logo
Lakroan'i Madagasikara
Taom-baovao Malagasy

Fomba fa tsy finoana ny taom-baovao malagasy

Razafindramanitra il y a 3 années

Nijoro indray ny fikambanana hafa nilaza fa hanamarika ny taom-baovao malagasy izy ireo. Ho an’ny Foibe Nasionaly Fitohasina sy ny Foibe Tano Kolotoraly Malagasy dia fomba ny fanamarihana ny taom-baovao malagasy fa tsy finoana.

Fomba fa tsy finoana ny taom-baovao malagasy

Nijoro indray ny fikambanana hafa nilaza fa hanamarika ny taom-baovao malagasy izy ireo. Ho an’ny Foibe Nasionaly Fitohasina sy ny Foibe Tano Kolotoraly Malagasy dia fomba ny fanamarihana ny taom-baovao malagasy fa tsy finoana.

 

 

Tsy anniversaire na finoana

 

Nihaona tamin’ny mpamphalala vaovao ry zareo ao amin’ny Foibe Nasionaly Fitohasina sy ny Foibe Tano Kolotoraly Malagasy ny zoma 27 fevrie teo. Misandratra androny no fotoana nomen’izy ireo. Izay no fotoana tsara ilazana zava-baovao hoy ny mpikarakara. Ian’ny teny nanaitra ny filazana fa ho azy ireo ny “taom-baovao malagasy dia fomba fa tsy finoana”.

 

Nanazava andriamatoa Victorio Randriamihanta, Sekretera Jeneralin'ny Foibe Trano Kolotoraly, fa ny fomba dia fihetsika na fiteny mety mahazatra ny olona, ka azo hazavaina sy hamarinina ny antony ary koa marina amin’ny rehetra. Noho izany dia azon’ny rehetra hamarinina. Lasa toa siansa izany famaritanana izany. Kanefa fantatra fa misy fomba fanao izay tsy fanta-pihaviana ary tsy hita fototra fa arahina. “Ny taom-baovao malagasy dia tsy hanavahana sokajin’olona na foko na fihaviana na saranga, fa azon’ny rehetra tanterahina na aiza na aiza misy azy” hoy ny avy eo anivon’ny Fitohasina.

 

Ho an’ireto fikambanana roa ireto dia misy singa efatra lehibe manamarika ny fomba atao amin’ny taom-baovao malagasy. “Famantara, Fidiovana, Tsodrano ary Santatra” ireo singa efatra ireo.

 

Ny Famantarana dia fanamarhana ny fanombohan-javatra. Saika manaraka ny lamina ara-boajanahary ny Malagasy amin’ny fanombohan-javatra. Izany dia ao aorian’ny sedra goavana iray na maromaro izay mandalo eo amin’ny fiainana. Rehefa lasa izay dia miditra amin’ny fiainam-pahafahana vaovao indray ny olona ary manomboka ny miaka-bokatra.

 

Ny fidiovana indray dia fanao rehefa avy miala amin’ny sedra goavana. Raisin’ny olona ho fanadiovana ny sedra goavana iray. Fanadiovana ara-baana na ara-piaraha-monina. “Ohatra rehefa avy nanaosika fiara tao anatin’ny fotka dia misasa” hoy Victor ??? Lojika izany. Dia tahaka izany koa ehefa misy fifandirana. Rehefa miroso amin’ny fampihavanana dia misy ny fifamelana endriky ny fidiovana izany izany manolona ny ankohonana na ny fiaraha-monina na ny ùpiara-miasa arakaraka ny teorana nanaovana ny fampihavanana.

 

Ny tsodrano. Fomba fanao izany na andavanandrom-piainana na amin’ny fotoan-dehibe. Rehfa misy diangam-piainana tiana hahatafitana dia misy ny tsodrano angatahana. “Raha handeha lavitra na hanala fananadinana dia mangataka tsodrano ny voakasika. Ary dia tahala izany koa amin’ny fanombohan’ny taona. Tiana ho tafita soa mandritra ilay taona vaovao ho diavina” hoy ny mpitondran-teny. Matetika dia misy teny atao eo. Indraindray dia misy tokoa ny mifafy rano ara-bakiteny.

