logo
Lakroan'i Madagasikara
Fanamboaran-dalana ao Antsirabe

Natambatra ny hery eny ifotony tao Bira

R. Hajatiana Léonard il y a 3 années

Nandray andraikitra tamin’ny fanatsarana ny lalana mampitohy an’i Vatofotsy sy ny Gara ny antoko HVM, izay nanomboka ny volana febroary 2015. Anjaran’ny kaominina sy ireo fokontany ny sisa.

Natambatra ny hery eny ifotony tao Bira

Ny voalohany volana febroary 2015 teo no nanombohan’ny antoko Hery Vaovao ho an’i Madagasikara (HVM) ao Antsirabe ny asa fanaovan-dalana. Vetivety ihany dia vita ny fanotorana ireo kilavadavaka eran’ny lalana tamin’ny alalan’ny fasika sy karao-bato ary ny simenitra. Sarotra hoy ireo teknisianina nentin’i HVM ny hanao godorao ny lalana amin’izao fahavaratra izao noho ny orana tsy an-kijanona isan’andro. Asa tana-maro no natao. Tsy diso anjara tamin’ity fanavaozana ity ihany koa ny fiaraha-miombon’antoky ny fokontany sy ny kaominina. Voatototra daholo ny lavaka ary namotehina vato mihitsy mba hanamafy izany. Tena efa ratsy tokoa manko teo aloha teo ny eo amin’ny sampanan’i Voaria noho ireo kamiao lehibe mihodina eo, ary isan’ny namotika ny lalana koa ny sarety avy any ambanivohitra. Saika rava tanteraka ny teo amin’i Voaria raha somary tara kely ny fandraisana andraikitra satria sady lavaka no fotaka, ary manginy fotsiny ny rano-potaka. Ankehitriny, efa vita ny fanarenana ny lalana ka tonga eo am-bavahadin’ny tsenan’Asabotsy izany. Amin’ny ankapobeny, nilamina ny olan’ny lalana, eny fa na ireo fahasimbana tamin’ny lalam-pirenena faha-7 aza, dia efa nisy fikojakojana avokoa. Deraina manokana amin’izany ny fahavitrihan’ireo namita ny asa lalana na dia tao anaty orana aza matetika ny asa. Ny lalana rahateo no anisan’ny soa lehibe iombonan’ny rehetra ary isika vahoaka no mahazo ny tombontsoa voalohany amin’izany. Tokony ho sarotiny amin’ny fanajana ny lalana ianao raha toa ka misy ireo manimba na tsy mitandrina azy. Samy mizàka ny vokatry faharatsian-dalana avokoa ny tsirairay rehefa tsy misy ny fitandremana sy ny fanaraha-maso akaiky.


Ambohimena : mbola Antsirabe

Vita tsy nisy hadino ny lalana raha vao hiditra an’Antsirabe ka mianatsimo tonga eny amin’ny orinasa SACIMEM Ambalavato, raha ny lalam-pirenena faha-7 manokana no jerena. Betsaka no niandry ny hitohizan’ny asa saingy nijanona izany. Hatreto aloha, hoy ny tompon’andraikitra, dia mbola tsy fantatra ny mikasika ny lalan’Ambohimena na hatao na tsia. Fa raha ny tokony ho izy anefa, ny lalam-pirenena aloha no laharam-pahamehana, ka tafiditra tsara ao anatin’izany Ambohimena. Ny mahagaga ny olona ihany koa, dia ity no tanàna isan’ny miantoka ny fandrosoan’Antsirabe noho ireo orinasa maro izay ao aminy avokoa, kanefa voasingana manokana tamin’ny fanamboaran-dalana natao. Hafa ihany koa ny fandaharan’asa eo anivon’ny fokontanin’Ambohimena, izay voalaza fa ny lalana mitsofoka anaty tanàna ihany no hamboarina tsy ho ela. Manahy mafy ny mponina ao an-toerana ny mety hisian’ny lozam-pifamoivoizana amin’ity lavaka be eo afovoan-dalana atsimon’ny tobin-dasantsy Jovenna ity. Ary raha tsy misy fijerena faran’izay haingana indrindra izany, dia tsy isalasalana ny fahatapahan’ny lalana. Mananosarotra araka izany ny fifamoivoizana ao Ambohimena noho ny haratsian’ny lalana, ary manoloana izay ihany koa, tery dia tery ny lalana ka samy mihafihafy na ny fiara na ny mpandeha an-tongotra. Io faritra io no be mponina indrindra ao Antsirabe ka inoana fa hovalian’ny tompon’andraikitra ny antson’izy ireo. Antony iray manampy trotraka ny faharavan’ny lalana ao Antsirabe ny rotsak’orana tafahoatra ka zary fotaka fotsiny no diavina manerana ny lalana anelankelan-trano. Ary ny mampatahotra aza hoy ity mpamily ity, dia ho asa very maina ny fanamboarana, satria malemy ny fasika sy ny karao-bato noho ny orana.

