logo
Lakroan'i Madagasikara
Masina Maria

Ny anjara toeran’i Masina Maria sy ny vehivavy ao amin’ny Fiangonana

Nanangona RRJ il y a 2 années

Natokana hitodihana manokana amin'i Masina Maria ny volana mey. handinihana bebe kokoa ny anjara toeran’ny vehivavy ao amin’ny Fiangonana sy fiarahamonina ary ny tantaram-pamonjena. Lahatsoratra nivoaka tao amin'ny Lakroa 3 mey teo p. 13.

Ny anjara toeran’i Masina Maria sy ny vehivavy ao amin’ny Fiangonana

Mananjara ilay Reny masin’Andriamanitra, mitaha amin’ireo vehivavy maro be. Natokan’ny Fiangonana Katolika hanajana azy manokana ny volana mey. Volan’i Masina Maria no iantsoantsika izany, volana tokony homena lanja, handinihana bebe kokoa ny anjara toeran’ny vehivavy ao amin’ny Fiangonana sy fiarahamonina ary ny tantaram-pamonjena. Rariny io raha zohina, satria ny volana Jiona no natao ho an’ny ankizy sy ny tenin-dreny, sady volan’ny Fo Masin’i Jesoa.

 

Mitana ny toerana manokana eo amin’ny tantaram-pamonjena i Masina Maria. Miavaka izy amin’ny samy vehivavy, eo amin’ny tantaran’ny olombelona. Notsongain’ny Tompo ho Renin’ny Zanany Lahitokana izy. Tsy noho ny fahamendrehany manokana, na dia eo aza izany, fa noho ny fitiavany sy ny famindram-pony, ka nofidiny maimaim-poana tao anatin’ny maro. Tsapan’i Maria lalina tokoa izany ka nahatonga azy niloa-bava, velon-kira, nankalaza ny Tompo, tamin’ilay tonon-kira malaza “Magnificat”, fiventintsika matetika, indrindra amin’ny Vavaka hariva ataon’ny Fiangonana.

Nietry tena sy nanaiky hiaritra ny mafy toy ny fahafaham-baraka i Masina Maria, raha niangavan’ny Tompo, tamin’ny alalan’ny Anjely Gabriely, izay iraka nanambara taminy fa hanana anaka izy na dia nivoady ho virjiny aza. Mahagaga sady lalina ny asan’Andriamanitra, ho an’izay fatra-panaiky sy mpankatò ny teniny.

Manana ny anjara toerany manokana i Maria eo anivon’ny Fiangonana, efa hatrany am-piandohana. Tsy isalasalana fa nanatrika ny nanorenana ny Eokaristia tao amin’ny Senakla izy (Lk 22,19-20); raha tsy izany dia mazava fa, isan’ireo mpianatra niara-nivavaka (Asa 1,12-14) sy tafavory, nandray ny Fanahy Masina tamin’ny andro Pantekoty izy (Asa 2,1-4). Reny tsy nahafoy Zanaka i Maria, sady tsy nandao Azy ka niaritra ny mafy, nijery Ilay nolefonina (Jn 19,31-37). Saingy novan’Andriamanitra ho haravoana ny alahelony. Tsy ihambahambana fa izy no voalohany nisehoan’i Jesoa tafatsangan-ko velona (Fampiasam-panahy 299).

 

Nomen’i Jesoa lanjany manokana teo amin’ny asany ny Reniny sy ny vehivavy


Saika ny Evanjely manontolo no mampahatsiahy antsika tsy tapaka ny fisian’ireo vehivavy marobe nanara-dia an’i Jesoa, isany ny Reniny, nikarakara sy nanampy azy tany amin’ireo vohitra nalehany. Nitana toerana lehibe sy nanan-danja teo amin’ny fanatanterahany ny iraka ny fisian’izy ireny. Ary ao amin’ny Fiangonana aza, mandraka ankehitriny, dia saika ny vehivavy no mitana ny lohalaharana amin’ny famitana sy fiatrehana ireo adidy sy fanompoana isakarazany.

Mpanara-dia ny Tompo ka afaka mitondra fahamasinana amam-pihavaozana ireo vehivavy. Manana zo sy hery hoenti-manamasina ny tenany sy ny hafa izy ireo, afaka mitory, mijoro ho vavolombelona, mandray andraikitra eo amin’ny fiaraha-mitantana ny Fiangonana. “Asa vadi-drano, ka tsy vita raha tsy ifanakonana”, ka tsapan’i Jesoa izany, fa izy mihitsy no nisantatra naniraka ireo vehivavy, tamin’ny andro nitsanganany ho velona, mba hilaza vaovao mahafaly amin’ireo mpianatra efa kivy sy namoy fo.

