logo
Lakroan'i Madagasikara
Tafatafan’i Talata

Nisy ny “ni… ni” izao indray atolotra anao ny “si… si”

Ratalata Jn Ba il y a 2 années

“Ni… ni” ve ? Fantatro, fantatrao… Tontolo politika no nampalaza izany fomba fiteny izany. Tsy mahazo milatsaka ho fidiana na i Ravalomanana na i Rajoelina no dikan’ny “Ni… ni”. Izao indray dia arosoko anao ny “Si… si”. Sssss aza mividy gazety ianao fa mbola tsy any io fomba fiteny io. Tsy maninona koa na tsy raisin-jareo aza.

Ny mahatonga ahy androso ny “Si… si” dia ilay adihevitra momba ny fanafoanana ny zandary na zandaka na bodega (samy fiantso azy avokoa ireo).

Ny depiote Zafitsiandraofa Brunelle no isan’ny tena nivoy ny fanafoanana ny zandary hatrizay ary indrindra taorian’ny fidarohana an’i Jean-Pierre. Jean-Pierre dia ilay mpitarika ny girevin’ny mpianatra eny Ankatso farany teo. Na ida nisy aza karazana olon-kafa nivoy ny hevitra fanafoanana ny zandary dia ny azy no tena nalaza.

 

Namaly bontana kosa ny depiote Randrianasolo Nicolas. Izy dia fantatra amin’ny fombany mivantambantana fiteny iny. “Tsy mety izany fitenin’ny depiote Brunelle izany. Tsy filohan’ny vaomieran’ny fandriampahalemana izy ka haneho izany hevitra izany” hoy ny depiote Nicolas raha izy nitafa tamin’ny mpanao gazety ny alatsinainy 7 sepitambra teo. Taorian’ny diany tany Etazonia izany nandray anjara tamina fivoriana notontosaina teny anivon’ny Onu. Izy no nandeha tany satria izy dia filohan’ny vaomiera momba ny fandriampahalemana ao amin’ny Antenimieram-pirenena.

 

Raha tohizana ny fijerin’ny depiote Nicolas (araka ny nahitantsika azy teo ambony) dia milaza ve izy fa izy afaka maneho hevitra mikasika ny fanafoanana na tsia ny zandary ? Mazava loatra fa raha ity depiote ity dia tsy hanaiky velively ny fanafoanana ny zandary izy satria ny tenany da zandary amperinasa no voafidy ho depiote izao. Raha ny lalana no arahina dia miato aloha ny maha zandary azy mandritra ny fotoana hisahanany ny asa sy andraikitra maha depiote.

 

Raha hiverenana indray kosa ny hevitry ny depiote Brunelle dia fantatra fa efa ela izy no nilaza fa tokony ho foanana ny zandary satria rafitra mitory ny mahazanatany ny fisian’ny zandary. “Ireo firenena zanatany frantsay ihany no manana izany zandary izany” hoy ny depiote Brunelle. Izany hoe fijery politika no tena itondrany ny heviny fa tsy fijery tekinika loatra. Ny olana mandre ity depiote milaza izany heviny izany dia noho izy polisy. Moa ve noho izy polisy no angatahany ny fanafoanana ny zandary ? Resaka tombontsoa tsy itoviana ve ? Tsaroana koa fa lehiben’ny Paf (Police de l’air et des frontières) i Zafitsiandraofa Brunelle talohan’ny nahalany azy ho depiote izao. Niara-niasa tamin’ny zandary izy tao. Nisy ve nahita ny fahasarotan’ny fanatontosana ny asa nataon’ny Paf tamin’izany izy ? Tsy nilaza na nanazava ny momba izany ity depiote ity teo amin’ny haino aman-jery. Antso kosa no ampitaina aminy eto : “Arosoy ny tolo-dalana avy amin’ny depiote Brunelle ary aroson’i vondrona Mapar 1 ho dinihana eo anivon’ny Antenimieram-pirenena hahitana ny mahasoa ny firenena e”.

 

Amin’ny fotoana nanoratana ity lahatsoratra ity dia fantatra fa hisy ny valandresaka hiarahan'ny minisitry ny fiarovam-pirenena sy ny sekreteram-panjakana miadidy ny zandarimaria hataon’izy ireo ho an’ny mpanao gazety ny alakamisy 10 sepitambra. Azo antsaina avy hatrany fa tsy maintsy isan’ny fanontaniana hapetraky ny mpanao gazety amin’ireto manam-pahefana politika ireto ny momba ity fitakiana ny fanafoanana ny zandary ity. Marihina fa ny hevitra naroson’ireo mangataka ny fanafoanana ny zandary dia na miditra miaramila izy ireo na miditra polisy kosa fa tsy hoe very asa avy hatrany.