Tsy ny ao Antsirabe irery ihany no misedra izay olana lalana izay eto Madagasikara. Ny lalam-pirenena faha-9, mampitohy an’i Morondava sy Toliara mandalo an’i Manja, izay efa nasiam-panamboarana tamin’ny 2014 aza moa dia simba sahady, hany ka tena mihitsoka tokoa amin’izao fotoana izao ny vahoakan’i Manja ary mihidy tanteraka ny lalana.


Fanamarihana kely, tsara tokoa ny mahita vondron-kery mandray andraikitra saingy sao mba tsy an'ny antoko politika ny manamboatra làlana fa manomana lalàna hanamora ny fanamboarana ny làlana no andraikiny na manery ny fanjakana hanmboatra ny làlana no ataony?





Partager l'article:

Lakroa en direct
  • 17 Oct. 2017 - 13:38-

    Senatera vaovao, minisitra vaovao. Araky ny fanambarana nataon’i Sekretera Jeneralin’ny Fiadidiana ny Repoblika teny Iavoloha ny antoandron’ny 17 okitobra dia : voatendry ho loholon’i Madagasikara nisolo toerana an’i Ahmad i Rivo Rakotovao. Randriarimanana Harison Edmond kosa no voatendry ho minisitra eo anivon’ny Fiadidiana ny Repoblika misahana ny fambolena sy fiompiana misolo ny toeran’i Rivo Rakotovao. Soritana fa efa nisahana io ministera io i Randriarimanana Harison Edmond. Izao fanapahana izao dia efa noraisina ny 12 okitobra fa izao vao nambara ampahibemaso.

  • 17 Oct. 2017 - 12:48-

    Bilan de la peste au 16 octobre. La situation de l’épidémie de la peste affecte actuellement 38 Districts, qui se trouvent dans 17 Régions de Madagascar. 805 cas de peste ont été notifiés, dont 595 de formes pulmonaires et 210 de formes buboniques. Le bilan fait état de 74 décès.  Parmi ces cas notifiés : 62 sont confirmés selon les résultats de l’Institut Pasteur de Madagascar (IPM) ; 367 sont probables selon le test de diagnostic rapide (TDR) ; 377 sont des cas suspects. Source : Minsanp

  • 17 Oct. 2017 - 07:12-

    Deuxième session ordinaire. Selon l’article 75 de la Constitution l'Assemblée Nationale se réunit de plein droit en deux sessions ordinaires par an. La durée de chaque session est fixée à soixante jours. La première session commence le premier mardi de mai et la seconde, consacrée principalement à l'adoption de la loi de finances, le troisième mardi d'octobre. De même pour le Sénat comme le dispose l’article 84. Cette deuxième session commence ce 17 octobre à 14 heures pour les députés et 16 heures pour les sénateurs.

