logo
Lakroan'i Madagasikara
Fetin’ny Paka ao Antsirabe

Paka 2015 ao Antsirabe mikendry ny ho tsara hatrany

R. Hajatiana Léonard il y a 6 années

Voapetaka manerana ny tanàna tamin’ny faran’ny herinandro teo ny filazana sy ny peta-drindrina rehetra. Vonona ny ao an-toerana hitorajofo miaraka amin’ireo mpanakanto malagasy efa fanta-daza. Zary kolontsaina ny Paka ao Antsirabe izany. Indrisy, hiakatra ny saran-dalana mandritra ny fety.

Paka 2015 ao Antsirabe mikendry ny ho tsara hatrany

Hiditra ao anatin’ny Herinandro Masina isika. Midika izany fa efa akaiky ny fetin’ny Paka. Fety lehibe tokoa ho an’ny kristianina. Midika ihany koa fanomanana ny fety aman-danonana raha ho an’ny tanànan’Antsirabe manokana. Isan’ny mampalaza an’Antsirabe ny fankalazana ny fetin’ny Paka raha ohatra ka fetin’ny trozona ho an’i Sainte Marie na Nosy Boraha ohatra. Efa tsindriandaona ny rehetra amin’izay fandaharam-potoana ny ampitson’ny Paka. Hitsangatsangana, hitotorebika, hihaona ny mpianakavy sy ny mpinamana…

 

Gara, Andraikiba, Tritriva

Ny manoloana ny gara izao no toerana isan’ny malaza eto Antsirabe rehefa andro fety na hilanonana. Tsy nivaona amin’izany ny amin’ity taona 2015 ity. Ho avy eo amin’ny gara ireo mpanakanto mpihira sangany sady ankafizin’ny vahoakan’Antsirabe, ka i Njakatiana sy ny tarika Ambondrona ary i Samoela no hanamasaka ny hetsika amin’ireo andro maromaro ireo. Ny orinasa STAR Antsirabe no mikarakara sy manohana izany seho maro isankarazany izany. Namandri-toerana dieny mialoha ihany koa ireto mpivarotra ireto te hanara-dalàna sao dia tsy hahazo toerana amin’ny fety. Tsapa fa mibosesika tsy manara-dalàna ny mpivarotra sasany rehefa tena ao an-katoky ny Paka ka mananosarotra ny fifandaminana araka ny fahita saika isan-taona. Manoloana izany dia nametraka fepetra mazava tsara ny tompon’andraikitra eo anivon’ny fitandroana ny filaminana mba hisorohana ny fandikan-dalàna mety hitranga. Fampisehoana tsy handoava-bola ny eny amin’ny gara. Tombony izany ho an’ny olona mandalo fahasahiranana. Manahy noho izany ny mpivarotra sasany fa mbola hifantoka amin’ny fanarenana ny simba noho ny orana ny ankamaroan’ny olona ka mety tsy handany vola loatra. Miezaka hatrany anefa ireo mpivarotra manomana izay tsara ho haroso.

 

Andraikiba sy Tritriva ihany koa no mampalaza an’Antsirabe rehefa Paka. Amin’ity 2015 ity dia ho tonga hampikorana ao amin’ny EKAR paroasin’Andraikiba ny tarik’i Rajao Mianakavy. Sambany izao no hisy lanonana makotrokotroka hiarahana amin’ity ekipa sady mpanakanto no mpilalao sarimihetsika ity ao an-toerana ka heverina fa ho hipoka sy hamovoka indray ny kianja. Ho avy hanao fampisehoana ao Andraikiba ihany koa ny tarika Theo Rakotovao sy i Dama Mahaleo ka samy manantena ny rehetra fa hahafinaritra ny Paka 2015.

 

