logo
Lakroan'i Madagasikara
Cnaps sy Didec Moramanga

Antoka ahombiazana ny mpampianatra misitraka zo sosialy

JRR il y a 3 années

Ny diosezin'i Moramanga no nisitraka ny fampiofanana mitety diosezy tontosain'ny Cnaps. Fiaraha-miasa eo amin'ny Dinec sy ny Cnaps nanomboka ny taona 2015 izany. Diosezy faha15 nisitraka izao fampiofanana izao ny diosezin'i Moramanga

Antoka ahombiazana ny mpampianatra misitraka zo sosialy


 

Mitohy ny fandalinana ny lohahevitra  hoe « Ny maha izy azy ny sekoly katolika manoloana ny fitsinjovana ara-tsosialin’ireo mpanabe miasa eo anivon’ny sekoly katolika ». Talen-tsekoly miisa 20 tato anatin’ny diosezin’ny Moramanga indray no nisitraka ny fampiofanana nomen’ny Cnaps. nanomboka tamin’ny 2015 dia nisafidy manokana hiara-hiasa amin’ny CNaPS ny Dinec. Diosezy faha-15 nanatanterahana an’izao fampiofanana izao i Moramanga.

 

Adidin’ny mpampiasa ny mampiditra CNaPS ny mpiasa tsy an-kanavaka

Naharitra roa andro ny fampiofanana nokarakarain’ny Cnaps. Rasoanaivo Didier talen’ny fenitra sy ny fikarohana eo anivon’ny CNaPS no nitarika ny delegasionan’ireo mpampiofana Andriamatoa. Nanampy azy tamin’izany ireo lehiben’ny sampandraharaha isan-tsokajiny. Nanotrona koa ny talen’ny masoivoho Cnaps Moramanga.

Tanjona ny hahaizan’ny talen-tsekoly mikirakira ny lalàna manan-kery mikasika ny fitsinjovana ara-tsosialy sy ny lalàna mifehy ny asa sy ny fampiharana azy ary ny fomba hampiasany azy.

Misy tamin’ireo talen-tsekoly no efa mahafantatra ny lalàna velona, tao koa ireo vao nampahalalaina fa zo fototra ny fananana fiahiana ara-tsosialy ary adidin’ny mpampiasa ny mampiditra ny mpiasany ho mpikambana CNaPS mba hahafahan’ireo olom-pehezina misitraka ny zony ara-tsosialy.

Nojerena ny olana manoloana ny fampiharana an’io lalàna io noho ny antony samihafa ary ny fiantraikan’izany lalàna izany amin’ny fiainana ankehitriny. Mety hisy manko ny sekoly tsy maharaka an’io fitsinjovana ara-tsosialy io. Fotoana nametrahan’ireo tale ireo fanontaniana manitikitika momba ny fiahiana ara-tsosialy. Nanolotra vahaolana hatrany ireo tompon’andraikitra avy main’ny Cnaps. Tokony hatao ho tanjona ny hahitana vahaolana amin’ny fanolorana ny tolo-dalàna avy amin’ny tsoa-kevitra manoloana ny zava-misy ao amin’ny diosezy iray. Entin’ny tompon’andraikitra nasionaly hitadiavana vahaolana maharitra izany. Mety hiafara amin’ny fanolorana ny tolo-dalàna amin’ny tompon’andraikitra rehetra, hanatsarana ny lafiny sosialy. Mampivelatra ny mpiasa ao aminy ny fanolorana ny tolo-dalàna hoentina manatsara ny zo sy ny sosialin’ny mpiasa amin’ny sekoly katolika.

Vitsy ny sekoly katolika ato anatin’ny diosezin’i Moramanga ahitana sekoly miisa 26 ary mpampianatra 104. Somary midadasika ihany ny diosezy satria Anosibe An’Ala no any Atsimo, any Atsinanana ny tanànan’i Beforona, any Avaratra Andaingo ary any Andrefana kosa i Beparasy Anjiro. Distrika valo no mandrafitra ny diosezin’i Moramanga.