Koa hery lehibe ho an’ny Fiangonana ny fisian’ireo vehivavy marobe, manohana ny asa fitoriana, na an-kolaka na mivantana, ary tena ilaina. Fanirian’i Jesoa ny hilozohan’ny vehivavy amin’ny asa fiantrana sy fitiava-namana: hiaro ny aina, hiahy ireo mahantra sy kamboty ary mila vonjy. Izany no maha maro an’isa ireo Fikambanan-dRelijiozy vavy misahana asa maro loha, ho famonjena sy fanasoavana ny olombelona mpanota, tian’i Jesoa ho vonjena, efa namoizany ny ainy, navotany tamin’ny rany.

Tsy azo lavina ary miharihary ao amin’ny Evanjely fa nanome lanja ny vehivavy i Jesoa, nisy ny fanovam-penitra lehibe nataony, raha mitaha tamin’ny fotoan’androny fahizay: nifampiresaka sy nifandray am-pahatsorana tamina vehivavy maro Izy, nanome haja azy ireo, nanankina andraikitra sy iraka maro taminy.

 

Tanan’ny Fiangonana hatrany ny lova navelan’ny Tompo momba izany

Mitana andraikitra maro ao amin’ny Fiangonana ny vehivavy, ary be ny asa vitany ho fanitarana ny Fanjakan’Andriamanitra. Vavolombelon’ny mpiasa ny bainga: ka toa ireo Reliozy vavy matetika no mitana, mamelona ireo sekoly kristianina. Hatramin’ny sekoly tantanan-dry Frera sy Mompera avy aza no mbola ahitana vehivavy mpanabe.

Toa an’i Masina Maria, nikolokolo sy nitaiza an’i Jesoa, no iahian’izy ireo koa ny zanaky ny Fiangonana, mianatra sy miezaka, manovo fahalalana sy fahendrena etsy sy eroa. Be ny asa vitan’ny vehivavy kristianina eo amin’ny sehatra maro samihafa, ho fanasoavana ny besinimaro. Ezahin’ny Fiangonana katolika hazavaina hatrany io tena andraikitry ny vehivavy ao amin’ny Fiangonana io. Tsy azo raisina an-tendrony na hanina amam-bolony ny Soratra Masina, fa natao hiainana, ijoroana ho vavolombelona.

Tsy nifidy na dia vehivavy iray akory i Jesoa, na nanendry azy ho isan’ny Apositoly 12 lahy (Lk 9,1-6) na ireo Mpianatra 72 lahy (Lk 10,1-12). Saingy ireo vehivavy kosa no nanakinany mivantana sy voalohany ny hafatra maharavo fo, hilaza amin’ireo mpianany fa efa nitsangan-ko velona Izy, ka hialoha azy ireo any Galilea (Mt 28,9-10).

 

Isan’ny iraka ho an’ny vehivavy ny miahy sy mikolokolo ny zanaky ny Fiangonana, mijoro ho vavolombelon’ny Tompo be fitiavana sy mana-paharetana ary mangoraka. Manan-danja izany, saingy tsy azo afangaro amin’ny Sakiramentan’ny Filaharana izay ifandovana manokana sy natao hanohy ary hisahana ny asan’ireo Apositoly sy ny 72 lahy. Iraka mifandray tendro tanteraka amin’ny asa fiahiana sy fanompoana, ka nisian’ireo Virijiny sy Diakra vehivavy na “diaconesses”, fahiny elabe, fony mbola tsy nisy ireo Fikambanana Masera sy Relijiozy vavy.

 

Benirina




Partager l'article:

Lakroa en direct
  • 24 Apr. 2017 - 08:33-

    Le Père Njiva Lucien assassiné. Selon www.sobikamada.com Un prêtre catholique assassiné par balles cette nuit, un frère Noviciat blessé. L’attaque a eu lieu la nuit du samedi 22 avril visant la résidence des prêtres catholiques sise Ambendrana au cours de laquelle un prêtre au nom de Njiva Lucien de la congrégation capucine a été tué sur le coup, par balles de Kalachnikov. Le frère du Noviciat a été blessé au cours de l'attaque. Les bandits ont oublié sur le lieu du crime un sac plein de munitions de AK 47 généralement utilisées par les forces de l'ordre.

