logo
Lakroan'i Madagasikara
Soamahamanina

Resaka nifanaovana tamin'i Mgr Rakotondrajao Roger Victor Solo

Nanangona : P. Guillaume Rakotonandratoniarivo il y a 2 années

Resaka nifanaovana tamin’i Mgr Rakotondrajao Roger Victor Solo, evekan’i Mahajanga, mpiahy ny vaomieran’ny « Justice et paix » nasionaly sy ny fonja mikasika ny tany ao Soamahamanina. Lahatsoratra nivoaka tao amin'ny Lakroan'i Madagasikara laharana 3979, pejy faha-12.

Resaka nifanaovana tamin'i Mgr Rakotondrajao Roger Victor Solo

 - Tany Soamahamanina ianao, misy ny olan-tany. Inona no azonao ambara ?

Ny fiahiana ny rehetra mahakasika ny rariny sy ny marina no antony nandehanako tany Soamahamanina, araka ny andraikitra nankinin’ny Fivondronamben’ny eveka eto Madagasikara amiko. Nirotsahana mivantana ity an’i Soamahamanina ity satria efa mitozo loatra ny raharaha. Betsaka tokoa manko ankehitriny ny toerana an-dalana na heverina hotrandrahina eran’i Madagasikara. Eo anatrehan’izany, tsy maintsy mijery aloha ny Fiangonana.

Voalohany, araka ny voalazan’ny bokin’ny Jenezy : nomen’Andriamanitra ny olombelona rehetra ny harena manontolo, mba hahasambatra azy sy hampiadana azy. Notsiahivin’ny Papa ao amin’ny antsikilika « Laudato sii » ny amin’izay. Ary notenenin’i Mgr Jean Claude evekan’i Miarinarivo koa. Faharoa, araka ny fampianaran’i Jesoa : tsy maintsy tsinjovina ny olona iray manontolo : vatana, saina, fanahy. Tafiditra ao anatin’izany ny kolontsaina. Ary fahatelo, araka ny fampianaran’i Jesoa ihany : isika tsy eo ambanin’ny Lalàna intsony fa eo ambanin’ny fitiavana ny olombelona sy Andriamanitra.


- Ahoana ny ifandraisan’izany amin’ny any Soamahamanina ?

Hita fa misy lafin-javatra tsy voajery amin’ireo lafiny telo ireo, raha ny tany Soamahamanina no tomorina. Marina fa nisy ny komitin’olon-kendry na « comité des sages » natsangana mba haha ara-dalàna ilay fitrandrahana. Fa be ny lesoka hita amin’ny anaran’ny olona nandrafitra azy io. Misy ny olona tsy mipetraka any intsony fa any Antananarivo. Misy ny olona niditra ao: nanaiky handray saosy kely, noho ny fahantrana amin’izao fotoana izao. Zo amin’ny maha olom-pirenena ny miditra ho isan’ny komitin’olon-kendry. Fa raha amin’ny anaran’ny Fiangonana no nidirany ao, dia tsy maintsy ho ny eveka tompon-toerana no nanendry azy. Fa tsy nanendry an’izay i Mgr Jean Claude. Olona vitsivitsy no namorona azy ary nanao izay hampaneken’ny Fanjakana ny famoronana azy. Anisan’ny lesoka eto amintsika koa izay fampanekena izay, na am-pitaka io, na arahim-pandrahonana, na noho ny fizaram-bola. Ny isan-tanàna anefa no mahalala izay heveriny fa afa-kiaro ny tombontsoany.


- Ny Fiangonana izany no ianteherany ?

