logo
Lakroan'i Madagasikara
Mgr Hafner Alwin

Lasa ny Raiamandreniben’ny diosezin’i Morombe

Nanangona RRJ il y a 4 années

Nodimandry tamin’ny 7 Janoary lasa teo i Mgr Hafner Alwin Albert MSF rahefa nivahiny 86 taona teto an-tany, izay evekan’ny Diosezin’i Morombe taloha.

Lasa ny Raiamandreniben’ny diosezin’i Morombe

Ny 11 Septambra 1930 izy no teraka tao Balsthal tany Suisse. Tany amin’ny tanindrazany avokoa sy tao amin’ny fikambanan’ny Misioneran’ny Fianakaviana Masina no anaovany ny fianarana sy ny fiofanana maha pretra rehetra. Taorian’ny  “noviciat†dia nanolotra ny tenany manontolo ho an’ny fikambanana sy ny Fiangonana ka nanao ny voady voalohany tamin’ny 21 Novambra 1952 tany Suisse.

Nitohy hatrany ny fiofanana nataony ka ny 29 Jiona 1957 izy no nohasinina ho pretra tany Suisse ihany. Faniriany ny hanaomisionera ary nofidiny I Madagasikara. Noho izany, tonga teto Madagasikarany mompera Hafner Alwin Albert MSF ny 7 Septambra 1959.

Arak’izay, ny 6 volana voalohany dia nianatra ny fiteny Malagasy tao Ambositra izy. Taorian’izay dia tsy niasa afa-tsy tao amin’ny Diosezin’i Morombe. Eny, tao amin’ny Diosezy Morombe no nanatanterahany ny asa fitoriana ary ny andraikitra marosamihafa no niandreketany. Ny 10 taona voalohany “vicaire†tao Ankazoabo Atsimoizy (Jiona 1960- Desambra 1970). Taorin’izany, notendren’ny eveka ho mpiandraikitra sy ho mpampiofanana ny katekista eran’ny Diosezy. Naharitra 16 taona (Janoary 1971- Desambra 1987) izany asa izany. Nanaraka izany,voatendry hitondra ny distrikan’Angarazy (Tanandava Station) izy nandritra ny 11 volana (Janoary 1988-Novambra 1988).

Maty mantsy i Mgr Joseph Zimmermann MSF ny 4 Desambra 1988, izay eveka voalohany nitondra ny Diosezin’i Morombe, ary dia i mompera Hafner Alwin Albert MSF no voafidy ho “Administrateur Diocésainâ€. Hitantana ny Diosezy vonjy maika mandra-pahitana ny eveka vaovao. Izy ihany no votendry ho evekan’ny Diosezin’i Morombe tamin’ny 12 Novambra 1989.

Nohasinina ho Eveka teto Morombe izy tamin’ny 22 Aprily 1990. Ny teny filamatra nofidiny dia ny hoe “Ao amin’ny Lakroa no fiavotanaâ€.Azo lazaina fa ny asany, ny fianany manontolo dia tahaka ny Lakroa izay nantenainy sy ninoany. Ny Lakroa nentin’I Jesoa Kristy tokoa no hanavotra sy hanamaivana ny fisalasalana sy ny ahiahy rehetra.Ary ny fanekena Azy dia manavotra, araka ny hira noforonon’Itompokolahy Mompera RAJOMA Vincent MSF, izay mifototra amin’izany teny filamatra izany hoe:

 

1-  Ny voambary nafafy                    

        Tsy mitsiry raha tsy lo,                 

      Ny voaloboka ratsanana                

      Raha tiana hamoa kokoa.             

 

 Fv: Tsy mitory ve izany

      Fa ao amin’ny Lakroa

      No fiavotanaâ€.

2- Nony tonga eto an-tany

I Jesoa tmpo

Tsy tonga ho tompoina

Fa mba hanompo

 

3- Fahadalana sy faharesena

Hoan’ny hafa ny Lakroa

Hoan’ny mpino manan-tsaina

Rehareha ny Lakroa.

