logo
Lakroan'i Madagasikara
Géopolitique

Tokony hatahotra ny mpino silamo ve isika ?

Eliasy Liva il y a 2 années

Matahotra daholo, hono, ny olona eto Frantsa taorian’iny famonoana ireo mpanao gazetin’ny “Charlie Hebdo” nataon’ireo mitonona ho “islamista – jihadista”, ny alarobia 7 janoary 2015 lasa iny. Fanadihadiana.

Tokony  hatahotra  ny  mpino silamo  ve  isika ?

Matahotra daholo, hono, ny olona eto Frantsa taorian’iny famonoana ireo mpanao gazetin’ny “Charlie Hebdo” nataon’ireo mitonona ho “islamista – jihadista”, ny alarobia 7 janoary 2015 lasa iny. Matahotra ny Jiosy ka te hiverina any Israely. Matahotra ny Silamo fa toa voatondro molotra, mpiray tsikombakomba, ho lazaina fa fahavalo. Matahotra koa , hono, ny kristianina sao misy misy mandrangitra adim-pinoana. Matahotra koa ny mpiavy fa sao miteraka fankahalana vahiny izao. Matahotra ny rehetra fa ny Repoblika no tian-kovonoina izay tsy mampifandrafy ny Fanjakana sy ny Fivavahana, fa mampisaraka izany, ilay hoe “laïcité”. Koa mitombona ve ny tahotra ary aiza ny fototr’izany tebiteby izany. Fanadihadiana.

 

Nivarahontsana ny rehetra nandre ny filazam-baovao ny marain’ny alarobia 07 janoary 2015 fa mpanao gazety folo avy ao amin’ny gazety mpanao sary hatsikana “Charlie Hebdo” eto Paris (75) nandritra ny “conférence de rédaction” no notifirin’ireo mpampihoroho mitonona ho “islamista jihadista” , valifaty tamin’ny fanevatevana natao tamin’ny mpaminany Mahomet, hoy i Saïd sy Chérif Koauchi nahavanon-doza. Nisy koa polisy roa maty tamin’io andro io. Ny ampitso alakamisy 08 janoary dia mbola nisy famonoana polisy iray tany Montrouge (92) sy Jiosy efatra tao amin’ny tranombarotra hyper casher tao Porte de Vincennes (94) nataon’I Amédi Coulibaly. Nisy koa ireo naratra. Niarafara tamin’ny fifandonana tamin’ny mpitandro filaminana moa izany ka nahafaty azy telo mirahalahy ireo. Ary efa voalevina daholo ny maty fa ny velona no mametraka fanontaniana : fa inona marina no anton’izao zava-doza izao ?

 

Geja politika

Ny 17 desambra 2010 dia nandoro tena ilay zatovolahy tonizianina iray, Mohammed Bouazizi, mpanao varo-mandeha rahefa nalaina taminy ny kalesa kely sy fandanjana fitaovam-piasany ka tsy naverina taminy. Io no vanja nampirehitra ilay hoe “Printemps arabes”. Hetsika tsy manampaharoa no niseho hatrany Tonizia ka nipaka tao Ejypta vao nihitatra tany Libye, Bahrein, Yémen ary Syrie. Tany silamo daholo ireo na ny maro an’isa ao aminy ary misy jadona politika avokoa. Mangetaheta demokrasia ny vahoaka arabo. Vokatr’izany dia nandositra ny Filoha Ben Ali tany Tonizia, niongana koa ny Filoha Moubarak tatsy Ejipta ny volana janoary 2011 daholo izany ;  maty novonoina I Khadafi volana oktobra 2011, izay nandraisan’ny Angilisy sy Frantsay anjara tamin’ny zera bomba. Mbola ady an-trano ao Syrie hatramin’izao ary tany tsy misy fanjakana any Yémen izao. “Avotra” ny mpitondra tao Bahrein satria niditra Arabie Saoudite ary nikipy maso ny Amerikanina satria ny solitany no arovana. Ao Bahrein rahateo no misy ny Etamazaoro miaramila  amerikanina misahina iny Afovoany Atsinanana iny (Moyen-Orient).