Natao hiaro ny vahoaka amin’izay famitahana azy izay ny Fiangonana. Ireo vahoaka ireo, tsy sahy miteny afa-tsy amin’izay itokisany sy azony antoka fa hahatafita ny resaka ataony. Mpitondra ny feon’izy ireo ny Fiangonana. Izay rahateo no niseho tany amin’ny faritra hafa : tsy ireo vahoaka ireo fa olon-kafa no niteny, nilaza fa tsy mety izy ity, ho simba izy ity. Ankoatran’izay, fantatra anie fa tsy misy tany malalaka hahafahan’ireo vahoaka ireo mifindra monina intsony e : hatreo Arivonimamo ka hatrany Analavory any. Tsy maintsy ho any andrefan’i Tsiroanomandidy ka hatrany Maintirano any no halehany. Voaomana ny amin’izany ve ireo olona ireo : handao ny lovany sy ny tanin’ny razany, izay sarotra ho an’ny Malagasy ? Voaomana koa ve ny sekoly hianaran-janany, izay mora tadiavina eo amin’ny tontolo misy azy ankehitriny ? Ho zary hipetra-potsiny eo ny trano fiangonana raha tsy misy vita batemy hiangona ao. Fa ankoatran’izany rehetra izany, tsy maintsy jerena koa ny amin’ny tontolo iainana. Sao dia main’ny vola fotsiny. Ary mankaiza ilay vola ? Ho an’iza ? Sao dia sanatria hampanan-karena olona vitsivitsy fotsiny fa hampahantra olon-kafa, eto an-tanin-drazany ? Tsy maintsy hanova ny olona manodidina sisa tafapetraka ihany koa ity raharaha mahakasika tany mirefy 21.000km toradroa ity. Mety hisy fifandonan-kolontsaina amin’ireo Sinoa hipetraka eo. Sao sanatria hifamono toy ny tany Ankijomby, any Soalala, noho ny kolontsain’ireto Sinoa afa-mihinana ka nampihinana henan’alika.  Nanahirana ny nandamina izay.


- Inona àry no hatao eo anatrehan’ny tranga manahirana any Soamahamanina ?

Ny rariny sy ny hitsiny no tadiavin’ny Fiangonana. Natao hanairana ny fitondram-panjakana mba hijereny akaiky ny amin’ny trangam-pitrandrahana hafa ny any Soamahamanina, mba hialana ny olana toy izao. Noho izany, ndeha hanao latabatra boribory: hiantsoana ny tompon’andraikitra mahalala izay tokony hatao. Misy lafiny tekinika tsy maintsy hojerena akaiky amin’izany. Inona no hotrandrahina ? Mankaiza ny vola ? Mety ve izany ? Inona no homanina ? Ahoana ny hanomanana azy ? Inona ny hevitr’ireo olona tompon’ny tany voakasiky ny tany hotrandrahina ? Hatao ahoana ireo olona ireo ? Tsy mety ny hoe izay hahazoana vola dia mety. Na ny mpangalatra aza manko manao toy izany koa.

Marihiko fa samy nanao ny hataony ireo depioten’Itasy. Nisy ny nanao izay tsy hanombohan’izy io tany am-boalohany. Misy ny naneho ny heviny fa hitondra ny feom-bahoaka, tamin’ny fivoriana niaraha-nanao. Nisy ny nihetsika mangina tany ambadika tany fa ninia tsy niseho, noho izy tsy maintsy nanaraka ny hevitry ny Antoko misy azy. Ny zava-dehibe dia ny fahaizan’ny mpitantana ankehitriny maka lesona amin’ny teo aloha. Izay tsy mety amin’ny nataon’ny teo aloha, tsy averina. Izay mety kosa, tazonina sy tohizina.


- Tsy miditra amin’ny politika ve ny Fiangonana amin’ity raharaha ity ?

Ny politika ho an’ny Fiangonana katolika dia fanasoavam-bahoaka, rafitra hanasoavana ny fiainana na sosialim-bahoaka izay anjaran’ny lahika. Ka tsy mety raha ny eveka sy ny pretra no mandeha manao politika, mba tsy hampifangaro ny Fiangonana sy ny Fanjakana. Samy manana ny asany manko ireo. Ny Fiangonana amin’ny maha jiro manilo isan’andro azy, dia natao hiteny hoe: « mety io Raolona, tsy mety ity Raolona ». Fa anjaran’ny lahika vita batemy ny manao ny politika: miditra amin’ny fitantanana hanasoavam-bahoaka, amin’ny fahaizany sy fahalalany ary ny maha izy azy. Anjarany ny mahita izay azo atao rehefa mahita ny mety sy ny tsy mety. Ny fianam-panahy kosa: anjaran’i Mompera. Ary izahay dia mamporisika ny lahika mba handray an-tanana ny adidiny hanasoavana ny olona sy ny firenena. Fantatra ohatra fa tsy maintsy hitady ny tombony ho azy ny mpitrandraka. Fa adidin’ny mpitondra kosa ny miady mba hampitombo ny tahan’ny vola miditra ao amin’ny kitapom-bolam-panjakana sy ny tamberim-bidy miverina any amin’ny vahoaka ifotony. Tsy mety raha mifanambaka.


