logo
Lakroan'i Madagasikara
Antsirabe hiatrika ny vakansy

Entanina ny famakiam-boky ao Antsirabe

R. Hajatiana Léonard il y a 4 années

Hamporisihana ireo mpianatra mba ho tia vakiboky dieny mbola mavitrika. Anisan’ny hilofosan’ny CISCO-n’Antsirabe.

Entanina ny famakiam-boky ao Antsirabe

Madiva hifarana sahady ny taom-pianarana 2014-2015, ny manatevina sy manampy hatrany ireny trano famakiam-boky ireny ny CISCO ao Antsirabe. Haren-tsaina mila kolokoloina ny fahalalana entin’ny boky, ka izao fotoana ny fialantsasatra izao indrindra no tokony hanararaotana izany.

 

Mamaramparana ny taom-pianarana 2014-2015 sahady ny ankamaroan’ireo sekoly ao Vakinankaratra amin’ity herinandro ity. Hifarana ny zoma 17 jolay avokoa ny fanadinana hataon’ireo mpianatra izay tsy miatrika fanadinam-panjakana. Mandeha tsara ihany koa ny karazana torohevitra ho an’ireo hanala fanadinana BAC sy BEPC ary CEPE amin’izao raha ny ao Antsirabe no jerena. Maro ireo filazana alefan’ireo toeram-panofanana amin’ny haino aman-jery sy mipetaka amin’ny rindrina manerana ny tanàna, misarika ny mpanala fanadinam-panjakana mba ho fanampiana azy ireo amin’ny famerenan-desona sady ho fanosehana azy ireo ara-pahaizana. Vao haingana ihany koa no nisokatra tao Antsirabe ny sekoly PRECAES, manofana mpianatra ho tonga mpiasam-panjakana toy ny mpitandro filaminana, ny INFA sy ny ENAM. Manampy isa ny olomanga eto amin’ny firenena avokoa izany rehetra izany. Dieny mbola kely anefa ny ankizy dia efa hatodika bebe kokoa amin’ny vakiboky, mba hivelaran’ny sainy sy hiorim-paka ao aminy ny tena fahaizana sy fahalalana. Hatao fenitra iraisana ho an’ireo sekoly hiadidian’ny CISCO-n’Antsirabe sy ny DREN-n’i Vakinankaratra ny fampitomboana isa ireo karazam-boky isaky ny trano famakiam-boky. Ny boky rahateo no namana mahatoky, hanotofana ny lesoka na amin’ny fomba fiteny am-bava na an-tsoratra, araka ny voalazan’ny mpanabe iray ao amin’ny sekoly La Providence Antsirabe ; manoman-komana ny fialantsasatra ireo mpianatra ao. Mifono haren-tsaina tsy be dia be ny boky ary tsy voatokana ho an’ny mpianatra ihany fa ny rehetra dia afaka manovo fahalalana ao aminy avokoa. Fialamboly aza no hilazan’ireo mpanoratra azy ka amin’izao fialantsasatra izao indrindra no tena fotoana mety. Rehefa tahaka izao volana fiatoana amin’ny fianarana izao, dia mandray vahiny mpialasasatra maro dia maro Antsirabe ka ezahina araka izay ihany koa ny fivohan’ny trano famakiam-boky ao an-toerana raha ny torohevitra natsipin’ny tomponandraikitra sy ny teo anivon’ny CISCO ny Alatsinainy maraina lasa teo tao amin’ny « Lycée André Resampa Antsirabe » na LARA. Antony lehibe hoy ihany izy ireo, mba hamerenana indray amin’ny tontolon’ny fahalalana mari-pototra ireo babon’ny teknolojia vaovao toy ny interinety ka voasariny.

