logo
Lakroan'i Madagasikara
Filoha Rajaonarimampianina

Lahateny teny Iavoloha 8 zanvie 2016

Recueillis par RRJ il y a 4 années

Lahatenin’Atoa Filohan’ny Repoblikan’i Madagasikara nandritra ny lanonana ho fifampiarahabana amin’ny nahatrarana ny taona vaovao 2016

Lahateny teny Iavoloha 8 zanvie 2016

Ry vahoaka Malagasy mpiray tanindrazana,

Honorables invités,

Mesdames et Messieurs,

 Tompokolahy sy Tompokovavy,


Fararanon-jozoro ny any Alaotra, fararanon-tapia ny any Imamo, fararanon-tatamo ny any Itasy, fararanon-tsahondra ny any Andringitra, fa ny eto lavoloha anio kosa fararanon-­kafaliana, satria tonga ity ny fotoana nifanomezana ka vory lanona eto isika noho ny Asaramanitra.

Vory lanona isika satria tonga ny Asaramanitra, ao anatin'ny fandalàna ny tsikalakalam-pihavanana.

Tendrombohitra tsy mihoatra an'Ankaratra, lembalemba tsy mihoatra an'Ilempona, renirano tsy mihoatra an'Ikopa, farihy tsy mihoatra an'Alaotra fa ny avo kosa tsy mihoatra an'Andriamanitra, koa atolontsika azy ny dera sy ny laza ary ny voninahitra satria Izy ilay nahary sady tompon'izao rehetra izao.

Miarahaba anareo vahoaka Malagasy isan-tokantrano, manerana an'l Madagasikara sy miely patrana manerana izao tontolo izao, satria ianareo no kijeja miara-mita, akanga miara­manjohy, kitro ifaharan'ny fanjakana satria ianareo no fototra iorenan'ny fanjakana, ary ianareo no maha-fanjakana ny fanjakana sy maha-firenena ny firenena.

Miarahaba anareo tsy maty fo aman'aina nahatsipaka iny taona lasa iny ka velona tra-pamonjena amin'izao taona vaovao 2016 izao. Ny andon'ny lanitra sy ny tsiron'ny tany anie ho aminareo tsirairay avy ka ho tojo ny soa sy ny mananjara hatrany.

Tolorana ny fisaorana sy fiarahabana manokana ianareo misolo tena ny vahoaka Malagasy avy amin'ny lafivalon'ny Nosy sy avy amin'ny seha-piaraha-monina maro lafy manatrika etoana.

Ny zaza mankeo ampofoan-dreniny tompoko, te ho trotroina ; ny zaza mankao an-damosina kosa te ho babena, izahay mivady kosa raha manolotra ny arahaba sy firariantsoa dia te haneho fankasitrahana sy fifaliana aminareo.

 

Tompokolahy sy tompokovavy,

Ireo saina marobe narantirantin'ny tanorantsika ireo dia manambara fa taona miavaka ity taona 2016 eto amintsika ity. Handray ny fihaonana an-tampon'ny COMESA sy ny Frankofonia isika. Ny antsasa-manilan'ny firenena maneran-tany no ho avy eto amintsika, amin'ny alalan'ny mpitondra ambony avy any aminy avy. Voninahitra lehibe izany fa mirakitra fanamby lehibe koa, satria ahazoantsika mametraka ny vatom-panorontsika eo aminny sehatry ny fanatontoloana.

Izany hoe, misy fanamby ara-politika sy fiharin-karena goavana anatin'ny dinika izay hitranga eto amintsika amin'ity taona 2016 ity, ka tsy isika anateran-kira indray no ilaza fa tsy mahay mandihy. Misy fiantraikany maro ara-toekarena sy asa izany ka ny tanora sy ny mpandraharaha indrindra indrindra no hahazo tombony amin'izany.

Manoloana izany anefa, ary mba itrandrahantsika ny tombontsoa samihafa manandrify ny hetahetam-pivoarantsika, dia tsy maintsy miverina amintsika ny fahatokisa-tena, ny fifampitokisana eo amintsika samy isika. Tsy maintsy miasa mafy isika, ary raha nilaza aho tamin'ny faran'ny taona hoe nandroso isika, dia mandroso noho ny asa izay notontosaina isan'andro vaky.

 

SOSIALIM-BAHOAKA

 

Tompokolahy sy Tompokovavy,

Voafidy hitondra fihatsaram-piainana ho an'ny vahoaka malagasy 22 tapitrisa sy hanarina ity Tanindrazantsika avy anaty hantsan'ny krizy ny tenako.

