logo
Lakroan'i Madagasikara
FITORIANA NY EVANJELY AMIN’NY ENDRIKA VAOVAO SY

«Aoka isika hiatrika amim-pahavitrihana ny fitoriana ny evanjely amin’ny endrika vaovao»

Nanangona Chico il y a 3 années

Tao anatin’ny Sinoda momba ny fitoriana ny evanjely amin’ny endrika vaovao, ny Papa teo aloha, Benoit XVI dia nampahalala ho ren-tany ho ren-danitra ny Taratasy apostolika PORTA FIDEI, ho an’ny Taonan’ny Finoana.

«Aoka isika hiatrika amim-pahavitrihana ny fitoriana ny evanjely amin’ny endrika vaovao»

Ho an’ny Eveka, ny Pretra, ny Relijiozy sy ny Kristianina tsara sitrapo rehetra eto Madagasikara

 

 

FITORIANA NY EVANJELY AMIN’NY ENDRIKA VAOVAO SY NY TAONA MASIN’NY FAMINDRAMPO

«Aoka isika hiatrika amim-pahavitrihana ny fitoriana ny evanjely amin’ny endrika vaovao»

 

(...) Niaraka tamin’izay no natsangana ny Filankevitra Pontifikaly ho an’ny fampandrosoana ny fitoriana ny evanjely amin’ny endrika vaovao (11 Oktobra 2012).

Isika eto Madagasikara, indrindra amin’ny ankamaroan’ny faritra isam-paritany, dia mbola ao anatin’ny sehatra « voalohany » amin’ny fitoriana ny evanjely, mba tsy hilazàna hoe mbola ao anatin’ny dingana mialoha ny fitoriana ny evanjely mihintsy (toy ny tsapa ao amin’ny diosezin’i Port Berge, izay tsy ahitàna kristianina afatsy 2%-n’ny mponina fotsiny – ka ny ankamaroany dia mbola ao anatin’ny fivavahana nentin-drazana –). Ao anatin’ny Evangeli Nutiandi laharana faha 21, dia nosoritan’i Papa Paul VI Olontsambatra mazava tsara fa ny antom-pisiana fototry ny Eglizy dia ny fitoriana ny evanjely ary ilay mpitory voalohany sy lehibe indrindra dia i Jesoa.

Izany fitoriana ny Evanjely izany dia tsy safidy fa tena raiki-tapisaka amin’ny maha izy azy ny Eglizy. Araka izany, ny fitoriana ny Evanjely amin’ny endrika vaovao dia endrika manetsika ny Eglizy te hampahalala ny olombelon'ny taona arivo fahatelo fa ny vokatry ny fivoarana ara-teknika sy ara-tsiansa dia tsy mitondra vahaolana amin’ireo karazana sedram-piainana sy fahasahiranana tsy maintsy atrehina ireo. I Jesoa no Lalana sy Fahamarinana ary Fiainana. Izy no manambara amintsika ny Fitiavan’ny Ray, izay tsy inona fa ny Famindrampony.

Ny fitoriana ny Evanjelin’i Jesoa Kristy dia tsy miova ; tsaroantsika mandrakariva amin’izany ilay teny efa be mpahalala, nambaran'i Papa Md Jean Paul II tao Port au Prince, Haïti (9 Mars 1983) momba ny fitoriana ny Evanjely amin’ny endrika vaovao manao hoe : vaovao amin’ny zotom-po, amin’ny fomba amam-panao, amin’ny fanehoana azy”, fa ny Evanjely dia tokana ihany.

Ankehitriny anefa dia tsara ihany ny manamarika fa miatrika endrim-piaraha-monina vaovao izay miantso ny Eglizy ary mitaona azy hanome valin-teny mahafapo hanamarina ny Fanantenana izay voiziny (1P3, 15) : kolotsaina miampita (miendrika fitsitokotokoana), toekarena, fitantanana, fikarohana ara-tsiansa sy ara-teknika.

Any amin’ny Firenena sasany, izany fitoriana ny Evanjely amin’ny endrika vaovao izany dia miantefa indrindra amin'ireo olona vita batemy nefa kosa tsy nandray ny Evanjely, na koa ireo nihataka tamin'ny Eglizy. Aty amintsika kosa manoloana izany, dia tsy mitsaha-mitombo ny isan’ireo mpino.

