logo
Lakroan'i Madagasikara
FIVONDRONAMBEN’NY EVEKA ETO MADAGASIKARA

« Sambatra ny mamindra fo, fa hamindrana fo izy » (Mt 5, 7)

Nanangona RRJ il y a 3 années

« Sambatra ny mamindra fo, fa hamindrana fo izy » (Mt 5, 7) HAFATRA HO AN’NY KRISTIANINA SY IREO TSARA SITRAPO REHETRA Homba antsika mianakavy anie ny Fiadanana.

« Sambatra ny mamindra fo, fa hamindrana fo izy » (Mt 5, 7)

FIVONDRONAMBEN’NY EVEKA ETO MADAGASIKARA

Hafatra – Volana Novambra 2015

 


Hosokafan’ny Papa Ray Masina Fransoa amin’ny 8 desambra ho avy izao ny vavaravaran’ny Taona Masina momba ny « FAMINDRAM-PON’ANDRIMANITRA », izay hiombonan’ny diosezy tsirairay avy. Asaina hiara-mamakivaky izany taom-pahasoavana manokana izany isika ho fanamasinana koa ny fiainantsika.


I- Miara-dàlana amintsika mandrakariva Andriamanitra.

 1- Indroa miantoana ny Eglizy no niara-nankalaza ny sinaody ho an’ny Fianakavina, manaporofo fa manan-kasina amin’ny fandavorariana ny maha-olona feno sy manontolo ny fianakaviana. Mampisaotra an’Andriamanitra miaraka amin’ny Papa sy ireo solon-tena niara-dia taminy. Miandry ny fampianarana vokatr’izany isika.

2- Niombom-po amam-panahy tamin’ny fankalazana JMJ Mada8 tany Fianarantsoa isika mianakavy. Misaotra amin’ny fiaraha-mientana mavitrika. Tsy tanjona iny fa fanomboham-piainana vaovao : « hadio fo hatrany, hahita an’Andriamanitra ».

3- Tsy latsa-danja amin’izany ny fankalazana ny taonan’ny fiainan’ny voatokana. Nandalina izy ireo miaraka amin’ny Eglizy mba hampiharihary ny maha-izy azy ireo hahafahany mizara ny hafalian’ny vaovao mahafaly amin’ny maha mpaminany.

4- Ankizy sy tanora maro no niara-nankalaza ny taon-jobilin’ny Afafi sy FET, nanehoan’izy ireo fa « ny Fivavahana , ny Tenin’Andriamanitra, ny Eokaristia » no manosika hijoro ho iraka sy ho vavolombelona eo anivon’ny fiainana andavanandro. Mahavelom-panantenana ho an’ny Firenena sy ny Eglizy ny fahitana azy ireo miara-mientana.

5- Taom-pahasoavana ho an’Eglizy eto Madagasika ity taona 2015 ity, satria diosezy 10 no feno 60 taona. Niara-nisaotra an’Andriamanitra tany Morondava ny Fivondronamben’ny Eveka, notronin’ i Mgr Savio HON TAI FAI, sekretera jeneralin’ny Foibe mitantana ny fitoriana ny vaovao mahafaly manerantany any Roma. (Propaganda Fide). Manambara fa efa tsara orina eto amintsika ny Eglizy katolika.

6- Nahazo tombom-pitiavana isika eto Madagasikara fa namangy antsika ny « reliques »n’i Mb Terezin’i Jesoa Zazakely sy ireo Ray aman-dreniny, namelona ny finoana sy namohafoha indray ny hasin’ny fianakaviana. Mila olom-baovao ho modely izao androntsika izao, ka ny toe-piainan’izy ireo  ho fakantahaka ho  antsika.

 

II- Satria  famindram-po Andriamanitra.

 1- Ny famindram-po no hatsaram-panahy faratampony isehoan’ny toetran’Andriamanitra. Ny fony mihitsy no atolony amin’ny alalan’i Jesoa, teo amin’ny Lakroa. ( jereo Jn 19, 34 ). Io no banjinintsika manoka amin’izao TAONA Masina ho an’ny famindram-pon’Andriamanitra izao, araky ny hafatry ny Papa Fransoa : “Ny famonjena atolotr’Andriamanitra antsika dia asan’ny famindrampony.  Tsy misy asa nataon’olombelona, na dia izay tsara indrindra aza, tokony hahamendrika antsika hahazo an’izany fanomezana lehibe dia lehibe izany.  Fa Andriamanitra, noho ny indrafony madiodio, no misintona antsika hiray aminy” (Hafalian’ny Evanjely, 112).