 

Ny santatra. Tsy mahazatra ny sofina ity singa fahefatra ity. Fombamahazatra ny Malagasy ny misantatra ny fiainana amin’nyzavatra tsara rehefa hanomboka fiainam-baovaona hitoetra amin’ny tano vaovao (tsy voatery trano vao nahoriina izany fa mety trano efa nisy fa izay vao hitetra ao ilay olona na fianakaviana iray).  Santraina amin’ny zavatra tsara izany. Ohatra fandre matetika dia ny fandrosoana vary amin-dronono tondrahan-tantely. Ireo singa telo (vary, ronono, tantely) nampiasaina ireo dia samy manana ny dikany mafonja avoko. “Tsy fisantarana zavatra tsara ny fandatsahana aina” hoy Victor ??? “Tsy misy fitenenana milaza fa mahasoa ny famonoana omby” hoy izy nanohy ny fanazavany.

 

Volana no ampiasaina

 

Rehefa hijery ny daty hanamarihana ny taom-baovao malagasy dia ny volana no jerena. Ny volana fa tsy ny masoandro. Ny volana satria io dia manazava ny fiainan’ny olombelona tsy an-kiato na fotoana andro alina an andro antoandro. Raha ny daty amin’ity taona ity dia ny 20 marsa aorian’ny mitatao vovonana no fenomanana ny volana. Saingy noho izy efa nihilana ny androno mahatonga ny filazana fa ny 21 marsa no lazaina fa taom-baovao malagasy.

 

Isan’ny mampiavaka ny fanamarihana tontosain’ny Fitohasina sy Trano Kolotoraly dia ny filazana fa tsy natao ho an’ny maty na hahatsiarovana ny maty ny taom-baovao malagasy. Tsy mety raha any amin’ny fasan’olona iray no hanamarihana ny tam-baovao malagasy. Tsy anniversaire io hoy ny kivazivazy nandeha. Tsy azo ampifangaroana amin’ny alamahadibe ny taom-baovao malagasy. Natao ho fomba entin’ny velona handrindra sy hivoarana eo amin’ny fiainany ny fanamarihana ny taom-baovao malagasy.

 

Tsiahiva fa misy reo antokon’olona sy fikambanan ahafa izay hanamarika ny taom-baovao malagasy eny Ambohitrabiby. Ny daty kosa moa dia mitovy ho an’ireto sokajy roa samy hafa ireto.

 

Ny Foibe Nasionaly Fitohasina sy ny Foibe Tano Kolotoraly Malagasy dia hanamarika ny taom-baovao malagasy amin'ny toerana maro manomboka ny 20 marsa 2015.

 

Razafindramanitra

“”

 

 





Partager l'article:

Lakroa en direct
  • 18 Oct. 2017 - 12:09-

    Blueline business. Blueline lance ce 18 octobre son offre dénommée Blueline business. Cette offre est destinée spécialement aux entreprises avec 3 pôles de compétence : offre de connectivité, intégration et infogérance et services hébergés.

  • 18 Oct. 2017 - 11:54-

    Récente publication. Santé : http://www.lakroa.mg/item-1197_articles_sport_18-la-commission-encourage-la-poursuite-de-la-lutte.html

  • 17 Oct. 2017 - 13:38-

    Senatera vaovao, minisitra vaovao. Araky ny fanambarana nataon’i Sekretera Jeneralin’ny Fiadidiana ny Repoblika teny Iavoloha ny antoandron’ny 17 okitobra dia : voatendry ho loholon’i Madagasikara nisolo toerana an’i Ahmad i Rivo Rakotovao. Randriarimanana Harison Edmond kosa no voatendry ho minisitra eo anivon’ny Fiadidiana ny Repoblika misahana ny fambolena sy fiompiana misolo ny toeran’i Rivo Rakotovao. Soritana fa efa nisahana io ministera io i Randriarimanana Harison Edmond. Izao fanapahana izao dia efa noraisina ny 12 okitobra fa izao vao nambara ampahibemaso.

