logo
Lakroan'i Madagasikara
Resaka vola

Ny fampiasana vola vy ao Antsirabe

R. Hajatiana Léonard il y a 4 années

Vitsy sisa ny olona no mampiasa ny vola dimampolo sy ny roapolo ary ny ariary folo ao Antsirabe. Any am-piangonana amin’ny ankapobeny no tena miavosa ireny vola madinika ireny, atao rakitra.

Ny fampiasana vola vy ao Antsirabe

Fitaovana afahana mifanakalo zavatra ny vola. Tany aloha dia ny vola vy no nifandraisana teto amintsika. Nanana ny antsika manokana isika malagasy taorian’ny fahaleovantena. Ny vola vy ariary dia tamin’ny taona 1970 no nanomvoka niasa. Ny taona 1978 no namoahana ny roapolo ariary izay vola vy. Ny 1999 kosa no nanomboka niasa ny ariary folo raha toa ka ny taona 2005 ny dimampolo no nipoitra. Raha tsiahivana dia ny 2004 vao nisy ny ariary zato, vola taratasy. Ankehitriny, toa efa tsy hita eny ho eny intsony ireo vola vy telo ireo. Any amin’ny « WC publique » no mba hitondran’ny olona azy ireto raha ny ao Antsirabe, satria dimampolo ariary ny mivalandrano. Mbola mahazo ny azony anefa ny vola madinika saingy ny toetsaina mihitsy no mibaiko hoy ny filazan’ny mpivarotra enta-madinika iray. Midika fa maharitra ny vy toy izay ny taratasy noho ny faharetan’ny taona niasan’ireto vola vy ireto. Amin’izao fotoana, vokatry ny tsy fanajana sy ny tsy fitandremana dia mora simba ny vola taratasy. Azo noleferina hoy ny mpiandraikitra ny mpanjifa tao amin’ny BOA « Bank Of Africa » Antsirabe ny faharatsian’ilay vola teo aloha teo, saingy entanina hatrany hoy izy ny olona mba hikajy ny fahadiovam-bola. Nampimenomenona ny mpivarotra ihany koa, ny fidiran’ilay diman-jato manify izay misy arony mora miendaka tamin’ity taona ity. Manome vahana ny mpanao sandoka sy hosoka ny fahamaikana hanova na hanampy na hampiditra vola vaovao. Kitro ifaharan’ny toekarena ny fahambonian’ny sandam-bola, koa antony iray tsy ahafahana miala amin’ny kirizy ny fahalemen’ny ariary, hany ka sarotra amin’ny vahoaka malagasy ny hanaraka ny fiakaran’ny vidin’entana avy any ivelany. Ny mahagaga, misy mpitondra fivavahana sasany milaza fa tsy ilaina ny vola ary fototry ny ratsy, kanefa ny vola no maha rangahy hoy ny ohabolantsika malagasy. Ny masoandro ihany angamba no tsy andoavam-bola amin’izao andro iainantsika izao. Mitrongy vao homana araka ny fiteny mahazatra andavanandro.

 

