logo
Lakroan'i Madagasikara
Iavoloha 9 janoary 2015

Lahatenin'i Kolo Roger Christophe

Nangonin'i Razafindramanitra il y a 7 années

Voici donc le dernier discours officiel de Kolo Roger Christophe en tant que PM, premier Premier Ministre de la Quatrième République. Discours prononcé, à Iavoloha, lors de la présentation des vœux des Corps constitués au Président de la République le 9 janvier 2015.

Lahatenin'i Kolo Roger Christophe

Lahatenin’Andriamatoa Kolo Roger Christophe,Praiminisitra, nandritra ny lanonana fifampiarahabana tratry ny taona 2015, Lapam-panjakana, Iavoloha, faha 09 Janoary 2015.

 

 

Ny arahaba atolotro anao Andriamatoa Filoha, amin’ny anarako manokana sy ny ankohonako,  amin’ny anaran’ireo mpikambana vavy, lahy ato amin’ny Governemanta, dia arahaba toa an-dRamasoandro, satria tokoa Masoandro sy Hery Vaovao ho an’ny Malagasy tsivakivolo ianao; ka  mizara ny  tara-pahazavany amin’isam-baravarana amin’ny marain-dohataona, ary mandoko ny faravodilanitra amin’ilay takariva mahatsara vahiny.

Arahaba manao ny soa hosoavina ianao, arahaba manao ny tsara ho tsaroana.

Manolotra fiarahabana manokana ihany koa an-dRamatoa vadinao,

Indreo  ianareo  filohan’ny  Andrim-panjakana,  ati-doha miaramikaona hiadanan’ny ambanilanitra. Hikapa hahita ny tonony anie ianareo, handidy hahita ny vaniny.

Mankasitraka, mankatelina anareo Minisitra isanisany.

Miarahaba anareo isanisany Solombavam-bahoaka avy amin’ny lafy valon’ny Nosy.

Chers amis du Corps Diplomatique, du Système des Nations-Unies et des Institutions internationales ici présents, je tiens à vous présenter mes cordiales salutations.

 

 Andriamatoa Filoha,

Rehefa nomenao anay ny vina, tamin’ny alalalan’ny politika ankapoben’ny fanjakana norafetinao dia nazava taminay ny lalan-kaleha. Niroso tamin’ny fametrahana an’i Madagasikara ho firenena miarin-doha sy mandroso isika.

Vita ny drafitra nasiônaly momba ny fampandrosoana na ny “Plan National de Développement”. Voafaritra sy misongadina anatin’izany, Andriamatoa Filoha, ny asa amehana aminao na ny “Programme d’Urgence Présidentiel” (PUP).

 

™ Nisy tokoa ny dingana vita nandritra iny taona efatra ambinifolo sy roarivo iny.

 

Teo aloha ny ezaka tamin’ny famerenana sy fanamafisana ny fifandraisan-tsika amin’ny any ivelany dia ireo mpiara miombon’antoka sy mpampiasa vola vahiny izany ;

Teo ny ezaka amin’ny fampivoarana sy ny fiarovana ny Zon’olombelona;

Nisy ihany koa ireo asa natao ho fametrahana ny Fanjakana tsara tantana sy tan-dalàna;

 

Maro ny fepetra noraisina mahakasika ny toe-karena sy ny fampandrosoana ankapobeny;

 

Tsy natao ambaninjavatra ihany koa anefa ny lafiny sosialy mba hisian’ny rariny sy ny hitsiny eny anivon’ny fiarahamonina izay endrika iray ny fampiahavam-pirenena izay imasonao.

 

Nohon’ny fiverenan’i Madagasikara amin’ny ara-dalàna taorin’ny fifidianana nankatoavin’ny rehetra, ary koa noho ny ezaka  ara-diplômatika  azo  tsapain-tanàna  nataonao, Andriamatoa Filoha, dia neken’izao tontolo izao ny Fanjakana Malagasy.

 

Ary dia efa mahazo tombony ara-toe-karena amin’izany sahady isika indrindra ny mpandrahara Malagasy raha tsy hilaza afa tsy ny “Accord de Partenariat Economique” (APE) iarahana amin’ny Vondrona Eoropeanina, ny AGOA sy ny COMESA isika.

 

Miverina miandalana ireo fanampiana mivantana ny tetibolam-panjakantsika.  Vita  ny  fanaovan-tsonia  maro mahakasika izany toy ny niarahantsika tamin’ny UE, BAD, FMI, AFD, Japon.

