logo
Lakroan'i Madagasikara
Ezaka Noely 2014

Sambatra ny manome am-pitiavana sy mitory fampihavanana marina

Nanangona Razafindramanitra il y a 5 années

Fanaon’ny Fiangonana any amin’ny paroasy ny manentana ny kristianina hanao “Ezaka Noely”, amin’ny fotoam-panomanana ny fiavian’ny Tompo, itodihana manokana amin’ireo mahantra. Ny tohin'ny lahatsoratra dia hitanao ao anatin'ny Lakroa laharana 3899, pejy faha 13, nivoaka alahady 21 desambra ary efa azonao jiafaina nanomboka ny alakamisy 18 desambra teo.

Sambatra ny manome am-pitiavana sy mitory fampihavanana marina

Fanaon’ny Fiangonana any amin’ny paroasy ny manentana ny kristianina hanao “Ezaka Noely”, amin’ny fotoam-panomanana ny fiavian’ny Tompo, itodihana manokana amin’ireo mahantra. Fampiharana ny fampianaran’i Jesoa rahateo ny fanaovana izany ary azo atao araka ny zava-misy amin’ny vanim-potoana. Fifampizarana.

 

Raisina eo am-baravaram-piangonana ny valopy natokana hanaovana “Ezaka Noely 2014”, miantefa amin’ireo kristianina tsy an-kanavaka. Fahita izany any anivon’ny paroasy maro. Vola atokana ho fikarakarana ny asa sosialy sahanin’ny paroasy. Itsinjovana manokana ireo mahantra. Fantatra anefa ny fahasahiranan’ny maro ankehitriny raha vao vola no resahina, manoloana ny fiatrehana ny vidim-piainana lafo noho ny kirizy maro lafy lalovan’ny firenena. Fa tsy izany akory no tsy hanaovana ny adidy aman’andraikitra eo amin’ny Fiangonana sy ny fiarahamonina. Ary tsy voatery ho vola ny fitodihana manokana amin’ny mahantra fa araka izay ananan’ny tena ihany. Ny Papa Frantsoa, ohatra, izay dimby manokan’ny apositoly Piera amin’ny fampitana ny fampianaran’i Jesoa, dia nanapa-kevitra ny hivarotra ireo fanomezana azony ho fanohanana ny asa fiantrana ataony. Anisan’izany ny fiarakodia sy moto nomen’olona azy. Ohatra faka tahaka izany ataon’ny Papa izany, izay fantatra ny fanetren-tenany. Mety ho azon’ny olom-boahosotra rehetra ampiharina ihany koa izany, ary hatramin’ny lahika aza: hanaovana asa fitiava-namana any anivon’ny fiarahamonina any. Mety tsy hitovy amin’ny any Roma ny zava-misy any anivon’ny diosezy isanisany fa azo atao izany, mba ho fanentanana ny kristianina amin’ny fandraisana anjara amin’ny asa fitiava-namana takian’ny fampianaran’i Jesoa. Hanairana ny tsirairay amin’ny antson’Andriamanitra hiara-hiasa aminy hahatanteraka ny famonjena ny olona, amin’ny alalan’ny finoana arahina asa.


Endrika maro amin’ny ezaka fifampizarana

Ny manome sy mizarazara fanomezana no fahitantsika isan-taona, ho an’ny kamboty, ho an’ny beantitra, ho an’ireo mahantra fadiranovana. Fanatanterahana ny fampianaran’i Jesoa izany araka ny nolazainy hoe : “Izay manana akanjo roa, aoka hizara amin’izay tsy manana; ary izay manan-kohanina, aoka hanao toy izany koa” (Lk 3, 11). Ary fiainana ny firahalahiana andidian’ny Tompo antsika ihany koa izany, araka ilay didim-pitiavana nomeny antsika hoe : “Aoka ho tahaka ny nitiavako anareo no mba hifankatiavanareo koa” (Jo 13, 34). “Ny manana no afaka manao toy izany”, hoy ny fanamarihana. Meteza anefa isika miteny toy izany hanokam-potoana fohy ka handinika lalina raha tena tsy manan-kozaraina tokoa.