Mpanararaotra andro fety

Mikononkonona ny hampiakatra saran-dalana sahady ireo mpamily taksibe ao Antsirabe. Mikasika ny zotra reziônaly sy nasiônaly kosa, dia efa nasiana fivoriana manokana tamin’ny herinandro teo ny mikasika ny fisondrotana. “Hisondrotra enina arivo sy iray alina ariary ny saran-dalana Antsirabe-Antananarivo” hoy ny fanazavan’i Olivier Razafindrakoto mpamily takisiborosy zotra reziônaly. Tapaky ny fikambanan’ny kaoperativam-pitaterana ao Vakinankaratra izany nandritra ny fivoriana ka tsy maintsy hajain’ny kaoperativa tsirairay. Ny antony dia tsy noho ny gazoaly loatra, fa akaiky ny fety ka mila manararaotra izany ireo fiara mpitatitra araka ny filazan’ity mpanera iray ity. Fa anisan’ny olana mianjady amin’ny vahoaka ao an-toerana, rehefa fety goavana tahaka izao, dia ny taksibe. Mitaraina ireo mpandeha satria hasondrotr’ireo mpamily diman-jato ariary ny saran-dalana amin’ny andro fety raha toa ka telon-jato ariary izany amin’ny andavanandro. Ankoatra izay, nolazain’ireo mpandeha fa tsy tonga any amin’ny toeram-pihodinana farany ara-dalana ny ankabeazan’ireo fiara ireo, fa misapotona antsasa-dalana. Izany indrindra no ilàna mpitandro ny filaminana mba handamina ny lafin’ny fifamoivoizana, matetika manko ny akaiky fety toy izao no tena betsaka ny loza samihafa miseho. Na izany na tsy izany, tsara ny malina sy mitandrina mandrakariva. Ho hentitra ihany koa ny fisavana amin’ity araka ny fanazavan’ny tao amin’ny polisim-pirenena ifotony Tsarasaotra. Voarara mafy ary mety hiharan’ny lalàna mihitsy aza izay tratra mitondra môtô mirimorimo sady tsy manao aroloha amin’izao an-katokin’ny Paka izao. Raràna ihany koa ny manao sesi-boletra mpandeha, na dia efa tsy antonina aza ny taksibe. Ny hirariana anefa dia mba hipàka any amin’ny tsirairay ny toromarika ka tsy hisy hivilana fa samy hanao fety am-pilaminana na ny olon-tsotra na pôlisy. Mba ho tsaroana sy ho tsapa amin’io Paka io izany fiadanana nomen’i Kristy.

Partager l'article:

Lakroa en direct
  • 07 Jan. 2021 - 07:36-

    Bonne année 2021. Toute l'équipe, rédaction et technique, de www.lakroa.mg se joint ici pour vous souhaiter, à vous lecteurs et sources, une bonne et heureuse année 2021. Que cette nouvelle année 2021 vous apporte, le bonheur, la joie et la prospérité et l’amour du prochain et du Pays. Notre unique résolution pour l’année 2021 est de réussir à vous apporter la nouvelle vraie avec des analyses lucides hors des sentiers battus. Et soyons solidaires pour notre Patrie et nos concitoyens. https://www.facebook.com/100002397970826/videos/3535584526531445/

  • 26 Dec. 2020 - 10:22-

    Que la magie de Noêl impacte sur votre vie 

    et voici des Suggestions de cadeaux de Noël:

    Pour l’ennemi, le pardon.
    Pour l’adversaire, la tolérance.
    Pour l’ami, votre cœur.
    Pour un client, du service.
    Pour tous, la charité.
    Pour chaque enfant, le bon exemple.
    Pour vous, le respect et

    Pour le Monde entier : l’Amour du Christ par la croix

    Et notre cadeau notre fidélité envers vous sur www.lakroa.mg

  • 07 Dec. 2020 - 07:23-

    Lahatsoratra mety hahaliana anao... Resaka tany

    https://www.lakroa.mg/item-2486_articles_economie_18-a-a-madagascar-comme-partout-sur-le-continent-les-alites-africaines-accaparent-les-terres-fertiles-a.html 

  • 25 Nov. 2020 - 12:28-

    l'économie bleue de l'AMDP a été engloutie par la vague orange. Et voilà que le dossier resurgit sous une autre forme avec d'autres acteurs mais toujours économie bleue (orangée).
    https://www.lakroa.mg/item-2465_articles_economie_18-petite-pache-en-paril-madagascar-signe-des-accords-de-pache-destructeurs-avec-des-investisseurs-chinois.html

  • 18 Oct. 2020 - 04:51-

    Arrêt n°10-HCC/AR du 16 octobre 2020 relative à une demande de non-conformité à la Constitution du décret n° 2020-1110 du 9 septembre 2020 portant convocation du collège électoral pour les élections sénatoriales du vendredi 11 décembre 2020 et l’annulation dudit décret, formulée par le KMF/CNOE Fanabeazana Olompirenena. La demande de non-conformité à la Constitution du décret n° 2020-1110 du 9 septembre 2020 portant convocation du collège électoral pour les élections sénatoriales du vendredi 11 décembre 2020 et l’annulation dudit décret, formulée par le KMF/CNOE Fanabeazana Olompirenena, est déclarée recevable. Article 3.-La demande du KMF-CNOE Fanabeazana Olompirenana est rejetée comme mal fondée en vertu des considérants 16 à 27. 