  • 17 Oct. 2017 - 12:48-

    Bilan de la peste au 16 octobre. La situation de l’épidémie de la peste affecte actuellement 38 Districts, qui se trouvent dans 17 Régions de Madagascar. 805 cas de peste ont été notifiés, dont 595 de formes pulmonaires et 210 de formes buboniques. Le bilan fait état de 74 décès.  Parmi ces cas notifiés : 62 sont confirmés selon les résultats de l’Institut Pasteur de Madagascar (IPM) ; 367 sont probables selon le test de diagnostic rapide (TDR) ; 377 sont des cas suspects. Source : Minsanp

  • 17 Oct. 2017 - 07:12-

    Deuxième session ordinaire. Selon l’article 75 de la Constitution l'Assemblée Nationale se réunit de plein droit en deux sessions ordinaires par an. La durée de chaque session est fixée à soixante jours. La première session commence le premier mardi de mai et la seconde, consacrée principalement à l'adoption de la loi de finances, le troisième mardi d'octobre. De même pour le Sénat comme le dispose l’article 84. Cette deuxième session commence ce 17 octobre à 14 heures pour les députés et 16 heures pour les sénateurs.

  • 17 Oct. 2017 - 06:37-

    Araka ny fanarahana akaiky ataon'ny #cellule_riposte_peste ireo ZAP nahitana ny trangana pesta ka nanakatonana ireo sekoly dia misy izy ireo no efa tsy misy ahiahiana intsony. Miverina mianatra noho izay ny mpianatra eny anivon'ireto ZAP ireto manomboka ny Alarobia 18 Oktobra ho avy izao:

    DREN ANALAMANGA:
    CISCO MANJAKANDRIANA

    • ZAP RANOVAO
    • ZAP AMBOHITROLOMAHITSY

    DREN ITASY:
    CISCO ARIVONIMAMO

    • ZAP ARIVONIMAMO I
    • ZAP ARIVONIMAMO II
    • ZAP ALAKAMISY KELY
    • ZAP AMPAHIMANGA
    • ZAP AMBATOMIRAHAVY

     CISCO MIARINARIVO
    • ZAP MIARINARIVO I
    • ZAP MANAZARA

     CISCO SOAVINANDRIANA
    • ZAP MAHAVELONA

    DREN HAUTE MATSIATRA:
    CISCO LALANGINA

    • ZAP ALAKAMISY AMBOHIMAHA 

    CISCO AMBOHIMAHASOA
    •ZAP AMPITANA
    •ZAP ISAKA
    •ZAP AMBOHINAMBOARINA

    DREN AMORON'I MANIA:
    CISCO FANDRIANA
    • ZAP IMITO

    DREN VAKINANKARATRA:
    CISCO ANTSIRABE I manontolo

     

    Cellule riposte/MEN

  • 16 Oct. 2017 - 07:29-

    Situation générale de la peste le 13 octobre. La situation épidémiologique du 1er août au 13 octobre 2017 est détaillée comme suit : 610 est le nombre total de cas rapporté (cumul pour tout Madagasikara pour toute cette période et pour tout type de peste confondue).

    63 : Nombre de personnes décédées (cumul pour tout Madagasikara pour toute cette période et pour tout type de peste confondue).  Taux de létalité nationale : 10,3% (c’est le rapport du nombre de décès avec le nombre total des cas notifies). Source : Minsan.

  • 15 Oct. 2017 - 18:13-

    Atlantis Business School renforce sa présence auprès des écoles à Antananarivo. Le samedi 14 octobre Rasolofonjatovo Ny Aina, un des responsables du bureau de Atlantis Business School ou ABS offre à Antananarivo a rencontré les représentants de quelques écoles d’expression française pour présenter les avantanges et les possibilités de poursuivre les études au sein de l’ABS. ABS offre aux étudiants la possibilité d'étudier à Maurice pour obtenir un diplôme internationalement reconnu décerné par UUM (University Utara Malaysia)  prestigieuse université malaisienne. ABS est aussi accréditée auprès de he Association to Advance Collegiate School of Business des États-Unis.

