logo
Lakroan'i Madagasikara
Tafatafan’i Talata

“Kombakabe” tsy mamokatra ny any ambony any

Ratalata Jean Ba il y a 4 années

Hifidy mpikambana handrafitra ny komity olimpika malagasy isika. Ny firenen-kafa any ivelany mamarana ny fotoam-pitantanana ny Komity olimpika nasionaly tsirairay satria manomana ny Lalao olimpika 2016. Ny antsika vao hanomboka. "Mitorina" (raha soratana hoe mi-tourne dia mazava kokoa ô) ny spaorontsika.

Dia hiroso amin’ny fifidianana indray ny Malagasy sasany. Tsia tsy resaka politika akory izy ity na dia mpifaninana mandray anjara feno amin’ny fifidianana aza ny kestora voalohany ao Tsimbazaza. Loha-lisitra tokoa ity depiote ity amin’ny fifidianana ity. Tsy resaka politika na mandray anjara anaty lisitra mifaninana amin’ny lisitra tarihin’ity kestora ity aza ny minisitra amperinasa iray.

 

Fa fifidianana inona àry izany hoy ianao ?

 

Ie io mihitsy. Ianao mpanaraka vaovao fanatanjahantena dia maharaka ny resako. Tsy voatery ny mpanao spaoro rehetra anefa dia maharaka izany resako izany. Misy tokoa ireo nanontaniana fa tsy naharaka. Ny an’ireo mpilalao kitra izao dia ny faharesen’ny ekipa malagasy roa nikatroka tany ivelany ary resy avokoa no tena fantany. Tsiahivina fa resy 1 no 0 ny Cnaps nanoloana ny Gor Mahia (Kenya) ny 14 fevrie teo ary resy tamin’ny 2 no 3 ny Elgeco Plus tao amin’ny Mandela National Stadium tany Kampala, lalao natao ny zoma 13 fevrie. Any amin’ny taranja ady totohondry angamba no mety hisy hieritreritra fifidianana. Mitady hanongana ny filohan’ny federasiaonina tokoa ny filohan’ny ligy sasany. Tsy afa-bela raha ity taranja ity. Efa nisy ny ko ary tsy tafarina intsony ireo nitady ho filoha. Ny mpilalao moa dia fanina tsy mahita ringa iraisam-pirenena efa antaonany maro izao dia mbola misy midaroka ambadika hatrany. Tsy omen-tsiny ireo midaroka satria ilay voafidy eo anie ka ny “kibony” no zary lasa mitosaka. Sanatria tsy maneso raha miteny izany fa zava-misy izany.

 

Ka fifidianana inona moa no resahina eto ? Fifidianana anatin’ny tontolon’ny fanatanjahantena izy ity. Fifidianana izay ho filohan’ny KOM Komity Olimpika Malagasy na COM (Comité Olympique Malagasy). Misy mandika vilana avy hatrany ary milaza fa komika no reny raha miresaka komity olimpika izany.

 


 Ho tontosaina ny 21 fevrie izao ny fifidianana izay ho mpikambana mandrafitra ny komity mpanatanteraka sy mpitantana ny KOM. Dia ireo filoha ihany anefa no tena voaresaka fa zara raha misy lanjany ny mpikambana ao anatiny. Mba manaitra anefa ny mandre fa ho isan’ny mpikambana ao anaty lisitra ny judoka iray izay monina any ivelany. Inona moa izany no tena anjara biriky ho entiny raha lany izy kanefa ny tenany aza any ivelany ? Sa “visioconférence” no fomba fiasa amin’izay fotoana izay ? Hafahafa tokoa raha dia ny filoha ihany no mba omena laka fa izay ekipa miaraka aminy zara raha asiana teny. Ho kofehy manara-panjaitra ve izy ireo ?

 

Filoha ihany no tena izy…


Lisitra roa no mifanandrina amin’izao fifidianana izao. Siteny Randrianasoloniaiko no nametraka antontan-taratasy voalohany. Ny azy izany no lisitra laharana voalohany tafapetraka. Ny faharoa dia ny lisitra tarihan’i Jean Michel Ramaroson. Ny fahombiazan’ity farany tamin’ny fikarakarana ny Afrobasket no tena nampalaza azy. Fahombiazana ara-panatanjahantena ary fahombiazana teo amin’ny fitantanana.