I Tonizia irery no afaka niroso tamin’ny fifidianana malalaka ary koa I Ejypta. Saingy ireo antoko islamista no nandresy Ennhada tao Tonizia ary Frères Musulmans tany Ejypta. Avy hatrany anefa izy ireo dia nampiditra ny lalàna islamika (charia) ifampifehezana ka nihetsika indray ny vahoaka satria tsy izany no mahamaika. Nanao fifidianana malalaka fanindroany indray tany Tonizia ny volana oktobra 2014, ary nandresy ny Vondron’Antoko Laika (NidaaTounes), ary resy ny Antoko islamika Ennahada. Efa mijoro ny governemanta demokratika any Tonizia ny 23 janoary 2015 lasa teo.

Ny tao Ejypta kosa dia ny miaramila no nanongam-panjakana, notarihan’I Maréchal Al-Sissi  ny volana jona 2013,  izay nisy ireo mpitondra islamista,  voafidy araka ny fomba demokratika dia ny Frères musulmans notarihan’I Mohamed Morsi. Nikipy maso koa eto ny Amerikanina satria akaiky loatra an’I israely I Ejypta ka tsy tsara misy fitondrana islamista. Avy moa narahina fifidianana izany. Koa tsy ny fanonganam-panjakana akory no ratsy na ny demokrasia no tsara  eo imason’ny Tany Tandrefana fa ny hoe : aiza no misy ny tombontsoany.

 

 

Ady diplomatika

Araka izany dia misy ifandraisany na fiantraikany foana ny raharaha anatin’ny firenena iray sy ny fifandraisana diplomatika.  Misy tarazo ara-tantara izany fony mbola teo ny fanjanahantany. Nisy ny fifaninana nifanaovan’ny Anglisy sy ny Frantsay teo amin’izay sehatra izay. Ny Anglisy no azo lazaina fa nifehy ny solitany tao Afovoany Atsinanana. Samy manana ny ambandaina ireo firenena roa mpanjanaka ireo eran’izao tontolo izao, fa ny Anglisy no manatombo. Sarona eo amin’ny fifaninana misy eo amin’izy roa tonta ny ny tena tolom-bahoaka ho an’ny demokrasia. Raha vao nijoro ny Firenena israelianina ny taona 1948 dia niova tanteraka ny “géopolitique”, satria teraka koa ny “nationalisme arabe” izay nohetsiketsehan’I Nasser tao Ejypta, sady manohana ny fampijoroana ny Fanjakana Palestianina. Fanjakana roa no natsangan’ny Firenena Mikambana : Israely sy Palestina. Fa nolavan’ny  tany arabo ny fisian’I Israely. Dia izao mbola lovana izao ny disadisa ady tany.  

Lasa ireo izany no hery manosika ny tolona arabo : fandrodanana ny Fanjakana israelianina ary fananganana Fanjakana palestinianina. Raha nalaini’I Nasser ho fananam-pirenena ny lakandranon’I Suez ny taona 1956, dia nisy ny tamba-be nataon’ny Anglisy sy ny Frantsay ary ny Israelianina. Rahefa nandrahona ny Sovietika dia nijanona izany. Manomboka eto dia lasa fifaninana eo amin’ny Amerikanina sy ny Sovietika ny sehatra diplomatika eran-tany na dia eo ihany aza ny Anglisy sy ny Frantsay fa efa manangasanga  koa ny Sinoa amin’izao fotoana izao, izay tsy tia herisetra loatra fa mihinana milamina fotsiny.

Tsy nahomby anefa hatramin’izao io tolona arabo io na eo anivon’ny vahoaka na eo amin’ny sehatra diplomatika ka dia lasa ny fivavahana silamo no ianteheran’ny olona ka araraotin’ireo manembona ny taloha fony natanjaka izany, tamin’ny andron’ny Fanjakana Ottomans (Torkia ankehitriny) ka nisy ny antsoina hoe : Califats. Ny tany tandrefana lehibe miaro ny tomboantsoany  ara-toe-karena moa ny tany arabo miaro ny fivavahany mba itrakany, fa ny vahoaka arabo mangetaheta demokrasia sahaza azy. Mifanjevo ny fanarahana ny toe-draharaha. Fivavahana silamo sy diplômasia. Ny Amerikanina manohana ny Arabie Saoudite, tany mpamokatra voalohany solitany, kanefa isan’ny mpampiatra ny tena fomba silamo entitra dia ny wahhabisme, sady toerana misy an’I La Mecque. Toerana voalohany fanaovan’ny Silamo Fivahiniana Masina. Mavesa-danja araka izany I Arabie Saoudite. Mpamatsy vola hanaovana ny Mosquées sy mandefa imams any amin’ireo toerana misy silamo. Voakasik’izany ny aty Eorôpa.

