logo
Lakroan'i Madagasikara
Diosezy Boriziny

Paroasy Fo Masin’i Jesoa sy sekoly Fo Madion’i Maria samy hankalaza ny faha 10 taona

Ranaivo Jacques il y a 3 années

Mompera Lemainty Sylvain François, curé-n’ny paroasy Fo Masin’i Jesoa no mizara amintsika ny momba ny fiangonana tantaniny ao anatin’ny diosezin’i Boriziny (Port-Bergé)

 Paroasy Fo Masin’i Jesoa sy sekoly Fo Madion’i Maria samy hankalaza ny faha 10 taona

3%. Raha ny fanazavan’i Mompera Lemainty dia tsisy afa-tsy 3% eo ho eo ny tahan’ny katolika ao amin’ny tananan’i Port-Bergé. Ary raha ny mpiangona eo amin’ny paroasy Fo Masin’i Jesoa sahaniny dia mahatratra eo amin’ny 600 eo ho eo. Misy lamesa roa isan’alahady amin’ny 6 ora maraina sy amin’ny 9 ora. Izy no curé faharoa mitantana ny paroasy. Ary pretra Malagasy hatrany no nitantana ity paroasy.

Misy fiantraikany amin’ny fandraisana sakramenta izany fahavitsian’ny kristianina izany. Eo amin’ny 5 isan-taona eo ny mariazy tontosaina eo amin’ny paroasy.  Miezaka hatrany ny diosezy mandrisika ny ray amandreny mitondra ny zanany hatao batemy. Misy 100 ny salan’isan’ireo zaza hatao batemy isan-taona. Misy 70 ny ankizy mandray ny komonio voalohany isan-taona (TTF : marihina hatrany fa tsy ny fandraisana ny komonio voalohany no maha sakramenta ny eokarisitia, fanamarihana ihany ny fandraisana ny komonio voalohany fa mitoetra ho sakramenta mandrakizay ny eokaristia na impiry no nandraisana azy teo amin’ny fiainan’ny olona iray), 40 sisa no mahatozo eo amin’ny fandraisana ny sakramentan’ny Fankaherezana.

Raha tsisy afa-tsy 3%n’ny mponina no hany kristianina dia mitory izany fa misy ezaka lehibe miandry an’ireo nandray batemy rehetra fa indrindra ny pretra. “Tena mbola vitsy izahay pretra ato anatin’ny diosezy. Noho izany ny pretra iray dia voatery isahana asa maro. Ny tenako izao dia ankoatra ny maha-curé ahy dia misahana ny tanora, miandraikitra ny Ftmtk, mampihodina ferme iray..." hoy mompera Lemainty. Roa ny pretra eo amin’ny paroasy Fo  Masin’i Jesoa. Miara-miasa aminy ao i Mompera Rasoanaivo Nicolas Appolinaire.

Mandalo vanin’andro lehibe manokana ny paroasin’ny Fo Masin’i Jesoa amin’ity taona ity. Feno 10 taona ity paroasy ity ary hisy hateloana hatokana hanamarihana io faha 10 taona io. Hosokafana ny 17 jona izao ny lanonana ary haharitra hatramin’ny 19 jona izany.

Raha ho an’ny fiangonana manokana dia hisy telo ny marika mipetraka ho fahatsiarovana ny faha 10 taona. Ho tokanana amin’io ny lakolosy elekitronika izay efa miasa ankehitriny ary mitaona ny olona hamonjy lamesa rehefa maraina. “Tsy nanana lakolosy ny fiangonana hatramin’izay. Ny tsara marihana dia mandeha amin’ny herin’ny masoandro (énergie solaire) ity lakolosy elekitronika ity” hoy Mompera Lemainty. Ny ezaka faharoa dia ny fandokoana manontolo ny trano fiangonana.

