logo
Lakroan'i Madagasikara
Fanambaran'ny FEM

Ny Famindram-po no sitrako, fatsy ny sorona !

Nanangona i JRR il y a 2 années

Teo ampranana ny fivoriana fanaony dia nandefa hafatra ho an'ny kristianina katolika sy ny olona tsara sitra-po ny Fivondronamben'ny Eveka.

Ny Famindram-po no sitrako, fatsy ny sorona !

Fanambaran'ny Fivondronamben'ny Eveka et Madagasikara (FEM)

Ny Famindram-po no sitrako, fa tsy ny sorona !



Efa hisasaka ny tonontaona niainantsika ny Jobilin'ny Famindram-pon'ny Ray, nosokafana tamin'ny 8 desambra 2016 teo. Dimy volana no lasa, ary afaka fito volana eo dia hofaranana amin'ny fomba manokana, arak'izay efa nambara, amin'ny alahadin'i Kristy Mpanjaka, ny 20 novambra 2016.

Ny tontolom-piainantsika anefa milentika ao anatin'ny herisetran'ny fiarahamonina. Toy ny valala voatango ny vahoaka, tsy tanana hirangotra tsy tongotra hitsipaka. Zary fiainana andavanandro ny fanaovana an-keriny, ny halatra sy vono olona. Ny harem-pirenena mihitsy no fongotra, raha tsy hiteny afa-tsy ny fanondranana tsy ara-dalàna ny hazo sarobidy andramena na bolabola...

Tsy ny harena voajanahary fotsiny fa ny zo aman-kasina mihitsy no hosena ary amidy vola, fa ny tany nolovaina tamin'ny razana. Lainga sy halatra no migorobaka hatrany an-tampon'ny fitondrana any. Amidy vola hatramin'ny fiandrianam-pirenena, ka tsy arindra araka ny filan'ny firenena intsony hatramin'ny taranjam-panabeazana, fa izay hahitam-bola ihany, dia atao telim-botolo ny kolotsain'ny mpanam-bola.

Vokatr'izany, ny kolontsain'ny fiainana anaty fako (culture des déchets) sy lainga ary valifaty sy fahefan'ny be sandry. Tsy mihaino fitarainana intsony ny fitsarana ka mamboly toe-tsaina hirona any amin'ny fitsaram-bahoaka sy tontolon'ny Fanjakan'i Baroa. Na ny finoana aza, zary atao ho fiamboniana sy fametsifetsena na fandrendrehana ny marivo salosana fotsiny. Raha akapoka ho iray, dia lainga no amahanana ny vahoaka, noho ny fanompoana tafahoatra ny vola hatrany an-tampony.


Ho Apostolin'ny Famindram-po

Ao amin'ny rijanteniny momba ny endriky ny famindram-po, dia izao no lazain'ny Papa : « Iriko mafy ny handinihan'ny kristianina rehetra mandritra izao taon-jobily izao, ny asan'ny famindram-po ara-batana sy ara-panahy. Fomba iray hamohafohazana ny konsiansintsika izay tena matoritory manoloana ny fahantrana efa mihatra aman'aina manodidina antsika, sady mba hahafahantsika miditra ao amin'ny tena vontoatin'ny Vaovao Mahafaly. Ao no hahitantsika fa ny mahantra mihitsy no tena iantefan'ny Famindram6pon' Andriamanitra manokana. Tsy misy afa-tsy ny tena fiainana ny Famindram-po. Aiza ho aiza marina anefa no misy antsika : efa tena miaina ireo asan'ny famindram-po ireo toy ny apostoly ve isika sa aiza ho aiza, eo amin'ny fiainana an-davanandro, toy ny:

•          Manome hanina ny noana - Manolotra rano izay mangetaheta - Manafy lamba izay miboridana - Mampiantrano vahiny - Mamonjy ny marary- Mamangy ny voafonja -Mandevina ny maty


Fa indrindra koa:

•          Manoro hevitra ireo misalasala ka sahirana - Mampianatra ny tsy mahay - Manohintohina ny mpanota - Mampionona ny malahelo - Mamela ny hadisoana - Mandefitra manoloana ireo olona manorisory, ary - Mivavaka ho an'ny velona sy ny maty.»

