logo
Lakroan'i Madagasikara
Ady tany ao Antsahonjo

Tsy misy mpiaro ny tantsaha

Razafindramanitra il y a 3 années

Miseho lany amina toerana maro eto Madagasikara ity resaka ady tany ity. Eo amin’ny samy Malagasy. Fa efa hita mihamaro koa ny ady tany ahitana Sinoa ao ambadika ao na mivantana mihitsy aza. Iray amin’ireny ny mitranga ao Antsahonjo.

Tsy misy mpiaro ny tantsaha

Raha nandre ny kabarin’ny Filoha Hery Rajaonarimampianina nataony ny 8 janoary 2016 teo izahay tantsaha aty Antsahonjo dia velombolo tokoa” hoy Lemainty. “Mahakasika anay mivantana izany tany misoratra amin’ny colon izany ka misy Gasy nanamaintimolaly azy eo. Io tany volenay ankehitriny io dia efa tany amin’ny taona 1930 no nisoratra tamin’ny fianakaviana Ipton” hoy izy nanohy.

Ny volana marsa 2016 teo dia naka vola mitentina 160 000 Ar isam-pokontany ny ben’ny tanàna, Atoa Rajiabelina André dit Jabony, izay ben’ny tanànan’Ambodisakoana. Nalaina izany vola izany niakaran’izy sy solontena hafa ho any Antananarivo hikarakarana ny momba ny tany efa niasan’ny vahoaka eo amin’ny faritra iadidiany.

Rehefa tafaverina avy any Antananarivo ary ity ben’ny tanàna ity dia nilaza tamin’ny vahoaka fa : “Azo volena ny tany fivelomana hatrizay. Tsy azo kitikitihina ny tany fambolena landihazo”. Natoky ny vahoaka raha nandre izany. Samy niasa ny tany efa nataony hatramin’izay ireto tantsaha ireto. Samy manana ny famboleny moa ny tsirairay toy ny black-eyes, voatsiroaka, tsaramaso, katsaka.

Ny faramparan’ny volana mey anefa dia tonga ny sinoa naniraka olona nitondra trakitera roa "handratra" ny voly. Teo ambany fiarovan’ny zandary no nanaovana izany fanimbana ny voly izany. Tsy sahy nisakana ny tantsaha.

Toa izao no hita ao amin’ny tatitra nataon’ny lehiben’ny fari-piadidiana ny fampivoarana ambanivohitra : “Maty voatrongy sy potika tanteraka ary tsy misy ho raisina ny volin’ireto olona voatanisa anarana ireto (anarana 27 no voatanisa ao)”. Karazam-boly efatra no hita [black-eyes (velaran-tany 9,87 ha), voatsiroaka (7,54 ha), tsaramaso (3,87 ha), katsaka(10,50ha)]. Araka ny kajikajy fanombanana nataon’ity sampan-draharaham-panjakana ity dia mitontaly ho 19 119 600 Ar ny fandaniana natao nikarakarana ireo fambolena ireo ka isan’ny nikajiana izany ny vola lany nividianana ambioka, nitrongy, niava, nividy fanafody...). Ary raha namokatra ireo dia tombanana ho 39 722 500 Ariary ny vola tokony ho azon’ireo tantsaha ireo. Ny fitsirihana dia natao ny 2 jona teo.

Io no hita amin’ny fitsirihana natao teo amin’ny toerana iray. Ireo tantsaha kosa dia vonona hametraka fitoriana mifanaraka amin’io voalaza io ary misy koa fitoriana hafa ahitana fahasimbana hafa (voly kida, paraky, voanjo, voatabia, concombre, voatavo, voatango).

Tsiahy

Toa izao no azo amintinana ny fitantaran’ireto tantsaha ireto ny momba ity ady tany ity.

Velaran-tany mahatratra 1570 ha no voakasik’izao resaka izao. “Efa tany amin’ny taona 1930 ny olona no niasa teto amin’ity faritra resahantsika ity” hoy Mompera Lemainty Sylvain. Misoratra amin’i Ipton ny tany hatramin’izay. Ny fomba fiasan’ity tompontany ity dia misy faritra iasany ary nanome ampahan-tany izy hipetrahan’ny olona sy hambolen’izy ireo manokana amin’izay voly tiany. Tombanana ho 60 ha io velaran-tany nonenana sy nambolena io. (Io ampahan-tany efa nahazatra ny olona io nisy voly noratrana io).

Dominique Ipton kosa no nandova ny tany. Tany amin’ny taona 1993 no nandalo fahasahiranana ny orinasan’ity mpandova ity. Dia nisy ny fotoana namidiny tamin’i Mamy ny tany. Ity farany indray kosa dia re siosio fa nifampiraharaha tamin’ny sinoa ao amin’ny orinasa Tianli Agri. Tsy fantatra mazava na famarotana ny tany io na fampanofana ny tany ihany (bail emphythéotique).