 

Horaketin’ny tantara ny handraisantsika ny fivoriam-ben’ny firenena miteny frantsay eto Antananarivo amin’ny taona ho avy ary hiomana amin’izany isika satria tokoa mantsy ny valala tsy in-droa mandry am-bavahady.

 

 Nandritra ny fampisehoana ny “Tatitra faharoa momba ny zon’olombelona” nataontsika tany Genève farany dia niaiky ny Filankevitry ny firenena mikambana momba ny zon'olombelona fa tontosantsika ny roa ampahatelon’ireo tolo-kevitra neken’i Madagasikara.

Voarafitra sy nolaniana ny lalàna mametraka ny Vaomieram-pirenena  mahaleotena  momba  ny zon'olombelona na “Commission Nationale Indépendante des Droits de l’Homme”. Ho vaindohan-draharahantsika ny fiarovana sy ny fanajana ny zon’olombelona, ka hotoizana ny ezaka efa vita sy efa natomboka.

™ Ny didim-panjakana ho fampiharana ny lalàna mikasika ny “Dina” sy ny hetsika “coup d'arrêt” voalohany sy faharoa dia nahafahana namerina ny fitoniana teo anivon’ny fiarahamonina indrindra tany Atsimo.

Nojerena manokana ny fiarovana ny olona sy ny fananany na ny an-tanàn-dehibe na ny eny ambanivohitra indrindra ireo toeram-pizahan-tany.

 

Nihezaka hatrany isika amin’ny ady amin’ny kolikoly.

Tsy avelantsika ho toy ny endim-boanjo izany ka ny madinika ihany no ho may. Navaozintsika ny Birao mahaleotena miady amin'ny kolikoly (BIANCO) ary eo ampandrafetana ny paik’ady mandritry ny folo taona isika ka:

-  hampiharina sy hamafisina ny ady amin'ny kolikoly eny anivon’ny  sehatra  rehetra  indrindra  amin’ny fifaninanana hidirana ho mpiasam-panjakana.

-  hatsaraina ny fanabeazana, ny fampiarana ny lalàna sy ny fanamafisana ny fahitsina sy ny rafi-pitsarana.

Noho  izany  dia  mitodika  manokana  amintsika tompon’Andraiki-panjakana  isan-tsokajiny  manerana  ny Nosy aho ho fanatontosana ireo. Isika no hidin-trano miantoka ny alina sy vato hifaharana amin’izany ady amin’ny kolikoly izany.

 

™ Novolavolaina ireo drafitra mahakasika ny fanatsarana ny rafi-pitsarana sy ny fitantanana ny fonja ho fanamafisana ny fampiharana ny lalàna hamerenana indray ny fitokisan’ny vahoaka amin’ny fitsarana sy ny fanjakana.

Lany ny lalàna mametraka ny Fitsarana Avo na ny “Haute Cour de Justice”.

 

™ Miroso amin’ny fitsinjaram-pahefana isika! Natolotra ary lany teny anivon’ny Antenimieram-pirenena ny lalàna fehizoro mifandraika amin’izany.

Hiezaka ny fitondrana foibe amin’ny fampitaovana sy fanofànana ary famatsiana samihafa satria manana adidy amin’izany izy.

™ Mikasika ny fandaminana, ny fitantanana ary ny fanaraha-maso ny harem-pirenena sy ny tontolo iainana!

Tsy ny resaka andramena ihany, izay efa nanaovana fifanarahana amin’ny CITES sy ny Banky Iraisam-pirenena ary ny UNESCO no voakasik’izany.

Ao ihany koa ny harem-pirenena hafa toy ny “corail noir”, ny fasimainty, ny solitany, ny valan-javaboahary ary ireo faritra arovana na antanety na anaty rano.

Natao ireo ho tombotsoan’ny vahoaka Malagasy.

 

™ Tsy maintsy tohizana ny ady amin’ny fahantrana!

 

Miankina amin’ny fampananan’asa sy ny fampitomboana ny fahefa-mividin’ny vahoaka izany.

Nohatsaraina noho izany ny lalana hanamorana ny fivezivezen’ny olona sy ny vokatra.

Namboarina ireo lalam-pirenena faha-roa, faha-efatra, fahaenina, faha-fito, faha-sivy, faha-iraika amby telo-polo izay simban’ ny rivo-doza nifanesy.