2- Antso avo ho antsika hibebaka sy hihavao  izao taona Masina izao mba hirosoana amin’ny fiainam-baovao hahatonga antsika koa ho famindram-po tahaka ny Ray ( Lohahevitry ny Taona Masina). «Ny Eglizy no tokony ho sehatry ny famindrampo madiodio, ahafahan’ny olona rehetra mahatsiaro tena ho voaray tsara, ho tototra fitiavana, ho voavela heloka, ho nahazo fankaherezana hiaina araka ny lalam-piainana tsara raketin’ny Evanjely”. (Hafalian’ny Evanjely n°114).

 

III- Saingy isika no be siasia

 

1- Marary izao tontolo izao noho ny hetraketratsika olombelona. Tsy izao tontolo izao ihany anefa fa ity tanindrazana malalantsika ity koa, ka mila fitsaboana ( jereo - Encyclique Laudato si  n°13 -14). Mararin’inona?

2- Tsy misy intsony ny fanajana ny soa iombonana, babon’ny fitiavan-tena ny ankamaroan’ny Malagasy ka potika ny fiainana amin’ny lafiny rehetra. Tsy hisy ny fanajana ny soa iombonana raha tsy voafongotra hatrany am-potony ny kolikoly, ny fahalovana, ny tsy fahamarinana, fa indrindra ny vono olona. Jereo ny taratasy efa nosoratanay volana novambra 2012.

3- Ny politika mifototra amin’ny lainga sy ny kobaka am-bava dia mibaribary hitam-bahoaka. Tsy misy fanompona fa fitadiavana seza, ka zary fametrahana fianakaviana, havana sy olom-pantatra ary ireo mahaloa vola. Ireo no loharano ipoiran’ity kolikoly ity. Vokatr’izay, tsy ny fahaizana sy ny fahendrena intsony no mampandroso ity firenena ity fa ny vola sy ny fahefana no mibaiko.  Dia ho gaga ve isika raha misy sahy mivarotra ny tany nolovaina tamin’ny razana amin’ny vahiny ny sasany ka zary mifampifahavalo ny mpianakavy : miady, mifampitory, mifamono... Mivalaketraka tanteraka ny vahoaka fa tsy hita taratra ny finiavana hanavotra azy ao anatin’ny hantsana mangitsokitsoka.

4- Marary ny fihavanana satria ny fihatsarambelatsihy sy ny henamaso no mandrafitra ny fifandraisana, mamatotra ny olona  ka tsy afa-mijoro intsony amin’ny fahamarinana. Mba hahatanteraka io hevi-dratsy io dia misy sahy manapotika fikambanana na Eglizy izay manao ho soatoavina ny fihavanana ombam-pahamarinana. Manampy trotraka koa ny fahasimban’ny fiaraha-monina, ny fahapotehan’ny tontolo iainana. Toy ny mandrora mitsilany isika mandrava ny trano iombonana : mikorontana tanteraka ny toetr’andro. Izay mandoro tanety mamono tanteraka ny mahaolona.

 

IV- Antsoantson’ny tany karakaina, antsoantson’ny voageja.

Hoy ny Papa : « Sokafy ny masontsika hahita ny fahoriana eo amin’izao tontolo izao, sy ny ratra mahazo ireo havana maro tsy omen-kasina, ary aoka isika hahatsiaro fa voaantso hihaino ny hiakan’ireo miantso vonjy. Aoka ny tanantsika hifamihina amin’ny tànany, ary hitarika azy ireo hanatona antsika, mba handrenesany hafanana noho isika eo anilany, noho ny fifankatiavana sy ny firahalahiana atolotra azy. Aoka ny antsoantsony no ho antsoantsotsika koa, dia hiaraka isika handrodana ny rindrin’ny tsy firaharahana, izay mazana manjakazaka tsy refesi-mandidy mba hanafenana ny fihatsaram-belatsihy sy ny fitiavan-tena » (Ny endriky ny famindram-po, 15)

Inona àry no havalintsika izany antso avo mahasoa avy amin’ny Papa izany ? Mibebaha mba tsy ho mpitazana kanosa. Aza kivy fa mitrakà hatrany.