Safidy roa malalaka

Fotoana fohy dia hanjavona sy ho foana ho azy ny vola mikorintsana. EF amaro ny toerana tsy mandray vola vy intsony fa atao entana raha misy fameriny dimampolo. Misy fiangonana kosa ao Antsirabe mandrara ny vola vy ka tsy azon’ny mpivavaka atao rakitra fa tsy maintsy vola taratasy ihany. Lasa fitadiavam-bola tokoa ny fananganana fiangonana etsy sy eroa ary miondam-bola tanteraka ny ankabetsahan’ireo mpitondra ao sy ny lohandohany amin’izany ka mahatonga ny mpitarika fiangonana sasany mandrara ny vola vy ampiasaina ho rakitra. Fitaka sy hafetsena ary fanararaotana ny finoan’ny olona mbola marefo anefa no dikany. Jambena amin’ny fahasarotam-piainana rahateo ny sasany ka mora miova fo. Izany indrindra no hamelana malalaka ny olona tsy misy an-kanavaka hiditra ao an-tranon’Andriamanitra mba hahitany fahasoavana. Porofo mazava amin’izany fahalalahan’ny tsirairay izany ny fahabetsahan’ny vola vy any am-piangonana. Maimaimpoana ny fitahian’ilay mpamonjy ary tsy mitaky na ny ariary akory izy fa kosa mila ny fahatsapanao ny tena marina sy ny finoana izy. Mandia lalan-tsarotra tokoa ny firenentsika hatramin’izay ka hatramin’izao ka ny fanafody dia tsy misy afa-tsy ny finoana ny fahatokisana an’Andriamanitra. Mbola arin-tanany avokoa na ny vola izay mampirehareha antsika aza ; tany misy ny harena rehetra i Madagasikara, dradradradraina mandrakariva, vola daholo izany, saingy aiza ? Misy ho an’ny malagasy ve ? Tomponandraikitra hitolona amin’ny tsy rariny na izaho na ianao io.

 

Singa ahitana ny fiovan’ny toekaren’ny firenena iray ny endriky ny vola ampiasainy. Efa nambara teo fa hanjavona ny vola vy. Midika inona izany ? Raha any amin’ny firenena ambara fa mandroso izao dia zara raha mampiasa vola vy ry zareo ary na ny vola taratasy aza dia efa mihena ihany koa satria tonga amin’ny fotoana sokajiana ho monétique izy ireo. Rahoviana izany no tonga eto ?

Partager l'article:

Lakroa en direct
  • 23 Jul. 2019 - 14:50-

    Fanomezan-drà. Nanome rà maimaimpoana teny amin’ny HJRA Ampefiloha ireo polisy vaovao miisa 1098 tao amin’ny andiany “FENITRA”. Nitarika azy ireo ny minisitry ny filaminam-bahoaka, RAFANOMEZANTSOA Roger ary nanambara fa : “fanampiana sy ho vonjy aina ho an’ireo mpiray tanindrazana no nanaovana izao adidy izao satria izay manome rà dia mamonjy aina”.

  • 23 Jul. 2019 - 10:45-

    Eglise Catholique en Allemagne. D’après les dernières statistiques, 200 000 catholiques allemands ont quitté l’Église en 2018, contre 167 500 en 2017. Avec plus de 23 millions de membres, l’Église Catholique en Allemagne rassemble toujours 27 % de la population du pays soit plus d’un quart des allemands.

  • 22 Jul. 2019 - 14:37-

    Situation comique en foot au JIOI 2019. Pour la deuxième place du groupe A de ces JIOI 2019, dans le tournoi de football, un tirage au sort entre Madagascar et les Seychelles sera effectué, ce lundi soir, à 20h. Cela, pour savoir qui accédera à la demi-finale contre la Réunion et se jouera mercredi 24 juillet à 14h30. Ayant terminé avec un seul point à leur compteur tous les deux, les formations malgaches et seychelloises seront départagées par tirage au sort. Maurice est assurée de passer avec le nombre de but marqué (2).

  • 20 Jul. 2019 - 10:19-

    Ntsay Christian remplace Christian Ntsay. “Conformément aux dispositions de l’article 54 de la Constitution, est nommé Premier Ministre, Chef du Gouvernement : Monsieur NTSAY Christian” tel est le premier article du décret N°2019-1407, portant nomination du Premier Ministre, publié par la présidence de la République ce 19 juillet 2019. Le choix du premier ministre a été effectué sur la base des noms présentés par les députés majoritaires de l’IRD. Selon la "rumeur" Les trois noms présentés sont : Fienena Richarn Haja Resampa et Ntsay Christian. Il est donc reconduit (pour la deuxième fois) par le président Andry Rajoelina.

  • 19 Jul. 2019 - 08:45-

    JIOI 2019. Dans le cadre des Jeux des Îles, les Barea affrontent en premier les Seychelles. Le match se déroulera au stade Auguste Vollaire le 20 juillet à 14h15. Madagascar n’a pas perdu, lors des deux dernières rencontres entre les deux sélections, avec une victoire (0-1) le 11 juin 2016 et un match nul (1-1) le 29 mai 2018.