 

Manoloana ny olana nandritra ny taona maro amin’ny famatsiana  herin’aratra  dia  manana  ny  paik’ady hametrahana vahaolana maharitra isika. Izany dia hiarahana amin’ny Banky iraisam-pirenena sy ny sehatra tsy miankina hanarenana ny fitantanana.

 

Tsy azo hodian-tsy hita ny ezaka maro hampihenana ny fahatapanjiro.

Teo ny fametrahana milina vaovao famokarana herin’aratra miisa enina ambitelopolo tamin’ny distrika maro.

Teo koa ny fanamboarana ny toha-dranon’Anjiajia ho famatsiana herin’aratra ny faritr’i Betsiboka.

Santionany amin’ny fohy ezaka ireo.

 

Teo ihany koa ny fampiroborobona ny eny ambanivohitra mba ampitombona ny velaran-tany sy ny tahampamokarana, indrindra ny fanamafisana ny famokaram-bary antoky ny fiahina sy ny fanjarin-tsakafo.

 

Nisy ireo tohadrano naorina nahafahana namatsy velarantany midadasika toy ny tao amin’ny distrikan’Andapa.

Natomboka ny asa fifehezana sy fitarihan-drano ao Bevoay ao amin’ny lemak’i Mangoky.

Tsy natao ambaninjavatra ny fanohizana ny asa ao Ambatondrazaka  izay  iarahantsika  hatrany  amin’ireo mpiara-miombon’antoka.

Zava-dehibe  amin’ny  ezaka  famoronana  asa  ny fananantsika ny didim-panjakana fampiharana ny lalàna mikasika ny orinasa hafaka haba, indrindra manoloana ny fiverenantsika amin’ny AGOA.

Nohatsaraina ny sandambidin'ny harena ankibontanintsika izay noezahana ifanaraka amin’ny tsenambarotra iraisampirenena.

Niroso isika amin’ny fampiasana tekinôlojia avolenta eny amin’ny fadin-tseranana mba hanamorana ary hanarahamaso ny fanondranana sy fanafarana entana. Izany dia tafiditra amin’ny ezaka ho fanatsarana ny fampidiram-bolan’ny fanjakana.

Ho fanatsarana ny fitantanana sy ho fanarahamaso ny tetibola sy ny volam-panjakana, ny fandraraharana sy ny fihariana dia natsangantsika ny Conseil de Discipline Budgétaire et Financière (CDBF).

 

Ireo rehetra ireo dia ho fampiroborobona ny seha-pihariana sy ny fampiasambola ary ny fandrarahana.

An’arivony ny orinasa nitsangana ka aman-jatony ny indostria amin’izany ary ampolony no orinasa afaka haba.

 

Koa satria ny vahoaka salama no afaka mihary sy mamokatra dia:

 

Toeram-pitsaboana fototra sy trano fandidiana maro no nosokafana, nohavaozina sy nampitaovana ary novatsiana fanafody. Indrindra any amin’ireo toerana saro-dalana ;

Mpitsabo voahofana maro no napetraka manerana ny Nosy;

 

Ankoatra ireo dia maro ireo ezaka hafa ho fanatsarana ny fitsaboana ny vahoaka toy :

-  ny fandidiana maimaimpoana ataon’ny mpilatsaka antsitrapo ao amin’ny sambo Mercy Ships mandritra ny valo volana, ary efa ananana toky sahady fa mbola hitohy izany;

-  ny fitsaboana ny nify sy ny aty vava eny anivon’ny hôpitalim-panjakana rehetra.

-  ny fampihenana ny taha-pahafatesan’ny reny sy ny zaza (CARMMA)  amin’ny  alalan’ny  fanohizana  ny fanaovam-bakisiny faobe.

Nisy ny fepetra fampahafantarana sy fisorohana ary fitsabona ny aretina pesta.

Napetraka ihany koa ny tetika sy ny rafitra ahafahana miaro ny fidiran’ny aretina Ebola eto amin’ny Firenena.

 

™ Ny tanora no antoky ny ho avy! Maro noho izany ny fepetra  noraisinana  ho  fanarenana  ny  tontolon’ny fampianarana sy ny fanofanana arak’asa:

Naverina an-tsekoly ireo ankizy voatery nitsoaka andaharana nohon’ny fahasahiranan’ny ray aman-dreny, indrindra nandritra ny krizy;

Nampidirana mpiasam-panjakàna ireo mpanabe FRAM nahafeno ny fepetra, ary mbola hiampy ny isa’izy ireo amin’ity taona ity.