  • 20 Apr. 2017 - 07:21-

    Carte d’électeur biométrique. Teknet Group organise une porte ouverte sur l’utilisation des imprimantes à cartes et des solutions complètes pour l’identification et la personnalisation de badges et cartes plastiques tant à une petite société qu’à des grosses sociétés avec plusieurs milliers d’employés mais aussi pour les écoles. Selon Johanne Raharinosy, DG de la société, cette technologie a été utilisée en Tanzanie pour les cartes d’électeurs des 23 millions d’inscrits avec la société partenaire. Un exemple de dimension importante qui montre l’utilisation de cette technologie au-delà des utilisations dans la vie courante.

  • 20 Apr. 2017 - 07:17-

    Fivoriana ara-potoana voalohany ho an’ny Filankevitra monisipaly an’ny kaominina Antananarivo renivohitra. Nisokatra ny 19 avrily 2017 ny fivoriana ara-potoana Filankevitra monisipaly an’ny kaominina Antananarivo renivohitra. Haharitra folo andro izany ary hifarana ny 28 avrily izao. Faustin Andriambahoaka filohan’ny Filankevitra monisipaly sy ny birao miaraka aminy no nanokatra ny fotoana. Nanatrika ny fanokafana ofisialy ny Ben’ny tanana Lalao Ravalomanana sy ny mpiara-miasa akaiky aminy. Nirary soa ho an’ny mpanolotsaina rehetra ny ben’ny tanàna. "Ny mahasoa ny mponina aloha no mila banjinina fa avela ny adilahy, ny fampandrosoana ny Renivohitra no tokony himasoana" hoy ny Ben'ny tanana.


  • 19 Apr. 2017 - 12:49-

    Evolis à la conquête du marché malagasy. La société Evolis spécialisée dans la fabrication des cartes organise trois jours pour découvrir ses produits à l’hôtel Colbert. Selon le représentant de la société partenaire de Evolis des solutions complètes pour l’identification et la personnalisation de badges et cartes plastiques sont proposées tant à une petite société qu’à des grosses sociétés avec plusieurs milliers d’employés mais aussi pour les écoles. L’impression va du simple badge à des badges sécurisés. Evolis a ainsi imprimé les cartes d’électeurs en Tanzanie. La Commission électorale nationale (NEC) en Tanzanie a décidé de mettre en place un système d’enregistrement biométrique décentralisé, couplé avec l’émission instantanée d’une carte d’électeur dans un format carte plastique.

  • 19 Apr. 2017 - 12:44-

    Le président de l'Asoimi a fait faux bond. Le président Abel Randriamiarinarivo a fait faux bond. Il est le président élu pour l'Asoimi lors de la première élection effectuée en début du mois de mars. Il avait prévu de faire une déclaration à la presse ce 19 avril. Les membres de l’Asoimi était bien au rendez-vous donné ce matin du 19 avril mais le président Abel Randriamiarinarivo s’est excusé. Aux dernières nouvelles des tractations se déroulent en haut lieu pour résoudre le problème de l’existence de ces deux associations pour encourager les fonctionnaires à faire du sport. On attend donc les révélations de l’un des deux responsables de ces deux associations.

  • 18 Apr. 2017 - 14:33-

    Asoimi a régularisé sa situation. Pour mémoire, le président sortant Abel Randriamiarinarivo a recueilli 63 voix sur les 171 votants contre 4 voix pour Oliva Randimbiarison lors de l’élection organisée par le comité électoral au début du mois de mars 2017. On sait que le président Abel Randriamiarinarivo a effectué la régularisation du renouvellement des membres du bureau de l’Asoimi et le changement du siège de l’association. Cette régularisation a été effectuée le 23 mars 2017 auprès du Ministère de l’Intérieur et de la décentralisation soit au lendemain de la deuxième élection pour élire le président de l’Asoimi. Une façon pour Abel Randriamiarinarivo de refuser les résultats de la deuxième élection. Il apportera des précisions ce 19 avril.

  • 17 Apr. 2017 - 08:57-

    Judo malgache. Malgré des mois de préparation à l'ANS Ampefiloha, nos judoka n'ont obtenu aucune médaille en combat individuel ni en équipe. Mais au moins les malgaches sont à la treizième place avec 4 judoka à la 5ème place et 5 autres à la 7ème position. Heureusement, ce n'était pas le cas en kata. Rabemasoandro Tarimy et Ratovona Rija ont obtenu la médaille d'or en nage-no-kata. On a aussi eu l'argent en katame-no-kata et en nage-no-kata. Ce sont les frères Trabelsi du Tunisie qui gagnent la médaille d'Or. Mais dommage, le soleil n'a pas brillé en kime-no-kata.