Hita maso ary ekena, ry Malagasy mpiray tanindrazana, fa henjana ny zava-misy eo amin'ny sosialim-bahoaka. Tany amin'ny taona 80, 90, 2000 no efa voasokajy ho mahantra ny 80%n'ny vahoaka malagasy, voalazan'ny mpiara­miombon'antoka samihafa fa tafakatra 90% mahery ireo mandray vola latsaky ny 2 dolara isan'andro tamin'ny taona 2010. Tsy vitan'izany, fa sasa-mitraka ny firenena noho ny hotakotaka samihafa nifandimby teto ary nametraka takaitra izay babentsika hatramin'izao izany. Ireo rehetra ireo no ezahantsika harenina ankehitriny, ezahantsika hamaritana làlana mari-toerana ahafahana mitsinjo amin'ny fomba maharitra ny fiainam-bahoaka.

Tsy miainga ny Firenena raha mbola itambesaran'izany fahantrana lalina izany ny ankamaroan'ny malagasy. Noho izany dia natao anaty laharam-pahamehana ireo mpiray tanindrazana faran'izay sahirana ireo.

 

FAHASALAMANA

Ny Fahasalamana no voalohan-karena ho an'ny olona. Rehefa naparitaka manerana ny faritany 5 ivelan'Antananarivo, amin'ireo Hopitaly Be na CHU ireo Profesora manana ny Agrégation 28, dia malagasy an-tapitrisa mahery no misitraka ny fitsaboana manara-penitra hary fitoavana, ka isan'izany ireo tena sahirana.

Ankizy latsaky ny 15 taona mihisa 11 tapiritrisa mahery no vita vaksiny amin'ny lefakozatra na Polio, ao anatin'izany ireo tena sahirana. 138 ny tobim-pahasalamana efa nikatona no misokatra indray izao.

Sosialim-bahoaka izany

 

FANABEAZANA

Eo anilan'ny fahasalamana, dia ny fanabeazana sy fampianarena ny ankizy no mahamay indrindra ny ray aman­dreny malagasy. Rehefa misy ny krizy sy fahasahiranana, dia ny fianaran'ny ankizy no tapaka. Tamin'ireo ankizy malagasy 1 tapitrisa niala an-tsekoly noho ny krizy, dia maherin'ny antsasak'izy ireo izao no efa tafaverina an-tsekoly. Ankizy 6 hetsy sy 1 tapiritrisa no novatsiana kojakojam-pianarana. Ho an'ny faritra 22 dia vola 14 miliara Ar no nanampiana ny sekolim-bahoaka ary mandrisika ny ankizy efa ho 3 hetsy ny fanomezana sakafo azy ireny any an-tsekoly. Sady manamaivana ny andavan'andron'ny ankohonana daholo izany.

Eo an-danin'izany dia tanteraka ny nambarako hoe ampidirina ho mpiasam-panjakana raikitra ny mpampianatra FRAM 2 alina. Nomena fanofanana ny mpampianatra sy mpanabe an'alina maro manerana ny faritra maro eto Madagasikara, ary ireo taien-tselkoly. Fitaovam-piasana maro no nomena ary anisan'izany ireo Motos efa ho 2 arivo nozaraina tamin'ireo chefs ZAP. Izany rehetra izany no natao dia ny hanatsaràna ny tontolon'ny fanabeazana sy ny kalitaony.

Sosialim-bahoaka izany

 

RANO

Maro ny faritra mijaly rano, rano fisotro madio... Mila an'izany ny malagasy maro an'isa izay sahirana ny ankamaroany. Fanovozan-drano 8600 no namboarina na nohavaozina, foibe-toerana lehibe fampiakarana sy fitahirizan-­drano lehibe 10 (grand centre) ary kelikely 6 no nahorina amina tanàna amin'ny faritra maro. Tany Morafenobe ny farany izay rano mamatsy mponina 16000. Omena anjara manokana ny hamatsiana rano ny mponina any amin'ny faritra ANDROY.

Sosialim-bahoaka izany

Efa noresahiko ihany koa ny politika fiahiana mpiara­belona. Ny tena sahirana, fa indrindra ny renim-pianakaviana sy ny ankizy, no tsinjovin'izany politika izany antsoina hoe Vatsin'Ankohonana.

Herintaona mahery izay no nanombohana azy io tany amin'ny faritra Vakinankaratra. Mahomby ny traikefa natao ka hitarina ho faritra dimy ny ampiharana azy eto Madagasikara. Vola 40 tapitrisa dollars vatsian'ny Banky Iraisam-pirenena no atokana amin'izany ka mpisitraka mivantana 5 hetsy mahery no hahazo tombotsoa, ka vehivavy ny 65 % amin'izany. Amin'ny alatsinainy izao no hanombohana izany any amin'ny faritra Analanjirofo.

Sosialim-bahoaka koa izany !

Hatreo fotsiny dia mba mametraka fanontaniana aminao aho : vita noho ny fahagagana toa inona izany tompoko raha tsy niasa ny Fitondrana ?