Arakaraky ny androsoantsika lalindalina kokoa amin'ny maha apostolin'ny famindram-pon'Andriamanitra antsika tokoa no ahatsapana lafim-piainana maro tsy maintsy hibebahana, ary hatrany amin'ny lohany no tsy maintsy hiova ho fanahy vaovao. Ho tohin'izany indrindra ihany koa no namoahan'ny Papa Fransoa ny taratasy fanentanana lehibe, vokatry ny Sinaodin'ny Fianakaviana? natao tamin'ny volana oktobra iny, ka nomeny ny lohateny hoe : « Amoris Laetitia » (Ny Hafalian’ny Fitiavana).

Mampivoitra be dia be ny tsy maintsy hanandratana ny fiainam-pianakaviana, manomboka amin'ny fifankatiavan'ny mpivady, sy ny fifanoavan'ny ankohonana ny hafalian'ny fitiavana. Ezaka isan'andro ombam-pahasoavana; andraisana anjara amin'ny hazofijaliana aza, satria fiainam-pitiavana. Mampahatsiahy ny fiainan-dry Jacques Berthieu sy Botovasoa samy maritirin'ny finoana sy fitiavana. Mila mpampihavana sy olomarina maro ny firenentsika. Tsy ny fanaovana sorona ny vahoaka amam-pirenena, potipotehina ho vola hampiadana olom-bitsy no tanjona, fa ny fampijoroana ny marina no hampiadana. Mirongatra izay tsy izy koa any ny halatra lakolosy, hatao vola sa hanakanana ny olona tsy handre ny antso hivavaka intsony; fa dia ahoana loatra; iza no ao am-badika?

Ny hery lehibe mitondra antsika any amin'ny tena fahamarinana sy fiadanana dia ilay Fitia. Tantanana sy ampianarina izany aina izany ka eo no mifamonjy ny atrikasa pastoraly samihafa. Mitana toerana lehibe ny fitaizana sy fanabeazana ny zaza ka omban'ny fanentanan'ny Papa torolalana maro. Misy ny fahombiazana, fa eo koa ny lafiny marefo tsy maintsy atrehina am-pinoana sy herim-po, ary izany rehetra izany dia ny fiainam-panahy no toy ny hazondamosina ijoroany.

Ny zava-tsarotra samihafa, ao amin'ny tontolom-piainan'ny mpianakavy, tsy atao hampitolefika fa vao mainka aza mampioitra, ary mitaky fifanomezan-tanana sy fanamby maro; indrindra eo amin'ny fahasarotan'ny fanabeazana amin'izao fanatontoloana izao. Ampianarin'ny Papa Raiamandrenintsika fa fiantsoan'Andriamanitra ny fianakaviana, ka itodihana sy ibanjinana be dia be amin'i Jesoa Kristy Tompontsika.


Fahasoavan-dehibe ary

Fa mampibanjina be dia be ny tontolom-piainantsika andavanandro ny fanentanan'ny Ray amandRenintsika, tsy ho kivin'ny sarotra fa hijoro am-pinoana. Tsy hanao tanisa tohivakana ny tsy mety efa tanisain'ny haino aman-jery ampy tsara isika, fa manentana ny finoana sy fanantenana ao am-pontsika kosa. Izao no tononandro tsy maintsy ijoroana amin'ny tena fitsanganan-ko velona. Tsy lavitra fa akaikintsika indrindra koa ny Mpanompon'Andriamanitra Lucien Botovasoa, maritirin'ny finoana sy ny fitiavana ny vady aman-janaka, ary misongadina tsikelikely ny fahasoavana entin'ny fibanjinana ny tantaram-piainany. Manentana manokana antsika tanora tsy ho sodokan'ny vola sahady ka hivarotra ny soa toavina sy ny fiainam-pinoana.

Miantso Famindra-po ny Papa; na dia ao anatin'ny kolompiainan'ny ady sy valifaty amin'ny endrika maro aza ny tontolo misy antsika eto Madagasikara sy amin'ny faritra maro eran-tany ankehitriny. lo ihany no lalana hahitana ny fiadanana. Manomboka amin'ny fiainam-pianakaviana izany. Eto no tianay hanokafana ny diantsika, miombona tsy mihalangalana amin'ny fianakaviana masina, ka eto am-pamaranana dia hiarahantsika manao ny vavaka aroson'ny Papa hataon'ny mpianakavy :

 

Jesoa, Maria Josefa.

