logo
Lakroan'i Madagasikara
Tafatafan’i Talata

Nankaiza sahady ny vahoakanareo ?

Ratalata Jn Ba il y a 4 années

Vita iny ny fifidianana. Nivoaka ny valiny vonjimaika avy amin'ny Cenit. Samy miandry ny valiny farany avy amin'ny tribonaly isika mianakavy. Dia ahoana ?

Nikatona ny pejin’ny fampielezan-kevitra sy ny fandatsaham-bato. Be ny lesoka. Tsy lavina izany. Moa ve anefa tsy efa mahazatra izany fifidianana feno lesoka izany ? Efa an-taonany maro izao isika no miaina fifidianana tsy zarizary. Ekena fa tsy mahasoa ny mitoetra ao anatin’ny zavatra ratsy fa eo ampiandrasana ilay fifidianana manara-penitra araka ny fomba fiteny ankehitriny dia aleo iainana milamina ny zava-misy.

 

Io no vita. Ny tsara ambara voalohany dia hoe : aleo mba hiova fo amin’izay. Io no vokatra vonjimaika navoakan’ny CENIT. Samy miaiky ny rehetra fa be no tsy tomombana kanefa dia samy niroso tamin’ny fifanandrianana. Mba aoka hilamina sy halamina amin’izay ny tany.

 

Fanamarihana. Ny manaraka dia fanamarihana no tian-katao. Na dia mbola tsy nivoaka aza ny vokatra ofisialy dia tsapa fa very olona ireo kandida nirotsaka tamin’ny fifidianana ho filoham-pirenena. Na avadika koa ny fomba filaza aza dia : “Very ireo olona nanohana kandida tamin’ny fifidianana ho filoham-pirenena”. Nankaiza izao ny kandida Pierrot Rajaonarivelo ? Na ny antokony (MDM) ? Tsiahivina fa nisy 41 ireo kandida nankatoavina ny firotsahany fa mbola maro noho izany ireo nametraka antonta-taratasy fa nolavina.

 

Nisy tamin’ireo kandida ho filoham-pirenena ireo no tsy niverina nirotsaka intsony mihitsy tamin’izao fifidianana ho ben’ny tanàna izao. Isan’ireny tsy nirotsaka ireny i Saraha Georget Rabeharisoa, Monja Roindefo, sy ny sisa maro hafa. Tsy nilatsaka izy ireny ka sarotra ny handrefesana hatraiza no mbola fitiavan’ny vahoaka nifidy azy ireo fahizany (vao ny taona 2013 izany).

Tao kosa ireo nanolotra kandida ny antokony. Isan’ireny nanolotra kandida ireny ny antoko MMM (Malagasy Miara-Miainga) tarihin’i Hajo Andrianainarivelo, teo koa ny MTS tarihin’i Roland Ratsiraka. Santionany ireo. Izy ireo dia misy maridrefy handrefesany ny fitiavan’ny vahoaka azy ireo. Ohatra raha tao Toamasina I dia nisy olona 13 828 no nifidy an’i Roland Ratsiraka. Nankaiza avokoa izy ireo toa tsy nivadika tany amin’ny antoko MTS ny fitiavany nandritra izao fifidianana ho ben’ny tanàna izao. Raha ny vokatra vonjimaika navoakan’ny CENIT tokoa dia ???? no azon’ny kandida MTS tao Toamasina. Ekena fa samy hafa ny fitiavana ny filohan’ny MTS sy ny kandida MTS.

 

Raha ny an’ny kandida Camille Vital indray dia tsy misy elanelana fa izy tenany  no nirotsaka tamin’ny fifidianana filoham-pirenena. Laharana fahatelo no nisy azy taorian’ny famoahana ny vokatra vonjimaika tany Toliara, vokatry ny fifidianana ho ben’ny tanàna izany. Very ireo efa nanohana azy tamin’ny fifidianana filoham-pirenena 9024 ny vato azo ary 40,17%-n’ny tonga nifidy izany. Efa tamin’ny fifidianana depiote no tsy nahomby ny lisitra Hiaraka Isika satria tsy nahazo depiote tao Toliara. Tsy nanaiky izany fitsipahan’ny vahoaka izany ny filohan’ny Hiaraka Isika fa nirotsaka ihany ka 3121 sisa no vato azon’ny lisitra Hiaraka Isika (Camille Vital n o nitarika izany) ary 18,89% izany. Zava-dehibe ny firotsahana amin’ny fifidianana fa io no fomba ahitana ny fitiavan’ny vahoaka ny hevitry ny antoko politika iray, na ny fitiavany ny mpanao politika iray manokana.