 

FANAPARIAHAM -PAHEFANA

Teo amin'izay asa rehetra natao, dia tsisy intsony izany hoe tany lavitr'andriana sy kely tsy mba mamindro izany. Izay vita ho an'ireny faritra madinidinika ireny dia vita ho an'ny Firenena sy ny mpiray tanindrazana. Izay manamaivana azy ireny dia manamaivana ireo mpiray tanindrazana misitraka ny vita.

Nanao fanamby ny tenanay fa ankehitriny tsy misy tany lavitr'andriana izany, ary tsy misy zanak'Ikalahafa, fa ho an'ny mpilalao serasera politika sasany dia mody jamba izy ireny satria tsy te ahita, mody marenina satria tsy te aheno. Sikidy mila voa tsy hary ny azy ireny matetika.

Ho antsika malagasy mpiray Tanindrazana, fa indrindra ianareo manerana ny Nosy, isan-tokantrano dia izao no teniko :

- Mbola anaty fahasahiranana ny firenentsika. Lazaiko anareo am-pahatsorana fa tsy mora ny fikarohana ny fomba rehetra ahatafavoaka antsika satria tsy azo tere-ko masaka toa volobo-jaza ny fanarenana ; mandroso isika fa misy ihany koa ireo misintona hihemotra foana.

- Mampiady saina andro aman'alina fa tsy atao mahakivy satria andraikitra efa nanaovana fianianana teo anoloanareo vahoaka andriamanjaka. Tsy ilavo lefona na kely vary iray venty amin'izany isika.

Ny fanantenanareo ny isian'ny fihatsaram­piainana no manavao isan'andro ny finiavana sy hery entiko miatrika ny adidiko. Henoko sady mihaino ny feo samihafa avy aminareo vahoaka aho, mahita ny misy sy miseho manodidina ahy fa tsy mihiboka anaty tilikambo sanatria.

 

POLITIKA

Nanoloana ny tranga politika mahery vaika samihafa natrehin'ny Fitondrana, be no nanontany ahy hoe : sao dia mandefitra loatra ianao Prezidà !

Misy marina ny voalazan'ireny olona ireny ary isaorako azy. Nandritra izay roa taona izay anefa dia nokatsahiko ary notandrovako fatratra ny fahamarinan-toeran'ny fiainana politika eto amin'ny Firenena.

Fantatro fa ny fahamarinan-toeran’ny fiainana politika no antoka voalohany androsoantsika amin'ny fanarenana ny fiharian-karena. Ary izay ihany no hitondra ny fihatsaram­piainana ho an'ny Malagasy.

Ny fepetra ahazoan'ny malagasy mamelon-tena sy mivelatra eo amin'izay sehatra misy azy no andraikitry ny Fitondrana. Isan'izany fepetra izany, ny fampivelarana ny sehatry ny fiharian-karena izay miteraka asa, karama, fahefa­manjifa sy mivelatra ara-kolontsaina.

Tsy vita izany raha tsy eo ny fahamarinan-toerana politika sy fahaiza-mitantana. Heveriko fa mby ho eo amin' ilay fahamarinan-toerana politika isika izao, vita ireo fifidianana kominaly sy senatorialy ka antenaiko fa tonga amin'ny fahamatorana politika bebe kokoa ny rehetra ka azo afainganina amin'izay ny dingana fiharian-karena.

Izay sanatria mbola mamboly olana politika mapihilangilana ny Firenena indray dia mazava amintsika fa te hanakana ny fanafainganana ny fiharian-karena sy ny fihatsaram-piainan'ny malagasy izy izany.

Dia ambarako amin'ny teny tsotra sy mazava ary iantsoako anao hanamafy izany : tapitra ny fifampitsapatsapana sy fifamandrihana ara-politika. Tonga ny fotoana ampivondronana ny hery ho amin'ny fanafainganana sy fampatanjahana ny fiharian-karena. Maika hivoaka ny hantsan'ny fahantrana ny Malagasy sy i Madagasikara.

Miantso ny Malagasy rehetra aho hifanome tànana hatrany. Miantso anareo tanora sy vehivavy, ny mpamokatra sy mpandraharaha.

Mora ny manenjika sy manaratsy, indrindra ireo izay hita miharihary fa tsy mikendry afa-tsy ny ady seza politika.

Tsarovy anefa ry vahoaka malagasy, fa efa nifidy sy vonona mandrakariva ny hijoro isika, sy hikatsaka izay ho tombontsoam-bahoaka.

Hajaintsika ny zo haneho hevitra sy ny fahalalahana noho ny maha-demokraty antsika. Aoka kosa tsy hisy ny fihoaram-pefy mitondra amin'ny fampiadiana ny samy Malagasy, ny fanelezana lainga sy tsaho hampisavorovoroana ny saim-­bahoaka, ny fanitsakitsahana ny zon'ny tsirairay.

