logo
Lakroan'i Madagasikara
Tafatafan'i Talata

Rajaonarimahafanina sa Rajaonarimampiesona ?

Ratalata Jean Ba il y a 5 années

Nataoko ihany ny tsy hanimbazimba ny anaran’olona na manam-pahefana izy na tsia fa indrindra ny an’ny filoham-pireneko izany. Saingy...

Nataoko ihany ny tsy hanimbazimba ny anaran’olona na manam-pahefana izy na tsia fa indrindra ny an’ny filoham-pireneko izany. Saingy manoloana ny zava-misy ankehitriny dia tsy aritro intsony ka miala tsiny aminao mpamaky sy mpanaraka ity andian-dahatsoratra isaky talata ity aho fa dia tonga amin’ny fihoaram-pefy ny tena.

Hery Rajaonarimampianina no tena anaran’ity filoham-pirenena voalohany amin’ity Repoblika fahefatra ity. Nahitana fomba fiasa hafahafa raha ity filoham-pirenena ity. Telo volana no niandrasana ny fanendreny  an’izay ho Praiminisitra. Nifampitady teny Antaninarenina teny ireo mpitady seza sy ny mpomba azy  tsirairay avy. Dia naharitra amam-bola teo indray koa ny ezaka fanesorana an’ity praiminisitra saro-piterahana ity.

Ny mahavariana tamin’izao ora farany niainan’ny governemanta izao dia ry zareo ao amin’ny antoko HVM mihitsy no voalaza fa mitaky ny fanesorana ny praiminisitra. Natao ho fantatry ny mpilaza vaovao koa fa minisitra maro no vonona hametra-pialana avy hatrany raha toa ka tsy mametra-pialana ny praiminisitra Kolo. Saika ireo minisitra Hvm ihany koa ireo voatonona ireo. Mahavariana. Mahafanina

 

Tena mahavalalanina

 

Jereo ange ny ora faramparany niainan’ny governemanta tarihin’i Kolo Roger e. Ny zoma 9 janoary alina dia nifamory ireo lohandohan’ny mpisorona ao amin’ny antoko HVM. Tao Andoharanofotsy. Tsy lavitra an’i Iavoloha izany toerana nivoriana izany. Ny hanala ny PM no lahadinika.

Dia io fanesorana ny PM io no nahazo laka (la une hoy ry zareo mpanao gazety) tamin’ny famoaham-baovao teo amin’ny gazety asabotsy maraina. Tsy nahazo laka ny kabarin’ny filoha hajaina Rajaonarimampianina nataony teny Iavoloha ny zoma 9 janoary. Maivana loatra ve ilay kabary sa ny fahatongavan’ny filoha teo aloha Ravalomanana Marc no tiana hitsahina ?

Resaka “com” fotsiny io resaka fangatahana fialan’ny PM io ny fahitana azy hatreo amin’io asabotsy maraina io. Masaka tao an-tsaina izay. “Tsy norme” araka ny fitenin’ny tanora izany hoe samy mpikambana ao amin’ny antoko Hvm dia hifanipy hoditra akondro.

 

Tsy norme amin’ny ahoana ?

 

Mety ho fitenin’ny tanora tokoa ilay “tsy norme” kanefa ny fomba fanaon’ny mpanao politika dia efa lasa norme izy io. Jereo ange ireo depiote Mapar. Misy Mapar 1, Mapar 2 ary Mapar 3. Efa izay ilay génération ankehitriny. Mpanaraka ny “film” Malok’ila novokarin’ny Scoop Digital. Efa nihoatra ny folo izy iny raha tsy diso aho. Dia manao tahaka izay koa ireo vondrona parlemantera. Ny mampalahelo dia izy ireo milaza ho Mapar ary mitsipaka ny anarana Andry Rajoelina izay ao anatin’io Mapar izay fanafohezan-teny. Tsiahivina ny dikan’ny Mapar, Miaraka Amin’ny Prezida Andry Rajoelina.  Izany hoe Mapar fa tsy Rajoelina. Dia tahaka izay koa izany ny Hvm. Mpikambana ao aminy ny PM fa tsy tohanany. Mpamadika ve izany ? Fa moa va tsy efa izay no nitaizana sy namolavolana an’ireo mpanao politika rehetra na efa tranainy na vao misondrotra ? Izay no “norme”.