 

Adin’ny samy Silamo

Satria misy fifandrafiana eo amin’ny Silamo, dia ny Sunnites maro an’isa sy ny Chiites vitsy an’isa dia ireny koa no zary fitaovana ampiasain’ny tany lehibe iarovana ny tomboantsoany. Ampatsiahivina fotsiny fa tsy nanam-potoana nanendrena izay hisolo azy ny mpaminany Mahomet alohan’ny nahafatesany, maty tampoka, matin’aretina. Loharanon’ady tsy mety vita teo amin’ireo milaza azy ho mpandimby izany. Ny fototr’olana izany dia ny fifandimbiasana taorian’I Mahomet. Ireo milaza fa ny fianakavian’I Mahomet ihany no mpandimby no Chiites raha fintinina amin’ny ankapobeny, ary ny Imam no sady lehibe ara-piaraha-monina (chef politique) sy ara-pivavahana (guide spirituel). Avy eo moa dia arahina tsangan-kevitra sy rohin-kevitra ara-pivavahana izany mba hanamafisana ny rindran-damina sy fitantanana antanatohatra (hiérarchie) ifampifehezana.

 Ireo rindran-kevitra notovozina tamin’ny Coran (boky masin’ny Silamo) sy ny fampianarana avy amin’izany no navondrona, antsoina hoe : Sunna. Sunnites ireo silamo mpanaraka izany dia saika ny rehetra. Ny lehiben’ny Silamo no antsoina hoe Calife (khalifat), izany hoe mpandimby an’I Mahomet. I Abou Bakr no Calife voalohany, namany akaiky sady rafozan-dahiny. Ny taona 1924 no tsy nisy intsony izany Calife izany. Rava ny Fanjakana Ottoman ary teraka ny Firenena tiorka vaovao (Turquie ankehitriny). Rahefa nandresy ny revolisiona islamika iranianina tamin’ny taona 1979 dia ny Ayatollah Khomeyni no Lehibe fara-tampony eo amin’ny tany sy ny fanjakana. Manomboka eto ny resaka Repoblika Islamika. Fifandonana tsy mety vita eo amin’ny Sunnites sy ny Chiites. Iran sy Irak izany no tena misy ny Chiites sady maro an’iisa rizareo. Ny tany silamo rehetra dia saika Sunnites daholo. Rahefa niorina ny Al Qaïda notarihan-dry Ben Laden, taorian’ny fidiran’ny sovietika tany Afghanistan ny taona 1979, no azo lazaina fa teraka ny tena fampihorohoroana (terrorisme islamique), miainga  amin’ny fankahalana ny tany tandrefana manohana an’I Israely sy ny komonisma ary ny Chiites,  sy ireo mpitondra arabo miray tsikombakomba azy ireo. Fanoherana ny tsindry azo lena, hoy ny fiteny, ka amporisihana ny ady masina “djihad”. Misy azy ireo ankehitriny manomboka any Mauritanie, Mali, Niger, Libye, Nigéria, Centrafrique, Soudan, Yémen, Afghanistan, Pakistan.Ireo ilay antsoina hoe: “arc terroriste”. Mahafotaka ny ato Moyen-Orient satria nanangana “Etat Islamique” ny mpampihorohoro, mpifanina amin’ny Al Qaïda, hamerenana ny Califat taloha, hono.

 

Famaranana fa tena lavabe dia ny hoe: tsy ny fivavahana silamo akory no mandrehitra afo, fa ireo vondron’olona na antoko (jamat) mpampihorohoro toy ny AQMI atsy Afrika avaratra, ny Boko haram ao Nigéria, sns.  Ny Al Qaïda ao Moyen-Orient. Satria I Frantsa no tany eoropeanina be silamo indrindra, ka isan’ny toerana iasan’ireto “islamista djihadista” ireto, ireo tanora frantsay Arabo na Afrikanina fiaviana. Mahatsiaro voahilika ara-piaraha-monina izy ireo. Any izany no vaha-olana karohina fa tsy ny fankahalana fivavahana silamo, na tahotra. Ilaina ny fanamafisana ny fifanatonan’ny fivavahana silamo sy ny fivavahana kristianina ho amin’ny fiaraha-miasany sy ny fifankahalalany bebe kokoa (dialogue islamo-chrétien). Eo koa moa ny fivavahana jody.  Ny fanontaniana dia hoe : mahazaka ny fisian’ny demokrasia sahaza azy ve ny fivavahana silamo ? Tadidio fa ny vahoaka silamo no be maty amin’izao zava-mitranga izao. Iaran’ny mafy indrindra.

