logo
Lakroan'i Madagasikara
Andron’ny marary 2016

127 isa ireo marary nangataka fivavahana manokana tao Moramanga

admin il y a 3 années

Ny taona 1992 ny Papa Joany Paoly faha2 no nanomboka nametraka ny 11 fevrie ho andro hivavahana manokana ho an'ireo marary rehetra. Fetin'ny "Notre Dame de Lourdes" io 11 fevrie io. Nanomboka teo dia nomarihana maneran-tany isan-taona io andro io. Ny fotoam-bavaka tao Moramanga no taterina etoana.

127 isa ireo marary nangataka fivavahana manokana tao Moramanga

Nankalazaina teto amin’ny diosezin’i Moramanga ny Alahady faha 7 febiroary 2016 ny andro iraisam-pirenena faha 24 ho an’ny marary, tao amin’ny Sanctuaire Notre Dame de Mont Carmel Ambarilava. Araka ny lohahevitra natolotry ny Ray Masina : « Miankina amin’i Jesoa Mpamindra fo toa an’i Maria : Ataovy izay rehetra ho lazainy aminareo » (Jn 2,5). Ny 11 febiroary no tena andro fankalazana. Noho izy io mitontona alakamisy sady andro fiasana anefa dia izao naroso izao ny fotoana fankalazana.

Sorona Masina notarihan’i Mgr Gaëtano di Pierro, evekan’i Moramanga, no natao. Notronin’i Mgr Antonio Scopelliti, evekan’ny diosezin’Ambatondrazaka misotro ronono. Nampiana pretra maro. Nahatratra 127 ireo marary nisoratra anarana nialoha.

Nanantitrantitra ny Eveka nandritra ny fampianarany fa efa ela Andriamanitra Raintsika no niantso ny olona rehetra hamonjy ny marary, tamin’ny alalan’ny teniny izay feno fitiavana. Vokatr’izay fitiavany izay no nanomezany ny Zanany Lahitokana ho famonjena sy ho fampianarana ny olombelona. Tsy natoky io fitiavany io anefa ny olombelona ka lasa niady tamin’ny zavaboary rehetra izay nahatonga ny fahotana ho fototry ny aretina sy ny fijaliana teto an-tany.

2000 taona lasa izay i Jesoa Kristy no efa nampianatra ny apostoly ny amin’ny hanaovana asa famonjena tsy misy tambiny ho an’ny olona. Fa toa an’i Jodasy no iafaran’ny olona izay mitaky tambiny amin’ny asa izay ataony. Nankahery an’ireo marary rehetra ihany koa izy fa tsy sazy akory ny aretina fa fitsapana ho an’ny finoana. Miantso ny tanora sy ny ankizy i Jesoa, hoy ihany izy, nandritra ny fampianarana. Nataony mba hihaino ny tenin’Andriamanitra mandrakariva izy ireo sy hanantona sy hitsidika ny marary.

Tamin’ny 5 desambra 2015 no nijoro voalohany ny birao mitantana ny CDS (Commission Diocesaine de la Santé): ahitana pretra, relijiozy vavy, dokotera lahika sy mpampivelona. Mahatratra 30 ireo mpikambana ao anatiny amin’izao fotoana izao. Mompera Rafalimanana Ainarilala Théodore Manitrasoa ao amin’ny fikambanan’ny Mompera Karma no pretra miandraikitra sy misahana izany ato amin’ny diosezin’i Moramanga.

Ahitana mpitsabo sy mpilatsaka an-tsitra-po ara-pahasalamana samy miasa tsy misy tambiny avokoa ny birao. Hanatratra ny tanjona, hiasa sy hanao ny fanentanana ny EVA (Education à la Vie et à l’Amour) eny anivon’ny sekoly ary hampiofana an’ireo mpiomana amin’ny tokantrano, momba ny fahasalamana mialoha ny fanambadiana. Jereny manokana koa ny fianakaviana manoloana ny fahasalamana ankehitriny. Izany no asa fanompoana ataon’izy ireo ka itetezana an’ireo toerana maro ato anatin’ny diosezy.

Ho azy ireo dia tsy hisafidianana ary tsy hanavahana finoana ny famonjena ny marary ka iezahan’izy ireo hanampiana ireo marary sahirana tonga eo aminy. Nizarana vary sy paty ary savony ireo marary rehetra tonga tao, ho mariky ny fiaraha-misakafo.

Fotoana nanoloran’ny Eveka tamin’ny vahoaka kristianina tonga teo, ny pretra aomonie vaovao hisahana momba ny fahasalamana eto amin’ny diosezin’i Moramanga io fotoana io. Na dia teo aza ireo nisoratra anarana mialoha hahazo fahasoavana manokana dia nahazo ny anjarany avokoa ireo marary rehetra. Teo koa no nilazany fa tonga eto amin’ny diosezin’i Moramanga ary hiasa eny amin’ny Ekar Antsirinala ny fikambanan’ireo masera « Suore Madre Pie » avy any Italia.

