logo
Lakroan'i Madagasikara
Tafatafan’i Talata

“Inona no laokan’ielahy ?” “Aombe”

Ratalata Jean Ba. il y a 2 années

Ny fampiatoana ny labatoara no nataon'ny Ministra Ramparany raha nandray ny fitantanana ny Ministrean'ny fiompiana ny tenany. Ady eo aminy sy ny teo alohany ve? Sa tena fiarovana ny omby?

Notrongisin’ny Minisitry Ramparany Anthelme ny labatoara roa an’ireo Sinoa. Izay no kisary tonga ao antsaina manoloana ny fanapahana noraisin’ity nandimby toerana an’i Joseph Martin Randriamampionona na i Dadafara eo amin’ny fitantanana ny Minisiteran’ny Fiompiana.

 

Io kisary io no tonga an-tsaina ary heverina fa mifanaraka rahateo amin’ny toetran’ity minisitra ity izany. Tsaroana etoana ny hafatry napetrany ho an’ny nandimby azy eo amin’ny Ministeran’ny tontolo iainana. “Vangoy” hoy Ramparany nametraka hafatra ho an’ny mpandimby toerana azy ary mbola nampiany hoe “atao ady farimbona raha ilaina izany”.

 

Io kisary fitrongisana io no tonga an-tsaina manoloana ny fahafantarana fa ny fampiatoana ireo labatoara roa an’ireo sinoa no fanapahana voalohany noraisin’Ingahy Minisitra. Labatoara any Toliara ny iray ary ao Vontovorona ny iray hafa. Marihina kosa fa fampiatoana ny asana mandritra ny 60 andro raha be indrindra fa tsy fanakatonana tanteraka akory no fanapahana noraisiny.

Manoloana an’ity fampiatoana ity dia hevitra maromaro no mifamahofaho ao an-tsaina. Ny iray amin’ireny hevitra ireny dia ny hoe ity valifaty ve izao fanapahana noraisina izao ? Valifaty satria nahery ny teny fanaovam-beloma napetrak’i Dadafara nandritra ny fifamindram-pahefana. “Tsy misy ny ministra hahavita tsara noho izay vitako teto” hoy tokoa i Dadafara tamin’io famindram-pahefana io. Tsapa amin’izany tokoa ny alahelon’i Dadafara sy tafaverina amin’ny toerany. “Sady alahelon-kanina no alahelon-tseza izany” hoy ny mpanatsafa. Ao koa anefa no mahita fa voatsindrona ny hambom-pon’ny mpandimby toerana taorian’izany fitenenana imaso somary henjana izany. Izay no nahatonga ny fanapahana voalohany ka lasa famonoana izay dian-tanan’i Dadafara no laharam-pahamehana araka ny fijerin’ny mpitazana. Fa angaha tsy ao anatin’ny dosie niampita ny momba ireo labatoara ireo ? Angaha tsy mpiasan’ny Minisitera no nanao ny asa ? Mahagaga ihany koa satria olona niaraka nandray fanapahana teo anivon’ny filankevitry ny goverinemanta ry zareo satria samy minisitra tao anatin’ny goverinemanta iray izy ireo tamin’ny fotoan’androny.

 

Endrika ivelany amina trangan-javatra iray izany. Ny tsara marihina dia mahakasika aim-pirenena raha vao resaka omby. Tsy misy raharaham-pianakaviana tontosa raha tsisy aombe raha any Atsimo manokana no raisina. Na lanonana an-kasoavana izany na adidy an-karatsiana. Ny omby no ampiasaina rehefa misy famitram-pihavanana tontosaina. Manoloana izany toerana nomena ny omby izany eo amin’ny fiaraha-monina dia rariny raha sarom-piaro amin’ny fikajiana ny omby ny Minisitra. Fantatra tokoa fa ny Sinoa dia mety kely maso no anaram-petaka fiantsoana azy fa be fandroaka ry zareo rehefa miasa. Tsaroana manokana amin’izany ny ozinina iray fandrendrehana vy teny Ambohimanambola. Nila vy aman-taonina ry zareo Sinoa nanangana ilay ozinina ka nampirongatra ny halatra vy teny anivon’ny fiaraha-monina izany. Voatery nakatona izany ozinina izany satria nampidi-doza. Aiza ka ny arofanina amin’ny tetezana ary indraindray aza ny tetezana mihitsy no nisy nangalatra… ! Dia raha tsy mitandrina isika dia ho ringana ny omby raha hiverenana ity resaka labatoara ity. Tsena ho an’ny Siona amin’ny mponina lavitrisa anie no vatsiana e…