Jereo ny zavatra ao an-dalimoara na ao am-bata ao. Azo inoana fa tsy maintsy misy ihany ao zavatra efa tsy ampiasainao intsony kanefa mety hahasoa ny hafa tsy manana. Hitondra hafaliana na ho an’ny mandray azy na ho anao manolotra izany.

Endrika iray amin’ny fifampizarana Noely ihany koa ny famangiana ny marary na ireo olona manirery any anivon’ny fianakaviana na fiarahamonina any. Mila olona hifampiresaka aminy izy ireny. Ho fankaherezana azy amin’ny aretim-batana na aretin-tsaina amam-panahy mitambesatra aminy. Hitondra hafaliana ho azy ireny koa izany.


Ezaka fampihavanana

Eo izany rehetra izany, fa ny “Ezaka Noely 2014” raha ny zava-misy eto amin’ny firenena, dia anisany ny fampihavanana izay mihasimba sy tsy voahaja eny anivon’ny fiarahamonina. Potika ny firaisan-kina, manjaka ny fizarazarana eo amin’ny mpiara-belona. Tsikaritra ho misy mamily ny fampiharana ny politikan’ny fampihavanana, tsy ho araka ny sitrapon’Andriamanitra. Fampihavanana mitaky...


Nanoratra : R. Herménégilde


Partager l'article:

Lakroa en direct
  • 19 Jul. 2019 - 08:45-

    JIOI 2019. Dans le cadre des Jeux des Îles, les Barea affrontent en premier les Seychelles. Le match se déroulera au stade Auguste Vollaire le 20 juillet à 14h15. Madagascar n’a pas perdu, lors des deux dernières rencontres entre les deux sélections, avec une victoire (0-1) le 11 juin 2016 et un match nul (1-1) le 29 mai 2018.

  • 18 Jul. 2019 - 14:15-

    USA. Le cardinal DiNardo interpelle Donald Trump sur les droits des migrants. «Il est contraire aux valeurs américaines et chrétiennes de chercher à empêcher aux personnes d’émigrer ici quand elles fuient pour sauver leurs vies et pour trouver une sécurité pour leurs familles», déclare le cardinal DiNardo.

  • 18 Jul. 2019 - 11:27-

    Birao maharitra AN. Vita ny fifidianana ny mpikambana ireo mandrafitra ny Birao maharitry ny Antenimieram-pirenena. Toy izao izany : Filohan’ny Antenimierampirenena : Razanamahasoa Christine Harijaona, Ambatofinandrahana (IRD). Filoha Lefitra Antananarivo : Rasolonjatovo Honoré, Faratsiho (IRD). Filoha Lefitra Antsiranana : Rahelihanta Jocelyne, Antsiranana I (IRD). Filoha Lefitra Fianarantsoa : Razafitsiandraofa Jean Brunelle, Ikongo (IRD). Filoha Lefitra Mahajanga : Rahantanirina Lalao, Mahajanga I (IRD). Filoha Lefitra Toamasina : Michelle Bavy Angelica, Fenérive Est (IRD). Filoha Lefitra Toliara : Rabenirina Jean Jacques, Betioky Atsimo (IRD).
    Questeur 1 : Henri Jean Michel, Ambovombe (IRD). Questeur 2 : Rakotomanga Lantoarivola Sedera, Antananarivo II (IRD). Questeur 3 : Rabenirina Maminiaina Solondraibe, Ambohidratrimo (TIM).
    Mpampakateny : Angèle Solange, Amboasary Atsimo (Mahaleotena). Mpampakateny lefitra : Rafenomanantsoa Tsirimaharo Ny Aina, Antananarivo III (IRD).