 

Izy roa lahy mifanandrina moa dia samy lohandohan’ny mpisorona ao amin’ny KOM amperinasa ankehitriny. Inona no mba vokatra tsara azo ? Zéro aotra no azo ambara… Soa fa nisy ireo mpandray anjara teo amin’ny taranja judo sy … dia izay. Izany hoe tsy ny ezaka nataon’ny KOM akory no nahomby fa ny ezaka manokana nataon’ireo atleta no nitondra vokatra tsara. Filohan’ny KOM amperinasa i Siteny Randrianasoloniaiko ary filoha lefitra i Jean Michel Ramaroson. Samy sy mendrika izany raha ny vokatra azon’ny KOM no itsarana sy hanomezana zo hirotsaka indray. Ny ilazana fa tsy nahomby izy ireo dia izao vao afaka nikarakara fifidianana raha toa ka aorian’ny JO na Jeux Olympiques iray no tontosaina ny fanavaozana ny biraon’ny KOM. Ny firenen-kafa dia efa nanomana ny JO hatao any Rio (Brezila) amin’ny taona 2016 (05 aogositra 2016 hatramin’ny 21 aogositra 2016). Fanomanana natao nanomboka taorian’ny lalao olimpika 2012. Ohatra ny Gabone izao dia ny taona 2014 no nanova ny mpitantana ny Komity olimpika any amin-dry zareo. Ny an-dry zareo Tonizianina diany taona 2013 no vita izany. Isika eto Madagasikara dia izao vao mikarakara fifidianana izao. Izany hoe tsy ny regroupement na fanohanana mpikatroka no vain-dohan-draharaha fa ady seza ao ambony ao. Ady seza. Dia izany ady seza izany tokoa no hita eo amin’ny filoha amperinasa sy ny filoha lefitra. Tsy tokony hatao mahagaga ny tsy fahombiazana eo amin’ny tontolon’ny spaoro ka izany no zava-misy iainana any ambony…

 

Marihina fa efa nitondra fanazavana momba ny fahataran’ny fanaovana ny fifidianana ny filoha amperinasa. Ny fanazavana dia mitoetra ho fanazavana mikasika ny tsy fanaharan-dalàna iray fa tsy mamadika izany tsy fanarahan-dalàna izany ho rariny akory.

 

Mba te hahita ny mpikatroka tafakatra noho ny vokatra ny mpitia fanatanjahantena malagasy fa tsy iandry fanasana na wild card lava. Saingy raha izao fomba fiasa izao dia… ho gisitra lava isika.

 

Vahao ny olana

Ny vahaolana dia izay mpitondra lany eo dia milaza fa hitantana hatreo amin’ny taona 2016 ka hikarakara fifidianana araka ny nahazatra. Hanentana ny federasiona tsirairay hiverina amin’ny fotoam-pitantanana olimpika. Hiteraka fahavononana vaovao izany fa tsy ho kombaka (combat no dikany) lava.





Partager l'article:

Lakroa en direct
  • 14 Sep. 2018 - 08:38-

    Poulet de chair à Madagasikara. Pour Olivier Fanchette, de Innodis Poultry, il y a encore de la marge pour produire du poulet de chair à Madagasikara. “C’est pour cette raison que nous participons à la Foire Internationale d’Agriculture”. Innodis Poultry est l’un des plus grands producteurs de poulet de l’île Maurice. Selon Fanchette, cette société exporte vers Madagasikara du poulet de chair avec garantie sanitaire sans antibiotiques. De son côté Iqbal Mohungoo, de la société Meaders Feeds, assure l’alimentation des poulets de chair, une alimentation répondant aux besoins d’une clientèle autant présente sur le marché local que régional dont Madagasikara.

  • 13 Sep. 2018 - 07:45-

    Colloque sur l’énergie. Lors d’une rencontre avec la présse Andry Ramaroson a fait savoir que le Groupement Des Professionnels de l’Energie à Madagascar GDPEM organise un colloque en entrée libre qui se tiendra au 3A Andrefanambohijanahary durant 2 jours ou 4 demi-journées avec comme thème “Energie, 1er levier de la croissance économique de Madagascar”. La première demi-journée (matin du 14 septembre) une conférence-débat sur l’économie d’énergie et l’après-midi sur le génie électrique. La troisième demi-journée (matin du 15 septembre) une conférence-débat sur le thème 1er levier économique de Madagascar. Et l’après-midi sera consacré à la restitution des travaux.

