logo
Lakroan'i Madagasikara
Faran’ny taona 2014

Hahatipaky ity tao-2014 iaby antikany

Ratalata Jean Ba il y a 3 années

Dia hifarana indray ity taona 2014 nodiavina ity. Notsimbinin’Andriamanitra isika matoa tonga hatreto. Izaho manoratra ary ianareo mamaky. Fahasoavana lehibe ny nahatongavana eto. Araka izao hitanao izao dia tokony ho ny faran'ny taona no nivoakaity lahatsoratra ity saingy noho ny olana ara-tekinika dia izao vao tafavoaka. Ny hevitra anefa tsy niova. Lahatsoratra nivoaka tao amin'ny Lakroa 3901, pejy12

Samy manana ny andraikitra tandrify azy isika tsirairay avy. Natao hizara vaovao izahay eto. Natao hitafatafa miainga amin’izay vaovao hita eo anivon’ny fiaraha-monina izahay.

 

Taon-dasa tsy tsaroana ?

 

Ny anjaranay eto dia mizara ny vaovao hita anivon’ny fiaraha-monina ary zaraina amin’ny fitenintsika andavanandro. Sahirana ihany anefa matetika. Ilay fiteny andavanandro toa tsy fampiseho fianakaviana. Ohatra ireo lehilahy manoko daomy mandavan-taona amoron-dalana ireny anie mba henoy e… Mena ny sofinao raha miaraka aman-janaka na zafy ianao. Izany ve no raiamandreny nanabe ny taranaka nandritra ny taona ? Dia ho gaga ve isika raha toa ka ny jiro no tsy misy ka ny maoteran’ny Jirama no nokasaina harehitra hanazava ny alina ? Toa sanatria manao taon-dasa tsy tsaroana izany.

 

Tsy tsaroana tokoa ny nandorana ny Lapan’ny tanana ny taona 1972. Efa antitra avokoa angamba ireo nandray anjara sy nanatrika izany ka “lojika” ihany raha hadino sahady izany, mainka moa fa efa misy Lapa mijoro eo ka toa tantara sisa ilay trano hotohoton’ny afo. Taon-dasa tsy tsaroana ny nandorana ny Rovan’i Manjakamiadana ka ny resaka fikarohana vola hamitana azy no tena ambetin-dresaka fa tsy izay fananarana ny taranaka.

 

Fa angaha vitan’izay. Taon-dasa tsy tsaroana ny nandorana ny RNM sy TVM. Tsy ny trano ihany no may amin’ireny fandorana ireny fa ny vakoka raketin’ireny tranom-panjakana ireny. Lova izay tsy afaka nafindra intsony. Indrisy zary toa tsy nisy ireny vakoka ireny.

 

Izany ve no tadiavina hatao ankehitriny raha mahita an’ireo mihetsika manao herisetra ao Toamasina fa leon’ny delesitazy izy ireo ? Ary ireo nikasa handrefotra ny andrin’ny Jirama, andry izay mitondra ny herinaratra ho an’ Antananarivo ? Mankaleo tokoa aloha ny delesitazy e. Marina izany. Mahasorena. Samy hanana ny fahatsiarovana ratsy haroso eto ny tsirairay vokatry ny delesitazy. Ao ohatra ity lanonana mariazy iray, tapaka ny jiro tsy afaka natao ny “ouverture”. Ho fahatsiarovan-dratsy mandrakizay anie ireny ry Jirama ô. Na maharary tahaka izany aza ny voka-dratsin’ny delesitazy dia aoka re tsy ho atao fanao ity manapotika fananam-bahoaka ity. Omeo hasiny ny fananana iombonana. “Tipaho any ireny fomba raty rolahy” hoy ity havako iray avy any Atsimo any.