1-  Volena amin’ny seha-panabeazana rehetra ( fianakaviana, sekoly,  fikambanana ary fiaraha-monina) ny fanajana ny soa iombonana ka hahatonga ny rehetra hahafoy ho an’ny firenena, handresena ny toe-tsaina mitodika mandrakariva amin’ny fitiavan-tena sy ny fihaviana.

2- Atsaharo ny politikan’ny fitiavan-tena ho an’ireo rehetra anankinana andraikitra amin’ny fitantanam-bahoaka. Ny atao hoe fanjakana tsara tantana dia miahy ny soa iombonana mifototra amin’ny fanajana  ny zo maha-olona sy ny fahaizana mihaino ny feon’ny tsirairay. Esory lavitra ny toe-tsaina manavakavaka eo amin’ny asa fanompoana.

3- Asio lanjany sy hasiny ny tontolo iainana satria asan’Andriamanitra io. Ny krizin’ny  fiainantsika  ankehitriny dia taratry ny fiainantsika anaty karakaina tsy misy fanahy. Mila fibebahana sy fiovam-penitra mahery vaika ny fifandraisantsika amin’ny tontolo iainana sy ny zava-boahary. (cf-Laudato si n°217). Asehoy  an’asa izany fibebahana takina amin’ny tsirairay  sy amin’ny besinimaro izany.

4- Marina fa miorim-paka eto amitsika ny Eglizy, mila fikolokoloana maharitra izany. Amin’ny alalan’ny fiainana andavanandro no anehoana ny fibebahana. Miezaha ho vavolombelona toa an’ireo olomasina sy ireo Ray aman-dreny razantsika hendry teto. Izao taon-jobily izao dia vanim-potoana lehibe hiainantsika ny famindram-pon’Andriamanitra, mitondra antsika hihavao ho an’ny fahamasinana. Miombom-bavaka  amin’ny Papa isika manao hoe : « Tompo ô, izaho no nanaiky ho voafitaka, ary maro ny fomba nandosirako ny fitiavanao, saingy inty aho tonga eto indray, hanavao ny fanekempihavanako aminao ! (Hafalian’ny Evanjely 3).

Miombona amin’ny Eglizy manerantany àry isika mandritra izao Taona Masina izao. Enga anie tsy hihazakazaka any amin’ny tontolom-pahafatesana fa hifampitantana ho any amin’ny fahavelomana arafitry ny fitiavana sy ny fiadanana. « « Sambatra ny mamindra fo, fa hamindrana fo izy » (Mt 5, 7) »

Masina Maria mpanjakavavin’ny Fiadanana, mpiaro an’i Madagasikara anie hitari-dàlana sy hitalaho ny famindram-pon’Andriamanitra ho antsika.


Mitso-drano anareo izahay Eveka, Ray aman-dreninareo.


Antananarivo anio, 12 novembre 2015

Fetin’ny Masindahy Josaphat, Eveka Martiry

 

Mgr TSARAHAZANA Désiré, Arsevekan’i Toamasina, Filohan’ny Fivondronamben’ny Eveka eto Madagascar

Mgr RAMAROSON Marc Benjamin, Arsevekan’Antsiranana, Filoha lefitra

Mgr RANAIVOMANANA Philippe, Evekan’Antsirabe, Sekretera Jeneraly

Mgr RAZANAKOLONA Odon Marie Arsène, Arsevekan’Antananarivo

Mgr RABEONY Fulgence, Arsevekan’i Toliary

Mgr RABEMAHAFALY Fulgence, Arsevekan’i Fianarantsoa,

Mgr Georges VARKEY,  Evekan’i Port-Bergé

Mgr ROSARIO Saro Vella, Evekan’Ambanja

Mgr RAKOTONDRAJAO Roger Victor, Evekan’i Mahajanga

Mgr RAOELISON Jean de Dieu, Evekan’Ambatondrazaka

Mgr DI PIERRO Gaetano, Evekan’i Moramanga

Mgr RANDRIAMAMONJY Marcellin, Evekan’i Fenoarivo Atsinanana

Mgr BOMBIN ESPINO Gustave, Evekan’i Tsiroanomandidy

Mgr RANDRIANARISOA Jean Claude, Evekan’i Miarinarivo

Mgr RAKOTONARIVO Fidelis, Evekan’Ambositra

Mgr CAIRES DE NOBREGA José Alfredo, Evekan’i  Mananjary, Administrateur Apostoliquen’i Farafangana

