logo
Lakroan'i Madagasikara
Matoan-dresaka

Tapitra izany ny fanehoam-pitiavan-tanindrazana

La Rédaction il y a 4 années

Mifarana ity ny volana jiona 2015. Nivalona iny ny fankalazana ny fetim-pirenena na ny fetin’ny Foloalindahy na koa ny fanamarihana ny fiverenan’ny fahaleovantenan’i Madagasikara.

Telo karazana no indray marihana rehefa migadona ny 26 jiona isan-taona fa tsy tamin’ity taona 2015 ity ihany akory. Eo ny fetim-pirenena, eo ny fetin’ny foloalindahy ary eo ny fanamarihana ny fiverenan’ny fahaleovantenan’i Madagasikara. Hangatahana hanangana sainam-pirenena ny isan-tokantrano rehefa manakaiky ny 26 jiona. Ho fanehoana ny fitiavan-tanindrazana no hanaovana ny fandrisihana. Misy milaza fa didina mihitsy ny isan-tokantrano fa tsy mbola re kosa hatreto fa nisy ny voasazy fa tsy nanangan-tsaina. Mariky ny fiandrianam-pirenena ny fananan’ny firenena iray saina ho azy. Rehefa misy ny ady hifanandrianan’ny firenena iray amin’ny firenena hafa dia io saina io no ahitana fa resy na mandresy ny mpifanandrina. Ny resy dia mampiakatra saina fotsy na koa avy hatrany dia esorin’ny mpandresy ny saina. Tapitra ny 26 jiona manomboka tazana fa manala ny saina ny mpiara-monina. Ny voalohany amin’ireo nampirina ny saina dia ireo mpivaro-mandeha mamarotra ny sainam-pirenena.

 

Resy ve ilay fitiavan-tanindrazana ? Inoana fa tsy izay loatra no mahatonga ireo mpiara-monina hanala ny saina fa tapitra ny fotoana manokana nankalazana ny fetim-pirenena ka mendrika raha ampirimina amin’izay ny saina.

 

Soritana tokoa fa amin’ny vanim-potoana manokana hafa dia mampiakatra io saina io ny teratany Malagasy. Ohatra rehefa misy fifaninanana iraisam-pirenena. Ohatra koa rehefa tafakatra amin’ny fara-tampony ny trano ahorina iray dia manatsatoka saina eny ambony eny ny tompon’ny trano aorina. Ary dia mitondra saina koa ny fianakaviana rehefa misy ny vanim-potoana manan-danja eo amin’ny fiainana tahaka ny famoran-jaza izany na koa ny famadihana na fandevenana ka enti-mandeha ny razana. Mitory ireo fa tsy ny 26 jiona ihany no hanofahofana ny sainam-pirenena ary fotoana hanehoana ny fitiavana ny Tanindazana. Milaza koa ireo ohatra ireo fa tsy natao ho an’ny foloalindahy na tranom-panjakana ihany no mendrika an’io sainam-pirenena io.

 

Isan’ny mahatonga ny filazana etoana fa tapitra ny fanehoana fitiavan-tanindrazana dia ny zava-misy. Vao nifarana ny fety dia nosamborina ny mpitarika ny girevin’ireo mpiasan’ny Air Mad. Tsy nisy kiandrasoandraso. Andro asabotsy dia avy hatrany dia notanana tao amin’ny polisy. Ireo nahavita heloka bevava no iharan’izany fomba fiasa izany. Manamarin-tena ny mpitondra Fanjakana milaza fa fiarovana ny fananam-pirenena no nahatonga azy nitory ny mpitarika girevy. Kanefa…

 

Fa talohan’izany koa anefa ireo depiote, solombavambahoaka no fiantso azy, dia nampiseho fa manana ny alahelony amin’ny filoham-pirenena ka tsy nanaja ny fanasana nalefan’ity farany hiara-hankalaza ny fetim-pirenena. Tsy nisy izany ilay fitsaharana satria tonga ny fety. Gidragidra lava na dia nisafidy ny fihavanana ho teny faneva hanamarihana ny fankalazana ny faha-55 taonan’ny fetim-pirenena aza ny mpikarakara ity 26 jiona 2015 ity.