Partager l'article:

Lakroa en direct
  • 19 Jul. 2019 - 08:45-

    JIOI 2019. Dans le cadre des Jeux des Îles, les Barea affrontent en premier les Seychelles. Le match se déroulera au stade Auguste Vollaire le 20 juillet à 14h15. Madagascar n’a pas perdu, lors des deux dernières rencontres entre les deux sélections, avec une victoire (0-1) le 11 juin 2016 et un match nul (1-1) le 29 mai 2018.

  • 18 Jul. 2019 - 14:15-

    USA. Le cardinal DiNardo interpelle Donald Trump sur les droits des migrants. «Il est contraire aux valeurs américaines et chrétiennes de chercher à empêcher aux personnes d’émigrer ici quand elles fuient pour sauver leurs vies et pour trouver une sécurité pour leurs familles», déclare le cardinal DiNardo.

  • 18 Jul. 2019 - 11:27-

    Birao maharitra AN. Vita ny fifidianana ny mpikambana ireo mandrafitra ny Birao maharitry ny Antenimieram-pirenena. Toy izao izany : Filohan’ny Antenimierampirenena : Razanamahasoa Christine Harijaona, Ambatofinandrahana (IRD). Filoha Lefitra Antananarivo : Rasolonjatovo Honoré, Faratsiho (IRD). Filoha Lefitra Antsiranana : Rahelihanta Jocelyne, Antsiranana I (IRD). Filoha Lefitra Fianarantsoa : Razafitsiandraofa Jean Brunelle, Ikongo (IRD). Filoha Lefitra Mahajanga : Rahantanirina Lalao, Mahajanga I (IRD). Filoha Lefitra Toamasina : Michelle Bavy Angelica, Fenérive Est (IRD). Filoha Lefitra Toliara : Rabenirina Jean Jacques, Betioky Atsimo (IRD).
    Questeur 1 : Henri Jean Michel, Ambovombe (IRD). Questeur 2 : Rakotomanga Lantoarivola Sedera, Antananarivo II (IRD). Questeur 3 : Rabenirina Maminiaina Solondraibe, Ambohidratrimo (TIM).
    Mpampakateny : Angèle Solange, Amboasary Atsimo (Mahaleotena). Mpampakateny lefitra : Rafenomanantsoa Tsirimaharo Ny Aina, Antananarivo III (IRD).

  • 17 Jul. 2019 - 09:30-

    Mercato-Jeremy Morel. En fin de contrat avec l'OL, l’international malgache Jeremy Morel signe pour un an de contrat avec le Stade Rennais. « Je suis très enthousiaste et fier de rejoindre le Stade Rennais F.C. Je vais faire du mieux possible pour apporter mon expérience au club. J’avais plusieurs sollicitations mais sportivement je me voyais plus ici. J’espère avoir fait le bon choix. À moi de tout faire sur le terrain pour remercier le Président de sa confiance », a-t-il déclaré.  

  • 16 Jul. 2019 - 09:30-

    Désensablement. La piscine naturelle du Parc National Isalo est de nouveau ouverte à la baignade depuis le vendredi 12 juillet dernier. « La profondeur et la propreté de l’eau ont été testées par les agents de Madagascar National Parks afin de s’assurer que toutes les conditions requises pour la baignade durant la haute saison touristique 2019 soient au mieux », déclare Madagascar National Parks sur Facebook.

  • 15 Jul. 2019 - 14:30-

    Jeux des îles. A l’île Maurice, les sportifs venant des sept îles de l'océan Indien s'affronteront sur quatorze disciplines : athlétisme, badminton, le basketball, boxe, cyclisme, football, haltérophilie, judo, natation, tennis de table, voile, beach volley et volleyball. Pour cette édition, l’ouverture officielle se fera le 19 juillet et prendra fin le 28 juillet.

  • 15 Jul. 2019 - 13:00-

    FMF. Lova Ramisamanana ne pourra se présenter à la course pour être à la tête de la fédération malgache de football. Il l’évoque sur sa page Facebook ainsi, « j’ai le regret de vous annoncer que je ne pourrai pas me présenter à la présidence de la fédération malagasy de football, faute de n’avoir pu réunir les 3 cautions requises. Nous nous sommes battus jusqu’au bout mais nous n’avons pu faire face à certains obstacles. »

  • 15 Jul. 2019 - 08:30-

    CAN 2019. Suite à leur victoire respective contre la Tunisie et le Nigéria, le Sénégal et l’Algérie disputeront la finale de cette édition de la Coupe d’Afrique des Nations. Pour rappel, les Fennecs ont battu ces Lions de la teranga lors de la phase de poule sur le score de 1-0 avec le but de Youcef Belaili.

  • 11 Jul. 2019 - 06:30-

    Fandaminana. Handamina ny polisim-pirenena ho an’ny alakamisy alina araka ny resadresaka tamin’ny mpanao gazety nataon’ireo tompon’andraikitra ao amin’ny Polisim-pirenena. Nanome ireo toromarika manodidina ny filaminana mandritra ny fijerena baolina kitra amin’izao Can izao izy ireo. Maro ny polisy hiasa amin’io alin’ny alakamisy io raha ny nambaran’ireto tompon’andraikitra ao amin’ny polisim-pirenena ireto.

