logo
Lakroan'i Madagasikara
Diosezin’Ambanja

"Namelona ireo zana-piangonana natoritory ny taonan’ny Famindrampo"

Nangonin'i JRR il y a 3 années

Tafatafa nifanaovana tamin’i Monsenera Rosario Vela misahana ny diosezin’Ambanja no entina amintsika eto. Sarotra no nahazo azy. Vao avy nanao fitsidihana tany Anahidrano ny alarobia voalohan’ny volana jona. Nametraka ny entana dia nitarika ny lamesa ho an’ny tanora io hariva io. Ny alakamisy maraina dia nitarika ny fivorian’ireo mpiandraikitra ny petit séminaire eo amin’ny Arisidiosezy Avaratra. Ao anelanelan’izany rehetra izany sy ny tsy voatanisa no nifampiresahana.

Miarahaba anao Monsenera. Manao ahoana ny diosezy eto Ambanja ? Inona no laharam-pahamehana ho anareo eto?

Faly mandray anareo ao amin’ny gazety Lakroa mandalo aty aminay izahay ary faly mampiantrano anareo. Tsy tahaka an’ireo diosezy efa zokinjokiny izahay ka efa manana ivon-toerana fiofanana. Manaraka izany mbola vitsy ny relijiozy miasa eto. Eto ny Capucins izay namorona ny diosezy, manaraka ao ny Salésiens, misy koa ny Orionistes efa misy pretra 3 izy ireo mitazona paroasy. Vao tonga koa ny Saletins fa mbola pretra iray no tonga ao izay mamaky lay ao amin’ny disitrikan’Anahidrano atsimon’Antsohihy.

Ny Evangélisation no laharam-pahamehana ho anay. Miaraka amin’izany koa ny mila fanabeazana ary ny fiofanana. Tena mila an’ireo ity diosezy ity.


Manao ahoana ny endrik’izany fanabeazana izany

Miezaka ny diosezy hanamafy ny sekoly katolika na an-tanàna na any ambanivohitra. Raha ny any ambanivohitra dia manana sekoly primaire avokoa. Raha ny an-tanàna lehibe indray dia manana sekoly, misy secondaire daholo izy ireo. Misy ny efa manana lisea ka tanjona ny hananan’ny disitrika misionera tsirairay avy ny lisea ao aminy. Nanokatra oniversite any Antsohihy ny diosezy miaraka amin’ny ASJA ao Antsirabe. Filière agronomie sy droit no nanombohana azy. Ry zareo ao amin’ny ASJA no misahana ny pedagojia, ny diosezy kosa no miandraikitra ny lafiny administration. Ezahina mitovy lenta amin’izay misy any Antsirabe ny atolotray eto, mitovy ny programa. Hivoaka amin’ity taona 2016 ity ny andiany voalohany amin’ireo hahazo Licence. Hitarina tsikelikely ny lalam-piofanana. Hosokafana amin’ny taona ho avy ny économie sy commerce.

Raha ny momba ny fiofanana indray dia mitodika amin’ny fikambanana rehetra ny diosezy. Tsy mora izany satria sahirana ny olona ary tsy mahafoy fotoana.


Raha mandalo ao an-tanàna izahay Monsenera dia mahatazana tovovavy tena mbola tanora efa mitaiza zaza. Inona no azo ambara momba izany?

Miezaka koa ny diosezy mirotsaka eo amin’ny sosialy. Ny masera Divine Providence izao dia mitana dispensaire maromaro, misy koa léproserie tuberculeux.

Raha momba ny fanontaniana teo dia hita fa be dia be ny zazakely beazin’ny dadabe na ny nenibe. Miteraka tsy manambady ny tanora ary rehefa mahita vady indray tsy mila zaza ny vady vaovao. Izay no mahatonga ny zazakely ho eo amin’ny dadabe na ny nenibe. Lasa mifindrafindra fiangonana na sekoly ilay zazakely. Betsaka ny tokantrano no tsy maharitra. Maivana loatra ny dikan’ny Fianakaviana ho an’ny olona. Hita taratra izany eo amin’ny fianakavian’ny seminarista. Tsy mijery ireo lasa aty amin’ny petit séminaire intsony ny fianakaviana kanefa dia manana adidy lehibe amin’ireo ny fianakaviana.