 

Taom-baovao ka fanahy vaovao

 

Higadona ity ny faran’ny taona 2014. Hiraraka ny fifampiarahabana. “Akory aby iii, arahaba tratry ny farany” hoy ny andaniny tao Antsirabe. “Salama aby, ary samy ho tratry ny lohany e” hoy ny an-kilany mamaly ery ampitan’ny arabe. Firariantsoa ho ren’ny rehetra.

 

“Fomba fanao tamin’ny mbola tsy nisy faonina izany mikiakiaka izany” hoy ity tovovavy iray. Marina angamba ny azy. Fa rehefa mandeha fiara fitateram-bahoaka ianao amin’izao faran’ny taona izao dia efa maro ireo re mifampirary soa miteny mafy. Mifampizara “progany” indrindra raha amin’ny toerana lafo no haleha. Ataovy an-tsaina tokoa fa miakatra 50 000 ariary ange ny olona iray rehefa hilanona amin’izao faran’ny taona izao. Rehareha tokoa izany mandany volabe izany. Fomba fanao taon-dasa izany. Tsara ho an’izay manana ny enti-manana ny fandaharana re. Taon-dasa tsy tsaroana tokoa angamba fa hita ho miakatra hatrany ny saran’ny fandaniana rehefa hanao fety faran’ny taona tahaka izao.

 

Tonga ity ny fotoana handrosoana ny firarian-tsoa ho an’iry taona vaovao manangasanga iry. “Samy hahatsipaka ity taona 2014 ity isika iaby. Hitondra ny soa sy ny tsara kosa io taona 2015 io ka hanana fanahy vaovao ny Malagasy tsirairay”. Ho tanteraka tokoa ny fampihavanana ny Malagasy sy ny tantarany. Ho tratra ireo fanetribem-pirenena mangalatra ny harem-pirenena ka ho voasazy eo amin’ny fitsarana fa tsy hanjaka ny fanadivoam-po ivelany. Ho to ny faniriana ka hiarina ny toe-karem-pirenena ary hipaka isam-baravarana izany. Ho voajery ny sosialim-bahoaka. Amin’ny 2015 mifankahita sy “mahita izy” e !

 





Partager l'article:

Lakroa en direct
  • 18 Oct. 2017 - 12:09-

    Blueline business. Blueline lance ce 18 octobre son offre dénommée Blueline business. Cette offre est destinée spécialement aux entreprises avec 3 pôles de compétence : offre de connectivité, intégration et infogérance et services hébergés.

  • 18 Oct. 2017 - 11:54-

    Récente publication. Santé : Message de la Commmission Episcopale de la Santé http://www.lakroa.mg/item-1197_articles_sport_18-la-commission-encourage-la-poursuite-de-la-lutte.html

  • 17 Oct. 2017 - 13:38-

    Senatera vaovao, minisitra vaovao. Araky ny fanambarana nataon’i Sekretera Jeneralin’ny Fiadidiana ny Repoblika teny Iavoloha ny antoandron’ny 17 okitobra dia : voatendry ho loholon’i Madagasikara nisolo toerana an’i Ahmad i Rivo Rakotovao. Randriarimanana Harison Edmond kosa no voatendry ho minisitra eo anivon’ny Fiadidiana ny Repoblika misahana ny fambolena sy fiompiana misolo ny toeran’i Rivo Rakotovao. Soritana fa efa nisahana io ministera io i Randriarimanana Harison Edmond. Izao fanapahana izao dia efa noraisina ny 12 okitobra fa izao vao nambara ampahibemaso.

