logo
Lakroan'i Madagasikara
Fifidianana Antananarivo

Ireo hevitra azo asongadina

Razafindramanitra il y a 2 années

Feno ny vokatra ao Antananarivo renivohitra. Betsaka no azo ambara sy tsoahina taorian'ny fifidianana iny. Santionany ary no aroso eto.

Ireo hevitra azo asongadina

Efa feno tanteraka ny vokatra ao Antananarivo renivohitra. Mazava ny lalàna. Manana 7 andro aorian’ny fandraisana ny valopy farany (dernier pli) ny eo anivon’ny CENIT amin’ny tandrify azy hamoaka ny voka-pifidianana vonjy maika. Ary manana 30 andro kosa ny fitsarana ady amin’ny fanjakana (tribunal administratif) hamoka ny vokatra farany. Soritana fa misy enina ireo tribunal administratif ireo izany hoe iray isaky ny faritany teo aloha.

 

Araka ireo vokatra hita aparitaka eo amin’ny tambazotra serasera dia tahaka izao ny vokatra azo ao Antananarivo renivohitra :

 

Lisitra

Loha lisitra

Vato Azo

%

1

Mpanohitra

Lalatiana Ravolomanana

1853

  1,1

2

MadaVision

Harilala Ramanantsoa

5532

  3,1

3

Stand Up Tana

Andry Ranaivo

2236

  1,3

4

Arema

Harimanana Raniriharinosy

1613

  0,9

5

Unrrm

Véronique Rajerison

3027

  1,7

6

Tim

Lalao Ravalomanana

98389

55,86

7

Iarivo Mitambatra

Hery Rafalimanana

6384

  3,6

8

Mamimi

Hasina Rakotoaritsifa

1596

  0,9

9

Freedom

Lalatiana Rakotondrazafy

55306

31,4

 

Raha izao vokatra izao no hanaovana hitsin-dalana dia mahazo ny antsasa-manilan’ny mpanolotsaina ny lisitra Tim izay tarihin’ny kandida Lalao Ravalomanana.

 

Fandresen’ny vehivavy

Misongadina ny fandresen’ny vehivavy tamin’izao fifidianana izao. Vehivavy roa no voalohany tamin’ny fifidianana. Vokatr’izao fifidianana izao dia vehivavy no hitondra ny tanan’Antananarivo.

 

Raha ireo tarehimarika azo taorian’ny fandatsaham-bato dia hita fa 181 963 monja ireo mpifidy tonga nanefa ny zony hifidy. Mahatratra 625 088 ny voasoratra anarana ao anatin’ny lisi-pifidianana ao Antananarivo renivohitra. Araka izany dia tsisy afa-tsy 29,1%n’ny mpifidy voasoratra anarana ihany no tonga nandatsa-bato. Mbola misy eo amin’ny 5 000 eo ireo tonga nandatsa-bato (vato fotsy sy vato maty). Sarotra fantarina ny tao an-tsain’ireo olona efa ho 5 000 isa ireo. Tsy azo hodian-tsy hita kosa anefa. Tsara tokoa raha avahana tanteraka ny vato fotsy sy ny vato maty. Ny vato fotsy mety hilaza fa tsisy tiany ireo kandida ary ny vato maty kosa dia tsy fahaizana mampiasa ilay biletà tokana ohatra no nahafaty ilay vato.  Fanamarihana efa fanao izany faniriana mba hanavahana ny vato fotsy sy ny vato maty izany saingy mbola tsy tanteraka hatreto. Averimberina fa ilaina izany. Misy mihaino ? Hanterina hatrany izany soson-kevitra izany ho fanatsarana ny voka-pifidianana any aoriana.

