logo
Lakroan'i Madagasikara
Tafatafan'i Talata

“Dia gaga elà…”

Ratalata Jn Ba il y a 2 années

Tapitra ny fe-potoana fandraisana ny antontan-taratasy firotsahana ho kandida ho ben’ny tanàna sy ireo ho mpanolotsaina na kaominaly izany na monisipaly.

Firy ny isan’ny kandida ? Sarotra ny mahazo ny vaovao amin’ny antsipiriany ho an’ireo kaominina miisa 1693 manerana ny Nosy. Ireo tanan-dehibe ary izay malazalaza ihany no mbola nandrenesana anarana. Toa an’Antananarivo izany sy ireo renivohi-paritany dimy hafa (faritany teo aloha). Eo koa ny fisian’ny kandida tombanana ho matanjaka na malaza na efa mpiserasera amin’ny mpilaza vaovao. “Dia gaga elà…” araka ny fiteny malaza fampiasan’ilay vehivavy iray izay lasa kandida ankehitriny.

 

Dia gaga elà…” fa misy kaominina heverina fa kely fa saingy miverina matetika ny anaran’ilay kaominina sy ilay kandida iray ao amin’izany kaominina izany. Ary fampitam-baovao maromaro no miara-misalahy mampita ny vaovao ao amin’izany kaominina izany. Propagandy alohan’ny fotoana ve ? Sa izao no tonga amin’ny kivazivazy manao hoe : “misy ny andraim-by fa misy koa ny andraim-baovao” ! “Tahaka ny hita eny amin’ny rehetra eny kosa io e, jereo na samy mpivarotra izao aza eo amin’ny fokontaninao eo dia misy ny mahasarika olona ary olona izay mifanosika handoa vola fa ao kosa ny toeram-pivarotana sasany zary manosika olona hiverina” hoy ity mpanao politika nambara fa matetika hita amin’ny fampitam-baovao ity no sady nitsiky izy. Misy traboina tamin’ireny rivodoza sy orambe ireny, izy tonga alohan’ny Bngrc. Misy fako miavosa mila esorina, tonga alohan’ny Samva Ranamana. Misy tetezana amboarina, indro fa efa eo alohan’ny Travaux Publics Sakaiza. “Dia gaga elà…”Tsy propagandy alohan’ny lera akory ny azy” hoy ireo mpanara-dia azy fa fandraisana andraikitra.

 

“Dia gaga elà…” tena tanteraka ara-bakiteny io. Gaga ny tena nijery tamin’ireo televiziona fa tonga nijery baolina lavalava ireo kandida sasany tao Antananarivo Renivohitra tao. Azo antoka anefa fa misy dia tsy mahalala akory ny antsoina baolina maty nenti-tanana na essai (fa tsy andrana akory !). Tsy mahafantatra akory fa maty ilay baolina nodakana ary tafiditra anelanelan’ny haitso (H). Tsy afaka ny hanavaka ny baolina maty tamin’ny drop sy ny maty hors-jeu ary ny transformation. Na manoratra ny maul aza izao mety hanahirana. Fa mety hisy hamaly hoe “angaha koa moa izany tena ilaina raha hitantana kaominina e ?” Dia hoy aho mamaly hoe : “tsy ilaina koa mandany fotoana ety Mahamasina”. “Dia gaga elà…”

 

Rehefa mahita an’ireo mpanao politika manao bemidina tahaka izao dia mila hanao ny tena : “aleo ho amin’ny fotoam-pahavaratra no hanaovana ny propagandy rehefa fifidianana kaominaly”. Eo no tena mahita ny fahavoazan’ny olona anie ireo kandida e. Ho hita eo izay sahy miosona miaraka amin’ny vahoaka. “Dia gaga elà…” fa ho vitsy angamba ny fitsidihana fokontany raha fahavaratra no hanaovana ny propagandy.