Rehefa misy sanatria ny tsy fanarahan-dalàna amin’ny lafiny rehetra dia tsy mitsahatra ny manentana ireo talen-tsekoly ao anatin’ny diosezy iandraiketany i Masera Razanamamala Geneviève, Didec Moramanga. Nambarany fa zava-dehibe ny fifampitsinjovana eo amin’ny mpampiasa sy ny mpiasa. Ny fanajana ny zon’ny mpiasa sy ny fahazahoana ny fiahiana ara-tsosialy dia manentana sady mandrisika ny mpiasa hiasa tsara ary mampandroso ny sekoly. Isan’ny antony mahatonga ny mpiasa very zo ny fanefan’ny mpampiasa ampahany ihany amin’ny latsakemboka, misy koa ireo manafina ka manao fanambarana filazan-karama tsy araka ny tokony ho izy. Manoloana izany dia nanentana ny mpampiasa rehetra i Frère Andrianatrarana José Florent, talen-tsekoly Saint Antoine ao Anosibe An’Ala, fa « Ny tale rehetra dia tokony hampiditra ny mpiasany tsy an-kanavaka ao amin’ny Cnaps ary hanao ny fanambarana filazan-karama amim-pahamarinana sy amin-kitsi-po satria izay no miantoka ny fiahiana ara-tsosialy sy ny ho avin’ny mpanabe

Etsy an-danin’izay isan’ny voalaza nandritra ny fifanakalozan-kevitra fa efa tsy mifanaraka amin’ny toetr’andro ankehitriny intsony ny lalàna mifehy ny fiarovana ara-tsosialin’ny mpiasa eto Madagasikara. Saika lalàna nifanaraka tamin’ireo nampiharina tamin’ny mpiasa tamin’ny taona 1969 no iainana. Mitety diosezy izao fampiofanana atao amin’ny talen-tsekoly katolika izao ka any toliara ny andiany manaraka.

« Tapitra jerena akaiky avokoa na ny ora fiasanan’ny mpampianatra na ny programma ary tsy leferina mihitsy ny gaboraraka izay no antony mahatonga ny fahombiazana ho an’ny sekoly katolika. Koa tsy mahagaga raha misongadina hatrany izy amin’ ny voka-panadinana » hoy Sœur Razanamalala Géneviève Didec Moramanga. Ary kasinga iray fanampiny hitehirizana ny vokatra tsara ny fisian'ny mpampianatra misitraka ny zo soialy. Isan’ny ezaka hatao koa ankehitriny ny mampanaja ny zo sosialin’ireo mpiasa misehatra an’ivon’ny tontolon’ny fampianarana.

Araraotina ihany koa ny fotoana nanaovan’ireo mpitantana sekoly ao anatin’ny diosezy nifampizara tamin’ny tompon’andraikitra nasionaly notarihan’I Mompera Jules Ranaivoson.

 

Nanangona Cathy sy JRR





Partager l'article:

Lakroa en direct
  • 20 Jul. 2019 - 10:19-

    Ntsay Christian remplace Christian Ntsay.“Conformément aux dispositions de l’article 54 de la Constitution, est nommé Premier Ministre, Chef du Gouvernement : Monsieur NTSAY Christian” tel est le premier article du décret N°2019-1407, portant nomination du Premier Ministre, publié par la présidence de la République ce 19 juillet 2019. Le choix du premier ministre a été effectué sur la base des noms présentés par les députés majoritaires de l’IRD. Selon la "rumeur" Les trois noms présentés sont : Fienena Richarn Haja Resampa et Ntsay Christian. Il est donc reconduit (pour la deuxième fois) par le président Andry Rajoelina.

  • 19 Jul. 2019 - 08:45-

    JIOI 2019. Dans le cadre des Jeux des Îles, les Barea affrontent en premier les Seychelles. Le match se déroulera au stade Auguste Vollaire le 20 juillet à 14h15. Madagascar n’a pas perdu, lors des deux dernières rencontres entre les deux sélections, avec une victoire (0-1) le 11 juin 2016 et un match nul (1-1) le 29 mai 2018.

  • 18 Jul. 2019 - 14:15-

    USA. Le cardinal DiNardo interpelle Donald Trump sur les droits des migrants. «Il est contraire aux valeurs américaines et chrétiennes de chercher à empêcher aux personnes d’émigrer ici quand elles fuient pour sauver leurs vies et pour trouver une sécurité pour leurs familles», déclare le cardinal DiNardo.