Partager l'article:

Lakroa en direct
  • 24 Mar. 2017 - 07:11-

    Flash appeal pour 20 millions de dollars. La cérémonie de lancement du "flash appeal" a été effectuée ce jeudi 23 mars 2017. Une demande d'aide d'une valeur de 20.067.549 dollars américain a été lancée conjointement  par le Gouvernement Malgache, le Système des Nations Unies (SNU) à Madagascar et l’ensemble de l’Equipe Humanitaire du Pays à la Primature pour faire face aux conséquences dévastatrices du cyclone Enawo sur les familles vulnérables du Nord-Est et de l'Est de Madagascar et mener les actions humanitaires et de relèvement y afférentes.

  • 24 Mar. 2017 - 07:05-

    Absence de résultats du pouvoir. Maharavo Ratolojanahary, porte-parole du mouvement DFP Dinika ho Fanavotam-Pirenena, déclare que le pouvoir actuel se caractérise par l’absence notoire de résultats probants dans l’obtention de financement pour réaliser les promesses été les différents programmes érigés depuis l’arrivée du Président Rajaonarimampianina à la tête de l’Etat en 2014. Il n’a eu que des promesses de la part des différents bailleurs (CBI ou Conférence des bailleurs institutionnels, FEC, 11ème Fed…). La dernière mission effectuée par le FMI ces derniers jours ne fait que confirmer cela. Les bailleurs ne font pas confiance à ce pouvoir.

  • 23 Mar. 2017 - 17:08-

    Oliva Randimbiarisoa élu président de l'Asoimi. Le candidat Oliva Randimbiarisoa a été élu lors de la deuxième version de l'élection du président de l'ASOIMI (Association Omnisport Interministériel  et Institution) effectuée ce 21 mars. Il a été élu avec 330 voix soit 97,5% des votants. Il faut rappeler que le candidat Abel Randriamanarivo a retiré sa candidature lors de cette élection. Pour mémoire, ce candidat a été déclaré élu lors de l'élection effectuée le 22 février  dernier. Cette première élection a été considérée comme nulle par le MJS, Ministère de la Jeunesse et des Sports ministère de tutelle.

  • 23 Mar. 2017 - 17:08-

    Défaillance du Ministre de l'Intérieur. Maharavo Ratolojanahary, porte-parole du mouvement DFP Dinika ho Fanavotam-Pirenena, a fait savoir que les nombreuses manifestations de la foule aboutissant à des actions violentes classées comme justice populaire démontre l'incompétence de l'Etat. Il appartient à l'Etat et en particulier au Ministre de l'Intérieur d'assurer l'activité de police administrative par l’intermédiaire des chefs de district. Toute action venant d'autre ministère est de ce fait manifestement illégale notamment celle entreprise par le Ministre de la Sécurité publique envoyant des policiers à Antsakabary.

  • 21 Mar. 2017 - 13:29-

    Cnaps Sport et la coupe. Après son match nul à domicile, la Cnaps Sport est éliminée de la ligue des champions. Elle a été reversée dans la compétition de la Coupe de la Confédération. Il ressort après le tirage au sort des 1/16ème de finale que la Cnaps Sport affrontera la Recreativo do Libolo de l'Angola pour  une place en phase de groupe. Le match aller se déroulera à Madagasikara entre le 7 et le 9  avril et le match retour se tiendra en Angola entre le 14 et le 16 avril.

