logo
Lakroan'i Madagasikara
Tafatafan’i Talata

Ny lova napetrak’ireo maritirin’ny tany mihotsaka

Ratalata Jean Ba il y a 4 années

Omaira Sanchez ? Iza no mahatadidy izany anarana izany ? Angamba efa mihavitsy ankehitriny ireo tanora mahafantatra izany anarana izany. Ireo efa nahazo taona koa aza angamba efa manomboka manadino. Tranga nahasarika olona na tsy fampitaha amin'ny an'i Félicien aza.

Omaira Sanchez ? Iza no mahatadidy izany anarana izany ? Angamba efa mihavitsy ankehitriny ireo tanora mahafantatra izany anarana izany. Ireo efa nahazo taona koa aza angamba efa manomboka manadino.

Indro misy rohy vitsivitsy ireto ho an’ireo afaka mijery internety na aterineto :

 

http://fr.wikipedia.org/wiki/Omayra_S%C3%A1nchez

 

http://culturevisuelle.org/catastrophes/2010/09/04/figures-des-catastrophes-omaira-sanchez

 

Olona an-tapitrisany maneran-tany no nijery mivantana ny fahafatesan’i Omaira Sanchez. Tovovavy kolombianina vao 13 taona izy no maty tototry ny tany navoakan’ny volkano iray antsoina hoe Nevado del Ruiz. Ny 13 novambra 1985 no nitrangan’izany. 30 taona lasa izay tao Armero-Guayabal. Nogiazan’ny tany sy béton sy rano nandritra ny telo andro sy telo alina izy. Tsy afa-nanaotra ny mpitondra tany antoerana. Televiziona maro no nandefa mivantana ny ady farany natrehin’ity tovovavy ity tamin’izany fotoana izany.

 

Mitamberina antsaina izany raha nahita ny zava-nisy teny Andohanimandroseza farany teo izay toerana nahafaty an’i Félicien Théo Rakotovao fa izay no anarana nampalaza azy fahavelony raha Félicien Rakotomalala no anaran’ity tovolahy ity ara-panjakana.

Hahitana io tranga io fa ny vaovao iray dia ny fihetseham-po naterany no hahazoana ny fifantohan-tsain’ny mpanara-baovao. Zaza tsisy mahalala io tovovavy io. Lavitra izany Colombie izany ary ny resaka zava-mahadomelina aza no ahafantarana izany firenena izany. Saingy tamin’io fotoana io dia voasarika izao tontolo izao. Mety misy hilaza fa curiosité morbide (ialana tsiny fa mbola tsy hita izay voambolana malagasy tena mahadika azy) no tena natanjaka tamin’izany fotoana izany.

 

Lavitra tokoa i Colombie ka mety ho nisy Malagasy tsy naharaka na tsy nahita ny fitantarana mivantana io ady farany natrehan’ity zazavavy ity. Misy tokoa ireo mpikirakira vaovao no milaza fa ny zava-misy akaiky no mahasarika ny olona. Izay mety ho tsy marina loatra. Jereo fa raha samy baolina kitra izao dia ny coupe du monde sy ny champions league no be mpanaraka eto Madagasikara toa izay ny Can na maro amin’ireo mpilalao ao amin’ny Can aza no misehatra amin’ireo fifaninana roa voatanisa teo. Na eo aza izany dia ndao ny zava-nisy teto an-toerana no ndeha hijerena tranga hafa indray.

 

Ohatra tsy nahasarika olona

Andro vitsy na ora akory aza talohan’i Félicien dia efa nisy tovolahy roa maty nianjeran’ny trano. Ora ampolony no nikarohana azy ireo raha roampolo mahery no niasan’ny mpamonjy voina nikarohana an’i Félicien. Tovolahy roa mpianatra eny amin’ny oniversiten’Ankatso no isan’ny maty nianjeran’ny trano tao. Tovolahy avy any Itasy ny iray ary avy any Maroantsetra ny iray. Ny fianarana ambony no niraisany. Tsy miara-monina akory izy ireo araka ny filazam-baovao fa sendra nangataka mba hampiasa solosaina ny iray io alina io kinanjo nifamotoana tamin’ny fahafatesana. Araka ny filazana’ireo nanao fanadihadiana aza dia nanana sipa ilay mpianatra iray nampiantrano ary dia niangaviany io sipany io hatory any an-kafa io alina io mba hahafahan’izy roalahy mianatra. Feno ny kasinga raha te hampihetsi-po tokoa. Saingy… Tsy nahasarika ny olona izany. Tsy voatery rehefa misy kasinga mety hanairana fihetseham-po dia hahomby. Ireo fandroahana mpiavy tsy manana karatra hipetrahana ao Frantsa no ahafahana manamarina izany. Mahatratra 36 822 ny olona voaroaka tao Frantsa tamin’ny taona 2012. Saingy… ny tranga nahazo an’i Léonarda no nahasarika olona hihetsika hiaro azy. Léonarda dia tovovavy tsy nanana taratasy hahazoany mipetraka ao Frantsa ary ny fisamboran’ny polisy azy tao anatin’ny taksibe mpitondra mpianatra no heverina fa namoha ny olona fa tsy ilay tovovavy tsy nanana taratasy fotsiny ihany. Mifangaro ao izany ny fiarovana olona sy tsy fitiavana mpitandro filaminana. Misy antony iray fanampiny hatrany izany hanairana ny olona. Raha ny azy roalahy ireto dia tsy eo ilay mpampita vaovao voakasika, na olo-malaza voasaringotra (olomboafidy, tale jeneraly…).