- Inona àry no atao manoloana ny fahantrana lalina ankehitriny sy ny kolikoly mihanaka hatrany ambany ka hatrany ambony ?

Ny tena olana tokoa amin’izao fotoana izao, dia mahantra ny olona. Tadidio anefa fa raha vao be dia be ny mahantra dia tsy maintsy misy halatra. Tsikaritray ohatra fa mitombo be amin’izao ny olona miditra am-ponja. Ny tena mahatafiditra ao anefa tsy heloka bevava fa hala-botry: hala-bomanga kely, hala-boasary kely. Ka anjaran’ny Fanjakana ny laminasa tena hiadiana amin’io fahantrana io. Ny vokatr’izay ihany koa dia ny resaka risoriso, izay mihanaka hatraiza hatraiza: hatrany ambony ka hatrany ambany, hatrany am-ponja aza. Ka inona no politikam-panjakana mba handravana ny risoriso amin’ny fanomezana lalana hitrandraka harena an-kibon’ny tany ? Eo ny Bianco, fa voafetra ihany izy : misy zavatra tsy azony kitihina. Ny amin’ny fitsinjovana ny taranaka momba ny politikam-pitrandrahana indray dia miankina tanteraka amin’ny politikam-panjakana. Anjarany ny mamaritra hoe ny inona no hotrandrahina ? Ny faharetan’ny fitrandrahana ? Ary hanovana inona sy inona ?

Nanangona : P. Guillaume Rakotonandratoniarivo



Fanampim-baovao:


http://www.lakroa.mg/item-826_articles_societe_18-hafatra-noho-ny-loharanon-tebiteby-maro.html





Partager l'article:

Lakroa en direct
  • 20 Nov. 2018 - 07:46-

    Communiqué HCC. Suite à la publication officielle des résultats provisoires du premier tour de l’élection présidentielle par la CENI le samedi 17 novembre 2018, s’appliquent de facto les dispositions suivantes de la Loi organique N°2018-009 relative à l’élection du Président de la République :
    Article 61 :
    La Haute Cour Constitutionnelle procède à la proclamation officielle des résultats définitifs dans un délai de neuf (9) jours à partir de la date de publication des résultats provisoires par la Commission Electorale Nationale Indépendante.
    Article 66 alinéa 2 :
    Le délai de recours est fixé à deux (2) jours après la publication des résultats provisoires par la Commission Electorale Nationale Indépendante.
    En application du système de délai franc, la réception des requêtes sera clôturée le mardi 20 novembre 2018 à 24h.

  • 16 Nov. 2018 - 07:45-

    Voici les tendances publiées sur le site de la CENI ce 16 novembre 2018 à 6 heures et 58 minutes. C’est une tendance nationale, BV traités : 22 576 sur 24 852 soit : 90,84%. Inscrits : 8 906 101 sur 9 913 599 votants : 4 807 829 suffrages exprimés 4 453 212 soit 92,48%. Taux de participation : 53,98%.

    - RAJOELINA Andry Nirina : 1 763 347 soit 39,60%

    - RAVALOMANANA Marc : 1 535 795 soit 34,49%

    - RAJAONARIMAMPIANINA Hery : 390 356 soit 8,77%

    - MAILHOL André Christian Dieu Donné : 56 928 soit 1,28%

    - RANDRIAMAMPIONONA Joseph Martin : 53 629 soit 1,20%

    - RAFALIMANANA Ny Rado : 52 897 soit 1,19%

  • 16 Nov. 2018 - 07:45-

    Administrateur apostolique du diocèse de Mahajanga. Mgr Gustavo Bombin Espino, OSST, actuellement évêque du diocèse de Maintirano (dont il est le premier évêque) a été désigné comme Administrateur apostolique du diocèse de Mahajanga. L’annonce a été faite durant les obsèques de Mgr Roger Victor Solo Rakotondrajao le vendredi 9 novembre à Mahajanga. Pour mémoire, Mgr Gustavo Bombin Espino était évêque de Tsironomandidy entre février 2004 et février 2017 ‘érection du noouveau diocèse de Maintirano). Mgr Gustavo Bombin Espino est né le 24 septembre 1960 à San Llorente (Valadolid en Espagne).

