empêcher aux personnes d’émigrer ici quand elles fuient pour sauver leurs vies et pour trouver une sécurité pour leurs familles», déclare le cardinal DiNardo.

  • 18 Jul. 2019 - 11:27-

    Birao maharitra AN. Vita ny fifidianana ny mpikambana ireo mandrafitra ny Birao maharitry ny Antenimieram-pirenena. Toy izao izany : Filohan’ny Antenimierampirenena : Razanamahasoa Christine Harijaona, Ambatofinandrahana (IRD). Filoha Lefitra Antananarivo : Rasolonjatovo Honoré, Faratsiho (IRD). Filoha Lefitra Antsiranana : Rahelihanta Jocelyne, Antsiranana I (IRD). Filoha Lefitra Fianarantsoa : Razafitsiandraofa Jean Brunelle, Ikongo (IRD). Filoha Lefitra Mahajanga : Rahantanirina Lalao, Mahajanga I (IRD). Filoha Lefitra Toamasina : Michelle Bavy Angelica, Fenérive Est (IRD). Filoha Lefitra Toliara : Rabenirina Jean Jacques, Betioky Atsimo (IRD).
    Questeur 1 : Henri Jean Michel, Ambovombe (IRD). Questeur 2 : Rakotomanga Lantoarivola Sedera, Antananarivo II (IRD). Questeur 3 : Rabenirina Maminiaina Solondraibe, Ambohidratrimo (TIM).
    Mpampakateny : Angèle Solange, Amboasary Atsimo (Mahaleotena). Mpampakateny lefitra : Rafenomanantsoa Tsirimaharo Ny Aina, Antananarivo III (IRD).

  • 17 Jul. 2019 - 09:30-

    Mercato-Jeremy Morel. En fin de contrat avec l'OL, l’international malgache Jeremy Morel signe pour un an de contrat avec le Stade Rennais. « Je suis très enthousiaste et fier de rejoindre le Stade Rennais F.C. Je vais faire du mieux possible pour apporter mon expérience au club. J’avais plusieurs sollicitations mais sportivement je me voyais plus ici. J’espère avoir fait le bon choix. À moi de tout faire sur le terrain pour remercier le Président de sa confiance », a-t-il déclaré.  

  • 16 Jul. 2019 - 09:30-

    Désensablement. La piscine naturelle du Parc National Isalo est de nouveau ouverte à la baignade depuis le vendredi 12 juillet dernier. « La profondeur et la propreté de l’eau ont été testées par les agents de Madagascar National Parks afin de s’assurer que toutes les conditions requises pour la baignade durant la haute saison touristique 2019 soient au mieux », déclare Madagascar National Parks sur Facebook.

  • 15 Jul. 2019 - 14:30-

    Jeux des îles. A l’île Maurice, les sportifs venant des sept îles de l'océan Indien s'affronteront sur quatorze disciplines : athlétisme, badminton, le basketball, boxe, cyclisme, football, haltérophilie, judo, natation, tennis de table, voile, beach volley et volleyball. Pour cette édition, l’ouverture officielle se fera le 19 juillet et prendra fin le 28 juillet.

  • 15 Jul. 2019 - 13:00-

    FMF. Lova Ramisamanana ne pourra se présenter à la course pour être à la tête de la fédération malgache de football. Il l’évoque sur sa page Facebook ainsi, « j’ai le regret de vous annoncer que je ne pourrai pas me présenter à la présidence de la fédération malagasy de football, faute de n’avoir pu réunir les 3 cautions requises. Nous nous sommes battus jusqu’au bout mais nous n’avons pu faire face à certains obstacles. »

  • 15 Jul. 2019 - 08:30-

    CAN 2019. Suite à leur victoire respective contre la Tunisie et le Nigéria, le Sénégal et l’Algérie disputeront la finale de cette édition de la Coupe d’Afrique des Nations. Pour rappel, les Fennecs ont battu ces Lions de la teranga lors de la phase de poule sur le score de 1-0 avec le but de Youcef Belaili.

  • 11 Jul. 2019 - 06:30-

    Fandaminana. Handamina ny polisim-pirenena ho an’ny alakamisy alina araka ny resadresaka tamin’ny mpanao gazety nataon’ireo tompon’andraikitra ao amin’ny Polisim-pirenena. Nanome ireo toromarika manodidina ny filaminana mandritra ny fijerena baolina kitra amin’izao Can izao izy ireo. Maro ny polisy hiasa amin’io alin’ny alakamisy io raha ny nambaran’ireto tompon’andraikitra ao amin’ny polisim-pirenena ireto.

