logo
Lakroan'i Madagasikara
Fialam-boly an-kanto

Isa Roa Telo sy ny dingana vaovao hatrehiny

Razafindramanitra il y a 3 années

Mpanakanto nentina teto ny Isa roa Telo ary dia manohy ny ezaka natombony izany tarika izany. Tafatafa natao tamin’i Liantsoa no aroso eto.

Isa Roa Telo sy ny dingana vaovao hatrehiny

Misy tsela-panentanana (spot publicitaire) mandeha amin’ny tele momba anareo Isa roa Telo alohan’ny hiresahana momba izany, teny fohy momba ny fampisehoana natao ny 21 fevrie teo tao amin’ny CGM.

 

Mikasika an'ilay fampisehoana tao amin'ny CGM ny 21 febroary dia tena nahafa po ny seho tamin'ny volana febroary. Fisaorana lehibe an'Andriamanitra ary fisaorana an'ireo mpankafy tonga maro be sy ianareo mpampiata vaovao. Nisy ny olana kely teny antsefatsefany ! Teo ny orana ohatra, ny fitohanan’ny fifamoivoizana sy ny sisa. Nizotra tsara araka ny tokony ho izy ihany anefa ny lanonana. Namaly ny fanasana ny olona. Nisy surprise be koa tamin'io fotoana io. Nisy olona manan kaja tsy ho ampoizina tonga nijery, nanome voninahitra anay, tena Faly latsaka ny ranomaso.

 

 

Nisy tolotra narosonareo ho an’ny mpankafy tamin’io. DVD live no natolotrareo azy ireo. Tafaraka ve ny nofinareo sy ny fitiavan’ny mpankafy ?

 

Mikasika an 'ilay DVD Live indray dia vao vita fotsiny ilay Dvd dia efa azo atao hoe tanteraka ny nofinay roa. Tanteraka ny Nofy satria izahay mihitsy no niasa mafy nanatontosan'izy io fa tsy hoe nisy ny Prod, tsy hoe niandry an'ilay izy ho vita sy nihira fotsiny izahay fa tena nisahana ny organisation rehetra. Koa tena tsy mora taminay lay izy

 

Ny akony hatreto dia betsaka ny miresaka aminay eto am tambazotran’ny serasera toy ny FB, eny an dalana mankasitraka an'ilay DVD. Isaorana hatrany, dia nefa izahay tsy mitsahatra foana mbola mampahafantatra an’ireo zay mbola tsy nahazo, na koa ireo zay mbola misalasala.

 

Efa miparitaka eto an drenivohitra ny famarotana. Ny toerana lehibe ahitana ny album dia ao amin'ny CGM... Efa misy any amin'ny faritany : Antsirabe, Toamasina, Mahajanga, ary efa misy any pitan-dranomasina ao France (Paris , Orléans, Nantes)... Ezahina alefa tsikelikely hatrany dia manentana foana zahay hitsidika ny page facebook raha toa ka mila fanazavana bebe kokoa ny Points de vente.

 

 

Raha hiverenana kosa ilay spot publicitaire. Inona no azo hambara ?

 

Mikasika ny hetsika manaraka dia mbola ho tohin'ny promotion an'ilay Album Nofintsika (amin’ny vidiny promotion araka ny tanjon’ny hetsika). Mbola vonona hatrany hizara ilay kanto, hampahafantatra ny Rn'b Soul ilay mozika vohizin'ny Isa Roa Telo.

 

Misy hetsika fanindroany ao amin'ny Paprika Akorondrano ny Alakamisy 30 aprily 2015 amin'ny 8 ora sy sasany alina izay io.

 

Izy io dia iavaka satria ankoatra ny promotion an’ilay album dia hisy interprétation vahiny ho atao "standard " sy Soul ihany ko.