 

 70% nidongy

Ny mpandresy raha ny tarehimarika dia ireo tsy tonga nifidy. Mahatratra 70% izy ireo. Tsisy afaka hilaza kosa anefa fa izatsy na izaroa no loha lisitra. Nisy ihany ireo mpanao politika nilaza fa tsara raha hatsahatra ny fikarakarana ny fifidianana. Nisy koa ireo nilaza fa tsy handray anjara amin’io fifidianana io. Mety ho vokatry ny antson’ireo sokajina mpanao politika samy hafa ireo no nitarika ny fidongian’ny olona tsy nandeha nifidy tokoa. Mbola azo ampiana fa misy ireo tsy te handany andro amina zavatra efa nanterina fa ratsy fikarakarana. Misy tokoa ireo mpanadihady no nilaza fa ratsy ny fikarakarana izao fifidianana izao. Isan’ireo nilaza fa ratsy ny fikarakarana ny fifidianana ireo mpanara-maso ny fifidianana. Ary azo heverina fa isan’ny nanampy azy ireo ny fahavitsian’ny olona tsy manohana kandida ka niantso ny olom-pirenena hanefa ny adidiny ka nifidy.Rehefa jerena akaiky ihany koa dia tao ireo sokajin’olona nanararaotra ny andro telo avy hatrany dia tsy niasana ka naleony nitsangatsangana sy niala voly. Week-end lavabe hoy ny fiteny ary heverina fa mitombo isa hatrany ireo manararaotra ny telo andro hakana rivotra.

Betsaka ny antony mety ho tsy naharotitra ny olona hifidy.

 

Tsy nivadika ho safidy

Ny fanamarihana azo aroso koa raha ny vokatra tao Antananarivo no raisina dia tsy midika ho fandresena avy hatrany ny famoriana vahoaka. Averina eto ihany koa ny fanamarihana natao-na mpanao politika iray : “Aza mamory vahoaka ao amin’ny coliseum fa tsy mitondra fahombiazana izany”. Finoanoam-poana fa fifandrifian-javatra ? Raha jerena tokoa ny ezaka nataon’ny lisitra Iarivo Mitambatra namory vahoaka tao Antsonjombe sy ny an’ny lisitra MadaVision izay tsy nanao afa-tsy hitafa mivantana tamin’ny olona an-dalambe dia tsapa mitovy ny vokatra azo. Averina eto ilay nambarana kandida iray : “Aleo miresaka mivantana amin’ny mpifidy ary mandresy lahatra azy mivantana toa izay ny artista no miteny amin’ny anaranao”.

 

Tena nanao ezaka any kandida Lalatiana Rakotondrazafy. Ezaka goavana isan’andro. Nitety fokontany. Namory olona. Nikabary. Nandihy kilalaky izy tenany. Heverina fa isan’ny olana ho an’ny olona te hifidy azy dia ny fanomezana lanja bebe kokoa ny ambany tanàna raha oharina amin’ny sokajina vahoaka hafa. Heverina fa mbola olana ho an’ny kandida Iarivo Mitambatra ihany koa izany raha mbola tsy nanomboka ny fifidianana dia nisary zoro tamina antokon’olona araka ny fiaviana izy. Avy hatrany dia nampihemotra ireo sokajin’olona tokony hifidy azy roa ireo izany. Mety ho antony iray nampitombo ny isan’ireo olona tsy tonga nifidy izany tranga izany.

 

Isan’ny nanaitra ihany koa taminny fampilezan-kevitra nataon’ireo kandida roa ireo dia ny tsy nahitana an’ireo depiote nirotsaka nandray fitenenana mivantana. Hita ihany ny depiote Tim sasany nanaraka an’i Neny Lalao Ravalomanana rehefa izy nanao dia an-tongotra iny fa zara raha heno nandray fitenenana. Mitory disadisa ve ? Angamba. Raha ny taty amin’ny mpanohana an’i Lalatiana Freedom kosa dia tsy nisy afa-tsy Rossy irery no tena nihosina niaraka tamin’i Lalatiana Freedom. Na teny an-kianja izany na teny amin’ny tambazotra toy ny facebook. Marihina fa samy niezaka nitady olona mpitarika teny ambany tanàna ny kandida tsirairay avy : Ambalabahoaka ho an’ny Hvm, Rossy ho an’i Lalatiana Freedom, sy ny sisa.

