logo
Lakroan'i Madagasikara
Fanehoan-kevitra

Governemanta voalohany tarihan’i jeneraly Jean Ravelonarivo

R.Hajatiana Léonard il y a 5 années

Nivoaka ny anaran'ireo mandrafitra ny Goverinemanta vaovao izay goverinemanta faharao ao anatin'ny Repoblika fahefatra ary goverinementa voalohany tarihin'ny Praminisitra Jean Ravelonarivo.

Minisitra vehivavy enina no nahazo toerana, nisongadina tamin’izy ireo kosa ny fahitan’ny olona ny minisitry ny sôsialim-bahoaka Realy Onitiana.

Governemanta faharoa ato anatin’ny Repoblika fahefatra sahady ity najoro izay tarihan’i jeneraly Jean Ravelonarivo ity. Voalohany ho an’ity jeneraly vaovao, no sambany minisitra ary avy hatrany dia Praiminisitra.

 

Nihena kely ary nisy nahafanina

Nihena lasa telopolo ny isan’ireo minisitra raha toa ka roa amby telopolo izany teo aloha ka ny enina amin’izy ireo dia vehivavy. Roa amby roam-polo kosa no tafajanona saingy misy ny niova toerana fotsiny, izany hoe 18 nijanona teo amin’ny toerany ary efatra nifindra lasy. Valo no olom-baovao.

 

Samy nanana ny tao an-tsainy ny tsirairay nanoloana io rafitra vao napetraka eto amin’ny firenena io. Anisan’ny nahavalalàna ny daholobe ny nanendrena an’i Onitiana Realy ho minisitry ny mponina sy ny sôsialim-bahoaka. Tsy nanam-po velively ny besinimaro hoe, ho tonga olona ambony ilay mpanao “Invité du Zoma”n’ny TVPlus. Mpanao gazety manana ny lazany i Onitiana ary niezaka nivoy sy nitrandraka ny tontolon’ny mpanao politika, indrindra fa hatramin’ny krizy 2009. “Tetika nataony hahazoana seza ilay fandaharana invité de zoma tao amin’ny fahitalavitra anasainy an’ireo politikalahy”, hoy ny fanehoan-kevitr’ity rangahy iray ity raha nanontaniana mikasika an’i Realy Onitiana. Sarotra ny miantsoroka ny fampivoarana ny lafiny ara-tsôsialy, kanefa rehefa ao tokoa izay fitiavana ny mpiray tanindrazana izay, dia betsaka ny finiavana ary tsy hitarain-tana-miempaka ny fampandrosoana. Ny vahoakan’Antsirabe manokana, efa mangetaheta fiovana, tsikaritra tamin’ny valin-tenin’izay nanontaniana fa mitsipozipozy anaty fahantrana lalina ny ankabeazan’ny Malagasy ary mipàka any an-tsoso-koditra ny ngidiny. Efa irosoana izao ny fampihavanam-pirenena, tafatsangana ny paikady sy ny fifandaminana vaovao ka ny fandrosoana sisa andrasana ary andrandraina ho laharam-pamehana.

 