  • 14 Nov. 2018 - 13:41-

    Voici les tendances publiées sur le site de la CENI ce 14 novembre 2018 à 13 heures et 6 minutes. C’est une tendance nationale, BV traités : 17504 sur 24 852 soit : 70,43%. Inscrits : 7 062 725 sur 9 913 599 votants : 3 827 816 suffrages exprimés 3 539 985 soit 92,48%. Taux de participation : 54.20%.

    - RAJOELINA Andry Nirina: 1396356 (39.45%)
    - RAVALOMANANA Marc: 1297579 (36.65%)
    - RAJAONARIMAMPIANINA Hery: 266857 (7.54%)
    - MAILHOL André Christian Dieu Donné: 46243 (1.31%)
    - RANDRIAMAMPIONONA Joseph Martin: 41091 (1.16%)
    - RAFALIMANANA Ny Rado: 39742 (1.12%)

  • 13 Nov. 2018 - 14:56-

    FMF out, comité de normalisation in. Le Bureau du Conseil de la FIFA a décidé, ce 12 novembre 2018, de désigner des comités de normalisation pour les Fédérations de Football de République dominicaine (FEDOFUTBOL) et Madagascar (FMF) conformément à l’art. 14, al. 1a et l’art. 8, al. 2 des Statuts de la FIFA. À Madagascar, la décision de nommer un comité de normalisation est liée à la procédure électorale de la FMF, qui n’a pas été effectuée conformément aux exigences réglementaires applicables aux membres de la FIFA. Le mandat du comité expirera au plus tard le 12 mai 2019. La participation des Barea à la CAN n'est pas concernée par la mise en place du comité de normalisation.

  • 13 Nov. 2018 - 07:46- Voici les tendances publiées sur le site de la CENI ce 13 novembre 2018 à 6 heures et 57minutes. C’est une tendance nationale, BV traités : 13 283 sur 24 852 soit : 53,45%. Inscrits : 5 370 311 sur 9 913 599 votants : 2 876 312 suffrages exprimés 2 659 943 soit 92,48%. Taux de participation: 53,56%.
    - RAJOELINA Andry Nirina : 1 051 134 (39,52%)
    - RAVALOMANANA Marc: 950 724 (35,74%)
    - RAJAONARIMAMPIANINA Hery: 212 682 (8%)
    - MAILHOL André Christian Dieu Donné: 35 382 (1,33%)
  • 12 Nov. 2018 - 08:08-

    Voici les tendances publiées sur le site de la CENI ce 12 novembre 2018 à 6 heures et 8 minutes. C’est une tendance nationale, BV traités : 10437 sur 24852 soit : 42%. Inscrits 4 285 527 sur 9 913 599 votants : 2 301 808 suffrages exprimés 2 129 443 soit 92,51%. Taux de participation: 53.71%.

    - RAJOELINA Andry Nirina : 835301 soit 39.23%
    - RAVALOMANANA Marc: 785748 soit 36.90%
    - RAJAONARIMAMPIANINA Hery: 160879 soit 7.55%
    - MAILHOL André Christian Dieu Donné: 28308 soit 1.33%

  • 10 Nov. 2018 - 12:47-

    Voici les tendances publiées sur le site de la CENI ce 10 novembre 2018 à 10h 25minutes. C’est une tendance nationale, nombre de bureau de vote (BV) traité : 3 663  sur les 24 852. Inscrits : 1 646 896 sur 9 913 599 votants : 860 662. Suffrages exprimés : 798 788. Taux de participation : 52.26%.  

    RAJOELINA Andry Nirina : 40.90%.

    RAVALOMANANA Marc: 39.09%.

    RAJAONARIMAMPIANINA Hery: 5.75%

    MAILHOL André Christian Dieu Donné: 1.46%

    RABARY Andrianiaina Paul: 0,95%

  • 06 Nov. 2018 - 07:44-

    Camions pour le SAMVA. Le communiqué du Conseil des Ministres du lundi 5 novembre 2018 effectué 16 Heures au Palais d’Ambohitsorohitra nous apprend l’arrivée d’un premier lot de 11 camions remis au SAMVA (Service Autonome de Maintenance de la Ville d'Antananarivo) pour l’enlèvement des ordures de la capitale a été portée à la connaissance du Conseil, et le Chef de l’Etat a insisté sur l’importance d’une bonne gestion de ce nouveau parc de véhicules et la mise en place de procédures de contrôles strictes. On attend les impacts réels de cette remise de camions.