 

Mbola azo tanisaina ny Arema. Nanao hetsika mafy tamin’ny famohazana ny Akany ary nahazo toerana tamin’ny gazety fa tsy ampy izany. Ny mpanaraka ny valan-dresak’i Ratsiraka Didier anefa dia maro ary mahazo akony mirefodrefotra an-gazety fa tsy mivadika safidy izany any anaty vata.

 

Santionany ihany ireo. Misy  ho saintsainin’ny mpanao politika sy ireo te hitarika fifidianana. Ny malaza tsy midika ho tian’ny olona. Ny mahavory olona tsy midika ho mamim-bahoaka. Mila mahatsiaro ny mpanao politika fa ilaina kolokoloina ny fitiavan’ny vahoaka fa tsy rehefa fifidianana ihany vao mahatsiaro azy. Izy tsy manadino. Efa hainy ilay  hoe : “raiso fa vola adala tompo”. Irariana hanova famindra ianareo mpanao politika sy mpiantsehatra ara-politika. Beazo amin’ny hevitra ny olona fa aza tambazana vola sy fitaovana lava. Aza atao fitia mosoara taratasy re ny vahoaka e.

Partager l'article:

Lakroa en direct
  • 18 Jul. 2019 - 14:15-

    USA. Le cardinal DiNardo interpelle Donald Trump sur les droits des migrants. «Il est contraire aux valeurs américaines et chrétiennes de chercher à empêcher aux personnes d’émigrer ici quand elles fuient pour sauver leurs vies et pour trouver une sécurité pour leurs familles», déclare le cardinal DiNardo.

  • 18 Jul. 2019 - 11:27-

    Birao maharitra AN. Vita ny fifidianana ny mpikambana ireo mandrafitra ny Birao maharitry ny Antenimieram-pirenena. Toy izao izany : Filohan’ny Antenimierampirenena : Razanamahasoa Christine Harijaona, Ambatofinandrahana (IRD). Filoha Lefitra Antananarivo : Rasolonjatovo Honoré, Faratsiho (IRD). Filoha Lefitra Antsiranana : Rahelihanta Jocelyne, Antsiranana I (IRD). Filoha Lefitra Fianarantsoa : Razafitsiandraofa Jean Brunelle, Ikongo (IRD). Filoha Lefitra Mahajanga : Rahantanirina Lalao, Mahajanga I (IRD). Filoha Lefitra Toamasina : Michelle Bavy Angelica, Fenérive Est (IRD). Filoha Lefitra Toliara : Rabenirina Jean Jacques, Betioky Atsimo (IRD).
    Questeur 1 : Henri Jean Michel, Ambovombe (IRD). Questeur 2 : Rakotomanga Lantoarivola Sedera, Antananarivo II (IRD). Questeur 3 : Rabenirina Maminiaina Solondraibe, Ambohidratrimo (TIM).
    Mpampakateny : Angèle Solange, Amboasary Atsimo (Mahaleotena). Mpampakateny lefitra : Rafenomanantsoa Tsirimaharo Ny Aina, Antananarivo III (IRD).

  • 17 Jul. 2019 - 09:30-

    Mercato-Jeremy Morel. En fin de contrat avec l'OL, l’international malgache Jeremy Morel signe pour un an de contrat avec le Stade Rennais. « Je suis très enthousiaste et fier de rejoindre le Stade Rennais F.C. Je vais faire du mieux possible pour apporter mon expérience au club. J’avais plusieurs sollicitations mais sportivement je me voyais plus ici. J’espère avoir fait le bon choix. À moi de tout faire sur le terrain pour remercier le Président de sa confiance », a-t-il déclaré.  