Tsy manao fety irery kosa anefa ny fiangonana mandritra io hateloana io. “Mankalaza ny faha 10 taonany koa ny sekoly Fo Madion’i Maria eto Mahasalama izay misy mpianatra eo amin’ny 300 eo ho eo manomboka amin’ny préscolaire hatramin’ny classe de septième. Ny azy ireo indray dia fitokanana ny foibe itoeran’ireo masera CIM miasa eto no hotontosaina ao anatin’ny hateloam-piravoana” hoy Mompera Lemainty. Amin’izao fotoana izao dia trano lova tamin’ireny lazaret ireny no ipetrahan’ireo masera mitantana ny sekoly. Ry zareo masera avy amin’ny fikambanana CIM (Cœur Immaculée de Marie) izao hitotorebika izao.

Araka ny filazan’i Mompera Lemainty dia isan’ny olana sedrain’ireo mpitantana sekoly ny mahita zazavavy ao amin’ny kilasy faha 6 na faha 7 na faha 8 dia efa bevohoka ary voatery miala andaharana.

Be ny asa miandry an’ireo pretra ao amin’ny diosezy. Misy ireo fikambanan-drelijiozy manampy. Ao ny Spiritains, ny Saletin (2014), ny Capucin (2015). Mety hanampy tosika ny Lazariste (2016).

Raha  ireo miomana kosa dia misy 21 ireo ao amin’ny Seminera zandriny. Misy 11 ireo any amin’ny Seminera Zokiny, 3 no manao Régence ary 2 Théologie.

Raha ho an’ny diosezy manokana dia miomana hanao fety lehibe amin’ny fitokanana ny tranon’ny Seminera Zandriny nomenara anarana hoe Ste Thérèse de l’Enfant Jésus. Ny voalohan’ny volana okitobra 2016 no hanaovana ny fitokanana. Tsiahivina fa tany Mandritsara no nisy ny seminera zandriny ary izao izy hafindra ao Boriziny izao, izay ivon’ny diosezy.

Mompera Lemainty no curé faharoa. Nahavita dimy taona izy raha dimy taona koa ny teo alohany. Midika ve izany fa efa ho soloina koa izy ? Tsisy firesahana ny amin’izany fa mbola ny hafaliany manomana ny jobily no hita soritra eo aminy.

Partager l'article:

Lakroa en direct
  • 19 Jul. 2019 - 08:45-

    JIOI 2019. Dans le cadre des Jeux des Îles, les Barea affrontent en premier les Seychelles. Le match se déroulera au stade Auguste Vollaire le 20 juillet à 14h15. Madagascar n’a pas perdu, lors des deux dernières rencontres entre les deux sélections, avec une victoire (0-1) le 11 juin 2016 et un match nul (1-1) le 29 mai 2018.

  • 18 Jul. 2019 - 14:15-

    USA. Le cardinal DiNardo interpelle Donald Trump sur les droits des migrants. «Il est contraire aux valeurs américaines et chrétiennes de chercher à empêcher aux personnes d’émigrer ici quand elles fuient pour sauver leurs vies et pour trouver une sécurité pour leurs familles», déclare le cardinal DiNardo.

  • 18 Jul. 2019 - 11:27-

    Birao maharitra AN. Vita ny fifidianana ny mpikambana ireo mandrafitra ny Birao maharitry ny Antenimieram-pirenena. Toy izao izany : Filohan’ny Antenimierampirenena : Razanamahasoa Christine Harijaona, Ambatofinandrahana (IRD). Filoha Lefitra Antananarivo : Rasolonjatovo Honoré, Faratsiho (IRD). Filoha Lefitra Antsiranana : Rahelihanta Jocelyne, Antsiranana I (IRD). Filoha Lefitra Fianarantsoa : Razafitsiandraofa Jean Brunelle, Ikongo (IRD). Filoha Lefitra Mahajanga : Rahantanirina Lalao, Mahajanga I (IRD). Filoha Lefitra Toamasina : Michelle Bavy Angelica, Fenérive Est (IRD). Filoha Lefitra Toliara : Rabenirina Jean Jacques, Betioky Atsimo (IRD).
    Questeur 1 : Henri Jean Michel, Ambovombe (IRD). Questeur 2 : Rakotomanga Lantoarivola Sedera, Antananarivo II (IRD). Questeur 3 : Rabenirina Maminiaina Solondraibe, Ambohidratrimo (TIM).
    Mpampakateny : Angèle Solange, Amboasary Atsimo (Mahaleotena). Mpampakateny lefitra : Rafenomanantsoa Tsirimaharo Ny Aina, Antananarivo III (IRD).