  • 10 Sep. 2018 - 07:28-

    Affaires courantes du Président. Pour la HCC, rentrent dans la catégorie juridique des attributions présidentielles courantes, les affaires constituant la poursuite normale d’une procédure régulièrement engagée avant la démission du Président de la République, toute affaire dont l’importance dépasse celle des affaires de gestion journalière si la procédure qui a donné lieu à l’acte règlementaire concerné a été engagée bien avant la période critique et a ensuite été réglée sans précipitation et si les questions politiques, qui ont pu se poser sur le plan administratif, ont été résolues avant cette période critique.

  • 10 Sep. 2018 - 07:28-

    Non affaires courantes du Président. Pour la HCC, ne rentrent pas dans les compétences attribuées au Chef de l’Etat ad intérim celles qui procèdent des articles 45 alinéa 3, 54 ; 55 -2°, 4° sauf en cas de faute grave ou de crime ou délit commis par le haut fonctionnaire, 5°, 6°, 7°, 8° ; 56 ; 57 alinéa premier ; 58 ; 59 alinéa 2 ; 60 ; 61 ; 103 ; 104 ; 107 ; 137 ; 162 ; 163. Il est habilité à exercer toutes les autres attributions confiées au Président de la République par la Constitution.

  • 01 Sep. 2018 - 09:48-

    Journée mondiale de prière pour la sauvegarde de la création 2018. Instituée en 2015 par le Pape François, quelques mois après la publication de son encyclique « Laudato si’, sur la sauvegarde de la maison commune », cette journée a lieu chaque 1er septembre, en communion de prière avec les Eglises orthodoxes, « pour offrir « à chacun des croyants et aux communautés la précieuse opportunité de renouveler leur adhésion personnelle à leur vocation de gardiens de la création, en rendant grâce à Dieu pour l’œuvre merveilleuse qu’Il a confiée à nos soins. » (Pape François, Lettre du Pape François pour l’institution de la « Journée mondiale de prière pour la sauvegarde de la création », 6 août 2015).

  • 01 Sep. 2018 - 07:56-

    Liste des personnes exerçant des hautes fonctions et hauts emplois civils et militaires de l’Etat, candidates aux élections, assujetties à l’obligation de démission prévue à l’article 6 alinéa 5 de la Loi organique relative au régime général des élections et des référendums. I – Les personnes nommées aux hautes fonctions et hauts emplois civils de l’Etat :   – Grand Chancelier de l’Ordre National malagasy ; – Ambassadeurs ou chefs titulaires de missions diplomatiques avant rang d’Ambassadeurs ; – Gouverneur de la Banque Centrale ; – Secrétaires généraux, Directeurs généraux et Directeurs de ministères ; – Présidents d’Universités ; – Représentants de l’Etat au niveau des collectivités territoriales décentralisées ; – Directeurs généraux, membres des organes d’administration ou de gestion des organismes rattachés aux Institutions et aux départements ministériels.

  • 01 Sep. 2018 - 07:55-

    Liste des personnes exerçant des hautes fonctions et hauts emplois civils et militaires de l’Etat, candidates aux élections, assujetties à l’obligation de démission prévue à l’article 6 alinéa 5 de la Loi organique relative au régime général des élections et des référendums. II – Les personnes dont la nomination aux hautes fonctions et hauts emplois militaires est faite par décret en Conseil des Ministres : – Officiers Généraux ; – Inspecteur général de l’Armée Malagasy; – Inspecteur général de la Gendarmerie Nationale ; – Chef de l’Etat-Major général de l’Armée Malagasy ; – Commandant de la Gendarmerie Nationale ; – Adjoints au chef de l’Etat-Major général de l’Armée Malagasy; – Adjoints au Commandant de la Gendarmerie Nationale ; – Commandant des Forces Aériennes ; – Commandant des Forces Navales ; – Commandant des Forces d’Intervention – Commandant des Forces de développement ; – Chef d’Etat-major du commandement de la Gendarmerie Nationale ; – Commandants des régions militaires; – Commandants des Circonscriptions inter-régionales de la Gendarmerie Nationale ; – Tous autres fonctions et hauts emplois militaires dont la nomination est faite par décret en Conseil des Ministres.

