logo
Lakroan'i Madagasikara
Tafatafan’i Talata

Honohono ‘ty zalahy mahafaty tahaka ny honahona e

Ratalata Jean Ba il y a 5 années

Dia miarahaba antsika rehetra tonga eto amin’ity taona vaovao 2015 ity indray. Manana talata 52 isika hifampitafana raha toa ka mihaona isaky ny talata tokoa araka ny lohatenin’ny fandaharana “Tafatafan’i Talata”.

Maro ireo lohadinika tokony hifanakalozana amin’izao tonon-taona izao. Eo ohatra ny kolontsaintsika. Nifampiarahaba isika fa tratry ny asaramanitra. Dia hoy aho hoe : “aiza izay fandroana eo ?” Ho an’izay manadino dia ny fotoan’ny fandroana tamin’ny fomba tany malagasy (fahiny) no antsoina asaramanitra.

 

Isan’ny ifanakalozana ihany koa dia ny fomba fiarahabana. “Tratry ny taona” sa “Nahatratra ny taona” no izy e ? Mampahatsiahy ilay devoara-ko tany antsekoly izy ity : “Vivre pour manger ou manger pour vivre ?” Dia raikitra ny ady hevitra. Hoy ny ankilany “raha tratry ny taona isika dia midika izany fa isika tsy mihetsika fa ilay taona no mandeha”. Ka moa va tsy izay no izy rehefa miteny isika fa mandeha izany andro izany ? Ny andaniny indray manao hoe : “Nahatratra ny taona isika satria isika no mandeha isika no mifehy ny fotoantsika”. Ka moa va tsy izay tokoa ilay izy rehefa manenjika “record” ireo atleta amin’ny atletisma ? Tsy honohono ity resaka ity fa tena niteraka dinidinika ary toa nampifanditra aza tamin’ny toerana sasany. Diniho tsara hoy ny iray fa efa mifangaro ao antsaintsika ny maha-malagasy sy ny fisainana vahiny ka ny fisainana vahiny no mahery. Hono izany.

 

Fa ity takarivan’ny alatsinainy 5 zanvie ity dia nanaitra ny fandrenesana vaovao. Hono maromaro no re tamin’ny onjam-peo sy televiziona maromaro fa tsy iray ihany. Araho ange…

 

1- Tsy azo ihodivirana fa ho soloina hono ny praiminisitra. Maromaro ry zareo mpilaza vaovao no nivoy izany vaovao izany. Nanongilan-tsofina ihany aho fa tsy reko ny loharanom-baovao nahazoan-dry zareo io vaovao io. Sarom-pady koa moa ny fanomezana ny anaran’ny loharanom-baovao. Mahasaro-piaro an’ireo mpanao gazety izany.

 

2- Rehefa zohina indray dia samy manana ny sokajin’olona tondroina hisolo ity praiminisitra efa ambivitra ny fotoana ialany. Ao no milaza fa manam-boninahitra  hono no hisolo ny praiminisitra. Ao ny namoaka anaran’olona efa ministra tamin’ny fotoan’andro nitondran’ny filoha Ravalomanana. Samy manana ny loharanom-baovaony tokoa ry zareo, hono.

 

3- Amin’ny 9 janoary, hono, ny fifampiarahabana tratry ny taona karakarain’ny Fiadidian’ny Repoblika. Ho tontosaina eny Iavoloha, hono. Hihena hono ny isan’ny asaina. Nasaina daholo, hono, ireo mpitondra teo aloha… Rehefa jerena anefa eny amin’ny tambajotra serasera “facebook” dia hita mifanontany ireo mpanao gazety raha efa nahita fanasana fa io 9 janoary na zanvie io tokoa ny fifampiarahabana. Marihiko fa amin’ny ora sy fotoana nanoratana ity lahatsoratra ity dia mbola tsy voamarina na nodisoina fa ny 9 janoary no hanaovana ny fifampiarahabana ka mbola mijanona ho hono izany io vaovao io.