Isan’ny olana lehibe hitako koa ny fitiavana vola tafahoatra ilay antsoina hoe argent facile et immédiat. Miteraka fitaka sy fanaovana kolikoly io argent facile et immédiat io. Sakana lehibe ho an’ny évangélisation io fitiavam-bola tafahoatra io.


Manao ahoana kosa ny momba ireo mpizahatany ?

Betsaka ny toerana mahasarika mpizahatany na lieux touristiques ato anatin’ny diosezy. Maro ireo mpizahatany tonga. Misy ireo mpizahatany tsara fanahy. Tsy mametraka olana izy ireny. Fa misy koa ireo manararaotra ka manimba ny tanora. Ohatra hita any Nosy Be izany. Ny mampalahelo dia miray tsikombakomba na complice ireo ray aman-dreny sasany.


Ahoana ny ampifandraisana an’izany rehetra izany amin’ny taonan’ny Famindrampo ?

Tena zava-dehibe tokoa ny nanaovana ity taonan’ny Famindrampo ity. Nanokatra varavarana masina ny Papa ary nitondra hafaliana ho an’ny olon-drehetra. Teo aloha dia mihevitra ny olona fa mavesatra ny fahotana ka tsy ho voavonjy intsony izy ireo. Fa rehefa nambara fa misokatra ny varavarana dia niteraka hafaliana izany. Mety ho resy noho ny famindrampon’Andriamanitra ny ratsy.

Ny vokany?

Ny vokatra tsapa dia na disitrika na zanam-piangonana maromaro izay hita fa matimaty aza dia toa velona indray. Ireo kristianina tao anatiny ihany no nanao ny fikarakarana toy ny vavaka, ny alim-bavaka, fitsaohana masina, procession tsotsotra... Vokatr’izany: misy ny niroso amin’ny mariazy, tao ny vonona hampianatra katesizy, misy ny mirotsaka manao asa soa sy ny sisa.

Partager l'article:

Lakroa en direct
  • 19 Jul. 2019 - 08:45-

    JIOI 2019. Dans le cadre des Jeux des Îles, les Barea affrontent en premier les Seychelles. Le match se déroulera au stade Auguste Vollaire le 20 juillet à 14h15. Madagascar n’a pas perdu, lors des deux dernières rencontres entre les deux sélections, avec une victoire (0-1) le 11 juin 2016 et un match nul (1-1) le 29 mai 2018.

  • 18 Jul. 2019 - 14:15-

    USA. Le cardinal DiNardo interpelle Donald Trump sur les droits des migrants. «Il est contraire aux valeurs américaines et chrétiennes de chercher à empêcher aux personnes d’émigrer ici quand elles fuient pour sauver leurs vies et pour trouver une sécurité pour leurs familles», déclare le cardinal DiNardo.

  • 18 Jul. 2019 - 11:27-

    Birao maharitra AN. Vita ny fifidianana ny mpikambana ireo mandrafitra ny Birao maharitry ny Antenimieram-pirenena. Toy izao izany : Filohan’ny Antenimierampirenena : Razanamahasoa Christine Harijaona, Ambatofinandrahana (IRD). Filoha Lefitra Antananarivo : Rasolonjatovo Honoré, Faratsiho (IRD). Filoha Lefitra Antsiranana : Rahelihanta Jocelyne, Antsiranana I (IRD). Filoha Lefitra Fianarantsoa : Razafitsiandraofa Jean Brunelle, Ikongo (IRD). Filoha Lefitra Mahajanga : Rahantanirina Lalao, Mahajanga I (IRD). Filoha Lefitra Toamasina : Michelle Bavy Angelica, Fenérive Est (IRD). Filoha Lefitra Toliara : Rabenirina Jean Jacques, Betioky Atsimo (IRD).
    Questeur 1 : Henri Jean Michel, Ambovombe (IRD). Questeur 2 : Rakotomanga Lantoarivola Sedera, Antananarivo II (IRD). Questeur 3 : Rabenirina Maminiaina Solondraibe, Ambohidratrimo (TIM).
    Mpampakateny : Angèle Solange, Amboasary Atsimo (Mahaleotena). Mpampakateny lefitra : Rafenomanantsoa Tsirimaharo Ny Aina, Antananarivo III (IRD).