  • 17 Oct. 2017 - 12:48-

    Bilan de la peste au 16 octobre. La situation de l’épidémie de la peste affecte actuellement 38 Districts, qui se trouvent dans 17 Régions de Madagascar. 805 cas de peste ont été notifiés, dont 595 de formes pulmonaires et 210 de formes buboniques. Le bilan fait état de 74 décès.  Parmi ces cas notifiés : 62 sont confirmés selon les résultats de l’Institut Pasteur de Madagascar (IPM) ; 367 sont probables selon le test de diagnostic rapide (TDR) ; 377 sont des cas suspects. Source : Minsanp

  • 17 Oct. 2017 - 07:12-

    Deuxième session ordinaire. Selon l’article 75 de la Constitution l'Assemblée Nationale se réunit de plein droit en deux sessions ordinaires par an. La durée de chaque session est fixée à soixante jours. La première session commence le premier mardi de mai et la seconde, consacrée principalement à l'adoption de la loi de finances, le troisième mardi d'octobre. De même pour le Sénat comme le dispose l’article 84. Cette deuxième session commence ce 17 octobre à 14 heures pour les députés et 16 heures pour les sénateurs.

  • 17 Oct. 2017 - 06:37-

    Araka ny fanarahana akaiky ataon'ny #cellule_riposte_peste ireo ZAP nahitana ny trangana pesta ka nanakatonana ireo sekoly dia misy izy ireo no efa tsy misy ahiahiana intsony. Miverina mianatra noho izay ny mpianatra eny anivon'ireto ZAP ireto manomboka ny Alarobia 18 Oktobra ho avy izao:

    DREN ANALAMANGA:
    CISCO MANJAKANDRIANA

    • ZAP RANOVAO
    • ZAP AMBOHITROLOMAHITSY

    DREN ITASY:
    CISCO ARIVONIMAMO

    • ZAP ARIVONIMAMO I
    • ZAP ARIVONIMAMO II
    • ZAP ALAKAMISY KELY
    • ZAP AMPAHIMANGA
    • ZAP AMBATOMIRAHAVY

     CISCO MIARINARIVO
    • ZAP MIARINARIVO I
    • ZAP MANAZARA

     CISCO SOAVINANDRIANA
    • ZAP MAHAVELONA

    DREN HAUTE MATSIATRA:
    CISCO LALANGINA

    • ZAP ALAKAMISY AMBOHIMAHA 

    CISCO AMBOHIMAHASOA
    •ZAP AMPITANA
    •ZAP ISAKA
    •ZAP AMBOHINAMBOARINA

    DREN AMORON'I MANIA:
    CISCO FANDRIANA
    • ZAP IMITO

    DREN VAKINANKARATRA:
    CISCO ANTSIRABE I manontolo

     

    Cellule riposte/MEN

  • 16 Oct. 2017 - 07:29-

    Situation générale de la peste le 13 octobre. La situation épidémiologique du 1er août au 13 octobre 2017 est détaillée comme suit : 610 est le nombre total de cas rapporté (cumul pour tout Madagasikara pour toute cette période et pour tout type de peste confondue).

    63 : Nombre de personnes décédées (cumul pour tout Madagasikara pour toute cette période et pour tout type de peste confondue).  Taux de létalité nationale : 10,3% (c’est le rapport du nombre de décès avec le nombre total des cas notifies). Source : Minsan.

  • 15 Oct. 2017 - 18:13-

    Atlantis Business School renforce sa présence auprès des écoles à Antananarivo. Le samedi 14 octobre Rasolofonjatovo Ny Aina, un des responsables du bureau de Atlantis Business School ou ABS offre à Antananarivo a rencontré les représentants de quelques écoles d’expression française pour présenter les avantanges et les possibilités de poursuivre les études au sein de l’ABS. ABS offre aux étudiants la possibilité d'étudier à Maurice pour obtenir un diplôme internationalement reconnu décerné par UUM (University Utara Malaysia)  prestigieuse université malaisienne. ABS est aussi accréditée auprès de he Association to Advance Collegiate School of Business des États-Unis.

  • 14 Oct. 2017 - 13:13-

    Fahatongavan’ny nofo mangatsiakan’ny Filoham-pirenena teo aloha Zafy Albert. Ny nofo mangatsiakan'ny Filoha Albert Zafy dia ho tonga eny Ivato ny 14 oktobra amin'ny 4 ora sy 10mn. Aorian'ny fanomezamboninahitra ho tontosanan’ny fanjakana, dia ho entina eny antranony eny Ivandry villa franchise ny vata mangatsiaka. Toy izao ny lalana hizorana: Ivato- Talatamaty-rond point Ankazomanga - route des hydrocarbures - Ivandry.