 

4- Manomboka ny 13 janoary, hono, ny fivoriana tsy ara-potoan’ireo depiote eny Tsimbazaza. Vaovao izay hita tamin’ny gazety mpiseho isan’andro io. Dia mba nojereko ny diariko. Ny 13 janoary anie ka ilay daty nambaran’ny Ffkm fa hanohizana ny dinika fampihavanam-pirenena nokarakarain-dry zareo e. Dia nahoana no ny 13 janoary no hanomboka ny fivoriana tsy ara-potoan’ny Antenimieram-pirenena ? Tsisy ifandraisan’ireo hono. Angamba.

 

5- Lasan’ny sinoa, hono, ny tany misy ny labatoara ao Ankadindratombo. Dia nantsoina ny mpanao gazety hivoy izany hevitra izany. Ny alatsinainy 5 janoary no nivoy io hevitra io ny loharanom-baovao. Ny talata 6 janoary dia efa niova indray ilay voalaza teo aloha teo. Misafotofoto ny resaka.

 

Santionany amin’ny honohono re eo anivon’ny fiaraha-monina ireo. Tsy hiady amin’ny mpilaza vaovao sy mpanao gazety akory ny tenako raha nitanisa maromaro avy amin’izy ireo. Fa fanairana ihany no atao. Ny honohono anie ka mety mahataraiky izay mihanahana ary ny loza dia mety hahafaty tahaka ny honahona e. Ka mba jereo ihany fa sao any ho any misy fanafody hanafoanana ny honohono fa ny tena izy no ambara. Koa samia maka izay tandrifiny ary ambava homana am-po mierotra. Matezà ny aina fa tena hiresaka isika amin’ity taona ity.

 

TTF : Hatreto mbola tsy nahita ny fanasana na nandre aza fa efa nozaraina izany fanasana izany. Samia velon’aina ahitana izay tena marina amin’ireo honohono ireo. Ny fisian’ny loharanom-baovao marim-pototra sy fahalalahan’ny fahazoam-baovao no fototry ny demokrasia tena izy. Manana adidy hitaky izany ny holafitry ny mpanao gazety vaovao. Mirary soa ho azy ireo.


Partager l'article:

Lakroa en direct
  • 20 Jul. 2019 - 10:19-

    Ntsay Christian remplace Christian Ntsay.“Conformément aux dispositions de l’article 54 de la Constitution, est nommé Premier Ministre, Chef du Gouvernement : Monsieur NTSAY Christian” tel est le premier article du décret N°2019-1407, portant nomination du Premier Ministre, publié par la présidence de la République ce 19 juillet 2019. Le choix du premier ministre a été effectué sur la base des noms présentés par les députés majoritaires de l’IRD. Selon la "rumeur" Les trois noms présentés sont : Fienena Richarn Haja Resampa et Ntsay Christian. Il est donc reconduit (pour la deuxième fois) par le président Andry Rajoelina.

  • 19 Jul. 2019 - 08:45-

    JIOI 2019. Dans le cadre des Jeux des Îles, les Barea affrontent en premier les Seychelles. Le match se déroulera au stade Auguste Vollaire le 20 juillet à 14h15. Madagascar n’a pas perdu, lors des deux dernières rencontres entre les deux sélections, avec une victoire (0-1) le 11 juin 2016 et un match nul (1-1) le 29 mai 2018.

  • 18 Jul. 2019 - 14:15-

    USA. Le cardinal DiNardo interpelle Donald Trump sur les droits des migrants. «Il est contraire aux valeurs américaines et chrétiennes de chercher à empêcher aux personnes d’émigrer ici quand elles fuient pour sauver leurs vies et pour trouver une sécurité pour leurs familles», déclare le cardinal DiNardo.