Mgr RAZAKARIVONY  Fulgence, Evekan’Ihosy

Mgr RAKOTOZAFY Vincent, Evekan’i Tolagnaro

Mgr ROBASZKIEWICZ Zygmunt, Evekan’i Morombe

Mgr RAHARILAMBONIAINA Marie Fabien, Evekan’i  Morondava

Mgr MALO Michel,  Evêque Emérite d’Antsiranana

 

Mgr RANDRIAMBOLOLONA Philibert, Archevêque Emérite de Fianarantsoa

Mgr RAZAKARIVONY Raymond, Evêque Emérite de Miarinarivo

Mgr SCOPELLITI Antoine, Evêque Emérite d’Ambatondrazaka

Mgr ZEVACO Pierre, Evêque Emérite de Tolagnaro

Mgr PELLETIER Donald, Evêque Emérite de Morondava

Mgr TOASY Armand, Evêque Emérite de Port-Berger

Partager l'article:

Lakroa en direct
  • 22 Jan. 2019 - 14:46-

    Le staff du PRM Rajoelina. Rajoelina Andry Nirina, a tenu son premier conseil des ministres restreint, ce lundi 21 janvier 2019 au Palais d’État d’Iavoloha. Il a nommé ses proches collaborateurs. Ramonjavelo Manambahoaka Valéry Fitzgerald a été nommé Secrétaire général de la Présidence. Andriamaholy Onjaniaina Dina est nommé au poste Secrétaire Général Adjoint de la Présidence. Et, Delmotte Stéphanie a été nommée Directeur de Cabinet civil de la Présidence. On attend donc les autres membres entre autres le directeur de cabinet militaire,  le directeur administratif et financier…

  • 22 Jan. 2019 - 14:45-

    Reconduction du PM Christian Ntsay. Conformément aux dispositions de l’article 54 de la Constitution de la Quatrième République, les députés issus du groupe de partis majoritaires à l’Assemblée Nationale, en l’occurrence le MAPAR, ont proposé le nom de NTSAY Christian Louis au poste de Premier Ministre. Aussi, Son Excellence Monsieur le Président de la République, Rajoelina Andry Nirina, a pris le décret n°2019-016 portant nomination du Premier ministre, Chef du Gouvernement, Monsieur NTSAY Louis Christian.

  • 21 Jan. 2019 - 15:57-

    Gouverneur de région ? Dans son premier discours après la prestation de serment ce 19 janvier, le président Andry Rajoelina a utilisé le mot “gouverneur” de région. On lit dans la Constitution que “La fonction exécutive est exercée par un organe dirigé par le Chef de Région élu au suffrage universel. Le Chef de Région est le premier responsable de la stratégie et de la mise en œuvre de toutes les actions de développement économique et social de sa région. Il est le Chef de l’Administration de sa région.” Première entorse devant le gardien de la Constitution ?

  • 21 Jan. 2019 - 15:34-

    10 décès au moins. Les pluies torrentielles tombées sur Antananarivo dans la soirée du samedi 19 janvier ont perturbé la fin des festivités de la prestation de serment du Président Rajoelina (fête à Mahamasina, feux d’artifices annulées). Mais plus grave, elles ont provoqué un éboulement en plusieurs endroits et plusieurs maisons ont été démolies. Plusieurs personnes ont été ensevelies sous les décombres. Plusieurs personnes ont été sauvées mais on déplore une dizaine de victimes. On compte au moins 10 personnes décédées et on craint que le nombre ira en croissant.

