logo
Lakroan'i Madagasikara
Sekoly ambony anaty fiaraha-monina

Fikojakojana ny tontolo iainana nataon’ny ESSVA

R.Hajatiana Léonard il y a 3 années

Natokan’ny ESSVA ho andro maitso ny 6 febroary lsa teo. Natao ho fanomanana ny fankalazana ny faha 15 taonany ihany koa izany.

Fikojakojana ny tontolo iainana nataon’ny ESSVA

Efa fomba fanaon’ny sekoly ambony ESSVA na “Ecole Supérieure Spécialisée du Vakinankaratra” isan-taona ny manokana andro ho fikolokoloina ny tontolo iainana toy ny omaly zoma 6 febroary 2015. Andro maitso no hiantsoany ity andro ity. Fanadiovana ataon’ireo mpianatra, maharitra adin’ny roa sy sasany eo ho eo izay tarihan’ny talen’ny fampianarana. Ao anatin’ny faritry ny sekoly ihany no nanaovana izany fanadiovana ka samy nozaraina andraikitra avy ireo mpiofana. “Manadio ny efitrano fianarana, misoroka ahitra ary manamboatra ny zaridaina” no asa nifampizarana. Fanofanana sahady ny mpianatra tsy hiraviravin-tanana amin’ny fandraisana ny anjara asa tandrify azy avy. Marihana manokana fa indray mandeha monja ao anatin’ny taom-pianarana iray ity fikajiana ny tontolo iainana ataon’ny ESSVA ity. Ankoatra izay, dia efa nisy ny fiarahan’ny sekoly tamin’ny Antilin’ny Madagasikara, ny Akany Risika, ny hotely Diantana ary ny distrikan’ny Lavatehezana namboly hazo teny Antsahatanteraka. Ny sampan’asan’ny diosezin’Antsirabe no nikarakara izany fambolen-kazo izany. Araka ny mahazatra hatrany, rehefa vita ny asa, dia misy ny fiarahana miala hetaheta eo an-tokotanin’ny sekoly, mba ho fankasitrahana ireo rehetra nanatanteraka an-tsakany sy an-davany ny fanatsarana ny tontolo iainana. « Tsy hanin-kahavoky fa voninahitra hifanomezana » hoy i Jean Paul Ranaivoson tompon’andraikitra mpitarika. Fa nampitaraina ny mpianatra sy ny olona izay mandeha an-tongotra kosa ny fotaka mandrevo sy malama amin’ireo lalana manodidina ny ESSVA. Anisan’ny tontolo iainana ihany koa ny lalana, ka tsy nampiandry ela ny evekan’Antsirabe Philippe Ranaivomanana fa nitafa tamin’ireo depioten’Antsirabe voalohany sy faharoa tamin’ny Asabotsy 31 janoary 2015 lasa teo nandritra ny fety fifampiarahabana tratry ny taonan’ny mpampianatra. Nampanantena ireto solombavam-bahoaka roa lahy fa hanao rarivato ireo lalan-dratsy ireo mialohan’ny 11 avrily, andro hankalazain’ny ESSVA eo Miaramasoandro ny faha dimy ambin’ny folon-taonany.