 

Fa amin'ny maha andro iraisam pirenenan’ny Jazz dia hilalao an’izay ihany koa ry zareo mpitendry : Joel rabesolo ny guitare / Tabiha Mahatozo clavier / Hasina Rakotoarimalala ( Basse&sax)/ Zo Tantely ( Clavier 2) / Lova Bil Rakotomalala ( Batterie)

 

Ary amin'ny farany dia hisy discothèque iarahana amin'ny Mox Dj

 

Raha toa ka tsy afaka nijery tamin ilay tao amin'ny CGM dia fotoana io handehanana. Manentana ihany koa an'ireo mpankafy tia milanona miaraka amin'ny namana, io no andro mety satria tsy fiasana ny ampitso dia afaka manararaotra tsara. Tongava maro fa vonona zahay hanome ny tsara ary hanome fahafaham-po. Ny tanjon'ny Isa Roa Telo dia ny anao mozika mipetraka sy hivelatra ambony kokoa hatrany. Raha ho an'ny olona any am-pita dia te hampahafantatra ny malagasy sy ny vahiny izahay hoe misy Malagasy manao ny gadona international Rn'b soul aty Madagasikara. Ary vonona ny hiara hiasa amin'ny olona matihanina hatrany zahay raha misy ny manana fikasana.

 

Manentana hatrany ny mpankafy hitsika ny page FB ISA ROA TELO /, Google +( Isa Roa telo group) ary /twitter ( Liantsoa Isa Roa Telo) hilazana ny vaovao sy hifaneraserana amin'ny mpankafy .

 

 

Ny ao aorian'ny 30 aprily ?

 

Ny volana mai dia hisy lalao ho karakarainay ato amin'ny facebook. Lalao fanontaniana ary ny valiny dia ao anaty album. Hisy ny fifaninanana sary "selfie" miaraka amin'ny Album koa izay be "j’aime" no hahazo loka. Hisy loka ihany koa omenay an'izay tsara vintana.

 

 

Misaotra anao sy ny Ekipa rehetra manohana anay hatrany. Mankasitraka feno.


Partager l'article:

Lakroa en direct
  • 18 Oct. 2017 - 12:09-

    Blueline business. Blueline lance ce 18 octobre son offre dénommée Blueline business. Cette offre est destinée spécialement aux entreprises avec 3 pôles de compétence : offre de connectivité, intégration et infogérance et services hébergés.

  • 18 Oct. 2017 - 11:54-

    Récente publication. Santé : Message de la Commmission Episcopale de la Santé http://www.lakroa.mg/item-1197_articles_sport_18-la-commission-encourage-la-poursuite-de-la-lutte.html

  • 17 Oct. 2017 - 13:38-

    Senatera vaovao, minisitra vaovao. Araky ny fanambarana nataon’i Sekretera Jeneralin’ny Fiadidiana ny Repoblika teny Iavoloha ny antoandron’ny 17 okitobra dia : voatendry ho loholon’i Madagasikara nisolo toerana an’i Ahmad i Rivo Rakotovao. Randriarimanana Harison Edmond kosa no voatendry ho minisitra eo anivon’ny Fiadidiana ny Repoblika misahana ny fambolena sy fiompiana misolo ny toeran’i Rivo Rakotovao. Soritana fa efa nisahana io ministera io i Randriarimanana Harison Edmond. Izao fanapahana izao dia efa noraisina ny 12 okitobra fa izao vao nambara ampahibemaso.

  • 17 Oct. 2017 - 12:48-

    Bilan de la peste au 16 octobre. La situation de l’épidémie de la peste affecte actuellement 38 Districts, qui se trouvent dans 17 Régions de Madagascar. 805 cas de peste ont été notifiés, dont 595 de formes pulmonaires et 210 de formes buboniques. Le bilan fait état de 74 décès.  Parmi ces cas notifiés : 62 sont confirmés selon les résultats de l’Institut Pasteur de Madagascar (IPM) ; 367 sont probables selon le test de diagnostic rapide (TDR) ; 377 sont des cas suspects. Source : Minsanp

  • 17 Oct. 2017 - 07:12-

    Deuxième session ordinaire. Selon l’article 75 de la Constitution l'Assemblée Nationale se réunit de plein droit en deux sessions ordinaires par an. La durée de chaque session est fixée à soixante jours. La première session commence le premier mardi de mai et la seconde, consacrée principalement à l'adoption de la loi de finances, le troisième mardi d'octobre. De même pour le Sénat comme le dispose l’article 84. Cette deuxième session commence ce 17 octobre à 14 heures pour les députés et 16 heures pour les sénateurs.