  • 19 Jan. 2019 - 11:48-

    Hevi-dehibe notsoahina tamin'ny lahatenin'ny filoha Rajoelina. Ezaka lehibe no atao momba ny famokarana ny herinaratra. Politikan’ny kibo velaran-tany hovolena, tsy hanafatra vary intsony. Hitsinjo sy hanampy ireo tena marefo efa eny ambony sambo ny vary tena mora ho zaraina sy hamidy mora. Asa fa tsy kabary. Hanangana sy hanorina tanana vaovao isika ho modely aty amin’ny ranomasina Indiana izay atomboka amin’ity taona ity ihany. Ho mpandresy amin’ny lafiny rehetra ny Malagasy. Ampiray sy ampitambatra ny Malagasy aho. Tsy ny eto antananarivo ihany no hisitraka fa hapetraka ny fanamby fa hisitraka izany ny any amin’ny faritra. Apetraka ny governora hisolo ny lehiben’ny faritra. Izy ireo no hitarika ny asa goavana. Omentsika fitaovana manokana fanamboaran-dalana ny faritra rehetra. Ho lasa 23 ny faritra. Tsy ekeko ny gaboraraka. Tsy azo ekena ny fanaovana tolotrasa kanefa tsy  nisy asa notanterahina akory. Ady amin’ny kolikoly sy fitsarana marina tsy mitanila. Tsy ekeko ny fitsabahana amin’ny raharaha fitsarana.

    Tsy fandriampahalemana. Vahaolana koa ampitomboina ny isan’ny mpitandro filaminana. Ho vatsiana fitaovana mendrika manaraka ny toetrandro ny foloalindahy sy mpitandro filaminana. Handalo eto ny santionany amin’ny fitaovana tsy mataho-bala. Fankahalana fanaratsiana fisaraham-bazana hahilika izany.

  • 18 Jan. 2019 - 08:14-

    Passation à Iavoloha. Selon l’article 48 de la constitution “La passation officielle du pouvoir se fait entre le Président sortant et le Président nouvellement élu.” Il n’est nullement indiqué que c’est le président démissionnaire ou le président intérimaire. La passation se fera officiellemen ce vendredi 18 janvier. Selon la rumeur la passation se fera entre le président Rajaonarimampianina qui a démis de ses fonctions présidentielles en septembre 2018 et le président Rajoelina. Si cela se fera cela veut dire une passation des dossiers de janvier 2014 à septembre 2018. Qu’en sera-t-il des dossiers durant l’intérim ? Y aura-t-il une autre cérémonie de passation ce vendredi aussi ?


  • 09 Jan. 2019 - 08:42-

    Le FFKM présente ses vœux au Président de la République p.i. Les représentants du Conseil Chrétien des Eglises (FFKM), sont venus présenter les vœux de nouvel an au Président de la République p.i, Rivo Rakotovao, au palais d’Ambohitsorohitra, le 8 janvier 2019. Le Président en exercice de la FFKM a évoqué lors de la rencontre l’importance de la période que traverse le pays à l’heure actuelle, et n’a pas manqué de souligner l’union dans la prière pour la marche du pays ; il a aussi mis en relief la noble mission et les responsabilités qui incombent au Chef de l’Etat, Rivo Rakotovao, et invoqué la bénédiction divine à son endroit ainsi qu’à sa famille.

  • 07 Jan. 2019 - 14:16-

    Jours fériés de 2019. Mardi 1er Janvier, Vendredi 8 Mars : Journée de la Femme. Vendredi 29 Mars : Jour des martyrs 1947. 21 Avril : Pâques ; 22 Avril : Lundi de Pâques. Mercredi 1er Mai : Fête du travail. 30 Mai : Ascension. 4 Juin : L'Aïd el Fitr. 9 Juin : Pentecôte ; 10 Juin : Lundi de Pentecôte. 26 Juin : Fête de l'Indépendance. 11 Aout : L'Aïd el kebir ou Aïd-al-adha. 15 Août : Assomption. Vendredi 1er Novembre : Toussaint. 25 Décembre : Noël.

