logo
Lakroan'i Madagasikara
Fako be miavosa eran’Antsirabe

Mantsina tsy laitra iainana ny eto Antsirabe, manaitra ny tompon’andraikitra ny mponina

R. Hajatiana Léonard il y a 2 années

Miverina indray tato ho ato ny fiavoavon’ny fako mifangaro diky eran’ny fanariam-pakon’Antsirabe. Maharikoriko ny fofona aterany sady mamory lalitra aok’izany.

Mantsina tsy laitra iainana ny eto Antsirabe, manaitra ny tompon’andraikitra ny mponina

Manomboka miavoavo indray ny fako eto an-tanànan’Antsirabe, efa tsy araky ny kamiaon’ny sampan-draharaha ara-teknika eny amin’ny voaria intsony ny mandraoka izany. Manampy trotraka mahatonga ny loto ihany koa ny fijojon’ny orana andro aman’alina, hany ka mifangaro ao daholo na ny fotaka na ny fako entin’ny rano miparitaka etsy sy eroa. Raha ny fanazavan’ny tompon’andraikitra misahana fanatsarana sy ny fikarakarana ny tanàna RANARISOA Maminirina anefa dia tsy misy antony tokony tsy ahavitana ny asa saingy ny indro kely dia tsy araka avokoa ny gazoalin’ireo fitaovana tokony hiasa ireo. Ary manoloana izay ihany, dia nanazava ihany koa ny tao amin’ny kaominina ambonivohitra Antsirabe fa misy ny fitaovana no najanona aloha, mandritra ny fotoana tsy voafetra satria mbola tsy niravona tanteraka ny olan’ny kaominina mikasika ilay fitakiana tambin-karama efa-bolana tsy voaloa. Mila hameno ny arabe mihitsy ny fako toy ny etsy Ampiaviana, izay toerana fijanonan’ireo taksi-brosy sy fisakafoan’ireo mpandeha. Arakaraka ny mampaloto ilay toerana anefa no toa vao maika hivarotan’ny olona hani-masaka sy hanaovany hotely vary mitsangana ; ary ny fofona sy ny lali-manga mipetapetaka eny ambonin’ny sakafo rehetra eny. Tokony handinika sy hitandrina ihany fa mora vidin’ny mikiraoba ; dimam-polo ariary no hividiananao paoma anankiray kanefa ny isan’ny mikiraoba bakiteria mipetaka aminy efa anarivony. Ankoatra izany, mila mitady vahaolana faran’izay haingana ny fanjakana fa fahavaratra ny andro ka mihanaka ny aretina azo avy amin’ny loto isankarazany, ary tsy ny eto Antsirabe irery ihany fa eran’ny Madagasikara mihitsy no lasibatr’io aretina io. Mba manao izay ho afany ihany manko ny sampan-draharaha ara-teknika sady miady irery ka miandrandra tosika avy amin’ny fanjakana mahefa. Ny tsirairay indrindra no voantso amin’ity fahadiovana ity, mbola misy ny minia tsy tonga saina na dia efa miharihary aza ny soratra fa tsy azo anaovana maloto ny sisin’arabe ary tsy azo atao ny manary fako eo amin’ny sisin’ny dabam-pako.


