logo
Lakroan'i Madagasikara
Hafatry ny Eveka

“Onena izy nahita ity vahoaka nafoy toy ny ondry tsy misy mpiandry” (Mk 6,34)

admin il y a 2 années

Nivory tsy ara-potoana ny Eveka, nanomboka ny talata 9 aogositra, ary namoaka izao fanambarana izao ny 11 aogositra 2016.

“Onena izy nahita ity vahoaka nafoy toy ny ondry tsy misy mpiandry” (Mk 6,34)

“Ny very hotadiaviko; ny nania haveriko; ny naratra hotsaboiko, ary ny marary hohatanjahiko, fa ny matavy sy ny matanjaka hokolokoloiko.  Samy handrasako ara-drariny avy izy ireo  (Ezekiela  34,15-16)

 

Ho antsika kristiana sy ny vahoaka Malagasy tsy vakivolo.

Ho aminareo anie ny Fiadanana

Ireo teny ireo no manainga anay Eveka, Raiamandreninareo, izay nivory tsy ara-potoana, handinika ity fiainam-pirenentsika ity. Tahaka an’i Ezekiela Mpaminany Masina nahay nijery ny fiainan’ny vahoaka, mampahonena toy ny ondry tsy misy mpiahy, vokatry ny fifandimbiasan’ny fitondrana izay samy tsy nahay naka lesona tamin’ireo zavatra tsy nety nataon’ireo mpitondra nifanesy ka nahatonga izao fahavoazana izao.

Koa misarika ny saintsika izahay tsy hanadino ny tantara fa : ato anatin’ny fankalazana ny faha-56 taona nahazoana ny fahaleovan-tena isika, ary mbola namerimberina indray fa: “Fitiavan-Tanindrazana – Fahafahana – Fandrosoana” no tarigetram-piainana noraisina hatramin’ny voalohany.

 

TSIRIM-PAHAZAVANA

Tsy mbola very tanteraka ny fanantenana, fa tao anatin’ny telo taona  nizakana ny vokatry ny krizy teo aloha isika no nahay niaina indray ny fahendrena  maha-malagasy : fahaiza-mandefitra, firaisan-kina, fihavanana. Eny fa na dia teo aza ny fanerena an-kolaka avy any ivelany. Niverina tsikelikely ny fahatokisan’ny firenena avy any ivelany… Porofon’izany ny fahazoana ny ampaham-bola nangatahina hampihodinana ny fiainam-bahoaka. Toy izany koa ny fahafahana naminavina ny handraisana ny fihaonan’ireo firenena miteny frantsay na dia eo aza ny ahiahy ny mety tsy hahavitan’ny foto-drafitr’ asa. Eo ihany koa ny vinavina amin’ny handraisana ireo vondron’ny tany afrika ny hanao fifanaraham-barotra (CO-ME-SA).

Ankehitriny, miomana amin’ny fankalazana ny faha-50 taonan’ny fifandraisana ara-diplomatikan’i Madagasikara sy ny Fiketrahana masina ao Vatikana isika. Io fifanarahana io dia nanampy ny Eglizy, hiasa am-pilaminana hanandratana ny  hasina maha-olona.

 

NEFA INDRISY : MISY HAIZINA MANDRAKOTRA

Marary i Madagasikara; misy aza miteny hoe: “efa miala aina”. Milentika tsikelikely anaty fotaka ny fiainam-pirenena; miraviravy tànana ny mpitondra manoloana an’izany. Fitondrana tsy mahomby; fampanantenana poakaty; sady miharo lainga ary mampahazo vahana ny hery setra.

1.      Potika ny Soatoavina maha-malagasy:

• Tsy voahaja intsony ny aina sy ny hasina maha-olona.

• Tsy voatsimbina ny madinika; avela ho baranahiny ny tanora satria goragora ny fifampifehezana anatin’ny fiaraha-monina, tsy misy rafitra mazava amin’ny fanomanana ny ho aviny. Aiza ny sori-dàlana mazava hanatsarana ny fanabeazana.

• Very ny fihavanana tena maha-malagasy, mifampiahiahy ny mpiara-monina ary mifamongotra hatramin’ny mpianakavy.

 

2.      Mifanjevo ny ara-pinoana :

• Tsy hajaina ny soa toavina ara-pivavahana, fa potehina sy ranitina hifandrafy ny samy mpino ary hararaotina hanaovana kabary politika ny fotoam-pivavahana ka very ny hasiny.

• Jerem-potsiny ny halatra lakolosy mihanaka etsy sy eroa, arahina fampihorohoroana mihatra aman’aina ho an’izay miaro ny fananany. Iza no ao ambadika?