 

Isan’ny tena nibata vokatra kely tsy mifanentana amin’ny vola natobaka ny kandida Véronique Rajerison. Omby enina ny andro faradoboka dia tsy nivadika ho vato narotsaka amin’ny anarany. Mety tsotra ny antony. Tsy zakan’ny sain’ny olona ny fahitana ny kandida mitiritirina eny ambony fiara Hummer izay toa manitsaka ny vahoaka madinika mandeha kamiao eo an’olona. Miharihary loatra ny elanelana ka mampihemotra ny mpifidy. Betsaka ny kandida tratran’izany tsy ny tao Antananarivo renivohitra ihany fa tany amin’ny kaominina hafa ihany koa.

 

Santionany amin’ny lesona azo tsoahina avy amin’ny fijerena ny vokatra sy ny fomba nanatontosana ny fampielezan-kevitra izany. Tokony haka lesona avy amin’izao voka-pifidianana eto Antananarivo izao ny kandida te ho ben’ny tanana ao Antananarivo Renivohitra.

Partager l'article:

Lakroa en direct
  • 20 Apr. 2017 - 07:21-

    Carte d’électeur biométrique. Teknet Group organise une porte ouverte sur l’utilisation des imprimantes à cartes et des solutions complètes pour l’identification et la personnalisation de badges et cartes plastiques tant à une petite société qu’à des grosses sociétés avec plusieurs milliers d’employés mais aussi pour les écoles. Selon Johanne Raharinosy, DG de la société, cette technologie a été utilisée en Tanzanie pour les cartes d’électeurs des 23 millions d’inscrits avec la société partenaire. Un exemple de dimension importante qui montre l’utilisation de cette technologie au-delà des utilisations dans la vie courante.

  • 20 Apr. 2017 - 07:17-

    Fivoriana ara-potoana voalohany ho an’ny Filankevitra monisipaly an’ny kaominina Antananarivo renivohitra. Nisokatra ny 19 avrily 2017 ny fivoriana ara-potoana Filankevitra monisipaly an’ny kaominina Antananarivo renivohitra. Haharitra folo andro izany ary hifarana ny 28 avrily izao. Faustin Andriambahoaka filohan’ny Filankevitra monisipaly sy ny birao miaraka aminy no nanokatra ny fotoana. Nanatrika ny fanokafana ofisialy ny Ben’ny tanana Lalao Ravalomanana sy ny mpiara-miasa akaiky aminy. Nirary soa ho an’ny mpanolotsaina rehetra ny ben’ny tanàna. "Ny mahasoa ny mponina aloha no mila banjinina fa avela ny adilahy, ny fampandrosoana ny Renivohitra no tokony himasoana" hoy ny Ben'ny tanana.


  • 19 Apr. 2017 - 12:49-

    Evolis à la conquête du marché malagasy. La société Evolis spécialisée dans la fabrication des cartes organise trois jours pour découvrir ses produits à l’hôtel Colbert. Selon le représentant de la société partenaire de Evolis des solutions complètes pour l’identification et la personnalisation de badges et cartes plastiques sont proposées tant à une petite société qu’à des grosses sociétés avec plusieurs milliers d’employés mais aussi pour les écoles. L’impression va du simple badge à des badges sécurisés. Evolis a ainsi imprimé les cartes d’électeurs en Tanzanie. La Commission électorale nationale (NEC) en Tanzanie a décidé de mettre en place un système d’enregistrement biométrique décentralisé, couplé avec l’émission instantanée d’une carte d’électeur dans un format carte plastique.