  • 17 Jul. 2019 - 09:30-

    Mercato-Jeremy Morel. En fin de contrat avec l'OL, l’international malgache Jeremy Morel signe pour un an de contrat avec le Stade Rennais. « Je suis très enthousiaste et fier de rejoindre le Stade Rennais F.C. Je vais faire du mieux possible pour apporter mon expérience au club. J’avais plusieurs sollicitations mais sportivement je me voyais plus ici. J’espère avoir fait le bon choix. À moi de tout faire sur le terrain pour remercier le Président de sa confiance », a-t-il déclaré.  

  • 16 Jul. 2019 - 09:30-

    Désensablement. La piscine naturelle du Parc National Isalo est de nouveau ouverte à la baignade depuis le vendredi 12 juillet dernier. « La profondeur et la propreté de l’eau ont été testées par les agents de Madagascar National Parks afin de s’assurer que toutes les conditions requises pour la baignade durant la haute saison touristique 2019 soient au mieux », déclare Madagascar National Parks sur Facebook.

  • 15 Jul. 2019 - 14:30-

    Jeux des îles. A l’île Maurice, les sportifs venant des sept îles de l'océan Indien s'affronteront sur quatorze disciplines : athlétisme, badminton, le basketball, boxe, cyclisme, football, haltérophilie, judo, natation, tennis de table, voile, beach volley et volleyball. Pour cette édition, l’ouverture officielle se fera le 19 juillet et prendra fin le 28 juillet.

  • 15 Jul. 2019 - 13:00-

    FMF. Lova Ramisamanana ne pourra se présenter à la course pour être à la tête de la fédération malgache de football. Il l’évoque sur sa page Facebook ainsi, « j’ai le regret de vous annoncer que je ne pourrai pas me présenter à la présidence de la fédération malagasy de football, faute de n’avoir pu réunir les 3 cautions requises. Nous nous sommes battus jusqu’au bout mais nous n’avons pu faire face à certains obstacles. »

  • 15 Jul. 2019 - 08:30-

    CAN 2019. Suite à leur victoire respective contre la Tunisie et le Nigéria, le Sénégal et l’Algérie disputeront la finale de cette édition de la Coupe d’Afrique des Nations. Pour rappel, les Fennecs ont battu ces Lions de la teranga lors de la phase de poule sur le score de 1-0 avec le but de Youcef Belaili.

  • 11 Jul. 2019 - 06:30-

    Fandaminana. Handamina ny polisim-pirenena ho an’ny alakamisy alina araka ny resadresaka tamin’ny mpanao gazety nataon’ireo tompon’andraikitra ao amin’ny Polisim-pirenena. Nanome ireo toromarika manodidina ny filaminana mandritra ny fijerena baolina kitra amin’izao Can izao izy ireo. Maro ny polisy hiasa amin’io alin’ny alakamisy io raha ny nambaran’ireto tompon’andraikitra ao amin’ny polisim-pirenena ireto.

  • 09 Jul. 2019 - 13:30-

    Supporter les Barea. L’inscription est ouverte pour aller supporter les Barea en Egypte pour leur quart de finale contre la Tunisie. Les billets sont disponibles auprès de l’Air Madagascar à Analakely. Adressez-vous à la même agence pour plus d’infos.

  • 06 Jul. 2019 - 13:00-

    Pape François – Poutine. Le président russe Vladimir Poutine a rencontré le pape François au Vatican le 4 juillet pour une discussion privée de 55 minutes. Le pape François et Poutine ont discuté de questions d'actualité en Syrie, en Ukraine et au Venezuela, ainsi que de questions environnementales et de questions concernant l'Eglise catholique en Russie, selon le bureau de presse du Saint-Siège.