Ny tsara marihina dia tsy mitsaha-miakatra ny vidin’ny kilaon’ny hen’omby eny amin’ny tsena. Tsy fantatra mazava ny mahatonga izany sy ny mety ho dikany. Mitory ve izany fa mihena ny isan’ny omby eto Madagasikara ? Sa manararaotra ny mpivarotra hen’omby satria toa zary mitombo isa ireo tsy mihinan-kisoa (mpiangona amina sekta…). Izany hoe ny mpihinana mitombo fa ny tolotra tsy mihetsika na mihena mihitsy aza.

 

Marihina koa fa ny fiarahana amin’ny Sinoa dia safidy manahirana. Io izao ny tranga farany dia ny nahitan’ny Minisitra Maharante Jean de Dieu ozinina tantanan’ny Sinoa ka henjana ny fitondrany ny mpiasa ao. Toa gadralava sy fanandevozana no hita ao. Tahaka izany tokoa ny fitondrany ny mpiasa any aminy fa tsy eto Madagasikara irery. Tahaka izany koa ny ataon’ireo Siona ireo any amin’ireny Chinatown ireny na any Parisy na any an-kafa. Indrindra rehefa goragora ny mpitondra na minia mikimpy mihitsy. Resaka mivoana amin’ity resaka aombe ity izany. Resaka tsara tohizana kosa anefa.

 

Ndeha hiverenana kely ny resaka aombe. Tsy vao izao akory no mahabe resaka ity omby ity. Nisy fotoana ny fisian’ny dahalo tahaka an-dry Remenabila no nampalaza ny resaka omby. Voalaza tamin’izany fotoana izany fa misy manondrana velona any ivelany ny omby. Isan’ny tena mampimenomenona ny mpandraharaha sasany izany satria rehefa haondrana velona any ivelany dia lasan’ny olona manontolo izay harena mety ho azo amin’ny omby : tandroka fanaovana ranomena na akora ho an’ny mpiasatanana, ny hoditra sy ny sisa… Sahirana mihitsy ny Randriamandranto momba ity resaka omby ity. Nanome lalana izy mba ho azo haondrana ny omby. Niaka-pofona ny olona.

 

Raha izao famonoana omby amin’ireo labatoara natsangan’ireo sinoa ireo dia ho ringana vetivety ny omby eto ka zary fahatsiarovana sisa ny hira : Inona ny laokan’ielahy ary valiana hoe aombe. Hira fanaon’ireo zazavao entina manao hazakazaka manerana ny tanana mba ho hitan’ny olona. Tsiahy sisa ny famonoana omby rehefa famitram-pihavanana na ny resaka tolon'omby. Mifohaza ianao ry mpiompy.

Partager l'article:

Lakroa en direct
  • 20 Apr. 2017 - 07:21-

    Carte d’électeur biométrique. Teknet Group organise une porte ouverte sur l’utilisation des imprimantes à cartes et des solutions complètes pour l’identification et la personnalisation de badges et cartes plastiques tant à une petite société qu’à des grosses sociétés avec plusieurs milliers d’employés mais aussi pour les écoles. Selon Johanne Raharinosy, DG de la société, cette technologie a été utilisée en Tanzanie pour les cartes d’électeurs des 23 millions d’inscrits avec la société partenaire. Un exemple de dimension importante qui montre l’utilisation de cette technologie au-delà des utilisations dans la vie courante.

  • 20 Apr. 2017 - 07:17-

    Fivoriana ara-potoana voalohany ho an’ny Filankevitra monisipaly an’ny kaominina Antananarivo renivohitra. Nisokatra ny 19 avrily 2017 ny fivoriana ara-potoana Filankevitra monisipaly an’ny kaominina Antananarivo renivohitra. Haharitra folo andro izany ary hifarana ny 28 avrily izao. Faustin Andriambahoaka filohan’ny Filankevitra monisipaly sy ny birao miaraka aminy no nanokatra ny fotoana. Nanatrika ny fanokafana ofisialy ny Ben’ny tanana Lalao Ravalomanana sy ny mpiara-miasa akaiky aminy. Nirary soa ho an’ny mpanolotsaina rehetra ny ben’ny tanàna. "Ny mahasoa ny mponina aloha no mila banjinina fa avela ny adilahy, ny fampandrosoana ny Renivohitra no tokony himasoana" hoy ny Ben'ny tanana.


