logo
Lakroan'i Madagasikara
Véronique Rajerison

Hanangana ho an’ny taranaka fara aman-dimby isika

Razafindramanitra il y a 4 années

Raikitra tokoa ity fampielezan-kevitra ity raha nisy ny fisalasalana noho ny adilahy politika. Nitokana ny foiben-toerany no nanombohan'ny kandida Véronique Rajerison, laharana faha-5 ao Antananarivo Renivohitra, ny propagandiny.

Hanangana ho an’ny taranaka fara aman-dimby isika

Vonona. Izay no azo ilazana ny fahitana ny kandida Véronique Rajerison Nicole raha izy niditra ny QG na foibe toeran’ny lisitra izay tarihiny. Efa hitatao vovonana ny andro vao tonga ny kandida. Efa avy nitety boriborintany izy izao tonga izao araka ny fanazavana azo. Raha ny teo amin’ny foibe toerana ao Tsiadana kosa dia ny artista maro no nanafana ny olona maro tonga namely ny fanasan’ny candida. Hita tamin’ny tambazotra serasera tokoa mantsy fa niantso ny mponin’Antananarivo ny candida Véronique Rajerison tamin’ny alalan’ny tambazotra toy ny facebook izany. Artiste maro no nanafana sy nanentana ny olona hamerina ny teny hoe Fidio i Tantine Véronique na ny lisitra laharana faha-5. “Cinq cinq miaraka amin’i Tantine Véronique, fidio ho ben'ny tanàna ny numéro cinq” hoy ny artista izay nifandimby nanafana ny vahoaka ny 16 jolay maraina. Io tokoa no andro voatondro hanokafana ny fampielezan-kevitra. Marihina fa mbola vitsy ireo nisalotra ny tee-shirt misy ny sarin’ny candida tamin’ireo vahoaka tonga teo ireo. Ireo mpanolotsaina koa aza dia teo vao nametaka ny karavato mavo.

 

Raha nanomboka tany amin’ny sivy tany ny fanentanana dia efa ho amin’ny roa ambin’ny folo ora antoandro no nigadona ny kandida. Nialohavan’ny fiarabe feno olona ny fiara Hummer nitondra azy. Mijoro ao anaty fiara I Tantine Véronique no sady nanofahofa Tanana niditra ny foiben-toeran’ny lisitra tarihiny. Mora hita izy ao anatin’izao akanjo mainty misy sisin’ny volamena. Mampisongadina ny hatsaran-tarehiny tokoa ny loko nofidiany, mainka moa fa izy mitsiky iny. Azo antoka fa fantany izany.

 

Manandro ve?

Fitokanana ny QG ao Tsiadana no nanokafan’ny kandida ny fampielezan-keviny. Hira mafana no re nanakoako tao amin’ny toerana talohan’ny nahatongavany. Marihina fa raha nakipy ny maso dia saro-pantarina fa fampielezan-kevitra ao Antananarivo izany manomboka izany. Vitsy dia vitsy ny hira malefaka mampisongadina ny kanto ao Iarivo.

“Tranon’i Tantine ve ity” hoy ny fanontanian’ny olona sasany teo ampiandrasana ny fahatongavan’i Tantine Véronique. Tsisy nanana ny valiny ireo olona tonga teo, no sady tsy nivaky loha tamin’izany. Samy nahalala ny olona tao fa manana ny ampy ity candida ity mba tsy ilazana fa mpanefoefo. Trano mijoalajoala izay nampisalorana lamba manga sy mavo lokon’ny kandida. “Efa santatry ny fandresena izao loko izao” hoy ny mpanolotsaina iray amin’ireo ao anaty lisitra. Nandravaka ny rindrina koa sarin’ny candida. Lehibe ilay sary fa hita ho miafiafy miohatra amin’ny halehiben’ny rindrina misy azy. Notemerina poster koa ny tontolo manodidina. Efa mahazatra avokoa izany.