  • 14 Oct. 2017 - 12:21-

    Fanambaran’ny Filoham-pirenena, Hery Rajaonarimampianina, manoloana ny fahalasanan’ny Filoha Zafy Albert. Ry Vahoaka malagasy, amin’alahelo tokoa no nandrenesana ny fodiamandrin’ny Profesora ZAFY Albert tany amin’ny Nosy La Réunion. Very olomanga ny firenena satria Filoham-pirenena voafidim-bahoaka tamin’ny taona 1992 ny filoha Zafy Albert, ary niady sy nandala ny demokrasia sy ny fihavanam-pirenena. Koa amin’ny anaran’ny vahoaka Malagasy, amin’ny anaran’ny fitondram-panjakana iray manontolo, sy amin’ny anaran’ny tenanay manokana, no itondranay ny fiaraha-miory amin’ny vadiny sy ny zanaka aman-jafiny ary ny fianakaviana, mangataka ny fitahian’Andriamanitra mba hampahery azy ireo hatrany.

  • 13 Oct. 2017 - 14:04-

    Décès du Pr Zafy Albert. Le professeur Albert Zafy, ancien président de la République malgache, est décédé ce vendredi 13 octobre à l’hôpital de Saint-Pierre, selon la publication qu’on peut lire sur le site de la Présidence de la République de Madagasikara. Il a été évacué sur l'île de la Réunion ce jour 12 octobre. Le Professeur, fondateur du parti Undd et acuellement Président d’honneur, ancien Président de la république a été admis à la polyclinique d’Ilafy le 11 octobre 2017. Il est âgé de 90 ans. www.lakroa.mg présente ses condoléances à la famille. Paix à son âme.

  • 13 Oct. 2017 - 07:35-

    Situation épidémiologique à Madagascar du 1er août au 12 octobre 2017. Voici la situation épidémiologique : Au total : 561 cas dont 57 décédés. • Létalité globale est de : 10,2%. • Formes cliniques : 415 cas de Peste pulmonaire ; 144 cas de Peste bubonique ; 1 cas Peste septicémique ; 1 cas de peste non précisée. • Confirmés : 39, • Probable : 219, • Suspect : 303. Source : MSANP, Communiqué par : BNGRC.

  • 11 Oct. 2017 - 07:26-

    Lisitra fanampiny zap hanakatona sekoly, lisitra navoaka ny 10 okitobra. Miato ihany koa ny fampianarana amin'ireto toerana ireto, na ny sekoly miankina na ny tsy miankina. Misy amin'izy ireo no efa tsy nampianatra androany misy kosa ireo hikatona manomboka rahampitso 11 okitobra 2017= Dren Itasy, Cisco Soavinandriana : ZAP Antanetibe. Dren Haute Matsiatra, Cisco Vohibato : Zap Mahaditra. Dren Vakinankaratra, Cisco Antsirabe 1 : Zap Antsirabe Ampovoany, Zap Soamalaza Mahatsinjo, Zap Antsenakely Andraikiba, Zap Mahazoarivo Avarabohitra.

  • 10 Oct. 2017 - 13:59-

    Récentes parutions. Culture : http://www.lakroa.mg/item-1190_articles_culture_18-pesita-sy-fantsy.html. Social: http://www.lakroa.mg/item-1189_articles_societe_18-signature-daune-convention-entre-la-cnaps-et-la-flm.html

  • 10 Oct. 2017 - 13:32-

    Communiqé du Sefafi. Le Sefafi vient de publier un nouveau communiqué intitulé : “Intérêt légitime et droit à être informé”. Épidémie de peste, révision de la constitution, accueil de réfugiés syriens… Autant d’actualités polémiques qui ont soulevé un tollé, suscité l’incompréhension et l’indignation, semé le désarroi voire même la panique au sein de l’opinion et qui, dans certains cas, ont fini par indisposer le pouvoir ! L’État aurait pu éviter la psychose en tenant le public informé et en prenant les devants par des mesures d’urgence appropriées pour limiter la propagation de la maladie.