 

Fisaorana ireo mpamonjy voina

Isan’ny azo resahina kosa tamin’izao tranga izao dia ny fisaorana an’ireo mpamonjy voina. Niasa andro aman’alina ra-bakiteny. Isaorana izy ireo na eo aza ny fitenenana hoe karama ny azy ireo. Ny fandefasana mivantana amin’ny haino aman-jery ny ezaka tontosain’izy ireo dia fahita matetika raha any ivelany any. Indrindra rehefa misy olona nihontsahan’ny ranomandry any antendrombohitra any rehefa ririna na koa olona mpianika tendrombohitra (alpiniste) latsaka andavaka (alpiniste). Ho an’ireo firenena manana fitaovana hitaterana mivantana ny vaovao dia fahita izany. Ho antsika eto no somary manavao amin’izany fitantarana mivantana izany satria mbola lafo ny fitantarana mivantana amin’ny televiziona. Na koa mbola ny resaka hetsika politika no tena nahasarika olona raha ny fitantarana amin’ny onjam-peo (radio) sy sary (televiziona).

 

Ny irariana dia tsy ho fatifaty foana ry zareo ireo. Tsara raha araraotina (tsy sanatria manararao-paty akory) ny fahafantaran’ny olona marobe ny zava-nisy. Tokony hisy fepetra raisina izay iantsoana azy no tsy fantatra na ho dian’i Félicien Théo Rakotovao na ho lalàna Félicien Théo Rakotovao mahakasika ny fanamboarana trano eto Madagasikara. Ekena fa tsy mahazatra antsika ny fampitondrana anaran’olona  ny lalàna iray ny antsika dia laharana no ahafantarana lalàna iray, saingy kosa eto raha mitondra anaran’ity tovolahy nalaza taorian’ny nahafaty azy ity dia ho mora mitanisa izany lalàna izany. Mba tsy ho fatifaty foana izy ireo dia izay no lova lehibe iriana ho raisintsika avy amin’izy ireo.




Partager l'article:

Lakroa en direct
  • 22 Jan. 2019 - 14:46-

    Le staff du PRM Rajoelina. Rajoelina Andry Nirina, a tenu son premier conseil des ministres restreint, ce lundi 21 janvier 2019 au Palais d’État d’Iavoloha. Il a nommé ses proches collaborateurs. Ramonjavelo Manambahoaka Valéry Fitzgerald a été nommé Secrétaire général de la Présidence. Andriamaholy Onjaniaina Dina est nommé au poste Secrétaire Général Adjoint de la Présidence. Et, Delmotte Stéphanie a été nommée Directeur de Cabinet civil de la Présidence. On attend donc les autres membres entre autres le directeur de cabinet militaire,  le directeur administratif et financier…

  • 22 Jan. 2019 - 14:45-

    Reconduction du PM Christian Ntsay. Conformément aux dispositions de l’article 54 de la Constitution de la Quatrième République, les députés issus du groupe de partis majoritaires à l’Assemblée Nationale, en l’occurrence le MAPAR, ont proposé le nom de NTSAY Christian Louis au poste de Premier Ministre. Aussi, Son Excellence Monsieur le Président de la République, Rajoelina Andry Nirina, a pris le décret n°2019-016 portant nomination du Premier ministre, Chef du Gouvernement, Monsieur NTSAY Louis Christian.

  • 21 Jan. 2019 - 15:57-

    Gouverneur de région ? Dans son premier discours après la prestation de serment ce 19 janvier, le président Andry Rajoelina a utilisé le mot “gouverneur” de région. On lit dans la Constitution que “La fonction exécutive est exercée par un organe dirigé par le Chef de Région élu au suffrage universel. Le Chef de Région est le premier responsable de la stratégie et de la mise en œuvre de toutes les actions de développement économique et social de sa région. Il est le Chef de l’Administration de sa région.” Première entorse devant le gardien de la Constitution ?