Izany no nahatonga ny Fivondronam-ben’ny Eveka nanangana ity Commission Episcopale ity, taorian’ny Sinoda momba ny fitoriana ny Evanjely amin’ny endrika vaovao. Ny Commission anefa dia tsy afaka miasa raha tsy noho ireo rehetra vita batemy ihany (Eveka, pretra, mpanokantena, laika) satria isika rehetra ireo no voaantso sy voairaka hitory ny hafaliana azo avy amin’ny Evanjely ao amin'ny fiainantsika andavan'andro. « Ny Fitiavana no manambara mihoatra ny teny, ao amin’ny fitoriana ny Evanjely amin’ny endrika vaovao, ary ny Fitiavana ihany no mampiseho ny maha mpirahalahy, ny maha mpifanolobodirindrina, sy ny fahafahana manampy ireo olona mila fanampiana, na ara-panahy izany na ara-batana » (n124) Cf Sinoda ho an’ny fitoriana ny Evanjely amin’ny endrika vaovao.

 

Ny tanjon’ny COMMISSION

 

Ny fitoriana ny Evanjely amin’ny endrika vaovao dia tsy midika velively hoe “Evanjely vaovao” satria « I Jesoa Kristy dia tsy miova, omaly sy anio ary mandrakizay » (Hb13, 8). Ny fitoriana ny Evanjely amin’ny endrika vaovao dia midika hoe : "fampahazahoana ny finoantsika amin’ny alalan’ny fampitàna ny hevitry ny Fanantenana amin'ireo rehetra manantena Famonjena" (n 167)Cf. Sinoda ho an’ny fitoriana ny Evanjely amin’ny endrika vaovao.

Araka izany, ny tanjon’ny Commission dia ny hamelo-maso ny asa pastoralin’ny Eglizy mba hanana endrika fanirahana sy pastoraly bebe kokoa, izay mifanaraka amin’ny tontolo ankehitriny (ny toriteny, ny asa fanirahana iarahana amin’ny mpino, ny sakramentan’ny fampihavanana, ny mariazy, ny fitiavam-bavaka iombonana, ny fanajana an'i Masina Maria sy ireo olomasina rehetra, indrindra fa ao amin’ireo Sanctuaires sy ny fivahiniana masina, ary ny fitsinjovana manokana ireo mijaly sy marary).

Ny Papa teo aloha Benoit XVI dia niteny momba « fahamaizana ara-panabeazana ny fahalalana ny maha-olona ny olona ». Ny tsiambaratelon’ny fitoriana ny Evanjely amin’ny endrika vaovao, izay ahitana ihany koa ny vokatra tsara entiny, dia ny valin-tenin’ny kristianina tsirairay amin’ny antso ho amin’ny Fahamasinana izay miantefa amin’izy ireo tsirairay avy. Izany hoe, ny fahatsapana ny fiainana ho toy ny antso ary ny fandraisana izany antso izany ho fanapahan-kevitra matotra ka hanarahan-dia an’i Kristy sy tsy hivadika Aminy.(n 161)Cf Sinoda ho an’ny fitoriana ny Evanjely amin’ny endrika vaovao.

Tokony hanome vahana bebe kokoa ny ezaka apostolika, mifanaraka amin'ny tontolo iainana, ny fitoriana ny Evanjely amin’ny endrika vaovao.

Toy ny tamin’ny andro Pentekoty, nanirahana voalohany ireo Apostoly hitory ny Evanjely, dia teo anilan'izy ireo i Masina Maria. Tahaka izany ihany koa, dia mbola ho eo anilantsika izy amin’ireo ezaka rehetra hotanterahintsika eto Madagasikara, izy ilay Kintan'ny fitoriana ny Evanjely amin’ny endrika vaovao.

Ao anatin’izany lalana izany dia ilaina ny miainga avy ao amin’i Jesoa, izay hany tokana manome ny Fanantenana sy ny Hafaliana ho an’ny mpitory ny Evanjely rehetra mba hananan’izy ireo ny zotom-po sy ny risi-po vaovao hahafahan’izy ireo hitory an’i Jesoa Kristy, Evanjelin’Andriamanitra ho fanavotana ny olona rehetra manerana ny tany.(n 169)Cf. Sinoda ho an’ny fitoriana ny Evanjely amin’ny endrika vaovao.

 

Fitoriana ny Evanjely amin’ny endrika vaovao sy ny Taona masin’ny Famindrampo.