 

Misokatra ny adihevitra izay no mahatonga  ilay “si… si” ao amin’ny lohateny : “Si… le corps de la gendarmerie est maintenu quels sont les avantages ?” “Si… le corps de la gendarmerie est dissout quelles sont les conséquences ?” Na hoe : raha toa ka tazomina ihany ny rafitra zandarimaria dia inona no fatiantoka na tombontsoa ? Soritana fa maro ireo vaovao ratsy re momba ny zandary tao ho ao. Teo ny fandraisan’ny zandary anjara tamin’ny fidarohana mpianatra teny ankatso dia io indray misy filazana fa tratra nivarotra (sa nampanofa ?) bala sy basy ny zandary roa lahy…

Mbola be ny lafin-kevitra azo ifanakalozana  momba ity resaka zandary ity. Raha “si… si” no naroso mety azo avadika ho “ou… ou” izy ity ka lasa mampivovo olona matory eny fa na adika teny malagasy aza ilay izy dia ho lasa “na… na” dia mahatonga olona hihanahana mihitsy.

 

Soritana fa azo ampiana ny olana raha manam-potoana ho laninana amin’ny asa saina isika : nahoana raha ny miaramila no foanana dia atao zandary daholo ? Angaha isika hahatohitra raha misy hanafika antsika eto ? Moa ny fahavalontsika tsy isika samy isika ato anatin’ity Nosy ity ?

 

Ny mampalahelo amin’izao raharaha izao dia tsy azo antoka fa hitarika fandriampahalemana izao fifanakalozana izao hitondra fifandroritana fotsiny ihany. Ny dahalo hanjaka hatrany any amin’ny faritra iandraiketan’ny zandary, ny tontakely sy mpanao sintomahery ary ny hafa ho tompon-tanana amin’ny toerana iasan’ny polisy… O ry manam-pahefana ô, mba izay tena asanareo hatao fa aza mifanasa vangy e…

Partager l'article:

Lakroa en direct
  • 18 Jan. 2018 - 07:09-

    Nouveau DG à l’INFA. Le Conseil des Ministres du mercredi 17 janvier 2017 au Palais d’Etat d’Iavoloha pour le compte du Ministère de la Fonction Publique, de la Réforme de l’administration, du Travail et des Lois Sociales par décret vient de nommer Botonoasy Jean Davistor au poste de directeur Général de l’Institut National de Formation Administrative (INFA). Un décret qui abroge le récent décret pris en avril 2017 ayant nommé Nomenjanahary Dupont Herilala à ce poste. Pourquoi ce rapide remplacement ?

  • 17 Jan. 2018 - 08:24-

    Nouvelles dates des examens officiels. Le Ministère de l’Education Nationale vient de rendre public les nouvelles dates des examens officiels : le CEPE se déroulera le 14 août. Le BEPC se tiendra du 3 au 6 septembre. Le CAE se fera les 23 et 24 octobre et le CAP/EP auront lieu les 20 et 21 novembre 2018. La fin de l'année scolaire est toutefois maintenue pour le 4 août.

  • 15 Jan. 2018 - 07:19-

    Le fokonolona perd 569 ha. A Ampahala, lieu sis dans la commune urbaine de Soavinandriana, de la région Itasy le fokonola est désemparé. A la fin de l’année 2017 ce fokonolona apprend que Georges Ruffin, leur adversaire dans le dossier foncier, a eu gain de cause devant le tribunal. Cela siginifie que cet ancien ministre vient de se voir attribuer définitivement le titre d’un terrain de 569 ha. Selon Ramilijaona Pierre Marcel, président de l’association de la défense des intérêts du fokonolona, le fokonolona ne veut pas quitter les lieux. Ils défendront leur terrain par tous les moyens.

  • 15 Jan. 2018 - 07:16-

    Bilan provisoire 14 janvier. Le bulletin flash du Centre d'Etudes de Réflexion de Veille et d'Orientation publié le 14 Janvier 2018 - 20heures nous donne, le bilan provisoire, à l’échelle nationale qui fait état de : 51 personnes décédées, (les corps retrouvés de quelques personnes disparues expliquent l’augmentation) [(Amoron’i Mania : 1, Analamanga : 5, Atsimo Atsinanana : 10 ; Atsinanana : 4, Boeny : 1, Haute Matsiatra : 17, Menabe : 5, Sofia : 3 ; Vakinankaratra : 2, Vatovavy Fitovinany : 3)] ; 22 portées disparues ; 160 800 sinistrées ; 54 767 déplacées.