  • 17 Jul. 2019 - 09:30-

    Mercato-Jeremy Morel. En fin de contrat avec l'OL, l’international malgache Jeremy Morel signe pour un an de contrat avec le Stade Rennais. « Je suis très enthousiaste et fier de rejoindre le Stade Rennais F.C. Je vais faire du mieux possible pour apporter mon expérience au club. J’avais plusieurs sollicitations mais sportivement je me voyais plus ici. J’espère avoir fait le bon choix. À moi de tout faire sur le terrain pour remercier le Président de sa confiance », a-t-il déclaré.  

  • 16 Jul. 2019 - 09:30-

    Désensablement. La piscine naturelle du Parc National Isalo est de nouveau ouverte à la baignade depuis le vendredi 12 juillet dernier. « La profondeur et la propreté de l’eau ont été testées par les agents de Madagascar National Parks afin de s’assurer que toutes les conditions requises pour la baignade durant la haute saison touristique 2019 soient au mieux », déclare Madagascar National Parks sur Facebook.

  • 15 Jul. 2019 - 14:30-

    Jeux des îles. A l’île Maurice, les sportifs venant des sept îles de l'océan Indien s'affronteront sur quatorze disciplines : athlétisme, badminton, le basketball, boxe, cyclisme, football, haltérophilie, judo, natation, tennis de table, voile, beach volley et volleyball. Pour cette édition, l’ouverture officielle se fera le 19 juillet et prendra fin le 28 juillet.

  • 15 Jul. 2019 - 13:00-

    FMF. Lova Ramisamanana ne pourra se présenter à la course pour être à la tête de la fédération malgache de football. Il l’évoque sur sa page Facebook ainsi, « j’ai le regret de vous annoncer que je ne pourrai pas me présenter à la présidence de la fédération malagasy de football, faute de n’avoir pu réunir les 3 cautions requises. Nous nous sommes battus jusqu’au bout mais nous n’avons pu faire face à certains obstacles. »

  • 15 Jul. 2019 - 08:30-

    CAN 2019. Suite à leur victoire respective contre la Tunisie et le Nigéria, le Sénégal et l’Algérie disputeront la finale de cette édition de la Coupe d’Afrique des Nations. Pour rappel, les Fennecs ont battu ces Lions de la teranga lors de la phase de poule sur le score de 1-0 avec le but de Youcef Belaili.

  • 11 Jul. 2019 - 06:30-

    Fandaminana. Handamina ny polisim-pirenena ho an’ny alakamisy alina araka ny resadresaka tamin’ny mpanao gazety nataon’ireo tompon’andraikitra ao amin’ny Polisim-pirenena. Nanome ireo toromarika manodidina ny filaminana mandritra ny fijerena baolina kitra amin’izao Can izao izy ireo. Maro ny polisy hiasa amin’io alin’ny alakamisy io raha ny nambaran’ireto tompon’andraikitra ao amin’ny polisim-pirenena ireto.

  • 09 Jul. 2019 - 13:30-

    Supporter les Barea. L’inscription est ouverte pour aller supporter les Barea en Egypte pour leur quart de finale contre la Tunisie. Les billets sont disponibles auprès de l’Air Madagascar à Analakely. Adressez-vous à la même agence pour plus d’infos.

  • 06 Jul. 2019 - 13:00-

    Pape François – Poutine. Le président russe Vladimir Poutine a rencontré le pape François au Vatican le 4 juillet pour une discussion privée de 55 minutes. Le pape François et Poutine ont discuté de questions d'actualité en Syrie, en Ukraine et au Venezuela, ainsi que de questions environnementales et de questions concernant l'Eglise catholique en Russie, selon le bureau de presse du Saint-Siège.