 

TOE-KARENA

 

LALANA

Ankoatra ny fahamarinan-toeran'ny fiainana politika dia manana anjara-toerana lehibe ny fotodrafitrasa eo amin'ny fampatanjahana ny fiharian-karena, ka anisan' izany ny làlana.

Betsaka ny zava-bita tao anatin'ny roa taona, indrindra amin'ireo làlam-pirenena.

Amin'ity taona 2016, vola 47 mialara Ar no atokana ho an'ny fikojakojana ka tsy hisy lalam-pirenena ahitan-davaka izany intsony. Efa hitan'izay mampiasa ny Ialam-pîrenena faha 4 (Mahajanga) sy faha 2 (Toamasina) faha 9 (Toliara mankany Morombe) sns.. izany, ohatra.

Amin'ity taona 2016 ity ary mitohy amin'ny taona 2017 dia vola 450 tapitrisa Euros no atokana anamboaran-dàlana ary maro amin'izy ireo dia lalam-pirenena manaraka ny morontsiraka atsimo, avaratra, andrefana, atsinanan'i Madagasikara. Hitondra fihatsaram-piainana ho an'ny malagasy an-tapitrisany maro izany. Hiteraka asa izany no sady Hanamafy ny fihavanam-pirenena koa.

 

FAMBOLENA SY FIOMPIANA

Ny fambolena sy fiompiana kosa anefa, izay iveloman'ny Malagasy maro an'isa no hitondra tosika goavana eo amin'ny fampatanjahana sy fanafainganana ny fiharian-karena. Fotodrafitrasa 171 no vita amin'ny faritra lonaka 82 000 ha.

Tanora an'arivony maro no efa nofanina ary mbola tohizana amin'ity taona ity izany hanatsaràna ny sehatry ny fambolena sy fiompiana.

Tohizana ny ady amin'ny valala ka raha 1.300.000 ha no namongorana andiam-balala tamin'ny taona 2014, 650.000 ha sisa natao tamin'iny taona lasa iny, 350.000 ha amin'ity taona ity.

Hanomboka hamokatra ireo orinasa famokarana zezika sy ny fanapariahana traktera ho an'ny tantsaha.

Rehefa miresaka fambolena sy fiompiana dia miresaka -fanajariana ny tany sy fananan-tany. Nakatoavin'ny solombavambahoaka tamin'ny faran'ny taona teo ny Làlàna Tondrozotra ho an'ny Fanajariana ny Tany. Làlàna niesona nandritra ny 50 taona.

Andry iray iankinan'ny fampandrosoana ity Tanindrazantsika ity ny fananantsika ny tany midadasika. Mila izany tany izany avokoa ny sehatra rehetra na ny lafiny ara-tsosialy na ny ara­toe-karena, anisan'izany ohatra ny olana ateraky ny fandovàna, eo koa ny fisian'ireo tany midadasika maro be izay efa vita titra fahiny kanefa nilaozan'ny tompony ary tsy nokarakarainy intsony ka nampiasain'olon-kafa marobe nandritry ny fotoana naharitra ankehitriny saingy tsy ahazoan'izy ireny zo fitompoana akory.

 

NOHO IZANY dia NANAPA-KEVITRA NY FITONDRAM-PANJAKANA FA :

- Manomboka ny volana JANOARY 2016 hatramin'ny faran'ny volana JONA 2016 dia tsy hancloavam-bola ny fanatanterahana ny famindrana ny tany lova amin'ny Mpandova.

Ny voakasik'izany dia ireo vola aloha amin'ny tombam­pananan'ny maty sy ireo sarany aloa amin'ny famindrana.

- Ireo tany midadasika maro be izay efa vita titra tamin'olon-tsotra fahiny kanefa nilaozan'ny tompony ary tsy nokarakarainy intsony ka nampiasain'olon-kafa maro nandritry ny fotoana naharitra dia haverina ho fananam-panjakana ary homena ireo olona voaporofo fa nampiasa sy nanamainty molaly azy.

Tsy maintsy ao anatin'ny fampiharana ny lalàna velona anefa no anatanterahana izany.

Efa miresaka fanapaha-kevitra ihany aho dia ambarako eto koa fa :

- Eo amin'ny lafiny angovo, dia afainganina ny fironana miandalana mankamin'ny angovo azo havaozina manomboka izao, hampihenana ny fanampian'ny fitondrana ara-bola ny JIRAMA sy hanomezana angovo madio sy maharitra ary mora vidy ho an'ny rehetra.