  • 17 Oct. 2017 - 06:37-

    Araka ny fanarahana akaiky ataon'ny #cellule_riposte_peste ireo ZAP nahitana ny trangana pesta ka nanakatonana ireo sekoly dia misy izy ireo no efa tsy misy ahiahiana intsony. Miverina mianatra noho izay ny mpianatra eny anivon'ireto ZAP ireto manomboka ny Alarobia 18 Oktobra ho avy izao:

    DREN ANALAMANGA:
    CISCO MANJAKANDRIANA

    • ZAP RANOVAO
    • ZAP AMBOHITROLOMAHITSY

    DREN ITASY:
    CISCO ARIVONIMAMO

    • ZAP ARIVONIMAMO I
    • ZAP ARIVONIMAMO II
    • ZAP ALAKAMISY KELY
    • ZAP AMPAHIMANGA
    • ZAP AMBATOMIRAHAVY

     CISCO MIARINARIVO
    • ZAP MIARINARIVO I
    • ZAP MANAZARA

     CISCO SOAVINANDRIANA
    • ZAP MAHAVELONA

    DREN HAUTE MATSIATRA:
    CISCO LALANGINA

    • ZAP ALAKAMISY AMBOHIMAHA 

    CISCO AMBOHIMAHASOA
    •ZAP AMPITANA
    •ZAP ISAKA
    •ZAP AMBOHINAMBOARINA

    DREN AMORON'I MANIA:
    CISCO FANDRIANA
    • ZAP IMITO

    DREN VAKINANKARATRA:
    CISCO ANTSIRABE I manontolo

     

    Cellule riposte/MEN

  • 16 Oct. 2017 - 07:29-

    Situation générale de la peste le 13 octobre. La situation épidémiologique du 1er août au 13 octobre 2017 est détaillée comme suit : 610 est le nombre total de cas rapporté (cumul pour tout Madagasikara pour toute cette période et pour tout type de peste confondue).

    63 : Nombre de personnes décédées (cumul pour tout Madagasikara pour toute cette période et pour tout type de peste confondue).  Taux de létalité nationale : 10,3% (c’est le rapport du nombre de décès avec le nombre total des cas notifies). Source : Minsan.

  • 15 Oct. 2017 - 18:13-

    Atlantis Business School renforce sa présence auprès des écoles à Antananarivo. Le samedi 14 octobre Rasolofonjatovo Ny Aina, un des responsables du bureau de Atlantis Business School ou ABS offre à Antananarivo a rencontré les représentants de quelques écoles d’expression française pour présenter les avantanges et les possibilités de poursuivre les études au sein de l’ABS. ABS offre aux étudiants la possibilité d'étudier à Maurice pour obtenir un diplôme internationalement reconnu décerné par UUM (University Utara Malaysia)  prestigieuse université malaisienne. ABS est aussi accréditée auprès de he Association to Advance Collegiate School of Business des États-Unis.

  • 14 Oct. 2017 - 13:13-

    Fahatongavan’ny nofo mangatsiakan’ny Filoham-pirenena teo aloha Zafy Albert. Ny nofo mangatsiakan'ny Filoha Albert Zafy dia ho tonga eny Ivato ny 14 oktobra amin'ny 4 ora sy 10mn. Aorian'ny fanomezamboninahitra ho tontosanan’ny fanjakana, dia ho entina eny antranony eny Ivandry villa franchise ny vata mangatsiaka. Toy izao ny lalana hizorana: Ivato- Talatamaty-rond point Ankazomanga - route des hydrocarbures - Ivandry.