 

Ny voan’ny Evanjely izay novolen’ny misionera dia efa manomboka mitombo; voninahitra ho an’Andriamanitra. Ity Taon-jobilin’ny Famindrampo ity (Jubileum Misericordiae), izay azo raisina ho toy ny androm-pahasoavana dia hararaotina handrosoana bebe kokoa amin’ny fitoriana ny Famindrampon’Andriamanitra sy "hanavotana ny Trano iombonana". Samy vavolombelon’ny antso-vonjy manakoako avy amin’ny lafy valon’ny tany tokoa isika rehetra, indrindra fa avy amin'ireo ivon-toeram-piaraha-monina maro isan-karazany, singanina manokana amin’izany ireo fadiranovana. Antso-vonjy amin’ny Famindrampon’Andriamanitra manoloana ireo karazan’endrik’ilay ratsy izay mitatao eo antampon-dohan’ny olombelona tsirairay avy ka mahatonga azy ho tandindomin-doza izany. « Raisiko ho zava-dehibe arak’izany ny fandraisana andraikitra, mba ho fotoana sarobidy sy manan-danja ho an’ny mpino rehetra ny Fihaonany amin’izany Famindrampon'Andriamanitra izany mandritra ny fankalazana ity Taona Masina ity. Iriko izy mba ho zary traik’efa velona hahatsapana fa akaiky Andriamanitra, azo kasihin-tanana ny halemem-panahiny, ka hanamafy ny finoan’ny mpino ary hitondra vokatra tsara ny fijoroany ho vavolombelona» (Papa Fransoa)

« Ambarao amin’izao tontolo izao ny Famindrampoko, ary enga anie ny olombelona rehetra hahatsapa ny halalin’ny izany Famindrampoko izany » (PJ 848).

« Alohan’ny hahatongavako amin'ny maha mpitsara tsy mitanila Ahy dia vohaiko midanadana ny varavaramben’ny Famindrampoko. Izay tsy te handalo amin’ny varavaran’ny Famindrampoko dia tsy maintsy handalo ny varavaran’ny fitsarako» (PJ 1146). Mankahery antsika hiaina ny fahasoavana entin’ity Taon-jobily ity ny Papa Fransoa. « Ny faniriako dia ny mba hahatraikefa miavaka ny Famindrampon’Andriamanitra ho an’ny tsirairay ny famelan-tsazy azo avy amin’ity Taon-jobily ity », hoy izy.

Mangataka aho amin’izao fotoanan’ny jobilin’ny famindrampo izao mba hiainan'ny Eglizy indray ny harena raketin’ny asa famindrampo ara-batana sy ara-panahy:

Ireo asa famindrampo ara-batana :

-     Mamahana ireo noana

-     Mampisotrorano ireo mangetaheta

-     Mampitafy ireo miboridana

-     Mandray ireo vahiny

-     Miahy ireo marary

-     Mitsidika ireo gadra

-     Mandevina ireo maty

Ireo asa famindrampo ara-panahy:

-     Manoro hevitra ireo misalasala

-     Mampianatra ireo bado

-     Mananatra ireo mpanota

-     Mankahery ireo tra-pahoriana

-     Mamela ny fihantsiana

-     Miaritra amim-paharetana ireo mpisotasota

-     Mivavaka amin'Andriamanitra ho an’ny velona sy ny maty

I Jesoa be famindrampo dia maniry ny hanatanterahan’ireo tia Azy asa famindrampo, farafahakeliny indray mandeha isan’andro, ary izany dia ho famantarana hita maso ny maha mpianatr’’i Kristy antsika eto anivon’izao tontolo izao amin’izao vanim-potoana misy antsika izao.

Ity taratasy ity dia toy ny savaranonando ihany amin’ny fametrahana ity Commission ity. Mbola lavitra ny lalana. Manantena indrindra ny fiaraha-miasa sy ny fanampiana avy aminareo izahay. Manantena ny toro-hevitra avy aminareo koa ho fampanjariana ny iraka tontosainay, izay fanirahana ho antsika rehetra dia ny : « fitoriana ny hafaliana azo avy amin’ny Evanjely, ny Famindrampon’Andriamanitra, mba hahita ny toetrany efa hatrany am-boalohany indray ny « Trano iraisantsika ».