Hentitra ny fanamby

Mbola lavitra ny aleha, kanefa nasehon’i Praiminisitra Jean Ravelonarivo fa : “hiasa, hiasa ary hiasa hatrany”. Ho matotra ny asa hatao, ary samy vonona daholo na ny an-daniny na ny an-kilany, raha ny kabarin’Andriamatoa filohampirenena Hery Rajaonarimampianina teny Iavoloha. Nahatofoka ny vahoaka rahateo ny fiainam-pirenena goragora tao anatin’izay fotoanan’ny krizy lavareny izay, satria tsy tambo isaina ny zava-tsarotra nifamahofaho sy ny adilahy politika nanakorontan-tsaina. Handia sehatra goavana ireto mafana fo ireto amin’ny fanarenana ny fiainam-bahoaka, ka omena fitantanana sy andraikitra na ny lahy na ny vavy. Mila mifofotra ihany koa ny tsirairay fa tsy mitavana ny sasany sy miandry toloram-potsiny. Hiverina amin’ny laoniny sy hihavao i Gasikara raha mandray ny adidy aman’andraikitra tandrify azy ny olom-pirenena isan-tokony. Ny fanamby mahitsy, atao an-tsirapo no azo ilazana fa hampahomby ny asa harafitra sy ho tontosaina an-tsakany sy an-davany, fa tsy ho kobaka am-bava mampanantena poakaty ka hamoa-tsampona eo indray. Miainga avy any amin’ny Minisiteran’ny mponina sy ny fiahiana ara-tsôsialy ny dingana voalohany hatrehana amin’izany. Herintaona sy efatra andro katroka moa izao ny nandraisan’ny Filoha Rajaonarimampianina ny fanalahidy teny Mahamasina, fa mbola tsy voavaha tanatin’ny taona 2014 ny vavahady ahafahana miditra amin’ny fandrosoana. Toa tsy tazana teny ho eny ilay ambetin-teniny manindrahindra ny tombon-tsoa ambonin’ny vahoaka. Irina hampitraka an’i Madagasikara indray ny fanoloana ireo mpanatanteraka, governemanta entin’i Jean Ravelonarivo.



Partager l'article:

Lakroa en direct
  • 18 Jul. 2019 - 14:15-

    USA. Le cardinal DiNardo interpelle Donald Trump sur les droits des migrants. «Il est contraire aux valeurs américaines et chrétiennes de chercher à empêcher aux personnes d’émigrer ici quand elles fuient pour sauver leurs vies et pour trouver une sécurité pour leurs familles», déclare le cardinal DiNardo.

  • 18 Jul. 2019 - 11:27-

    Birao maharitra AN. Vita ny fifidianana ny mpikambana ireo mandrafitra ny Birao maharitry ny Antenimieram-pirenena. Toy izao izany : Filohan’ny Antenimierampirenena : Razanamahasoa Christine Harijaona, Ambatofinandrahana (IRD). Filoha Lefitra Antananarivo : Rasolonjatovo Honoré, Faratsiho (IRD). Filoha Lefitra Antsiranana : Rahelihanta Jocelyne, Antsiranana I (IRD). Filoha Lefitra Fianarantsoa : Razafitsiandraofa Jean Brunelle, Ikongo (IRD). Filoha Lefitra Mahajanga : Rahantanirina Lalao, Mahajanga I (IRD). Filoha Lefitra Toamasina : Michelle Bavy Angelica, Fenérive Est (IRD). Filoha Lefitra Toliara : Rabenirina Jean Jacques, Betioky Atsimo (IRD).
    Questeur 1 : Henri Jean Michel, Ambovombe (IRD). Questeur 2 : Rakotomanga Lantoarivola Sedera, Antananarivo II (IRD). Questeur 3 : Rabenirina Maminiaina Solondraibe, Ambohidratrimo (TIM).
    Mpampakateny : Angèle Solange, Amboasary Atsimo (Mahaleotena). Mpampakateny lefitra : Rafenomanantsoa Tsirimaharo Ny Aina, Antananarivo III (IRD).

  • 17 Jul. 2019 - 09:30-

    Mercato-Jeremy Morel. En fin de contrat avec l'OL, l’international malgache Jeremy Morel signe pour un an de contrat avec le Stade Rennais. « Je suis très enthousiaste et fier de rejoindre le Stade Rennais F.C. Je vais faire du mieux possible pour apporter mon expérience au club. J’avais plusieurs sollicitations mais sportivement je me voyais plus ici. J’espère avoir fait le bon choix. À moi de tout faire sur le terrain pour remercier le Président de sa confiance », a-t-il déclaré.  