  • 18 Jul. 2019 - 14:15-

    USA. Le cardinal DiNardo interpelle Donald Trump sur les droits des migrants. «Il est contraire aux valeurs américaines et chrétiennes de chercher à empêcher aux personnes d’émigrer ici quand elles fuient pour sauver leurs vies et pour trouver une sécurité pour leurs familles», déclare le cardinal DiNardo.

  • 18 Jul. 2019 - 11:27-

    Birao maharitra AN. Vita ny fifidianana ny mpikambana ireo mandrafitra ny Birao maharitry ny Antenimieram-pirenena. Toy izao izany : Filohan’ny Antenimierampirenena : Razanamahasoa Christine Harijaona, Ambatofinandrahana (IRD). Filoha Lefitra Antananarivo : Rasolonjatovo Honoré, Faratsiho (IRD). Filoha Lefitra Antsiranana : Rahelihanta Jocelyne, Antsiranana I (IRD). Filoha Lefitra Fianarantsoa : Razafitsiandraofa Jean Brunelle, Ikongo (IRD). Filoha Lefitra Mahajanga : Rahantanirina Lalao, Mahajanga I (IRD). Filoha Lefitra Toamasina : Michelle Bavy Angelica, Fenérive Est (IRD). Filoha Lefitra Toliara : Rabenirina Jean Jacques, Betioky Atsimo (IRD).
    Questeur 1 : Henri Jean Michel, Ambovombe (IRD). Questeur 2 : Rakotomanga Lantoarivola Sedera, Antananarivo II (IRD). Questeur 3 : Rabenirina Maminiaina Solondraibe, Ambohidratrimo (TIM).
    Mpampakateny : Angèle Solange, Amboasary Atsimo (Mahaleotena). Mpampakateny lefitra : Rafenomanantsoa Tsirimaharo Ny Aina, Antananarivo III (IRD).

  • 17 Jul. 2019 - 09:30-

    Mercato-Jeremy Morel. En fin de contrat avec l'OL, l’international malgache Jeremy Morel signe pour un an de contrat avec le Stade Rennais. « Je suis très enthousiaste et fier de rejoindre le Stade Rennais F.C. Je vais faire du mieux possible pour apporter mon expérience au club. J’avais plusieurs sollicitations mais sportivement je me voyais plus ici. J’espère avoir fait le bon choix. À moi de tout faire sur le terrain pour remercier le Président de sa confiance », a-t-il déclaré.  

  • 16 Jul. 2019 - 09:30-

    Désensablement. La piscine naturelle du Parc National Isalo est de nouveau ouverte à la baignade depuis le vendredi 12 juillet dernier. « La profondeur et la propreté de l’eau ont été testées par les agents de Madagascar National Parks afin de s’assurer que toutes les conditions requises pour la baignade durant la haute saison touristique 2019 soient au mieux », déclare Madagascar National Parks sur Facebook.

  • 15 Jul. 2019 - 14:30-

    Jeux des îles. A l’île Maurice, les sportifs venant des sept îles de l'océan Indien s'affronteront sur quatorze disciplines : athlétisme, badminton, le basketball, boxe, cyclisme, football, haltérophilie, judo, natation, tennis de table, voile, beach volley et volleyball. Pour cette édition, l’ouverture officielle se fera le 19 juillet et prendra fin le 28 juillet.

  • 15 Jul. 2019 - 13:00-

    FMF. Lova Ramisamanana ne pourra se présenter à la course pour être à la tête de la fédération malgache de football. Il l’évoque sur sa page Facebook ainsi, « j’ai le regret de vous annoncer que je ne pourrai pas me présenter à la présidence de la fédération malagasy de football, faute de n’avoir pu réunir les 3 cautions requises. Nous nous sommes battus jusqu’au bout mais nous n’avons pu faire face à certains obstacles. »

  • 15 Jul. 2019 - 08:30-

    CAN 2019. Suite à leur victoire respective contre la Tunisie et le Nigéria, le Sénégal et l’Algérie disputeront la finale de cette édition de la Coupe d’Afrique des Nations. Pour rappel, les Fennecs ont battu ces Lions de la teranga lors de la phase de poule sur le score de 1-0 avec le but de Youcef Belaili.