Fako atao zezika

Lafo tokoa ny vidin-jezika eto Antsirabe toy ny zezik’omby ary indrindra ny zezi-bazaha (urée, MPK,…) amidy eny an-tsena. Nahay nanararaotra ireto mpamboly ireto ka rehefa tsy nisy nandraoka ny fakon’Ampiaviana, dia nalain’izy ireo tamin’ny sarety. Masaka tsara ny fako efa ela nitobiana ka mety atao zezika. Nambaran’i Dadamano fa tena tsara ny vokatra nambolena amin’ny fako toy izao satria efa fanaon’izy ireo ny maka fako atao zezika tsy ialam-bola toy izao isan-taona. Na dia eo aza izany rehetra izany dia tsy mahalany firy amin’ny fako eto an-tanàna raha hanao zezika. Ary mahagaga mihitsy fa indray andro ihany no madio ny dabam-pako, fa mitombo isa-minitra ny loto sy ny karazam-pako miangona avy eo. Hatramin’izao dia izay mifoka rivotra maloto tahaka ny akaiky lavam-pako no andairan’ny aretina, fa ireo mihinana ny vokatra novolena tamin’ny zezi-pako mbola tsy nisy nitaraina naharary kibo na nivalana. Raha ny tetikasa novolavolain’ny TED (Terre et Environnement pour le Développement) eto Antsirabe, tamin’ny taona 2011 moa dia ny hamadihana ny fako ho lasa zezika biolojika sy ny fanaovana kapa an’ireny fatina solefanina sy lagira ireny ; saingy tsy tanteraka teto izany fa lasan’ny tanàna hafa. Ankehitriny, midobaika mameno tanàna fotsiny ny fako, manaratsy endrika ny renivohitra no manimba ny tontolo iainana. Tokony handray ny anjara tandrify azy avy ny tsirairay fa tsy hifampiandry manoloana ny toe-java-misy. Ny ahiana manko sao dia ho tara loatra amin’ny fibanjinana ny ho avin’ny taranaka amam-para ; mbola hiampy fako sy fahasimban’ny tontolo iainana indray ve ny takaitra navelan’ny rivo-doza ary manginy fotsiny ny kere any atsimo ? Tsy vao maika ho loza ny hanjo !

Partager l'article:

Les réactions

David Peterson, [27 Apr. 2016 05:47]
Moa ve ianao mila-bola, mba hividy trano, fiara? Ve ianao na amin'inona na ara-bola mikorontana sy te-handamina ny olana? No ilainao-bola mba hanomboka ny raharaham-barotra iray? No ilainao-bola mba hanefa ny fitakian'ny ny fianakaviana, na ny tsy ara-bola feno fifaliana? Raha izany no mitranga dia manahy intsony, satria isika dia tsy miankina orinasa findramam-bola izay tanjona dia ny hanampy ireo izay mila fanampiana ara-bola mba hahafahany miaina fiainana tahaka ny tiany. Fenoy etsy ambany ny endrika haka azy indray any amintsika amin'ny alalan'ny mailaka ho davidpetersonloanfirm1@outlook.com ary isika dia ho faly ny hanampy anao. Name: Firenena: State: Gender: Nomeraon-telefaona: Fenoy izany ary hahazo indray any amintsika amin'ny alalan'ny mailaka ho davidpetersonloanfirm1@outlook.com bola toy izany koa ny raharaham-barotra dia afaka hanomboka OK. Name: David Peterson Email: davidpetersonloanfirm1@outlook.com

Votre réaction?

Commbien font 1 + 5? (security question)

Lakroa en direct
  • 24 Jan. 2017 - 07:45-

    Diarin’ny kardinaly Pietro Parolin. Toa izao ny fandaharam-potoan’ny kardinaly Pietro Parolin, sekreteram-panjakan’ny Fiketrahana Masina, mandritra ny fitsidihany eto Madagasikara.
    26 janoary : 11 ora sy sasany alina ny fahatongavan’ny kardinaly Parolin eny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato.
    27 janoary : Fandraisan’ny fitondram-panjakana Malagasy azy ny tontolo andro izay ahitana fihaonany amin’ny mpitondra samihafa.
    28 janoary : Maraina no hanaovany ny fitsofan-drano ny foibe vaovaon’ny Fivondronamben’ny Eveka eto Madagasikara izay eny Ambatoroka. Vita izay dia hisy ny famangiana ny UCM ao Ambatoroka ihany ahitana fihaonana amin’ny mpiandraikitra sy ny mpianatra izany.
    Tolakandro: fihaonany amin’ny Eveka rehetra eto Madagasikara.

  • 24 Jan. 2017 - 07:43-

    Diarin’ny kardinaly Pietro Parolin (29 janoary – 31 janoary). 29 janoary no hanaovana ny Sorona Masina eo amin’ny kianjaben’i Mahamasina manomboka amin’ny 9 ora maraina. Ampahatsiahivina ny pretra fa loko fotsy no loko litorjika amin’io andro io.
    30 janoary amin’ny 10 ora maraina dia hisy ny Famelabelaran-kevitra eny amin’ny efitrano malalaky ny Ists eny Mandrimena Andoharanofotsy. “Ny atao hoe fifandraisana diplomatika ho an’ny Fiketrahana Masina” no lohadinika amin’izany.
    31 janoary: Maraina: Hisy ny famangiana ny toeram-piofanana ho pretra ao Faliarivo
    Tolakandro: Fitsidihana ny Akamasoa eny Andralanitra
    Hariva: Mitodi-doha ho any Roma ny kardinaly Pietro Parolin.