  • 17 Oct. 2017 - 06:37-

    Araka ny fanarahana akaiky ataon'ny #cellule_riposte_peste ireo ZAP nahitana ny trangana pesta ka nanakatonana ireo sekoly dia misy izy ireo no efa tsy misy ahiahiana intsony. Miverina mianatra noho izay ny mpianatra eny anivon'ireto ZAP ireto manomboka ny Alarobia 18 Oktobra ho avy izao:

    DREN ANALAMANGA:
    CISCO MANJAKANDRIANA

    • ZAP RANOVAO
    • ZAP AMBOHITROLOMAHITSY

    DREN ITASY:
    CISCO ARIVONIMAMO

    • ZAP ARIVONIMAMO I
    • ZAP ARIVONIMAMO II
    • ZAP ALAKAMISY KELY
    • ZAP AMPAHIMANGA
    • ZAP AMBATOMIRAHAVY

     CISCO MIARINARIVO
    • ZAP MIARINARIVO I
    • ZAP MANAZARA

     CISCO SOAVINANDRIANA
    • ZAP MAHAVELONA

    DREN HAUTE MATSIATRA:
    CISCO LALANGINA

    • ZAP ALAKAMISY AMBOHIMAHA 

    CISCO AMBOHIMAHASOA
    •ZAP AMPITANA
    •ZAP ISAKA
    •ZAP AMBOHINAMBOARINA

    DREN AMORON'I MANIA:
    CISCO FANDRIANA
    • ZAP IMITO

    DREN VAKINANKARATRA:
    CISCO ANTSIRABE I manontolo

     

    Cellule riposte/MEN

  • 16 Oct. 2017 - 07:29-

    Situation générale de la peste le 13 octobre. La situation épidémiologique du 1er août au 13 octobre 2017 est détaillée comme suit : 610 est le nombre total de cas rapporté (cumul pour tout Madagasikara pour toute cette période et pour tout type de peste confondue).

    63 : Nombre de personnes décédées (cumul pour tout Madagasikara pour toute cette période et pour tout type de peste confondue).  Taux de létalité nationale : 10,3% (c’est le rapport du nombre de décès avec le nombre total des cas notifies). Source : Minsan.

  • 15 Oct. 2017 - 18:13-

    Atlantis Business School renforce sa présence auprès des écoles à Antananarivo. Le samedi 14 octobre Rasolofonjatovo Ny Aina, un des responsables du bureau de Atlantis Business School ou ABS offre à Antananarivo a rencontré les représentants de quelques écoles d’expression française pour présenter les avantanges et les possibilités de poursuivre les études au sein de l’ABS. ABS offre aux étudiants la possibilité d'étudier à Maurice pour obtenir un diplôme internationalement reconnu décerné par UUM (University Utara Malaysia)  prestigieuse université malaisienne. ABS est aussi accréditée auprès de he Association to Advance Collegiate School of Business des États-Unis.

  • 14 Oct. 2017 - 13:13-

    Fahatongavan’ny nofo mangatsiakan’ny Filoham-pirenena teo aloha Zafy Albert. Ny nofo mangatsiakan'ny Filoha Albert Zafy dia ho tonga eny Ivato ny 14 oktobra amin'ny 4 ora sy 10mn. Aorian'ny fanomezamboninahitra ho tontosanan’ny fanjakana, dia ho entina eny antranony eny Ivandry villa franchise ny vata mangatsiaka. Toy izao ny lalana hizorana: Ivato- Talatamaty-rond point Ankazomanga - route des hydrocarbures - Ivandry.

  • 14 Oct. 2017 - 12:21-

    Fanambaran’ny Filoham-pirenena, Hery Rajaonarimampianina, manoloana ny fahalasanan’ny Filoha Zafy Albert. Ry Vahoaka malagasy, amin’alahelo tokoa no nandrenesana ny fodiamandrin’ny Profesora ZAFY Albert tany amin’ny Nosy La Réunion. Very olomanga ny firenena satria Filoham-pirenena voafidim-bahoaka tamin’ny taona 1992 ny filoha Zafy Albert, ary niady sy nandala ny demokrasia sy ny fihavanam-pirenena. Koa amin’ny anaran’ny vahoaka Malagasy, amin’ny anaran’ny fitondram-panjakana iray manontolo, sy amin’ny anaran’ny tenanay manokana, no itondranay ny fiaraha-miory amin’ny vadiny sy ny zanaka aman-jafiny ary ny fianakaviana, mangataka ny fitahian’Andriamanitra mba hampahery azy ireo hatrany.