Nanandro ve i Tantine Véronique nisafidy ny loko manga sy mavo? Fantatra fa io lokon’ny kaominina ao Antananarivo Renivohitra na dia nisy aza ezaka nanampy loko teo aloha teo. Nanandro ve izy raha laharana faha-dimy no azony tsaroana tokoa fa ao amin’ny boriborintany faha-5 no misy azy. Ndeha ho lazaina fa fifandrifian-javatra avokoa izany.

 

Lahateny fohy no nentin’i Véronique Rajerison ho an’ireo vahoaka tonga teo niandry azy. Isan’ny olana ho an’ity kandida ity ny mandahateny. Vita izay dia nandray tanana an’ireo olona izy ary dia niroso tamin’ny fiarahana misakafo tamin’ireo olona nasainy tao amin’ity QG vaovao ity. Nisy lahateny nifandimbiasany sy ny an’ny solontenan’ny mpanolotsaina. Fa rehefa tahaka izao moa dia olona efa resy lahatra no tonga manatrika ka tsy dia nila fandresen-dahatra be loatra izany. Fa nahazo ny tehaka mirefodrefotra izay nandrasana.

Nitafa tamin’ny mpanao gazety ny tenany tao anaty efitrano. Maro ny loharanom-bola azo eritreretina ho an’Antananarivo hoy izy raha namely ny fanontaniana mikasika io loharanom-bola io izy. Isan’ny nambarany ny fanadiovana ny fitantanana fa eo koa ny resaka parking. Naverimberiny koa ny momba ny tsena. Io resaka tsena io moa dia miteraka olana goavana isaky ny boriborintany mba tsy ilazana isaky ny fokontany. Nilaza ny kandida Véronique fa hanatona ny vahoaka amin’izay izy manomboka ny 17 jolay fa tsy hitoetra eto amin’ny QG akory. Azo antoka izany fa any izy afaka mamelabelatra bebe kokoa izany rehetra mandritra ny 15 andro haharetan’ny fampielezan-kevitra.






Partager l'article:

Lakroa en direct
  • 18 Jul. 2019 - 14:15-

    USA. Le cardinal DiNardo interpelle Donald Trump sur les droits des migrants. «Il est contraire aux valeurs américaines et chrétiennes de chercher à empêcher aux personnes d’émigrer ici quand elles fuient pour sauver leurs vies et pour trouver une sécurité pour leurs familles», déclare le cardinal DiNardo.

  • 18 Jul. 2019 - 11:27-

    Birao maharitra AN. Vita ny fifidianana ny mpikambana ireo mandrafitra ny Birao maharitry ny Antenimieram-pirenena. Toy izao izany : Filohan’ny Antenimierampirenena : Razanamahasoa Christine Harijaona, Ambatofinandrahana (IRD). Filoha Lefitra Antananarivo : Rasolonjatovo Honoré, Faratsiho (IRD). Filoha Lefitra Antsiranana : Rahelihanta Jocelyne, Antsiranana I (IRD). Filoha Lefitra Fianarantsoa : Razafitsiandraofa Jean Brunelle, Ikongo (IRD). Filoha Lefitra Mahajanga : Rahantanirina Lalao, Mahajanga I (IRD). Filoha Lefitra Toamasina : Michelle Bavy Angelica, Fenérive Est (IRD). Filoha Lefitra Toliara : Rabenirina Jean Jacques, Betioky Atsimo (IRD).
    Questeur 1 : Henri Jean Michel, Ambovombe (IRD). Questeur 2 : Rakotomanga Lantoarivola Sedera, Antananarivo II (IRD). Questeur 3 : Rabenirina Maminiaina Solondraibe, Ambohidratrimo (TIM).
    Mpampakateny : Angèle Solange, Amboasary Atsimo (Mahaleotena). Mpampakateny lefitra : Rafenomanantsoa Tsirimaharo Ny Aina, Antananarivo III (IRD).

  • 17 Jul. 2019 - 09:30-

    Mercato-Jeremy Morel. En fin de contrat avec l'OL, l’international malgache Jeremy Morel signe pour un an de contrat avec le Stade Rennais. « Je suis très enthousiaste et fier de rejoindre le Stade Rennais F.C. Je vais faire du mieux possible pour apporter mon expérience au club. J’avais plusieurs sollicitations mais sportivement je me voyais plus ici. J’espère avoir fait le bon choix. À moi de tout faire sur le terrain pour remercier le Président de sa confiance », a-t-il déclaré.  

