logo
Lakroan'i Madagasikara
Loza nitranga

Nampidi-doza ny herinaratrin’ny Jirama tao Mandaniresaka Antsirabe

R. Hajatiana Léonard il y a 4 années

Nipoaka ny “transformateur”-n’ny Jirama tao Mandaniresaka Antsirabe ny alatsinainy tamin’ny 8 ora sy sasany alina. Tariby tapaka mbola misy herinaratra mahery vaika nandoro mpianatry ny Seminera.

Nampidi-doza ny herinaratrin’ny Jirama tao Mandaniresaka Antsirabe

Nirefotra ny “transfo” an’ny Jirama. Nampiahiahy ny besinimaro ny antony nampirefotra an’ity “transformateur” iray ity. Tamin’ny 8 ora sy sasany alina, no voalazan’ireo mponina manodidina sy ny tao amin’ny sekolin’ny Seminera, fa nisy zavatra re nipoaka mafy saingy tsy nisy taitra ny olona tamin’izany. Samy nanana ny filazany ny tsirairay nanoloana io tranga io. Ny eritreritra niraisana kosa dia saika nitontona tamin’ny hoe “nisy nanimba”. Ity andrin-jiro misy ilay “transformateur” ity, dia ao anatin’ny faritry ny sekoly Seminera Mandaniresaka. Mamatsy herinaratra ny sekoly sy ireo trano mifanakaiky aminy. Ny talata tamin’ny 5 ora maraina, raha handeha hanao fanatanjahantena ireo seminarista, dia nosarihan’ny herinaratra avy hatrany ny tovolahy iray ka tsy nahetsika sady nianjera tamin’ny tany ka vao maika nananosarotra ny fanavotana azy. Ny akanjon’ireo namany no nisintonana azy avy eo. Naratra teo amin’ny fen’ity mpianatra iray ity satria voakasik’ilay tariby miranirany. Roalahy izy ireo no main’ny herinaratra. Ny iray afa-niala haingana. Ny iray kosa no tena voa mafy. Soa ihany fa tsy naharitra ela izany fa saika kila forehitra teo ilay ankizilahy. Efa betsaka tokoa manko ny tranga tahaka itony, ary ny ankamaroany dia tsy azo natao na inona na inona fa kila mitovy amin’ny saribao. Raha ny fanazavan’ireo solontenan’ny Jirama dia tokony tsy hanao vinany mihitsy amin’ny herinaratra satria mamono mahafaty tokoa izy io. Maherin’ny 220 V ny tanjany raha mbola tsy nandalo fampihenana amin’ny alalan’ny “transformateur” sy ny “régulateur”. Nampitandremana daholo ny mpianatra mba tsy handehandeha amin’ny toerana izay misy ny tariby miboridana mba hisorohana ny loza. Nampiantso malaky ny Jirama ny tomponandraikitra tao amin’ny Seminera Mandaniresaka Antsirabe.

 