  • 21 Mar. 2017 - 08:09-

    Don pour la Hcc. Omer Kalameu, Conseiller aux Droits de l’Homme des Nations Unies auprès du bureau de la Coordinatrice Résidente des Nations Unies/Equipe pays de Madagascar a remis à la Haute Cour Constitutionnelle (Hcc) un lot d’ouvrages et de brochures relatifs aux droits de l’homme ce 17 mars. Ce don entre dans le cadre de l’appui du système des Nations Unies à la branche judiciaire malagasy. Au cours de cette cérémonie, le Conseiller aux Droits de l’Homme a fait part au Président de la Hcc, Jean-Eric Rakotoarisoa, de la satisfaction de l’organisme qu’il représente quant à la démarche de la Cour qui fait souvent référence dans ses décisions aux Conventions internationales relatives aux droits de l’homme.

  • 20 Mar. 2017 - 12:51-

    La CUA se rebiffe. Les responsables au niveau de la Commune urbaine d’Antananarivo ont réuni les chefs fokontany de la Capitale. A l’ordre du jour de cette rencontre une explication sur l’absence du logo de la Commune dans les papiers administratifs délivrés par les fkontany et l'enlèvement du drapeau de la Commune dans les locaux des fokontany. Julien Randriamorasata, deuxième adjoint de la Commune, a été claire dans sa conclusion. Le logo de la CUA doit être visible sur tous les papiers administratifs relevant de la responsabilité de la Commune (certificat de résidence…).

  • 19 Mar. 2017 - 06:57- Cnaps out de la LDC. Lors du match retour en 16ème de finale en ligue des champions (LDC). La Cnaps Sport n'a pu faire que match nul. Cnaps Sport et Coton Sport se sont séparés sur le score de 1 but partout. Le match s'est déroulé à domicile sur le stade du club malagasy. Cnaps a joué conte-nature en balançant des longs raids en avant. La présence massive des spectateurs n 'a pas suffi à surmotiver les joueurs.
    Malgré cette élimination l’équipe de la CNaPS poursuit son parcours africain. L’équipe est reversée aux 1/16ème de finale de la Coupe de la Confédération.
  • 18 Mar. 2017 - 08:49-

    FMI à Mahazoarivo. Plusieurs points ont été soulevés durant l’entrevue effectuée ce 17 mars.

    • la situation actuelle de la JIRAMA étant donné que l’objectif de baisser les subventions venant de l’Etat Malagasy n’étaient pas atteints à cause de la sécheresse ;

    • la situation de la Compagnie Air Madagascar où les négociations avec le partenaire stratégique identifié ont démarré ;

    • le retard dans la finalisation de la loi sur le recouvrement des créances, et l’automaticité du mécanisme d’ajustement des prix du carburant.

    • le traitement de la dette importante

    • les impacts du passage de cyclone sur le budget 2017.

  • 18 Mar. 2017 - 08:48-

    FMI à la Primature. David Owen, le Directeur Adjoint du FMI du Département Africain; Rasolofondraibe Alain Hervé, le Gouverneur de la Banque Centrale de Madagascar ; Mamy Rajaobelina, un conseiller auprès de la Présidence de la République et le Ministre des Finances et du Budget Rakotoarimanana François Gervais, ont été reçus ce 17 mars par le Premier Ministre Mahafaly Solonandrasana Olivier.  Cette visite s’inscrit dans le cadre d’une optique tendant à favoriser un système monétaire international stable qui encourage les échanges de biens et services, et des capitaux. Dans ce sens, David Owen a pour mission de réviser et d’évaluer la mise en œuvre du Programme FEC du 31 décembre 2016 et d’assurer l’application ferme du régime de change, et du respect de nos engagements en tant que pays membre.

  • 17 Mar. 2017 - 08:30-

    Formation de formateurs au sein du CRFIM. Onze (11) participants ont consolidé, du 30 janvier au 10 février à Antananarivo, leurs compétences en visualisation des données d’intérêt maritime pour le compte . Ils proviennent de plusieurs administrations impliquées dans l’action de l’Etat en mer et 8 d’entre eux ont réussi à passer avec succès les tests de contrôle. Ils sont sélectionnés pour devenir des formateurs. Cette formation spécifique se déroulera du 20 mars au 7 avril 2017 à Antananarivo. Cette formation est possible grâce au projet européen CRIMARIO avec le soutien du Centre Régional de Fusion des Informations Maritimes (CRFIM).