  • 05 Jul. 2019 - 11:00-

    CAN 2019. La CAF a rejeté les plaintes contre la RDC pour match truqué. Suite à l’insuffisance de preuve réelle, les accusations de corruption de la fédération zimbabwéenne de football vis-à-vis de leur gardien de but ont été rejeté. De ce fait, le match entre Madagascar et la RDC dans le cadre des huitièmes de finale aura bel et bien lieu dimanche prochain.

  • 05 Jul. 2019 - 08:30-

    Wi-fi gratuit. Le mercredi 10 juillet prochain, le wi-fi gratuit sera disponible à Antananarivo. Il sera possible de se connecter librement, sur quatre zones incontournables de la capitale comme au jardin Antaninarenina, à l’arrêt bus Ambohijatovo, au jardin Antanimena et au pont de Behoririka.

  • 04 Jul. 2019 - 10:30-

    Nicolas Dupuis. Selon Jeune Afrique, Nicolas Dupuis est 31ème dans le classement des entraîneurs les mieux payés en Afrique. Il perçoit 7000€ par mois, selon les chiffres publiés par le média. Le sélectionneur de l’Egypte, Javier Aguirre, est le coach le mieux rémunéré sur le continent avec un salaire mensuel de 108 000 euros.

  • 03 Jul. 2019 - 15:15-

    CAN 2019. Anicet Andrianantenaina et Carolus Andriamanitsinoro intègrent l’équipe type de la phase de poule de cette Coupe d’Afrique des Nations. Pour rappel, Anicet était l’homme du match pendant la rencontre face à la Guinée. Carolus l’était à son tour pendant le match contre le Nigéria.

  • 03 Jul. 2019 - 14:30-

    FIER-Mada. Tanterahana ny alarobia 7 hatramin’ny 11 aogositra ho avy izao ny FIER-Mada faha 21, ao amin’ny kianja Makis Andohatapenaka. Amin’izany dia hisy ny lao-bary an-dasy hiompana amin’ny « fandrosoana maharitra : tetik’asam-panjakana vatsiana vola amin’ny voajanahary sy ifampierana amin’ny tantsaha eny ifotony ».

  • 03 Jul. 2019 - 13:15-

    Energie solaire. La nouvelle technologie solaire pourrait produire de l'eau potable propre pour des millions de personnes dans le besoin. Des appareils appelés alambics solaires utilisent le soleil pour évaporer l'eau salée et condenser la vapeur en eau potable saine. Les chercheurs ont mis au point un nouveau système accélérant le processus d'évaporation, permettant ainsi à un petit alambic solaire de fournir toute l'eau potable dont une famille a besoin.

  • 03 Jul. 2019 - 08:30-

    Fampandrenesana. Tapaka ny lalana : -Lalana Dr Rajaonah- Pharmacie Ankadifotsy- EKAR Antanimena- ESCA ny saboty 6 jolay 2019. Voarara ho an’ny fifamoivoizan’ny  fiara rehetra tsy an-kanavaka ny ampahany amin’ireo lalana ireo. Izany dia noho ny fankalazana ny faha-50 taonan’ny Sekoly Les Lutins Ankadifotsy, araky ny fampandrenesana.

  • 02 Jul. 2019 - 08:00-

    Supporter les Barea. Une offre exceptionnelle est disponible pour les 8è de finale de cette CAN. Elle est à 2.200.000 ar ( Billet d avion A/R +Hebergement+Transfert hôtel-stade+ Billet d entrée stade ) 298.000 ar ( Visa de séjour ) 198.000 ( Passeport ) soit 2.688.000 AR Départ d Ivato samedi 06 juillet - retour Ivato Lundi 08 juillet Appareil A 380 . Plus d infos contacter Air MADAGASCAR

  • 01 Jul. 2019 - 10:30-

    USA-Corée du Nord. Le président Donald Trump et le président nord-coréen Kim Jong Un se sont rencontrés dimanche dans la zone démilitarisée (entre la Corée du Nord et du Sud) fortement fortifiée et ont convenu de relancer les pourparlers sur le programme nucléaire de Pyongyang. Trump, faisant pression pour obtenir un accord définissant un héritage, est devenu le premier dirigeant américain assis à entrer en Corée du Nord.

Du même auteur

societe
politique

Dans la même rubrique

religion
religion
Publicité