  • 16 Jul. 2019 - 09:30-

    Désensablement. La piscine naturelle du Parc National Isalo est de nouveau ouverte à la baignade depuis le vendredi 12 juillet dernier. « La profondeur et la propreté de l’eau ont été testées par les agents de Madagascar National Parks afin de s’assurer que toutes les conditions requises pour la baignade durant la haute saison touristique 2019 soient au mieux », déclare Madagascar National Parks sur Facebook.

  • 15 Jul. 2019 - 14:30-

    Jeux des îles. A l’île Maurice, les sportifs venant des sept îles de l'océan Indien s'affronteront sur quatorze disciplines : athlétisme, badminton, le basketball, boxe, cyclisme, football, haltérophilie, judo, natation, tennis de table, voile, beach volley et volleyball. Pour cette édition, l’ouverture officielle se fera le 19 juillet et prendra fin le 28 juillet.

  • 15 Jul. 2019 - 13:00-

    FMF. Lova Ramisamanana ne pourra se présenter à la course pour être à la tête de la fédération malgache de football. Il l’évoque sur sa page Facebook ainsi, « j’ai le regret de vous annoncer que je ne pourrai pas me présenter à la présidence de la fédération malagasy de football, faute de n’avoir pu réunir les 3 cautions requises. Nous nous sommes battus jusqu’au bout mais nous n’avons pu faire face à certains obstacles. »

  • 15 Jul. 2019 - 08:30-

    CAN 2019. Suite à leur victoire respective contre la Tunisie et le Nigéria, le Sénégal et l’Algérie disputeront la finale de cette édition de la Coupe d’Afrique des Nations. Pour rappel, les Fennecs ont battu ces Lions de la teranga lors de la phase de poule sur le score de 1-0 avec le but de Youcef Belaili.

  • 11 Jul. 2019 - 06:30-

    Fandaminana. Handamina ny polisim-pirenena ho an’ny alakamisy alina araka ny resadresaka tamin’ny mpanao gazety nataon’ireo tompon’andraikitra ao amin’ny Polisim-pirenena. Nanome ireo toromarika manodidina ny filaminana mandritra ny fijerena baolina kitra amin’izao Can izao izy ireo. Maro ny polisy hiasa amin’io alin’ny alakamisy io raha ny nambaran’ireto tompon’andraikitra ao amin’ny polisim-pirenena ireto.

  • 09 Jul. 2019 - 13:30-

    Supporter les Barea. L’inscription est ouverte pour aller supporter les Barea en Egypte pour leur quart de finale contre la Tunisie. Les billets sont disponibles auprès de l’Air Madagascar à Analakely. Adressez-vous à la même agence pour plus d’infos.

  • 06 Jul. 2019 - 13:00-

    Pape François – Poutine. Le président russe Vladimir Poutine a rencontré le pape François au Vatican le 4 juillet pour une discussion privée de 55 minutes. Le pape François et Poutine ont discuté de questions d'actualité en Syrie, en Ukraine et au Venezuela, ainsi que de questions environnementales et de questions concernant l'Eglise catholique en Russie, selon le bureau de presse du Saint-Siège.

  • 05 Jul. 2019 - 11:00-

    CAN 2019. La CAF a rejeté les plaintes contre la RDC pour match truqué. Suite à l’insuffisance de preuve réelle, les accusations de corruption de la fédération zimbabwéenne de football vis-à-vis de leur gardien de but ont été rejeté. De ce fait, le match entre Madagascar et la RDC dans le cadre des huitièmes de finale aura bel et bien lieu dimanche prochain.

  • 05 Jul. 2019 - 08:30-

    Wi-fi gratuit. Le mercredi 10 juillet prochain, le wi-fi gratuit sera disponible à Antananarivo. Il sera possible de se connecter librement, sur quatre zones incontournables de la capitale comme au jardin Antaninarenina, à l’arrêt bus Ambohijatovo, au jardin Antanimena et au pont de Behoririka.