  • 10 Oct. 2017 - 07:23-

    Lisitra fanampiny. Ankoatra ireo ZAP sy CISCO voalaza eto ambany dia mihato ihany koa ny fampianarana eny anivon'ireto ZAP sy CISCO ireto mandritra ity herinandro ity:

    DREN ANALAMANGA CISCO ANJOZOROBE: ZAP ANJOZOROBE I

    DREN ITASY, CISCO ARIVONIMAMO:

    - ZAP ALAKAMISY KELY

    - ZAP AMPAHIMANGA

    - ZAP AMBATOMIRAHAVAVY

    DREN HAUTE MATSIATRA CISCO FIANARANTSOA MANONTOLO

    DREN ANALANJIROFOCISCO FENERIVE EST MANONTOLO

    DREN AMORON'I MANIA CISCO FANDRIANA: ZAP IMITO

    (Cellule riposte/MEN)

  • 07 Oct. 2017 - 08:28-

    Cisco sy zap tsy mianatra. Manoloana ny fitrangan’ny aretina pesita dia nandray fepetra samihafa ny Ministeran’ny Fanabeazam-pirenena. Voalohany, misy ny  Fanadiovana faobe ny sekoly rehetra ao amin’ilay ZAP na CISCO misy ny marary ;  Fandrarahana fanafody ireo sekoly rehetra ao anatin’ny ZAP na ny CISCO ;  Fanakatonana ny sekoly ao anatin’ny 3 andro aorian’ny fandrarahana fanafody. Faharoa, misy ny fepetra ho raisina amin’ny herinandron’ny faha 9 oktobra ka hatao “Semaine d’observation” ny herinandron’ny miandoha ny 9 okitobra. Ka jereo anatin’ity rohy ity ny Cisco sy zap tsy mianatra mandritra io herinandro io : http://www.lakroa.mg/item-1183_articles_education_18-fepetra-noraisina-ho-fisorohana.html

  • 05 Oct. 2017 - 08:41-

    Premium class Soatrans. La coopérative Soatrans vient de lancer une nouvelle offre dénommée Premium class. Le lancement de cette offre a été effectué ce 3 octobre 2017. Avec cette offre les passagers sont sûrs de partir à l’heure indiquée quelle que soit le nombre de clients ayant réservés. Les voyageurs bénéficient de l’internet avec le Wi-Fi intégré à bord. Chaque voiture est dotée de gps cela permet de contrôler la vitesse employée et de suivre la voiture en temps réel. Les départs se font toutes les deux heures (6h, 8h, 10h le matin et 14h, 16h et 18h l’après-midi).

  • 05 Oct. 2017 - 07:42-

    Lahatsoratra farany. Santé : http://www.lakroa.mg/item-1180_articles_sport_18-pesita-misy-mpizesita-mahay.html

  • 03 Oct. 2017 - 06:58-

    Sekoly mikatona ho an’ny Cisco 6. Tahaka izao ny fanambarana navoakan’i Paul Rabary, minisitry ny fanabeazam-pirenena : « Miato ny fampianarana amin'ireto toerana voalaza ireto amin'ity herinandro ity ho fanohizana ny fanadiovana ny sekoly (miankina sy tsy miankina): Antananarivo Renivohitra, Antananarivo Avaradrano, Antananarivo Atsimondrano, Ambohidratrimo, Toamasina I, Toamasina II.

    Amin'ny alatsinainy izany ny ankizy vao miverina mamonjy ny toeram-pianarany any amin'ireo toerana ireo ! »

Du même auteur

monde
politique

Dans la même rubrique

chronique
chronique
Publicité