  • 24 Jan. 2017 - 07:28- Diarin’ny kardinaly Pietro Parolin. Toa izao ny fandaharam-potoan’ny kardinaly Pietro Parolin, sekreteram-panjakan’ny Fiketrahana Masina, mandritra ny fitsidihany eto Madagasikara.
    26 janoary : 11 ora sy sasany alina ny fahatongavan’ny kardinaly Parolin eny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato.
    27 janoary : Fandraisan’ny fitondram-panjakana Malagasy azy ny tontolo andro izay ahitana fihaonany amin’ny mpitondra samihafa.
    28 janoary : Maraina no hanaovany ny fitsofan-drano ny foibe vaovaon’ny Fivondronamben’ny Eveka eto Madagasikara izay eny Ambatoroka. Vita izay dia hisy ny famangiana ny UCM ao Ambatoroka ihany ahitana fihaonana amin’ny mpiandraikitra sy ny mpianatra izany.
    Tolakandro kosa ny fihaonany amin’ny Eveka rehetra eto Madagasikara.
  • 23 Jan. 2017 - 13:25-

    Concours NewcoPark 2017. NewcoPark, en partenariat aec JCI Iarivo et ESSCA, lance la 4ème édition du Concours de création d’entreprises. Ce concours de business model a pour vocation de promouvoir la création d’entreprises start-up dans le pays. NewcoPark est une ong qui a pour vocation de soutenir l'entrepreneuriat en Afrique. Il est à rappeler que les éditions antérieures, à Madagsaikara, ont été effectuée en collaboration avec ISCAM d'Antananarivo. Pour cette édition, le concours aura lieu le 21 mars 2017 à l’ESSCA Antanimena. L’inscription est ouverte sur http://www.newcopark.com/ .

  • 23 Jan. 2017 - 13:17-

    Iegap. L’association Industrial Engineering Group from Antsiranana Polytechnic ou Iegap est une association à but non lucratif créée sous l’ordonnance N°60.133 du 03/10/60. Elle a pour but de : 1-Regrouper tous les Ingénieurs sortant de l’Ecole Polytechnique d’Antsiranana depuis sa création ; 2- Apporter des améliorations pour le développement de l’Ecole ; 3- Participer pleinement au développement rapide et durable de la nation surtout dans le domaine de l’industrie ; 4- Créer un domaine d’entraide, d’échange d’informations, connaissance et expérience entre les membres. On compte plus 1300 ingénieurs sortants de l’Ecole polytechinques d’Antsiranana et 300 membres actifs au sein de l’Iegap.

  • 23 Jan. 2017 - 13:14-

    Election du président de l’Iegap. Les membres de l’association Industrial Engineering Group from Antsiranana Polytechnic ou Iegap vont tenir leur Assemblée général ordinaire et en même temps une assemblée générale élective pour élire le 11 février 2017 leur président et les membres du nouveau bureau. Un comité d’élection est mis en place pour assurer le bon déroulement de cette élection. Le comité est présidé par Rakotomanana Heriniaina. Quatre candidats sont en lice pour le poste de président dont deux vice-présidents sortants. L’élection peut se faire soit au Le Pavé le jour même ou en ligne. Les intéressés peuvent se connecter sur le site de l’association : http://www.iegap.mg/iegap.