  • 12 Jan. 2018 - 07:41-

    Bilan provisoire national sur le plan humain. Le bulletin flash du Centre d'Etudes de Réflexion de Veille et d'Orientation (au sein du Bngrc) ce 11 janvier à 20 heures nous donne le bilan provisoire sur le plan national. Il fait état de : 42 personnes décédées ; 26 personnes portées disparues ; 18806 personnes déplacées ; 149942  sinistrées.

  • 12 Jan. 2018 - 07:26-

    Ambassadeur à New York. Pour la troisième fois depuis son accession au pouvoir Rajaonarimampianina vient nommer un ambassadeur en la personne Razafitrimo Arisoa Lala. Elle est nommée pour occuper le poste d’Ambassadeur Extraordinaire et Plénipotentiaire, Représentant Permanent de la République de Madagasikara auprès de l’Organisation des Nations Unies à New York. Elle a été nommée par décret au cours du Conseil des Ministres du jeudi 11 janvier 2018 qui s’est tenu au Palais d’Etat d’Iavoloha. Elle était ministre des Affaires étrangères entre 2014 et 2015.

  • 12 Jan. 2018 - 07:18-

    Nouveau directeur de cabinet à la Présidence. Le Conseil des Ministres du Jeudi 11 janvier 2018 qui s’est tenu au Palais d’Etat d’Iavoloha par décret vient de nommer Randrasana Eric Jean-Joel, au poste de Directeur du Cabinet Civil du Président de la République. Il remplace à ce poste Herisoa Razanadrakoto. Herisoa Razanadrakoto a occupé le poste de directeur de cabinet par intérim pendant plusieurs mois (depuis 2015) remplaçant  Henry Rabary-Njaka limogé après des pressions. Quant au nouveau directeur de cabinet civil il était toujours dans le giron du Président comme conseiller spécial sur plusieurs dossiers (Agoa, énergie…).

  • 11 Jan. 2018 - 14:41-

    Bilan provisoire national. Le bulletin flash du Centre d'Etudes de Réflexion de Veille et d'Orientation (au sein du Bngrc) ce 10 janvier à 20 heures nous donne le bilan provisoire sur le plan national. Il fait état de : 36 personnes décédées (Amoron’i Mania : 1, Analamanga : 1, Atsinanana : 4, Boeny : 1, Haute Matsiatra : 17, Menabe : 5, Vakinankaratra : 2, Vatovavy Fitovinany : 3) ; 25 personnes portées disparues (Analamanga : 1, Atsimo Atsinanana : 4, Atsinanana : 1, Haute Matsiatra : 3, Menabe : 9, Sofia : 6 et Vatovavy Fitovinany : 1) ; 20462 personnes déplacées ; 136005 sinistrés (estimation).

  • 10 Jan. 2018 - 12:40-

    Bilan provisoire national. Le bulletin flash du Centre d'Etudes de Réflexion de Veille et d'Orientation (au sein du Bngrc) ce 9 janvier 2018 à 20 heures nous donne le bilan provisoire sur le plan national. Ce bilan provisoire fait état de : 33 personnes décédés ; 22 portés disparus ;  24 873 personnes déplacées ; 123 244 sinistrés ; 34 641 nombre d’élèves privés de cours ; 77 nombre de salles de classe utilisées comme site d’hebergement ; 19 infrastructures sanitaires endommagées ou détruites.

  • 09 Jan. 2018 - 07:37-

    Bilan national provisoire. Dans son Bulletin Flash du 8 janvier 2018 à 20 heures le Centre d'Etudes de Réflexion de Veille et d'Orientation publie le bilan provisoire sur tout le pays. Ce bilan fait état de : 29 décédés dans les région suivantes (Amoron’i Mania : 1, Analamanga : 1, Atsinanana : 3, Boeny : 1, Haute Matsiatra : 17, Menabe : 4, Vakinakaratra : 2) ; 22 portés disparus dans les régions suivantes (Analamanga : 1, Atsimo Atsinana : 4, Atsinanana : 2, à Haute Matsiatra : 3, Menabe : 9, Sofia : 2 et Vatovavy Fitovinany : 1) ; 17 170 personnes déplacées ; 83 023 sinistrés.

  • 08 Jan. 2018 - 08:17-

    Bilan provisoire. Le bilan provisoire selon le bulletin cyclonique du 7 janvier à 16 heures locales publiées par le Bngrc fait état de : 6 décès (1 dans la région Amoron’i Mania, 1 à Analamanga, 2 à Atsinanana, 2 à Vakinankaratra), 2 portées disparues (1 à Atsinanana, 1 à Sofia),  3 blessés, 13 523 personnes déplacées, Plus de 63 000 sinistrés,  16 009 élèves privés de cours.