  • 05 Jul. 2019 - 11:00-

    CAN 2019. La CAF a rejeté les plaintes contre la RDC pour match truqué. Suite à l’insuffisance de preuve réelle, les accusations de corruption de la fédération zimbabwéenne de football vis-à-vis de leur gardien de but ont été rejeté. De ce fait, le match entre Madagascar et la RDC dans le cadre des huitièmes de finale aura bel et bien lieu dimanche prochain.

  • 05 Jul. 2019 - 08:30-

    Wi-fi gratuit. Le mercredi 10 juillet prochain, le wi-fi gratuit sera disponible à Antananarivo. Il sera possible de se connecter librement, sur quatre zones incontournables de la capitale comme au jardin Antaninarenina, à l’arrêt bus Ambohijatovo, au jardin Antanimena et au pont de Behoririka.

  • 04 Jul. 2019 - 10:30-

    Nicolas Dupuis. Selon Jeune Afrique, Nicolas Dupuis est 31ème dans le classement des entraîneurs les mieux payés en Afrique. Il perçoit 7000€ par mois, selon les chiffres publiés par le média. Le sélectionneur de l’Egypte, Javier Aguirre, est le coach le mieux rémunéré sur le continent avec un salaire mensuel de 108 000 euros.

  • 03 Jul. 2019 - 15:15-

    CAN 2019. Anicet Andrianantenaina et Carolus Andriamanitsinoro intègrent l’équipe type de la phase de poule de cette Coupe d’Afrique des Nations. Pour rappel, Anicet était l’homme du match pendant la rencontre face à la Guinée. Carolus l’était à son tour pendant le match contre le Nigéria.

  • 03 Jul. 2019 - 14:30-

    FIER-Mada. Tanterahana ny alarobia 7 hatramin’ny 11 aogositra ho avy izao ny FIER-Mada faha 21, ao amin’ny kianja Makis Andohatapenaka. Amin’izany dia hisy ny lao-bary an-dasy hiompana amin’ny « fandrosoana maharitra : tetik’asam-panjakana vatsiana vola amin’ny voajanahary sy ifampierana amin’ny tantsaha eny ifotony ».

  • 03 Jul. 2019 - 13:15-

    Energie solaire. La nouvelle technologie solaire pourrait produire de l'eau potable propre pour des millions de personnes dans le besoin. Des appareils appelés alambics solaires utilisent le soleil pour évaporer l'eau salée et condenser la vapeur en eau potable saine. Les chercheurs ont mis au point un nouveau système accélérant le processus d'évaporation, permettant ainsi à un petit alambic solaire de fournir toute l'eau potable dont une famille a besoin.

  • 03 Jul. 2019 - 08:30-

    Fampandrenesana. Tapaka ny lalana : -Lalana Dr Rajaonah- Pharmacie Ankadifotsy- EKAR Antanimena- ESCA ny saboty 6 jolay 2019. Voarara ho an’ny fifamoivoizan’ny  fiara rehetra tsy an-kanavaka ny ampahany amin’ireo lalana ireo. Izany dia noho ny fankalazana ny faha-50 taonan’ny Sekoly Les Lutins Ankadifotsy, araky ny fampandrenesana.

  • 02 Jul. 2019 - 08:00-

    Supporter les Barea. Une offre exceptionnelle est disponible pour les 8è de finale de cette CAN. Elle est à 2.200.000 ar ( Billet d avion A/R +Hebergement+Transfert hôtel-stade+ Billet d entrée stade ) 298.000 ar ( Visa de séjour ) 198.000 ( Passeport ) soit 2.688.000 AR Départ d Ivato samedi 06 juillet - retour Ivato Lundi 08 juillet Appareil A 380 . Plus d infos contacter Air MADAGASCAR

  • 01 Jul. 2019 - 10:30-

    USA-Corée du Nord. Le président Donald Trump et le président nord-coréen Kim Jong Un se sont rencontrés dimanche dans la zone démilitarisée (entre la Corée du Nord et du Sud) fortement fortifiée et ont convenu de relancer les pourparlers sur le programme nucléaire de Pyongyang. Trump, faisant pression pour obtenir un accord définissant un héritage, est devenu le premier dirigeant américain assis à entrer en Corée du Nord.

Du même auteur

societe
politique

Dans la même rubrique

religion
religion
Publicité