Fahatapahan-jiro ny talata maraina teo

Tonga tao an-toerana ny teknisianina avy amin’ny Jirama nanamboatra izany ny talata tapakandro maraina. Notapahin’ny Jirama ny herinaratra tamin’iny faritr’i Mandaniresaka iray manontolo iny ny talata maraina teo. Maro ny mponina tao an-toerana no nimenomenona noho izany satria tsy nahafantatra ny zava-nitranga. Noheverin’ny olona fa niverina indray “ra-delestazy” kanefa araka ny nambaran’ny teny anivon’ny Jirama, dia tsy tratra intsony ny nanao ny fampilazana satria tampoka ny toe-javatra. Nandefa teknisianina hamerina amin’ny laoniny ny simba ny tomponandraikitra momba ny jiro. Dimilahy izy ireo no nifarimbona nanao izany ka naharitra ela ihany ny fanamboarana. Betsaka tamin’ireo orinasa teny an-toerana no voatery niato ny asa noho ny jiro tapaka. Mahatonga faty antoka tokoa ny fahatapahan’ny jiro satria miantefa any amin’ny asan’ny tsirairay izy ity, ary tsy maintsy miantraika amin’ny vokatra ho azo ihany koa. Ho an’ity mpivarotra ity manokana izay mampiasa vata fampangatsiahana dia mihena tanteraka hoy izy ny vola miditra raha vao tapaka ny jiro. Azo isaina amin’ny ratsan-tanana tokoa izany asa tsy mila jiro sy herinaratra izany. Ary efa tsy satry mihitsy ny hiasa anatin’ny haizina, satria tsy hahita mangirana akory amin’izay atao rehetra, indrindra raha ny ety andrenivohitra. Ren’ny sofina isan’andro amin’ny haino aman-jery sy mibaribary amin’ny gazety ny fampilazana alefan’ny Jirama rehefa hanapaka jiro izy ireo, hoe “hevero ho toy ny tsy tapaka”, kanefa tsy vita mora ny hihevitra fa mandeha tsy tapaka ny jiro. Ka na ny mpanjifa ihany koa aza dia mba efa manana ny azy rehefa tsy voaloa ny faktiora, hoe “hevero ho toy ny efa voaloa”.

Partager l'article:

Lakroa en direct
  • 18 Jul. 2019 - 14:15-

    USA. Le cardinal DiNardo interpelle Donald Trump sur les droits des migrants. «Il est contraire aux valeurs américaines et chrétiennes de chercher à empêcher aux personnes d’émigrer ici quand elles fuient pour sauver leurs vies et pour trouver une sécurité pour leurs familles», déclare le cardinal DiNardo.

  • 18 Jul. 2019 - 11:27-

    Birao maharitra AN. Vita ny fifidianana ny mpikambana ireo mandrafitra ny Birao maharitry ny Antenimieram-pirenena. Toy izao izany : Filohan’ny Antenimierampirenena : Razanamahasoa Christine Harijaona, Ambatofinandrahana (IRD). Filoha Lefitra Antananarivo : Rasolonjatovo Honoré, Faratsiho (IRD). Filoha Lefitra Antsiranana : Rahelihanta Jocelyne, Antsiranana I (IRD). Filoha Lefitra Fianarantsoa : Razafitsiandraofa Jean Brunelle, Ikongo (IRD). Filoha Lefitra Mahajanga : Rahantanirina Lalao, Mahajanga I (IRD). Filoha Lefitra Toamasina : Michelle Bavy Angelica, Fenérive Est (IRD). Filoha Lefitra Toliara : Rabenirina Jean Jacques, Betioky Atsimo (IRD).
    Questeur 1 : Henri Jean Michel, Ambovombe (IRD). Questeur 2 : Rakotomanga Lantoarivola Sedera, Antananarivo II (IRD). Questeur 3 : Rabenirina Maminiaina Solondraibe, Ambohidratrimo (TIM).
    Mpampakateny : Angèle Solange, Amboasary Atsimo (Mahaleotena). Mpampakateny lefitra : Rafenomanantsoa Tsirimaharo Ny Aina, Antananarivo III (IRD).

  • 17 Jul. 2019 - 09:30-

    Mercato-Jeremy Morel. En fin de contrat avec l'OL, l’international malgache Jeremy Morel signe pour un an de contrat avec le Stade Rennais. « Je suis très enthousiaste et fier de rejoindre le Stade Rennais F.C. Je vais faire du mieux possible pour apporter mon expérience au club. J’avais plusieurs sollicitations mais sportivement je me voyais plus ici. J’espère avoir fait le bon choix. À moi de tout faire sur le terrain pour remercier le Président de sa confiance », a-t-il déclaré.  