  • 18 Oct. 2020 - 04:50-

    Décision n°17-HCC/D3 du 16 octobre 2020 portant sur des requêtes aux fins d’inconstitutionnalité du décret n°2020-1110 portant convocation du collège électoral pour les élections sénatoriales du 11 décembre 2020. Selon l’article 1, les requêtes sont déclarées recevables mais rejetées comme non fondées sur la base des considérants 17 à 25, 27 et 28 (article 3).

  • 17 Oct. 2020 - 05:06-

    Lu pour vous: Une usine clés en main normande expédiée à Madagascar contre la faim.  https://www.lakroa.mg/item-2413_articles_monde_18-une-usine-clas-en-main-normande-expadiae-a-madagascar-contre-la-faim.html

  • 13 Oct. 2020 - 04:49-

    62 taona ny Repoblika Malagasy. Hetsika maro no fantatra fa ho karakaraina hanamarihana ny faha 62 taona ny nanambarana ny fitsanganan’ny Repoblika Malagasy voalohany. Iray amin’ireny ny karakarain’ny Hetsika Fampiraisana ny Kristianina. Ny 14 oktobra dia hisy ny fotoam-pivavahana hatao ao amin’ny FJKM Atsimon’i  Mahamasina ny maraina amin’ny 9 ora sy sasany ary fikaonan-doha atao ao amin’ny Le pave Antaninarenina kosa ny tapany hariva. Asaina ny rehetra ka ny lohahevitra amin’izany ny hoe « maro tohanan’ny maro »

  • 12 Oct. 2020 - 05:08-

    Lu pour vous. Le Conseil des Ministres du 7 octobre a pris la décision que l’Etat va effectuer des travaux de relevés sismiques marins pour déterminer la ZEE. Et on apprend sur Africa Intelligence que. Il faut rappeller aussi que durant la présidence de Rajaonarimampianina un programme a été lancé en 2017. Quel sous-marin derrière tout cela ? Lu pour vous ne fait que transmettre l’article de Africa Intelligence. https://www.lakroa.mg/item-2404_articles_monde_18-culmen-international-intronisa-conseiller-stratagique-de-la-marine-malgache.html

  • 09 Oct. 2020 - 17:44-

    Marine malgache a un conseiller stratégique. Culmen International pressenti est intronisé conseiller stratégique de la marine malgache Comme l'avait anticipé Africa Intelligence (09/09/20), Culmen International a remporté le 28 septembre le marché de mise à disposition d'un conseiller stratégique pour la marine malgache. Ce contrat est financé par le Département d'Etat américain à hauteur d'un million de dollars. Culmen s'est imposé face à un autre contractor de défense américain, Sincerus Global Solutions, qui a absorbé en juillet la branche internationale du géant Science Applications International Corp (SAIC).

  • 01 Oct. 2020 - 09:23-

    Le mois d’octobre est consacré au  Saint Rosaire. La prière du rosaire se décline en 4 «groupes» de mystères : joyeux, lumineux, douloureux, glorieux. Chacun de ces «groupes» (ou méditations) se décline en 5 mystères. La prière du rosaire, au complet, comprend donc 20 mystères au total. Prier le chapelet, c’est par conséquent, quotidiennement, prier 5 mystères par jour.

  • 30 Sep. 2020 - 07:34-

    #COVID19
    Atontanisa momba ny Covid-19 ny 29 septambra 2020. Sitrana 192 vaovao.  
    Lavo 229 (+ 0).  
    Marary mafy 16 (– 1).
    FITILIANA : Tests PCR (297), Tests GeneXpert (53)
    Marary 29 vaovao : 1 Cas importé, 2 Analamanga,  Sainte Marie, 4 Ambatondrazaka, 2 Amparafaravola, 3 Matsiatra Ambony, 1 Atsimo Andrefana, 1 Menabe, 4 Antsohihy, 1 Bealanana, 5 Sava, 4 Diana

  • 21 Sep. 2020 - 07:15-

    Mikasika ny toeram-pivavahana: Toy izao indray ireo fepetra arahina mandritra ny 15 andro nanomboka ny 19 septambra teo:
    - Misokatra ireo fiangonana sy mosquée rehetra manerana ny Nosy saingy tsy maintsy manaja ireo fepetra rehetra ara-pahasalamana sy ara-pidiovana
    - Hajaina hatrany ny elanelana 1 metatra
    - Manao aro vava orona ny rehetra
    - Raisina ny mari- pana eo am-pidirana
    - Mampiasa gel désinfection
    - Fandrarahana fanafody mamono otrik'aretina
    - Tsy azo atao ny fifandraisan-tanana mandritra ny fotoam-pivavahana.