 

Ny mahavariana ihany koa dia ny famoahana ilay didim-panjakana tamin’ny andro alina. Fa raharaha maika inona no tena nenjehina ka tsy maintsy namoahana io didy nanekena ny fialan’ny PM sy ny governemanta io ? Maika, maika… Ho aiza ? Misy fetra tsy azo nanoharana na date butoir ve tao ? Tsy mazava ka izany rahateo no nahatonga ilay mpitazana iray nilaza fa enti-mody na devoara ho an’ny filoha Rajaonarimampianina ny fanesorana ny PM ary dia kasinga hita maso hahafahan’izay tendren’izy dimy miaraka eny Ivato hanohy ny fampihavanam-pirenena. Fanina mihitsy ianao mandre izany fanazavan’ny olona manaraka ny fiainana politika izany. Io ilay dingana takian’ny mpamatsy vola sy ireo masoivoho vahiny. Manendry olona vaovao izay efa nifanarahan’ny rehetra. Tsy taitra akory ity namana iray nilaza fa izay no nahatonga an-dRajoelina nijanona any Andafy ka ahafahany miresaka mivantana amin’izay namany any. Mahafanina ity resaka politika ity. Fa izay no norme eto amintsika dia ny fandraisana toromarika na baiko mihitsy avy amin’ny vahiny. Fa izy no tompon’ny vola ka izay tompon’ny vola no tompon’ny lakile.

 

Mahafanina ny fihodinan’ny rivotra politika eto amin’ny tanàna. Ny tafatafa ifanaovana dia tsy nahafahana mamoaka ny tena marina. Mbola fanina hatrany ny mpanaraka ny vaovao izay mitaky ny fanatsaharana izao fomba fanao politika manodinkodina saim-bahoaka izao.



Partager l'article:

Lakroa en direct
  • 18 Jul. 2019 - 14:15-

    USA. Le cardinal DiNardo interpelle Donald Trump sur les droits des migrants. «Il est contraire aux valeurs américaines et chrétiennes de chercher à empêcher aux personnes d’émigrer ici quand elles fuient pour sauver leurs vies et pour trouver une sécurité pour leurs familles», déclare le cardinal DiNardo.

  • 18 Jul. 2019 - 11:27-

    Birao maharitra AN. Vita ny fifidianana ny mpikambana ireo mandrafitra ny Birao maharitry ny Antenimieram-pirenena. Toy izao izany : Filohan’ny Antenimierampirenena : Razanamahasoa Christine Harijaona, Ambatofinandrahana (IRD). Filoha Lefitra Antananarivo : Rasolonjatovo Honoré, Faratsiho (IRD). Filoha Lefitra Antsiranana : Rahelihanta Jocelyne, Antsiranana I (IRD). Filoha Lefitra Fianarantsoa : Razafitsiandraofa Jean Brunelle, Ikongo (IRD). Filoha Lefitra Mahajanga : Rahantanirina Lalao, Mahajanga I (IRD). Filoha Lefitra Toamasina : Michelle Bavy Angelica, Fenérive Est (IRD). Filoha Lefitra Toliara : Rabenirina Jean Jacques, Betioky Atsimo (IRD).
    Questeur 1 : Henri Jean Michel, Ambovombe (IRD). Questeur 2 : Rakotomanga Lantoarivola Sedera, Antananarivo II (IRD). Questeur 3 : Rabenirina Maminiaina Solondraibe, Ambohidratrimo (TIM).
    Mpampakateny : Angèle Solange, Amboasary Atsimo (Mahaleotena). Mpampakateny lefitra : Rafenomanantsoa Tsirimaharo Ny Aina, Antananarivo III (IRD).