  • 14 Oct. 2017 - 13:13-

    Fahatongavan’ny nofo mangatsiakan’ny Filoham-pirenena teo aloha Zafy Albert. Ny nofo mangatsiakan'ny Filoha Albert Zafy dia ho tonga eny Ivato ny 14 oktobra amin'ny 4 ora sy 10mn. Aorian'ny fanomezamboninahitra ho tontosanan’ny fanjakana, dia ho entina eny antranony eny Ivandry villa franchise ny vata mangatsiaka. Toy izao ny lalana hizorana: Ivato- Talatamaty-rond point Ankazomanga - route des hydrocarbures - Ivandry.

  • 14 Oct. 2017 - 12:21-

    Fanambaran’ny Filoham-pirenena, Hery Rajaonarimampianina, manoloana ny fahalasanan’ny Filoha Zafy Albert. Ry Vahoaka malagasy, amin’alahelo tokoa no nandrenesana ny fodiamandrin’ny Profesora ZAFY Albert tany amin’ny Nosy La Réunion. Very olomanga ny firenena satria Filoham-pirenena voafidim-bahoaka tamin’ny taona 1992 ny filoha Zafy Albert, ary niady sy nandala ny demokrasia sy ny fihavanam-pirenena. Koa amin’ny anaran’ny vahoaka Malagasy, amin’ny anaran’ny fitondram-panjakana iray manontolo, sy amin’ny anaran’ny tenanay manokana, no itondranay ny fiaraha-miory amin’ny vadiny sy ny zanaka aman-jafiny ary ny fianakaviana, mangataka ny fitahian’Andriamanitra mba hampahery azy ireo hatrany.

  • 13 Oct. 2017 - 14:04-

    Décès du Pr Zafy Albert. Le professeur Albert Zafy, ancien président de la République malgache, est décédé ce vendredi 13 octobre à l’hôpital de Saint-Pierre, selon la publication qu’on peut lire sur le site de la Présidence de la République de Madagasikara. Il a été évacué sur l'île de la Réunion ce jour 12 octobre. Le Professeur, fondateur du parti Undd et acuellement Président d’honneur, ancien Président de la république a été admis à la polyclinique d’Ilafy le 11 octobre 2017. Il est âgé de 90 ans. www.lakroa.mg présente ses condoléances à la famille. Paix à son âme.

  • 13 Oct. 2017 - 07:35-

    Situation épidémiologique à Madagascar du 1er août au 12 octobre 2017. Voici la situation épidémiologique : Au total : 561 cas dont 57 décédés. • Létalité globale est de : 10,2%. • Formes cliniques : 415 cas de Peste pulmonaire ; 144 cas de Peste bubonique ; 1 cas Peste septicémique ; 1 cas de peste non précisée. • Confirmés : 39, • Probable : 219, • Suspect : 303. Source : MSANP, Communiqué par : BNGRC.

  • 11 Oct. 2017 - 07:26-

    Lisitra fanampiny zap hanakatona sekoly, lisitra navoaka ny 10 okitobra. Miato ihany koa ny fampianarana amin'ireto toerana ireto, na ny sekoly miankina na ny tsy miankina. Misy amin'izy ireo no efa tsy nampianatra androany misy kosa ireo hikatona manomboka rahampitso 11 okitobra 2017= Dren Itasy, Cisco Soavinandriana : ZAP Antanetibe. Dren Haute Matsiatra, Cisco Vohibato : Zap Mahaditra. Dren Vakinankaratra, Cisco Antsirabe 1 : Zap Antsirabe Ampovoany, Zap Soamalaza Mahatsinjo, Zap Antsenakely Andraikiba, Zap Mahazoarivo Avarabohitra.

