logo
Lakroan'i Madagasikara
Renivohitr'i Vakinakaratra

Manakoako ny fampielezan-kevitra ao Antsirabe...

R. Hajatiana Léonard il y a 4 années

Miady ny hampandroso an’Antsirabe avokoa ireo kandida hilatsaka ben’ny tanàna. Leon’ny kobaka am-bava sy ny fampanantenana poakaty anefa ny ankabeazan’ny mponina ao an-toerana.

Manakoako ny fampielezan-kevitra ao Antsirabe...

Ny tsy fisian’ny asa no olana mitohy hatramin’izao izay tsikaritry ny rehetra fa fototry ny fahasahiranana lalina. Iray amin’ireo olana sedrain’ny vahoakaizany. Miandry vahaolana amin’izany ny tsirairay

 Manakoako ery ny fampielezan-kevitra ao Antsirabe nanomboka ny asabotsy 18 jolay 2015 teo. Filatsahan-ko fidiana ho ben’ny tanàna sy mpanolotsaina, hitarika ny fandrosoana isan-karazany sy hampiova ny fiainam-bahoaka isan-tsokajiny. Faritra liana amin’ny fivoarana ny renivohitr’i Vakinankaratra ka feno olona daholo amin’izay toerana hanaovan’ireo mpirotsaka famelabelaran-kevitra. Politika no resahina hoy ny sasantsasany ao anaty fokonolona, sady tsisy ratsy ny tetikasan’izay te hitondra eo. Sarotra ary tsy vitan’ny vava fotsiny ny asa miandry ny ben’ny tanàna, ka alohan’ireo rehetra mpitondra fanjakana dia izy no masoivohon’ny vahoaka voalohany, mahita sy mahatsapa ny fahoriana mianjady amin’ny mpiara-belona aminy. Na dia efa misy solombavambahoaka aza, dia izy ben’ny tanàna no tena andry iray hifaharan’ny fandrosoana, araka ny soratra izay mivandravandra rahateo eny amin’ny biraon’ny kaominina, milaza fa « miasa ho an’ny vahoaka ».

Adidy lehibe ihany koa ho an’ny tsirairay ny mandeha mifidy, satria miankina tanteraka amin’ny safidinao ny fiovan’ny fiainam-piarahamonina ka fotoana hanehoana ny hetahetam-po sy hamelomana ny fanantenana indray ny fifidianana izay hatao. Toetsaina takiana amin’ny tsirairay amin’izao, dia ny miala lavitra amin’ny fitaka sy ny an-tsirambina manoloana ny safidy. Antony mbola hitohizan’ny tsy fisian’ny asa raha ny ao andrenivohitr’i Vakinankaratra ny fampanantenana poakaty omaly tsy miova. Ny tanora no saika lasibatra amin’ny tsy fananana asa ao an-toerana ary tsy mahagaga mihitsy raha manjaka indray tato ho ato ny halabotry.

Zava-dehibe ny fiaraha-miasa eo amin’ny samy kandida raha ny nambaran’ny raiamandreny iray saingy mampalahelo fa « fifanaratsiana no mitranga matetika rehefa mifaninana toy izao», hoy ihany izy. Ny hamaha ny olan’ny mponin’Antsirabe voalohany no tanjona ka tsy voatery hahazo seza vao afaka hanampy ny mpiray tanindrazana. Hatramin’izay manko ny madinika no sesefan-dalitra ka tra-pahavoazana mafy.