  • 05 Jan. 2019 - 09:59-

    Différents cas d’annulation d’une élection. Suivre les liens

    http://www.lakroa.mg/item-1607_articles_monde_18-la-cour-suprame-annule-laalection-prasidentielle.html


    http://www.lakroa.mg/item-1608_articles_monde_18-annulae-a-cause-daune-utilisation-abusive-de-facebook.html

  • 04 Jan. 2019 - 07:17-

    Résultats officiels le 8 janvier. La HCC, Haute Cour Constitutionnelle, dans un communiqué publié sur son site fait savoir la date de la proclamation officielle des résultats. La HCC procèdera à la proclamation officielle du second tour de l’élection présidentielle le mardi 8 janvier 2019 à 15 heures. La cérémonie aura lieu à la salle de proclamation du Palais d’Etat d’Ambohidahy. Pour la la HCC, s’applique de facto l’Article 61 de la Loi organique N°2018-009 relative à l’élection du Président de la République qui dit que la HCC procède à la proclamation officielle des résultats définitifs dans un délai de neuf (9) jours à partir de la date de publication des résultats provisoires par la CENI.

  • 02 Jan. 2019 - 12:49-

    Sainte et heureuse année 2019. Nous vous envoyons des étoiles de Paix, de solidarité, de Vérité et d’Amour pour qu’elles illuminent votre vie toute l’année 2019. toute l'équipe de www.lakroa.mg nous vous offrons comme menu au quotidien pour les 365 jours : "De belles coupes de sourire, Quelques éclats de rires, Une grande cuillerée de gentillesse, Quelques grains de tendresse, Une bonne pincée d’affection, Des poignées d’or et d’argent, Un maximum de réussite, Saupoudrer de gaïté, Faire mijoter avec douceur, Servir joyeusement."

  • 29 Dec. 2018 - 13:12-

    Délai des requêtes. En application du système de délai franc mis en œuvre lors du premier tour de l’élection présidentielle, le dernier jour de dépôt des requêtes tombant normalement un samedi (voir communiqué du 28 décembre 2018, in infra), la date limite de dépôt est reportée au premier jour ouvrable suivant, c’est-à-dire le lundi 31décembre 2018 à 16 heures. La proclamation officielle des résultats provisoires du second tour de l’élection présidentielle ayant eu lieu le jeudi 27 décembre 2018, la date limite de réception des requêtes auprès du greffe de la Haute Cour Constitutionnelle est fixée au samedi 29 décembre 2018 à minuit.

  • 29 Dec. 2018 - 13:02-

    Mamory vahoaka. Tsy manaiky ny voka-pifidianana navoakan’ny CENI ny mpomba ny kandida laharana faha 25, Marc Ravalomanana. Mamory vahoaka eo amin’ny “kianjan’ny 13 mai” izy ireo ny sabotsy 29 desambra. Milaza ny ampiseho ireo porofo mitarika azy ireo tsy hanaiky iny voka-pifidianana iny, porofo izay ho azy ireo milaza fa nisy hala-bato tany rehetra tany. Hala-bato amin’ny endrika isan-karazany ka nahatonga ny fandresen’ny kandida lahanara faha 13 Andry Nirina Rajoelina.

  • 29 Dec. 2018 - 13:01-

    Vokatra navoakan’ny CENI ny alakamisy 27 desambra. Tamin’ireo mpifidy miisa 9 913 599  voasoratra anarana ao anaty lisi-pifidianana, 4 767 697 (48, 09%) no tonga naneho ny safidiny. Ny isan’ny vato manankery tamin’izany dia nahatratra, 4 648 086, ny vato maty tamin’izany, 78 465 ary ny vato fotsy 41 146. Mitsinjara toy izao ny vato azon’ireo kandidà mpifanina tamin’izany fifidianana izany : ny an’ny kandidà laharana faha 13, RAJOELINA Andry Nirina, 2 587 035 manome isan-jato 55,66% ary ny an’ny kandidà laharana faha 25, RAVALOMANANA Marc, 2 061 051 manome ny salan’isa 44,34%.

  • 24 Dec. 2018 - 12:15-

    Joyeux Noël ...
    Lorsque décembre frappe à la porte
    Dame pluie arrose la terre qui se couvre de beauté…
    Plus Noël approche plus la douceur s’installe
    Les guirlandes illuminent nos sapins de noël,
    Et sur tous les visages, la joie et les sourires.
    Noël arrive, quel grand bonheur !
    A cette occasion, www.lakroa.mg vous dit : “Joyeux Noël”
    Merry Christmas dia samia ho lavitry ny kirizy mafy !