  • 16 Jul. 2019 - 09:30-

    Désensablement. La piscine naturelle du Parc National Isalo est de nouveau ouverte à la baignade depuis le vendredi 12 juillet dernier. « La profondeur et la propreté de l’eau ont été testées par les agents de Madagascar National Parks afin de s’assurer que toutes les conditions requises pour la baignade durant la haute saison touristique 2019 soient au mieux », déclare Madagascar National Parks sur Facebook.

  • 15 Jul. 2019 - 14:30-

    Jeux des îles. A l’île Maurice, les sportifs venant des sept îles de l'océan Indien s'affronteront sur quatorze disciplines : athlétisme, badminton, le basketball, boxe, cyclisme, football, haltérophilie, judo, natation, tennis de table, voile, beach volley et volleyball. Pour cette édition, l’ouverture officielle se fera le 19 juillet et prendra fin le 28 juillet.

  • 15 Jul. 2019 - 13:00-

    FMF. Lova Ramisamanana ne pourra se présenter à la course pour être à la tête de la fédération malgache de football. Il l’évoque sur sa page Facebook ainsi, « j’ai le regret de vous annoncer que je ne pourrai pas me présenter à la présidence de la fédération malagasy de football, faute de n’avoir pu réunir les 3 cautions requises. Nous nous sommes battus jusqu’au bout mais nous n’avons pu faire face à certains obstacles. »

  • 15 Jul. 2019 - 08:30-

    CAN 2019. Suite à leur victoire respective contre la Tunisie et le Nigéria, le Sénégal et l’Algérie disputeront la finale de cette édition de la Coupe d’Afrique des Nations. Pour rappel, les Fennecs ont battu ces Lions de la teranga lors de la phase de poule sur le score de 1-0 avec le but de Youcef Belaili.

  • 11 Jul. 2019 - 06:30-

    Fandaminana. Handamina ny polisim-pirenena ho an’ny alakamisy alina araka ny resadresaka tamin’ny mpanao gazety nataon’ireo tompon’andraikitra ao amin’ny Polisim-pirenena. Nanome ireo toromarika manodidina ny filaminana mandritra ny fijerena baolina kitra amin’izao Can izao izy ireo. Maro ny polisy hiasa amin’io alin’ny alakamisy io raha ny nambaran’ireto tompon’andraikitra ao amin’ny polisim-pirenena ireto.

  • 09 Jul. 2019 - 13:30-

    Supporter les Barea. L’inscription est ouverte pour aller supporter les Barea en Egypte pour leur quart de finale contre la Tunisie. Les billets sont disponibles auprès de l’Air Madagascar à Analakely. Adressez-vous à la même agence pour plus d’infos.

  • 06 Jul. 2019 - 13:00-

    Pape François – Poutine. Le président russe Vladimir Poutine a rencontré le pape François au Vatican le 4 juillet pour une discussion privée de 55 minutes. Le pape François et Poutine ont discuté de questions d'actualité en Syrie, en Ukraine et au Venezuela, ainsi que de questions environnementales et de questions concernant l'Eglise catholique en Russie, selon le bureau de presse du Saint-Siège.

  • 05 Jul. 2019 - 11:00-

    CAN 2019. La CAF a rejeté les plaintes contre la RDC pour match truqué. Suite à l’insuffisance de preuve réelle, les accusations de corruption de la fédération zimbabwéenne de football vis-à-vis de leur gardien de but ont été rejeté. De ce fait, le match entre Madagascar et la RDC dans le cadre des huitièmes de finale aura bel et bien lieu dimanche prochain.

  • 05 Jul. 2019 - 08:30-

    Wi-fi gratuit. Le mercredi 10 juillet prochain, le wi-fi gratuit sera disponible à Antananarivo. Il sera possible de se connecter librement, sur quatre zones incontournables de la capitale comme au jardin Antaninarenina, à l’arrêt bus Ambohijatovo, au jardin Antanimena et au pont de Behoririka.