 

Fijerena manokana ny vidim-piainana

Ara-toekarena, ny vidin-tsolika no antony iray mahatonga ny vidim-piainana hidangana. Ankehitriny, tafakatra hatramin’ny 3150 ariary ny litatry ny gazoala, elanelana roan-jato be izao no nitombo tamin’izany. Olana sedrain’ny ao Antsirabe ny fanarahana ny vidim-piainana, mihasarotra ny fivelomana kanefa ny kibo tsy afa-mandefitra. Manampy trotraka io elanelana mankadiry io ny tsy fisian’ny asa. «Niasa tamina orinasa aho, mekanisianina, fa lasa manao asa an-tselika fotsiny amin’izao », hoy ity rangahy ity tao anatin’ny fangatahany tamin’ny mpirotsaka ho ben’ny tanàna, omaly teny Vatofotsy. Betsaka ny orinasa ao Vakinankaratra, saingy mihena hatrany ny fampiasana olona noho ny firoborobon’ny teknolojia vaovao ary ny fahalafon’ny solika enti-manodina sy mampandeha azy. Hifandrombahana rahateo ihany koa ny toerana amin’ireny ozinina ireny, ka ny vahaolana dia ny famoronana asa enti-mampandroso ny tanàna. Tranga hafa velively mifanohitra amin’ny maha olombelona no zava-misy sy iainana amin’izao fotoana izao. Ny fitadiavana mahazaka maniraka, fa ny kibo noana kosa mahavita maniraka hangalatra sy hanakorontana ny filaminam-bahoaka. Firenena an-dalam-pandrosoana isika mba tsy hilazàna fa farahidiny, ka ampinga entina handresena ny vidim-piainana lafo ny fampandrosoana miainga avy any ifotony, ary avy ao an-tokantrano mihitsy aza. Anjaran’ny fanjakana kosa ny manome asa ny vahoaka. Ho hery manampy koa, dia tsy adino ny mitrotro am-bavaka ny firenena. Ho anao sy ho antsika ny hifidianana fa tsy ho voninahitra ho azy irery. Manova no mety e !      

Ho hita eo izay fiovana aorian’ny fifidianana hatao ny faha 31 jolay 2015.

Partager l'article:

Lakroa en direct
  • 23 Jul. 2019 - 14:50-

    Fanomezan-drà. Nanome rà maimaimpoana teny amin’ny HJRA Ampefiloha ireo polisy vaovao miisa 1098 tao amin’ny andiany “FENITRA”. Nitarika azy ireo ny minisitry ny filaminam-bahoaka, RAFANOMEZANTSOA Roger ary nanambara fa : “fanampiana sy ho vonjy aina ho an’ireo mpiray tanindrazana no nanaovana izao adidy izao satria izay manome rà dia mamonjy aina”.

  • 23 Jul. 2019 - 10:45-

    Eglise Catholique en Allemagne. D’après les dernières statistiques, 200 000 catholiques allemands ont quitté l’Église en 2018, contre 167 500 en 2017. Avec plus de 23 millions de membres, l’Église Catholique en Allemagne rassemble toujours 27 % de la population du pays soit plus d’un quart des allemands.

  • 22 Jul. 2019 - 14:37-

    Situation comique en foot au JIOI 2019. Pour la deuxième place du groupe A de ces JIOI 2019, dans le tournoi de football, un tirage au sort entre Madagascar et les Seychelles sera effectué, ce lundi soir, à 20h. Cela, pour savoir qui accédera à la demi-finale contre la Réunion et se jouera mercredi 24 juillet à 14h30. Ayant terminé avec un seul point à leur compteur tous les deux, les formations malgaches et seychelloises seront départagées par tirage au sort. Maurice est assurée de passer avec le nombre de but marqué (2).

  • 20 Jul. 2019 - 10:19-

    Ntsay Christian remplace Christian Ntsay. “Conformément aux dispositions de l’article 54 de la Constitution, est nommé Premier Ministre, Chef du Gouvernement : Monsieur NTSAY Christian” tel est le premier article du décret N°2019-1407, portant nomination du Premier Ministre, publié par la présidence de la République ce 19 juillet 2019. Le choix du premier ministre a été effectué sur la base des noms présentés par les députés majoritaires de l’IRD. Selon la "rumeur" Les trois noms présentés sont : Fienena Richarn Haja Resampa et Ntsay Christian. Il est donc reconduit (pour la deuxième fois) par le président Andry Rajoelina.