Ankinintsika amin’i Masina Maria, Renin’ny Famindrampo, Kintan’ny fitoriana ny Evanjely amin’ny endrika vaovao izay rehetra hotontosaintsika.

 

 

NB : « Ny fanehoam-piniavana antsoina hoe : « 24 ora ho an’ny Tompo », ny Zoma sy Asabotsy mialoha ny Alahady faha-4 amin’ny karemy, dia tokony hotohanana hahazo vahana, any amin’ny diosezy rehetra any. Maro aok’izany ny olona voasintona hanatona ny sakramentan’ny Fampihavanana ary misy tanora maro amin’izy ireny ; amin’izany no ahitany ny lalana-kizorana hiverenany any amin’ny Tompoiainany fotoam-bavaka lalina ary hahatsinjovany indray fa hay misy heviny ny fiainany. Aoka isika hiaiky marimarina fa tokony ho eo anivon’ny fiainantsika ny sakramentan’ny Fampihavanana, satria izy no manampy antsika hahatsapa mivantana ny halehiben’ny Famindrampon’Andriamanitra amintsika. Ho an’ny olona tsirairay mibebaka, dia io no ho loharano velona anovozany ny tena fiadanam-po marina », hoy i Papa Fransoa ao amin’ny taratasy fanambarana ny hisokafan’ny Taon-jobily tsy ara-potoana hankalazana ny Famindrampon’Andriamanitra, « Ny endriky ny Famindrampo », n˚ 17.

 

 

Antananarivo, ny 23 fevrie 2016


Mgr Georges VARKEY

Evekan’i Port-Bergé

Président de la C.E

pour la Nouvelle Evangélisation

 

 

Mgr Benjamin Marc RAMAROSON

Arsevekan’Antsiranana

Co-Président de la C.E pour la

Nouvelle Evangélisation





Partager l'article:

Lakroa en direct
  • 21 Jan. 2019 - 15:57-

    Gouverneur de région ? Dans son premier discours après la prestation de serment ce 19 janvier, le président Andry Rajoelina a utilisé le mot “gouverneur” de région. On lit dans la Constitution que “La fonction exécutive est exercée par un organe dirigé par le Chef de Région élu au suffrage universel. Le Chef de Région est le premier responsable de la stratégie et de la mise en œuvre de toutes les actions de développement économique et social de sa région. Il est le Chef de l’Administration de sa région.” Première entorse devant le gardien de la Constitution ?

  • 21 Jan. 2019 - 15:34-

    10 décès au moins. Les pluies torrentielles tombées sur Antananarivo dans la soirée du samedi 19 janvier ont perturbé la fin des festivités de la prestation de serment du Président Rajoelina (fête à Mahamasina, feux d’artifices annulées). Mais plus grave, elles ont provoqué un éboulement en plusieurs endroits et plusieurs maisons ont été démolies. Plusieurs personnes ont été ensevelies sous les décombres. Plusieurs personnes ont été sauvées mais on déplore une dizaine de victimes. On compte au moins 10 personnes décédées et on craint que le nombre ira en croissant.

  • 19 Jan. 2019 - 11:48-

    Hevi-dehibe notsoahina tamin'ny lahatenin'ny filoha Rajoelina. Ezaka lehibe no atao momba ny famokarana ny herinaratra. Politikan’ny kibo velaran-tany hovolena, tsy hanafatra vary intsony. Hitsinjo sy hanampy ireo tena marefo efa eny ambony sambo ny vary tena mora ho zaraina sy hamidy mora. Asa fa tsy kabary. Hanangana sy hanorina tanana vaovao isika ho modely aty amin’ny ranomasina Indiana izay atomboka amin’ity taona ity ihany. Ho mpandresy amin’ny lafiny rehetra ny Malagasy. Ampiray sy ampitambatra ny Malagasy aho. Tsy ny eto antananarivo ihany no hisitraka fa hapetraka ny fanamby fa hisitraka izany ny any amin’ny faritra. Apetraka ny governora hisolo ny lehiben’ny faritra. Izy ireo no hitarika ny asa goavana. Omentsika fitaovana manokana fanamboaran-dalana ny faritra rehetra. Ho lasa 23 ny faritra. Tsy ekeko ny gaboraraka. Tsy azo ekena ny fanaovana tolotrasa kanefa tsy  nisy asa notanterahina akory. Ady amin’ny kolikoly sy fitsarana marina tsy mitanila. Tsy ekeko ny fitsabahana amin’ny raharaha fitsarana.