Hankalaza tsingerin-taona

Fety roa sosona no hankalazaina amin’ity satria fiaraha-mifaly miaraka amin’ny mpitantana vaovao ho an’ny taom-pianarana 2015 sy ny tsingerin-taonan’ny sekoly. Efa mizotra araka izany ny fifaninanan-kira sy ny dihy amin’izao fotoana izao ka fizarana loka sisa ny amin’ny 11 avrily. Ny baolina kitra sy ny basikety kosa, efa an-dalam-pifanintsanana ireo ekipa isan-tsokajiny. Nohavahana roa mazava tsara teto ny hetsika atao ka ny ara-kolon-tsaina sy ny ara-panatanjahan-tena izany. Anarivony ny olona eritreretina ho tonga amin’io andro manan-danja io : ny manam-pahefana eto an-toerana, ny mpiara-miasa akaiky amin’ny sekoly avy any ivelany, ireo mpanohana, ireo mpianatra tranainy sy ireo ray aman-drenin’ny mpianatra. Malalaka ny toerana ka afaka mampiantrano olona maro dia maro ary misy ihany koa ny fijanonan’ny fiara. Tsy diso anjara amin’izany ireo oniversite tsy an-kanavaka eto Antsirabe fa nasaina hanotrona ny fety ary hifampizara ny mahasoa sy ny mahafinaritra hatrany ka tafiditra ao koa ny sekolin’ireo miaramila manam-boninahitra. Tanjona tiana tratrarina amin’izany ny fisokafan’ny ESSVA bebe kokoa amin’ny oniversite hafa sy ireo orinasa lehibe eto Madagasikara. Amin’io andro io indrindra no hanararaotan’ny mpianatra isaky ny sampam-piofanana mampiranty ny mampiavaka azy ; ohatra ny mpiofana ao amin’ny sampana serasera haneho ireo sanganasan’izy ireo, toy ny horonan-tsary mirakitra ny tantaran’ny sekoly. Fiarahan’ny rehetra mitotorebika satria manan-karena karazan’olona tokoa raha ity sekoly ity, hita ao avokoa ny mponin’ny faritra roa amby roam-polo eto Madagasikara. Antenaina fa ahafinaritra ny lanonana amin’io daty io, izay higadona tsy ho ela intsony fa afaka roa volana monja ary tsy hitsanga-menatra sy tsy ho mena mitahy amin’ny hafa ny sekoly.

Partager l'article:

Lakroa en direct
  • 17 Nov. 2017 - 08:33-

    Préparation conférence interministérielle de l’Omc. Le Ministère du Commerce avec l’appui de l’Union Européenne, organise les 16 et 17 novembre 2017, un atelier qui s’inscrit dans la continuité de la 6ème réunion du Comité APEI-UE/AFOA du début d’octobre. Il se définit aussi comme une réunion préparatoire à la 11ème Conférence interministérielle de l’OMC du 11 au 14 décembre 2017 à Buenos Aires. Le Ministère du commerce a toujours prôné l’approche inclusive dans le cadre des négociations et de la mise en œuvre des accords commerciaux internationaux auxquels Madagasikara a adhéré.

  • 17 Nov. 2017 - 06:57-

    Avant-projet sur les élections. Trois Avant-projets de Loi ont fait l’objet de débats, en profondeur lors du Conseil du Gouvernement du mercredi 15 Novembre 2017. A savoir : Avant-projet de Loi organique relative au régime général des élections et des referendums ; Avant-projet de Loi organique relative à l’élection du Président de la République ; et Avant-projet de Loi organique relative à l’élection des Députés de l’Assemblée Nationale. Ces trois Avant-projets de Loi organique seront soumis au prochain Conseil des Ministres pour débats et adoption.

  • 13 Nov. 2017 - 08:46-

    Publications du 7 nov. Culture :http://www.lakroa.mg/item-1218_articles_culture_18-message-et-marche-vers-une-journae-mondiale.html

  • 13 Nov. 2017 - 08:45-

    La triplette femme en argent. La triplette malagasy engagée dans le championnat du monde féminin de pétanque, en Chine, est arrivée en finale. Elle a été battue par la triplette de la France sur le score de 13 à 6. Elle a écarté l’équipe italienne  en demi-finale (13-4) et éliminé celle de Thaïlande en 1/4 sur le score étriqué de de 13-12 et la Chine en 1/8 (13-7). La triplette est passée par le repêchage et a battu l’équipe du Canada (13-6).

  • 07 Nov. 2017 - 12:38-

    Publications du 7 nov. Culture : http://www.lakroa.mg/item-1215_articles_culture_18-7-novambra-andron-ny-mpanoratra-afrikanina.html Social: http://www.lakroa.mg/item-1213_articles_societe_18-formation-des-agents-ecd-a-toliara.html

  • 02 Nov. 2017 - 08:28-

    Chamboulement à la tête du Sénat. En fin de matinée du mardi 31 octobre, Honoré Rakotomanana se démet de ses fonctions de président du Sénat. Immédiatement après l’annonce, une élection a été organisée pour élire son successeur. Rivo Rakotovao, nouveau sénateur, président du parti Hvm est le candidat unique. Il a été élu avec 52 voix sur les 55 électeurs (63 inscrits) et 2 votes blanc et 1 nul. Le sénateur Velontsara Paul Bert a été le seul sénateur a dénoncé cette élection fait à la va-vite. Une élection qui n’a pas été inscrite à l’ordre du jour.