  • 13 Oct. 2017 - 14:04-

    Décès du Pr Zafy Albert. Le professeur Albert Zafy, ancien président de la République malgache, est décédé ce vendredi 13 octobre à l’hôpital de Saint-Pierre, selon la publication qu’on peut lire sur le site de la Présidence de la République de Madagasikara. Il a été évacué sur l'île de la Réunion ce jour 12 octobre. Le Professeur, fondateur du parti Undd et acuellement Président d’honneur, ancien Président de la république a été admis à la polyclinique d’Ilafy le 11 octobre 2017. Il est âgé de 90 ans. www.lakroa.mg présente ses condoléances à la famille. Paix à son âme.

  • 13 Oct. 2017 - 07:35-

    Situation épidémiologique à Madagascar du 1er août au 12 octobre 2017. Voici la situation épidémiologique : Au total : 561 cas dont 57 décédés. • Létalité globale est de : 10,2%. • Formes cliniques : 415 cas de Peste pulmonaire ; 144 cas de Peste bubonique ; 1 cas Peste septicémique ; 1 cas de peste non précisée. • Confirmés : 39, • Probable : 219, • Suspect : 303. Source : MSANP, Communiqué par : BNGRC.

  • 11 Oct. 2017 - 07:26-

    Lisitra fanampiny zap hanakatona sekoly, lisitra navoaka ny 10 okitobra. Miato ihany koa ny fampianarana amin'ireto toerana ireto, na ny sekoly miankina na ny tsy miankina. Misy amin'izy ireo no efa tsy nampianatra androany misy kosa ireo hikatona manomboka rahampitso 11 okitobra 2017= Dren Itasy, Cisco Soavinandriana : ZAP Antanetibe. Dren Haute Matsiatra, Cisco Vohibato : Zap Mahaditra. Dren Vakinankaratra, Cisco Antsirabe 1 : Zap Antsirabe Ampovoany, Zap Soamalaza Mahatsinjo, Zap Antsenakely Andraikiba, Zap Mahazoarivo Avarabohitra.

  • 10 Oct. 2017 - 13:59-

    Récentes parutions. Culture : http://www.lakroa.mg/item-1190_articles_culture_18-pesita-sy-fantsy.html. Social: http://www.lakroa.mg/item-1189_articles_societe_18-signature-daune-convention-entre-la-cnaps-et-la-flm.html

  • 10 Oct. 2017 - 13:32-

    Communiqé du Sefafi. Le Sefafi vient de publier un nouveau communiqué intitulé : “Intérêt légitime et droit à être informé”. Épidémie de peste, révision de la constitution, accueil de réfugiés syriens… Autant d’actualités polémiques qui ont soulevé un tollé, suscité l’incompréhension et l’indignation, semé le désarroi voire même la panique au sein de l’opinion et qui, dans certains cas, ont fini par indisposer le pouvoir ! L’État aurait pu éviter la psychose en tenant le public informé et en prenant les devants par des mesures d’urgence appropriées pour limiter la propagation de la maladie.

  • 10 Oct. 2017 - 07:23-

    Lisitra fanampiny. Ankoatra ireo ZAP sy CISCO voalaza eto ambany dia mihato ihany koa ny fampianarana eny anivon'ireto ZAP sy CISCO ireto mandritra ity herinandro ity:

    DREN ANALAMANGA CISCO ANJOZOROBE: ZAP ANJOZOROBE I

    DREN ITASY, CISCO ARIVONIMAMO:

    - ZAP ALAKAMISY KELY

    - ZAP AMPAHIMANGA

    - ZAP AMBATOMIRAHAVAVY

    DREN HAUTE MATSIATRA CISCO FIANARANTSOA MANONTOLO

    DREN ANALANJIROFOCISCO FENERIVE EST MANONTOLO

    DREN AMORON'I MANIA CISCO FANDRIANA: ZAP IMITO

    (Cellule riposte/MEN)