    Tsy fandriampahalemana. Vahaolana koa ampitomboina ny isan’ny mpitandro filaminana. Ho vatsiana fitaovana mendrika manaraka ny toetrandro ny foloalindahy sy mpitandro filaminana. Handalo eto ny santionany amin’ny fitaovana tsy mataho-bala. Fankahalana fanaratsiana fisaraham-bazana hahilika izany.

  • 18 Jan. 2019 - 08:14-

    Passation à Iavoloha. Selon l’article 48 de la constitution “La passation officielle du pouvoir se fait entre le Président sortant et le Président nouvellement élu.” Il n’est nullement indiqué que c’est le président démissionnaire ou le président intérimaire. La passation se fera officiellemen ce vendredi 18 janvier. Selon la rumeur la passation se fera entre le président Rajaonarimampianina qui a démis de ses fonctions présidentielles en septembre 2018 et le président Rajoelina. Si cela se fera cela veut dire une passation des dossiers de janvier 2014 à septembre 2018. Qu’en sera-t-il des dossiers durant l’intérim ? Y aura-t-il une autre cérémonie de passation ce vendredi aussi ?


  • 09 Jan. 2019 - 08:42-

    Le FFKM présente ses vœux au Président de la République p.i. Les représentants du Conseil Chrétien des Eglises (FFKM), sont venus présenter les vœux de nouvel an au Président de la République p.i, Rivo Rakotovao, au palais d’Ambohitsorohitra, le 8 janvier 2019. Le Président en exercice de la FFKM a évoqué lors de la rencontre l’importance de la période que traverse le pays à l’heure actuelle, et n’a pas manqué de souligner l’union dans la prière pour la marche du pays ; il a aussi mis en relief la noble mission et les responsabilités qui incombent au Chef de l’Etat, Rivo Rakotovao, et invoqué la bénédiction divine à son endroit ainsi qu’à sa famille.

  • 07 Jan. 2019 - 14:16-

    Jours fériés de 2019. Mardi 1er Janvier, Vendredi 8 Mars : Journée de la Femme. Vendredi 29 Mars : Jour des martyrs 1947. 21 Avril : Pâques ; 22 Avril : Lundi de Pâques. Mercredi 1er Mai : Fête du travail. 30 Mai : Ascension. 4 Juin : L'Aïd el Fitr. 9 Juin : Pentecôte ; 10 Juin : Lundi de Pentecôte. 26 Juin : Fête de l'Indépendance. 11 Aout : L'Aïd el kebir ou Aïd-al-adha. 15 Août : Assomption. Vendredi 1er Novembre : Toussaint. 25 Décembre : Noël.

  • 05 Jan. 2019 - 09:59-

    Différents cas d’annulation d’une élection. Suivre les liens

    http://www.lakroa.mg/item-1607_articles_monde_18-la-cour-suprame-annule-laalection-prasidentielle.html


    http://www.lakroa.mg/item-1608_articles_monde_18-annulae-a-cause-daune-utilisation-abusive-de-facebook.html

  • 04 Jan. 2019 - 07:17-

    Résultats officiels le 8 janvier. La HCC, Haute Cour Constitutionnelle, dans un communiqué publié sur son site fait savoir la date de la proclamation officielle des résultats. La HCC procèdera à la proclamation officielle du second tour de l’élection présidentielle le mardi 8 janvier 2019 à 15 heures. La cérémonie aura lieu à la salle de proclamation du Palais d’Etat d’Ambohidahy. Pour la la HCC, s’applique de facto l’Article 61 de la Loi organique N°2018-009 relative à l’élection du Président de la République qui dit que la HCC procède à la proclamation officielle des résultats définitifs dans un délai de neuf (9) jours à partir de la date de publication des résultats provisoires par la CENI.

  • 02 Jan. 2019 - 12:49-

    Sainte et heureuse année 2019. Nous vous envoyons des étoiles de Paix, de solidarité, de Vérité et d’Amour pour qu’elles illuminent votre vie toute l’année 2019. toute l'équipe de www.lakroa.mg nous vous offrons comme menu au quotidien pour les 365 jours : "De belles coupes de sourire, Quelques éclats de rires, Une grande cuillerée de gentillesse, Quelques grains de tendresse, Une bonne pincée d’affection, Des poignées d’or et d’argent, Un maximum de réussite, Saupoudrer de gaïté, Faire mijoter avec douceur, Servir joyeusement."