  • 16 Jan. 2017 - 12:49-

    Date des examens du Baccalauréat.- Le Ministère de l’Enseignement Supérieur et de la recherche Scientifique a communiqué les dates des examens du baccalauréat session 2017. Le baccalauréat d’Enseignement supérieur général débutera le lundi 24 juillet 2017. En ce qui concerne le baccalauréat technologique et le baccalauréat professionnel et technique les épreuves débuteront le lundi 24 juillet 2017 pour les épreuves d’enseignement général (1ère série) et le lundi 31 juillet 2017 pour les épreuves d’enseignement technique et technologique (2ème série). http://www.mesupres.gov.mg/IMG/jpg/Bacc2017-ConfPress.jpg

  • 16 Jan. 2017 - 12:47-

    Inscription aux examens du baccalauréat. Les registres d’inscription aux examens du baccalauréat sont ouverts depuis ce lundi 16 janvier 2017 à 8 heures auprès des directeurs de l’Office et services du baccalauréat de chaque Université et seront clôturés le vendredi 31 mars 2017 à 18 heures. Les droits d’inscription sont fixés comme suit : quinze mille ariary pour les candidats d’école ; cinquante mille ariary pour les candidats libres ; cent mille ariary pour les candidats de nationalité étrangère ayant fait leur scolarité à Madagasikara. http://www.mesupres.gov.mg/IMG/jpg/Bacc2017-ConfPress.jpg

  • 13 Jan. 2017 - 07:49-

    Région Anosy. Le chef de Région Anosy était l’invité de la RNM. Il a présentéle bilan des actions de la région durant l’année 2016. Mais aussi les perspectives pour l’année 2017. On sait que les actions concrètes vont se poursuivre comme le soutien des collectivités décentralisées par exemple la dotation de matériel. Le 3 janvier 2017 le Chef de Régio a commencé la distribution de table banc. La première fournée 20 tables-bancs pour l’epp Tanambao dans le Cisco Tolagnaro, une école symbolique pour le chef de région.

  • 13 Jan. 2017 - 06:50-

    France-Afrique. Le 27ème Sommet France-Afrique se tient le 13 au 14 janvier dans la Capitale Malienne, sous la thématique “Le partenariat, la paix et l’émergence”. Madagasikara va participer pleinement à ce sommet. Le Premier Ministre Mahafaly Solonandrasana Olivier représente la personne du Président de la République de Madagasikara. A la tête de la délégation malagasy, il quittera Antananarivo dans la matinée du vendredi 13 janvier. Ce Sommet devrait permettre de faire émerger de nouvelles mesures afin de favoriser l’éducation et la formation professionnelle, l’innovation et la numérisation pour favoriser la diversification économique et l’accès au financement pour favoriser la transformation économique (source : Primature).

  • 12 Jan. 2017 - 13:09-

    Salon de l’étudiant. MadaJeune organise un salon de l’étudiant dédié spécialement aux étudiants qui ont échoué aux différents concours organisés par les différents établissements publics (universités, instituts…). Ce salon de janvier dure deux jours. Il a ouvert ses portes ce 12 janvier 2017 et se déroule au Palais des Sports de Mahamasina de 9 heures à 17 heures. 25 établissements participent à ce salon. Pour les organisateurs du salon, l’objectif est de bien informer les bacheliers pour qu’ils puissent bien s’orienter. L’entrée dans ce salon est gratuite.

  • 12 Jan. 2017 - 06:51-

    Séisme : Un séisme a été de magnitude 5,5 a secoué la Grande Ile dans la nuit du mercredi 11 janvier 2017 au jeudi 12 janvier vers 1h07mn. L’épicentre du séisme est situé à la longitude 46,62 et la latitude 20,1 du côté de Betafo.  Date & time: Wed, 11 Jan 22:06:59 UTC Magnitude: 5.4, Depth: 10.0 km, https://www.volcanodiscovery.com/earthquakes/quake-info/1545154/M5-Wed-11-Jan-Madagascar.html

  • 12 Jan. 2017 - 06:50-

    PCA de l’OMNIS. Le Conseil des Ministres du mercredi 11 janvier 2017, au Palais d’Etat d’IAVOLOHA a par décret nommé Monsieur  Rabeharisoa Erick, Président du Conseil d’Administration de l’Office des Mines Nationales et des Industries Stratégiques.

  • 11 Jan. 2017 - 12:38-

    Financement parallèle se confirme. Maharavo Doudou, au nom du DFP, Dinika ho Fanavotam-Pirenena, lance un cri d’alarme. Pour le DFP, le pouvoir actuel se tourne vers le financement parallèle. Maharavo relève deux signes principaux : d’une part, la persistance des bruits de remaniement et d’autre part, la venue prochaine de Recep Tayyip Erdogan, président en exercice de la Turquie. Le remaniement, s’il y a ne peut que retarder l’arrivée des financements traditionnels. La Turquie elle-même n’est pas encore admise au sein de l’Union Européenne aussi la venue du président de pays est un pied de nez aux bailleurs traditionnels.