  • 14 Oct. 2017 - 12:21-

    Fanambaran’ny Filoham-pirenena, Hery Rajaonarimampianina, manoloana ny fahalasanan’ny Filoha Zafy Albert. Ry Vahoaka malagasy, amin’alahelo tokoa no nandrenesana ny fodiamandrin’ny Profesora ZAFY Albert tany amin’ny Nosy La Réunion. Very olomanga ny firenena satria Filoham-pirenena voafidim-bahoaka tamin’ny taona 1992 ny filoha Zafy Albert, ary niady sy nandala ny demokrasia sy ny fihavanam-pirenena. Koa amin’ny anaran’ny vahoaka Malagasy, amin’ny anaran’ny fitondram-panjakana iray manontolo, sy amin’ny anaran’ny tenanay manokana, no itondranay ny fiaraha-miory amin’ny vadiny sy ny zanaka aman-jafiny ary ny fianakaviana, mangataka ny fitahian’Andriamanitra mba hampahery azy ireo hatrany.

  • 13 Oct. 2017 - 14:04-

    Décès du Pr Zafy Albert. Le professeur Albert Zafy, ancien président de la République malgache, est décédé ce vendredi 13 octobre à l’hôpital de Saint-Pierre, selon la publication qu’on peut lire sur le site de la Présidence de la République de Madagasikara. Il a été évacué sur l'île de la Réunion ce jour 12 octobre. Le Professeur, fondateur du parti Undd et acuellement Président d’honneur, ancien Président de la république a été admis à la polyclinique d’Ilafy le 11 octobre 2017. Il est âgé de 90 ans. www.lakroa.mg présente ses condoléances à la famille. Paix à son âme.

  • 13 Oct. 2017 - 07:35-

    Situation épidémiologique à Madagascar du 1er août au 12 octobre 2017. Voici la situation épidémiologique : Au total : 561 cas dont 57 décédés. • Létalité globale est de : 10,2%. • Formes cliniques : 415 cas de Peste pulmonaire ; 144 cas de Peste bubonique ; 1 cas Peste septicémique ; 1 cas de peste non précisée. • Confirmés : 39, • Probable : 219, • Suspect : 303. Source : MSANP, Communiqué par : BNGRC.

  • 11 Oct. 2017 - 07:26-

    Lisitra fanampiny zap hanakatona sekoly, lisitra navoaka ny 10 okitobra. Miato ihany koa ny fampianarana amin'ireto toerana ireto, na ny sekoly miankina na ny tsy miankina. Misy amin'izy ireo no efa tsy nampianatra androany misy kosa ireo hikatona manomboka rahampitso 11 okitobra 2017= Dren Itasy, Cisco Soavinandriana : ZAP Antanetibe. Dren Haute Matsiatra, Cisco Vohibato : Zap Mahaditra. Dren Vakinankaratra, Cisco Antsirabe 1 : Zap Antsirabe Ampovoany, Zap Soamalaza Mahatsinjo, Zap Antsenakely Andraikiba, Zap Mahazoarivo Avarabohitra.

  • 10 Oct. 2017 - 13:59-

    Récentes parutions. Culture : http://www.lakroa.mg/item-1190_articles_culture_18-pesita-sy-fantsy.html. Social: http://www.lakroa.mg/item-1189_articles_societe_18-signature-daune-convention-entre-la-cnaps-et-la-flm.html

  • 10 Oct. 2017 - 13:32-

    Communiqé du Sefafi. Le Sefafi vient de publier un nouveau communiqué intitulé : “Intérêt légitime et droit à être informé”. Épidémie de peste, révision de la constitution, accueil de réfugiés syriens… Autant d’actualités polémiques qui ont soulevé un tollé, suscité l’incompréhension et l’indignation, semé le désarroi voire même la panique au sein de l’opinion et qui, dans certains cas, ont fini par indisposer le pouvoir ! L’État aurait pu éviter la psychose en tenant le public informé et en prenant les devants par des mesures d’urgence appropriées pour limiter la propagation de la maladie.