- Henoko ny fitarainanareo vahoaka noho, ny tabataba aterak'ireo milina manome herinaratra. Tsy maintsy manolotra anatin'ny 1 volana ny vaha olana mikasika ny foibe famokarana herin'aratra eny Antanandrano, izay namaha ny olana famatsiana, fa niteraka olana hafa eo amin'ny tontolo iainana noho ny firaondraonany, ny JIRAMA sy ny ministera mpiahy ;

- Miantso koa aho ny tompon'andraikitra isan-tsokajiny hanao ho laharam-pahamehana tsy azo andeferana ny fanadiaovana ny tanàna, na ny eto Andrenivohitra izany na amin'ny faritra rehetra eto Madagasikara. Mila alamina ny fitsinjarana andraikitra eo amin'izay voakasika rehetra. Fa ny ahy dia tsotra : tsy rariny no sady tsy hitsiny ny ampiainana ny mponina anaty fofona tsy azo laizina izay hidona hatrany amin'ny fahasalaman'ny olona.

Aoka ho fantatry ny rehetra fa manana tamberin'andraikitra amin'ny vahoaka ny olom­boafidy sy ny mpiasam-bahoaka rehetra.

- Tohizana sy hamafisina ny fiarovana ny tontolo iainana ka andrafetana famaizana manokana ireo mpandoro tanety

- Miantso ny tompon'andraikitra isan-tsokajiny sy ny vahoaka tsirairay hanamafy ny ady amin'ny kolikoly

- Tohizana sy hamafisina ny fametrahana ny fandriampahalemana manerana ny nosy, ka hiadiana ami'ireo herisetra isan-karazany. Misaotra sy mankasitraka ireo miaramila sy zandary nampandry fahalemana ary mankahery ireo fianakaviana navelan'ny niaram-boina rehetra.

 

Tompokolahy sy tompokovavy,

Nilaza taminareo aho tamin'ny faran'ny taona fa taom-pisedra iny taona lasa iny. Tsarovy tokoa ny tondra-drano namefika ny Firenena, niaraka tamin'ny hain-tany nampitsao­ponenana ny olona.

Iny taona lasa iny koa anefa dia sady mbola taom­-pamafazana no efa taom-pihotazana koa. Averiko fa mbola anaty fahasahiranana ny Firenentsika na dia efa miarin-doha hijoro aza.

 

FAMATSIAM-BOLA

Noho ny fiverenan'ny fifampatokisana iraisam-pirenena amintsika dia efa voavatsy vola ny sehatra maro amin'ny fitantanana sy fampandrosoana, ary efa ampiasaina izany vola izany. 983 tapitrisa dolara ny fitambarany ary misy ampahiny no fanampiana mivantana, tsy trosaina.

Vita izany noho ireo fihaonana an-tampony, fiatrehana ny fivoriana iraisam-pirenena samihafa, fihaonana amin'ny mpandraharaha iraisam-pirenena. Misy sarany izany fa sarobidy ary mihoatra lavitra ny vokany etsy andaniny.

Efa azo anafainganana sy ampivelarana ny asa fampandrosona ireo ary antenaina, satria iezahana, fa hivelatra kokoa ny vavahadin'ny mpampiasa vola aty Madagasikara amin'ny hanaovantsika ilay fihaonan'ireo mpamatsy sy mpampiasa vola (conference des bailleurs et investisseurs).

 

FITANTANANA (Gouvernance)

Tsy azo afenina anefa fa mbola misy fanatsarana samihafa eo amin'ny fitantanan-draharaham-pitondrana. Tsy maintsy atao izany, tsy ho fanomezana fahafaham-po ny mpamatsy vola fotsiny fa ho an'ny tom bontsoam-pirenena, ho an'ny fihatsaram-piainan'ny malagasy.

Manomboka amin'ny fampihenana ny fandaniana amin'ny fampandehanan-draharaha izany, mitohy amin'ny fahaiza-miasa tsara, fahaiza-miasa haingana. Takian'izany koa ny mpitarika mazava saina, mahataka-davitra, manampahaizana ka mahasaky mampiova ny làlan'ny Tantara amin'ny alalan'ny asa izay tarihiny. Vita izany rehefa ombam-piniavana eo amin'ny rehetra.

Tsy hanaiky lembenana ary tsy handefitra aho amin'ny fanaovana mizana tsindrian'ila, na ny kitranoantrano amin'ny raharaham-bahoaka.

Toromarika sy baiko mivantana no omeko ny governemanta, ny mpiasam-panjakana rehetra sy ny tomponandraikitry ny foloalindahy : natao hanompo vahoaka isika fa tsy hotompoina, natao hiloloha ny vahoaka isika fa tsy natao hanambony tena.

Noho izany dia Aoka hifanandrify amin'izany ny asa ataonareo rehetra ireo. Tsy handefitra amin'ireo izay manao ny tsy mety aho, ka mandoto sy manivaiva ny hasin'ny firenena Malagasy, amin'ny anaran'ny vahaoka malagasy.

Ary mba tsy aha tompon-trano mihono anareo dia hisy fotoana manokana isan-telovolana amin'ity taona ity, atokako ilazana aminareo hoe mby aiza izany rehetra izany.