    Jereo ny fepetra manontolo :

    https://www.lakroa.mg/item-2386_articles_societe_18-ireo-fepetra-arahina-mandritra-ny-15-andro-nanomboka-ny-19-septambra-teo.html

  • 11 Sep. 2020 - 07:15-

    #COVID19 : Antontan'isa ny 10 Septambra 2020
    #Sitrana: 52
    #Tranga_vaovao:104
    • 53 Analamanga, • 17 Antsirabe I, • 2 Antsirabe II, • 1 Mandoto, • 4 Ambositra, • 1 Antsohihy, • 6 Sambava, • 16 Antsiranana I, • 2 Antsiranana II, • 2 Ambilobe
    FITILIANA : Tests PCR (676), Tests GeneXpert (66)
    #Tranga_misy_fahasarotana: nijanona ho 48 (-3)
     #Aina_nafoy: 02

  • 10 Sep. 2020 - 06:51-

    #COVID19 : Antontan'isa ny 9 Septambra 2020
    #Sitrana: 24
    #Tranga_vaovao: 85
    Analamanga :22, Alaotra Mangoro :16 (10 :Ambatondrazaka,04 :Amparafaravola), Matsiatra ambony :01, V7V :05 (Manakara), Boeny : 01, Sofia : 05(Mandritsara), Melaky : 01(Maintirano), Anosy :01 (Amboasary atsimo), Menabe : 14(Morondava), SAVA : 04(Sambava), Diana : 15(14 :Antsiranana I, 01 Antsiranana II)
    #Tranga_misy_fahasarotana: nijanona ho 53
     #Aina_nafoy: 00

  • 09 Sep. 2020 - 08:05-

    #COVID19 08 SEPTAMBRA 2020 
    #Sitrana : 35 vaovao :
    #Lavo 206 (+ 4)
    #Marary_mafy 53 (+ 2)
    #Fitilana
    Tests PCR (210) Tests GeneXpert (87)
    #Marary vaovao  83
    • 44 Analamanga, • 10 Ambatondrazaka, • 4 Amparafaravola, • 3 Matsiatra Ambony, • 3 Boeny, • 7 Sofia, • 9 Antsiranana I, • 1 Antsiranana II, • 2 Sambava

  • 09 Sep. 2020 - 08:04-

    Fiaraha-monina mifamelona sy mifanohana. Izay no foto-kevitra notohanan’ny AFK izay Ivotoerana fikarohana sy fanofanana ho vahaolam-pampandrosoana hanavotana ny firenena. Nandritra ny famelabelaran-kevitra natao teny Alarobia ny sabotsy 5 septambra lasa teo no nanehoany izany. Mila hapetraka eto amin’ny Firenena ny fihavanana matotra sy marina. Ity rafi-pampandrosoana ity dia tsy mila famatsiam-bola avy any ivelany araka ny nambaran’Atoa Andriamparany Ricky filohan’ny Ivontoerana. Ny AFK na ny Antso Fiarahamonina Kristianina (AFK) dia ivotoerana fikarohana sy fanofanana.

  • 08 Sep. 2020 - 07:14-

    #COVID19  Antontan’isa ny 7 septambra 2020

    #COVID19  Antontan’isa ny 7 septambra 2020
    #Sitrana: 45
    #Tranga_vaovao: 33
    • 17 Analamanga, • 6 Tsiroanomandidy, • 1 Matsiatra Ambony, • 3 Antsiranana I, • 2 Sambava, • 2 Atsimo Andrefana, • 2 Mahajanga I
    #Namoy_ny_ainy: 02
    #Fitiliana
    Tests PCR (439) Tests GeneXpert (33)

  • 07 Sep. 2020 - 09:23-

    Hafatry ny Biraon’ny Fivondronamben’ny Eveka eto Madagasikara noho ny tsingerintaona voalohan’ny fitsidihana apostolika nataon’ny Papa Fransoa teto Madagasikara, vakianao ao amin’ny rohy https://www.lakroa.mg/item-2367_articles_dossier_18-hafatry-ny-eveka-aminaizao-tsiahy-ny-fitisidihana-pastoraly-nataonany-papa-fransoa.html

  • 07 Sep. 2020 - 03:40-

    Fepetra vaovao manomboka ny 6 septambra. 5) Mahakasika ny fiangonana
    Afaka misokatra avokoa ny fiangonana sy ny mosquée manerana ny Nosy saingy tsy maintsy hajaina ny elanelana 1m ary manao aro vava-orona daholo ny rehetra fa indrindra mila hajaina ny fepetra ara-pahasalamana sy ara-pidiovana
    Ny faritra Analamanga, Vakinankaratra, Alaotra Mangoro, Boeny, Sava ary Diana dia tsy azo mihoatra ny 100 ny mpiangona

Du même auteur

monde
politique

Dans la même rubrique

culture
culture