  • 17 Apr. 2017 - 08:50-

    African championships 2017. Pour la 38ème édtion du championnat d'Afrique de judo sénior (14, 15, 16 avril 2017), l'Algérie termine au premier rang. Tant en équipe qu'en individuel, ce pays domine. En compétition par équipe, ce pays est double médaillé d'or (homme et femme). Et avec 18 médailles dont 7 en or, 5 en argent et 6 en bronze, les autres pays sont loin derrière. Il est suivi par la Tunisie et l'Egypte se trouve sur podium. La représentante du Guinea-Bissau, CESAR Taciana, gagne pour la cinquième fois l'or au championnat d'Afrique.

  • 17 Apr. 2017 - 07:46-

    Joyeuses Pâques. Toute l'équipe de www.lakroa.mg vous souhaite Joyeuses Pâques. A la suite du Pape François nous vous disons : portez à tous la joie et l 'espérance du Christ ressuscité que vous avez reçu  en ce jour de Pâques. 

  • 13 Apr. 2017 - 08:59-

    Fanambarana sy fanamelohana. Ny Vaomieran’ny  « Justice et Paix » eto amin’ny Diosezy Antsirabe, amin’ny anaran’ny Fivondronamben’ny Eveka , ny “Justice et Paix” Nasionaly, ny Fivondronam-ben’ny Pretra, ny Relijiozy, ny tsara sitrapo rehetra…dia namoaka fanambaràna mitondra ny lohateny “Aza ny lohasaha mangina no jerena fa Andriamanitra an-tampon’ny loha. Hita ao anatin’izany fanambarana ny fanamelohana TANTERAKA TSY MISY FEPETRA ny fihetsika sy ny  herisetra amin’ny famonoana eritreritra nataon’ireto tsy mendrika ny maha-olona azy ireto. Miara-manao sonia izany fanambarana izany ny Ny Evekan’ny Diosezy Mgr Philippe Ranaivomanana, Ny Eveka, Filohan’ny “JeP” Nasionaly, Ny pretra Aumonier “JeP” Diosezy Père Sata Jean Noel Andrianasolo.

  • 10 Apr. 2017 - 07:26-

    Victoire de l'ASCB. L'Association Sportive et Culturelle de Boeny (ASCB) remporte la 3ème édition de la "Coupe du Président". Une victoire logique pendant la finale, le samedi 8 avril au Palais des sports Mahamasina. Elle a dominé le SBBC tout le long du match. Le score était de 80 - 71 en faveur de l'ASCB. Livio Rocheteau a été sacré homme du match et en même temps meilleur marqueur de ce tournoi. Cette finale sort de l'ordinaire car ces deux équipes représentent la région Boeny.

  • 10 Apr. 2017 - 07:03-

    Cnaps arrache le match nul. Le 8 avril 2017, le Cnaps Sport est tenu en échec 1 - 1 par le CRD Libolo de l'Angola au complexe de Vontovorona Antananarivo. Le match aller des seizièmes de finale du tour de cadrage. Malgré la domination des locaux, les Angolais ouvrent le score à la 67ème minute' par Julsy Boukama Kaya. Avec quelques occasions de but, les Malagasy ne trouvent le chemin du but qu'aux temps additionnels (90'+) par Njiva. Le Cnaps Sport devra se surpasser au match retour qui se jouera dans une samaine.

  • 08 Apr. 2017 - 11:32- Salon du chocolat et de la gourmandise. Le salon organisé par par le WMG se tient ce jour 8 avril 2017au Carlton. Cet événement constitue une levée de fonds pour que l'association Wednesday Morning Group puisse effectuer ses activités humanitaires. Les plus démunis dans le quartier d'Ankorondrano seront les bènificiaires de cette levée de fonds.
  • 08 Apr. 2017 - 07:41-

    Cnaps vs Clube Recreativo Desportivo Libolo. La rencontre entre la Cnaps sport et la Clube Recreativo Desportivo Libolo aura lieu ce samedi 8 avril 2017. Le match débutera à 14h30. Une des hantises des spectateurs est l’organisation du retour après match. L’après premier match international sur le stade de Vontovorona a laissé des séquelles. Les organsateurs au niveau de la Cnaps ont assuré que tout est mis en place pour que ce retour se fasse dans les bonnes conditions. La police nationale assure la sécurité au sein du stade. La gendarmerie s’occupe de la circulation sur les routes. Les transporteurs (Kofiamo et Transmar) mettront à la disposition des supporteurs le maximum de taksive (minimum 120 voitures).