  • 19 Jul. 2019 - 08:45-

    JIOI 2019. Dans le cadre des Jeux des Îles, les Barea affrontent en premier les Seychelles. Le match se déroulera au stade Auguste Vollaire le 20 juillet à 14h15. Madagascar n’a pas perdu, lors des deux dernières rencontres entre les deux sélections, avec une victoire (0-1) le 11 juin 2016 et un match nul (1-1) le 29 mai 2018.

  • 18 Jul. 2019 - 14:15-

    USA. Le cardinal DiNardo interpelle Donald Trump sur les droits des migrants. «Il est contraire aux valeurs américaines et chrétiennes de chercher à empêcher aux personnes d’émigrer ici quand elles fuient pour sauver leurs vies et pour trouver une sécurité pour leurs familles», déclare le cardinal DiNardo.

  • 18 Jul. 2019 - 11:27-

    Birao maharitra AN. Vita ny fifidianana ny mpikambana ireo mandrafitra ny Birao maharitry ny Antenimieram-pirenena. Toy izao izany : Filohan’ny Antenimierampirenena : Razanamahasoa Christine Harijaona, Ambatofinandrahana (IRD). Filoha Lefitra Antananarivo : Rasolonjatovo Honoré, Faratsiho (IRD). Filoha Lefitra Antsiranana : Rahelihanta Jocelyne, Antsiranana I (IRD). Filoha Lefitra Fianarantsoa : Razafitsiandraofa Jean Brunelle, Ikongo (IRD). Filoha Lefitra Mahajanga : Rahantanirina Lalao, Mahajanga I (IRD). Filoha Lefitra Toamasina : Michelle Bavy Angelica, Fenérive Est (IRD). Filoha Lefitra Toliara : Rabenirina Jean Jacques, Betioky Atsimo (IRD).
    Questeur 1 : Henri Jean Michel, Ambovombe (IRD). Questeur 2 : Rakotomanga Lantoarivola Sedera, Antananarivo II (IRD). Questeur 3 : Rabenirina Maminiaina Solondraibe, Ambohidratrimo (TIM).
    Mpampakateny : Angèle Solange, Amboasary Atsimo (Mahaleotena). Mpampakateny lefitra : Rafenomanantsoa Tsirimaharo Ny Aina, Antananarivo III (IRD).

  • 17 Jul. 2019 - 09:30-

    Mercato-Jeremy Morel. En fin de contrat avec l'OL, l’international malgache Jeremy Morel signe pour un an de contrat avec le Stade Rennais. « Je suis très enthousiaste et fier de rejoindre le Stade Rennais F.C. Je vais faire du mieux possible pour apporter mon expérience au club. J’avais plusieurs sollicitations mais sportivement je me voyais plus ici. J’espère avoir fait le bon choix. À moi de tout faire sur le terrain pour remercier le Président de sa confiance », a-t-il déclaré.  

  • 16 Jul. 2019 - 09:30-

    Désensablement. La piscine naturelle du Parc National Isalo est de nouveau ouverte à la baignade depuis le vendredi 12 juillet dernier. « La profondeur et la propreté de l’eau ont été testées par les agents de Madagascar National Parks afin de s’assurer que toutes les conditions requises pour la baignade durant la haute saison touristique 2019 soient au mieux », déclare Madagascar National Parks sur Facebook.

  • 15 Jul. 2019 - 14:30-

    Jeux des îles. A l’île Maurice, les sportifs venant des sept îles de l'océan Indien s'affronteront sur quatorze disciplines : athlétisme, badminton, le basketball, boxe, cyclisme, football, haltérophilie, judo, natation, tennis de table, voile, beach volley et volleyball. Pour cette édition, l’ouverture officielle se fera le 19 juillet et prendra fin le 28 juillet.