 

Fitaizana saina ankoatra ny fanatanjahantena

Amin’ny faritra Vakinankaratra, ao Betafo no hanatanterahana ny fanatanjahantena an-tsekoly na ny «Sports scolaires». Natao hitaizana sy hikojakojana ny sain’ny mpianatra ihany koa ity hetsika karakarain’ny DREN ity. Mangatsiaka sady mamirifiry tokoa ny andro amin’izao ka ilaina fatratra ny manafana hozatra alohan’ny hanaovana fanadinana. Mitazona ny fitadidiana ihany koa ny fihinanana tsaramaso, trondro, voanjo izay misy vitaminina D sy E. Ankoatra izay, fitaovana tsotra sy azo antoka ary koa mahomby ny famakiana matetika ireny boky ireny. Tokony tsy hianina fotsiny amin’ny ambaran’ny mpanabe sy ny mpampianatra fa ao anatin’ny boky no mameno ny banga rehetra sy ny tsy ampy. Na dia izany aza, voafaritra ihany ny karazam-boky tsara vakiana, satria misy izy ireny no mamoafady sy mampanita-kevi-dratsy. Na dia vitsy aza izany no mipetraka amina trano famakiam-boky dia miely izay tsy izy tokoa any amin’ny interinety any. Afaka mamolavola olona ho tafita ny fitiavana sy ny fisakaizana amin’ny boky, porofon’izany ny sasantsasany amin’ireo mpanoratra ngezalahy toa an-dRabearivelo Jean Joseph izay nifofotra tamin’izany fotsiny na dia tsy nahatohy fianarana aza. Saingy, mitaky fahazotoana sy faharetana ny fanovozam-pahalalana, fahendrena sy fahaizana aminy. Mora fantatra ihany koa ny olona mpamaky boky sy ny tsy izy, azo tarafina amin’ny fombany sy ny toetrany, ny fihetsiny ary ny zavatra ataony izany. Olon’ny fahendrena no azo hilazana azy fa tsy olon’ny korontan-dava. Aleo miala sasatra mihitsy aloha e!

Partager l'article:

Lakroa en direct
  • 23 Jul. 2019 - 14:50-

    Fanomezan-drà. Nanome rà maimaimpoana teny amin’ny HJRA Ampefiloha ireo polisy vaovao miisa 1098 tao amin’ny andiany “FENITRA”. Nitarika azy ireo ny minisitry ny filaminam-bahoaka, RAFANOMEZANTSOA Roger ary nanambara fa : “fanampiana sy ho vonjy aina ho an’ireo mpiray tanindrazana no nanaovana izao adidy izao satria izay manome rà dia mamonjy aina”.

  • 23 Jul. 2019 - 10:45-

    Eglise Catholique en Allemagne. D’après les dernières statistiques, 200 000 catholiques allemands ont quitté l’Église en 2018, contre 167 500 en 2017. Avec plus de 23 millions de membres, l’Église Catholique en Allemagne rassemble toujours 27 % de la population du pays soit plus d’un quart des allemands.

  • 22 Jul. 2019 - 14:37-

    Situation comique en foot au JIOI 2019. Pour la deuxième place du groupe A de ces JIOI 2019, dans le tournoi de football, un tirage au sort entre Madagascar et les Seychelles sera effectué, ce lundi soir, à 20h. Cela, pour savoir qui accédera à la demi-finale contre la Réunion et se jouera mercredi 24 juillet à 14h30. Ayant terminé avec un seul point à leur compteur tous les deux, les formations malgaches et seychelloises seront départagées par tirage au sort. Maurice est assurée de passer avec le nombre de but marqué (2).

  • 20 Jul. 2019 - 10:19-

    Ntsay Christian remplace Christian Ntsay. “Conformément aux dispositions de l’article 54 de la Constitution, est nommé Premier Ministre, Chef du Gouvernement : Monsieur NTSAY Christian” tel est le premier article du décret N°2019-1407, portant nomination du Premier Ministre, publié par la présidence de la République ce 19 juillet 2019. Le choix du premier ministre a été effectué sur la base des noms présentés par les députés majoritaires de l’IRD. Selon la "rumeur" Les trois noms présentés sont : Fienena Richarn Haja Resampa et Ntsay Christian. Il est donc reconduit (pour la deuxième fois) par le président Andry Rajoelina.