  • 20 Nov. 2018 - 07:46-

    Communiqué HCC. Suite à la publication officielle des résultats provisoires du premier tour de l’élection présidentielle par la CENI le samedi 17 novembre 2018, s’appliquent de facto les dispositions suivantes de la Loi organique N°2018-009 relative à l’élection du Président de la République :
    Article 61 :
    La Haute Cour Constitutionnelle procède à la proclamation officielle des résultats définitifs dans un délai de neuf (9) jours à partir de la date de publication des résultats provisoires par la Commission Electorale Nationale Indépendante.
    Article 66 alinéa 2 :
    Le délai de recours est fixé à deux (2) jours après la publication des résultats provisoires par la Commission Electorale Nationale Indépendante.
    En application du système de délai franc, la réception des requêtes sera clôturée le mardi 20 novembre 2018 à 24h.

  • 16 Nov. 2018 - 07:45-

    Voici les tendances publiées sur le site de la CENI ce 16 novembre 2018 à 6 heures et 58 minutes. C’est une tendance nationale, BV traités : 22 576 sur 24 852 soit : 90,84%. Inscrits : 8 906 101 sur 9 913 599 votants : 4 807 829 suffrages exprimés 4 453 212 soit 92,48%. Taux de participation : 53,98%.

    - RAJOELINA Andry Nirina : 1 763 347 soit 39,60%

    - RAVALOMANANA Marc : 1 535 795 soit 34,49%

    - RAJAONARIMAMPIANINA Hery : 390 356 soit 8,77%

    - MAILHOL André Christian Dieu Donné : 56 928 soit 1,28%

    - RANDRIAMAMPIONONA Joseph Martin : 53 629 soit 1,20%

    - RAFALIMANANA Ny Rado : 52 897 soit 1,19%

  • 16 Nov. 2018 - 07:45-

    Administrateur apostolique du diocèse de Mahajanga. Mgr Gustavo Bombin Espino, OSST, actuellement évêque du diocèse de Maintirano (dont il est le premier évêque) a été désigné comme Administrateur apostolique du diocèse de Mahajanga. L’annonce a été faite durant les obsèques de Mgr Roger Victor Solo Rakotondrajao le vendredi 9 novembre à Mahajanga. Pour mémoire, Mgr Gustavo Bombin Espino était évêque de Tsironomandidy entre février 2004 et février 2017 ‘érection du noouveau diocèse de Maintirano). Mgr Gustavo Bombin Espino est né le 24 septembre 1960 à San Llorente (Valadolid en Espagne).

  • 14 Nov. 2018 - 13:41-

    Voici les tendances publiées sur le site de la CENI ce 14 novembre 2018 à 13 heures et 6 minutes. C’est une tendance nationale, BV traités : 17504 sur 24 852 soit : 70,43%. Inscrits : 7 062 725 sur 9 913 599 votants : 3 827 816 suffrages exprimés 3 539 985 soit 92,48%. Taux de participation : 54.20%.

    - RAJOELINA Andry Nirina: 1396356 (39.45%)
    - RAVALOMANANA Marc: 1297579 (36.65%)
    - RAJAONARIMAMPIANINA Hery: 266857 (7.54%)
    - MAILHOL André Christian Dieu Donné: 46243 (1.31%)
    - RANDRIAMAMPIONONA Joseph Martin: 41091 (1.16%)
    - RAFALIMANANA Ny Rado: 39742 (1.12%)

  • 13 Nov. 2018 - 14:56-

    FMF out, comité de normalisation in. Le Bureau du Conseil de la FIFA a décidé, ce 12 novembre 2018, de désigner des comités de normalisation pour les Fédérations de Football de République dominicaine (FEDOFUTBOL) et Madagascar (FMF) conformément à l’art. 14, al. 1a et l’art. 8, al. 2 des Statuts de la FIFA. À Madagascar, la décision de nommer un comité de normalisation est liée à la procédure électorale de la FMF, qui n’a pas été effectuée conformément aux exigences réglementaires applicables aux membres de la FIFA. Le mandat du comité expirera au plus tard le 12 mai 2019. La participation des Barea à la CAN n'est pas concernée par la mise en place du comité de normalisation.

Du même auteur

societe
sport

Dans la même rubrique

religion
religion
Publicité