  • 18 Jul. 2019 - 11:27-

    Birao maharitra AN. Vita ny fifidianana ny mpikambana ireo mandrafitra ny Birao maharitry ny Antenimieram-pirenena. Toy izao izany : Filohan’ny Antenimierampirenena : Razanamahasoa Christine Harijaona, Ambatofinandrahana (IRD). Filoha Lefitra Antananarivo : Rasolonjatovo Honoré, Faratsiho (IRD). Filoha Lefitra Antsiranana : Rahelihanta Jocelyne, Antsiranana I (IRD). Filoha Lefitra Fianarantsoa : Razafitsiandraofa Jean Brunelle, Ikongo (IRD). Filoha Lefitra Mahajanga : Rahantanirina Lalao, Mahajanga I (IRD). Filoha Lefitra Toamasina : Michelle Bavy Angelica, Fenérive Est (IRD). Filoha Lefitra Toliara : Rabenirina Jean Jacques, Betioky Atsimo (IRD).
    Questeur 1 : Henri Jean Michel, Ambovombe (IRD). Questeur 2 : Rakotomanga Lantoarivola Sedera, Antananarivo II (IRD). Questeur 3 : Rabenirina Maminiaina Solondraibe, Ambohidratrimo (TIM).
    Mpampakateny : Angèle Solange, Amboasary Atsimo (Mahaleotena). Mpampakateny lefitra : Rafenomanantsoa Tsirimaharo Ny Aina, Antananarivo III (IRD).

  • 17 Jul. 2019 - 09:30-

    Mercato-Jeremy Morel. En fin de contrat avec l'OL, l’international malgache Jeremy Morel signe pour un an de contrat avec le Stade Rennais. « Je suis très enthousiaste et fier de rejoindre le Stade Rennais F.C. Je vais faire du mieux possible pour apporter mon expérience au club. J’avais plusieurs sollicitations mais sportivement je me voyais plus ici. J’espère avoir fait le bon choix. À moi de tout faire sur le terrain pour remercier le Président de sa confiance », a-t-il déclaré.  

  • 16 Jul. 2019 - 09:30-

    Désensablement. La piscine naturelle du Parc National Isalo est de nouveau ouverte à la baignade depuis le vendredi 12 juillet dernier. « La profondeur et la propreté de l’eau ont été testées par les agents de Madagascar National Parks afin de s’assurer que toutes les conditions requises pour la baignade durant la haute saison touristique 2019 soient au mieux », déclare Madagascar National Parks sur Facebook.

  • 15 Jul. 2019 - 14:30-

    Jeux des îles. A l’île Maurice, les sportifs venant des sept îles de l'océan Indien s'affronteront sur quatorze disciplines : athlétisme, badminton, le basketball, boxe, cyclisme, football, haltérophilie, judo, natation, tennis de table, voile, beach volley et volleyball. Pour cette édition, l’ouverture officielle se fera le 19 juillet et prendra fin le 28 juillet.

  • 15 Jul. 2019 - 13:00-

    FMF. Lova Ramisamanana ne pourra se présenter à la course pour être à la tête de la fédération malgache de football. Il l’évoque sur sa page Facebook ainsi, « j’ai le regret de vous annoncer que je ne pourrai pas me présenter à la présidence de la fédération malagasy de football, faute de n’avoir pu réunir les 3 cautions requises. Nous nous sommes battus jusqu’au bout mais nous n’avons pu faire face à certains obstacles. »

  • 15 Jul. 2019 - 08:30-

    CAN 2019. Suite à leur victoire respective contre la Tunisie et le Nigéria, le Sénégal et l’Algérie disputeront la finale de cette édition de la Coupe d’Afrique des Nations. Pour rappel, les Fennecs ont battu ces Lions de la teranga lors de la phase de poule sur le score de 1-0 avec le but de Youcef Belaili.

  • 11 Jul. 2019 - 06:30-

    Fandaminana. Handamina ny polisim-pirenena ho an’ny alakamisy alina araka ny resadresaka tamin’ny mpanao gazety nataon’ireo tompon’andraikitra ao amin’ny Polisim-pirenena. Nanome ireo toromarika manodidina ny filaminana mandritra ny fijerena baolina kitra amin’izao Can izao izy ireo. Maro ny polisy hiasa amin’io alin’ny alakamisy io raha ny nambaran’ireto tompon’andraikitra ao amin’ny polisim-pirenena ireto.

  • 09 Jul. 2019 - 13:30-

    Supporter les Barea. L’inscription est ouverte pour aller supporter les Barea en Egypte pour leur quart de finale contre la Tunisie. Les billets sont disponibles auprès de l’Air Madagascar à Analakely. Adressez-vous à la même agence pour plus d’infos.