  • 08 Jan. 2018 - 07:00-

    CISCO sy ZAP tsy mianatra. FILAZANA MAIKA. Noho ny fatahorana ny mety hisian'ny fihotsahan'ny tany nateraky ny ora-nikija sy ny fiakaran’ny rano dia tsy mianatra ihany koa rahampitso alatsinainy 08 janoary ka hatramin'ny alarobia 10 janoary ireo mpianatra amin'ny sekoly rehetra miankina sy tsy miankina amin'ny fanjakana ho an'ireto CISCO manaraka ireto : Antananarivo Renivohitra, Antananarivo Atsimondrano, Brickaville.

    Marihina fa ny Alakamisy 11 janoary vao miverina mianatra ireo mpianatra amin'ny sekoly rehetra manerana ny Nosy izay naato ny fianarana.

    Marihina ihany koa fa mety mbola hiampy io lisitra io arakaraky ny fiakaran’ny rano eny anivon’ny ZAP sy ny CISCO. Entanina ny rehetra mba ho mailo mandrakariva.

    (Loharano : https://www.facebook.com/menmadagascar/

  • 08 Jan. 2018 - 06:59-

    ZAP tsy mianatra. FILAZANA MAIKA. Noho ny fiakaran’ny rano dia tsy mianatra ihany koa rahampitso alatsinainy 08 janoary ireo mpianatra amin’ireto ZAP manaraka ireto :

    - ZAP Antanetibe (CISCO Soavinandriana Itasy)
    - ZAP Antoby EST, ZAP Manazary , ZAP Anosibe Ifanja, ZAP Sarobaratra, ZAP Mandiavato, ZAP Andolofotsy sy ZAP Soavimbazaha (CISCO Miarinarivo)
    - ZAP Amboanana, ZAP Alakamisikely, ZAP Ambohipandrano, ZAP Ambohimandry, ZAP Ambatomanga, ZAP Arivonimamo II, ZAP Antambolo, ZAP Ambohimasina (CISCO Arivonimamo)
    - ZAP Soavina sy ZAP Ambondromisitra (CISCO Ambatofinandrahana)
    - Ireo ZAP rehetra ao anatin’ny CISCO Ambositra
    - Ireo ZAP rehetra ao amin’ny CISCO Fandriana
    - Ireo ZAP rehetra ao amin’ny CISCO Andramasina
    - ZAP Alasora (CISCO Avaradrano)
    - ZAP Ambohijoky, ZAP Ampanefy, ZAP Soavina, ZAP Soalandy (CISCO Atsimondrano)
    - EPP Ampirika ao amin’ny ZAP Ambohitrimanjaka (akaikin’ny fefiloha) (CISCO Ambohidratrimo).
    - Ireo ZAP rehetra ao amin’ny Faritra MATSIATRA AMBONY
    - Ireo ZAP rehetra ao amin’ny CISCO Midongy
    - Ireo ZAP rehetra ao amin'ny CISCO Antsirabe2
    - ZAP Sabotsy Namatoana, Andranovelona, Morarano, Behenjy (CISCO Ambatolampy)

    Marihina fa mety mbola hiampy io lisitra io arakaraky ny fiakaran’ny rano eny anivon’ny ZAP sy ny CISCO. Entanina ny rehetra mba ho mailo mandrakariva.

    (Loharan: https://www.facebook.com/menmadagascar/ )

  • 04 Jan. 2018 - 12:12-

    Bulletin cyclonique du 4 janvier à 10 h. AVA s’est intensifiée en Forte Tempête Tropicale. Son centre est localisé à 280 Km au NordEst de Toamasina à 10 heures. Le vent moyen monte à 90 Km/h alterné par des rafales de 130 Km/h. AVA pourrait atteindre le stade cyclonique avant d’atterrir autour de Toamasina dans la matinée du 5 Janvier 2018. Les bandes pluvieuses associées touchent dejà la moitié Nord du pays et apporteront des pluies abondantes. Les crues de rivières sont à craindre pour toutes zones concernées par les alertes jaunes suivantes : Les districts Antalaha, Mandritsara, les régions Analanjirofo, Atsinanana, Alaotra Mangoro et Vatovavy Fitovinany sont en alerte Jaune (Menace dans 24 heures); Alerte Verte (Avertissement) : Tsaratanana, Anjozorobe, Analamanga, Arivonimamo, Ambatolampy, Antanifotsy, Antsirabe I-II, Fandriana, Ambositra, Manandriana, Ambohimahasoa, Isandra, Vohibato, Lalangina, Fianarantsoa Ville, Ambalavao, Faritra Atsimo Atsinanana, Anosy Ivohibe et Iakora. Les alertes sont levées pour DIANA, Bealalana, Befandriana Nord, Sambava, Vohemar et Andapa. Les usagers en mer entre Antalaha et Mahanoro sont priés de ne plus s'aventurer en mer à partir de ce jour. Prochain bulletin : à 16 heures 30.