  • 19 Apr. 2017 - 12:49-

    Evolis à la conquête du marché malagasy. La société Evolis spécialisée dans la fabrication des cartes organise trois jours pour découvrir ses produits à l’hôtel Colbert. Selon le représentant de la société partenaire de Evolis des solutions complètes pour l’identification et la personnalisation de badges et cartes plastiques sont proposées tant à une petite société qu’à des grosses sociétés avec plusieurs milliers d’employés mais aussi pour les écoles. L’impression va du simple badge à des badges sécurisés. Evolis a ainsi imprimé les cartes d’électeurs en Tanzanie. La Commission électorale nationale (NEC) en Tanzanie a décidé de mettre en place un système d’enregistrement biométrique décentralisé, couplé avec l’émission instantanée d’une carte d’électeur dans un format carte plastique.

  • 19 Apr. 2017 - 12:44-

    Le président de l'Asoimi a fait faux bond. Le président Abel Randriamiarinarivo a fait faux bond. Il est le président élu pour l'Asoimi lors de la première élection effectuée en début du mois de mars. Il avait prévu de faire une déclaration à la presse ce 19 avril. Les membres de l’Asoimi était bien au rendez-vous donné ce matin du 19 avril mais le président Abel Randriamiarinarivo s’est excusé. Aux dernières nouvelles des tractations se déroulent en haut lieu pour résoudre le problème de l’existence de ces deux associations pour encourager les fonctionnaires à faire du sport. On attend donc les révélations de l’un des deux responsables de ces deux associations.

  • 18 Apr. 2017 - 14:33-

    Asoimi a régularisé sa situation. Pour mémoire, le président sortant Abel Randriamiarinarivo a recueilli 63 voix sur les 171 votants contre 4 voix pour Oliva Randimbiarison lors de l’élection organisée par le comité électoral au début du mois de mars 2017. On sait que le président Abel Randriamiarinarivo a effectué la régularisation du renouvellement des membres du bureau de l’Asoimi et le changement du siège de l’association. Cette régularisation a été effectuée le 23 mars 2017 auprès du Ministère de l’Intérieur et de la décentralisation soit au lendemain de la deuxième élection pour élire le président de l’Asoimi. Une façon pour Abel Randriamiarinarivo de refuser les résultats de la deuxième élection. Il apportera des précisions ce 19 avril.

  • 17 Apr. 2017 - 08:57-

    Judo malgache. Malgré des mois de préparation à l'ANS Ampefiloha, nos judoka n'ont obtenu aucune médaille en combat individuel ni en équipe. Mais au moins les malgaches sont à la treizième place avec 4 judoka à la 5ème place et 5 autres à la 7ème position. Heureusement, ce n'était pas le cas en kata. Rabemasoandro Tarimy et Ratovona Rija ont obtenu la médaille d'or en nage-no-kata. On a aussi eu l'argent en katame-no-kata et en nage-no-kata. Ce sont les frères Trabelsi du Tunisie qui gagnent la médaille d'Or. Mais dommage, le soleil n'a pas brillé en kime-no-kata.

  • 17 Apr. 2017 - 08:50-

    African championships 2017. Pour la 38ème édtion du championnat d'Afrique de judo sénior (14, 15, 16 avril 2017), l'Algérie termine au premier rang. Tant en équipe qu'en individuel, ce pays domine. En compétition par équipe, ce pays est double médaillé d'or (homme et femme). Et avec 18 médailles dont 7 en or, 5 en argent et 6 en bronze, les autres pays sont loin derrière. Il est suivi par la Tunisie et l'Egypte se trouve sur podium. La représentante du Guinea-Bissau, CESAR Taciana, gagne pour la cinquième fois l'or au championnat d'Afrique.

  • 17 Apr. 2017 - 07:46-

    Joyeuses Pâques. Toute l'équipe de www.lakroa.mg vous souhaite Joyeuses Pâques. A la suite du Pape François nous vous disons : portez à tous la joie et l 'espérance du Christ ressuscité que vous avez reçu  en ce jour de Pâques. 