Nofanina ireo tanora sy mpampianatra anarivorivony tany amin’ny faritra maro.

Mitohy  ny  fanokafana  ivontoeranam-pampianarana manerana ny lafy valo sy ny fiaraha-miasa amin’ny sehatra tsy miankina.

 

Nomena  rano  fisotro madio ny vahoaka ary nohatsaraina ny tontolo manodidina tamin’ny alalan’ny

fanentanana sy ny fametrahana fotodrafitrasa:

-  Fanamboarana siniben-drano, lava-drano, loharano maro manerana ny Nosy;

-  Fanentanana maro hamoizan’ireo izay mbola manao izany, ny fanaovana maloto eny an-kalamanjana;

-  Fananganana trano fidiovana sy fivoahana aman-jatony maro.

 

™ Nomena lanja manokana ny fanarenana ny toe-piainan’ny Malagasy indrindra ireo tena sahirana.

 

Nampiana ara-pitaovana sy ara-tsakafo ireo marefo ary nomena fanampiana ireo tra-boina nohon’ny loza na ny voajanahary na ny tsia.

Nohamafisina ny zon’ny isan-tsokajin’olona sy ho fisitrahany izany ka napetraka ireo ivontoerana fanoroana hevitra indrindra ho an’ny vehivavy;

 

Eo ampamolavolana ny pôlitika-pirenena momba ny fiahiana ara-tsosialy isika mba hanoizana ny fanomezana ny vatsin’ankohonana sy ny araton’aina ho an’izay rehetra mila izany.

 

™ Andriamatoa Filoha,

Tompokolahy sy Tompokovavy,

 

Betsaka ny asa vita ary santionany no voalaza satria ny fotoana manam-petra.

Nandritra izay valo volana niasan’ny Governemanta izay dia azo lazaina ho niompana tamin’ny fametrahana ny fototry ny fampandrosoana maharitra isika.

 

Mbola maro ny asa miandry ary tsy maintsy ho efaina toy:

- ny fanohizana ny asa fampandrosona sy ny ady

amin’ny fahantrana,

- ny fanajàna ny zon’olombelona,

- ny fametrahana ny fitsijaram-pahefana isan-tsokajiny ary ny fikatsahana ny tombotsoan’ ny vahoaka Malagasy ao anatin’ny fitondrana tsara tantana sy tandalàna.

 

Mamela ahy ianareo hisaotra manokana ny Mpiaramiombona antoka amintsika tamin’ny fiaraha-miasa sy ny fanampiana ny sehatra maro ka nahavitana ny asa voatanisa teo na ny tsia.

 

Mesdames et Messieurs du Corps Diplomatique, du Système  des  Nations-Unies  et  des  Institutions

internationales, Quelqu’un l’a dit dans les années 2008 : « L’amitié, c’est ce qui vient au cœur quand on réussit ensemble des choses belles et difficiles ».

Nous venons de réussir ensemble des choses belles et difficiles ces deux dernières années.

Alors tout simplement merci de tout cœur.

 

Andriamatoa Filoha mivady!

Tompokolahy sy Tompokovavy!

 

Tsy mora ny manao zavatra! Nisy ny olana samihafa nosedraina nandritra ny fanatanterahana ny asa ka mety tsy nahatongalafatra izany.

Kanefa afaka mahatoky ianao, Andriamatoa Filoha, fa vonana hatrany ny tenako handray ny fepetra rehetra ilaina ho an’ny fanatsarana.

 

™Eto  ampamaranana,  satria  zava-dehibe  amin’ny Malagasy ny fambolem-bary manaraka ny volovary maroanaka (SRI) dia :

Enga anie ianareo mandritra ity taona dimy ambinifolo sy roarivo ity ity, ho toy ny vary eny andoharano, tarafin’ny andro tsy mba malazo, rarafam-panala nefa tsy ngoly, tsofin’ny rivotra tsy mba miraika, fa tena raitra, tsy isaraka amin’ny sambatra sy ny manan-jara. Ho Masoandro hatrany ho an’i Madagasikara.

 

Merci de votre attention.

 

Thank you.

 

Mankasitraka Tompokolahy,

Mankatelina Tompokovavy.