• Tsy hay tohaina ny fanapotehana sary vongana masina eny amoron-dàlana izay fanenjehana mivantana ny Eglizy Katolika. Hita ihany koa izao ny fangoronana baiboly eny an-tànan’ny mpino ary vidina lafo mba hamongorana ny finoana kristiana.

• Hasarotina sady lafo ny saran’ny fahazoan-dàlana mipetraka eto Madagasikara ho an’ireo misionera. Eo koa ny fitakiana taratasim-panorenana tranom-pivavahana efa niorina ela hanelingelenana ny finoana. 

• Miha mahazo vahana ny tetik’adin’ireo mahery setra miafina ao am-badiky ny fivavahana lazaina fa mpanavotra.

 

 

3.      Mikorontana ny fitantanan aara-politika sy ara-toekarena :

• Tsy manao ny asany na ampihorohoroina ny rafitra mpanara-maso izay natao hiaro amin’ny fanodinkodinana sy fihoaram-pefy, hany ka manjaka tanteraka ny baranahiny.

Mihalalim-paka isan’andro ny fahantrana, nefa tsy misy sori-dalana sy paikady mazava hampandrosoana ny firenena. Tsy voafehy intsony fa gaboraraka tanteraka ny fitrandrahana harem-pirenena izay tokony hahasoa ny vahoaka sy hitsinjovana ny soa iombonana.

• Mitazam-potsiny ny doro tanety sy ny fahasimban’ny tontolo iainana ny olon-drehetra, na ny tompon’andraikitra, na ny vahoaka.

 

4.      Mikorosy fahana ny sosialim-bahoaka sy kolotsaina.

• Tsy mandry fahalemana ny tany:  miseho amin’ny endriny maro izany toy ny vono olona, vaky trano, fanafihan-tanàna, fakana an-keriny...

• Mamatotra tanteraka ny Kolikoly sy ny fahalovana amin’ny seha-piainana rehetra kanefa misy ny tsy maty manota ao amin’ireo mpitondra ambony sy ny manodidina azy.

• Voavidy vola amin’ny fanaovana tsindry hazo lena sy fibodoana tanin’olona ny fitondrana mahefa sy ireo mpampihatra Lalàna.

• Tsy voatsinjo mihitsy ny zo aman-kasin’ny vahoaka madinika. Iaraha-mahita ny haratsian-dàlana saika manerana ny Nosy.

• Fara-fahoriana no iainana satria taloha raha ny marary andriana, ankehitriny ny marary ariana.

 

Raha izany rehetra izany no dinihina dia ireo tombotsoam-pirenena mihitsy no voahosihosy amin’izao fotoana izao. Ny fitiavam-bola tafahoatra no fototr’izany, ka toa efa lasa fanjakan’i Baroa ny eto amintsika. Leo ny vahoaka.

 

SAMY HANDRASAKO ARA-DRARINY AVY IZY IREO

Ambaranay eto fa ny Eglizy dia tsy mitsabaka na manondro modely (lamina) amin’ny fandaminana ny raharaha politika sy fitantanana firenena. Ny andraikiny dia ny mampianatra, manentana ary manao izay hahatonga saina ny olona mba hitsinjo mandrakariva ny soa iombonana. Hihevitra ny andraikitra sahanina ho fanompoana ny firenena fa tsy sanatria fitaovana hanangonan-karena.

Samy mitady vahaolana isika. Maro ny olona amin’izao fotoana izao no mahatsapa fa mila fanovàna ny fomba fitantanana ny raharaham-pirenena. Miforona etsy sy eroa ireo vondron’ny antoko politika, ny vondron’ny sendikà, ny firaisa-monim-pirenena mitambatra ao anatin’ireo fikambanana mitonona ho mpanohitra. Ny vahaolana atolotr’izy ireo dia ny fametrahana Tetezamita vaovao hanoloana ny rafitra vao najoro. Izany marina ve no tena vahaolana? Misy amin’izy ireo no mampiasa ny hafatry ny Eglizy sy ny Justice et Paix hanamafisana ny heviny sy hanamarinana ny tenany. Aoka re tsy hanararaotra.

Ekena fa misy amin’izy ireo no manana fiahiana ny tombon-tsoam-pirenena, kanefa rehefa jerena akaiky ny zava-misy sy ny tantara dia toa fitadiavana fahefana no tanjona kendreny mba hifampizaràna seza hitadiavam-bola. Matetika ireo olona miantsoantso fiovàna tany aloha ihany no miverina eo amin’ny fitondrana nefa rehefa nahazo fahefana dia mangina sady tsy mahavita n’inona n’inona. Ho anay tsy mety izany.