  • 29 Dec. 2018 - 13:12-

    Délai des requêtes. En application du système de délai franc mis en œuvre lors du premier tour de l’élection présidentielle, le dernier jour de dépôt des requêtes tombant normalement un samedi (voir communiqué du 28 décembre 2018, in infra), la date limite de dépôt est reportée au premier jour ouvrable suivant, c’est-à-dire le lundi 31décembre 2018 à 16 heures. La proclamation officielle des résultats provisoires du second tour de l’élection présidentielle ayant eu lieu le jeudi 27 décembre 2018, la date limite de réception des requêtes auprès du greffe de la Haute Cour Constitutionnelle est fixée au samedi 29 décembre 2018 à minuit.

  • 29 Dec. 2018 - 13:02-

    Mamory vahoaka. Tsy manaiky ny voka-pifidianana navoakan’ny CENI ny mpomba ny kandida laharana faha 25, Marc Ravalomanana. Mamory vahoaka eo amin’ny “kianjan’ny 13 mai” izy ireo ny sabotsy 29 desambra. Milaza ny ampiseho ireo porofo mitarika azy ireo tsy hanaiky iny voka-pifidianana iny, porofo izay ho azy ireo milaza fa nisy hala-bato tany rehetra tany. Hala-bato amin’ny endrika isan-karazany ka nahatonga ny fandresen’ny kandida lahanara faha 13 Andry Nirina Rajoelina.

  • 29 Dec. 2018 - 13:01-

    Vokatra navoakan’ny CENI ny alakamisy 27 desambra. Tamin’ireo mpifidy miisa 9 913 599  voasoratra anarana ao anaty lisi-pifidianana, 4 767 697 (48, 09%) no tonga naneho ny safidiny. Ny isan’ny vato manankery tamin’izany dia nahatratra, 4 648 086, ny vato maty tamin’izany, 78 465 ary ny vato fotsy 41 146. Mitsinjara toy izao ny vato azon’ireo kandidà mpifanina tamin’izany fifidianana izany : ny an’ny kandidà laharana faha 13, RAJOELINA Andry Nirina, 2 587 035 manome isan-jato 55,66% ary ny an’ny kandidà laharana faha 25, RAVALOMANANA Marc, 2 061 051 manome ny salan’isa 44,34%.

  • 24 Dec. 2018 - 12:15-

    Joyeux Noël ...
    Lorsque décembre frappe à la porte
    Dame pluie arrose la terre qui se couvre de beauté…
    Plus Noël approche plus la douceur s’installe
    Les guirlandes illuminent nos sapins de noël,
    Et sur tous les visages, la joie et les sourires.
    Noël arrive, quel grand bonheur !
    A cette occasion, www.lakroa.mg vous dit : “Joyeux Noël”
    Merry Christmas dia samia ho lavitry ny kirizy mafy !

  • 20 Nov. 2018 - 07:46-

    Communiqué HCC. Suite à la publication officielle des résultats provisoires du premier tour de l’élection présidentielle par la CENI le samedi 17 novembre 2018, s’appliquent de facto les dispositions suivantes de la Loi organique N°2018-009 relative à l’élection du Président de la République :
    Article 61 :
    La Haute Cour Constitutionnelle procède à la proclamation officielle des résultats définitifs dans un délai de neuf (9) jours à partir de la date de publication des résultats provisoires par la Commission Electorale Nationale Indépendante.
    Article 66 alinéa 2 :
    Le délai de recours est fixé à deux (2) jours après la publication des résultats provisoires par la Commission Electorale Nationale Indépendante.
    En application du système de délai franc, la réception des requêtes sera clôturée le mardi 20 novembre 2018 à 24h.

  • 16 Nov. 2018 - 07:45-

    Voici les tendances publiées sur le site de la CENI ce 16 novembre 2018 à 6 heures et 58 minutes. C’est une tendance nationale, BV traités : 22 576 sur 24 852 soit : 90,84%. Inscrits : 8 906 101 sur 9 913 599 votants : 4 807 829 suffrages exprimés 4 453 212 soit 92,48%. Taux de participation : 53,98%.