  • 19 Jul. 2019 - 08:45-

    JIOI 2019. Dans le cadre des Jeux des Îles, les Barea affrontent en premier les Seychelles. Le match se déroulera au stade Auguste Vollaire le 20 juillet à 14h15. Madagascar n’a pas perdu, lors des deux dernières rencontres entre les deux sélections, avec une victoire (0-1) le 11 juin 2016 et un match nul (1-1) le 29 mai 2018.

  • 18 Jul. 2019 - 14:15-

    USA. Le cardinal DiNardo interpelle Donald Trump sur les droits des migrants. «Il est contraire aux valeurs américaines et chrétiennes de chercher à empêcher aux personnes d’émigrer ici quand elles fuient pour sauver leurs vies et pour trouver une sécurité pour leurs familles», déclare le cardinal DiNardo.

  • 18 Jul. 2019 - 11:27-

    Birao maharitra AN. Vita ny fifidianana ny mpikambana ireo mandrafitra ny Birao maharitry ny Antenimieram-pirenena. Toy izao izany : Filohan’ny Antenimierampirenena : Razanamahasoa Christine Harijaona, Ambatofinandrahana (IRD). Filoha Lefitra Antananarivo : Rasolonjatovo Honoré, Faratsiho (IRD). Filoha Lefitra Antsiranana : Rahelihanta Jocelyne, Antsiranana I (IRD). Filoha Lefitra Fianarantsoa : Razafitsiandraofa Jean Brunelle, Ikongo (IRD). Filoha Lefitra Mahajanga : Rahantanirina Lalao, Mahajanga I (IRD). Filoha Lefitra Toamasina : Michelle Bavy Angelica, Fenérive Est (IRD). Filoha Lefitra Toliara : Rabenirina Jean Jacques, Betioky Atsimo (IRD).
    Questeur 1 : Henri Jean Michel, Ambovombe (IRD). Questeur 2 : Rakotomanga Lantoarivola Sedera, Antananarivo II (IRD). Questeur 3 : Rabenirina Maminiaina Solondraibe, Ambohidratrimo (TIM).
    Mpampakateny : Angèle Solange, Amboasary Atsimo (Mahaleotena). Mpampakateny lefitra : Rafenomanantsoa Tsirimaharo Ny Aina, Antananarivo III (IRD).

  • 17 Jul. 2019 - 09:30-

    Mercato-Jeremy Morel. En fin de contrat avec l'OL, l’international malgache Jeremy Morel signe pour un an de contrat avec le Stade Rennais. « Je suis très enthousiaste et fier de rejoindre le Stade Rennais F.C. Je vais faire du mieux possible pour apporter mon expérience au club. J’avais plusieurs sollicitations mais sportivement je me voyais plus ici. J’espère avoir fait le bon choix. À moi de tout faire sur le terrain pour remercier le Président de sa confiance », a-t-il déclaré.  

  • 16 Jul. 2019 - 09:30-

    Désensablement. La piscine naturelle du Parc National Isalo est de nouveau ouverte à la baignade depuis le vendredi 12 juillet dernier. « La profondeur et la propreté de l’eau ont été testées par les agents de Madagascar National Parks afin de s’assurer que toutes les conditions requises pour la baignade durant la haute saison touristique 2019 soient au mieux », déclare Madagascar National Parks sur Facebook.

  • 15 Jul. 2019 - 14:30-

    Jeux des îles. A l’île Maurice, les sportifs venant des sept îles de l'océan Indien s'affronteront sur quatorze disciplines : athlétisme, badminton, le basketball, boxe, cyclisme, football, haltérophilie, judo, natation, tennis de table, voile, beach volley et volleyball. Pour cette édition, l’ouverture officielle se fera le 19 juillet et prendra fin le 28 juillet.