  • 03 Jan. 2018 - 11:57-

    Bulletin cyclonique spécial du 3 janvier à 10 heures. La Perturbation Tropicale à l'Est d'Antalaha s'est intensifiée en Tempête Tropicale Modérée et est nommée AVA à 9 heures. Son centre est détecté à 230 Km à l'Est d'Antalaha ou 350 Km au Nord-Est de St Marie. Le vent moyen monte à 75 Km/h alterné par des rafales de 105 Km/h. D'après la prévision de ce matin, AVA continuera de s'intensifier avant d’atterrir entre Soanierana Ivongo et Brickaville dans la matinée du 5 Janvier. Les bandes pluvieuses associées affectent déjà la partie Nord et Est du pays depuis hier.

  • 02 Jan. 2018 - 07:54-

    2018, Année des promesses. L’année 2018 est prévue être une année électorale. Les élections riment toujours avec espoir d’une vie meilleure. Ce qui est sûr c’est que les élections vont de pair avec les promesses. A l’aube de cette période de promesses l’équipe de www.lakroa.mg nous vous offrons nos vœux de Bonheur avant tout. Soyez heureux et serein dans votre quotidien tout au long de l’année. Mais nous vous invitons surtout à rester lucide. Préférer les actes à la parole. Penser au futur de vos enfants. Rappelez-vous que bobard rime avec politicard. Bonne année.

  • 25 Dec. 2017 - 07:53-

    Joyeux Noël. Tout le monde aime Noël, même ceux qui ne croient en cette fête. La joie est toujours là. La joie est communicative. Tant mieux. Mais que dire de Noël? Dans la rue, les gens parlent du père Noël, des sapins, des cadeaux, des réveillons… Mais Noël, c'est plus que tous ses réveillons, ses cadeaux et ses lumières. J'aime voir à travers la fête de Noël, une délicatesse divine. Noël est porteur d'un message et d'une grâce : la pureté de l’enfance et l’amour du Père. Toute l’équipe www.lakroa.mg nous vous disons “Krismasy sambatra”.

  • 16 Dec. 2017 - 07:46-

    Amdp à Taolagnaro. L’Agence Malagasy de Développement économique et de Promotion des entreprises (AMDP) rattachée à la Présidence République effectue une enquête nationale sur l’économie de l’environnement des affaires à Madagasikara. Dans cette enquête les responsables de l’Amdp sillonnent le pays. Ils étaient à Taolagnaro ce 14 décembre 2017 pour effectuer l’enquête au niveau de la région Anosy. Cette enquête est constituée de consultation publique pour la contribution de toutes les forces à une étude visant l’émergence d’un développement économique durable et inclusif à Madagasikara.

  • 30 Nov. 2017 - 13:41-

    Baby shopping 2017. Pour la cinquième fois Prima Baby donne rendez-vous aux enfants et parents. Les dates à retenir sont les 1 et 2 décembre. Le lieu du rendez-vous se trouve sur le parvis de l’Hôtel de ville d’Antananarivo. Le vendredi 1 décembre : Shopping à petit prix ; Mora Mahazo (vente aux enchères) ; Coaching Parental. Le samedi 2 décembre Animations et Aire de Jeux en collaboration avec Le Marathon International de Tana. Concours de Déguisement. Coaching Parental avec les spécialistes de l'enfance. Le prix d’entrée est de 1000 ariary.

  • 28 Nov. 2017 - 14:39-

    Salon de la Microfinance. Annulé pour cause d’épidémie de peste, le rendez-vous pour mieux connaître les acteurs de la Microfinance se tient finalement ce jour 28 et le 29 novembre. Le Salon de la Microfinance des Banques et des Assurances, destiné au grand public, se tient sur le parvis de l’Hôtel de Ville d’Antananarivo. Cette première édition du salon est orientée vers les offres de crédit répondant aux attentes de tous : particuliers, fonctionnaires, salariés des privés, agriculteurs, commerçants, artisans, transporteurs, et autres. Des conférences sont proposées aux visiteurs.

Du même auteur

societe
societe

Dans la même rubrique

chronique
chronique
Publicité