    - RAJOELINA Andry Nirina : 1 763 347 soit 39,60%

    - RAVALOMANANA Marc : 1 535 795 soit 34,49%

    - RAJAONARIMAMPIANINA Hery : 390 356 soit 8,77%

    - MAILHOL André Christian Dieu Donné : 56 928 soit 1,28%

    - RANDRIAMAMPIONONA Joseph Martin : 53 629 soit 1,20%

    - RAFALIMANANA Ny Rado : 52 897 soit 1,19%

  • 16 Nov. 2018 - 07:45-

    Administrateur apostolique du diocèse de Mahajanga. Mgr Gustavo Bombin Espino, OSST, actuellement évêque du diocèse de Maintirano (dont il est le premier évêque) a été désigné comme Administrateur apostolique du diocèse de Mahajanga. L’annonce a été faite durant les obsèques de Mgr Roger Victor Solo Rakotondrajao le vendredi 9 novembre à Mahajanga. Pour mémoire, Mgr Gustavo Bombin Espino était évêque de Tsironomandidy entre février 2004 et février 2017 ‘érection du noouveau diocèse de Maintirano). Mgr Gustavo Bombin Espino est né le 24 septembre 1960 à San Llorente (Valadolid en Espagne).

  • 14 Nov. 2018 - 13:41-

    Voici les tendances publiées sur le site de la CENI ce 14 novembre 2018 à 13 heures et 6 minutes. C’est une tendance nationale, BV traités : 17504 sur 24 852 soit : 70,43%. Inscrits : 7 062 725 sur 9 913 599 votants : 3 827 816 suffrages exprimés 3 539 985 soit 92,48%. Taux de participation : 54.20%.

    - RAJOELINA Andry Nirina: 1396356 (39.45%)
    - RAVALOMANANA Marc: 1297579 (36.65%)
    - RAJAONARIMAMPIANINA Hery: 266857 (7.54%)
    - MAILHOL André Christian Dieu Donné: 46243 (1.31%)
    - RANDRIAMAMPIONONA Joseph Martin: 41091 (1.16%)
    - RAFALIMANANA Ny Rado: 39742 (1.12%)

  • 13 Nov. 2018 - 14:56-

    FMF out, comité de normalisation in. Le Bureau du Conseil de la FIFA a décidé, ce 12 novembre 2018, de désigner des comités de normalisation pour les Fédérations de Football de République dominicaine (FEDOFUTBOL) et Madagascar (FMF) conformément à l’art. 14, al. 1a et l’art. 8, al. 2 des Statuts de la FIFA. À Madagascar, la décision de nommer un comité de normalisation est liée à la procédure électorale de la FMF, qui n’a pas été effectuée conformément aux exigences réglementaires applicables aux membres de la FIFA. Le mandat du comité expirera au plus tard le 12 mai 2019. La participation des Barea à la CAN n'est pas concernée par la mise en place du comité de normalisation.

  • 13 Nov. 2018 - 07:46- Voici les tendances publiées sur le site de la CENI ce 13 novembre 2018 à 6 heures et 57minutes. C’est une tendance nationale, BV traités : 13 283 sur 24 852 soit : 53,45%. Inscrits : 5 370 311 sur 9 913 599 votants : 2 876 312 suffrages exprimés 2 659 943 soit 92,48%. Taux de participation: 53,56%.
    - RAJOELINA Andry Nirina : 1 051 134 (39,52%)
    - RAVALOMANANA Marc: 950 724 (35,74%)
    - RAJAONARIMAMPIANINA Hery: 212 682 (8%)
    - MAILHOL André Christian Dieu Donné: 35 382 (1,33%)
  • 12 Nov. 2018 - 08:08-

    Voici les tendances publiées sur le site de la CENI ce 12 novembre 2018 à 6 heures et 8 minutes. C’est une tendance nationale, BV traités : 10437 sur 24852 soit : 42%. Inscrits 4 285 527 sur 9 913 599 votants : 2 301 808 suffrages exprimés 2 129 443 soit 92,51%. Taux de participation: 53.71%.

    - RAJOELINA Andry Nirina : 835301 soit 39.23%
    - RAVALOMANANA Marc: 785748 soit 36.90%
    - RAJAONARIMAMPIANINA Hery: 160879 soit 7.55%
    - MAILHOL André Christian Dieu Donné: 28308 soit 1.33%

Du même auteur

sport
politique

Dans la même rubrique

religion
religion
Publicité