  • 18 Jul. 2019 - 11:27-

    Birao maharitra AN. Vita ny fifidianana ny mpikambana ireo mandrafitra ny Birao maharitry ny Antenimieram-pirenena. Toy izao izany : Filohan’ny Antenimierampirenena : Razanamahasoa Christine Harijaona, Ambatofinandrahana (IRD). Filoha Lefitra Antananarivo : Rasolonjatovo Honoré, Faratsiho (IRD). Filoha Lefitra Antsiranana : Rahelihanta Jocelyne, Antsiranana I (IRD). Filoha Lefitra Fianarantsoa : Razafitsiandraofa Jean Brunelle, Ikongo (IRD). Filoha Lefitra Mahajanga : Rahantanirina Lalao, Mahajanga I (IRD). Filoha Lefitra Toamasina : Michelle Bavy Angelica, Fenérive Est (IRD). Filoha Lefitra Toliara : Rabenirina Jean Jacques, Betioky Atsimo (IRD).
    Questeur 1 : Henri Jean Michel, Ambovombe (IRD). Questeur 2 : Rakotomanga Lantoarivola Sedera, Antananarivo II (IRD). Questeur 3 : Rabenirina Maminiaina Solondraibe, Ambohidratrimo (TIM).
    Mpampakateny : Angèle Solange, Amboasary Atsimo (Mahaleotena). Mpampakateny lefitra : Rafenomanantsoa Tsirimaharo Ny Aina, Antananarivo III (IRD).

  • 17 Jul. 2019 - 09:30-

    Mercato-Jeremy Morel. En fin de contrat avec l'OL, l’international malgache Jeremy Morel signe pour un an de contrat avec le Stade Rennais. « Je suis très enthousiaste et fier de rejoindre le Stade Rennais F.C. Je vais faire du mieux possible pour apporter mon expérience au club. J’avais plusieurs sollicitations mais sportivement je me voyais plus ici. J’espère avoir fait le bon choix. À moi de tout faire sur le terrain pour remercier le Président de sa confiance », a-t-il déclaré.  

  • 16 Jul. 2019 - 09:30-

    Désensablement. La piscine naturelle du Parc National Isalo est de nouveau ouverte à la baignade depuis le vendredi 12 juillet dernier. « La profondeur et la propreté de l’eau ont été testées par les agents de Madagascar National Parks afin de s’assurer que toutes les conditions requises pour la baignade durant la haute saison touristique 2019 soient au mieux », déclare Madagascar National Parks sur Facebook.

  • 15 Jul. 2019 - 14:30-

    Jeux des îles. A l’île Maurice, les sportifs venant des sept îles de l'océan Indien s'affronteront sur quatorze disciplines : athlétisme, badminton, le basketball, boxe, cyclisme, football, haltérophilie, judo, natation, tennis de table, voile, beach volley et volleyball. Pour cette édition, l’ouverture officielle se fera le 19 juillet et prendra fin le 28 juillet.

  • 15 Jul. 2019 - 13:00-

    FMF. Lova Ramisamanana ne pourra se présenter à la course pour être à la tête de la fédération malgache de football. Il l’évoque sur sa page Facebook ainsi, « j’ai le regret de vous annoncer que je ne pourrai pas me présenter à la présidence de la fédération malagasy de football, faute de n’avoir pu réunir les 3 cautions requises. Nous nous sommes battus jusqu’au bout mais nous n’avons pu faire face à certains obstacles. »

  • 15 Jul. 2019 - 08:30-

    CAN 2019. Suite à leur victoire respective contre la Tunisie et le Nigéria, le Sénégal et l’Algérie disputeront la finale de cette édition de la Coupe d’Afrique des Nations. Pour rappel, les Fennecs ont battu ces Lions de la teranga lors de la phase de poule sur le score de 1-0 avec le but de Youcef Belaili.

  • 11 Jul. 2019 - 06:30-

    Fandaminana. Handamina ny polisim-pirenena ho an’ny alakamisy alina araka ny resadresaka tamin’ny mpanao gazety nataon’ireo tompon’andraikitra ao amin’ny Polisim-pirenena. Nanome ireo toromarika manodidina ny filaminana mandritra ny fijerena baolina kitra amin’izao Can izao izy ireo. Maro ny polisy hiasa amin’io alin’ny alakamisy io raha ny nambaran’ireto tompon’andraikitra ao amin’ny polisim-pirenena ireto.

  • 09 Jul. 2019 - 13:30-

    Supporter les Barea. L’inscription est ouverte pour aller supporter les Barea en Egypte pour leur quart de finale contre la Tunisie. Les billets sont disponibles auprès de l’Air Madagascar à Analakely. Adressez-vous à la même agence pour plus d’infos.

