logo
Lakroan'i Madagasikara
St Valentin tao Antsirabe

Fiarahana am-pitiavana teny amin’ny Gara

R. Hajatiana Léonard il y a 4 années

Maro ireo datin'andro malaza noho ny olo-masina iray. Eo ny mpiaro ny mpanao gazety, dia ireo mpilaza vaovao no mahalala izany daty izany. Fa misy ny iraisan'ny rehetra toy ny St Sylvestre izany. eo kosa ny natokana ho an'ireo mpifankatia dia ny St Valentin izany tsaroana isan-taona ny 14 fevrie . Inona no nitranga teto Antsirabe ny 14 fevrie teo?

Fiarahana am-pitiavana teny amin’ny Gara

Fotoana miavaka ho an’ny mpifankatia rehetra ny 14 febroary. Isan-taona izany. Tsy niavaka tamin’izany ity taona 2015 ity ho an’ireo mpifankatia eto Antsirabe. Ny eto Antsirabe dia ny gara no toerana ahitana be tanora mpifankatia miaraka, “mpampiaraka” hoy ny fiteny mahazatra, rehefa St Valentin toy izao. Vao mainka betsaka izy ireo satria vitsy ny hetsika nentina nanomanana izao andro izao. Ny Atlas Club Antsenakely irery no nampanao fifaninanana sy fampisehoana lamaody tamin’ny janoary lasa teo, ary ny 14 fevrie antoandro nanomboka tamin’ny 2 ora ny fety karakarain’ny Oniversite ASJA. Fotoana hanararaotan’ny mpivarotra voninkazo ihany koa ny St Valentin. Arakaraky ny lokon’ilay voninkazo no mahalafo azy. Telo arivo ariary ka hatramin’ny roa alina ny vidin’ny fehezam-boninkazo iray. Betsaka anefa ireo mpividy saingy vitsy kosa ny mahatakatra ny tena tsara hatao fanomezana. Misy dikany daholo ny loko araka ny voalazan’ity mpivarotra voninkazo ity, ary ny raozy no efa mahazatra ny olona raha ny amin’izany. Tsy diso anjara amin’ity fety ity ihany koa ireo mpanao sy mpivarotra mofomamy, ka ao ireo nametraka kaomandy mialoha ary ao ireo izao an-katoky ny fety izao vao mandeha miantsena, toy ny any amin’ny La Gastro Pizza sy ny karazany. Somary ilaharana ny fivarotana ny 13 ary indrindra ny 14 fevrie ka izany no antony hamandrian-toerana dieny mialoha.

 

St Valentin an’ny tanora

Tsikaritra, raha ny eto andrenivohitr’i Vakinankaratra, fa saika tanora avokoa no tena mianoka amin’izao fety izao sy manara-po ; tsy dia maro ny mpivady efa nahazo taona no hita miaraka mba manafana indray ny fifankatiavana. Misy fy kokoa ny fiarahana rehefa miaraka misotrosotro, raha ny filazan’ireto mpifankatia maromaro manao latabatra boribory ireto, mirevy sy mifampizara ny mahafinaritra. Samy manana ny fomba hanatanterahany ny andro androany daholo ny olon-droa, na dia manjombona sy mangatsiaka aza ny andro. Nisafidy ny hiataka kely ny renivohitra ihany koa ny sasany, naman’ireto andiana mpifankatia vitsivitsy ireto, ka lasa nitsangatsangana any Tritriva sy Andraikiba izay rano manana tantara mikasika ny mpifankatia ihany koa.