Partager l'article:

Lakroa en direct
  • 31 Aug. 2021 - 09:26-

    Fahatezeran’ny filoham-pirenena Andry Rajoelina teo Ivato. Tafaverina ny alatsinainy 30 aogositra teo ny filoha Rajoelina rehefa namita iraka ekonomika sy diplomatika tany Frantsa. Niara-dia tamin’ny mpilalao Barea sasay ny tenany. Nanao vaan-dresaka fohy tamin’ny mpanao gazety ny tenany teo ampahatongavana teo Ivato. Naneho ny hatezerany tamin’ny mpikambana ny FMF ny tenany (Federasiona Malagasy Football) izay nambarany fa nisakana ny fahafahan’ny mpijery manatrika ny alalan’ny Barea ny 2 spetambra. Hahita izay nanao sonia iny taratasy iy hoy izy.

  • 31 Aug. 2021 - 09:26-

    Fitokanana ny Kianja Barea Mahamasina. Nambaran’ny filoha nandritra ny tafa fohy ntaony  ho an’ny mpanao gazety teny Ivato fa ho tanterahina ny 4 septambra izao ny fitokanana ny Kianja Barea izay nokasaina natao ny 2 septambra. Ity kianja monisipaly ity dia nohavaozina nanomboka tamin’ny fiandohan’ny taona 2020, mitentina 77 tapitrisa dolara avy amin’ny volam-panjakana madiodio, araka ny nambara tamin’izany fotoana.

  • 31 Aug. 2021 - 09:25-

    Famindram-pitantanana teo amin’ny Praiminisitra sy ny minisitry ny harena ankibonan’ny tany teo aloha. Notontosaina tamin’ny 23 aogositra 2021 ny famindram-pitantanana teo amin’ny Praiminisitra Ntsay Christian sy ny minisitry ny harena an-kibon’ny tany teo aloha Ravokatra Fidiniavo. Ny Praiminisitra izany no mitantana ity minisitera ity taorian’ny fametram-pialan’ny minisitra Brice Randrianasolo telo andro taorian’ny nanendrena azy tamin’ny 15 aogositra 2021.

  • 31 Aug. 2021 - 09:25-

    Fahazoan’ny mpitsara bakalorea any Antsiranana vola tamin’ny faritra sy kaominina. Nanolotra vola ho an’ireo mpitsara fanadinana bakalorea izay nanao fitokonana ny governoran’ny Faritra Diana sy ny ben’ny tanànan’ny kaominina ambonivohitra Antsiranana tamin’ny 23 aogositra 2021. Mitentina 34 tapitrisa Ariary ny avy avy amin’ny governora ary 16 tapitrisa Ariary ny avy amin'ny ben’ny tanàna. Nilaza ny tsy hitsara manko ireo mpitsara raha tsy voaloa ny tambim-pitsaran’izy ireo teo aloha. Ny minisiteran’ny fampianarana ambony sy ny fikarohana siantifika anefa dia efa nilaza, araka ny fampahafantarana nataony tamin’ny 17 aogositra fa efa nalefa any amin’ny oniversite isanisany ny vola tambin-karaman’ireo mpitsara ny fanadinana bakalorea 2020.

  • 31 Aug. 2021 - 09:25-

    Fivoaran’ny ‘covid-19’ sy ny hamehana ara-pahasalamana. Tsikaritra ho vitsy ny tranga vaovao amin’ny ‘covid-19’ raha mitaha amin’ny fitiliana atao tamin’iny herinandro iny, fa misy ihany ny tranga ahitam-pahasarotana. 3/351, 5/578, 3/845 ohatra ny tranga vaovao tamin’ny fitiliana natao tamin’ny 26, 27, ary 28 aogositra. Ny 23 marsa 2020 ka hatramin’ny 27 aogositra 2021, miisa 241 052 no fitambaran’ny fitiliana natao, miisa 955 ireo lavo, miisa 42 862 ireo tranga ka ny 42 566 no sitrana araka ny antotanisa ofisialy avy amin’ny minisiteran’ny fahasalamam-bahoaka. Mbola ao anatin’ny hamehana ara-pahasalamana i Madagasikara raha ny didim-panjakana navoaka tamin’ny 22 aogositra 2021, ary mipetraka ireo fepetra sakana samihafa.

  • 31 Aug. 2021 - 09:24-

    Filaharana haka tapakila hidirana ao Mahamasina. Ho tokanana amin’ny 2 septambra, andro hanatanterahana ny lalao hifanandrinan’i Barea Madagasikara sy ny ekipan’i Bénin amin’ny fifanintsanana hiadiana ny amboara eran-tany 2022 ny kianja Barea ao Mahamasina, araka ny fandaminana avy amin’ny prezidansa nampitaina tamin’ny fiandohan’ny herinandro lasa teo. Filaharana lava hatramin’ny vao maraina no hita ny alakamisy 26 sy zoma 27 aogositra mba haka ny tapakila hidirana ao Mahamasina, hijery baolina sady hanatrika ny fitokanana ny kianja.