 

Nandritra ny10 taona no nahafahany nanatanteraka ny raharaha maha eveka izany. Noho izy tsy salama dia nametraka fialana talohan’ny tokony hisotroany ronono (emerite). Tamin’ny 25 May 2000, nankatovin’i Roma izany fangatahany izany.

Noho ny antony voalaza etsy ambony io, dia niverina any an-tanindrazany any Suisse sy tamin’ny fikambanany (Misioneran’ny Fianakaviana Masina) i Mgr Hafner Alwin Albert MSF, tamin’ny Septambra 2000, mba honina sy hitsabo tena.

 Naharitra ela tokoa ny nanompoany ny Fiangonana teto Madagasikara ary indrindra ny Diosezin’i Morombe satria naharitra 41 taona izany fanompoana izany.

Fa ny nahatsiarovan’ny maro azy dia izy tia mampianatra ny fomba tokony hajaina sy arahina mandritra ny fankalazana, mbola eo ihany koa ireo sora-tanany hita amin’ny boky maro, izay manoro ny tokony hatao. Rahefa mandalo sy mitsidika ny disitrika izy dia tena sarotiny ary manao teny mivantambatana, na dia izany aza dia mora manambitamby sy mamindra fo. Izany no iantsoan’ny maro azy hoe “Masiaka be rononoâ€.

Ny Eveka amperin’asa, ny pretra rehetra, ny relijiozy sy ny kristianina manontolo dia mankasitraka sy mivavaka ho Anao Monsenera.

Eny Monsenera Ray Malala, mandria am-piadanana ary mivavaha ho anay.

P Calliste Morombe

 

 

Partager l'article:

Lakroa en direct
  • 20 Jul. 2019 - 10:19-

    Ntsay Christian remplace Christian Ntsay.“Conformément aux dispositions de l’article 54 de la Constitution, est nommé Premier Ministre, Chef du Gouvernement : Monsieur NTSAY Christian” tel est le premier article du décret N°2019-1407, portant nomination du Premier Ministre, publié par la présidence de la République ce 19 juillet 2019. Le choix du premier ministre a été effectué sur la base des noms présentés par les députés majoritaires de l’IRD. Selon la "rumeur" Les trois noms présentés sont : Fienena Richarn Haja Resampa et Ntsay Christian. Il est donc reconduit (pour la deuxième fois) par le président Andry Rajoelina.

  • 19 Jul. 2019 - 08:45-

    JIOI 2019. Dans le cadre des Jeux des Îles, les Barea affrontent en premier les Seychelles. Le match se déroulera au stade Auguste Vollaire le 20 juillet à 14h15. Madagascar n’a pas perdu, lors des deux dernières rencontres entre les deux sélections, avec une victoire (0-1) le 11 juin 2016 et un match nul (1-1) le 29 mai 2018.

  • 18 Jul. 2019 - 14:15-

    USA. Le cardinal DiNardo interpelle Donald Trump sur les droits des migrants. «Il est contraire aux valeurs américaines et chrétiennes de chercher à empêcher aux personnes d’émigrer ici quand elles fuient pour sauver leurs vies et pour trouver une sécurité pour leurs familles», déclare le cardinal DiNardo.

  • 18 Jul. 2019 - 11:27-

    Birao maharitra AN. Vita ny fifidianana ny mpikambana ireo mandrafitra ny Birao maharitry ny Antenimieram-pirenena. Toy izao izany : Filohan’ny Antenimierampirenena : Razanamahasoa Christine Harijaona, Ambatofinandrahana (IRD). Filoha Lefitra Antananarivo : Rasolonjatovo Honoré, Faratsiho (IRD). Filoha Lefitra Antsiranana : Rahelihanta Jocelyne, Antsiranana I (IRD). Filoha Lefitra Fianarantsoa : Razafitsiandraofa Jean Brunelle, Ikongo (IRD). Filoha Lefitra Mahajanga : Rahantanirina Lalao, Mahajanga I (IRD). Filoha Lefitra Toamasina : Michelle Bavy Angelica, Fenérive Est (IRD). Filoha Lefitra Toliara : Rabenirina Jean Jacques, Betioky Atsimo (IRD).
    Questeur 1 : Henri Jean Michel, Ambovombe (IRD). Questeur 2 : Rakotomanga Lantoarivola Sedera, Antananarivo II (IRD). Questeur 3 : Rabenirina Maminiaina Solondraibe, Ambohidratrimo (TIM).
    Mpampakateny : Angèle Solange, Amboasary Atsimo (Mahaleotena). Mpampakateny lefitra : Rafenomanantsoa Tsirimaharo Ny Aina, Antananarivo III (IRD).