  • 21 Jan. 2019 - 15:34-

    10 décès au moins. Les pluies torrentielles tombées sur Antananarivo dans la soirée du samedi 19 janvier ont perturbé la fin des festivités de la prestation de serment du Président Rajoelina (fête à Mahamasina, feux d’artifices annulées). Mais plus grave, elles ont provoqué un éboulement en plusieurs endroits et plusieurs maisons ont été démolies. Plusieurs personnes ont été ensevelies sous les décombres. Plusieurs personnes ont été sauvées mais on déplore une dizaine de victimes. On compte au moins 10 personnes décédées et on craint que le nombre ira en croissant.

  • 19 Jan. 2019 - 11:48-

    Hevi-dehibe notsoahina tamin'ny lahatenin'ny filoha Rajoelina. Ezaka lehibe no atao momba ny famokarana ny herinaratra. Politikan’ny kibo velaran-tany hovolena, tsy hanafatra vary intsony. Hitsinjo sy hanampy ireo tena marefo efa eny ambony sambo ny vary tena mora ho zaraina sy hamidy mora. Asa fa tsy kabary. Hanangana sy hanorina tanana vaovao isika ho modely aty amin’ny ranomasina Indiana izay atomboka amin’ity taona ity ihany. Ho mpandresy amin’ny lafiny rehetra ny Malagasy. Ampiray sy ampitambatra ny Malagasy aho. Tsy ny eto antananarivo ihany no hisitraka fa hapetraka ny fanamby fa hisitraka izany ny any amin’ny faritra. Apetraka ny governora hisolo ny lehiben’ny faritra. Izy ireo no hitarika ny asa goavana. Omentsika fitaovana manokana fanamboaran-dalana ny faritra rehetra. Ho lasa 23 ny faritra. Tsy ekeko ny gaboraraka. Tsy azo ekena ny fanaovana tolotrasa kanefa tsy  nisy asa notanterahina akory. Ady amin’ny kolikoly sy fitsarana marina tsy mitanila. Tsy ekeko ny fitsabahana amin’ny raharaha fitsarana.

    Tsy fandriampahalemana. Vahaolana koa ampitomboina ny isan’ny mpitandro filaminana. Ho vatsiana fitaovana mendrika manaraka ny toetrandro ny foloalindahy sy mpitandro filaminana. Handalo eto ny santionany amin’ny fitaovana tsy mataho-bala. Fankahalana fanaratsiana fisaraham-bazana hahilika izany.

  • 18 Jan. 2019 - 08:14-

    Passation à Iavoloha. Selon l’article 48 de la constitution “La passation officielle du pouvoir se fait entre le Président sortant et le Président nouvellement élu.” Il n’est nullement indiqué que c’est le président démissionnaire ou le président intérimaire. La passation se fera officiellemen ce vendredi 18 janvier. Selon la rumeur la passation se fera entre le président Rajaonarimampianina qui a démis de ses fonctions présidentielles en septembre 2018 et le président Rajoelina. Si cela se fera cela veut dire une passation des dossiers de janvier 2014 à septembre 2018. Qu’en sera-t-il des dossiers durant l’intérim ? Y aura-t-il une autre cérémonie de passation ce vendredi aussi ?


  • 09 Jan. 2019 - 08:42-

    Le FFKM présente ses vœux au Président de la République p.i. Les représentants du Conseil Chrétien des Eglises (FFKM), sont venus présenter les vœux de nouvel an au Président de la République p.i, Rivo Rakotovao, au palais d’Ambohitsorohitra, le 8 janvier 2019. Le Président en exercice de la FFKM a évoqué lors de la rencontre l’importance de la période que traverse le pays à l’heure actuelle, et n’a pas manqué de souligner l’union dans la prière pour la marche du pays ; il a aussi mis en relief la noble mission et les responsabilités qui incombent au Chef de l’Etat, Rivo Rakotovao, et invoqué la bénédiction divine à son endroit ainsi qu’à sa famille.

  • 07 Jan. 2019 - 14:16-

    Jours fériés de 2019. Mardi 1er Janvier, Vendredi 8 Mars : Journée de la Femme. Vendredi 29 Mars : Jour des martyrs 1947. 21 Avril : Pâques ; 22 Avril : Lundi de Pâques. Mercredi 1er Mai : Fête du travail. 30 Mai : Ascension. 4 Juin : L'Aïd el Fitr. 9 Juin : Pentecôte ; 10 Juin : Lundi de Pentecôte. 26 Juin : Fête de l'Indépendance. 11 Aout : L'Aïd el kebir ou Aïd-al-adha. 15 Août : Assomption. Vendredi 1er Novembre : Toussaint. 25 Décembre : Noël.