  • 10 Oct. 2017 - 07:23-

    Lisitra fanampiny. Ankoatra ireo ZAP sy CISCO voalaza eto ambany dia mihato ihany koa ny fampianarana eny anivon'ireto ZAP sy CISCO ireto mandritra ity herinandro ity:

    DREN ANALAMANGA CISCO ANJOZOROBE: ZAP ANJOZOROBE I

    DREN ITASY, CISCO ARIVONIMAMO:

    - ZAP ALAKAMISY KELY

    - ZAP AMPAHIMANGA

    - ZAP AMBATOMIRAHAVAVY

    DREN HAUTE MATSIATRA CISCO FIANARANTSOA MANONTOLO

    DREN ANALANJIROFOCISCO FENERIVE EST MANONTOLO

    DREN AMORON'I MANIA CISCO FANDRIANA: ZAP IMITO

    (Cellule riposte/MEN)

  • 07 Oct. 2017 - 08:28-

    Cisco sy zap tsy mianatra. Manoloana ny fitrangan’ny aretina pesita dia nandray fepetra samihafa ny Ministeran’ny Fanabeazam-pirenena. Voalohany, misy ny  Fanadiovana faobe ny sekoly rehetra ao amin’ilay ZAP na CISCO misy ny marary ;  Fandrarahana fanafody ireo sekoly rehetra ao anatin’ny ZAP na ny CISCO ;  Fanakatonana ny sekoly ao anatin’ny 3 andro aorian’ny fandrarahana fanafody. Faharoa, misy ny fepetra ho raisina amin’ny herinandron’ny faha 9 oktobra ka hatao “Semaine d’observation” ny herinandron’ny miandoha ny 9 okitobra. Ka jereo anatin’ity rohy ity ny Cisco sy zap tsy mianatra mandritra io herinandro io : http://www.lakroa.mg/item-1183_articles_education_18-fepetra-noraisina-ho-fisorohana.html

  • 05 Oct. 2017 - 08:41-

    Premium class Soatrans. La coopérative Soatrans vient de lancer une nouvelle offre dénommée Premium class. Le lancement de cette offre a été effectué ce 3 octobre 2017. Avec cette offre les passagers sont sûrs de partir à l’heure indiquée quelle que soit le nombre de clients ayant réservés. Les voyageurs bénéficient de l’internet avec le Wi-Fi intégré à bord. Chaque voiture est dotée de gps cela permet de contrôler la vitesse employée et de suivre la voiture en temps réel. Les départs se font toutes les deux heures (6h, 8h, 10h le matin et 14h, 16h et 18h l’après-midi).

  • 05 Oct. 2017 - 07:42-

    Lahatsoratra farany. Santé : http://www.lakroa.mg/item-1180_articles_sport_18-pesita-misy-mpizesita-mahay.html

  • 03 Oct. 2017 - 06:58-

    Sekoly mikatona ho an’ny Cisco 6. Tahaka izao ny fanambarana navoakan’i Paul Rabary, minisitry ny fanabeazam-pirenena : « Miato ny fampianarana amin'ireto toerana voalaza ireto amin'ity herinandro ity ho fanohizana ny fanadiovana ny sekoly (miankina sy tsy miankina): Antananarivo Renivohitra, Antananarivo Avaradrano, Antananarivo Atsimondrano, Ambohidratrimo, Toamasina I, Toamasina II.

    Amin'ny alatsinainy izany ny ankizy vao miverina mamonjy ny toeram-pianarany any amin'ireo toerana ireo ! »

Du même auteur

monde
politique

Dans la même rubrique

culture
culture
Publicité