  • 17 Jul. 2019 - 09:30-

    Mercato-Jeremy Morel. En fin de contrat avec l'OL, l’international malgache Jeremy Morel signe pour un an de contrat avec le Stade Rennais. « Je suis très enthousiaste et fier de rejoindre le Stade Rennais F.C. Je vais faire du mieux possible pour apporter mon expérience au club. J’avais plusieurs sollicitations mais sportivement je me voyais plus ici. J’espère avoir fait le bon choix. À moi de tout faire sur le terrain pour remercier le Président de sa confiance », a-t-il déclaré.  

  • 16 Jul. 2019 - 09:30-

    Désensablement. La piscine naturelle du Parc National Isalo est de nouveau ouverte à la baignade depuis le vendredi 12 juillet dernier. « La profondeur et la propreté de l’eau ont été testées par les agents de Madagascar National Parks afin de s’assurer que toutes les conditions requises pour la baignade durant la haute saison touristique 2019 soient au mieux », déclare Madagascar National Parks sur Facebook.

  • 15 Jul. 2019 - 14:30-

    Jeux des îles. A l’île Maurice, les sportifs venant des sept îles de l'océan Indien s'affronteront sur quatorze disciplines : athlétisme, badminton, le basketball, boxe, cyclisme, football, haltérophilie, judo, natation, tennis de table, voile, beach volley et volleyball. Pour cette édition, l’ouverture officielle se fera le 19 juillet et prendra fin le 28 juillet.

  • 15 Jul. 2019 - 13:00-

    FMF. Lova Ramisamanana ne pourra se présenter à la course pour être à la tête de la fédération malgache de football. Il l’évoque sur sa page Facebook ainsi, « j’ai le regret de vous annoncer que je ne pourrai pas me présenter à la présidence de la fédération malagasy de football, faute de n’avoir pu réunir les 3 cautions requises. Nous nous sommes battus jusqu’au bout mais nous n’avons pu faire face à certains obstacles. »

  • 15 Jul. 2019 - 08:30-

    CAN 2019. Suite à leur victoire respective contre la Tunisie et le Nigéria, le Sénégal et l’Algérie disputeront la finale de cette édition de la Coupe d’Afrique des Nations. Pour rappel, les Fennecs ont battu ces Lions de la teranga lors de la phase de poule sur le score de 1-0 avec le but de Youcef Belaili.

  • 11 Jul. 2019 - 06:30-

    Fandaminana. Handamina ny polisim-pirenena ho an’ny alakamisy alina araka ny resadresaka tamin’ny mpanao gazety nataon’ireo tompon’andraikitra ao amin’ny Polisim-pirenena. Nanome ireo toromarika manodidina ny filaminana mandritra ny fijerena baolina kitra amin’izao Can izao izy ireo. Maro ny polisy hiasa amin’io alin’ny alakamisy io raha ny nambaran’ireto tompon’andraikitra ao amin’ny polisim-pirenena ireto.

  • 09 Jul. 2019 - 13:30-

    Supporter les Barea. L’inscription est ouverte pour aller supporter les Barea en Egypte pour leur quart de finale contre la Tunisie. Les billets sont disponibles auprès de l’Air Madagascar à Analakely. Adressez-vous à la même agence pour plus d’infos.

  • 06 Jul. 2019 - 13:00-

    Pape François – Poutine. Le président russe Vladimir Poutine a rencontré le pape François au Vatican le 4 juillet pour une discussion privée de 55 minutes. Le pape François et Poutine ont discuté de questions d'actualité en Syrie, en Ukraine et au Venezuela, ainsi que de questions environnementales et de questions concernant l'Eglise catholique en Russie, selon le bureau de presse du Saint-Siège.