Tsy nipetraka tamin’izao fotsiny izahay” hoy Ratsimbazafy Daniel. “Nanangana fikambanana antsoina hoe Vitsika izahay. Nangataka ny ampahan-tany izay niasanay sy nipetrahanay izahay” hoy izy. Efa talohan’ny taona 2000 izany. Ny taona 2011 dia mbola namerina nametraka fangatahana ity fikambanana ity. Naka topographe izy ireo ny volana janoary 2011.

Noho izany ezaka efa natao izany indrindra no nahavelombolo ireto tantsaha ireto raha nandre ny kabarin’ny Filoham-pirenena teny Iavoloha ny fiandohan’ny taona 2016 ity. Ho azy ireo dia mendrika hisitraka ny fahazoana ny tany izy ireo. Efa milevina ao amin’izany toerana izany ny razan’izy ireo, efa maherin’ny 80 taona nipetrahana teo ny fianakaviana sasany. Nahay nifampiraharaha tamin’ny colon. Saingy rehefa tonga ny fitondrana nentin’ny Malagasy vao tratry ny hafetsifetsena ny tantsaha. Fantatray fa nanana olana tamin’ny fanjakana ny taranak’i Ipton. Izany no antony nivarotany ny tany tamina Malagasy iray. Io indray no nifampiraharaha tamin’ny Sinoa. Izao tonga amin’ny fandratrana ny voly izao.

Ny tena olana ho an’ireo tantsaha ankehitriny dia tsy manana manam-pahefana ianteherana izy ireo. Ny volana mey teo dia niara-nidina teny an-toerana ny ben’ny tanàna, ny depiote ary ny lehiben’ny disitrika. Tonga nilaza izy ireo fa tsy afaka mijanona amin’ny tany ny tantsaha. Izy ireo noheverina hiaro ny vahoaka no tonga niaro ny vahiny. “Tsiahivinay fa ny depiote anie ka mpiasa tao amin’ny orinasan’i Mamy e” hoy ny tantsaha iray. “Manoloana izany tsy mahagaga raha ny tombontsoan’ny mpampiasany no arovany fa tsy ny anay vahoaka izay nifidy azy” hoy izy.

Miezaka mikaroka ny lalana hahazoan’izy ireo rariny ireto tantsaha. Nanatona ny teo anivon’ny fitsarana izy ireo. Nihaino ny toro-hevitra naroson’ny mpahay lalàna sy paikady.

Ny tena tadiavin’ireto tantsaha dia ny hitoetra eo amin’ny tany izay nomaintisin’izy ireo molaly ampolo taonany maro.

Tapaka ny hevitr’ireto tantsaha fa hitory izy ireo noho ny fanapotehana ny voly. Nitory an’ilay sinoa ao amin’ny orinasa Tianli sy ireo mpamily trakitera nampiasaina hanimbana ny voly ireo tantsaha maro. Dingana voalohany izany.

Ny dingana faharoa dia ny fanamafisana ny ezaka hahazoana ny tany, araka ny fampanantenana nataon’ny Filoham-pirenena. Mitodika manokana any amin’ny senatera ry zareo ankehitriny. Tsy manary toky izy ireo na dia efa hita aza fa tsy azo antenaina ireo manampahefana voatendry sy lanim-bahoaka. Marihina fa misy ny efa maniry haka tahaka ny zava-nitranga tany amin’ny tananan’i Mandritsara. Voatery ho izay tokoa ve ny famahana olana ?

Partager l'article:

Lakroa en direct
  • 19 Jul. 2019 - 08:45-

    JIOI 2019. Dans le cadre des Jeux des Îles, les Barea affrontent en premier les Seychelles. Le match se déroulera au stade Auguste Vollaire le 20 juillet à 14h15. Madagascar n’a pas perdu, lors des deux dernières rencontres entre les deux sélections, avec une victoire (0-1) le 11 juin 2016 et un match nul (1-1) le 29 mai 2018.

  • 18 Jul. 2019 - 14:15-

    USA. Le cardinal DiNardo interpelle Donald Trump sur les droits des migrants. «Il est contraire aux valeurs américaines et chrétiennes de chercher à empêcher aux personnes d’émigrer ici quand elles fuient pour sauver leurs vies et pour trouver une sécurité pour leurs familles», déclare le cardinal DiNardo.