  • 02 Nov. 2017 - 08:28-

    2 novembre : Journée internationale de la fin de l’impunité pour les crimes commis contre des journalistes. http://www.journee-mondiale.com/412/journee-internationale-de-la-fin-de-l-impunite-pour-les-crimes-commis-contre-des-journalistes.htm

  • 02 Nov. 2017 - 08:19-

    Publication récente. Politique : Adoubement de la manipulation des urnes http://www.lakroa.mg/item-1208_articles_politique_18-adoubement-de-la-manipulation-des-urnes.html

  • 31 Oct. 2017 - 09:58-

    Nécrologie. Deux personnalités publiques et connues ont disparu dans la journée du 30 octobre 2017. Dans la matinée de ce 30 octobre, Paul Rabary a fait savaoir sur son compte facebook la mort de sa mère dame Mathilde Rabary, femme politique, médecin, parlementaire, militante des droits de l’homme en créant l’association Sos victimes au non-droit. Et dans l’après-midi, on apprend le décès de Ralitera Etienne, âgé de 79 ans, grand chancelier de la République. Etienne Ralitera a occupé le poste de Grand Chancelier du temps du président Marc Ravalomanana. Paîx à leur âme.

  • 30 Oct. 2017 - 08:43-

    Carte professionnelle des  journalistes. Le ministère de la Communication et des Relations avec les Institutions vient de nommer les nouveaux membres de la Commission de délivrance de la carte d'identité professionnelle de journaliste. Lova Rabary Rakotondravony, Hery Rakotomalala, et Laza Marovola Rabenjamina sont nommés au titre des représentants des journalistes. Rocco Rasoanaivo, Nicolas Rabemananjara, et Salomon Ravelontsalama sont par ailleurs nommés au titre des représentants des patrons de presse, tandis que Volamiranty Donna Mara est désignée pour représenter le ministère au sein de la Commission.

  • 27 Oct. 2017 - 07:31-

    Bilan de la peste ce 26 octobre avec deux décès.  Avec deux nouveaux décès enregistrés ce 26 octobre le total des personnes décédées depuis le 1er août s’élève à 126. Les deux nouveaux cas de décès ont été enregistrés dans la Région Analamanga et dans la région Atsimo Andrefana. On constate selon la remontée des informations provenant du Ministère de la Santé publique que le nombre de nouveaux cas diminue cas (12 nouveaux cas pour la journée du 26 contre 28 pour celle du 25 octobre).

  • 18 Oct. 2017 - 12:09-

    Blueline business. Blueline lance ce 18 octobre son offre dénommée Blueline business. Cette offre est destinée spécialement aux entreprises avec 3 pôles de compétence : offre de connectivité, intégration et infogérance et services hébergés.

  • 18 Oct. 2017 - 11:54-

    Récente publication. Santé : Message de la Commmission Episcopale de la Santé http://www.lakroa.mg/item-1197_articles_sport_18-la-commission-encourage-la-poursuite-de-la-lutte.html

  • 17 Oct. 2017 - 13:38-

    Senatera vaovao, minisitra vaovao. Araky ny fanambarana nataon’i Sekretera Jeneralin’ny Fiadidiana ny Repoblika teny Iavoloha ny antoandron’ny 17 okitobra dia : voatendry ho loholon’i Madagasikara nisolo toerana an’i Ahmad i Rivo Rakotovao. Randriarimanana Harison Edmond kosa no voatendry ho minisitra eo anivon’ny Fiadidiana ny Repoblika misahana ny fambolena sy fiompiana misolo ny toeran’i Rivo Rakotovao. Soritana fa efa nisahana io ministera io i Randriarimanana Harison Edmond. Izao fanapahana izao dia efa noraisina ny 12 okitobra fa izao vao nambara ampahibemaso.