  • 31 Aug. 2021 - 09:24-

    Fandavan’ny CAF ny hanatrehan’ny mpijery ny lalao ao Mahamasina. Nolavin’ny CAF (Confédération africaine de football) ny fangatahan’ny sekretera jeneralin’ny FMF (Fédération malagasy de football) ny hahafahan’ny mpijery miisa 1500 hanatrika ny lalao baolina kitra hatao ao Mahamasina amin’ny alakamisy 2 septambra 2021, ao anatin’ny fifanintsanana hiadiana ny amboara eran-tany 2022 hatao any Qatar. Araka ny fampatsiahivan’ny CAF ao amin’ny valim-pangatahan’ny FMF tamin’ny 27 aogositra, dia araka ny lamina napetraky ny CAF sy ny FIFA ny tsy hanatrehan’ny mpijery ny lalao noho ny valanaretina ‘covid-19’.

  • 31 Aug. 2021 - 09:23-

    Hetsiky ny RMDM Frantsa sy fisamborana/ famotsorana an’i Fanirisoa Ernaivo. Nandritra ny dian’ny filoham-pirenena malagasy tany Paris no nisian’ny hetsiky ny rodoben’ny mpanohitra RMDM Frantsa tarihin’i Fanirisoa Ernaivo izay mitsikera hatrany ny fitantanan’ny filoha Rajoelina sy mitaky ny fialany. Nandritra ny fihaonana tamin’ny Medef ny 25 aogositra, dia nisy ny fisamboran’ny polisy frantsay ity mpitarika ny RMDM Frantsa ity noho ny vaovao nampitaina tamin’izy ireo fa hoe mitondra fitaovam-piadiana izy saingy navotsotra ihany satria tsy nahitana izany tany aminy. Nambara ihany koa ny fisian’ny ‘mandat d’arrêt international’ hisambotra azy saingy tsy azo notanterahina izany raha ny nambaran’ny nokasaina hosamborina satria mpialokaloka politika no maha any azy. Voalaza fa ‘mandat d’arrêt’ nosoniavin’ny minisitry ny raharaham-bahiny Patrick Rajoelina tamin’ny 16 aogositra izany. Ny minisitry ny fitsarana ankehitriny Imbiky Herilaza dia nanamafy fa didim-pitsarana efa nivoaka ny fisamborana azy, nilaza izy fa hifampiraharaha amin’ny fanjakana frantsay ny fanjakana malagasy ny hisamborana sy hampodiana an’i Fanirisoa Ernaivo aty Madagasikara.

  • 31 Aug. 2021 - 09:23-

    Vidin-javatra midangana sy ny minisitera. Nametraka ny tokony ho saran’ny entana sasantsasany ilaina andavanandro ato anatin’ny enim-bolana ny minisitry ny indostria sy ny varotra ary ny fanjifana Edgard Razafindravahy. Tamin’ny 26 aogositra teo no nitondrany ny fanazavana momba izany. Anisan’izany ny menaka fihinana « huile de palme » izay tsy tokony hihoatra ny 6000 Ariary ny litatra, ny menaka soja ‘en vrac’ tsy tokony hihoatra ny 7000 Ariary ary ny anaty tavoahangy mihidy tsy hihoatra ny 7500 Ariary, ny vary tsy tokony hihoatra ny 2300 Ariary ny kilao, ny siramamy tsy tokony hihoatra ny 2600 Ariary ny kilao, torak’izany koa ny lafarinina tsy tokony hihoatra ny 2600 Ariary ny kilao, ny arina fandrehitra tsy tokony hihoatra ny 23 000 Ariary ny gony. Mbola lavitry ny vidiny teo aloha izay efa tsy zakan’ny ankamaroan’ny olona ireo raha ny fanehoan-kevitry ny olona satria tany amin’ny 5000 Ariary ny litatry ny menaka taon-dasa. Ny filoha malagasy moa dia nanome andro telo hamahana ny olan’ity fidangan’ny vidin’entana ilaina andavanandro ity tamin’ny kabariny saingy tsy tafa izany raha ny zava-misy.