  • 04 Nov. 2018 - 08:46-

    Nodimandry i Mgr Rakotondrajao Roger Victor Solo. Nodimandry ny sabotsy 3 novambra teo i Mgr Rakotondrajao Roger Victor Solo, evekan’i Mahajanga, mpiahy ny vaomieran’ny « Justice et paix » nasionaly sy ny fonja. Tsiahivina etoana ny resaka nataony mikasika ny tany ao Soamahamanina. Lahatsoratra nivoaka tao amin'ny Lakroan'i Madagasikara laharana 3979, pejy faha-12 ary ity ny rohy ahitana izany eto amin’ny www.lakroa.mg  https://www.lakroa.mg/item-818_articles_dossier_18-resaka-nifanaovana-tamin-i-mgr-rakotondrajao-roger-victor-solo.html

  • 24 Oct. 2018 - 11:42-

    Endrika fanakorontanana. Nanambara ny Za’Gasy ny zoma 19 okitobra lasa teo teny Ambohimitsimbina fa tena fanakorontanana no nataon’ilay mpomba ny kandida iray heverina fa goavana, izay nitaona ny ireo izay tsy voasoratra amin’ny lisi-pifidianana ho tonga hifidy amin’ny biraom-pandatsaham-bato 7 novambra. Marihina fa nitety haino aman-jery io pomba ny kandida iray io ny 18 okitobra lasa teo. Miantso ny Ceni sy ny Cfm ary ny mpitandron’ny filaminana ary ny Hcc mba hanao fanazavana mikasika ny fakana ordonnance sy ny resaka lisi-pifidianana ity fa mety hampikorontana ny fifidianana.

  • 17 Oct. 2018 - 07:46-

    Sipem Bank. Tamin’ny desambra 2014 no nahazo ny agrément bancaire ny Sipem bank. Miasa toy ny banky izy ankehitriny. Betsaka ireo tolotra misy amin’izany, toy ny fampindramam-bola. Marihina fa ity orinasa ity dia tena orinasa malagasy araka ny nambaran’ireo mpikarakara. Malagasy avokoa ireo mpiasa ao. Ny Malagasy ihany koa no manana petra-bola betsaka ao na hoe majorité. « Orinasa madinika sy ireo orinasa vaventy no mihindram-bola ato aminay amin’izao fotoana izao » hoy ihany izy ireo. Izy rahateo dia niatomboka tamin’ny micro-finance.

  • 28 Sep. 2018 - 06:51-

    Salon des écoles supérieures catholique. Le salon des Ecoles supérieures Catholique se déroule ce vendredi 28 septembre 2018 au sein du Collège Saint Michel Amparibe. 22 universités, écoles et instituts supérieurs participent à ce salon. L’enseignement supérieur catholique se veut être le moteur de la chrétienneté et de la citoyenneté responsable. L’événement est placé sous le patronage de SEM Mgr Benjamin Marc Ramaroson, Archevêque d’Antsiranana et Président de la commission épiscopale pour l’éducation et l’enseignement catholique.

  • 14 Sep. 2018 - 08:38-

    Poulet de chair à Madagasikara. Pour Olivier Fanchette, de Innodis Poultry, il y a encore de la marge pour produire du poulet de chair à Madagasikara. “C’est pour cette raison que nous participons à la Foire Internationale d’Agriculture”. Innodis Poultry est l’un des plus grands producteurs de poulet de l’île Maurice. Selon Fanchette, cette société exporte vers Madagasikara du poulet de chair avec garantie sanitaire sans antibiotiques. De son côté Iqbal Mohungoo, de la société Meaders Feeds, assure l’alimentation des poulets de chair, une alimentation répondant aux besoins d’une clientèle autant présente sur le marché local que régional dont Madagasikara.

  • 13 Sep. 2018 - 07:45-

    Colloque sur l’énergie. Lors d’une rencontre avec la présse Andry Ramaroson a fait savoir que le Groupement Des Professionnels de l’Energie à Madagascar GDPEM organise un colloque en entrée libre qui se tiendra au 3A Andrefanambohijanahary durant 2 jours ou 4 demi-journées avec comme thème “Energie, 1er levier de la croissance économique de Madagascar”. La première demi-journée (matin du 14 septembre) une conférence-débat sur l’économie d’énergie et l’après-midi sur le génie électrique. La troisième demi-journée (matin du 15 septembre) une conférence-débat sur le thème 1er levier économique de Madagascar. Et l’après-midi sera consacré à la restitution des travaux.