  • 17 Mar. 2017 - 06:56-

    Cnaps vs Coton Sport et organisation des transports. L’après-match lors de la rencontre entre Cnaps sport et Township Rollers du 11 février a été un cauchemar pour les spectateurs qui ont dû subir 4 voire 5 heures d’embouteillage pour allier Vontovorona et Anosy. Pour y remédier les organisateurs du match ont annoncé lors d’un point de presse effectué au siège de la Cnaps Ampefiloha les mesures prises durant le match retour qui se jouera ce samedi 18 mars 2017.

    Circulation. Une déviation a été créée au niveau du Cur cela permet d’avoir une circulation en sens unique (tant pour aller que pour le retour) pour rallier le Complexe culturel et de loisirs. La déviation est indiquée sur place.

    Parking. Les endroits pour garer les voitures ont été augmentés. Toutefois, à partir de 13 heures, les voitures légères ne pourront plus se rendre au Complexe CCL. Les propriétaires devront garer leur voiture au niveau du Cur. Une navette payante est mise en place entre Vontovorona et le CCL. Après 13 heures, seules les voitures munies de coupe-file peuvent se rendre au CCL.

    Transport en commun. Les responsables des coopératives de la ligne G (Cotransmar et Kofiamo) ont accepté de travailler avec les organisateurs du match. Les tarifs sont les suivants : 1000 Ar d’Anosy au CCL (aller comme au retour) ; 800 Ar de Fenoarivo au CCL et  400 Ar de Vontovorona au CCL.

  • 16 Mar. 2017 - 15:04-

    Organisation à Vontovorona. Selon les organisateurs des évènements au sein de la Cnaps à partir de 13 heures les voitures légères ne pourront plus rallier le Complexe de la Cnaps sis à Vontovorona. Des parkings seront disponibles au niveau du CUR et de l'eglise Fjkm. Les voitures munies de coupe file peuvent circuler. 

  • 16 Mar. 2017 - 14:53- Ahmad. Selon les iniformations qui corculent entre les amoureux du football Ahmad,  président de la fédération malagasy foothall,  est élu présodent de laa Caf.
  • 16 Mar. 2017 - 14:38- Cmaps vs Coton Sport. Les responsables au niveau du club Cnaps Sport annoncent de grandes mesures pour éviter les désagréments survenus lors du premier match international qui a eu lieu au stade Cnaps Votonvorona. Tant les policiers que les gendarmes affirment faire le mximum.
  • 16 Mar. 2017 - 07:16-

    Bilan après passage de Enawo. Voici le bilan après le passage de Enawo pour la journée du 15 mars 2017 à 18h00, ce bilan fait état de : 81 morts, 18 disparus, 250 blessés, 424 801 sinistrés, 246 842  personnes déplacées cumulées et  79 071 personnes déplacées actuelles. La région SAVA a enregistré le plus grand nombre d’infrastructures de bases endommagées avec 335 écoles publiques endommagées et 17 formations sanitaires touchées.

  • 15 Mar. 2017 - 13:18-

    Fiteva au chevet des sinistrés. Une délégation de la Fiteva emmenée par les dirigeants du bureau national de cette association a témoigné de sa compassion devant les malheurs qui a frappé une partie de la population malagasy. Elle a apporté des produits vivriers produits qui proviennent de la région même, composé de carottes, des pommes de terre, et des pommes pour les sinistrés hébergés à l'ANS Académie nationale des Sports à Ampefiloha. La Fiteva ou Fikaambanan'ny terak'i  Vakinankaratra regroupe les natifs de la région.

  • 15 Mar. 2017 - 07:02-

    Bilan après passage de Enawo. Le bilan ce 14 mars 2017 à 18h00 : 18 personnes portées disparues, 78 morts, (certains disparus trouvés morts, et cas de nouveaux décès dus à des effondrements de maisons à Brickaville et Vatomandry), 250 blessés, 394 114 sinistrés, 246 987 personnes déplacées (nombre de personnes ayant dues se déplacer pendant le passage d’Enawo).


  • 15 Mar. 2017 - 06:57-

    Sinistre national. Selon un communiqué émanant du BNGRC l'Etat malagasy a décrété l'état de sinistre national. suite au passage du cyclone Enawo.

  • 14 Mar. 2017 - 14:45-

    CNTEMAD. Le CNTEMAD Centre national de téléenseignement de Madagasikara se veut être une université de proximité et inverser une  mauvaise tendance. 

Du même auteur

monde
politique

Dans la même rubrique

politique
politique
Publicité