 

Fa isan’ny nahagaga ihany koa ny nandre ny fanazavana fa nikasa hilatsaka ho ben’ny tanàna indray i Andry Nirina Rajoelina fa nihemotra tamin’ny segondra farany. “Nihemotra izahay rehefa nahita fa misy be loatra ny tsy fanarahan-dalàna” hoy ireo mpitondra teny. “Dia gaga elà…” mahita fa nirotsaka anefa ireo heverina fa mahery loha ao amin’ny Tgv tahaka an’i Christine Razanamahasoa izany. “Dia gaga elà…” fa angaha samy hafa hono ny lalàna mifehy ny fifidianana any antanàna (Fianarantsoa io) sy ny ao Antananarivo ? Sa mahery loha kokoa ramatoa ? Sao kosa antony hafa ? Sao mbola mipetraka ilay “ni…ni” ?

 

Maro ny zava-mahagaga amin’izao fifidianana izao fa samia velon’aina hijery izay kandida ho lany na tsy misy sary aza. Tahaka ny any amin’ny facebook ihany io. Tsisy sary ilay profil fa fantatrao foana fa ilay namanao io na ilay tsy namanao. Tsy mahagaga ange izany fa rehefa namana dia fantatra foana e…

Partager l'article:

Lakroa en direct
  • 18 Oct. 2017 - 11:54-

    Récente publication. Santé : http://www.lakroa.mg/item-1197_articles_sport_18-la-commission-encourage-la-poursuite-de-la-lutte.html

  • 17 Oct. 2017 - 13:38-

    Senatera vaovao, minisitra vaovao. Araky ny fanambarana nataon’i Sekretera Jeneralin’ny Fiadidiana ny Repoblika teny Iavoloha ny antoandron’ny 17 okitobra dia : voatendry ho loholon’i Madagasikara nisolo toerana an’i Ahmad i Rivo Rakotovao. Randriarimanana Harison Edmond kosa no voatendry ho minisitra eo anivon’ny Fiadidiana ny Repoblika misahana ny fambolena sy fiompiana misolo ny toeran’i Rivo Rakotovao. Soritana fa efa nisahana io ministera io i Randriarimanana Harison Edmond. Izao fanapahana izao dia efa noraisina ny 12 okitobra fa izao vao nambara ampahibemaso.

  • 17 Oct. 2017 - 12:48-

    Bilan de la peste au 16 octobre. La situation de l’épidémie de la peste affecte actuellement 38 Districts, qui se trouvent dans 17 Régions de Madagascar. 805 cas de peste ont été notifiés, dont 595 de formes pulmonaires et 210 de formes buboniques. Le bilan fait état de 74 décès.  Parmi ces cas notifiés : 62 sont confirmés selon les résultats de l’Institut Pasteur de Madagascar (IPM) ; 367 sont probables selon le test de diagnostic rapide (TDR) ; 377 sont des cas suspects. Source : Minsanp

  • 17 Oct. 2017 - 07:12-

    Deuxième session ordinaire. Selon l’article 75 de la Constitution l'Assemblée Nationale se réunit de plein droit en deux sessions ordinaires par an. La durée de chaque session est fixée à soixante jours. La première session commence le premier mardi de mai et la seconde, consacrée principalement à l'adoption de la loi de finances, le troisième mardi d'octobre. De même pour le Sénat comme le dispose l’article 84. Cette deuxième session commence ce 17 octobre à 14 heures pour les députés et 16 heures pour les sénateurs.