  • 09 Jul. 2019 - 13:30-

    Supporter les Barea. L’inscription est ouverte pour aller supporter les Barea en Egypte pour leur quart de finale contre la Tunisie. Les billets sont disponibles auprès de l’Air Madagascar à Analakely. Adressez-vous à la même agence pour plus d’infos.

  • 06 Jul. 2019 - 13:00-

    Pape François – Poutine. Le président russe Vladimir Poutine a rencontré le pape François au Vatican le 4 juillet pour une discussion privée de 55 minutes. Le pape François et Poutine ont discuté de questions d'actualité en Syrie, en Ukraine et au Venezuela, ainsi que de questions environnementales et de questions concernant l'Eglise catholique en Russie, selon le bureau de presse du Saint-Siège.

  • 05 Jul. 2019 - 11:00-

    CAN 2019. La CAF a rejeté les plaintes contre la RDC pour match truqué. Suite à l’insuffisance de preuve réelle, les accusations de corruption de la fédération zimbabwéenne de football vis-à-vis de leur gardien de but ont été rejeté. De ce fait, le match entre Madagascar et la RDC dans le cadre des huitièmes de finale aura bel et bien lieu dimanche prochain.

  • 05 Jul. 2019 - 08:30-

    Wi-fi gratuit. Le mercredi 10 juillet prochain, le wi-fi gratuit sera disponible à Antananarivo. Il sera possible de se connecter librement, sur quatre zones incontournables de la capitale comme au jardin Antaninarenina, à l’arrêt bus Ambohijatovo, au jardin Antanimena et au pont de Behoririka.

  • 04 Jul. 2019 - 10:30-

    Nicolas Dupuis. Selon Jeune Afrique, Nicolas Dupuis est 31ème dans le classement des entraîneurs les mieux payés en Afrique. Il perçoit 7000€ par mois, selon les chiffres publiés par le média. Le sélectionneur de l’Egypte, Javier Aguirre, est le coach le mieux rémunéré sur le continent avec un salaire mensuel de 108 000 euros.

  • 03 Jul. 2019 - 15:15-

    CAN 2019. Anicet Andrianantenaina et Carolus Andriamanitsinoro intègrent l’équipe type de la phase de poule de cette Coupe d’Afrique des Nations. Pour rappel, Anicet était l’homme du match pendant la rencontre face à la Guinée. Carolus l’était à son tour pendant le match contre le Nigéria.

  • 03 Jul. 2019 - 14:30-

    FIER-Mada. Tanterahana ny alarobia 7 hatramin’ny 11 aogositra ho avy izao ny FIER-Mada faha 21, ao amin’ny kianja Makis Andohatapenaka. Amin’izany dia hisy ny lao-bary an-dasy hiompana amin’ny « fandrosoana maharitra : tetik’asam-panjakana vatsiana vola amin’ny voajanahary sy ifampierana amin’ny tantsaha eny ifotony ».

  • 03 Jul. 2019 - 13:15-

    Energie solaire. La nouvelle technologie solaire pourrait produire de l'eau potable propre pour des millions de personnes dans le besoin. Des appareils appelés alambics solaires utilisent le soleil pour évaporer l'eau salée et condenser la vapeur en eau potable saine. Les chercheurs ont mis au point un nouveau système accélérant le processus d'évaporation, permettant ainsi à un petit alambic solaire de fournir toute l'eau potable dont une famille a besoin.

  • 03 Jul. 2019 - 08:30-

    Fampandrenesana. Tapaka ny lalana : -Lalana Dr Rajaonah- Pharmacie Ankadifotsy- EKAR Antanimena- ESCA ny saboty 6 jolay 2019. Voarara ho an’ny fifamoivoizan’ny  fiara rehetra tsy an-kanavaka ny ampahany amin’ireo lalana ireo. Izany dia noho ny fankalazana ny faha-50 taonan’ny Sekoly Les Lutins Ankadifotsy, araky ny fampandrenesana.

  • 02 Jul. 2019 - 08:00-

    Supporter les Barea. Une offre exceptionnelle est disponible pour les 8è de finale de cette CAN. Elle est à 2.200.000 ar ( Billet d avion A/R +Hebergement+Transfert hôtel-stade+ Billet d entrée stade ) 298.000 ar ( Visa de séjour ) 198.000 ( Passeport ) soit 2.688.000 AR Départ d Ivato samedi 06 juillet - retour Ivato Lundi 08 juillet Appareil A 380 . Plus d infos contacter Air MADAGASCAR

Du même auteur

monde
politique

Dans la même rubrique

monde
monde
Publicité