  • 08 Apr. 2017 - 07:35-

    Organisation de la rencontre. Les organisateurs au niveau de la Cnaps du match entre la Cnaps sport et la Clube Recreativo Desportivo Libolo qui aura lieu ce samedi 8 avril 2017 assurent mettre le paquet pour que la journée sa passe dans les meilleurs conditions pour les spectateurs. Le stade est ouvert à partir de 9 heures. Le nombre des guichets pour l’achat des billets d’entrée a été augmenté. Les frais des taksibe Anosy-Vontovorona (stade) sont fixés à 1000 ariary pour l’aller et 1000 ariary pour le retour. Les taksibe reliant le stade seront reconnaissables avec les autocollants apposés sur les voitures.

  • 04 Apr. 2017 - 08:30-

    FET. Nivory teto Moramanga ireo mpanabe rehetra manerana an’ny diosezy eto Madagasikara ny ao anatin’ny fikambanana masina FET ny 31 marsa ka hatramin'ny 2 aprily 2017. Nahatratra 120 izy ireo no tonga ary tao amin’ny Centre Notre Dame de Mont Carmel Ambarilava no nanaovana izany. Niompana tamin’ny fanomanana ny fankalazana ny faha-100 taona’ny FET ny dinika satria ny volana Novambra 1919 no nahatongavany teto Madagasikara tamin’ny alalan’I Mompera Joseph de Villèle. Nozarain’izy ireo telo ny taona mifanaraka izay nomena lohahevitra hoe: ny 2017 dia taonan’ny vavaka, 2018 taonan’ny tenin’Andriamanitra ary ny 2019 dia taonan’ny Eokaristia.

  • 04 Apr. 2017 - 08:28-

    Violences. Le début de cette semaine menant vers le dimanche des Rameaux a été le théâtre de plusieurs scènes de violence terrible. Une communauté des Sœurs, sise à Antsirabe II, a été victime d’un cambriolage suivie d’actes de viol. A Andapa une vidéo circulant sur les réseaux sociaux a montré une scène d’horreur un frère gesticulant avec une machette a tué son frère incendiaire. Une autre vidéo montre un professeur maltraitant une élève de classe terminale la scène se passant au sein d’une école et filmée par un passant. A Mahamasina une personne soupçonnée de malversation a été arrêtée devant les spectateurs d’un match de basket-ball (Coupe du Président de la République).

  • 03 Apr. 2017 - 07:31-

    Judo. Le quatrième et dernier regroupement de l’équipe nationale a pris fin le 31 mars. Il a commencé le 21 mars dernier et mènera les compétiteurs sélectionnés jusqu’au 38è championnat d’Afrique de judo qui se déroulera du 14 au 16 avril à Antananarivo. La Fédération Malagasy de Judo a accordé un soin particulier à la préparation de nos athlètes en leur donnant quotidiennement de la vitamine, du calcium et du magnésium .De même, la direction technique nationale n’est pas en reste en dispensant la formation technique nécessaire à ces judokas dont certains y seront à leur première compétition internationale.

  • 03 Apr. 2017 - 07:31-

    Affaire bois de rose de Singapour. Une bataille importante de gagnée pour Madagasikara. Ce jeudi 30 mars, la Haute Cour de Singapour a déclaré la société importatrice de bois de rose et son propriétaire coupables d'avoir importé illégalement près de 30 000 rondins de bois de rose en provenance de Madagascar dont la valeur est estimée à 50 millions de $ USD . Selon le communiqué émanant de la Présidence l’Etat malagasy est disposé à travailler avec les autorités singapouriennes pour décider de la disposition légale et transparente de ce stock de bois de rose. La partie malagasy quant à elle a déjà engagé une action civile contre l'importateur devant le tribunal singapourien.

  • 31 Mar. 2017 - 13:38-

    POESAM Madagascar. Les candidatures à la 7ème édition du Prix Orange de l’Entrepreneur Social en Afrique et au Moyen-Orient (POESAM) restent ouvertes jusqu’au 6 juin 2017, dans la rubrique « Prix Orange de l’Entrepreneur Social » du site http://entrepreneurclub.orange.com/fr/entrepreneur-social-2017.html. Le POESAM s’adresse à tout étudiant, salarié ou entrepreneur de plus de 21 ans, dont l’initiative a moins de trois ans d’âge et concerne 17 pays Madagazsikara y compris. En 2016, le projet de start-up malgache Nanoé  s’est vu décerné le 2ème Prix. Les participants malgaches ont également été récompensés par Orange Madagascar.

Du même auteur

monde
politique

Dans la même rubrique

religion
religion
Publicité