  • 11 Jul. 2019 - 06:30-

    Fandaminana. Handamina ny polisim-pirenena ho an’ny alakamisy alina araka ny resadresaka tamin’ny mpanao gazety nataon’ireo tompon’andraikitra ao amin’ny Polisim-pirenena. Nanome ireo toromarika manodidina ny filaminana mandritra ny fijerena baolina kitra amin’izao Can izao izy ireo. Maro ny polisy hiasa amin’io alin’ny alakamisy io raha ny nambaran’ireto tompon’andraikitra ao amin’ny polisim-pirenena ireto.

  • 09 Jul. 2019 - 13:30-

    Supporter les Barea. L’inscription est ouverte pour aller supporter les Barea en Egypte pour leur quart de finale contre la Tunisie. Les billets sont disponibles auprès de l’Air Madagascar à Analakely. Adressez-vous à la même agence pour plus d’infos.

  • 06 Jul. 2019 - 13:00-

    Pape François – Poutine. Le président russe Vladimir Poutine a rencontré le pape François au Vatican le 4 juillet pour une discussion privée de 55 minutes. Le pape François et Poutine ont discuté de questions d'actualité en Syrie, en Ukraine et au Venezuela, ainsi que de questions environnementales et de questions concernant l'Eglise catholique en Russie, selon le bureau de presse du Saint-Siège.

  • 05 Jul. 2019 - 11:00-

    CAN 2019. La CAF a rejeté les plaintes contre la RDC pour match truqué. Suite à l’insuffisance de preuve réelle, les accusations de corruption de la fédération zimbabwéenne de football vis-à-vis de leur gardien de but ont été rejeté. De ce fait, le match entre Madagascar et la RDC dans le cadre des huitièmes de finale aura bel et bien lieu dimanche prochain.

  • 05 Jul. 2019 - 08:30-

    Wi-fi gratuit. Le mercredi 10 juillet prochain, le wi-fi gratuit sera disponible à Antananarivo. Il sera possible de se connecter librement, sur quatre zones incontournables de la capitale comme au jardin Antaninarenina, à l’arrêt bus Ambohijatovo, au jardin Antanimena et au pont de Behoririka.

  • 04 Jul. 2019 - 10:30-

    Nicolas Dupuis. Selon Jeune Afrique, Nicolas Dupuis est 31ème dans le classement des entraîneurs les mieux payés en Afrique. Il perçoit 7000€ par mois, selon les chiffres publiés par le média. Le sélectionneur de l’Egypte, Javier Aguirre, est le coach le mieux rémunéré sur le continent avec un salaire mensuel de 108 000 euros.

  • 03 Jul. 2019 - 15:15-

    CAN 2019. Anicet Andrianantenaina et Carolus Andriamanitsinoro intègrent l’équipe type de la phase de poule de cette Coupe d’Afrique des Nations. Pour rappel, Anicet était l’homme du match pendant la rencontre face à la Guinée. Carolus l’était à son tour pendant le match contre le Nigéria.

  • 03 Jul. 2019 - 14:30-

    FIER-Mada. Tanterahana ny alarobia 7 hatramin’ny 11 aogositra ho avy izao ny FIER-Mada faha 21, ao amin’ny kianja Makis Andohatapenaka. Amin’izany dia hisy ny lao-bary an-dasy hiompana amin’ny « fandrosoana maharitra : tetik’asam-panjakana vatsiana vola amin’ny voajanahary sy ifampierana amin’ny tantsaha eny ifotony ».

Du même auteur

economie
societe

Dans la même rubrique

economie
economie
Publicité