 

Nifarana koa ny iray volan’ny teny malagasy. Afaka miteny amin’ny fiteny tsy azy intsony mandritra ny 11 volana ny teratany malagasy. Tsaroako eto ny reko teny amin’ny faritra iva : “Tsy avelan’i Mamanay hi-kiraosy izahay radem”. Raha hazavaina amin’ny fiteny gasigasy kokoa dia hoe tsy avelan’i Neny hihazakazaka izahay rahampitso. Eny amin’ny toerana noheverina fa mampiasa kokoa ny teny malagasy no nandrenesana an’izany.

 

Endrika samy hafa ireo hilazana fa tapitra ny fanehoam-pitiavan-tanindrazana. Tsy ny fankalazana ny 26 jiona ihany no tokony hanamarihana sy hanehoana izany fitiavan-tanindrazana izany. Eo koa ny fahaizan’ny samy Malagasy dia ny olona mpitondra sy ny olona entina ary ny samy mpiara-monina maneho ny fifankatiavana. Rehefa tsy hanao izany dia mazava loatra fa ny vahiny goaibe sy ny mpitsentsitra no hifaly sy handromba izay haren’ity firenena ity ary rehefa any izany dia hanorim-ponenana any an-kafa indray izy ireny. Izay ve no tadiavin’ny Malagasy ? Tandremo sao misy fitiavan-tanindrazana diso fiantefa àry. 


Tsy ritra ny Fitiavana. Mahereza hatrany. 

Partager l'article:

Lakroa en direct
  • 20 Jul. 2019 - 10:19-

    Ntsay Christian remplace Christian Ntsay.“Conformément aux dispositions de l’article 54 de la Constitution, est nommé Premier Ministre, Chef du Gouvernement : Monsieur NTSAY Christian” tel est le premier article du décret N°2019-1407, portant nomination du Premier Ministre, publié par la présidence de la République ce 19 juillet 2019. Le choix du premier ministre a été effectué sur la base des noms présentés par les députés majoritaires de l’IRD. Selon la "rumeur" Les trois noms présentés sont : Fienena Richarn Haja Resampa et Ntsay Christian. Il est donc reconduit (pour la deuxième fois) par le président Andry Rajoelina.

  • 19 Jul. 2019 - 08:45-

    JIOI 2019. Dans le cadre des Jeux des Îles, les Barea affrontent en premier les Seychelles. Le match se déroulera au stade Auguste Vollaire le 20 juillet à 14h15. Madagascar n’a pas perdu, lors des deux dernières rencontres entre les deux sélections, avec une victoire (0-1) le 11 juin 2016 et un match nul (1-1) le 29 mai 2018.

  • 18 Jul. 2019 - 14:15-

    USA. Le cardinal DiNardo interpelle Donald Trump sur les droits des migrants. «Il est contraire aux valeurs américaines et chrétiennes de chercher à empêcher aux personnes d’émigrer ici quand elles fuient pour sauver leurs vies et pour trouver une sécurité pour leurs familles», déclare le cardinal DiNardo.

  • 18 Jul. 2019 - 11:27-

    Birao maharitra AN. Vita ny fifidianana ny mpikambana ireo mandrafitra ny Birao maharitry ny Antenimieram-pirenena. Toy izao izany : Filohan’ny Antenimierampirenena : Razanamahasoa Christine Harijaona, Ambatofinandrahana (IRD). Filoha Lefitra Antananarivo : Rasolonjatovo Honoré, Faratsiho (IRD). Filoha Lefitra Antsiranana : Rahelihanta Jocelyne, Antsiranana I (IRD). Filoha Lefitra Fianarantsoa : Razafitsiandraofa Jean Brunelle, Ikongo (IRD). Filoha Lefitra Mahajanga : Rahantanirina Lalao, Mahajanga I (IRD). Filoha Lefitra Toamasina : Michelle Bavy Angelica, Fenérive Est (IRD). Filoha Lefitra Toliara : Rabenirina Jean Jacques, Betioky Atsimo (IRD).
    Questeur 1 : Henri Jean Michel, Ambovombe (IRD). Questeur 2 : Rakotomanga Lantoarivola Sedera, Antananarivo II (IRD). Questeur 3 : Rabenirina Maminiaina Solondraibe, Ambohidratrimo (TIM).
    Mpampakateny : Angèle Solange, Amboasary Atsimo (Mahaleotena). Mpampakateny lefitra : Rafenomanantsoa Tsirimaharo Ny Aina, Antananarivo III (IRD).