 

Tompokolahy sy tompokovavy,

Ry Malagasy mpiray tanindrazana,

Ny fiandohan-taona toa izao dia anambarana koa fa araka ny fikorisan'ny vidim-pianana dia ampitomboana ny karaman'ny mpiasam-panjakana ka ampitomboana 7,5% izany amin'ity taona ity.

Izay no zaka ary ny fanantenana dia ny fiakaran'ny fahafa-mividy ankapobeny no hiakatra ao aoriana. Mila ezaka goavana ny fampidiram-bolam-panjakana satria ny 60 % ny vola miditra rehetra amin'ny hetra sy ladoany no atokana andoavana ny karaman'ny mpiasam-panjakana.

Eo koa ny famotosoran-keloka izay hisy fiovàna kely amin'ity indray mitoraka mba hanatsarana ny fandraharahana ny fonja. Homen'ny SGP aoriana ny antsipirihany amin'izany.

Ho faranako ny teniko

 

Tompokolahy sy tompokovavy.

 

Ry Malagasy mpiray tanindrazana,

Miaradia aminareo lalandava ny tenako, mahita, mandre, mihaino. Hoy aho teo hoe, ny fanantenanareo fihatsaram‑ piainana no manavao isan'andro ny herim-poko eo amin'ny adidy sy andraikitra iantsorohako. Ny fanantenanareo no ilo mby an-dohako ka tsy handraraka izany an-tany aho.

Olo-mahay ianareo, hissa ho maro mpandrisika sy ahavita be amin'ny atao. Tsy hilaozan'ny soa sy manan-jara toy ny rano ambody vondrona, ka ririnina halofan'ny maitso, fahavaratra ho vangin-kavana, lohataona hangatsiatsiaka.

Hamboly ianareo ahavokatra, ny voa afafy tsy ho faty maso, ny vary tsy hanakofa.

Hiompy ianareo ahavanona, ho botrabotra ny terak'omby, ny akotrika tsy andamoaka, ny am-bala tsy ho foana.

Ho tahaka ny miloloha tantely, mibaby akondro, misakelika fary anie ianareo, izay rehetra eny aminareo mamy avokoa.

Hianavaratra ianareo ho voky ronono, hiankandrefana ho voky tantely, hianatsimo hivangongoan'ny soa, hianavaratra hitoeran'ny tsara.

Samia ho tahian'Andriamanitra !

 

Misaotra tompokolahy sy tompokovavy.

Hery RAJAONARIMAMPIANINA

Lapam-panjakana, Iavoloha, zoma faha 8 janoary 2016

 

 

http://www.presidence.gov.mg/discours-de-monsieur-le-president-de-la-republique-de-madagascar-a-loccasion-de-la-ceremonie-de-presentation-des-voeux-2016/

 

na

 

https://www.facebook.com/notes/pr%C3%A9sidence-de-la-r%C3%A9publique-de-madagascar/lahateninatoa-filohanny-repoblikani-madagasikara-nandritra-ny-lanonana-ho-fifamp/956971464382037


Partager l'article:

Lakroa en direct
  • 16 Oct. 2019 - 09:10-

    Catéchisme aux Philippines. Le gouvernement philippin a décidé d’introduire l’enseignement de la religion catholique dans les écoles publiques de l’archipel. Une initiative saluée par l’épiscopat local.

  • 16 Oct. 2019 - 08:00-

    Lozam-pifamoivozana teny amin'ny RN4. Nijanona nanampy ary nitondra ireo maratra mafy ao Maevatànana ny miaramila ao amin'ny ZRPS DELTA ny 15 oktobra raha nahita lozam-pifamoivozana tamin'iny lalam-pirenena faha efatra iny. Mpilalao basket avy any Mahajanga ireto niharam-boina ireto ary fa tsy nisy ny aina nafoy.

  • 15 Oct. 2019 - 12:15-

    Programme du championnat national basketball U18. Au gymnase couvert :

    08h00: AKAMASOA Analamanga # SERASERA Vakinankaratra (F)

    09h30: COSPN2 Atsinanana # TAMIFA Amoron'i Mania (F)

    11h00: ASCUT Atsinanana # FANDRASA Haute Matsiatra (F)

    12h30: FFPRO BCTM Vakinakaratra # ASCUT Atsinanana (G)

    14H00: DCA Diana # ASBM V7V (G)

    15H30: ASE Atsimo Andrefana # MFB-BBCM Menabe (F)

    16h30: FANDREFIALA Analamanga # FFPRO BCTM Vakinakaratra (F)

    18h00: SGPI Sava # SERASERA Vakinankaratra (G)

    19h39: TBC Atsimo Andrefana # AS FANANOLAHY Atsimo Atsinanana (G)

  • 15 Oct. 2019 - 07:50-

    Démission de Domenico Giani. Le Pape accepte la démission du commandant de la gendarmerie vaticane faisant suite à la diffusion illicite d’un communiqué signé par le commandant de la gendarmerie vaticane au sujet de la suspension « par précaution » de plusieurs employés du Vatican. Le Pape François apprécie un geste «qui lui fait honneur».