  • 19 Apr. 2017 - 12:44-

    Le président de l'Asoimi a fait faux bond. Le président Abel Randriamiarinarivo a fait faux bond. Il est le président élu pour l'Asoimi lors de la première élection effectuée en début du mois de mars. Il avait prévu de faire une déclaration à la presse ce 19 avril. Les membres de l’Asoimi était bien au rendez-vous donné ce matin du 19 avril mais le président Abel Randriamiarinarivo s’est excusé. Aux dernières nouvelles des tractations se déroulent en haut lieu pour résoudre le problème de l’existence de ces deux associations pour encourager les fonctionnaires à faire du sport. On attend donc les révélations de l’un des deux responsables de ces deux associations.

  • 18 Apr. 2017 - 14:33-

    Asoimi a régularisé sa situation. Pour mémoire, le président sortant Abel Randriamiarinarivo a recueilli 63 voix sur les 171 votants contre 4 voix pour Oliva Randimbiarison lors de l’élection organisée par le comité électoral au début du mois de mars 2017. On sait que le président Abel Randriamiarinarivo a effectué la régularisation du renouvellement des membres du bureau de l’Asoimi et le changement du siège de l’association. Cette régularisation a été effectuée le 23 mars 2017 auprès du Ministère de l’Intérieur et de la décentralisation soit au lendemain de la deuxième élection pour élire le président de l’Asoimi. Une façon pour Abel Randriamiarinarivo de refuser les résultats de la deuxième élection. Il apportera des précisions ce 19 avril.

  • 17 Apr. 2017 - 08:57-

    Judo malgache. Malgré des mois de préparation à l'ANS Ampefiloha, nos judoka n'ont obtenu aucune médaille en combat individuel ni en équipe. Mais au moins les malgaches sont à la treizième place avec 4 judoka à la 5ème place et 5 autres à la 7ème position. Heureusement, ce n'était pas le cas en kata. Rabemasoandro Tarimy et Ratovona Rija ont obtenu la médaille d'or en nage-no-kata. On a aussi eu l'argent en katame-no-kata et en nage-no-kata. Ce sont les frères Trabelsi du Tunisie qui gagnent la médaille d'Or. Mais dommage, le soleil n'a pas brillé en kime-no-kata.

  • 17 Apr. 2017 - 08:50-

    African championships 2017. Pour la 38ème édtion du championnat d'Afrique de judo sénior (14, 15, 16 avril 2017), l'Algérie termine au premier rang. Tant en équipe qu'en individuel, ce pays domine. En compétition par équipe, ce pays est double médaillé d'or (homme et femme). Et avec 18 médailles dont 7 en or, 5 en argent et 6 en bronze, les autres pays sont loin derrière. Il est suivi par la Tunisie et l'Egypte se trouve sur podium. La représentante du Guinea-Bissau, CESAR Taciana, gagne pour la cinquième fois l'or au championnat d'Afrique.

  • 17 Apr. 2017 - 07:46-

    Joyeuses Pâques. Toute l'équipe de www.lakroa.mg vous souhaite Joyeuses Pâques. A la suite du Pape François nous vous disons : portez à tous la joie et l 'espérance du Christ ressuscité que vous avez reçu  en ce jour de Pâques. 

  • 13 Apr. 2017 - 08:59-

    Fanambarana sy fanamelohana. Ny Vaomieran’ny  « Justice et Paix » eto amin’ny Diosezy Antsirabe, amin’ny anaran’ny Fivondronamben’ny Eveka , ny “Justice et Paix” Nasionaly, ny Fivondronam-ben’ny Pretra, ny Relijiozy, ny tsara sitrapo rehetra…dia namoaka fanambaràna mitondra ny lohateny “Aza ny lohasaha mangina no jerena fa Andriamanitra an-tampon’ny loha. Hita ao anatin’izany fanambarana ny fanamelohana TANTERAKA TSY MISY FEPETRA ny fihetsika sy ny  herisetra amin’ny famonoana eritreritra nataon’ireto tsy mendrika ny maha-olona azy ireto. Miara-manao sonia izany fanambarana izany ny Ny Evekan’ny Diosezy Mgr Philippe Ranaivomanana, Ny Eveka, Filohan’ny “JeP” Nasionaly, Ny pretra Aumonier “JeP” Diosezy Père Sata Jean Noel Andrianasolo.