  • 07 Oct. 2017 - 08:28-

    Cisco sy zap tsy mianatra. Manoloana ny fitrangan’ny aretina pesita dia nandray fepetra samihafa ny Ministeran’ny Fanabeazam-pirenena. Voalohany, misy ny  Fanadiovana faobe ny sekoly rehetra ao amin’ilay ZAP na CISCO misy ny marary ;  Fandrarahana fanafody ireo sekoly rehetra ao anatin’ny ZAP na ny CISCO ;  Fanakatonana ny sekoly ao anatin’ny 3 andro aorian’ny fandrarahana fanafody. Faharoa, misy ny fepetra ho raisina amin’ny herinandron’ny faha 9 oktobra ka hatao “Semaine d’observation” ny herinandron’ny miandoha ny 9 okitobra. Ka jereo anatin’ity rohy ity ny Cisco sy zap tsy mianatra mandritra io herinandro io : http://www.lakroa.mg/item-1183_articles_education_18-fepetra-noraisina-ho-fisorohana.html

  • 05 Oct. 2017 - 08:41-

    Premium class Soatrans. La coopérative Soatrans vient de lancer une nouvelle offre dénommée Premium class. Le lancement de cette offre a été effectué ce 3 octobre 2017. Avec cette offre les passagers sont sûrs de partir à l’heure indiquée quelle que soit le nombre de clients ayant réservés. Les voyageurs bénéficient de l’internet avec le Wi-Fi intégré à bord. Chaque voiture est dotée de gps cela permet de contrôler la vitesse employée et de suivre la voiture en temps réel. Les départs se font toutes les deux heures (6h, 8h, 10h le matin et 14h, 16h et 18h l’après-midi).

  • 05 Oct. 2017 - 07:42-

    Lahatsoratra farany. Santé : http://www.lakroa.mg/item-1180_articles_sport_18-pesita-misy-mpizesita-mahay.html

  • 03 Oct. 2017 - 06:58-

    Sekoly mikatona ho an’ny Cisco 6. Tahaka izao ny fanambarana navoakan’i Paul Rabary, minisitry ny fanabeazam-pirenena : « Miato ny fampianarana amin'ireto toerana voalaza ireto amin'ity herinandro ity ho fanohizana ny fanadiovana ny sekoly (miankina sy tsy miankina): Antananarivo Renivohitra, Antananarivo Avaradrano, Antananarivo Atsimondrano, Ambohidratrimo, Toamasina I, Toamasina II.

    Amin'ny alatsinainy izany ny ankizy vao miverina mamonjy ny toeram-pianarany any amin'ireo toerana ireo ! »

  • 30 Sep. 2017 - 09:32-

    THB Ligue des champions 2017, phase 2. La Phase 2 du THB Ligue des champions 2017 a commencé ce 29 septembre. Les équipes du groupe 1 jouent à Mahajanga. Dans ce groupe se trouvent les équipes HZAM Amparafaravola (Alaotra Mangoro), CNAPS SPORT (Itasy), USSK Ambanja (Diana), VARATRAZA (Sofia), FC MAEVA (Betsiboka), AJESAIA (Bongolava). Les équipes du groupe 2 évoluent à Fianarantsoa. Dans ce groupe se rencontreront les équipes suivantes :  COSFA (Analamanga II), ELGECO PLUS (Analamanga I), TOP DOM (Amoron'imania), ZANAKALA FC (Haute Matsiatra), FC ANGELE (Anosy), RTS JET MADA (Itasy II).

  • 30 Sep. 2017 - 08:13-

    CEO de la Cnaps. L’inauguration du Centre d’Ecoute et d’Orientation (CEO) nouveau service au sein de la  Caisse Nationale de Prévoyance Sociale (Cnaps) a été effectuée ce vendredi 29 septembre. L’inauguration de ce nouveau service dans un nouveau bâtiment a été effectuée par le Ministre de la Fonction publique, ministre de tutelle de la Cnaps, pour le compte d l’Etat et du Directeur Général de la Cnaps pour le compte de la Cnaps. Ce nouveau service, sis au 67 Ha, sera opérationnel dans le courant du mois d'octobre 2017.

Du même auteur

monde
politique

Dans la même rubrique

societe
societe
Publicité