  • 15 Jul. 2019 - 13:00-

    FMF. Lova Ramisamanana ne pourra se présenter à la course pour être à la tête de la fédération malgache de football. Il l’évoque sur sa page Facebook ainsi, « j’ai le regret de vous annoncer que je ne pourrai pas me présenter à la présidence de la fédération malagasy de football, faute de n’avoir pu réunir les 3 cautions requises. Nous nous sommes battus jusqu’au bout mais nous n’avons pu faire face à certains obstacles. »

  • 15 Jul. 2019 - 08:30-

    CAN 2019. Suite à leur victoire respective contre la Tunisie et le Nigéria, le Sénégal et l’Algérie disputeront la finale de cette édition de la Coupe d’Afrique des Nations. Pour rappel, les Fennecs ont battu ces Lions de la teranga lors de la phase de poule sur le score de 1-0 avec le but de Youcef Belaili.

  • 11 Jul. 2019 - 06:30-

    Fandaminana. Handamina ny polisim-pirenena ho an’ny alakamisy alina araka ny resadresaka tamin’ny mpanao gazety nataon’ireo tompon’andraikitra ao amin’ny Polisim-pirenena. Nanome ireo toromarika manodidina ny filaminana mandritra ny fijerena baolina kitra amin’izao Can izao izy ireo. Maro ny polisy hiasa amin’io alin’ny alakamisy io raha ny nambaran’ireto tompon’andraikitra ao amin’ny polisim-pirenena ireto.

  • 09 Jul. 2019 - 13:30-

    Supporter les Barea. L’inscription est ouverte pour aller supporter les Barea en Egypte pour leur quart de finale contre la Tunisie. Les billets sont disponibles auprès de l’Air Madagascar à Analakely. Adressez-vous à la même agence pour plus d’infos.

  • 06 Jul. 2019 - 13:00-

    Pape François – Poutine. Le président russe Vladimir Poutine a rencontré le pape François au Vatican le 4 juillet pour une discussion privée de 55 minutes. Le pape François et Poutine ont discuté de questions d'actualité en Syrie, en Ukraine et au Venezuela, ainsi que de questions environnementales et de questions concernant l'Eglise catholique en Russie, selon le bureau de presse du Saint-Siège.

  • 05 Jul. 2019 - 11:00-

    CAN 2019. La CAF a rejeté les plaintes contre la RDC pour match truqué. Suite à l’insuffisance de preuve réelle, les accusations de corruption de la fédération zimbabwéenne de football vis-à-vis de leur gardien de but ont été rejeté. De ce fait, le match entre Madagascar et la RDC dans le cadre des huitièmes de finale aura bel et bien lieu dimanche prochain.

  • 05 Jul. 2019 - 08:30-

    Wi-fi gratuit. Le mercredi 10 juillet prochain, le wi-fi gratuit sera disponible à Antananarivo. Il sera possible de se connecter librement, sur quatre zones incontournables de la capitale comme au jardin Antaninarenina, à l’arrêt bus Ambohijatovo, au jardin Antanimena et au pont de Behoririka.

  • 04 Jul. 2019 - 10:30-

    Nicolas Dupuis. Selon Jeune Afrique, Nicolas Dupuis est 31ème dans le classement des entraîneurs les mieux payés en Afrique. Il perçoit 7000€ par mois, selon les chiffres publiés par le média. Le sélectionneur de l’Egypte, Javier Aguirre, est le coach le mieux rémunéré sur le continent avec un salaire mensuel de 108 000 euros.

  • 03 Jul. 2019 - 15:15-

    CAN 2019. Anicet Andrianantenaina et Carolus Andriamanitsinoro intègrent l’équipe type de la phase de poule de cette Coupe d’Afrique des Nations. Pour rappel, Anicet était l’homme du match pendant la rencontre face à la Guinée. Carolus l’était à son tour pendant le match contre le Nigéria.

  • 03 Jul. 2019 - 14:30-

    FIER-Mada. Tanterahana ny alarobia 7 hatramin’ny 11 aogositra ho avy izao ny FIER-Mada faha 21, ao amin’ny kianja Makis Andohatapenaka. Amin’izany dia hisy ny lao-bary an-dasy hiompana amin’ny « fandrosoana maharitra : tetik’asam-panjakana vatsiana vola amin’ny voajanahary sy ifampierana amin’ny tantsaha eny ifotony ».

Du même auteur

monde
politique

Dans la même rubrique

education
education
Publicité