  • 16 Jul. 2019 - 09:30-

    Désensablement. La piscine naturelle du Parc National Isalo est de nouveau ouverte à la baignade depuis le vendredi 12 juillet dernier. « La profondeur et la propreté de l’eau ont été testées par les agents de Madagascar National Parks afin de s’assurer que toutes les conditions requises pour la baignade durant la haute saison touristique 2019 soient au mieux », déclare Madagascar National Parks sur Facebook.

  • 15 Jul. 2019 - 14:30-

    Jeux des îles. A l’île Maurice, les sportifs venant des sept îles de l'océan Indien s'affronteront sur quatorze disciplines : athlétisme, badminton, le basketball, boxe, cyclisme, football, haltérophilie, judo, natation, tennis de table, voile, beach volley et volleyball. Pour cette édition, l’ouverture officielle se fera le 19 juillet et prendra fin le 28 juillet.

  • 15 Jul. 2019 - 13:00-

    FMF. Lova Ramisamanana ne pourra se présenter à la course pour être à la tête de la fédération malgache de football. Il l’évoque sur sa page Facebook ainsi, « j’ai le regret de vous annoncer que je ne pourrai pas me présenter à la présidence de la fédération malagasy de football, faute de n’avoir pu réunir les 3 cautions requises. Nous nous sommes battus jusqu’au bout mais nous n’avons pu faire face à certains obstacles. »

  • 15 Jul. 2019 - 08:30-

    CAN 2019. Suite à leur victoire respective contre la Tunisie et le Nigéria, le Sénégal et l’Algérie disputeront la finale de cette édition de la Coupe d’Afrique des Nations. Pour rappel, les Fennecs ont battu ces Lions de la teranga lors de la phase de poule sur le score de 1-0 avec le but de Youcef Belaili.

  • 11 Jul. 2019 - 06:30-

    Fandaminana. Handamina ny polisim-pirenena ho an’ny alakamisy alina araka ny resadresaka tamin’ny mpanao gazety nataon’ireo tompon’andraikitra ao amin’ny Polisim-pirenena. Nanome ireo toromarika manodidina ny filaminana mandritra ny fijerena baolina kitra amin’izao Can izao izy ireo. Maro ny polisy hiasa amin’io alin’ny alakamisy io raha ny nambaran’ireto tompon’andraikitra ao amin’ny polisim-pirenena ireto.

  • 09 Jul. 2019 - 13:30-

    Supporter les Barea. L’inscription est ouverte pour aller supporter les Barea en Egypte pour leur quart de finale contre la Tunisie. Les billets sont disponibles auprès de l’Air Madagascar à Analakely. Adressez-vous à la même agence pour plus d’infos.

  • 06 Jul. 2019 - 13:00-

    Pape François – Poutine. Le président russe Vladimir Poutine a rencontré le pape François au Vatican le 4 juillet pour une discussion privée de 55 minutes. Le pape François et Poutine ont discuté de questions d'actualité en Syrie, en Ukraine et au Venezuela, ainsi que de questions environnementales et de questions concernant l'Eglise catholique en Russie, selon le bureau de presse du Saint-Siège.

  • 05 Jul. 2019 - 11:00-

    CAN 2019. La CAF a rejeté les plaintes contre la RDC pour match truqué. Suite à l’insuffisance de preuve réelle, les accusations de corruption de la fédération zimbabwéenne de football vis-à-vis de leur gardien de but ont été rejeté. De ce fait, le match entre Madagascar et la RDC dans le cadre des huitièmes de finale aura bel et bien lieu dimanche prochain.

  • 05 Jul. 2019 - 08:30-

    Wi-fi gratuit. Le mercredi 10 juillet prochain, le wi-fi gratuit sera disponible à Antananarivo. Il sera possible de se connecter librement, sur quatre zones incontournables de la capitale comme au jardin Antaninarenina, à l’arrêt bus Ambohijatovo, au jardin Antanimena et au pont de Behoririka.