  • 09 Jul. 2019 - 13:30-

    Supporter les Barea. L’inscription est ouverte pour aller supporter les Barea en Egypte pour leur quart de finale contre la Tunisie. Les billets sont disponibles auprès de l’Air Madagascar à Analakely. Adressez-vous à la même agence pour plus d’infos.

  • 06 Jul. 2019 - 13:00-

    Pape François – Poutine. Le président russe Vladimir Poutine a rencontré le pape François au Vatican le 4 juillet pour une discussion privée de 55 minutes. Le pape François et Poutine ont discuté de questions d'actualité en Syrie, en Ukraine et au Venezuela, ainsi que de questions environnementales et de questions concernant l'Eglise catholique en Russie, selon le bureau de presse du Saint-Siège.

  • 05 Jul. 2019 - 11:00-

    CAN 2019. La CAF a rejeté les plaintes contre la RDC pour match truqué. Suite à l’insuffisance de preuve réelle, les accusations de corruption de la fédération zimbabwéenne de football vis-à-vis de leur gardien de but ont été rejeté. De ce fait, le match entre Madagascar et la RDC dans le cadre des huitièmes de finale aura bel et bien lieu dimanche prochain.

  • 05 Jul. 2019 - 08:30-

    Wi-fi gratuit. Le mercredi 10 juillet prochain, le wi-fi gratuit sera disponible à Antananarivo. Il sera possible de se connecter librement, sur quatre zones incontournables de la capitale comme au jardin Antaninarenina, à l’arrêt bus Ambohijatovo, au jardin Antanimena et au pont de Behoririka.

  • 04 Jul. 2019 - 10:30-

    Nicolas Dupuis. Selon Jeune Afrique, Nicolas Dupuis est 31ème dans le classement des entraîneurs les mieux payés en Afrique. Il perçoit 7000€ par mois, selon les chiffres publiés par le média. Le sélectionneur de l’Egypte, Javier Aguirre, est le coach le mieux rémunéré sur le continent avec un salaire mensuel de 108 000 euros.

  • 03 Jul. 2019 - 15:15-

    CAN 2019. Anicet Andrianantenaina et Carolus Andriamanitsinoro intègrent l’équipe type de la phase de poule de cette Coupe d’Afrique des Nations. Pour rappel, Anicet était l’homme du match pendant la rencontre face à la Guinée. Carolus l’était à son tour pendant le match contre le Nigéria.

  • 03 Jul. 2019 - 14:30-

    FIER-Mada. Tanterahana ny alarobia 7 hatramin’ny 11 aogositra ho avy izao ny FIER-Mada faha 21, ao amin’ny kianja Makis Andohatapenaka. Amin’izany dia hisy ny lao-bary an-dasy hiompana amin’ny « fandrosoana maharitra : tetik’asam-panjakana vatsiana vola amin’ny voajanahary sy ifampierana amin’ny tantsaha eny ifotony ».

  • 03 Jul. 2019 - 13:15-

    Energie solaire. La nouvelle technologie solaire pourrait produire de l'eau potable propre pour des millions de personnes dans le besoin. Des appareils appelés alambics solaires utilisent le soleil pour évaporer l'eau salée et condenser la vapeur en eau potable saine. Les chercheurs ont mis au point un nouveau système accélérant le processus d'évaporation, permettant ainsi à un petit alambic solaire de fournir toute l'eau potable dont une famille a besoin.

  • 03 Jul. 2019 - 08:30-

    Fampandrenesana. Tapaka ny lalana : -Lalana Dr Rajaonah- Pharmacie Ankadifotsy- EKAR Antanimena- ESCA ny saboty 6 jolay 2019. Voarara ho an’ny fifamoivoizan’ny  fiara rehetra tsy an-kanavaka ny ampahany amin’ireo lalana ireo. Izany dia noho ny fankalazana ny faha-50 taonan’ny Sekoly Les Lutins Ankadifotsy, araky ny fampandrenesana.

  • 02 Jul. 2019 - 08:00-

    Supporter les Barea. Une offre exceptionnelle est disponible pour les 8è de finale de cette CAN. Elle est à 2.200.000 ar ( Billet d avion A/R +Hebergement+Transfert hôtel-stade+ Billet d entrée stade ) 298.000 ar ( Visa de séjour ) 198.000 ( Passeport ) soit 2.688.000 AR Départ d Ivato samedi 06 juillet - retour Ivato Lundi 08 juillet Appareil A 380 . Plus d infos contacter Air MADAGASCAR

  • 01 Jul. 2019 - 10:30-

    USA-Corée du Nord. Le président Donald Trump et le président nord-coréen Kim Jong Un se sont rencontrés dimanche dans la zone démilitarisée (entre la Corée du Nord et du Sud) fortement fortifiée et ont convenu de relancer les pourparlers sur le programme nucléaire de Pyongyang. Trump, faisant pression pour obtenir un accord définissant un héritage, est devenu le premier dirigeant américain assis à entrer en Corée du Nord.

Du même auteur

societe
politique

Dans la même rubrique

religion
religion
Publicité