  • 04 Jul. 2019 - 10:30-

    Nicolas Dupuis. Selon Jeune Afrique, Nicolas Dupuis est 31ème dans le classement des entraîneurs les mieux payés en Afrique. Il perçoit 7000€ par mois, selon les chiffres publiés par le média. Le sélectionneur de l’Egypte, Javier Aguirre, est le coach le mieux rémunéré sur le continent avec un salaire mensuel de 108 000 euros.

  • 03 Jul. 2019 - 15:15-

    CAN 2019. Anicet Andrianantenaina et Carolus Andriamanitsinoro intègrent l’équipe type de la phase de poule de cette Coupe d’Afrique des Nations. Pour rappel, Anicet était l’homme du match pendant la rencontre face à la Guinée. Carolus l’était à son tour pendant le match contre le Nigéria.

  • 03 Jul. 2019 - 14:30-

    FIER-Mada. Tanterahana ny alarobia 7 hatramin’ny 11 aogositra ho avy izao ny FIER-Mada faha 21, ao amin’ny kianja Makis Andohatapenaka. Amin’izany dia hisy ny lao-bary an-dasy hiompana amin’ny « fandrosoana maharitra : tetik’asam-panjakana vatsiana vola amin’ny voajanahary sy ifampierana amin’ny tantsaha eny ifotony ».

  • 03 Jul. 2019 - 13:15-

    Energie solaire. La nouvelle technologie solaire pourrait produire de l'eau potable propre pour des millions de personnes dans le besoin. Des appareils appelés alambics solaires utilisent le soleil pour évaporer l'eau salée et condenser la vapeur en eau potable saine. Les chercheurs ont mis au point un nouveau système accélérant le processus d'évaporation, permettant ainsi à un petit alambic solaire de fournir toute l'eau potable dont une famille a besoin.

  • 03 Jul. 2019 - 08:30-

    Fampandrenesana. Tapaka ny lalana : -Lalana Dr Rajaonah- Pharmacie Ankadifotsy- EKAR Antanimena- ESCA ny saboty 6 jolay 2019. Voarara ho an’ny fifamoivoizan’ny  fiara rehetra tsy an-kanavaka ny ampahany amin’ireo lalana ireo. Izany dia noho ny fankalazana ny faha-50 taonan’ny Sekoly Les Lutins Ankadifotsy, araky ny fampandrenesana.

  • 02 Jul. 2019 - 08:00-

    Supporter les Barea. Une offre exceptionnelle est disponible pour les 8è de finale de cette CAN. Elle est à 2.200.000 ar ( Billet d avion A/R +Hebergement+Transfert hôtel-stade+ Billet d entrée stade ) 298.000 ar ( Visa de séjour ) 198.000 ( Passeport ) soit 2.688.000 AR Départ d Ivato samedi 06 juillet - retour Ivato Lundi 08 juillet Appareil A 380 . Plus d infos contacter Air MADAGASCAR

  • 01 Jul. 2019 - 10:30-

    USA-Corée du Nord. Le président Donald Trump et le président nord-coréen Kim Jong Un se sont rencontrés dimanche dans la zone démilitarisée (entre la Corée du Nord et du Sud) fortement fortifiée et ont convenu de relancer les pourparlers sur le programme nucléaire de Pyongyang. Trump, faisant pression pour obtenir un accord définissant un héritage, est devenu le premier dirigeant américain assis à entrer en Corée du Nord.

  • 01 Jul. 2019 - 08:00-

    Barea. Suite à son deuxième carton jaune lors de cette phase de poule, Marco Ilaimaharitra ne pourra pas jouer lors des huitièmes de finale. Pour rappel, il a reçu son premier avertissement contre le Syli national. Cliquez sur le lien pour lire l’article : https://www.lakroa.mg/item-1755_articles_sport_18-les-barea-saenvolent-vers-un-huitiame-de-finale-historique.html

Du même auteur

monde
politique

Dans la même rubrique

chronique
chronique
Publicité