  • 17 Oct. 2017 - 06:37-

    Araka ny fanarahana akaiky ataon'ny #cellule_riposte_peste ireo ZAP nahitana ny trangana pesta ka nanakatonana ireo sekoly dia misy izy ireo no efa tsy misy ahiahiana intsony. Miverina mianatra noho izay ny mpianatra eny anivon'ireto ZAP ireto manomboka ny Alarobia 18 Oktobra ho avy izao:

    DREN ANALAMANGA:
    CISCO MANJAKANDRIANA

    • ZAP RANOVAO
    • ZAP AMBOHITROLOMAHITSY

    DREN ITASY:
    CISCO ARIVONIMAMO

    • ZAP ARIVONIMAMO I
    • ZAP ARIVONIMAMO II
    • ZAP ALAKAMISY KELY
    • ZAP AMPAHIMANGA
    • ZAP AMBATOMIRAHAVY

     CISCO MIARINARIVO
    • ZAP MIARINARIVO I
    • ZAP MANAZARA

     CISCO SOAVINANDRIANA
    • ZAP MAHAVELONA

    DREN HAUTE MATSIATRA:
    CISCO LALANGINA

    • ZAP ALAKAMISY AMBOHIMAHA 

    CISCO AMBOHIMAHASOA
    •ZAP AMPITANA
    •ZAP ISAKA
    •ZAP AMBOHINAMBOARINA

    DREN AMORON'I MANIA:
    CISCO FANDRIANA
    • ZAP IMITO

    DREN VAKINANKARATRA:
    CISCO ANTSIRABE I manontolo

     

    Cellule riposte/MEN

  • 16 Oct. 2017 - 07:29-

    Situation générale de la peste le 13 octobre. La situation épidémiologique du 1er août au 13 octobre 2017 est détaillée comme suit : 610 est le nombre total de cas rapporté (cumul pour tout Madagasikara pour toute cette période et pour tout type de peste confondue).

    63 : Nombre de personnes décédées (cumul pour tout Madagasikara pour toute cette période et pour tout type de peste confondue).  Taux de létalité nationale : 10,3% (c’est le rapport du nombre de décès avec le nombre total des cas notifies). Source : Minsan.

  • 15 Oct. 2017 - 18:13-

    Atlantis Business School renforce sa présence auprès des écoles à Antananarivo. Le samedi 14 octobre Rasolofonjatovo Ny Aina, un des responsables du bureau de Atlantis Business School ou ABS offre à Antananarivo a rencontré les représentants de quelques écoles d’expression française pour présenter les avantanges et les possibilités de poursuivre les études au sein de l’ABS. ABS offre aux étudiants la possibilité d'étudier à Maurice pour obtenir un diplôme internationalement reconnu décerné par UUM (University Utara Malaysia)  prestigieuse université malaisienne. ABS est aussi accréditée auprès de he Association to Advance Collegiate School of Business des États-Unis.

  • 14 Oct. 2017 - 13:13-

    Fahatongavan’ny nofo mangatsiakan’ny Filoham-pirenena teo aloha Zafy Albert. Ny nofo mangatsiakan'ny Filoha Albert Zafy dia ho tonga eny Ivato ny 14 oktobra amin'ny 4 ora sy 10mn. Aorian'ny fanomezamboninahitra ho tontosanan’ny fanjakana, dia ho entina eny antranony eny Ivandry villa franchise ny vata mangatsiaka. Toy izao ny lalana hizorana: Ivato- Talatamaty-rond point Ankazomanga - route des hydrocarbures - Ivandry.

  • 14 Oct. 2017 - 12:21-

    Fanambaran’ny Filoham-pirenena, Hery Rajaonarimampianina, manoloana ny fahalasanan’ny Filoha Zafy Albert. Ry Vahoaka malagasy, amin’alahelo tokoa no nandrenesana ny fodiamandrin’ny Profesora ZAFY Albert tany amin’ny Nosy La Réunion. Very olomanga ny firenena satria Filoham-pirenena voafidim-bahoaka tamin’ny taona 1992 ny filoha Zafy Albert, ary niady sy nandala ny demokrasia sy ny fihavanam-pirenena. Koa amin’ny anaran’ny vahoaka Malagasy, amin’ny anaran’ny fitondram-panjakana iray manontolo, sy amin’ny anaran’ny tenanay manokana, no itondranay ny fiaraha-miory amin’ny vadiny sy ny zanaka aman-jafiny ary ny fianakaviana, mangataka ny fitahian’Andriamanitra mba hampahery azy ireo hatrany.