  • 17 Jul. 2019 - 09:30-

    Mercato-Jeremy Morel. En fin de contrat avec l'OL, l’international malgache Jeremy Morel signe pour un an de contrat avec le Stade Rennais. « Je suis très enthousiaste et fier de rejoindre le Stade Rennais F.C. Je vais faire du mieux possible pour apporter mon expérience au club. J’avais plusieurs sollicitations mais sportivement je me voyais plus ici. J’espère avoir fait le bon choix. À moi de tout faire sur le terrain pour remercier le Président de sa confiance », a-t-il déclaré.  

  • 16 Jul. 2019 - 09:30-

    Désensablement. La piscine naturelle du Parc National Isalo est de nouveau ouverte à la baignade depuis le vendredi 12 juillet dernier. « La profondeur et la propreté de l’eau ont été testées par les agents de Madagascar National Parks afin de s’assurer que toutes les conditions requises pour la baignade durant la haute saison touristique 2019 soient au mieux », déclare Madagascar National Parks sur Facebook.

  • 15 Jul. 2019 - 14:30-

    Jeux des îles. A l’île Maurice, les sportifs venant des sept îles de l'océan Indien s'affronteront sur quatorze disciplines : athlétisme, badminton, le basketball, boxe, cyclisme, football, haltérophilie, judo, natation, tennis de table, voile, beach volley et volleyball. Pour cette édition, l’ouverture officielle se fera le 19 juillet et prendra fin le 28 juillet.

  • 15 Jul. 2019 - 13:00-

    FMF. Lova Ramisamanana ne pourra se présenter à la course pour être à la tête de la fédération malgache de football. Il l’évoque sur sa page Facebook ainsi, « j’ai le regret de vous annoncer que je ne pourrai pas me présenter à la présidence de la fédération malagasy de football, faute de n’avoir pu réunir les 3 cautions requises. Nous nous sommes battus jusqu’au bout mais nous n’avons pu faire face à certains obstacles. »

  • 15 Jul. 2019 - 08:30-

    CAN 2019. Suite à leur victoire respective contre la Tunisie et le Nigéria, le Sénégal et l’Algérie disputeront la finale de cette édition de la Coupe d’Afrique des Nations. Pour rappel, les Fennecs ont battu ces Lions de la teranga lors de la phase de poule sur le score de 1-0 avec le but de Youcef Belaili.

  • 11 Jul. 2019 - 06:30-

    Fandaminana. Handamina ny polisim-pirenena ho an’ny alakamisy alina araka ny resadresaka tamin’ny mpanao gazety nataon’ireo tompon’andraikitra ao amin’ny Polisim-pirenena. Nanome ireo toromarika manodidina ny filaminana mandritra ny fijerena baolina kitra amin’izao Can izao izy ireo. Maro ny polisy hiasa amin’io alin’ny alakamisy io raha ny nambaran’ireto tompon’andraikitra ao amin’ny polisim-pirenena ireto.

  • 09 Jul. 2019 - 13:30-

    Supporter les Barea. L’inscription est ouverte pour aller supporter les Barea en Egypte pour leur quart de finale contre la Tunisie. Les billets sont disponibles auprès de l’Air Madagascar à Analakely. Adressez-vous à la même agence pour plus d’infos.

  • 06 Jul. 2019 - 13:00-

    Pape François – Poutine. Le président russe Vladimir Poutine a rencontré le pape François au Vatican le 4 juillet pour une discussion privée de 55 minutes. Le pape François et Poutine ont discuté de questions d'actualité en Syrie, en Ukraine et au Venezuela, ainsi que de questions environnementales et de questions concernant l'Eglise catholique en Russie, selon le bureau de presse du Saint-Siège.