  • 04 Jul. 2019 - 10:30-

    Nicolas Dupuis. Selon Jeune Afrique, Nicolas Dupuis est 31ème dans le classement des entraîneurs les mieux payés en Afrique. Il perçoit 7000€ par mois, selon les chiffres publiés par le média. Le sélectionneur de l’Egypte, Javier Aguirre, est le coach le mieux rémunéré sur le continent avec un salaire mensuel de 108 000 euros.

  • 03 Jul. 2019 - 15:15-

    CAN 2019. Anicet Andrianantenaina et Carolus Andriamanitsinoro intègrent l’équipe type de la phase de poule de cette Coupe d’Afrique des Nations. Pour rappel, Anicet était l’homme du match pendant la rencontre face à la Guinée. Carolus l’était à son tour pendant le match contre le Nigéria.

  • 03 Jul. 2019 - 14:30-

    FIER-Mada. Tanterahana ny alarobia 7 hatramin’ny 11 aogositra ho avy izao ny FIER-Mada faha 21, ao amin’ny kianja Makis Andohatapenaka. Amin’izany dia hisy ny lao-bary an-dasy hiompana amin’ny « fandrosoana maharitra : tetik’asam-panjakana vatsiana vola amin’ny voajanahary sy ifampierana amin’ny tantsaha eny ifotony ».

  • 03 Jul. 2019 - 13:15-

    Energie solaire. La nouvelle technologie solaire pourrait produire de l'eau potable propre pour des millions de personnes dans le besoin. Des appareils appelés alambics solaires utilisent le soleil pour évaporer l'eau salée et condenser la vapeur en eau potable saine. Les chercheurs ont mis au point un nouveau système accélérant le processus d'évaporation, permettant ainsi à un petit alambic solaire de fournir toute l'eau potable dont une famille a besoin.

  • 03 Jul. 2019 - 08:30-

    Fampandrenesana. Tapaka ny lalana : -Lalana Dr Rajaonah- Pharmacie Ankadifotsy- EKAR Antanimena- ESCA ny saboty 6 jolay 2019. Voarara ho an’ny fifamoivoizan’ny  fiara rehetra tsy an-kanavaka ny ampahany amin’ireo lalana ireo. Izany dia noho ny fankalazana ny faha-50 taonan’ny Sekoly Les Lutins Ankadifotsy, araky ny fampandrenesana.

  • 02 Jul. 2019 - 08:00-

    Supporter les Barea. Une offre exceptionnelle est disponible pour les 8è de finale de cette CAN. Elle est à 2.200.000 ar ( Billet d avion A/R +Hebergement+Transfert hôtel-stade+ Billet d entrée stade ) 298.000 ar ( Visa de séjour ) 198.000 ( Passeport ) soit 2.688.000 AR Départ d Ivato samedi 06 juillet - retour Ivato Lundi 08 juillet Appareil A 380 . Plus d infos contacter Air MADAGASCAR

  • 01 Jul. 2019 - 10:30-

    USA-Corée du Nord. Le président Donald Trump et le président nord-coréen Kim Jong Un se sont rencontrés dimanche dans la zone démilitarisée (entre la Corée du Nord et du Sud) fortement fortifiée et ont convenu de relancer les pourparlers sur le programme nucléaire de Pyongyang. Trump, faisant pression pour obtenir un accord définissant un héritage, est devenu le premier dirigeant américain assis à entrer en Corée du Nord.

  • 01 Jul. 2019 - 08:00-

    Barea. Suite à son deuxième carton jaune lors de cette phase de poule, Marco Ilaimaharitra ne pourra pas jouer lors des huitièmes de finale. Pour rappel, il a reçu son premier avertissement contre le Syli national. Cliquez sur le lien pour lire l’article : https://www.lakroa.mg/item-1755_articles_sport_18-les-barea-saenvolent-vers-un-huitiame-de-finale-historique.html

Du même auteur

politique
sport

Dans la même rubrique

chronique
chronique
Publicité