  • 17 Jul. 2019 - 09:30-

    Mercato-Jeremy Morel. En fin de contrat avec l'OL, l’international malgache Jeremy Morel signe pour un an de contrat avec le Stade Rennais. « Je suis très enthousiaste et fier de rejoindre le Stade Rennais F.C. Je vais faire du mieux possible pour apporter mon expérience au club. J’avais plusieurs sollicitations mais sportivement je me voyais plus ici. J’espère avoir fait le bon choix. À moi de tout faire sur le terrain pour remercier le Président de sa confiance », a-t-il déclaré.  

  • 16 Jul. 2019 - 09:30-

    Désensablement. La piscine naturelle du Parc National Isalo est de nouveau ouverte à la baignade depuis le vendredi 12 juillet dernier. « La profondeur et la propreté de l’eau ont été testées par les agents de Madagascar National Parks afin de s’assurer que toutes les conditions requises pour la baignade durant la haute saison touristique 2019 soient au mieux », déclare Madagascar National Parks sur Facebook.

  • 15 Jul. 2019 - 14:30-

    Jeux des îles. A l’île Maurice, les sportifs venant des sept îles de l'océan Indien s'affronteront sur quatorze disciplines : athlétisme, badminton, le basketball, boxe, cyclisme, football, haltérophilie, judo, natation, tennis de table, voile, beach volley et volleyball. Pour cette édition, l’ouverture officielle se fera le 19 juillet et prendra fin le 28 juillet.

  • 15 Jul. 2019 - 13:00-

    FMF. Lova Ramisamanana ne pourra se présenter à la course pour être à la tête de la fédération malgache de football. Il l’évoque sur sa page Facebook ainsi, « j’ai le regret de vous annoncer que je ne pourrai pas me présenter à la présidence de la fédération malagasy de football, faute de n’avoir pu réunir les 3 cautions requises. Nous nous sommes battus jusqu’au bout mais nous n’avons pu faire face à certains obstacles. »

  • 15 Jul. 2019 - 08:30-

    CAN 2019. Suite à leur victoire respective contre la Tunisie et le Nigéria, le Sénégal et l’Algérie disputeront la finale de cette édition de la Coupe d’Afrique des Nations. Pour rappel, les Fennecs ont battu ces Lions de la teranga lors de la phase de poule sur le score de 1-0 avec le but de Youcef Belaili.

  • 11 Jul. 2019 - 06:30-

    Fandaminana. Handamina ny polisim-pirenena ho an’ny alakamisy alina araka ny resadresaka tamin’ny mpanao gazety nataon’ireo tompon’andraikitra ao amin’ny Polisim-pirenena. Nanome ireo toromarika manodidina ny filaminana mandritra ny fijerena baolina kitra amin’izao Can izao izy ireo. Maro ny polisy hiasa amin’io alin’ny alakamisy io raha ny nambaran’ireto tompon’andraikitra ao amin’ny polisim-pirenena ireto.

  • 09 Jul. 2019 - 13:30-

    Supporter les Barea. L’inscription est ouverte pour aller supporter les Barea en Egypte pour leur quart de finale contre la Tunisie. Les billets sont disponibles auprès de l’Air Madagascar à Analakely. Adressez-vous à la même agence pour plus d’infos.

  • 06 Jul. 2019 - 13:00-

    Pape François – Poutine. Le président russe Vladimir Poutine a rencontré le pape François au Vatican le 4 juillet pour une discussion privée de 55 minutes. Le pape François et Poutine ont discuté de questions d'actualité en Syrie, en Ukraine et au Venezuela, ainsi que de questions environnementales et de questions concernant l'Eglise catholique en Russie, selon le bureau de presse du Saint-Siège.

  • 05 Jul. 2019 - 11:00-

    CAN 2019. La CAF a rejeté les plaintes contre la RDC pour match truqué. Suite à l’insuffisance de preuve réelle, les accusations de corruption de la fédération zimbabwéenne de football vis-à-vis de leur gardien de but ont été rejeté. De ce fait, le match entre Madagascar et la RDC dans le cadre des huitièmes de finale aura bel et bien lieu dimanche prochain.