  • 10 Apr. 2017 - 07:26-

    Victoire de l'ASCB. L'Association Sportive et Culturelle de Boeny (ASCB) remporte la 3ème édition de la "Coupe du Président". Une victoire logique pendant la finale, le samedi 8 avril au Palais des sports Mahamasina. Elle a dominé le SBBC tout le long du match. Le score était de 80 - 71 en faveur de l'ASCB. Livio Rocheteau a été sacré homme du match et en même temps meilleur marqueur de ce tournoi. Cette finale sort de l'ordinaire car ces deux équipes représentent la région Boeny.

  • 10 Apr. 2017 - 07:03-

    Cnaps arrache le match nul. Le 8 avril 2017, le Cnaps Sport est tenu en échec 1 - 1 par le CRD Libolo de l'Angola au complexe de Vontovorona Antananarivo. Le match aller des seizièmes de finale du tour de cadrage. Malgré la domination des locaux, les Angolais ouvrent le score à la 67ème minute' par Julsy Boukama Kaya. Avec quelques occasions de but, les Malagasy ne trouvent le chemin du but qu'aux temps additionnels (90'+) par Njiva. Le Cnaps Sport devra se surpasser au match retour qui se jouera dans une samaine.

  • 08 Apr. 2017 - 11:32- Salon du chocolat et de la gourmandise. Le salon organisé par par le WMG se tient ce jour 8 avril 2017au Carlton. Cet événement constitue une levée de fonds pour que l'association Wednesday Morning Group puisse effectuer ses activités humanitaires. Les plus démunis dans le quartier d'Ankorondrano seront les bènificiaires de cette levée de fonds.
  • 08 Apr. 2017 - 07:41-

    Cnaps vs Clube Recreativo Desportivo Libolo. La rencontre entre la Cnaps sport et la Clube Recreativo Desportivo Libolo aura lieu ce samedi 8 avril 2017. Le match débutera à 14h30. Une des hantises des spectateurs est l’organisation du retour après match. L’après premier match international sur le stade de Vontovorona a laissé des séquelles. Les organsateurs au niveau de la Cnaps ont assuré que tout est mis en place pour que ce retour se fasse dans les bonnes conditions. La police nationale assure la sécurité au sein du stade. La gendarmerie s’occupe de la circulation sur les routes. Les transporteurs (Kofiamo et Transmar) mettront à la disposition des supporteurs le maximum de taksive (minimum 120 voitures).

  • 08 Apr. 2017 - 07:35-

    Organisation de la rencontre. Les organisateurs au niveau de la Cnaps du match entre la Cnaps sport et la Clube Recreativo Desportivo Libolo qui aura lieu ce samedi 8 avril 2017 assurent mettre le paquet pour que la journée sa passe dans les meilleurs conditions pour les spectateurs. Le stade est ouvert à partir de 9 heures. Le nombre des guichets pour l’achat des billets d’entrée a été augmenté. Les frais des taksibe Anosy-Vontovorona (stade) sont fixés à 1000 ariary pour l’aller et 1000 ariary pour le retour. Les taksibe reliant le stade seront reconnaissables avec les autocollants apposés sur les voitures.

  • 04 Apr. 2017 - 08:30-

    FET. Nivory teto Moramanga ireo mpanabe rehetra manerana an’ny diosezy eto Madagasikara ny ao anatin’ny fikambanana masina FET ny 31 marsa ka hatramin'ny 2 aprily 2017. Nahatratra 120 izy ireo no tonga ary tao amin’ny Centre Notre Dame de Mont Carmel Ambarilava no nanaovana izany. Niompana tamin’ny fanomanana ny fankalazana ny faha-100 taona’ny FET ny dinika satria ny volana Novambra 1919 no nahatongavany teto Madagasikara tamin’ny alalan’I Mompera Joseph de Villèle. Nozarain’izy ireo telo ny taona mifanaraka izay nomena lohahevitra hoe: ny 2017 dia taonan’ny vavaka, 2018 taonan’ny tenin’Andriamanitra ary ny 2019 dia taonan’ny Eokaristia.