  • 16 Jul. 2019 - 09:30-

    Désensablement. La piscine naturelle du Parc National Isalo est de nouveau ouverte à la baignade depuis le vendredi 12 juillet dernier. « La profondeur et la propreté de l’eau ont été testées par les agents de Madagascar National Parks afin de s’assurer que toutes les conditions requises pour la baignade durant la haute saison touristique 2019 soient au mieux », déclare Madagascar National Parks sur Facebook.

  • 15 Jul. 2019 - 14:30-

    Jeux des îles. A l’île Maurice, les sportifs venant des sept îles de l'océan Indien s'affronteront sur quatorze disciplines : athlétisme, badminton, le basketball, boxe, cyclisme, football, haltérophilie, judo, natation, tennis de table, voile, beach volley et volleyball. Pour cette édition, l’ouverture officielle se fera le 19 juillet et prendra fin le 28 juillet.

  • 15 Jul. 2019 - 13:00-

    FMF. Lova Ramisamanana ne pourra se présenter à la course pour être à la tête de la fédération malgache de football. Il l’évoque sur sa page Facebook ainsi, « j’ai le regret de vous annoncer que je ne pourrai pas me présenter à la présidence de la fédération malagasy de football, faute de n’avoir pu réunir les 3 cautions requises. Nous nous sommes battus jusqu’au bout mais nous n’avons pu faire face à certains obstacles. »

  • 15 Jul. 2019 - 08:30-

    CAN 2019. Suite à leur victoire respective contre la Tunisie et le Nigéria, le Sénégal et l’Algérie disputeront la finale de cette édition de la Coupe d’Afrique des Nations. Pour rappel, les Fennecs ont battu ces Lions de la teranga lors de la phase de poule sur le score de 1-0 avec le but de Youcef Belaili.

  • 11 Jul. 2019 - 06:30-

    Fandaminana. Handamina ny polisim-pirenena ho an’ny alakamisy alina araka ny resadresaka tamin’ny mpanao gazety nataon’ireo tompon’andraikitra ao amin’ny Polisim-pirenena. Nanome ireo toromarika manodidina ny filaminana mandritra ny fijerena baolina kitra amin’izao Can izao izy ireo. Maro ny polisy hiasa amin’io alin’ny alakamisy io raha ny nambaran’ireto tompon’andraikitra ao amin’ny polisim-pirenena ireto.

  • 09 Jul. 2019 - 13:30-

    Supporter les Barea. L’inscription est ouverte pour aller supporter les Barea en Egypte pour leur quart de finale contre la Tunisie. Les billets sont disponibles auprès de l’Air Madagascar à Analakely. Adressez-vous à la même agence pour plus d’infos.

  • 06 Jul. 2019 - 13:00-

    Pape François – Poutine. Le président russe Vladimir Poutine a rencontré le pape François au Vatican le 4 juillet pour une discussion privée de 55 minutes. Le pape François et Poutine ont discuté de questions d'actualité en Syrie, en Ukraine et au Venezuela, ainsi que de questions environnementales et de questions concernant l'Eglise catholique en Russie, selon le bureau de presse du Saint-Siège.

  • 05 Jul. 2019 - 11:00-

    CAN 2019. La CAF a rejeté les plaintes contre la RDC pour match truqué. Suite à l’insuffisance de preuve réelle, les accusations de corruption de la fédération zimbabwéenne de football vis-à-vis de leur gardien de but ont été rejeté. De ce fait, le match entre Madagascar et la RDC dans le cadre des huitièmes de finale aura bel et bien lieu dimanche prochain.

  • 05 Jul. 2019 - 08:30-

    Wi-fi gratuit. Le mercredi 10 juillet prochain, le wi-fi gratuit sera disponible à Antananarivo. Il sera possible de se connecter librement, sur quatre zones incontournables de la capitale comme au jardin Antaninarenina, à l’arrêt bus Ambohijatovo, au jardin Antanimena et au pont de Behoririka.