  • 06 Jul. 2019 - 13:00-

    Pape François – Poutine. Le président russe Vladimir Poutine a rencontré le pape François au Vatican le 4 juillet pour une discussion privée de 55 minutes. Le pape François et Poutine ont discuté de questions d'actualité en Syrie, en Ukraine et au Venezuela, ainsi que de questions environnementales et de questions concernant l'Eglise catholique en Russie, selon le bureau de presse du Saint-Siège.

  • 05 Jul. 2019 - 11:00-

    CAN 2019. La CAF a rejeté les plaintes contre la RDC pour match truqué. Suite à l’insuffisance de preuve réelle, les accusations de corruption de la fédération zimbabwéenne de football vis-à-vis de leur gardien de but ont été rejeté. De ce fait, le match entre Madagascar et la RDC dans le cadre des huitièmes de finale aura bel et bien lieu dimanche prochain.

  • 05 Jul. 2019 - 08:30-

    Wi-fi gratuit. Le mercredi 10 juillet prochain, le wi-fi gratuit sera disponible à Antananarivo. Il sera possible de se connecter librement, sur quatre zones incontournables de la capitale comme au jardin Antaninarenina, à l’arrêt bus Ambohijatovo, au jardin Antanimena et au pont de Behoririka.

  • 04 Jul. 2019 - 10:30-

    Nicolas Dupuis. Selon Jeune Afrique, Nicolas Dupuis est 31ème dans le classement des entraîneurs les mieux payés en Afrique. Il perçoit 7000€ par mois, selon les chiffres publiés par le média. Le sélectionneur de l’Egypte, Javier Aguirre, est le coach le mieux rémunéré sur le continent avec un salaire mensuel de 108 000 euros.

  • 03 Jul. 2019 - 15:15-

    CAN 2019. Anicet Andrianantenaina et Carolus Andriamanitsinoro intègrent l’équipe type de la phase de poule de cette Coupe d’Afrique des Nations. Pour rappel, Anicet était l’homme du match pendant la rencontre face à la Guinée. Carolus l’était à son tour pendant le match contre le Nigéria.

  • 03 Jul. 2019 - 14:30-

    FIER-Mada. Tanterahana ny alarobia 7 hatramin’ny 11 aogositra ho avy izao ny FIER-Mada faha 21, ao amin’ny kianja Makis Andohatapenaka. Amin’izany dia hisy ny lao-bary an-dasy hiompana amin’ny « fandrosoana maharitra : tetik’asam-panjakana vatsiana vola amin’ny voajanahary sy ifampierana amin’ny tantsaha eny ifotony ».

  • 03 Jul. 2019 - 13:15-

    Energie solaire. La nouvelle technologie solaire pourrait produire de l'eau potable propre pour des millions de personnes dans le besoin. Des appareils appelés alambics solaires utilisent le soleil pour évaporer l'eau salée et condenser la vapeur en eau potable saine. Les chercheurs ont mis au point un nouveau système accélérant le processus d'évaporation, permettant ainsi à un petit alambic solaire de fournir toute l'eau potable dont une famille a besoin.

  • 03 Jul. 2019 - 08:30-

    Fampandrenesana. Tapaka ny lalana : -Lalana Dr Rajaonah- Pharmacie Ankadifotsy- EKAR Antanimena- ESCA ny saboty 6 jolay 2019. Voarara ho an’ny fifamoivoizan’ny  fiara rehetra tsy an-kanavaka ny ampahany amin’ireo lalana ireo. Izany dia noho ny fankalazana ny faha-50 taonan’ny Sekoly Les Lutins Ankadifotsy, araky ny fampandrenesana.

  • 02 Jul. 2019 - 08:00-

    Supporter les Barea. Une offre exceptionnelle est disponible pour les 8è de finale de cette CAN. Elle est à 2.200.000 ar ( Billet d avion A/R +Hebergement+Transfert hôtel-stade+ Billet d entrée stade ) 298.000 ar ( Visa de séjour ) 198.000 ( Passeport ) soit 2.688.000 AR Départ d Ivato samedi 06 juillet - retour Ivato Lundi 08 juillet Appareil A 380 . Plus d infos contacter Air MADAGASCAR

Du même auteur

monde
politique

Dans la même rubrique

chronique
chronique
Publicité