logo
Lakroan'i Madagasikara
Aorian’ny fifidianana

Mety ve raha Pety Rakotoniaina no ben’ny tanàna, Christine Razanamahasoa no filohan’ny mpanolotsaina ?

Rakotoson il y a 4 années

Nifarana ny fotoanan’ny fampielezan-kevitra. Mbola midobodoboka ao an-tsofina ao ny akon’ny propagandy: mozika, kabary feno fampanantenana, sy ny sisa. Misaina amin’izay izao.

Mety ve raha Pety Rakotoniaina no ben’ny tanàna, Christine Razanamahasoa no filohan’ny mpanolotsaina ?

Dia samy nanovokovoka ireo kandida. Nisy mihitsy ireo nandraiki-narary na dia mbola tsy nifarana aza ny piropagandy. Henjana ny fifaninanana. Misy ny teny mahery natsipy tamin’ireo mpifaninana zary toa fahavalo mihitsy. Santionany : “Iza no tianareo ny malamalama sa ny efa miketrona ?” Marihina fa maro ny toerana nandrenesana an’izany teny izany na koa ny mitovitovy aminy. Betsaka tokoa ireo efa nahazo taona no mbola mirotsaka ary misy ny tanora dia tena tanora mifaninana amin’ireny efa nahazo taona ireny. Mety azo lazaina ho dadabe sy ny zafiny no mifanandrina amin’ny toerana sasany. Tsy sahy mivantana tahaka izany kosa ilay zokiolona. Voatery miseho manaja tena. “Hazo amoron-tevana sa vato mandondona ?” hoy ny zokiolona mamaly. Fa firy amin’ny Malagasy no mbola mahatsapa ny hevi-dalina fonosin’izany ohabolana izany ? Moa tsy izany va no nahatonga ny Amiraly Ratsiraka zary nanao “pompe” ahitana fa mbola ao ny tanjaka ara-batana ? Santionany amin’ny olana hita io fifanenjehana io.

Leo, tofoka, boboka. Izay no azo ilazana ny kandida sasany somary osa ara-bola. Ny sasany mamono omby amam-polony talohan’ny fampielezan-kevitra, nandritra ary mbola mampanantena ihany koa raha lany. Ny sasany dia ny hoza-pe no hiononana satria hany azo ampiasaina. Ohatra misy ireo kandida mbola mampiasa  poster mainty sy fotsy (noir et blanc) na koa mampiasa imprimante à jet d’encre raha numérique ny an’ny hafa na koa banderole lamba raha x-banner (bâche) ny an’ny sasany. Kisary ahitana ny elanelana ireo. Raha ny herin-tsaina tsy hita loatra izay handrefesana izany na dia misy aza ny fandrefesana ny QI, dia tsy manan-danja izany eny an-kianja fanaovana fampielezan-kevitra.

 

Hanao ahoana ny ampitso ?

Nanao taratasy fifanarahana fa tsy hifanenjika izahay kandida efatra eto Ambohidratrimo” hoy Clovis Arthur, iray amin’ireo kandida efatra ireo. Tsara. Saingy… “Raha ny fahitako azy dia ho henjana ny fiarahana ao anatin’ny fitantanana ny kaominina na iza ho lany ben’ny tanàna na iza, dia tsy maintsy hiara-hiasa amin’ilay loha lisitra lany ao anatin’ny filan-kevitra kaominaly izy” hoy ity kandida ity. Nomarihany fa ho sarotra ny hanafoana vetivety ny lonilony vokatry ny fahadisoam-panantenana fa tsy lany. Mipetraka hatrany koa ny teny mahery re teny an-kianja na nataon’ny kandida na nataon’ny fikambanana mpanohana.

Marihina fa izay no voalazan’ny lalàna mifehy ny fifidianana kaominaly sy monisipaly. Lany ho ao anatin’ny filan-kevitra ny loha lisitra. Izay no mahatonga ny vata ho tokana ao anaty birao fandatsaham-bato raha toa ka roa ny vata tamin’ny fifidianana tamin’ny 2007.