  • 15 Jul. 2019 - 13:00-

    FMF. Lova Ramisamanana ne pourra se présenter à la course pour être à la tête de la fédération malgache de football. Il l’évoque sur sa page Facebook ainsi, « j’ai le regret de vous annoncer que je ne pourrai pas me présenter à la présidence de la fédération malagasy de football, faute de n’avoir pu réunir les 3 cautions requises. Nous nous sommes battus jusqu’au bout mais nous n’avons pu faire face à certains obstacles. »

  • 15 Jul. 2019 - 08:30-

    CAN 2019. Suite à leur victoire respective contre la Tunisie et le Nigéria, le Sénégal et l’Algérie disputeront la finale de cette édition de la Coupe d’Afrique des Nations. Pour rappel, les Fennecs ont battu ces Lions de la teranga lors de la phase de poule sur le score de 1-0 avec le but de Youcef Belaili.

  • 11 Jul. 2019 - 06:30-

    Fandaminana. Handamina ny polisim-pirenena ho an’ny alakamisy alina araka ny resadresaka tamin’ny mpanao gazety nataon’ireo tompon’andraikitra ao amin’ny Polisim-pirenena. Nanome ireo toromarika manodidina ny filaminana mandritra ny fijerena baolina kitra amin’izao Can izao izy ireo. Maro ny polisy hiasa amin’io alin’ny alakamisy io raha ny nambaran’ireto tompon’andraikitra ao amin’ny polisim-pirenena ireto.

  • 09 Jul. 2019 - 13:30-

    Supporter les Barea. L’inscription est ouverte pour aller supporter les Barea en Egypte pour leur quart de finale contre la Tunisie. Les billets sont disponibles auprès de l’Air Madagascar à Analakely. Adressez-vous à la même agence pour plus d’infos.

  • 06 Jul. 2019 - 13:00-

    Pape François – Poutine. Le président russe Vladimir Poutine a rencontré le pape François au Vatican le 4 juillet pour une discussion privée de 55 minutes. Le pape François et Poutine ont discuté de questions d'actualité en Syrie, en Ukraine et au Venezuela, ainsi que de questions environnementales et de questions concernant l'Eglise catholique en Russie, selon le bureau de presse du Saint-Siège.

  • 05 Jul. 2019 - 11:00-

    CAN 2019. La CAF a rejeté les plaintes contre la RDC pour match truqué. Suite à l’insuffisance de preuve réelle, les accusations de corruption de la fédération zimbabwéenne de football vis-à-vis de leur gardien de but ont été rejeté. De ce fait, le match entre Madagascar et la RDC dans le cadre des huitièmes de finale aura bel et bien lieu dimanche prochain.

  • 05 Jul. 2019 - 08:30-

    Wi-fi gratuit. Le mercredi 10 juillet prochain, le wi-fi gratuit sera disponible à Antananarivo. Il sera possible de se connecter librement, sur quatre zones incontournables de la capitale comme au jardin Antaninarenina, à l’arrêt bus Ambohijatovo, au jardin Antanimena et au pont de Behoririka.

  • 04 Jul. 2019 - 10:30-

    Nicolas Dupuis. Selon Jeune Afrique, Nicolas Dupuis est 31ème dans le classement des entraîneurs les mieux payés en Afrique. Il perçoit 7000€ par mois, selon les chiffres publiés par le média. Le sélectionneur de l’Egypte, Javier Aguirre, est le coach le mieux rémunéré sur le continent avec un salaire mensuel de 108 000 euros.

  • 03 Jul. 2019 - 15:15-

    CAN 2019. Anicet Andrianantenaina et Carolus Andriamanitsinoro intègrent l’équipe type de la phase de poule de cette Coupe d’Afrique des Nations. Pour rappel, Anicet était l’homme du match pendant la rencontre face à la Guinée. Carolus l’était à son tour pendant le match contre le Nigéria.

  • 03 Jul. 2019 - 14:30-

    FIER-Mada. Tanterahana ny alarobia 7 hatramin’ny 11 aogositra ho avy izao ny FIER-Mada faha 21, ao amin’ny kianja Makis Andohatapenaka. Amin’izany dia hisy ny lao-bary an-dasy hiompana amin’ny « fandrosoana maharitra : tetik’asam-panjakana vatsiana vola amin’ny voajanahary sy ifampierana amin’ny tantsaha eny ifotony ».

Du même auteur

monde
politique

Dans la même rubrique

politique
politique
Publicité