  • 05 Jul. 2019 - 11:00-

    CAN 2019. La CAF a rejeté les plaintes contre la RDC pour match truqué. Suite à l’insuffisance de preuve réelle, les accusations de corruption de la fédération zimbabwéenne de football vis-à-vis de leur gardien de but ont été rejeté. De ce fait, le match entre Madagascar et la RDC dans le cadre des huitièmes de finale aura bel et bien lieu dimanche prochain.

  • 05 Jul. 2019 - 08:30-

    Wi-fi gratuit. Le mercredi 10 juillet prochain, le wi-fi gratuit sera disponible à Antananarivo. Il sera possible de se connecter librement, sur quatre zones incontournables de la capitale comme au jardin Antaninarenina, à l’arrêt bus Ambohijatovo, au jardin Antanimena et au pont de Behoririka.

  • 04 Jul. 2019 - 10:30-

    Nicolas Dupuis. Selon Jeune Afrique, Nicolas Dupuis est 31ème dans le classement des entraîneurs les mieux payés en Afrique. Il perçoit 7000€ par mois, selon les chiffres publiés par le média. Le sélectionneur de l’Egypte, Javier Aguirre, est le coach le mieux rémunéré sur le continent avec un salaire mensuel de 108 000 euros.

  • 03 Jul. 2019 - 15:15-

    CAN 2019. Anicet Andrianantenaina et Carolus Andriamanitsinoro intègrent l’équipe type de la phase de poule de cette Coupe d’Afrique des Nations. Pour rappel, Anicet était l’homme du match pendant la rencontre face à la Guinée. Carolus l’était à son tour pendant le match contre le Nigéria.

  • 03 Jul. 2019 - 14:30-

    FIER-Mada. Tanterahana ny alarobia 7 hatramin’ny 11 aogositra ho avy izao ny FIER-Mada faha 21, ao amin’ny kianja Makis Andohatapenaka. Amin’izany dia hisy ny lao-bary an-dasy hiompana amin’ny « fandrosoana maharitra : tetik’asam-panjakana vatsiana vola amin’ny voajanahary sy ifampierana amin’ny tantsaha eny ifotony ».

  • 03 Jul. 2019 - 13:15-

    Energie solaire. La nouvelle technologie solaire pourrait produire de l'eau potable propre pour des millions de personnes dans le besoin. Des appareils appelés alambics solaires utilisent le soleil pour évaporer l'eau salée et condenser la vapeur en eau potable saine. Les chercheurs ont mis au point un nouveau système accélérant le processus d'évaporation, permettant ainsi à un petit alambic solaire de fournir toute l'eau potable dont une famille a besoin.

  • 03 Jul. 2019 - 08:30-

    Fampandrenesana. Tapaka ny lalana : -Lalana Dr Rajaonah- Pharmacie Ankadifotsy- EKAR Antanimena- ESCA ny saboty 6 jolay 2019. Voarara ho an’ny fifamoivoizan’ny  fiara rehetra tsy an-kanavaka ny ampahany amin’ireo lalana ireo. Izany dia noho ny fankalazana ny faha-50 taonan’ny Sekoly Les Lutins Ankadifotsy, araky ny fampandrenesana.

  • 02 Jul. 2019 - 08:00-

    Supporter les Barea. Une offre exceptionnelle est disponible pour les 8è de finale de cette CAN. Elle est à 2.200.000 ar ( Billet d avion A/R +Hebergement+Transfert hôtel-stade+ Billet d entrée stade ) 298.000 ar ( Visa de séjour ) 198.000 ( Passeport ) soit 2.688.000 AR Départ d Ivato samedi 06 juillet - retour Ivato Lundi 08 juillet Appareil A 380 . Plus d infos contacter Air MADAGASCAR

Du même auteur

monde
politique

Dans la même rubrique

editorial
editorial
Publicité