 

Fanomezana hifanolorana

Somebiseby aok’izany ny mpifankatia rehetra ny 14 fevrie eto Antsirabe manoloana ny gara fa hifanolotra fanomezana sy hanafana ny fifankatiavana. Mifampiondakondana etsy sy eroa, mazava ho azy fa mamy ny fiarahana, ka hifanadino disadisa fa hihavao indray fifandraisana. Ny raozy mena no betsaka mpifanolotra teto amin’ny gara, midika fitiavana mivaivay ao am-po ny loko mena ary tsy fivadiana amin’olon-tiana. Ny tena fitiavana hoy ity tovovavy iray ity dia samy manome sy manolotra fanomezana avokoa na ny an-daniny na ny an-kilany rehefa andron’ny mpifankatia ohatra izao. Vola roa alina ariary izay no lanin’i Tolotra hanomanana ny fanomezana hatolotra ity fofombadiny ; atao tampoka aminy hoy izy ny fanolorana, ary na i Tolotra ihany koa aza tsy mahalala izay mba homanin’ny fofombadiny ho an’azy. Fa na tsy misy aza ny fanomezana, dia tokony tsy atao hampiova ny fifankatiavana izany, satria mba marika azo tsapain-tanana fotsiny iny, fa ny ao anaty no tena izy. Ny nampalahelo anefa dia ity vehivavy efa manam-bady nandeha irery miaraka amin’ny zanany mianadahy kely, nisarahan’ny vadiny raha vao tonga ny St Valentin. Nanjavozavo taminy ny tena anton’ny fisintahan’ny vadiny tampotampoka teo. Mila mitandrina araka izany ny mpifankatia fa tsy lavitra ny mpanakorontana sy ny mpandrebireby ny fifankatiavana. Saingy tsy hafaliana ho an’ny tena fa ny fitiavana tsy te-hanan-dratsy, satria ny tody tsy misy fa ny atao no miverina. Ny fanomezana hifanoloranao amin’ny olon-tianao anio dia tsy kilalao sy fahafinaretana fotsiny fa fanombohan’ny fandraisanao adidy aman’andraikitra amin’ny ho fiainanao rahatrizay. Fa sao nanolotra tsy am-piheverana ny raozy mena ka ho tsy ho mena mivadika é.

Isan’ny fanontaniana manitikitika hatrany ny hoe : “fetim-pinoana katolika izany St Valentin izany ka firy ny mpifankatia no mahatsiaro mitodika manokana any amin’Andriamanitra ? Fa moa ve tsy izy no tena Fitiavana ?” Fanontaniana mipetraka izany. Ny mpifankatia no tompon’ny valin-teny.



Partager l'article:

Lakroa en direct
  • 19 Jul. 2019 - 08:45-

    JIOI 2019. Dans le cadre des Jeux des Îles, les Barea affrontent en premier les Seychelles. Le match se déroulera au stade Auguste Vollaire le 20 juillet à 14h15. Madagascar n’a pas perdu, lors des deux dernières rencontres entre les deux sélections, avec une victoire (0-1) le 11 juin 2016 et un match nul (1-1) le 29 mai 2018.

  • 18 Jul. 2019 - 14:15-

    USA. Le cardinal DiNardo interpelle Donald Trump sur les droits des migrants. «Il est contraire aux valeurs américaines et chrétiennes de chercher à empêcher aux personnes d’émigrer ici quand elles fuient pour sauver leurs vies et pour trouver une sécurité pour leurs familles», déclare le cardinal DiNardo.

  • 18 Jul. 2019 - 11:27-

    Birao maharitra AN. Vita ny fifidianana ny mpikambana ireo mandrafitra ny Birao maharitry ny Antenimieram-pirenena. Toy izao izany : Filohan’ny Antenimierampirenena : Razanamahasoa Christine Harijaona, Ambatofinandrahana (IRD). Filoha Lefitra Antananarivo : Rasolonjatovo Honoré, Faratsiho (IRD). Filoha Lefitra Antsiranana : Rahelihanta Jocelyne, Antsiranana I (IRD). Filoha Lefitra Fianarantsoa : Razafitsiandraofa Jean Brunelle, Ikongo (IRD). Filoha Lefitra Mahajanga : Rahantanirina Lalao, Mahajanga I (IRD). Filoha Lefitra Toamasina : Michelle Bavy Angelica, Fenérive Est (IRD). Filoha Lefitra Toliara : Rabenirina Jean Jacques, Betioky Atsimo (IRD).
    Questeur 1 : Henri Jean Michel, Ambovombe (IRD). Questeur 2 : Rakotomanga Lantoarivola Sedera, Antananarivo II (IRD). Questeur 3 : Rabenirina Maminiaina Solondraibe, Ambohidratrimo (TIM).
    Mpampakateny : Angèle Solange, Amboasary Atsimo (Mahaleotena). Mpampakateny lefitra : Rafenomanantsoa Tsirimaharo Ny Aina, Antananarivo III (IRD).