  • 04 Apr. 2017 - 08:28-

    Violences. Le début de cette semaine menant vers le dimanche des Rameaux a été le théâtre de plusieurs scènes de violence terrible. Une communauté des Sœurs, sise à Antsirabe II, a été victime d’un cambriolage suivie d’actes de viol. A Andapa une vidéo circulant sur les réseaux sociaux a montré une scène d’horreur un frère gesticulant avec une machette a tué son frère incendiaire. Une autre vidéo montre un professeur maltraitant une élève de classe terminale la scène se passant au sein d’une école et filmée par un passant. A Mahamasina une personne soupçonnée de malversation a été arrêtée devant les spectateurs d’un match de basket-ball (Coupe du Président de la République).

  • 03 Apr. 2017 - 07:31-

    Judo. Le quatrième et dernier regroupement de l’équipe nationale a pris fin le 31 mars. Il a commencé le 21 mars dernier et mènera les compétiteurs sélectionnés jusqu’au 38è championnat d’Afrique de judo qui se déroulera du 14 au 16 avril à Antananarivo. La Fédération Malagasy de Judo a accordé un soin particulier à la préparation de nos athlètes en leur donnant quotidiennement de la vitamine, du calcium et du magnésium .De même, la direction technique nationale n’est pas en reste en dispensant la formation technique nécessaire à ces judokas dont certains y seront à leur première compétition internationale.

  • 03 Apr. 2017 - 07:31-

    Affaire bois de rose de Singapour. Une bataille importante de gagnée pour Madagasikara. Ce jeudi 30 mars, la Haute Cour de Singapour a déclaré la société importatrice de bois de rose et son propriétaire coupables d'avoir importé illégalement près de 30 000 rondins de bois de rose en provenance de Madagascar dont la valeur est estimée à 50 millions de $ USD . Selon le communiqué émanant de la Présidence l’Etat malagasy est disposé à travailler avec les autorités singapouriennes pour décider de la disposition légale et transparente de ce stock de bois de rose. La partie malagasy quant à elle a déjà engagé une action civile contre l'importateur devant le tribunal singapourien.

  • 31 Mar. 2017 - 13:38-

    POESAM Madagascar. Les candidatures à la 7ème édition du Prix Orange de l’Entrepreneur Social en Afrique et au Moyen-Orient (POESAM) restent ouvertes jusqu’au 6 juin 2017, dans la rubrique « Prix Orange de l’Entrepreneur Social » du site http://entrepreneurclub.orange.com/fr/entrepreneur-social-2017.html. Le POESAM s’adresse à tout étudiant, salarié ou entrepreneur de plus de 21 ans, dont l’initiative a moins de trois ans d’âge et concerne 17 pays Madagazsikara y compris. En 2016, le projet de start-up malgache Nanoé  s’est vu décerné le 2ème Prix. Les participants malgaches ont également été récompensés par Orange Madagascar.

  • 31 Mar. 2017 - 08:02-

    Structure Nationale d’Orientation de la Lutte contre le Terrorisme. Outre les comunications verbales et adoption de textes règlementaires, le Conseil des Ministres du Jeudi 30 mars 2017 à 16 heures au Palais d’Etat d’Iavoloha a nommé par décret Monsieur Ramilison Serge comme Secrétaire Exécutif de la Structure Nationale d’Orientation de la Lutte contre le Terrorisme ou SNOLT.

Du même auteur

chronique
une

Dans la même rubrique

politique
politique
Publicité