  • 31 Aug. 2021 - 09:23-

    Praiminisitra nanao vakisiny. Nanao vaksiny fanefitry ny ‘covid-19’ ny praiminisitra Ntsay Christian tamin’ny alakamisy 26 aogositra teo. Tao amin’ny hopitaly Befelatanana no nanaovana vaksiny azy tamin’ilay atao hoe ‘Johnson & Johnson’, tsindrona indray mandeha. Nilaza ho fitaratra ho an’ny vahoaka ny praiminisitra tamin’ny nanaovana izany vaksiny izany.

  • 31 Aug. 2021 - 09:22-

    Filoham-pirenena malagasy sy ny Medef ary ny fihaonana tamin’ny filoha frantsay. Nanomboka tamin’ny talata 24 aogositra 2021 tany Paris ny fihaonan’ny vondron’ny mpandraharaha frankofonina ao amin’ny Medef nandraisan’ny delegasiona malagasy anjara notarihan’ny filoham-pirenena malagasy Andry Rajoelina. Taorian’izany fihaonana izany ihany koa no nisian’ny fihaonan’ny delegasiona notarihin’ny filoha tamin’ireo malagasy sasany any ivelany, maherin’ny 1000 tao amin’ny ambasady malagasy. Nisoratra anarana mialoha ireo nanatrika izany. Tombanana ho eo amin’ny 140 000 eo ho eo ireo malagasy any Frantsa raha ny antotanisa fantatra. Ny 27 aogositra dia nihaona manokana tamin’ny filoha frantsay Emmanuel Macron ny filoha malagasy, fa nialoha izany nisy ny kabary fohy nifandimbiasan’izy ireo, niresahana ny fiaraha-miasan’ny roa tonta. Miely amin’ny fampitam-baovao samihafa sy tambajotra sosialy ny fizotran’ireny fihaonana ireny.

  • 23 Aug. 2021 - 10:48-

    Fanamasinana diakra sy pretra redantorista. (Fiainam-pinoana katolika). Mitohy hatrany ny fanamasinana pretra sy diakra manerana ny diosezy samihafa eto amin’ny Nosy, eo anivon’ny Fiangonana katolika. Taratry ny fahaveloman’ny finoana sy firoborobon’ny fiantsoan’Andriamanitra izany. Anisan’ny tamin’ny faran’ny herinandro teo ny tao amin’ny diosezin’Antananarivo, tao Andempona Alasora ny alahady 22 aogositra, notarihan’ny arseveka Odon Razanakolona sy Mgr Rosario Saro. Nanaovana fanamasinana diakra sy pretra redantorista miisa 16 mirahalahy. Mahatratra 30 ny fanamasinana manerana ny diosezy eto amintsika raha ny nambaran’ny arseveka. Misy ny efa vita tamin’iny volana jolay iny toy ny an’ny lasalety tany Antsirabe, ny an’ny zezoita tao Antananarivo, fa mbola ho avy koa ny an’ny hafa.

  • 23 Aug. 2021 - 10:47-

    Filoha mitantana ny FJKM. Voafidy indray ho filohan'ny birao foibe FJKM ny mpitandrina Dr Irako Andriamahazosoa Ammi. Efa-taona no haharetan’ny maha filoha azy. Nandritra ny sinoda lehibe faha-19 natao tao Sambava (11-18 aogositra 2021) no nanatanterahana ny fifidianana ny filoha sy ny mpikambana mandrafitra ny birao foibe.

  • 23 Aug. 2021 - 10:46-

    Olan’ny tambin-karaman’ny mpitsara bakalorea any Antsiranana. Mikatso ny fitsarana ny taratasim-panadinana bakalorea any Antsiranana noho ny fitokonan’ireo mpampianatra mpitsara hatramin’ny nahavitan’ny fanadinana bakalorea tamin’ny 18 aogositra. Mitaky ny handoavana ny tambim-pitsarana tamin’ny 2020 izy ireo vao hiroso amin'izany. Tsy nisy akony ny fitakiana hatramin’ny 20 aogositra teo. Manoloana izany, mametra-panontaniana ny ray amamn-dreny ny alehan’ireny saram-pisoratana anarana ireny. Olana iraisan'ny mpitsara bakalorea  maneran'ny  Nosy izy io.