  • 14 Oct. 2019 - 07:22-

    14 octobre 1958 Proclamation de la République malgache. « En vertu des pouvoirs donnés à notre Congrès par l'article 76 de la Constitution française et l'article premier de l'ordonnance du Général de Gaulle, j'ai l'honneur de proclamer que Madagascar est un Etat et que cet Etat est une République dans la Communauté prévue par la Constitution du 4 octobre 1958 » telle est la proclamation effectuée par le Président Zafimahova, président du Congrès des assemblées provinciales, le 14 octobre 1958, à 10h 50. Le Congrès a approuvé la proclamation de la République malgache par 208 voix pour, zéro contre et 26 abstentions, 6 membres étant absents.

  • 11 Oct. 2019 - 13:34-

    Prix Nobel de la Paix 2019. Le prix Nobel de la paix 2019 a été attribué ce 11 octobre au Premier ministre éthiopien Abiy Ahmed Ali pour son travail important en faveur de la réconciliation, de la solidarité et de la justice sociale. Le prix vise également à reconnaître l'ensemble des acteurs œuvrant pour la paix et la réconciliation en Éthiopie et dans les régions de l'Afrique de l'Est et du Nord-Est. Abiy Ahmed Ali a lancé des réformes importantes qui donnent à de nombreux citoyens l'espoir d'une vie meilleure et d'un avenir meilleur. Le Comité Nobel norvégien estime que les efforts d'Abiy Ahmed méritent aujourd'hui d'être reconnus et méritent d'être encouragés.

  • 10 Oct. 2019 - 13:44-

    1468 médecins. Le Président de la République Malgache, Andry Rajoelina s’est participe à la 6ème conférence de reconstitution du Fonds mondial de lutte contre le sida, la tuberculose et le paludisme. Il a déclaré que "le pays manque cruellement d’infrastructures médicales et celles qui existent sont vétustes. Avec seulement 2 lits d’hôpitaux pour 10.000 habitants, les malades doivent parcourir de longues distances pour atteindre un centre de santé. Par ailleurs, nous comptons 1.428 médecins sur l’île, soit 8,6 médecins pour 100.000 habitants en zone urbaine, et 1 médecin pour 350.000 habitants en zone rurale."

  • 09 Oct. 2019 - 08:40-

    Résultats du championnat national U16 garçons et filles. Voici les résultats du mardi 8 octobre :

    TERRAIN N°01

    (F) SEPA BONGO(27) # SBBC(17)

    (G) FBCA(40) # DTSC(70)

    (G) FANDRASA(64) # 2BC(73)

    (F) ASLFA(46) # JCBA(40)

    (G) BCF A/M(59) # ASCUT(56)

    (G) ASBM(47) # BCTAM(78)

  • 09 Oct. 2019 - 08:10-

    Administrateur apostolique du diocèse d’Ambanja. Le pape François vient de nommer Mgr Benjamin Ramaroson comme administrateur apostolique du diocèse d’Ambanja. Suite à cette nomination il adresse le message suivant : "Je confie cette nouvelle mission très lourde pour moi à vos prières, mais comme souligne l’homélie du dimanche dernier, apprenons à dire oui avec une foi même très petite comme un grain de moutarde nous pourrons déplacer une montagne. Implorez avec la Ste Vierge cette foi minime. Union de prières avec Marie Mère de Dieu et avec Bx Lucien Botovasoa."

  • 08 Oct. 2019 - 10:19-

    Organisation du Baccalauréat deuxième session. Selon Blanche Richard, Ministre de l’enseignement supérieur et de la recherche scientifique, les concepteurs des sujets du baccalauréat deuxième session exceptionnelle sont entrés en conclave depuis ce 7 octobre 2019. Si pour la conception des sujets d’une session de baccalauréat ordinaire il faut 40 jours pour le faire cette fois-ci les concepteurs doivent rédiger les sujets dans l’urgence pour être prêts disponibles le 23 octobre 2019.

  • 08 Oct. 2019 - 10:11-

    Baccalauréat deuxième session. Le président de la République lors de son intervention télévisée a expliqué qu’une deuxième session du baccalauréat sera organisé. Cette 2ème Session dite ‘deuxième session exceptionnelle’ sera organisée du 23 au 26 octobre 2019 sur tout l’ensemble du territoire malgache. Tous les candidats et candidates recalés qui ont été présents lors de la session du 30 septembre pourront participer à cette deuxième session.

  • 08 Oct. 2019 - 07:43-

    Le MEDEF à Iavoloha. Le Président Andry Rajoelina a reçu une délégation du Mouvement des Entreprises de France (MEDEF) ce 7 octobre 2019 au Palais d'État d'Iavoloha. Le Chef d'État a rassuré les représentants du MEDEF sur les efforts fournis par l'État malagasy pour la sécurisation des investissements et la mise en place de cadres juridiques stables. Ceci se traduisant par la lutte contre la corruption, la simplification des procédures et plus de transparence. Ce déplacement fait suite à la visite officielle du Président de la République en France au mois de mai dernier.