  • 17 Jul. 2019 - 09:30-

    Mercato-Jeremy Morel. En fin de contrat avec l'OL, l’international malgache Jeremy Morel signe pour un an de contrat avec le Stade Rennais. « Je suis très enthousiaste et fier de rejoindre le Stade Rennais F.C. Je vais faire du mieux possible pour apporter mon expérience au club. J’avais plusieurs sollicitations mais sportivement je me voyais plus ici. J’espère avoir fait le bon choix. À moi de tout faire sur le terrain pour remercier le Président de sa confiance », a-t-il déclaré.  

  • 16 Jul. 2019 - 09:30-

    Désensablement. La piscine naturelle du Parc National Isalo est de nouveau ouverte à la baignade depuis le vendredi 12 juillet dernier. « La profondeur et la propreté de l’eau ont été testées par les agents de Madagascar National Parks afin de s’assurer que toutes les conditions requises pour la baignade durant la haute saison touristique 2019 soient au mieux », déclare Madagascar National Parks sur Facebook.

  • 15 Jul. 2019 - 14:30-

    Jeux des îles. A l’île Maurice, les sportifs venant des sept îles de l'océan Indien s'affronteront sur quatorze disciplines : athlétisme, badminton, le basketball, boxe, cyclisme, football, haltérophilie, judo, natation, tennis de table, voile, beach volley et volleyball. Pour cette édition, l’ouverture officielle se fera le 19 juillet et prendra fin le 28 juillet.

  • 15 Jul. 2019 - 13:00-

    FMF. Lova Ramisamanana ne pourra se présenter à la course pour être à la tête de la fédération malgache de football. Il l’évoque sur sa page Facebook ainsi, « j’ai le regret de vous annoncer que je ne pourrai pas me présenter à la présidence de la fédération malagasy de football, faute de n’avoir pu réunir les 3 cautions requises. Nous nous sommes battus jusqu’au bout mais nous n’avons pu faire face à certains obstacles. »

  • 15 Jul. 2019 - 08:30-

    CAN 2019. Suite à leur victoire respective contre la Tunisie et le Nigéria, le Sénégal et l’Algérie disputeront la finale de cette édition de la Coupe d’Afrique des Nations. Pour rappel, les Fennecs ont battu ces Lions de la teranga lors de la phase de poule sur le score de 1-0 avec le but de Youcef Belaili.

  • 11 Jul. 2019 - 06:30-

    Fandaminana. Handamina ny polisim-pirenena ho an’ny alakamisy alina araka ny resadresaka tamin’ny mpanao gazety nataon’ireo tompon’andraikitra ao amin’ny Polisim-pirenena. Nanome ireo toromarika manodidina ny filaminana mandritra ny fijerena baolina kitra amin’izao Can izao izy ireo. Maro ny polisy hiasa amin’io alin’ny alakamisy io raha ny nambaran’ireto tompon’andraikitra ao amin’ny polisim-pirenena ireto.

  • 09 Jul. 2019 - 13:30-

    Supporter les Barea. L’inscription est ouverte pour aller supporter les Barea en Egypte pour leur quart de finale contre la Tunisie. Les billets sont disponibles auprès de l’Air Madagascar à Analakely. Adressez-vous à la même agence pour plus d’infos.

  • 06 Jul. 2019 - 13:00-

    Pape François – Poutine. Le président russe Vladimir Poutine a rencontré le pape François au Vatican le 4 juillet pour une discussion privée de 55 minutes. Le pape François et Poutine ont discuté de questions d'actualité en Syrie, en Ukraine et au Venezuela, ainsi que de questions environnementales et de questions concernant l'Eglise catholique en Russie, selon le bureau de presse du Saint-Siège.