  • 05 Jul. 2019 - 08:30-

    Wi-fi gratuit. Le mercredi 10 juillet prochain, le wi-fi gratuit sera disponible à Antananarivo. Il sera possible de se connecter librement, sur quatre zones incontournables de la capitale comme au jardin Antaninarenina, à l’arrêt bus Ambohijatovo, au jardin Antanimena et au pont de Behoririka.

  • 04 Jul. 2019 - 10:30-

    Nicolas Dupuis. Selon Jeune Afrique, Nicolas Dupuis est 31ème dans le classement des entraîneurs les mieux payés en Afrique. Il perçoit 7000€ par mois, selon les chiffres publiés par le média. Le sélectionneur de l’Egypte, Javier Aguirre, est le coach le mieux rémunéré sur le continent avec un salaire mensuel de 108 000 euros.

  • 03 Jul. 2019 - 15:15-

    CAN 2019. Anicet Andrianantenaina et Carolus Andriamanitsinoro intègrent l’équipe type de la phase de poule de cette Coupe d’Afrique des Nations. Pour rappel, Anicet était l’homme du match pendant la rencontre face à la Guinée. Carolus l’était à son tour pendant le match contre le Nigéria.

  • 03 Jul. 2019 - 14:30-

    FIER-Mada. Tanterahana ny alarobia 7 hatramin’ny 11 aogositra ho avy izao ny FIER-Mada faha 21, ao amin’ny kianja Makis Andohatapenaka. Amin’izany dia hisy ny lao-bary an-dasy hiompana amin’ny « fandrosoana maharitra : tetik’asam-panjakana vatsiana vola amin’ny voajanahary sy ifampierana amin’ny tantsaha eny ifotony ».

  • 03 Jul. 2019 - 13:15-

    Energie solaire. La nouvelle technologie solaire pourrait produire de l'eau potable propre pour des millions de personnes dans le besoin. Des appareils appelés alambics solaires utilisent le soleil pour évaporer l'eau salée et condenser la vapeur en eau potable saine. Les chercheurs ont mis au point un nouveau système accélérant le processus d'évaporation, permettant ainsi à un petit alambic solaire de fournir toute l'eau potable dont une famille a besoin.

  • 03 Jul. 2019 - 08:30-

    Fampandrenesana. Tapaka ny lalana : -Lalana Dr Rajaonah- Pharmacie Ankadifotsy- EKAR Antanimena- ESCA ny saboty 6 jolay 2019. Voarara ho an’ny fifamoivoizan’ny  fiara rehetra tsy an-kanavaka ny ampahany amin’ireo lalana ireo. Izany dia noho ny fankalazana ny faha-50 taonan’ny Sekoly Les Lutins Ankadifotsy, araky ny fampandrenesana.

  • 02 Jul. 2019 - 08:00-

    Supporter les Barea. Une offre exceptionnelle est disponible pour les 8è de finale de cette CAN. Elle est à 2.200.000 ar ( Billet d avion A/R +Hebergement+Transfert hôtel-stade+ Billet d entrée stade ) 298.000 ar ( Visa de séjour ) 198.000 ( Passeport ) soit 2.688.000 AR Départ d Ivato samedi 06 juillet - retour Ivato Lundi 08 juillet Appareil A 380 . Plus d infos contacter Air MADAGASCAR

  • 01 Jul. 2019 - 10:30-

    USA-Corée du Nord. Le président Donald Trump et le président nord-coréen Kim Jong Un se sont rencontrés dimanche dans la zone démilitarisée (entre la Corée du Nord et du Sud) fortement fortifiée et ont convenu de relancer les pourparlers sur le programme nucléaire de Pyongyang. Trump, faisant pression pour obtenir un accord définissant un héritage, est devenu le premier dirigeant américain assis à entrer en Corée du Nord.

Du même auteur

monde
politique

Dans la même rubrique

religion
religion
Publicité