Ao aminareo no ibanjinanay ny hakanton'ny tena fitiavana,

Mitodika aminareo amin'ny fo matoky tanteraka izahay.

Ry Fianakaviana Masina tao Nazareta,

Ny fianakavianay koa anie mba ho akany fiombonana

Sy ho toeram-pivavahana toy ny tao amin'ny senakla,

Ho tena sekoly ianarana ny Vaovao Mahafaly

Sy fiangonana kelin'ny mpianakavy.

Ry Fianakaviana Masina tao Nazareta,

Mba tsy hisy intsony amin'ny fianakaviana anie

Ny hetsika mampiasa herisetra,

Sy fiainana manirery ary ny fisaratsarahana ;

Izay voadona, maratra na tafintohina,

Dia mba alao alahelo sy tolory fahasitranana.

Ry Fianakaviana Masina tao Nazareta,

Ampio hahatsiaro tena izahay rehetra

Fa masina tsy azo hitsakitsahina ny fianakaviana,

Ary kanto aok'izany ny kendren'ny Tompo Andriamanitra hizorany.

Jesoa, Maria, Josefa,

Henoy ary ekeo vavaka izahay

Amen !


Dia mitso-drano antsika mianakavy handroso an-kasahiana amin'ny tena fiainana ny Famindram-pon'ny Ray isika, ka handray bebe kokoa ny fanomezan’ny Fanahy Masina tsy ho ela.

Anio 29 Avrily 2016,

Fetin'i Mb. Catherine tany Sienne.




Partager l'article:

Lakroa en direct
  • 14 Sep. 2018 - 08:38-

    Poulet de chair à Madagasikara. Pour Olivier Fanchette, de Innodis Poultry, il y a encore de la marge pour produire du poulet de chair à Madagasikara. “C’est pour cette raison que nous participons à la Foire Internationale d’Agriculture”. Innodis Poultry est l’un des plus grands producteurs de poulet de l’île Maurice. Selon Fanchette, cette société exporte vers Madagasikara du poulet de chair avec garantie sanitaire sans antibiotiques. De son côté Iqbal Mohungoo, de la société Meaders Feeds, assure l’alimentation des poulets de chair, une alimentation répondant aux besoins d’une clientèle autant présente sur le marché local que régional dont Madagasikara.

  • 13 Sep. 2018 - 07:45-

    Colloque sur l’énergie. Lors d’une rencontre avec la présse Andry Ramaroson a fait savoir que le Groupement Des Professionnels de l’Energie à Madagascar GDPEM organise un colloque en entrée libre qui se tiendra au 3A Andrefanambohijanahary durant 2 jours ou 4 demi-journées avec comme thème “Energie, 1er levier de la croissance économique de Madagascar”. La première demi-journée (matin du 14 septembre) une conférence-débat sur l’économie d’énergie et l’après-midi sur le génie électrique. La troisième demi-journée (matin du 15 septembre) une conférence-débat sur le thème 1er levier économique de Madagascar. Et l’après-midi sera consacré à la restitution des travaux.

  • 10 Sep. 2018 - 07:28-

    Affaires courantes du Président. Pour la HCC, rentrent dans la catégorie juridique des attributions présidentielles courantes, les affaires constituant la poursuite normale d’une procédure régulièrement engagée avant la démission du Président de la République, toute affaire dont l’importance dépasse celle des affaires de gestion journalière si la procédure qui a donné lieu à l’acte règlementaire concerné a été engagée bien avant la période critique et a ensuite été réglée sans précipitation et si les questions politiques, qui ont pu se poser sur le plan administratif, ont été résolues avant cette période critique.