  • 04 Jul. 2019 - 10:30-

    Nicolas Dupuis. Selon Jeune Afrique, Nicolas Dupuis est 31ème dans le classement des entraîneurs les mieux payés en Afrique. Il perçoit 7000€ par mois, selon les chiffres publiés par le média. Le sélectionneur de l’Egypte, Javier Aguirre, est le coach le mieux rémunéré sur le continent avec un salaire mensuel de 108 000 euros.

  • 03 Jul. 2019 - 15:15-

    CAN 2019. Anicet Andrianantenaina et Carolus Andriamanitsinoro intègrent l’équipe type de la phase de poule de cette Coupe d’Afrique des Nations. Pour rappel, Anicet était l’homme du match pendant la rencontre face à la Guinée. Carolus l’était à son tour pendant le match contre le Nigéria.

  • 03 Jul. 2019 - 14:30-

    FIER-Mada. Tanterahana ny alarobia 7 hatramin’ny 11 aogositra ho avy izao ny FIER-Mada faha 21, ao amin’ny kianja Makis Andohatapenaka. Amin’izany dia hisy ny lao-bary an-dasy hiompana amin’ny « fandrosoana maharitra : tetik’asam-panjakana vatsiana vola amin’ny voajanahary sy ifampierana amin’ny tantsaha eny ifotony ».

  • 03 Jul. 2019 - 13:15-

    Energie solaire. La nouvelle technologie solaire pourrait produire de l'eau potable propre pour des millions de personnes dans le besoin. Des appareils appelés alambics solaires utilisent le soleil pour évaporer l'eau salée et condenser la vapeur en eau potable saine. Les chercheurs ont mis au point un nouveau système accélérant le processus d'évaporation, permettant ainsi à un petit alambic solaire de fournir toute l'eau potable dont une famille a besoin.

  • 03 Jul. 2019 - 08:30-

    Fampandrenesana. Tapaka ny lalana : -Lalana Dr Rajaonah- Pharmacie Ankadifotsy- EKAR Antanimena- ESCA ny saboty 6 jolay 2019. Voarara ho an’ny fifamoivoizan’ny  fiara rehetra tsy an-kanavaka ny ampahany amin’ireo lalana ireo. Izany dia noho ny fankalazana ny faha-50 taonan’ny Sekoly Les Lutins Ankadifotsy, araky ny fampandrenesana.

  • 02 Jul. 2019 - 08:00-

    Supporter les Barea. Une offre exceptionnelle est disponible pour les 8è de finale de cette CAN. Elle est à 2.200.000 ar ( Billet d avion A/R +Hebergement+Transfert hôtel-stade+ Billet d entrée stade ) 298.000 ar ( Visa de séjour ) 198.000 ( Passeport ) soit 2.688.000 AR Départ d Ivato samedi 06 juillet - retour Ivato Lundi 08 juillet Appareil A 380 . Plus d infos contacter Air MADAGASCAR

  • 01 Jul. 2019 - 10:30-

    USA-Corée du Nord. Le président Donald Trump et le président nord-coréen Kim Jong Un se sont rencontrés dimanche dans la zone démilitarisée (entre la Corée du Nord et du Sud) fortement fortifiée et ont convenu de relancer les pourparlers sur le programme nucléaire de Pyongyang. Trump, faisant pression pour obtenir un accord définissant un héritage, est devenu le premier dirigeant américain assis à entrer en Corée du Nord.

  • 01 Jul. 2019 - 08:00-

    Barea. Suite à son deuxième carton jaune lors de cette phase de poule, Marco Ilaimaharitra ne pourra pas jouer lors des huitièmes de finale. Pour rappel, il a reçu son premier avertissement contre le Syli national. Cliquez sur le lien pour lire l’article : https://www.lakroa.mg/item-1755_articles_sport_18-les-barea-saenvolent-vers-un-huitiame-de-finale-historique.html

Du même auteur

monde
politique

Dans la même rubrique

societe
societe
Publicité