  • 17 Jul. 2019 - 09:30-

    Mercato-Jeremy Morel. En fin de contrat avec l'OL, l’international malgache Jeremy Morel signe pour un an de contrat avec le Stade Rennais. « Je suis très enthousiaste et fier de rejoindre le Stade Rennais F.C. Je vais faire du mieux possible pour apporter mon expérience au club. J’avais plusieurs sollicitations mais sportivement je me voyais plus ici. J’espère avoir fait le bon choix. À moi de tout faire sur le terrain pour remercier le Président de sa confiance », a-t-il déclaré.  

  • 16 Jul. 2019 - 09:30-

    Désensablement. La piscine naturelle du Parc National Isalo est de nouveau ouverte à la baignade depuis le vendredi 12 juillet dernier. « La profondeur et la propreté de l’eau ont été testées par les agents de Madagascar National Parks afin de s’assurer que toutes les conditions requises pour la baignade durant la haute saison touristique 2019 soient au mieux », déclare Madagascar National Parks sur Facebook.

  • 15 Jul. 2019 - 14:30-

    Jeux des îles. A l’île Maurice, les sportifs venant des sept îles de l'océan Indien s'affronteront sur quatorze disciplines : athlétisme, badminton, le basketball, boxe, cyclisme, football, haltérophilie, judo, natation, tennis de table, voile, beach volley et volleyball. Pour cette édition, l’ouverture officielle se fera le 19 juillet et prendra fin le 28 juillet.

  • 15 Jul. 2019 - 13:00-

    FMF. Lova Ramisamanana ne pourra se présenter à la course pour être à la tête de la fédération malgache de football. Il l’évoque sur sa page Facebook ainsi, « j’ai le regret de vous annoncer que je ne pourrai pas me présenter à la présidence de la fédération malagasy de football, faute de n’avoir pu réunir les 3 cautions requises. Nous nous sommes battus jusqu’au bout mais nous n’avons pu faire face à certains obstacles. »

  • 15 Jul. 2019 - 08:30-

    CAN 2019. Suite à leur victoire respective contre la Tunisie et le Nigéria, le Sénégal et l’Algérie disputeront la finale de cette édition de la Coupe d’Afrique des Nations. Pour rappel, les Fennecs ont battu ces Lions de la teranga lors de la phase de poule sur le score de 1-0 avec le but de Youcef Belaili.

  • 11 Jul. 2019 - 06:30-

    Fandaminana. Handamina ny polisim-pirenena ho an’ny alakamisy alina araka ny resadresaka tamin’ny mpanao gazety nataon’ireo tompon’andraikitra ao amin’ny Polisim-pirenena. Nanome ireo toromarika manodidina ny filaminana mandritra ny fijerena baolina kitra amin’izao Can izao izy ireo. Maro ny polisy hiasa amin’io alin’ny alakamisy io raha ny nambaran’ireto tompon’andraikitra ao amin’ny polisim-pirenena ireto.

  • 09 Jul. 2019 - 13:30-

    Supporter les Barea. L’inscription est ouverte pour aller supporter les Barea en Egypte pour leur quart de finale contre la Tunisie. Les billets sont disponibles auprès de l’Air Madagascar à Analakely. Adressez-vous à la même agence pour plus d’infos.

  • 06 Jul. 2019 - 13:00-

    Pape François – Poutine. Le président russe Vladimir Poutine a rencontré le pape François au Vatican le 4 juillet pour une discussion privée de 55 minutes. Le pape François et Poutine ont discuté de questions d'actualité en Syrie, en Ukraine et au Venezuela, ainsi que de questions environnementales et de questions concernant l'Eglise catholique en Russie, selon le bureau de presse du Saint-Siège.

  • 05 Jul. 2019 - 11:00-

    CAN 2019. La CAF a rejeté les plaintes contre la RDC pour match truqué. Suite à l’insuffisance de preuve réelle, les accusations de corruption de la fédération zimbabwéenne de football vis-à-vis de leur gardien de but ont été rejeté. De ce fait, le match entre Madagascar et la RDC dans le cadre des huitièmes de finale aura bel et bien lieu dimanche prochain.

  • 05 Jul. 2019 - 08:30-

    Wi-fi gratuit. Le mercredi 10 juillet prochain, le wi-fi gratuit sera disponible à Antananarivo. Il sera possible de se connecter librement, sur quatre zones incontournables de la capitale comme au jardin Antaninarenina, à l’arrêt bus Ambohijatovo, au jardin Antanimena et au pont de Behoririka.