  • 10 Sep. 2018 - 07:28-

    Non affaires courantes du Président. Pour la HCC, ne rentrent pas dans les compétences attribuées au Chef de l’Etat ad intérim celles qui procèdent des articles 45 alinéa 3, 54 ; 55 -2°, 4° sauf en cas de faute grave ou de crime ou délit commis par le haut fonctionnaire, 5°, 6°, 7°, 8° ; 56 ; 57 alinéa premier ; 58 ; 59 alinéa 2 ; 60 ; 61 ; 103 ; 104 ; 107 ; 137 ; 162 ; 163. Il est habilité à exercer toutes les autres attributions confiées au Président de la République par la Constitution.

  • 01 Sep. 2018 - 09:48-

    Journée mondiale de prière pour la sauvegarde de la création 2018. Instituée en 2015 par le Pape François, quelques mois après la publication de son encyclique « Laudato si’, sur la sauvegarde de la maison commune », cette journée a lieu chaque 1er septembre, en communion de prière avec les Eglises orthodoxes, « pour offrir « à chacun des croyants et aux communautés la précieuse opportunité de renouveler leur adhésion personnelle à leur vocation de gardiens de la création, en rendant grâce à Dieu pour l’œuvre merveilleuse qu’Il a confiée à nos soins. » (Pape François, Lettre du Pape François pour l’institution de la « Journée mondiale de prière pour la sauvegarde de la création », 6 août 2015).

  • 01 Sep. 2018 - 07:56-

    Liste des personnes exerçant des hautes fonctions et hauts emplois civils et militaires de l’Etat, candidates aux élections, assujetties à l’obligation de démission prévue à l’article 6 alinéa 5 de la Loi organique relative au régime général des élections et des référendums. I – Les personnes nommées aux hautes fonctions et hauts emplois civils de l’Etat :   – Grand Chancelier de l’Ordre National malagasy ; – Ambassadeurs ou chefs titulaires de missions diplomatiques avant rang d’Ambassadeurs ; – Gouverneur de la Banque Centrale ; – Secrétaires généraux, Directeurs généraux et Directeurs de ministères ; – Présidents d’Universités ; – Représentants de l’Etat au niveau des collectivités territoriales décentralisées ; – Directeurs généraux, membres des organes d’administration ou de gestion des organismes rattachés aux Institutions et aux départements ministériels.

  • 01 Sep. 2018 - 07:55-

    Liste des personnes exerçant des hautes fonctions et hauts emplois civils et militaires de l’Etat, candidates aux élections, assujetties à l’obligation de démission prévue à l’article 6 alinéa 5 de la Loi organique relative au régime général des élections et des référendums. II – Les personnes dont la nomination aux hautes fonctions et hauts emplois militaires est faite par décret en Conseil des Ministres : – Officiers Généraux ; – Inspecteur général de l’Armée Malagasy; – Inspecteur général de la Gendarmerie Nationale ; – Chef de l’Etat-Major général de l’Armée Malagasy ; – Commandant de la Gendarmerie Nationale ; – Adjoints au chef de l’Etat-Major général de l’Armée Malagasy; – Adjoints au Commandant de la Gendarmerie Nationale ; – Commandant des Forces Aériennes ; – Commandant des Forces Navales ; – Commandant des Forces d’Intervention – Commandant des Forces de développement ; – Chef d’Etat-major du commandement de la Gendarmerie Nationale ; – Commandants des régions militaires; – Commandants des Circonscriptions inter-régionales de la Gendarmerie Nationale ; – Tous autres fonctions et hauts emplois militaires dont la nomination est faite par décret en Conseil des Ministres.

  • 24 Aug. 2018 - 00:29-

    Le couple présidentiel a reçu, ce matin du 22 Août 2018, l’Archevêque de Toulouse, Mgr Le Gall Robert au Palais d’Iavoloha, dont c’est la seconde visite à Madagascar. Les discussions ont porté sur les actions humanitaires de la diaconie catholique de France àa Madagascar « Nous avons été très heureux de cette rencontre qui honore notre mouvement sur la diaconiede la beauté, et comment la beauté sous toutes ses formes pourrait conduire à Dieu » a déclaré Mgr Le Gall, qui a notamment le diocèse de Lourdes sous sa responsabilité. La place et le rôle de la Grande Île au niveau de la Région Océan Indien et sur le plan international ont été aussi évoqués lors de la rencontre

  • 23 Aug. 2018 - 20:33-

    Ankolagny 6. Prospérer organisé pour la sixième fois sa foire économique Ankolagny. Elle se déroule du 24 au 26 août et elle est hébergée par la commune de Befandriana nord. Les organisationsateurs tablent sur la venue de plus de 2000 visiteurs pour visiter la centaine de stands révus avec comme produit phare les blacks eyes, la vannille et l'oignon.