  • 05 Jan. 2019 - 09:59-

    Différents cas d’annulation d’une élection. Suivre les liens

    http://www.lakroa.mg/item-1607_articles_monde_18-la-cour-suprame-annule-laalection-prasidentielle.html


    http://www.lakroa.mg/item-1608_articles_monde_18-annulae-a-cause-daune-utilisation-abusive-de-facebook.html

  • 04 Jan. 2019 - 07:17-

    Résultats officiels le 8 janvier. La HCC, Haute Cour Constitutionnelle, dans un communiqué publié sur son site fait savoir la date de la proclamation officielle des résultats. La HCC procèdera à la proclamation officielle du second tour de l’élection présidentielle le mardi 8 janvier 2019 à 15 heures. La cérémonie aura lieu à la salle de proclamation du Palais d’Etat d’Ambohidahy. Pour la la HCC, s’applique de facto l’Article 61 de la Loi organique N°2018-009 relative à l’élection du Président de la République qui dit que la HCC procède à la proclamation officielle des résultats définitifs dans un délai de neuf (9) jours à partir de la date de publication des résultats provisoires par la CENI.

  • 02 Jan. 2019 - 12:49-

    Sainte et heureuse année 2019. Nous vous envoyons des étoiles de Paix, de solidarité, de Vérité et d’Amour pour qu’elles illuminent votre vie toute l’année 2019. toute l'équipe de www.lakroa.mg nous vous offrons comme menu au quotidien pour les 365 jours : "De belles coupes de sourire, Quelques éclats de rires, Une grande cuillerée de gentillesse, Quelques grains de tendresse, Une bonne pincée d’affection, Des poignées d’or et d’argent, Un maximum de réussite, Saupoudrer de gaïté, Faire mijoter avec douceur, Servir joyeusement."

  • 29 Dec. 2018 - 13:12-

    Délai des requêtes. En application du système de délai franc mis en œuvre lors du premier tour de l’élection présidentielle, le dernier jour de dépôt des requêtes tombant normalement un samedi (voir communiqué du 28 décembre 2018, in infra), la date limite de dépôt est reportée au premier jour ouvrable suivant, c’est-à-dire le lundi 31décembre 2018 à 16 heures. La proclamation officielle des résultats provisoires du second tour de l’élection présidentielle ayant eu lieu le jeudi 27 décembre 2018, la date limite de réception des requêtes auprès du greffe de la Haute Cour Constitutionnelle est fixée au samedi 29 décembre 2018 à minuit.

  • 29 Dec. 2018 - 13:02-

    Mamory vahoaka. Tsy manaiky ny voka-pifidianana navoakan’ny CENI ny mpomba ny kandida laharana faha 25, Marc Ravalomanana. Mamory vahoaka eo amin’ny “kianjan’ny 13 mai” izy ireo ny sabotsy 29 desambra. Milaza ny ampiseho ireo porofo mitarika azy ireo tsy hanaiky iny voka-pifidianana iny, porofo izay ho azy ireo milaza fa nisy hala-bato tany rehetra tany. Hala-bato amin’ny endrika isan-karazany ka nahatonga ny fandresen’ny kandida lahanara faha 13 Andry Nirina Rajoelina.

  • 29 Dec. 2018 - 13:01-

    Vokatra navoakan’ny CENI ny alakamisy 27 desambra. Tamin’ireo mpifidy miisa 9 913 599  voasoratra anarana ao anaty lisi-pifidianana, 4 767 697 (48, 09%) no tonga naneho ny safidiny. Ny isan’ny vato manankery tamin’izany dia nahatratra, 4 648 086, ny vato maty tamin’izany, 78 465 ary ny vato fotsy 41 146. Mitsinjara toy izao ny vato azon’ireo kandidà mpifanina tamin’izany fifidianana izany : ny an’ny kandidà laharana faha 13, RAJOELINA Andry Nirina, 2 587 035 manome isan-jato 55,66% ary ny an’ny kandidà laharana faha 25, RAVALOMANANA Marc, 2 061 051 manome ny salan’isa 44,34%.