  • 13 Apr. 2017 - 08:59-

    Fanambarana sy fanamelohana. Ny Vaomieran’ny  « Justice et Paix » eto amin’ny Diosezy Antsirabe, amin’ny anaran’ny Fivondronamben’ny Eveka , ny “Justice et Paix” Nasionaly, ny Fivondronam-ben’ny Pretra, ny Relijiozy, ny tsara sitrapo rehetra…dia namoaka fanambaràna mitondra ny lohateny “Aza ny lohasaha mangina no jerena fa Andriamanitra an-tampon’ny loha. Hita ao anatin’izany fanambarana ny fanamelohana TANTERAKA TSY MISY FEPETRA ny fihetsika sy ny  herisetra amin’ny famonoana eritreritra nataon’ireto tsy mendrika ny maha-olona azy ireto. Miara-manao sonia izany fanambarana izany ny Ny Evekan’ny Diosezy Mgr Philippe Ranaivomanana, Ny Eveka, Filohan’ny “JeP” Nasionaly, Ny pretra Aumonier “JeP” Diosezy Père Sata Jean Noel Andrianasolo.

  • 10 Apr. 2017 - 07:26-

    Victoire de l'ASCB. L'Association Sportive et Culturelle de Boeny (ASCB) remporte la 3ème édition de la "Coupe du Président". Une victoire logique pendant la finale, le samedi 8 avril au Palais des sports Mahamasina. Elle a dominé le SBBC tout le long du match. Le score était de 80 - 71 en faveur de l'ASCB. Livio Rocheteau a été sacré homme du match et en même temps meilleur marqueur de ce tournoi. Cette finale sort de l'ordinaire car ces deux équipes représentent la région Boeny.

  • 10 Apr. 2017 - 07:03-

    Cnaps arrache le match nul. Le 8 avril 2017, le Cnaps Sport est tenu en échec 1 - 1 par le CRD Libolo de l'Angola au complexe de Vontovorona Antananarivo. Le match aller des seizièmes de finale du tour de cadrage. Malgré la domination des locaux, les Angolais ouvrent le score à la 67ème minute' par Julsy Boukama Kaya. Avec quelques occasions de but, les Malagasy ne trouvent le chemin du but qu'aux temps additionnels (90'+) par Njiva. Le Cnaps Sport devra se surpasser au match retour qui se jouera dans une samaine.

  • 08 Apr. 2017 - 11:32- Salon du chocolat et de la gourmandise. Le salon organisé par par le WMG se tient ce jour 8 avril 2017au Carlton. Cet événement constitue une levée de fonds pour que l'association Wednesday Morning Group puisse effectuer ses activités humanitaires. Les plus démunis dans le quartier d'Ankorondrano seront les bènificiaires de cette levée de fonds.
  • 08 Apr. 2017 - 07:41-

    Cnaps vs Clube Recreativo Desportivo Libolo. La rencontre entre la Cnaps sport et la Clube Recreativo Desportivo Libolo aura lieu ce samedi 8 avril 2017. Le match débutera à 14h30. Une des hantises des spectateurs est l’organisation du retour après match. L’après premier match international sur le stade de Vontovorona a laissé des séquelles. Les organsateurs au niveau de la Cnaps ont assuré que tout est mis en place pour que ce retour se fasse dans les bonnes conditions. La police nationale assure la sécurité au sein du stade. La gendarmerie s’occupe de la circulation sur les routes. Les transporteurs (Kofiamo et Transmar) mettront à la disposition des supporteurs le maximum de taksive (minimum 120 voitures).

  • 08 Apr. 2017 - 07:35-

    Organisation de la rencontre. Les organisateurs au niveau de la Cnaps du match entre la Cnaps sport et la Clube Recreativo Desportivo Libolo qui aura lieu ce samedi 8 avril 2017 assurent mettre le paquet pour que la journée sa passe dans les meilleurs conditions pour les spectateurs. Le stade est ouvert à partir de 9 heures. Le nombre des guichets pour l’achat des billets d’entrée a été augmenté. Les frais des taksibe Anosy-Vontovorona (stade) sont fixés à 1000 ariary pour l’aller et 1000 ariary pour le retour. Les taksibe reliant le stade seront reconnaissables avec les autocollants apposés sur les voitures.