  • 13 Oct. 2017 - 14:04-

    Décès du Pr Zafy Albert. Le professeur Albert Zafy, ancien président de la République malgache, est décédé ce vendredi 13 octobre à l’hôpital de Saint-Pierre, selon la publication qu’on peut lire sur le site de la Présidence de la République de Madagasikara. Il a été évacué sur l'île de la Réunion ce jour 12 octobre. Le Professeur, fondateur du parti Undd et acuellement Président d’honneur, ancien Président de la république a été admis à la polyclinique d’Ilafy le 11 octobre 2017. Il est âgé de 90 ans. www.lakroa.mg présente ses condoléances à la famille. Paix à son âme.

  • 13 Oct. 2017 - 07:35-

    Situation épidémiologique à Madagascar du 1er août au 12 octobre 2017. Voici la situation épidémiologique : Au total : 561 cas dont 57 décédés. • Létalité globale est de : 10,2%. • Formes cliniques : 415 cas de Peste pulmonaire ; 144 cas de Peste bubonique ; 1 cas Peste septicémique ; 1 cas de peste non précisée. • Confirmés : 39, • Probable : 219, • Suspect : 303. Source : MSANP, Communiqué par : BNGRC.

  • 11 Oct. 2017 - 07:26-

    Lisitra fanampiny zap hanakatona sekoly, lisitra navoaka ny 10 okitobra. Miato ihany koa ny fampianarana amin'ireto toerana ireto, na ny sekoly miankina na ny tsy miankina. Misy amin'izy ireo no efa tsy nampianatra androany misy kosa ireo hikatona manomboka rahampitso 11 okitobra 2017= Dren Itasy, Cisco Soavinandriana : ZAP Antanetibe. Dren Haute Matsiatra, Cisco Vohibato : Zap Mahaditra. Dren Vakinankaratra, Cisco Antsirabe 1 : Zap Antsirabe Ampovoany, Zap Soamalaza Mahatsinjo, Zap Antsenakely Andraikiba, Zap Mahazoarivo Avarabohitra.

  • 10 Oct. 2017 - 13:59-

    Récentes parutions. Culture : http://www.lakroa.mg/item-1190_articles_culture_18-pesita-sy-fantsy.html. Social: http://www.lakroa.mg/item-1189_articles_societe_18-signature-daune-convention-entre-la-cnaps-et-la-flm.html

  • 10 Oct. 2017 - 13:32-

    Communiqé du Sefafi. Le Sefafi vient de publier un nouveau communiqué intitulé : “Intérêt légitime et droit à être informé”. Épidémie de peste, révision de la constitution, accueil de réfugiés syriens… Autant d’actualités polémiques qui ont soulevé un tollé, suscité l’incompréhension et l’indignation, semé le désarroi voire même la panique au sein de l’opinion et qui, dans certains cas, ont fini par indisposer le pouvoir ! L’État aurait pu éviter la psychose en tenant le public informé et en prenant les devants par des mesures d’urgence appropriées pour limiter la propagation de la maladie.

  • 10 Oct. 2017 - 07:23-

    Lisitra fanampiny. Ankoatra ireo ZAP sy CISCO voalaza eto ambany dia mihato ihany koa ny fampianarana eny anivon'ireto ZAP sy CISCO ireto mandritra ity herinandro ity:

    DREN ANALAMANGA CISCO ANJOZOROBE: ZAP ANJOZOROBE I

    DREN ITASY, CISCO ARIVONIMAMO:

    - ZAP ALAKAMISY KELY

    - ZAP AMPAHIMANGA

    - ZAP AMBATOMIRAHAVAVY

    DREN HAUTE MATSIATRA CISCO FIANARANTSOA MANONTOLO

    DREN ANALANJIROFOCISCO FENERIVE EST MANONTOLO

    DREN AMORON'I MANIA CISCO FANDRIANA: ZAP IMITO

    (Cellule riposte/MEN)

  • 07 Oct. 2017 - 08:28-

    Cisco sy zap tsy mianatra. Manoloana ny fitrangan’ny aretina pesita dia nandray fepetra samihafa ny Ministeran’ny Fanabeazam-pirenena. Voalohany, misy ny  Fanadiovana faobe ny sekoly rehetra ao amin’ilay ZAP na CISCO misy ny marary ;  Fandrarahana fanafody ireo sekoly rehetra ao anatin’ny ZAP na ny CISCO ;  Fanakatonana ny sekoly ao anatin’ny 3 andro aorian’ny fandrarahana fanafody. Faharoa, misy ny fepetra ho raisina amin’ny herinandron’ny faha 9 oktobra ka hatao “Semaine d’observation” ny herinandron’ny miandoha ny 9 okitobra. Ka jereo anatin’ity rohy ity ny Cisco sy zap tsy mianatra mandritra io herinandro io : http://www.lakroa.mg/item-1183_articles_education_18-fepetra-noraisina-ho-fisorohana.html

  • 05 Oct. 2017 - 08:41-

    Premium class Soatrans. La coopérative Soatrans vient de lancer une nouvelle offre dénommée Premium class. Le lancement de cette offre a été effectué ce 3 octobre 2017. Avec cette offre les passagers sont sûrs de partir à l’heure indiquée quelle que soit le nombre de clients ayant réservés. Les voyageurs bénéficient de l’internet avec le Wi-Fi intégré à bord. Chaque voiture est dotée de gps cela permet de contrôler la vitesse employée et de suivre la voiture en temps réel. Les départs se font toutes les deux heures (6h, 8h, 10h le matin et 14h, 16h et 18h l’après-midi).

  • 05 Oct. 2017 - 07:42-

    Lahatsoratra farany. Santé : http://www.lakroa.mg/item-1180_articles_sport_18-pesita-misy-mpizesita-mahay.html

  • 03 Oct. 2017 - 06:58-

    Sekoly mikatona ho an’ny Cisco 6. Tahaka izao ny fanambarana navoakan’i Paul Rabary, minisitry ny fanabeazam-pirenena : « Miato ny fampianarana amin'ireto toerana voalaza ireto amin'ity herinandro ity ho fanohizana ny fanadiovana ny sekoly (miankina sy tsy miankina): Antananarivo Renivohitra, Antananarivo Avaradrano, Antananarivo Atsimondrano, Ambohidratrimo, Toamasina I, Toamasina II.

    Amin'ny alatsinainy izany ny ankizy vao miverina mamonjy ny toeram-pianarany any amin'ireo toerana ireo ! »

  • 30 Sep. 2017 - 09:32-

    THB Ligue des champions 2017, phase 2. La Phase 2 du THB Ligue des champions 2017 a commencé ce 29 septembre. Les équipes du groupe 1 jouent à Mahajanga. Dans ce groupe se trouvent les équipes HZAM Amparafaravola (Alaotra Mangoro), CNAPS SPORT (Itasy), USSK Ambanja (Diana), VARATRAZA (Sofia), FC MAEVA (Betsiboka), AJESAIA (Bongolava). Les équipes du groupe 2 évoluent à Fianarantsoa. Dans ce groupe se rencontreront les équipes suivantes :  COSFA (Analamanga II), ELGECO PLUS (Analamanga I), TOP DOM (Amoron'imania), ZANAKALA FC (Haute Matsiatra), FC ANGELE (Anosy), RTS JET MADA (Itasy II).

Du même auteur

monde
politique

Dans la même rubrique

chronique
chronique
Publicité