  • 24 Dec. 2018 - 12:15-

    Joyeux Noël ...
    Lorsque décembre frappe à la porte
    Dame pluie arrose la terre qui se couvre de beauté…
    Plus Noël approche plus la douceur s’installe
    Les guirlandes illuminent nos sapins de noël,
    Et sur tous les visages, la joie et les sourires.
    Noël arrive, quel grand bonheur !
    A cette occasion, www.lakroa.mg vous dit : “Joyeux Noël”
    Merry Christmas dia samia ho lavitry ny kirizy mafy !

  • 20 Nov. 2018 - 07:46-

    Communiqué HCC. Suite à la publication officielle des résultats provisoires du premier tour de l’élection présidentielle par la CENI le samedi 17 novembre 2018, s’appliquent de facto les dispositions suivantes de la Loi organique N°2018-009 relative à l’élection du Président de la République :
    Article 61 :
    La Haute Cour Constitutionnelle procède à la proclamation officielle des résultats définitifs dans un délai de neuf (9) jours à partir de la date de publication des résultats provisoires par la Commission Electorale Nationale Indépendante.
    Article 66 alinéa 2 :
    Le délai de recours est fixé à deux (2) jours après la publication des résultats provisoires par la Commission Electorale Nationale Indépendante.
    En application du système de délai franc, la réception des requêtes sera clôturée le mardi 20 novembre 2018 à 24h.

  • 16 Nov. 2018 - 07:45-

    Voici les tendances publiées sur le site de la CENI ce 16 novembre 2018 à 6 heures et 58 minutes. C’est une tendance nationale, BV traités : 22 576 sur 24 852 soit : 90,84%. Inscrits : 8 906 101 sur 9 913 599 votants : 4 807 829 suffrages exprimés 4 453 212 soit 92,48%. Taux de participation : 53,98%.

    - RAJOELINA Andry Nirina : 1 763 347 soit 39,60%

    - RAVALOMANANA Marc : 1 535 795 soit 34,49%

    - RAJAONARIMAMPIANINA Hery : 390 356 soit 8,77%

    - MAILHOL André Christian Dieu Donné : 56 928 soit 1,28%

    - RANDRIAMAMPIONONA Joseph Martin : 53 629 soit 1,20%

    - RAFALIMANANA Ny Rado : 52 897 soit 1,19%

  • 16 Nov. 2018 - 07:45-

    Administrateur apostolique du diocèse de Mahajanga. Mgr Gustavo Bombin Espino, OSST, actuellement évêque du diocèse de Maintirano (dont il est le premier évêque) a été désigné comme Administrateur apostolique du diocèse de Mahajanga. L’annonce a été faite durant les obsèques de Mgr Roger Victor Solo Rakotondrajao le vendredi 9 novembre à Mahajanga. Pour mémoire, Mgr Gustavo Bombin Espino était évêque de Tsironomandidy entre février 2004 et février 2017 ‘érection du noouveau diocèse de Maintirano). Mgr Gustavo Bombin Espino est né le 24 septembre 1960 à San Llorente (Valadolid en Espagne).

  • 14 Nov. 2018 - 13:41-

    Voici les tendances publiées sur le site de la CENI ce 14 novembre 2018 à 13 heures et 6 minutes. C’est une tendance nationale, BV traités : 17504 sur 24 852 soit : 70,43%. Inscrits : 7 062 725 sur 9 913 599 votants : 3 827 816 suffrages exprimés 3 539 985 soit 92,48%. Taux de participation : 54.20%.

    - RAJOELINA Andry Nirina: 1396356 (39.45%)
    - RAVALOMANANA Marc: 1297579 (36.65%)
    - RAJAONARIMAMPIANINA Hery: 266857 (7.54%)
    - MAILHOL André Christian Dieu Donné: 46243 (1.31%)
    - RANDRIAMAMPIONONA Joseph Martin: 41091 (1.16%)
    - RAFALIMANANA Ny Rado: 39742 (1.12%)

  • 13 Nov. 2018 - 14:56-

    FMF out, comité de normalisation in. Le Bureau du Conseil de la FIFA a décidé, ce 12 novembre 2018, de désigner des comités de normalisation pour les Fédérations de Football de République dominicaine (FEDOFUTBOL) et Madagascar (FMF) conformément à l’art. 14, al. 1a et l’art. 8, al. 2 des Statuts de la FIFA. À Madagascar, la décision de nommer un comité de normalisation est liée à la procédure électorale de la FMF, qui n’a pas été effectuée conformément aux exigences réglementaires applicables aux membres de la FIFA. Le mandat du comité expirera au plus tard le 12 mai 2019. La participation des Barea à la CAN n'est pas concernée par la mise en place du comité de normalisation.

Du même auteur

monde
politique

Dans la même rubrique

chronique
chronique
Publicité