  • 17 Oct. 2017 - 12:48-

    Bilan de la peste au 16 octobre. La situation de l’épidémie de la peste affecte actuellement 38 Districts, qui se trouvent dans 17 Régions de Madagascar. 805 cas de peste ont été notifiés, dont 595 de formes pulmonaires et 210 de formes buboniques. Le bilan fait état de 74 décès.  Parmi ces cas notifiés : 62 sont confirmés selon les résultats de l’Institut Pasteur de Madagascar (IPM) ; 367 sont probables selon le test de diagnostic rapide (TDR) ; 377 sont des cas suspects. Source : Minsanp

  • 17 Oct. 2017 - 07:12-

    Deuxième session ordinaire. Selon l’article 75 de la Constitution l'Assemblée Nationale se réunit de plein droit en deux sessions ordinaires par an. La durée de chaque session est fixée à soixante jours. La première session commence le premier mardi de mai et la seconde, consacrée principalement à l'adoption de la loi de finances, le troisième mardi d'octobre. De même pour le Sénat comme le dispose l’article 84. Cette deuxième session commence ce 17 octobre à 14 heures pour les députés et 16 heures pour les sénateurs.

  • 17 Oct. 2017 - 06:37-

    Araka ny fanarahana akaiky ataon'ny #cellule_riposte_peste ireo ZAP nahitana ny trangana pesta ka nanakatonana ireo sekoly dia misy izy ireo no efa tsy misy ahiahiana intsony. Miverina mianatra noho izay ny mpianatra eny anivon'ireto ZAP ireto manomboka ny Alarobia 18 Oktobra ho avy izao:

    DREN ANALAMANGA:
    CISCO MANJAKANDRIANA

    • ZAP RANOVAO
    • ZAP AMBOHITROLOMAHITSY

    DREN ITASY:
    CISCO ARIVONIMAMO

    • ZAP ARIVONIMAMO I
    • ZAP ARIVONIMAMO II
    • ZAP ALAKAMISY KELY
    • ZAP AMPAHIMANGA
    • ZAP AMBATOMIRAHAVY

     CISCO MIARINARIVO
    • ZAP MIARINARIVO I
    • ZAP MANAZARA

     CISCO SOAVINANDRIANA
    • ZAP MAHAVELONA

    DREN HAUTE MATSIATRA:
    CISCO LALANGINA

    • ZAP ALAKAMISY AMBOHIMAHA 

    CISCO AMBOHIMAHASOA
    •ZAP AMPITANA
    •ZAP ISAKA
    •ZAP AMBOHINAMBOARINA

    DREN AMORON'I MANIA:
    CISCO FANDRIANA
    • ZAP IMITO

    DREN VAKINANKARATRA:
    CISCO ANTSIRABE I manontolo

     

    Cellule riposte/MEN

  • 16 Oct. 2017 - 07:29-

    Situation générale de la peste le 13 octobre. La situation épidémiologique du 1er août au 13 octobre 2017 est détaillée comme suit : 610 est le nombre total de cas rapporté (cumul pour tout Madagasikara pour toute cette période et pour tout type de peste confondue).

    63 : Nombre de personnes décédées (cumul pour tout Madagasikara pour toute cette période et pour tout type de peste confondue).  Taux de létalité nationale : 10,3% (c’est le rapport du nombre de décès avec le nombre total des cas notifies). Source : Minsan.

  • 15 Oct. 2017 - 18:13-

    Atlantis Business School renforce sa présence auprès des écoles à Antananarivo. Le samedi 14 octobre Rasolofonjatovo Ny Aina, un des responsables du bureau de Atlantis Business School ou ABS offre à Antananarivo a rencontré les représentants de quelques écoles d’expression française pour présenter les avantanges et les possibilités de poursuivre les études au sein de l’ABS. ABS offre aux étudiants la possibilité d'étudier à Maurice pour obtenir un diplôme internationalement reconnu décerné par UUM (University Utara Malaysia)  prestigieuse université malaisienne. ABS est aussi accréditée auprès de he Association to Advance Collegiate School of Business des États-Unis.

  • 14 Oct. 2017 - 13:13-

    Fahatongavan’ny nofo mangatsiakan’ny Filoham-pirenena teo aloha Zafy Albert. Ny nofo mangatsiakan'ny Filoha Albert Zafy dia ho tonga eny Ivato ny 14 oktobra amin'ny 4 ora sy 10mn. Aorian'ny fanomezamboninahitra ho tontosanan’ny fanjakana, dia ho entina eny antranony eny Ivandry villa franchise ny vata mangatsiaka. Toy izao ny lalana hizorana: Ivato- Talatamaty-rond point Ankazomanga - route des hydrocarbures - Ivandry.

Du même auteur

monde
politique

Dans la même rubrique

education
education
Publicité