  • 05 Jul. 2019 - 11:00-

    CAN 2019. La CAF a rejeté les plaintes contre la RDC pour match truqué. Suite à l’insuffisance de preuve réelle, les accusations de corruption de la fédération zimbabwéenne de football vis-à-vis de leur gardien de but ont été rejeté. De ce fait, le match entre Madagascar et la RDC dans le cadre des huitièmes de finale aura bel et bien lieu dimanche prochain.

  • 05 Jul. 2019 - 08:30-

    Wi-fi gratuit. Le mercredi 10 juillet prochain, le wi-fi gratuit sera disponible à Antananarivo. Il sera possible de se connecter librement, sur quatre zones incontournables de la capitale comme au jardin Antaninarenina, à l’arrêt bus Ambohijatovo, au jardin Antanimena et au pont de Behoririka.

  • 04 Jul. 2019 - 10:30-

    Nicolas Dupuis. Selon Jeune Afrique, Nicolas Dupuis est 31ème dans le classement des entraîneurs les mieux payés en Afrique. Il perçoit 7000€ par mois, selon les chiffres publiés par le média. Le sélectionneur de l’Egypte, Javier Aguirre, est le coach le mieux rémunéré sur le continent avec un salaire mensuel de 108 000 euros.

  • 03 Jul. 2019 - 15:15-

    CAN 2019. Anicet Andrianantenaina et Carolus Andriamanitsinoro intègrent l’équipe type de la phase de poule de cette Coupe d’Afrique des Nations. Pour rappel, Anicet était l’homme du match pendant la rencontre face à la Guinée. Carolus l’était à son tour pendant le match contre le Nigéria.

  • 03 Jul. 2019 - 14:30-

    FIER-Mada. Tanterahana ny alarobia 7 hatramin’ny 11 aogositra ho avy izao ny FIER-Mada faha 21, ao amin’ny kianja Makis Andohatapenaka. Amin’izany dia hisy ny lao-bary an-dasy hiompana amin’ny « fandrosoana maharitra : tetik’asam-panjakana vatsiana vola amin’ny voajanahary sy ifampierana amin’ny tantsaha eny ifotony ».

  • 03 Jul. 2019 - 13:15-

    Energie solaire. La nouvelle technologie solaire pourrait produire de l'eau potable propre pour des millions de personnes dans le besoin. Des appareils appelés alambics solaires utilisent le soleil pour évaporer l'eau salée et condenser la vapeur en eau potable saine. Les chercheurs ont mis au point un nouveau système accélérant le processus d'évaporation, permettant ainsi à un petit alambic solaire de fournir toute l'eau potable dont une famille a besoin.

  • 03 Jul. 2019 - 08:30-

    Fampandrenesana. Tapaka ny lalana : -Lalana Dr Rajaonah- Pharmacie Ankadifotsy- EKAR Antanimena- ESCA ny saboty 6 jolay 2019. Voarara ho an’ny fifamoivoizan’ny  fiara rehetra tsy an-kanavaka ny ampahany amin’ireo lalana ireo. Izany dia noho ny fankalazana ny faha-50 taonan’ny Sekoly Les Lutins Ankadifotsy, araky ny fampandrenesana.

  • 02 Jul. 2019 - 08:00-

    Supporter les Barea. Une offre exceptionnelle est disponible pour les 8è de finale de cette CAN. Elle est à 2.200.000 ar ( Billet d avion A/R +Hebergement+Transfert hôtel-stade+ Billet d entrée stade ) 298.000 ar ( Visa de séjour ) 198.000 ( Passeport ) soit 2.688.000 AR Départ d Ivato samedi 06 juillet - retour Ivato Lundi 08 juillet Appareil A 380 . Plus d infos contacter Air MADAGASCAR

  • 01 Jul. 2019 - 10:30-

    USA-Corée du Nord. Le président Donald Trump et le président nord-coréen Kim Jong Un se sont rencontrés dimanche dans la zone démilitarisée (entre la Corée du Nord et du Sud) fortement fortifiée et ont convenu de relancer les pourparlers sur le programme nucléaire de Pyongyang. Trump, faisant pression pour obtenir un accord définissant un héritage, est devenu le premier dirigeant américain assis à entrer en Corée du Nord.

Du même auteur

monde
politique

Dans la même rubrique

culture
culture
Publicité