Ireo kaominina malaza no tena azo anehoana ny olana mety hitranga. Inona no hitranga raha toa i Pety Rakotoniaina no lany ho ben’ny tanàna ary i Christine Razanamahasoa no lany filohan'ny Filankevitra monisipaly ? Na ny mifamadika amin’izay. Izany hoe tsy manana ny maro an’isa izany ny lisitra notarihan’ny ben’ny tanàna amin’io fotoana io. Tranga mety hisy koa izany ao Antananarivo. Lalao Ravalomanana no ben’ny tanàna ary Lalatiana Rakotondrazafy no filohan’ny filankevitra ? Na ny mifamadika amin’izany. Hisy ve ny fampandrosoana raha izany ? Tranga efa niainan’ny mpitantana kaominina tamin’ny taona 1999 izany. Nikatso ny fitantanana kaominina tamin’ny toerana maromaro tamin’izany fotoana izany. Tsy lany ny tetibola, taraiky ny fanapahan-kevitra…

 

Tsisy fihodinana faharoa

Tsara hodinihin’ny mpifidy izany, alohan’ny handrotsahany ny vatony. Tsara  hodinihiny indrindra ireo mbola misalasala. Marihina tsara fa tsy misy ny fihodinana faharoa fa avy hatrany dia vokatra ofisialy izay mivoaka eo. Mila mahafantatra ny mpifidy fa misy amin’ireo kandida ireo “narotsaka” hampizara ny vato. Jereo tsara ny lisitry ny kandida dia ho hita fa hay moa ity lisitra ity sy ity lisitra ity ka mpinamana hatrizay ary dia mirotsaka ho mpifaninana. Efa nisy fifanarahana tany mialohan’ny fampielezan-kevitra. Sarotra ny hanome anarana etoana fa zava-misy izany.

Misy ve ny vahaolana ? Tantara mitohy izany ary hojerena manokana rahefa mivoaka ny voka-pifidianana ofisialy. Samia ho tahian’Andriamanitra ka ho lava andro iainana hahita ny ampitso.

Partager l'article:

Lakroa en direct
  • 20 Jul. 2019 - 10:19-

    Ntsay Christian remplace Christian Ntsay.“Conformément aux dispositions de l’article 54 de la Constitution, est nommé Premier Ministre, Chef du Gouvernement : Monsieur NTSAY Christian” tel est le premier article du décret N°2019-1407, portant nomination du Premier Ministre, publié par la présidence de la République ce 19 juillet 2019. Le choix du premier ministre a été effectué sur la base des noms présentés par les députés majoritaires de l’IRD. Selon la "rumeur" Les trois noms présentés sont : Fienena Richarn Haja Resampa et Ntsay Christian. Il est donc reconduit (pour la deuxième fois) par le président Andry Rajoelina.

  • 19 Jul. 2019 - 08:45-

    JIOI 2019. Dans le cadre des Jeux des Îles, les Barea affrontent en premier les Seychelles. Le match se déroulera au stade Auguste Vollaire le 20 juillet à 14h15. Madagascar n’a pas perdu, lors des deux dernières rencontres entre les deux sélections, avec une victoire (0-1) le 11 juin 2016 et un match nul (1-1) le 29 mai 2018.

  • 18 Jul. 2019 - 14:15-

    USA. Le cardinal DiNardo interpelle Donald Trump sur les droits des migrants. «Il est contraire aux valeurs américaines et chrétiennes de chercher à empêcher aux personnes d’émigrer ici quand elles fuient pour sauver leurs vies et pour trouver une sécurité pour leurs familles», déclare le cardinal DiNardo.