  • 17 Aug. 2018 - 07:22-

    Kandida faha-13. Mamy Richard Radilophe no kandida faha-13 nanatitra ny antontan-taratasy firotsahana handray anjara amin’ny fifidianana izay ho Filohan’ny Repoblika. Tonga nanatitra ny ny faha-16 aogositra teo izy. Izy dia mpisolovava niaro ireo olona nenjehin'ny fitondrana HVM, toa an'i Fernand Cello, ny tao Soamahamanina, efa mpisolovava an'i Jean Louis Robinson ihany koa tamin'ny fifidianana filoham-pirenena ny taona 2013. Ny antoko Roso ho an’ny Demokrasia Sosialy (Renouveau pour la Démocratie Sociale) izay misy an’i Fetison Rakoto Andrianirina no nanolotra azy.

  • 16 Aug. 2018 - 08:46-

    JOB no kandida- faha 11. Jean Omer Beriziky na JOB, Praiminisitra, Lehiben'ny Governemanta teo aloha no kandidà faha 11 amin'ny laharan'ny fanaterana ny taratasy filatsahana ho fidiana Filohan'ny Repoblika ho tontosaina ny fihodinana voalohany ny 7 novambra 2018. Ny 15 aogositra tamin'ny 2 ora sy sasany tolak'andro izy no nanatitra izany taratasy izany teny amin'ny Fitsarana Avo momban'ny Lalàmpanorenana, Ambohidahy. Tonga teny ny tenany niaraka tamin’i Jean Félicien izay "mandataire". Ny Antoko politika "Antsika Madagasikara" no nanolotra azy.

  • 16 Aug. 2018 - 08:46-

    Kandidà faha-12 nametraka dosie. Richard Razafy Rakotofiringa no kandidà faha-12 nametraka ny dosien-ny teny amin’ny FAL, Fitsarana Avo momba ny Lalampanorenana na HCC. Izy dia miaramila teo aloha sady mpampianatra. Razafimalala Harimanana Tiana izay "mandataire" no nametraka ny antontaratasy ny 15 aogositra teo. Ny Antoko politika "Solidarité des jeunes intellectuels pour l'avenir de Madagascar" (SJIM) no manolotra azy amin’izao fifidianana filohan’ny Repoblika izao.

  • 14 Aug. 2018 - 13:29-

    CEPE 2018. Le nombre de candidats inscrits à l’examen du CEPE qui aura lieu ce mardi 14 aout 2018 est de 551.655. Ils seront répartis dans 13.638 salles des 1.833 centres d’examen de tout Madagascar. Parmi ces candidats inscrits, 17 malvoyants et 19 sourds-muets vont participer aux épreuves du CEPE dans les cinq provinces de Madagascar, à l’exception de Mahajanga. Pour la DREN SAVA on compte 39 315 candidats qui se répartissent dans 86 centres d’examen. Il est à rappeler que les sujets diffèrent suivant la région et le diplôme a une valeur nationale.

  • 14 Aug. 2018 - 06:59-

    CEPE sy Laharana maitso 020 30 807 86. Manomboka ny talata 14 Aogositra dia ho apetraka eto anivon’ny Minisiteran’ny Fanabeazam-Pirenena ny « cellule » iray iraisan’ireo sampandraharaha mikirakira ny fanadinana izay hanangona ny vaovao rehetra manodidina ny fizotry ny fanadinana CEPE. Azonareo antsoina amin’ny laharana maitso 020 30 807 86.