  • 18 Jul. 2019 - 11:27-

    Birao maharitra AN. Vita ny fifidianana ny mpikambana ireo mandrafitra ny Birao maharitry ny Antenimieram-pirenena. Toy izao izany : Filohan’ny Antenimierampirenena : Razanamahasoa Christine Harijaona, Ambatofinandrahana (IRD). Filoha Lefitra Antananarivo : Rasolonjatovo Honoré, Faratsiho (IRD). Filoha Lefitra Antsiranana : Rahelihanta Jocelyne, Antsiranana I (IRD). Filoha Lefitra Fianarantsoa : Razafitsiandraofa Jean Brunelle, Ikongo (IRD). Filoha Lefitra Mahajanga : Rahantanirina Lalao, Mahajanga I (IRD). Filoha Lefitra Toamasina : Michelle Bavy Angelica, Fenérive Est (IRD). Filoha Lefitra Toliara : Rabenirina Jean Jacques, Betioky Atsimo (IRD).
    Questeur 1 : Henri Jean Michel, Ambovombe (IRD). Questeur 2 : Rakotomanga Lantoarivola Sedera, Antananarivo II (IRD). Questeur 3 : Rabenirina Maminiaina Solondraibe, Ambohidratrimo (TIM).
    Mpampakateny : Angèle Solange, Amboasary Atsimo (Mahaleotena). Mpampakateny lefitra : Rafenomanantsoa Tsirimaharo Ny Aina, Antananarivo III (IRD).

  • 17 Jul. 2019 - 09:30-

    Mercato-Jeremy Morel. En fin de contrat avec l'OL, l’international malgache Jeremy Morel signe pour un an de contrat avec le Stade Rennais. « Je suis très enthousiaste et fier de rejoindre le Stade Rennais F.C. Je vais faire du mieux possible pour apporter mon expérience au club. J’avais plusieurs sollicitations mais sportivement je me voyais plus ici. J’espère avoir fait le bon choix. À moi de tout faire sur le terrain pour remercier le Président de sa confiance », a-t-il déclaré.  

  • 16 Jul. 2019 - 09:30-

    Désensablement. La piscine naturelle du Parc National Isalo est de nouveau ouverte à la baignade depuis le vendredi 12 juillet dernier. « La profondeur et la propreté de l’eau ont été testées par les agents de Madagascar National Parks afin de s’assurer que toutes les conditions requises pour la baignade durant la haute saison touristique 2019 soient au mieux », déclare Madagascar National Parks sur Facebook.

  • 15 Jul. 2019 - 14:30-

    Jeux des îles. A l’île Maurice, les sportifs venant des sept îles de l'océan Indien s'affronteront sur quatorze disciplines : athlétisme, badminton, le basketball, boxe, cyclisme, football, haltérophilie, judo, natation, tennis de table, voile, beach volley et volleyball. Pour cette édition, l’ouverture officielle se fera le 19 juillet et prendra fin le 28 juillet.

  • 15 Jul. 2019 - 13:00-

    FMF. Lova Ramisamanana ne pourra se présenter à la course pour être à la tête de la fédération malgache de football. Il l’évoque sur sa page Facebook ainsi, « j’ai le regret de vous annoncer que je ne pourrai pas me présenter à la présidence de la fédération malagasy de football, faute de n’avoir pu réunir les 3 cautions requises. Nous nous sommes battus jusqu’au bout mais nous n’avons pu faire face à certains obstacles. »

  • 15 Jul. 2019 - 08:30-

    CAN 2019. Suite à leur victoire respective contre la Tunisie et le Nigéria, le Sénégal et l’Algérie disputeront la finale de cette édition de la Coupe d’Afrique des Nations. Pour rappel, les Fennecs ont battu ces Lions de la teranga lors de la phase de poule sur le score de 1-0 avec le but de Youcef Belaili.

  • 11 Jul. 2019 - 06:30-

    Fandaminana. Handamina ny polisim-pirenena ho an’ny alakamisy alina araka ny resadresaka tamin’ny mpanao gazety nataon’ireo tompon’andraikitra ao amin’ny Polisim-pirenena. Nanome ireo toromarika manodidina ny filaminana mandritra ny fijerena baolina kitra amin’izao Can izao izy ireo. Maro ny polisy hiasa amin’io alin’ny alakamisy io raha ny nambaran’ireto tompon’andraikitra ao amin’ny polisim-pirenena ireto.

  • 09 Jul. 2019 - 13:30-

    Supporter les Barea. L’inscription est ouverte pour aller supporter les Barea en Egypte pour leur quart de finale contre la Tunisie. Les billets sont disponibles auprès de l’Air Madagascar à Analakely. Adressez-vous à la même agence pour plus d’infos.