  • 06 Jul. 2019 - 13:00-

    Pape François – Poutine. Le président russe Vladimir Poutine a rencontré le pape François au Vatican le 4 juillet pour une discussion privée de 55 minutes. Le pape François et Poutine ont discuté de questions d'actualité en Syrie, en Ukraine et au Venezuela, ainsi que de questions environnementales et de questions concernant l'Eglise catholique en Russie, selon le bureau de presse du Saint-Siège.

  • 05 Jul. 2019 - 11:00-

    CAN 2019. La CAF a rejeté les plaintes contre la RDC pour match truqué. Suite à l’insuffisance de preuve réelle, les accusations de corruption de la fédération zimbabwéenne de football vis-à-vis de leur gardien de but ont été rejeté. De ce fait, le match entre Madagascar et la RDC dans le cadre des huitièmes de finale aura bel et bien lieu dimanche prochain.

  • 05 Jul. 2019 - 08:30-

    Wi-fi gratuit. Le mercredi 10 juillet prochain, le wi-fi gratuit sera disponible à Antananarivo. Il sera possible de se connecter librement, sur quatre zones incontournables de la capitale comme au jardin Antaninarenina, à l’arrêt bus Ambohijatovo, au jardin Antanimena et au pont de Behoririka.

  • 04 Jul. 2019 - 10:30-

    Nicolas Dupuis. Selon Jeune Afrique, Nicolas Dupuis est 31ème dans le classement des entraîneurs les mieux payés en Afrique. Il perçoit 7000€ par mois, selon les chiffres publiés par le média. Le sélectionneur de l’Egypte, Javier Aguirre, est le coach le mieux rémunéré sur le continent avec un salaire mensuel de 108 000 euros.

  • 03 Jul. 2019 - 15:15-

    CAN 2019. Anicet Andrianantenaina et Carolus Andriamanitsinoro intègrent l’équipe type de la phase de poule de cette Coupe d’Afrique des Nations. Pour rappel, Anicet était l’homme du match pendant la rencontre face à la Guinée. Carolus l’était à son tour pendant le match contre le Nigéria.

  • 03 Jul. 2019 - 14:30-

    FIER-Mada. Tanterahana ny alarobia 7 hatramin’ny 11 aogositra ho avy izao ny FIER-Mada faha 21, ao amin’ny kianja Makis Andohatapenaka. Amin’izany dia hisy ny lao-bary an-dasy hiompana amin’ny « fandrosoana maharitra : tetik’asam-panjakana vatsiana vola amin’ny voajanahary sy ifampierana amin’ny tantsaha eny ifotony ».

  • 03 Jul. 2019 - 13:15-

    Energie solaire. La nouvelle technologie solaire pourrait produire de l'eau potable propre pour des millions de personnes dans le besoin. Des appareils appelés alambics solaires utilisent le soleil pour évaporer l'eau salée et condenser la vapeur en eau potable saine. Les chercheurs ont mis au point un nouveau système accélérant le processus d'évaporation, permettant ainsi à un petit alambic solaire de fournir toute l'eau potable dont une famille a besoin.

  • 03 Jul. 2019 - 08:30-

    Fampandrenesana. Tapaka ny lalana : -Lalana Dr Rajaonah- Pharmacie Ankadifotsy- EKAR Antanimena- ESCA ny saboty 6 jolay 2019. Voarara ho an’ny fifamoivoizan’ny  fiara rehetra tsy an-kanavaka ny ampahany amin’ireo lalana ireo. Izany dia noho ny fankalazana ny faha-50 taonan’ny Sekoly Les Lutins Ankadifotsy, araky ny fampandrenesana.

  • 02 Jul. 2019 - 08:00-

    Supporter les Barea. Une offre exceptionnelle est disponible pour les 8è de finale de cette CAN. Elle est à 2.200.000 ar ( Billet d avion A/R +Hebergement+Transfert hôtel-stade+ Billet d entrée stade ) 298.000 ar ( Visa de séjour ) 198.000 ( Passeport ) soit 2.688.000 AR Départ d Ivato samedi 06 juillet - retour Ivato Lundi 08 juillet Appareil A 380 . Plus d infos contacter Air MADAGASCAR

Du même auteur

sport
societe

Dans la même rubrique

education
education
Publicité