  • 10 Sep. 2018 - 07:28-

    Affaires courantes du Président. Pour la HCC, rentrent dans la catégorie juridique des attributions présidentielles courantes, les affaires constituant la poursuite normale d’une procédure régulièrement engagée avant la démission du Président de la République, toute affaire dont l’importance dépasse celle des affaires de gestion journalière si la procédure qui a donné lieu à l’acte règlementaire concerné a été engagée bien avant la période critique et a ensuite été réglée sans précipitation et si les questions politiques, qui ont pu se poser sur le plan administratif, ont été résolues avant cette période critique.

  • 10 Sep. 2018 - 07:28-

    Non affaires courantes du Président. Pour la HCC, ne rentrent pas dans les compétences attribuées au Chef de l’Etat ad intérim celles qui procèdent des articles 45 alinéa 3, 54 ; 55 -2°, 4° sauf en cas de faute grave ou de crime ou délit commis par le haut fonctionnaire, 5°, 6°, 7°, 8° ; 56 ; 57 alinéa premier ; 58 ; 59 alinéa 2 ; 60 ; 61 ; 103 ; 104 ; 107 ; 137 ; 162 ; 163. Il est habilité à exercer toutes les autres attributions confiées au Président de la République par la Constitution.

  • 01 Sep. 2018 - 09:48-

    Journée mondiale de prière pour la sauvegarde de la création 2018. Instituée en 2015 par le Pape François, quelques mois après la publication de son encyclique « Laudato si’, sur la sauvegarde de la maison commune », cette journée a lieu chaque 1er septembre, en communion de prière avec les Eglises orthodoxes, « pour offrir « à chacun des croyants et aux communautés la précieuse opportunité de renouveler leur adhésion personnelle à leur vocation de gardiens de la création, en rendant grâce à Dieu pour l’œuvre merveilleuse qu’Il a confiée à nos soins. » (Pape François, Lettre du Pape François pour l’institution de la « Journée mondiale de prière pour la sauvegarde de la création », 6 août 2015).

  • 01 Sep. 2018 - 07:56-

    Liste des personnes exerçant des hautes fonctions et hauts emplois civils et militaires de l’Etat, candidates aux élections, assujetties à l’obligation de démission prévue à l’article 6 alinéa 5 de la Loi organique relative au régime général des élections et des référendums. I – Les personnes nommées aux hautes fonctions et hauts emplois civils de l’Etat :   – Grand Chancelier de l’Ordre National malagasy ; – Ambassadeurs ou chefs titulaires de missions diplomatiques avant rang d’Ambassadeurs ; – Gouverneur de la Banque Centrale ; – Secrétaires généraux, Directeurs généraux et Directeurs de ministères ; – Présidents d’Universités ; – Représentants de l’Etat au niveau des collectivités territoriales décentralisées ; – Directeurs généraux, membres des organes d’administration ou de gestion des organismes rattachés aux Institutions et aux départements ministériels.

  • 01 Sep. 2018 - 07:55-

    Liste des personnes exerçant des hautes fonctions et hauts emplois civils et militaires de l’Etat, candidates aux élections, assujetties à l’obligation de démission prévue à l’article 6 alinéa 5 de la Loi organique relative au régime général des élections et des référendums. II – Les personnes dont la nomination aux hautes fonctions et hauts emplois militaires est faite par décret en Conseil des Ministres : – Officiers Généraux ; – Inspecteur général de l’Armée Malagasy; – Inspecteur général de la Gendarmerie Nationale ; – Chef de l’Etat-Major général de l’Armée Malagasy ; – Commandant de la Gendarmerie Nationale ; – Adjoints au chef de l’Etat-Major général de l’Armée Malagasy; – Adjoints au Commandant de la Gendarmerie Nationale ; – Commandant des Forces Aériennes ; – Commandant des Forces Navales ; – Commandant des Forces d’Intervention – Commandant des Forces de développement ; – Chef d’Etat-major du commandement de la Gendarmerie Nationale ; – Commandants des régions militaires; – Commandants des Circonscriptions inter-régionales de la Gendarmerie Nationale ; – Tous autres fonctions et hauts emplois militaires dont la nomination est faite par décret en Conseil des Ministres.

Du même auteur

une
politique

Dans la même rubrique

dossier
dossier
Publicité