  • 24 Aug. 2018 - 00:29-

    Le couple présidentiel a reçu, ce matin du 22 Août 2018, l’Archevêque de Toulouse, Mgr Le Gall Robert au Palais d’Iavoloha, dont c’est la seconde visite à Madagascar. Les discussions ont porté sur les actions humanitaires de la diaconie catholique de France àa Madagascar « Nous avons été très heureux de cette rencontre qui honore notre mouvement sur la diaconiede la beauté, et comment la beauté sous toutes ses formes pourrait conduire à Dieu » a déclaré Mgr Le Gall, qui a notamment le diocèse de Lourdes sous sa responsabilité. La place et le rôle de la Grande Île au niveau de la Région Océan Indien et sur le plan international ont été aussi évoqués lors de la rencontre

  • 23 Aug. 2018 - 20:33-

    Ankolagny 6. Prospérer organisé pour la sixième fois sa foire économique Ankolagny. Elle se déroule du 24 au 26 août et elle est hébergée par la commune de Befandriana nord. Les organisationsateurs tablent sur la venue de plus de 2000 visiteurs pour visiter la centaine de stands révus avec comme produit phare les blacks eyes, la vannille et l'oignon.

  • 17 Aug. 2018 - 07:22-

    Kandida faha-13. Mamy Richard Radilophe no kandida faha-13 nanatitra ny antontan-taratasy firotsahana handray anjara amin’ny fifidianana izay ho Filohan’ny Repoblika. Tonga nanatitra ny ny faha-16 aogositra teo izy. Izy dia mpisolovava niaro ireo olona nenjehin'ny fitondrana HVM, toa an'i Fernand Cello, ny tao Soamahamanina, efa mpisolovava an'i Jean Louis Robinson ihany koa tamin'ny fifidianana filoham-pirenena ny taona 2013. Ny antoko Roso ho an’ny Demokrasia Sosialy (Renouveau pour la Démocratie Sociale) izay misy an’i Fetison Rakoto Andrianirina no nanolotra azy.

  • 16 Aug. 2018 - 08:46-

    JOB no kandida- faha 11. Jean Omer Beriziky na JOB, Praiminisitra, Lehiben'ny Governemanta teo aloha no kandidà faha 11 amin'ny laharan'ny fanaterana ny taratasy filatsahana ho fidiana Filohan'ny Repoblika ho tontosaina ny fihodinana voalohany ny 7 novambra 2018. Ny 15 aogositra tamin'ny 2 ora sy sasany tolak'andro izy no nanatitra izany taratasy izany teny amin'ny Fitsarana Avo momban'ny Lalàmpanorenana, Ambohidahy. Tonga teny ny tenany niaraka tamin’i Jean Félicien izay "mandataire". Ny Antoko politika "Antsika Madagasikara" no nanolotra azy.

  • 16 Aug. 2018 - 08:46-

    Kandidà faha-12 nametraka dosie. Richard Razafy Rakotofiringa no kandidà faha-12 nametraka ny dosien-ny teny amin’ny FAL, Fitsarana Avo momba ny Lalampanorenana na HCC. Izy dia miaramila teo aloha sady mpampianatra. Razafimalala Harimanana Tiana izay "mandataire" no nametraka ny antontaratasy ny 15 aogositra teo. Ny Antoko politika "Solidarité des jeunes intellectuels pour l'avenir de Madagascar" (SJIM) no manolotra azy amin’izao fifidianana filohan’ny Repoblika izao.

  • 14 Aug. 2018 - 13:29-

    CEPE 2018. Le nombre de candidats inscrits à l’examen du CEPE qui aura lieu ce mardi 14 aout 2018 est de 551.655. Ils seront répartis dans 13.638 salles des 1.833 centres d’examen de tout Madagascar. Parmi ces candidats inscrits, 17 malvoyants et 19 sourds-muets vont participer aux épreuves du CEPE dans les cinq provinces de Madagascar, à l’exception de Mahajanga. Pour la DREN SAVA on compte 39 315 candidats qui se répartissent dans 86 centres d’examen. Il est à rappeler que les sujets diffèrent suivant la région et le diplôme a une valeur nationale.

  • 14 Aug. 2018 - 06:59-

    CEPE sy Laharana maitso 020 30 807 86. Manomboka ny talata 14 Aogositra dia ho apetraka eto anivon’ny Minisiteran’ny Fanabeazam-Pirenena ny « cellule » iray iraisan’ireo sampandraharaha mikirakira ny fanadinana izay hanangona ny vaovao rehetra manodidina ny fizotry ny fanadinana CEPE. Azonareo antsoina amin’ny laharana maitso 020 30 807 86.