  • 06 Jul. 2019 - 13:00-

    Pape François – Poutine. Le président russe Vladimir Poutine a rencontré le pape François au Vatican le 4 juillet pour une discussion privée de 55 minutes. Le pape François et Poutine ont discuté de questions d'actualité en Syrie, en Ukraine et au Venezuela, ainsi que de questions environnementales et de questions concernant l'Eglise catholique en Russie, selon le bureau de presse du Saint-Siège.

  • 05 Jul. 2019 - 11:00-

    CAN 2019. La CAF a rejeté les plaintes contre la RDC pour match truqué. Suite à l’insuffisance de preuve réelle, les accusations de corruption de la fédération zimbabwéenne de football vis-à-vis de leur gardien de but ont été rejeté. De ce fait, le match entre Madagascar et la RDC dans le cadre des huitièmes de finale aura bel et bien lieu dimanche prochain.

  • 05 Jul. 2019 - 08:30-

    Wi-fi gratuit. Le mercredi 10 juillet prochain, le wi-fi gratuit sera disponible à Antananarivo. Il sera possible de se connecter librement, sur quatre zones incontournables de la capitale comme au jardin Antaninarenina, à l’arrêt bus Ambohijatovo, au jardin Antanimena et au pont de Behoririka.

  • 04 Jul. 2019 - 10:30-

    Nicolas Dupuis. Selon Jeune Afrique, Nicolas Dupuis est 31ème dans le classement des entraîneurs les mieux payés en Afrique. Il perçoit 7000€ par mois, selon les chiffres publiés par le média. Le sélectionneur de l’Egypte, Javier Aguirre, est le coach le mieux rémunéré sur le continent avec un salaire mensuel de 108 000 euros.

  • 03 Jul. 2019 - 15:15-

    CAN 2019. Anicet Andrianantenaina et Carolus Andriamanitsinoro intègrent l’équipe type de la phase de poule de cette Coupe d’Afrique des Nations. Pour rappel, Anicet était l’homme du match pendant la rencontre face à la Guinée. Carolus l’était à son tour pendant le match contre le Nigéria.

  • 03 Jul. 2019 - 14:30-

    FIER-Mada. Tanterahana ny alarobia 7 hatramin’ny 11 aogositra ho avy izao ny FIER-Mada faha 21, ao amin’ny kianja Makis Andohatapenaka. Amin’izany dia hisy ny lao-bary an-dasy hiompana amin’ny « fandrosoana maharitra : tetik’asam-panjakana vatsiana vola amin’ny voajanahary sy ifampierana amin’ny tantsaha eny ifotony ».

  • 03 Jul. 2019 - 13:15-

    Energie solaire. La nouvelle technologie solaire pourrait produire de l'eau potable propre pour des millions de personnes dans le besoin. Des appareils appelés alambics solaires utilisent le soleil pour évaporer l'eau salée et condenser la vapeur en eau potable saine. Les chercheurs ont mis au point un nouveau système accélérant le processus d'évaporation, permettant ainsi à un petit alambic solaire de fournir toute l'eau potable dont une famille a besoin.

  • 03 Jul. 2019 - 08:30-

    Fampandrenesana. Tapaka ny lalana : -Lalana Dr Rajaonah- Pharmacie Ankadifotsy- EKAR Antanimena- ESCA ny saboty 6 jolay 2019. Voarara ho an’ny fifamoivoizan’ny  fiara rehetra tsy an-kanavaka ny ampahany amin’ireo lalana ireo. Izany dia noho ny fankalazana ny faha-50 taonan’ny Sekoly Les Lutins Ankadifotsy, araky ny fampandrenesana.

  • 02 Jul. 2019 - 08:00-

    Supporter les Barea. Une offre exceptionnelle est disponible pour les 8è de finale de cette CAN. Elle est à 2.200.000 ar ( Billet d avion A/R +Hebergement+Transfert hôtel-stade+ Billet d entrée stade ) 298.000 ar ( Visa de séjour ) 198.000 ( Passeport ) soit 2.688.000 AR Départ d Ivato samedi 06 juillet - retour Ivato Lundi 08 juillet Appareil A 380 . Plus d infos contacter Air MADAGASCAR

  • 01 Jul. 2019 - 10:30-

    USA-Corée du Nord. Le président Donald Trump et le président nord-coréen Kim Jong Un se sont rencontrés dimanche dans la zone démilitarisée (entre la Corée du Nord et du Sud) fortement fortifiée et ont convenu de relancer les pourparlers sur le programme nucléaire de Pyongyang. Trump, faisant pression pour obtenir un accord définissant un héritage, est devenu le premier dirigeant américain assis à entrer en Corée du Nord.

Du même auteur

societe
politique

Dans la même rubrique

societe
societe
Publicité