  • 04 Apr. 2017 - 08:30-

    FET. Nivory teto Moramanga ireo mpanabe rehetra manerana an’ny diosezy eto Madagasikara ny ao anatin’ny fikambanana masina FET ny 31 marsa ka hatramin'ny 2 aprily 2017. Nahatratra 120 izy ireo no tonga ary tao amin’ny Centre Notre Dame de Mont Carmel Ambarilava no nanaovana izany. Niompana tamin’ny fanomanana ny fankalazana ny faha-100 taona’ny FET ny dinika satria ny volana Novambra 1919 no nahatongavany teto Madagasikara tamin’ny alalan’I Mompera Joseph de Villèle. Nozarain’izy ireo telo ny taona mifanaraka izay nomena lohahevitra hoe: ny 2017 dia taonan’ny vavaka, 2018 taonan’ny tenin’Andriamanitra ary ny 2019 dia taonan’ny Eokaristia.

  • 04 Apr. 2017 - 08:28-

    Violences. Le début de cette semaine menant vers le dimanche des Rameaux a été le théâtre de plusieurs scènes de violence terrible. Une communauté des Sœurs, sise à Antsirabe II, a été victime d’un cambriolage suivie d’actes de viol. A Andapa une vidéo circulant sur les réseaux sociaux a montré une scène d’horreur un frère gesticulant avec une machette a tué son frère incendiaire. Une autre vidéo montre un professeur maltraitant une élève de classe terminale la scène se passant au sein d’une école et filmée par un passant. A Mahamasina une personne soupçonnée de malversation a été arrêtée devant les spectateurs d’un match de basket-ball (Coupe du Président de la République).

  • 03 Apr. 2017 - 07:31-

    Judo. Le quatrième et dernier regroupement de l’équipe nationale a pris fin le 31 mars. Il a commencé le 21 mars dernier et mènera les compétiteurs sélectionnés jusqu’au 38è championnat d’Afrique de judo qui se déroulera du 14 au 16 avril à Antananarivo. La Fédération Malagasy de Judo a accordé un soin particulier à la préparation de nos athlètes en leur donnant quotidiennement de la vitamine, du calcium et du magnésium .De même, la direction technique nationale n’est pas en reste en dispensant la formation technique nécessaire à ces judokas dont certains y seront à leur première compétition internationale.

  • 03 Apr. 2017 - 07:31-

    Affaire bois de rose de Singapour. Une bataille importante de gagnée pour Madagasikara. Ce jeudi 30 mars, la Haute Cour de Singapour a déclaré la société importatrice de bois de rose et son propriétaire coupables d'avoir importé illégalement près de 30 000 rondins de bois de rose en provenance de Madagascar dont la valeur est estimée à 50 millions de $ USD . Selon le communiqué émanant de la Présidence l’Etat malagasy est disposé à travailler avec les autorités singapouriennes pour décider de la disposition légale et transparente de ce stock de bois de rose. La partie malagasy quant à elle a déjà engagé une action civile contre l'importateur devant le tribunal singapourien.

  • 31 Mar. 2017 - 13:38-

    POESAM Madagascar. Les candidatures à la 7ème édition du Prix Orange de l’Entrepreneur Social en Afrique et au Moyen-Orient (POESAM) restent ouvertes jusqu’au 6 juin 2017, dans la rubrique « Prix Orange de l’Entrepreneur Social » du site http://entrepreneurclub.orange.com/fr/entrepreneur-social-2017.html. Le POESAM s’adresse à tout étudiant, salarié ou entrepreneur de plus de 21 ans, dont l’initiative a moins de trois ans d’âge et concerne 17 pays Madagazsikara y compris. En 2016, le projet de start-up malgache Nanoé  s’est vu décerné le 2ème Prix. Les participants malgaches ont également été récompensés par Orange Madagascar.

  • 31 Mar. 2017 - 08:02-

    Structure Nationale d’Orientation de la Lutte contre le Terrorisme. Outre les comunications verbales et adoption de textes règlementaires, le Conseil des Ministres du Jeudi 30 mars 2017 à 16 heures au Palais d’Etat d’Iavoloha a nommé par décret Monsieur Ramilison Serge comme Secrétaire Exécutif de la Structure Nationale d’Orientation de la Lutte contre le Terrorisme ou SNOLT.

Du même auteur

monde
politique

Dans la même rubrique

chronique
chronique
Publicité