  • 10 Oct. 2017 - 13:59-

    Récentes parutions. Culture : http://www.lakroa.mg/item-1190_articles_culture_18-pesita-sy-fantsy.html. Social: http://www.lakroa.mg/item-1189_articles_societe_18-signature-daune-convention-entre-la-cnaps-et-la-flm.html

  • 10 Oct. 2017 - 13:32-

    Communiqé du Sefafi. Le Sefafi vient de publier un nouveau communiqué intitulé : “Intérêt légitime et droit à être informé”. Épidémie de peste, révision de la constitution, accueil de réfugiés syriens… Autant d’actualités polémiques qui ont soulevé un tollé, suscité l’incompréhension et l’indignation, semé le désarroi voire même la panique au sein de l’opinion et qui, dans certains cas, ont fini par indisposer le pouvoir ! L’État aurait pu éviter la psychose en tenant le public informé et en prenant les devants par des mesures d’urgence appropriées pour limiter la propagation de la maladie.

  • 10 Oct. 2017 - 07:23-

    Lisitra fanampiny. Ankoatra ireo ZAP sy CISCO voalaza eto ambany dia mihato ihany koa ny fampianarana eny anivon'ireto ZAP sy CISCO ireto mandritra ity herinandro ity:

    DREN ANALAMANGA CISCO ANJOZOROBE: ZAP ANJOZOROBE I

    DREN ITASY, CISCO ARIVONIMAMO:

    - ZAP ALAKAMISY KELY

    - ZAP AMPAHIMANGA

    - ZAP AMBATOMIRAHAVAVY

    DREN HAUTE MATSIATRA CISCO FIANARANTSOA MANONTOLO

    DREN ANALANJIROFOCISCO FENERIVE EST MANONTOLO

    DREN AMORON'I MANIA CISCO FANDRIANA: ZAP IMITO

    (Cellule riposte/MEN)

  • 07 Oct. 2017 - 08:28-

    Cisco sy zap tsy mianatra. Manoloana ny fitrangan’ny aretina pesita dia nandray fepetra samihafa ny Ministeran’ny Fanabeazam-pirenena. Voalohany, misy ny  Fanadiovana faobe ny sekoly rehetra ao amin’ilay ZAP na CISCO misy ny marary ;  Fandrarahana fanafody ireo sekoly rehetra ao anatin’ny ZAP na ny CISCO ;  Fanakatonana ny sekoly ao anatin’ny 3 andro aorian’ny fandrarahana fanafody. Faharoa, misy ny fepetra ho raisina amin’ny herinandron’ny faha 9 oktobra ka hatao “Semaine d’observation” ny herinandron’ny miandoha ny 9 okitobra. Ka jereo anatin’ity rohy ity ny Cisco sy zap tsy mianatra mandritra io herinandro io : http://www.lakroa.mg/item-1183_articles_education_18-fepetra-noraisina-ho-fisorohana.html

  • 05 Oct. 2017 - 08:41-

    Premium class Soatrans. La coopérative Soatrans vient de lancer une nouvelle offre dénommée Premium class. Le lancement de cette offre a été effectué ce 3 octobre 2017. Avec cette offre les passagers sont sûrs de partir à l’heure indiquée quelle que soit le nombre de clients ayant réservés. Les voyageurs bénéficient de l’internet avec le Wi-Fi intégré à bord. Chaque voiture est dotée de gps cela permet de contrôler la vitesse employée et de suivre la voiture en temps réel. Les départs se font toutes les deux heures (6h, 8h, 10h le matin et 14h, 16h et 18h l’après-midi).

  • 05 Oct. 2017 - 07:42-

    Lahatsoratra farany. Santé : http://www.lakroa.mg/item-1180_articles_sport_18-pesita-misy-mpizesita-mahay.html

  • 03 Oct. 2017 - 06:58-

    Sekoly mikatona ho an’ny Cisco 6. Tahaka izao ny fanambarana navoakan’i Paul Rabary, minisitry ny fanabeazam-pirenena : « Miato ny fampianarana amin'ireto toerana voalaza ireto amin'ity herinandro ity ho fanohizana ny fanadiovana ny sekoly (miankina sy tsy miankina): Antananarivo Renivohitra, Antananarivo Avaradrano, Antananarivo Atsimondrano, Ambohidratrimo, Toamasina I, Toamasina II.

    Amin'ny alatsinainy izany ny ankizy vao miverina mamonjy ny toeram-pianarany any amin'ireo toerana ireo ! »

Du même auteur

monde
politique

Dans la même rubrique

culture
culture
Publicité