  • 18 Jul. 2019 - 11:27-

    Birao maharitra AN. Vita ny fifidianana ny mpikambana ireo mandrafitra ny Birao maharitry ny Antenimieram-pirenena. Toy izao izany : Filohan’ny Antenimierampirenena : Razanamahasoa Christine Harijaona, Ambatofinandrahana (IRD). Filoha Lefitra Antananarivo : Rasolonjatovo Honoré, Faratsiho (IRD). Filoha Lefitra Antsiranana : Rahelihanta Jocelyne, Antsiranana I (IRD). Filoha Lefitra Fianarantsoa : Razafitsiandraofa Jean Brunelle, Ikongo (IRD). Filoha Lefitra Mahajanga : Rahantanirina Lalao, Mahajanga I (IRD). Filoha Lefitra Toamasina : Michelle Bavy Angelica, Fenérive Est (IRD). Filoha Lefitra Toliara : Rabenirina Jean Jacques, Betioky Atsimo (IRD).
    Questeur 1 : Henri Jean Michel, Ambovombe (IRD). Questeur 2 : Rakotomanga Lantoarivola Sedera, Antananarivo II (IRD). Questeur 3 : Rabenirina Maminiaina Solondraibe, Ambohidratrimo (TIM).
    Mpampakateny : Angèle Solange, Amboasary Atsimo (Mahaleotena). Mpampakateny lefitra : Rafenomanantsoa Tsirimaharo Ny Aina, Antananarivo III (IRD).

  • 17 Jul. 2019 - 09:30-

    Mercato-Jeremy Morel. En fin de contrat avec l'OL, l’international malgache Jeremy Morel signe pour un an de contrat avec le Stade Rennais. « Je suis très enthousiaste et fier de rejoindre le Stade Rennais F.C. Je vais faire du mieux possible pour apporter mon expérience au club. J’avais plusieurs sollicitations mais sportivement je me voyais plus ici. J’espère avoir fait le bon choix. À moi de tout faire sur le terrain pour remercier le Président de sa confiance », a-t-il déclaré.  

  • 16 Jul. 2019 - 09:30-

    Désensablement. La piscine naturelle du Parc National Isalo est de nouveau ouverte à la baignade depuis le vendredi 12 juillet dernier. « La profondeur et la propreté de l’eau ont été testées par les agents de Madagascar National Parks afin de s’assurer que toutes les conditions requises pour la baignade durant la haute saison touristique 2019 soient au mieux », déclare Madagascar National Parks sur Facebook.

  • 15 Jul. 2019 - 14:30-

    Jeux des îles. A l’île Maurice, les sportifs venant des sept îles de l'océan Indien s'affronteront sur quatorze disciplines : athlétisme, badminton, le basketball, boxe, cyclisme, football, haltérophilie, judo, natation, tennis de table, voile, beach volley et volleyball. Pour cette édition, l’ouverture officielle se fera le 19 juillet et prendra fin le 28 juillet.

  • 15 Jul. 2019 - 13:00-

    FMF. Lova Ramisamanana ne pourra se présenter à la course pour être à la tête de la fédération malgache de football. Il l’évoque sur sa page Facebook ainsi, « j’ai le regret de vous annoncer que je ne pourrai pas me présenter à la présidence de la fédération malagasy de football, faute de n’avoir pu réunir les 3 cautions requises. Nous nous sommes battus jusqu’au bout mais nous n’avons pu faire face à certains obstacles. »

  • 15 Jul. 2019 - 08:30-

    CAN 2019. Suite à leur victoire respective contre la Tunisie et le Nigéria, le Sénégal et l’Algérie disputeront la finale de cette édition de la Coupe d’Afrique des Nations. Pour rappel, les Fennecs ont battu ces Lions de la teranga lors de la phase de poule sur le score de 1-0 avec le but de Youcef Belaili.

  • 11 Jul. 2019 - 06:30-

    Fandaminana. Handamina ny polisim-pirenena ho an’ny alakamisy alina araka ny resadresaka tamin’ny mpanao gazety nataon’ireo tompon’andraikitra ao amin’ny Polisim-pirenena. Nanome ireo toromarika manodidina ny filaminana mandritra ny fijerena baolina kitra amin’izao Can izao izy ireo. Maro ny polisy hiasa amin’io alin’ny alakamisy io raha ny nambaran’ireto tompon’andraikitra ao amin’ny polisim-pirenena ireto.

  • 09 Jul. 2019 - 13:30-

    Supporter les Barea. L’inscription est ouverte pour aller supporter les Barea en Egypte pour leur quart de finale contre la Tunisie. Les billets sont disponibles auprès de l’Air Madagascar à Analakely. Adressez-vous à la même agence pour plus d’infos.