  • 11 Aug. 2018 - 10:19-

    3 nouveaux candidats. Ce 10 août, trois candidats ont déposé leur dossier de candidature à l'élection présidentielle auprès de la Haute Cour Constitutionnelle à savoir : Dr Jules Etienne présenté par le parti MAFI (Madagasikara Fivoarana),  Zafimahaleo Rasolondraosolo, dit Dama Mahaleo, candidat du parti Manajary Vahoaka; et Paul Andrianiaina Rabary, candidat du parti MIASA. Ainsi, depuis l’ouverture de la période de dépôt des dossiers 7 candidats en tout ont déposé leur dossier (Andry Rajoelina, Jean Ravelonarivo, Mailhol Dieu Donné, Fanirisoa Erinaivo).

  • 04 Aug. 2018 - 08:57-

    Candidature du général Jean Ravelonarivo. Zaza Ramandimbiarison et Ambroise Tata ont procédé dans la matinée de ce 3 aout, au dépôt des dossiers de candidature à l'élection présidentielle du général Jean Ravelonarivo, ancien Premier ministre auprès de la Haute Cour Constitutionnelle (HCC). Il est le deuxième candidat à avoir déposé son dossier. Jean Ravelonarivo a été présenté par le parti politique Antokom-Bahoaka Malagasy ou ABA.  Pour mémoire ce parti politique a fait connaître son existence au cours du mois d’avril de cette année 2018.

  • 04 Aug. 2018 - 07:57-

    Andry Rajoelina premier candidat à déposer son dossier. L’ancien président de la Transition, s'est fait représenter par Andry Herizo Rakotozafy, éphémère directeur de cabinet du Premier ministre Ntsay Christian, dans l'après-midi de ce 1er aout, auprès de la Haute cour constitutionnelle (HCC) à Ambohidahy, pour déposer son dossier de candidature à l'élection présidentielle. Cela s’est passé au moment même où le candidat Rajoelina faisait son show au Palais des sports de Mahamasina pour présenter son IEM ou Initiative Emergence de Madagascar.

  • 27 Jul. 2018 - 13:45-

    Niala tsy ho filohan’ny antoko HVM izy. Nametra-pialana tsy ho Filoha Nasionalin'ny antoko HVM i Rivo Rakotovao. « Tsy miala HVM ny tenako fa miala tsy ho Filoha Nasionaly fotsiny ihany ho fanajana ny lalàna » hoy izy. Nambarany ihany koa fa tsy manangam-pahavalo ary tsy manam-pahavalo ny HVM fa safidin’ireo izay niala noho ny tsy fitovian-kevitra politika sy tsy fitovian-kevitra eo amin'ny fitantanana ny Firenena ny zava-mitranga. Nanamafy ny fangatahany sy fanolorany ny Filoha Rajaonarimampianina hirotsaka ho fidiana indray ny antoko HVM. Soritana fa ny Lalampanorenana dia milaza fa tsy mahazo mandray anjara amin’ny fiainana antoko politika ny filoham-pirenena (adininy faha-49).

  • 23 Jul. 2018 - 08:57-

    Antonio Benedito Sanchez s’en va. L’ambassadeur de la délégation de l’Union européenne pour Madagascar et l’Union des Comores, Antonio Benedito Sanchez quittera Madagascar satisfait du travail qu’il a accompli durant son mandat. Il a confié qu’il prendra la direction du Mozambique tandis que son successeur, l’Italien Giovani Di Girolamo arrivera dans la Grande île vers le début du mois de septembre. Il sera remplacé par L’Italien Giovani Di Girolamo.En attendant la prise de fonction du nouvel Ambassadeur, le Ministre Conseiller Lothar Jaschke assurera son intérim.

  • 30 Jun. 2018 - 08:40-

    Remplacement à l’Assemblée Nationale. « Le Député dont siège devient vacant est remplacé par le suppléant élu en même temps que lui, sauf en cas d’annulation de l’élection, jusqu’au renouvellement de l’Assemblée nationale ». .Que suivant le certificat de décès n°65969 versé au dossier, sieur ABDILLAH est décédé le 21 février 2018 à l’hôpital Apollo de New Delhi. La vacance d’un siège de Député à l’Assemblée nationale est constatée, à la suite du décès de sieur ABDILLAH. Est proclamé Député à l’Assemblée nationale, le candidat EDIZARD, premier suppléant de la liste VPM-MMM de Vohémar. (Arrêt de la HCC du 28 juin 2018).

Du même auteur

monde
politique

Dans la même rubrique

chronique
chronique
Publicité