  • 23 Aug. 2021 - 10:45-

    Fandoavana ny volan’ny mpandraharaha mpanao lalana. Nanipy teny tamin’ny minisitry ny asa vaventy Hatrefindrazana Jerry ny minisitra Hajo Andrianainarivelo mba handreseny lahatra ny filoham-pirenena hanao sonia ny taratasy hahafahana mamoaka ny volan’ireo mpandraharaha amin’ny asa vaventy mbola tsy voaloa. Tamin’ny famindram-pahefana teo amin’izy mirahalahy no nitenenany izany. Efa ho herintaona ireo mpandraharaha ireo no tsy nahazo ny volany na dia efa vita aza ny asa, fa miandry ny tombana ataon’ny mpanara-maso ny tetikasam-panjakana. Nomem-pahefana handray anjara amin’ny fanaraha-maso ny tetikasam-panjakana ny goverinora, araka ny didim-panjakana noraisina tamin’ny filan-kevitry ny minisitra ny 18 aogositra 2021. Olom-boatendry hatramin’izao ny governora izay nasolo ny lehiben’ny faritra tokony ho olom-boafidy, araka ny lalàm-panorenana.

  • 23 Aug. 2021 - 10:44-

    Fanesorana ny tale jeneralin’ny tahirim-bolam-panjakana. Maro ny fanesorana sy fanendrena tompon’andraikitra ambony taorian’ny fiovan’ny mpikambana anivon’ny governemanta tamin’ny alahady 15 aogositra 2021. Anisan’izany ny fanafoanana ny didim-panjakana laharana 2019-2217 tamin'ny 11 desambra 2019 izay nanendry ny tale jeneralin’ny Tahirim-bolam-panjakana (trésor public), Ranjalahy Ihajambolatiana. Noraisina tamin’ny filan-kevitry ny minisitra tamin’ny alarobia 18 aogositra 2021 io didim-panjakana io. Naato ihany koa ny fandoavam-bola ankoatra ny karama mandra-panendry ny tale jeneraly vaovao.

  • 23 Aug. 2021 - 10:43-

    Fanitarana ny fe-potoanan’ny hamehana ara-pahasalamana sy fepetra. Araka ny didim-panjakana 2021-848 tamin’ny 22 aogositra 2021, dia mitohy mandritra ny 15 andro ny hamehana ara-pahasalamana noho ny fiarovana ny fahasalamam-bahoaka sy fisian’ny toe-javatra goavana mampisahotaka ny fiainam-bahoaka. Nanao fampahafantarana momba izany ny ao amin’ny fiadidiana ny repoblika, araka ny hita tamin’ny tambajotra sosialy. Mitohy noho izany ny fanajana ny fepetra sakana mahazatra toy ny tsy famoriana olona amina efitra mihidy mihoatra ny 400 sy ny fitandremam-pahadiovana. Eo ihany koa ny fanaovana vaksiny izay efa niditra tamin’ny fanaovana ny andiany faharoa nanomboka tamin’ny 19 aogositra teo.

  • 22 Aug. 2021 - 10:42-

    Lasa any Frantsa ny filoha Andry Rajoelina. Ny sabotsy 21 aogositra 2021 no lasa any Frantsa ny delegasiona tarihin’ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina, hihaona amin’ny mpandraharaha frantsay ao anivon’ny MEDEF (Mouvement des entreprises de France). Anisan’ny delegasiona miaraka amin’ny filoha ny minisitry ny raharaham-bahiny Patrick Rajoelina, ny minisitry ny angovo sy ny akoran’afo Andry Ramaroson, ny minisitry ny fizahantany Joël Randriamandrato ary ny minisitry ny asa tanana sy ny haitao Sophie Ratsiraka. Hihaona amin’ny filoha Macron izy ny 27 aogositra ary amin’ny Dispora ny 28 aogositra.

  • 21 Aug. 2021 - 10:40-

    Fidirana sy fivoahana eto Madagasikara. Tonga ny zomà 20 aogositra teny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato ny andiany voalohany tamin’ireo malagasy tavela tany Frantsa, araka ny fandaharana nataon’ny fitondram-panjakana. Ny sidina an’ny Air Caraibes no mitatitra ireo nahazo fankatoavana hody aty Madagasikara. Miisa 1500 ireo nahazo fankatoavana hody.

  • 20 Aug. 2021 - 10:22-

    Minisitra nametra-pialana. Nametra-pialana tamin’ny alakamisy hariva 19 aogositra ny minisitry ny harena ankibon'ny tany, Brice Randrianasolo. Telo andro izany no naha minisitra azy. Ary ny minisitra teo aloha efa nofoanana tamin’ny didim-panjakana ny maha minisitra azy no nambara fa mitantana indray ny minisitera.

Du même auteur

monde
politique

Dans la même rubrique

politique
politique