  • 07 Oct. 2019 - 09:15-

    Feon'i Lakroa. Rohy hanarahana ny fandaharana Feon'i Lakroa, vokarin'ny gazety Lakroa, gazetin'ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara, nandeha ny 1 oktobra 2019 https://youtu.be/_GrIpKvZ4EI

  • 07 Oct. 2019 - 08:52-

    Demande du Pape François. Le pape François demande aux baptisés de prier pour le Synode sur l’Amazonie, « événement ecclésial important », qui s’est ouvert ce 6 octobre 2019. Lors de l’angélus place Saint-Pierre, après la messe d’inauguration du Synode, le pape a souhaité « qu’il soit vécu dans la communion fraternelle et dans la docilité à l’Esprit Saint ».

  • 07 Oct. 2019 - 07:47-

    Fihaonan’ny tanora tamin’ny Papa Fransoa teny Soamandrakizay. Lahateny nataon’i Fulgence Razakarivony, M.S, fiarahabana ny Papa Fransoa.

    Fihaonan’ny tanora tamin’ny Papa Fransoa teny Soamandrakizay. Lahateny nataon’i Mgr Fulgence Razakarivony, M.S, fiarahabana ny Papa Fransoa. Mgr Fulgence Razakarivony, M.S, dia evekan’Ihosy ary filohan’ny Vaomieran’ny Eveka momba ny asa fanirahana ataon'ny lahika.    https://www.lakroa.mg/item-1907_articles_dossier_18-lahateny-nataonai-fulgence-razakarivony-ms-fiarahabana-ny-papa-fransoa.html

  • 05 Oct. 2019 - 11:02-

    Fihaonan’ny tanora tamin’ny Papa Fransoa, teny nentin’i Vavy Elyssa. Nekendraza, tanora vavy 21 taona avy ao amin’ny diosezin’i Maintirano, no nisolotena ny tanora vavy nandritra ny fihaonan’ny tanora tamin’ny Papa Fransoa. Ity ny rohy ahitanao ny lahateny nataony : https://www.lakroa.mg/item-1904_articles_dossier_18-ny-fijoroana-vavaolombelona-nataonai-vavy-elyssa.html

  • 05 Oct. 2019 - 11:01-

    Fihaonan'ny tanora tamin'ny Papa Fransoa, teny nentin’i Rova Sitraka. Rova Sitraka Ranarison, tanora lahy 27 taona avy ao amin’ny disitrikan’Ambatolampy, no nisolotena ny tanora lahy nandritra ny fihaonan’ny tanora tamin’ny Papa Fransoa. Ity ny rohy ahitanao ny lahateny nataony. https://www.lakroa.mg/item-1903_articles_dossier_18-ny-fijoroana-vavaolombelona-nataonai-rova-sitraka.html

  • 04 Oct. 2019 - 06:59-

    Des urgences. Le Conseil du gouvernement du mercredi 2 octobre 2019  au Palais d’Etat de Mahazoarivo nous indique certaines urgences.

    Ministère de l’agriculture, de l’élevage et de la pêche. Accord pour la demande de dérogation à titre exceptionnel sur le délai de publication de l’avis d’appel d’offres relatif à la fourniture et livraison de 3000 tonnes de dolomie pour la Direction d’Appui à la Production Végétale (DAPV).

    Ministère de l’énergie, de l’eau et des hydrocarbures. Accord pour la demande de dérogation pour tous les travaux en adduction d’eau potable à réaliser dans le cadre du PIP 2019.

    Ministère de la communication et de la culture. Accord pour la réduction du délai de publicité d’avis d’appel d’offre en passation de marché concernant les travaux de réhabilitation.

  • 02 Oct. 2019 - 09:57-

    Fête de saint François. Le pape François participera à une célébration de la Création qui se tiendra dans les jardins du Vatican le jour de la Fête de saint François le 4 octobre 2019, à 12h30, indique le Saint-Siège trois jours plus tôt. A cette occasion, le Synode pour l’Amazonie (6-27 octobre) sera consacré au Poverello d’Assise.

  • 27 Sep. 2019 - 07:47-

    Nomination du nouveau directeur de Cabinet civil de la Présidence. Le Conseil des ministres qui s’est tenu au Palais d’Ambohitsorohitra (et non d’Iavoloha) le mercredi 25 septembre 2019, sur proposition du Président de la République a approuvé la nomination de Ranoromaro Lova Hasinirina, au poste de directeur de cabinet civil de la Présidence.

Du même auteur

religion
musique

Dans la même rubrique

politique
politique
Publicité