  • 04 Jul. 2019 - 10:30-

    Nicolas Dupuis. Selon Jeune Afrique, Nicolas Dupuis est 31ème dans le classement des entraîneurs les mieux payés en Afrique. Il perçoit 7000€ par mois, selon les chiffres publiés par le média. Le sélectionneur de l’Egypte, Javier Aguirre, est le coach le mieux rémunéré sur le continent avec un salaire mensuel de 108 000 euros.

  • 03 Jul. 2019 - 15:15-

    CAN 2019. Anicet Andrianantenaina et Carolus Andriamanitsinoro intègrent l’équipe type de la phase de poule de cette Coupe d’Afrique des Nations. Pour rappel, Anicet était l’homme du match pendant la rencontre face à la Guinée. Carolus l’était à son tour pendant le match contre le Nigéria.

  • 03 Jul. 2019 - 14:30-

    FIER-Mada. Tanterahana ny alarobia 7 hatramin’ny 11 aogositra ho avy izao ny FIER-Mada faha 21, ao amin’ny kianja Makis Andohatapenaka. Amin’izany dia hisy ny lao-bary an-dasy hiompana amin’ny « fandrosoana maharitra : tetik’asam-panjakana vatsiana vola amin’ny voajanahary sy ifampierana amin’ny tantsaha eny ifotony ».

  • 03 Jul. 2019 - 13:15-

    Energie solaire. La nouvelle technologie solaire pourrait produire de l'eau potable propre pour des millions de personnes dans le besoin. Des appareils appelés alambics solaires utilisent le soleil pour évaporer l'eau salée et condenser la vapeur en eau potable saine. Les chercheurs ont mis au point un nouveau système accélérant le processus d'évaporation, permettant ainsi à un petit alambic solaire de fournir toute l'eau potable dont une famille a besoin.

  • 03 Jul. 2019 - 08:30-

    Fampandrenesana. Tapaka ny lalana : -Lalana Dr Rajaonah- Pharmacie Ankadifotsy- EKAR Antanimena- ESCA ny saboty 6 jolay 2019. Voarara ho an’ny fifamoivoizan’ny  fiara rehetra tsy an-kanavaka ny ampahany amin’ireo lalana ireo. Izany dia noho ny fankalazana ny faha-50 taonan’ny Sekoly Les Lutins Ankadifotsy, araky ny fampandrenesana.

  • 02 Jul. 2019 - 08:00-

    Supporter les Barea. Une offre exceptionnelle est disponible pour les 8è de finale de cette CAN. Elle est à 2.200.000 ar ( Billet d avion A/R +Hebergement+Transfert hôtel-stade+ Billet d entrée stade ) 298.000 ar ( Visa de séjour ) 198.000 ( Passeport ) soit 2.688.000 AR Départ d Ivato samedi 06 juillet - retour Ivato Lundi 08 juillet Appareil A 380 . Plus d infos contacter Air MADAGASCAR

  • 01 Jul. 2019 - 10:30-

    USA-Corée du Nord. Le président Donald Trump et le président nord-coréen Kim Jong Un se sont rencontrés dimanche dans la zone démilitarisée (entre la Corée du Nord et du Sud) fortement fortifiée et ont convenu de relancer les pourparlers sur le programme nucléaire de Pyongyang. Trump, faisant pression pour obtenir un accord définissant un héritage, est devenu le premier dirigeant américain assis à entrer en Corée du Nord.

  • 01 Jul. 2019 - 08:00-

    Barea. Suite à son deuxième carton jaune lors de cette phase de poule, Marco Ilaimaharitra ne pourra pas jouer lors des huitièmes de finale. Pour rappel, il a reçu son premier avertissement contre le Syli national. Cliquez sur le lien pour lire l’article : https://www.lakroa.mg/item-1755_articles_sport_18-les-barea-saenvolent-vers-un-huitiame-de-finale-historique.html

Du même auteur

monde
politique

Dans la même rubrique

monde
monde
Publicité