  • 05 Jul. 2019 - 11:00-

    CAN 2019. La CAF a rejeté les plaintes contre la RDC pour match truqué. Suite à l’insuffisance de preuve réelle, les accusations de corruption de la fédération zimbabwéenne de football vis-à-vis de leur gardien de but ont été rejeté. De ce fait, le match entre Madagascar et la RDC dans le cadre des huitièmes de finale aura bel et bien lieu dimanche prochain.

  • 05 Jul. 2019 - 08:30-

    Wi-fi gratuit. Le mercredi 10 juillet prochain, le wi-fi gratuit sera disponible à Antananarivo. Il sera possible de se connecter librement, sur quatre zones incontournables de la capitale comme au jardin Antaninarenina, à l’arrêt bus Ambohijatovo, au jardin Antanimena et au pont de Behoririka.

  • 04 Jul. 2019 - 10:30-

    Nicolas Dupuis. Selon Jeune Afrique, Nicolas Dupuis est 31ème dans le classement des entraîneurs les mieux payés en Afrique. Il perçoit 7000€ par mois, selon les chiffres publiés par le média. Le sélectionneur de l’Egypte, Javier Aguirre, est le coach le mieux rémunéré sur le continent avec un salaire mensuel de 108 000 euros.

  • 03 Jul. 2019 - 15:15-

    CAN 2019. Anicet Andrianantenaina et Carolus Andriamanitsinoro intègrent l’équipe type de la phase de poule de cette Coupe d’Afrique des Nations. Pour rappel, Anicet était l’homme du match pendant la rencontre face à la Guinée. Carolus l’était à son tour pendant le match contre le Nigéria.

  • 03 Jul. 2019 - 14:30-

    FIER-Mada. Tanterahana ny alarobia 7 hatramin’ny 11 aogositra ho avy izao ny FIER-Mada faha 21, ao amin’ny kianja Makis Andohatapenaka. Amin’izany dia hisy ny lao-bary an-dasy hiompana amin’ny « fandrosoana maharitra : tetik’asam-panjakana vatsiana vola amin’ny voajanahary sy ifampierana amin’ny tantsaha eny ifotony ».

  • 03 Jul. 2019 - 13:15-

    Energie solaire. La nouvelle technologie solaire pourrait produire de l'eau potable propre pour des millions de personnes dans le besoin. Des appareils appelés alambics solaires utilisent le soleil pour évaporer l'eau salée et condenser la vapeur en eau potable saine. Les chercheurs ont mis au point un nouveau système accélérant le processus d'évaporation, permettant ainsi à un petit alambic solaire de fournir toute l'eau potable dont une famille a besoin.

  • 03 Jul. 2019 - 08:30-

    Fampandrenesana. Tapaka ny lalana : -Lalana Dr Rajaonah- Pharmacie Ankadifotsy- EKAR Antanimena- ESCA ny saboty 6 jolay 2019. Voarara ho an’ny fifamoivoizan’ny  fiara rehetra tsy an-kanavaka ny ampahany amin’ireo lalana ireo. Izany dia noho ny fankalazana ny faha-50 taonan’ny Sekoly Les Lutins Ankadifotsy, araky ny fampandrenesana.

  • 02 Jul. 2019 - 08:00-

    Supporter les Barea. Une offre exceptionnelle est disponible pour les 8è de finale de cette CAN. Elle est à 2.200.000 ar ( Billet d avion A/R +Hebergement+Transfert hôtel-stade+ Billet d entrée stade ) 298.000 ar ( Visa de séjour ) 198.000 ( Passeport ) soit 2.688.000 AR Départ d Ivato samedi 06 juillet - retour Ivato Lundi 08 juillet Appareil A 380 . Plus d infos contacter Air MADAGASCAR

Du même auteur

sport
societe

Dans la même rubrique

religion
religion
Publicité