  • 11 Aug. 2018 - 10:19-

    3 nouveaux candidats. Ce 10 août, trois candidats ont déposé leur dossier de candidature à l'élection présidentielle auprès de la Haute Cour Constitutionnelle à savoir : Dr Jules Etienne présenté par le parti MAFI (Madagasikara Fivoarana),  Zafimahaleo Rasolondraosolo, dit Dama Mahaleo, candidat du parti Manajary Vahoaka; et Paul Andrianiaina Rabary, candidat du parti MIASA. Ainsi, depuis l’ouverture de la période de dépôt des dossiers 7 candidats en tout ont déposé leur dossier (Andry Rajoelina, Jean Ravelonarivo, Mailhol Dieu Donné, Fanirisoa Erinaivo).

  • 04 Aug. 2018 - 08:57-

    Candidature du général Jean Ravelonarivo. Zaza Ramandimbiarison et Ambroise Tata ont procédé dans la matinée de ce 3 aout, au dépôt des dossiers de candidature à l'élection présidentielle du général Jean Ravelonarivo, ancien Premier ministre auprès de la Haute Cour Constitutionnelle (HCC). Il est le deuxième candidat à avoir déposé son dossier. Jean Ravelonarivo a été présenté par le parti politique Antokom-Bahoaka Malagasy ou ABA.  Pour mémoire ce parti politique a fait connaître son existence au cours du mois d’avril de cette année 2018.

  • 04 Aug. 2018 - 07:57-

    Andry Rajoelina premier candidat à déposer son dossier. L’ancien président de la Transition, s'est fait représenter par Andry Herizo Rakotozafy, éphémère directeur de cabinet du Premier ministre Ntsay Christian, dans l'après-midi de ce 1er aout, auprès de la Haute cour constitutionnelle (HCC) à Ambohidahy, pour déposer son dossier de candidature à l'élection présidentielle. Cela s’est passé au moment même où le candidat Rajoelina faisait son show au Palais des sports de Mahamasina pour présenter son IEM ou Initiative Emergence de Madagascar.

  • 27 Jul. 2018 - 13:45-

    Niala tsy ho filohan’ny antoko HVM izy. Nametra-pialana tsy ho Filoha Nasionalin'ny antoko HVM i Rivo Rakotovao. « Tsy miala HVM ny tenako fa miala tsy ho Filoha Nasionaly fotsiny ihany ho fanajana ny lalàna » hoy izy. Nambarany ihany koa fa tsy manangam-pahavalo ary tsy manam-pahavalo ny HVM fa safidin’ireo izay niala noho ny tsy fitovian-kevitra politika sy tsy fitovian-kevitra eo amin'ny fitantanana ny Firenena ny zava-mitranga. Nanamafy ny fangatahany sy fanolorany ny Filoha Rajaonarimampianina hirotsaka ho fidiana indray ny antoko HVM. Soritana fa ny Lalampanorenana dia milaza fa tsy mahazo mandray anjara amin’ny fiainana antoko politika ny filoham-pirenena (adininy faha-49).

  • 23 Jul. 2018 - 08:57-

    Antonio Benedito Sanchez s’en va. L’ambassadeur de la délégation de l’Union européenne pour Madagascar et l’Union des Comores, Antonio Benedito Sanchez quittera Madagascar satisfait du travail qu’il a accompli durant son mandat. Il a confié qu’il prendra la direction du Mozambique tandis que son successeur, l’Italien Giovani Di Girolamo arrivera dans la Grande île vers le début du mois de septembre. Il sera remplacé par L’Italien Giovani Di Girolamo.En attendant la prise de fonction du nouvel Ambassadeur, le Ministre Conseiller Lothar Jaschke assurera son intérim.

  • 30 Jun. 2018 - 08:40-

    Remplacement à l’Assemblée Nationale. « Le Député dont siège devient vacant est remplacé par le suppléant élu en même temps que lui, sauf en cas d’annulation de l’élection, jusqu’au renouvellement de l’Assemblée nationale ». .Que suivant le certificat de décès n°65969 versé au dossier, sieur ABDILLAH est décédé le 21 février 2018 à l’hôpital Apollo de New Delhi. La vacance d’un siège de Député à l’Assemblée nationale est constatée, à la suite du décès de sieur ABDILLAH. Est proclamé Député à l’Assemblée nationale, le candidat EDIZARD, premier suppléant de la liste VPM-MMM de Vohémar. (Arrêt de la HCC du 28 juin 2018).

Du même auteur

politique
societe

Dans la même rubrique

societe
societe
Publicité