  • 04 Jul. 2019 - 10:30-

    Nicolas Dupuis. Selon Jeune Afrique, Nicolas Dupuis est 31ème dans le classement des entraîneurs les mieux payés en Afrique. Il perçoit 7000€ par mois, selon les chiffres publiés par le média. Le sélectionneur de l’Egypte, Javier Aguirre, est le coach le mieux rémunéré sur le continent avec un salaire mensuel de 108 000 euros.

  • 03 Jul. 2019 - 15:15-

    CAN 2019. Anicet Andrianantenaina et Carolus Andriamanitsinoro intègrent l’équipe type de la phase de poule de cette Coupe d’Afrique des Nations. Pour rappel, Anicet était l’homme du match pendant la rencontre face à la Guinée. Carolus l’était à son tour pendant le match contre le Nigéria.

  • 03 Jul. 2019 - 14:30-

    FIER-Mada. Tanterahana ny alarobia 7 hatramin’ny 11 aogositra ho avy izao ny FIER-Mada faha 21, ao amin’ny kianja Makis Andohatapenaka. Amin’izany dia hisy ny lao-bary an-dasy hiompana amin’ny « fandrosoana maharitra : tetik’asam-panjakana vatsiana vola amin’ny voajanahary sy ifampierana amin’ny tantsaha eny ifotony ».

  • 03 Jul. 2019 - 13:15-

    Energie solaire. La nouvelle technologie solaire pourrait produire de l'eau potable propre pour des millions de personnes dans le besoin. Des appareils appelés alambics solaires utilisent le soleil pour évaporer l'eau salée et condenser la vapeur en eau potable saine. Les chercheurs ont mis au point un nouveau système accélérant le processus d'évaporation, permettant ainsi à un petit alambic solaire de fournir toute l'eau potable dont une famille a besoin.

  • 03 Jul. 2019 - 08:30-

    Fampandrenesana. Tapaka ny lalana : -Lalana Dr Rajaonah- Pharmacie Ankadifotsy- EKAR Antanimena- ESCA ny saboty 6 jolay 2019. Voarara ho an’ny fifamoivoizan’ny  fiara rehetra tsy an-kanavaka ny ampahany amin’ireo lalana ireo. Izany dia noho ny fankalazana ny faha-50 taonan’ny Sekoly Les Lutins Ankadifotsy, araky ny fampandrenesana.

  • 02 Jul. 2019 - 08:00-

    Supporter les Barea. Une offre exceptionnelle est disponible pour les 8è de finale de cette CAN. Elle est à 2.200.000 ar ( Billet d avion A/R +Hebergement+Transfert hôtel-stade+ Billet d entrée stade ) 298.000 ar ( Visa de séjour ) 198.000 ( Passeport ) soit 2.688.000 AR Départ d Ivato samedi 06 juillet - retour Ivato Lundi 08 juillet Appareil A 380 . Plus d infos contacter Air MADAGASCAR

  • 01 Jul. 2019 - 10:30-

    USA-Corée du Nord. Le président Donald Trump et le président nord-coréen Kim Jong Un se sont rencontrés dimanche dans la zone démilitarisée (entre la Corée du Nord et du Sud) fortement fortifiée et ont convenu de relancer les pourparlers sur le programme nucléaire de Pyongyang. Trump, faisant pression pour obtenir un accord définissant un héritage, est devenu le premier dirigeant américain assis à entrer en Corée du Nord.

  • 01 Jul. 2019 - 08:00-

    Barea. Suite à son deuxième carton jaune lors de cette phase de poule, Marco Ilaimaharitra ne pourra pas jouer lors des huitièmes de finale. Pour rappel, il a reçu son premier avertissement contre le Syli national. Cliquez sur le lien pour lire l’article : https://www.lakroa.mg/item-1755_articles_sport_18-les-barea-saenvolent-vers-un-huitiame-de-finale-historique.html

Du même auteur

monde
politique

Dans la même rubrique

chronique
chronique
Publicité