  • 06 Jul. 2019 - 13:00-

    Pape François – Poutine. Le président russe Vladimir Poutine a rencontré le pape François au Vatican le 4 juillet pour une discussion privée de 55 minutes. Le pape François et Poutine ont discuté de questions d'actualité en Syrie, en Ukraine et au Venezuela, ainsi que de questions environnementales et de questions concernant l'Eglise catholique en Russie, selon le bureau de presse du Saint-Siège.

  • 05 Jul. 2019 - 11:00-

    CAN 2019. La CAF a rejeté les plaintes contre la RDC pour match truqué. Suite à l’insuffisance de preuve réelle, les accusations de corruption de la fédération zimbabwéenne de football vis-à-vis de leur gardien de but ont été rejeté. De ce fait, le match entre Madagascar et la RDC dans le cadre des huitièmes de finale aura bel et bien lieu dimanche prochain.

  • 05 Jul. 2019 - 08:30-

    Wi-fi gratuit. Le mercredi 10 juillet prochain, le wi-fi gratuit sera disponible à Antananarivo. Il sera possible de se connecter librement, sur quatre zones incontournables de la capitale comme au jardin Antaninarenina, à l’arrêt bus Ambohijatovo, au jardin Antanimena et au pont de Behoririka.

  • 04 Jul. 2019 - 10:30-

    Nicolas Dupuis. Selon Jeune Afrique, Nicolas Dupuis est 31ème dans le classement des entraîneurs les mieux payés en Afrique. Il perçoit 7000€ par mois, selon les chiffres publiés par le média. Le sélectionneur de l’Egypte, Javier Aguirre, est le coach le mieux rémunéré sur le continent avec un salaire mensuel de 108 000 euros.

  • 03 Jul. 2019 - 15:15-

    CAN 2019. Anicet Andrianantenaina et Carolus Andriamanitsinoro intègrent l’équipe type de la phase de poule de cette Coupe d’Afrique des Nations. Pour rappel, Anicet était l’homme du match pendant la rencontre face à la Guinée. Carolus l’était à son tour pendant le match contre le Nigéria.

  • 03 Jul. 2019 - 14:30-

    FIER-Mada. Tanterahana ny alarobia 7 hatramin’ny 11 aogositra ho avy izao ny FIER-Mada faha 21, ao amin’ny kianja Makis Andohatapenaka. Amin’izany dia hisy ny lao-bary an-dasy hiompana amin’ny « fandrosoana maharitra : tetik’asam-panjakana vatsiana vola amin’ny voajanahary sy ifampierana amin’ny tantsaha eny ifotony ».

  • 03 Jul. 2019 - 13:15-

    Energie solaire. La nouvelle technologie solaire pourrait produire de l'eau potable propre pour des millions de personnes dans le besoin. Des appareils appelés alambics solaires utilisent le soleil pour évaporer l'eau salée et condenser la vapeur en eau potable saine. Les chercheurs ont mis au point un nouveau système accélérant le processus d'évaporation, permettant ainsi à un petit alambic solaire de fournir toute l'eau potable dont une famille a besoin.

  • 03 Jul. 2019 - 08:30-

    Fampandrenesana. Tapaka ny lalana : -Lalana Dr Rajaonah- Pharmacie Ankadifotsy- EKAR Antanimena- ESCA ny saboty 6 jolay 2019. Voarara ho an’ny fifamoivoizan’ny  fiara rehetra tsy an-kanavaka ny ampahany amin’ireo lalana ireo. Izany dia noho ny fankalazana ny faha-50 taonan’ny Sekoly Les Lutins Ankadifotsy, araky ny fampandrenesana.

  • 02 Jul. 2019 - 08:00-

    Supporter les Barea. Une offre exceptionnelle est disponible pour les 8è de finale de cette CAN. Elle est à 2.200.000 ar ( Billet d avion A/R +Hebergement+Transfert hôtel-stade+ Billet d entrée stade ) 298.000 ar ( Visa de séjour ) 198.000 ( Passeport ) soit 2.688.000 AR Départ d Ivato samedi 06 juillet - retour Ivato Lundi 08 juillet Appareil A 380 . Plus d infos contacter Air MADAGASCAR

Du même auteur

monde
politique

Dans la même rubrique

politique
politique
Publicité