  • 10 Jan. 2017 - 07:54-

    Rentrée scolaire second trimestre.  Le 1er février 2016 le Ministère de l’Education Nationale a publié l’arrêté N°2647/2016-MEN fixant les calendriers scolaires relevant de son ressort pour l’année scolaire 2016-2017. Selon cet arrêté, la rentrée scolaire pour le second trimestre a commencé le 9 janvier 2017 et se terminera le vendredi 7 avril 2017. Les journées des écoles auront lieu les 15, 16 et 17 février 2017. Les vacances de Pâques s’étaleront du samedi 8 avril au mardi 18 avril 2017.

  • 09 Jan. 2017 - 09:02-

    1 milliard d’ariary. Ce 7 janvier, au Ministère des Affaires Etrangères, les Ministres Wang Yi et Atallah Béatrice ont signé un mémorandum d’entente. Ce document concerne les relations bilatérales, et porte sur les domaines de l’agriculture, les Infrastructures, la pèche, les transports et l’Industrie. Par ailleurs, il a été annoncé que la République Populaire de Chine remettra prochainement à Madagascar deux bateaux garde-côtes, et financera également, à hauteur d’un milliard d’ariary, la réhabilitation des bâtiments du Ministère malgache des affaires étrangères.

  • 09 Jan. 2017 - 09:01-

    Madagascar-Chine. Le Ministre des Affaires Etrangères de la République Populaire de Chine, Wang Yi, est en visite officielle à Madagasikara. Il a été reçu par le Président de la République, Hery Rajaonarimampianina, le 7 janvier au Palais d’Iavoloha. « Vous êtes le premier invité d’honneur de cette année à Madagasikara, et je vous souhaite la bienvenue » a déclaré le Président de la République à son hôte. La visite officielle du Ministre Wang Yi à Madagasikara est la première effectuée par un Chef de la diplomatie chinoise dans la Grande Île depuis le début des relations en 1973.

  • 03 Jan. 2017 - 09:11- Vœux à Iavoloha. Le Président de la République, Hery Rajaonarimampianina, a reçu au cours de la matinée de ce 2 janvier les vœux des entités et des organismes rattachés à la Présidence (le Cabinet de la Présidence de la République, le Secrétariat Général de la Présidence, la Grande Chancellerie) ainsi que ceux du Gouvernement. « Démontrer et convaincre par le travail, redoubler d’efforts face aux nombreux défis à relever au cours de cette année nouvelle 2017 » : c’est le message fort du Chef de l’Etat lors de ces présentations de vœux. Les dirigeants du parti HVM sont également venus à Iavoloha présenter les vœux de nouvel an au Président Hery Rajaonarimampianina.
  • 03 Jan. 2017 - 09:11-

    Vœux à Mahazoarivo. Des membres du Gouvernement se sont rendus le 2 janvier, au Palais de Mahazoarivo, pour présenter leurs vœux au Premier ministre, Mahafaly Solonandrasana Olivier. Les proches collaborateurs du Premier ministre au sein de la Primature ont également adressé leurs meilleurs vœux pour cette année 2017. Le Premier Ministre en retour leur adressé ses remerciements et ses encouragements dans leurs missions respectives.

  • 03 Jan. 2017 - 07:49-

    Retraite des fonctionnaires à 65 ans. Le Ministère des Finances et du Budget, porte à la connaissance du grand public qu’à partir de 2017, l’âge de la retraite des fonctionnaires est fixé à 65 ans. Cette décision a été prise afin de combler la caisse de prévoyance de la retraite. Les responsables de ce Ministère font savoir que bon nombre d’institutions et entreprises étatiques ne versent pas régulièrement les cotisations de retraite de leurs salariés de ce fait l’Etat verse 290 milliards d’ariary par an pour combler le gap.

Du même auteur

monde
politique

Dans la même rubrique

societe
societe
Publicité