Tsy vitan’ny kobaka  am-bava sy kabary tsara lahatra ny fanarenam-pirenena. Mila fiovàn’ny toe-tsaina izany, mila kolotsaina vaovao entanin’ny fitiavan-tanindrazana ny fananana toe-tsaina tompon’andraikitra. Ka ny vaha-olana maharitra no tsy maintsy heverina, ka ireto no hitanay fahanampy amin’ny fanarenam-pirenena :

• Aoka ho tsaroana fa FANOMPOANA ny Firenena sy ny  vahoaka ny fahefana hoan’ireo maniry sy nomena azy. Izany dia ilàna ny fiaraha-miasa matotra ny eo amin’ny Fanjakana sy ny Fiangonana amin’ny fampanjakana ny fahamarinana.

• Ampiana sy beazina ireo olom-pirenena mba hiaina ireo soa toavina fototra, toy ny fahamarinana, ny fahafoizan-tena, ny fitiava-namana, ny hasina maha-olona, ny fiheverana ny soa hoan’ny daholobe. Afaka hanampy amin’ny fanofanana amin’izany ny Vaomieran’ny Fahamarinana sy ny Fiadanana (Justice et Paix).

• Tsinjovina manokana ireo tanora amin’ny fanomanana ny ho aviny ka ampandraisina andraikitra tsikelikely eo amin’ny Firenena sy ny Fiangonana.

• Izao vanin’andro iainantsika izao dia mitaky ny hijoroan’ny olona tsara sitrapo sy olom-baovao, hiasa ho an’ ny Firenena sy hanentanany rafi-pitondrana hamelombelona azy mba hampisy risipo ny besinimaro fa indrindra ireo tantsaha.

• Hajaina ny lalàna velona ary apetraka tsara ny fanaraha-maso ka ny olon-drehetra no asaina handray anjara amin’ny andraikitra tandrify azy, hampandeha ny fiainam-pirenena, tsy hirona amin’ny faharavàna fa hizotra tsikelikely amin’ny fifandimbiasana demokratika tsy misy raorao.

• Zo fototra amin’ny zon’olombelona ny finoana an’Andriamanitra sy ny mivavaka amin-kalalahana. Koa angatahana ny Fanjakana mba hiaro ny zon’ny mpino sy ny fitaovana rehetra ampiasainy amin’ny izany, ohatra amin’ny fanaraha-maso izay mangalatra lakolosy.

• Ampirisihina ny vahoaka rehetra mba tsy hiraviravy tànana, ka hiray hina tsy hanaiky hatao fitaovana hampisavoroana sy hahazoana fahefana. 

 

“TOY NY ONDRY TSY MISY MPIANDRY”

 

“Tahionao ry Zanahary ô, ity nosindrazanay ity”. Malemy sy osa izahay ka mila ny FAMINDRAM-PONAO. Omeo mpiandry mahatoky izahay hitantana anay ho amin’ny “Fitiavan-Tanindrazana sy Fahafahana ary Fandrosoana”  marina tokoa hahazoana tombon-tsoa hoan’ny besinimaro. Vonoy ao am-ponay ny fitiavan-tena tafahoatra. Velomy ny fanantenanan’ny tsirairay avy, omban’ny vavak’i Masina Maria dia ho “Tany sambatra ilay Madagasikaranay”.

Mitso-drano anareo izahay Eveka, Raiamandreninareo.

 

Antananarivo anio, 11 aogositra 2016

Fetin’ny Masimbavy Claire, Relijiozy Mpitoka-monina.

 

 

Mgr TSARAHAZANA Désiré, Arsevekan’i Toamasina, Filohan’ny Fivondronamben’ny Eveka eto Madagasikara

Mgr RAHARILAMBONIAINA Marie Fabien, Evekan’i  Morondava, Filoha lefitra

Mgr RANDRIANARISOA Jean Claude, Evekan’i Miarinarivo, Sekretera Jeneraly

Mgr RAMAROSON Marc Benjamin, Arsevekan’Antsiranana

Mgr RAZANAKOLONA Odon Marie Arsène, Arsevekan’Antananarivo

Mgr RABEONY Fulgence, Arsevekan’i Toliary

Mgr RABEMAHAFALY Fulgence, Arsevekan’i Fianarantsoa,

Mgr Georges VARKEY,  Evekan’i Port-Bergé

Mgr ROSARIO Saro Vella, Evekan’Ambanja

Mgr RAKOTONDRAJAO Roger Victor, Evekan’i Mahajanga

Mgr RAOELISON Jean de Dieu, Evekan’Ambatondrazaka

Mgr DI PIERRO Gaetano, Evekan’i Moramanga

Mgr RANDRIAMAMONJY Marcellin, Evekan’i Fenoarivo Atsinanana

Mgr RANAIVOMANANA Philippe, Evekan’Antsirabe

Mgr BOMBIN ESPINO Gustave, Evekan’i Tsiroanomandidy

Mgr RAKOTONARIVO Fidelis, Evekan’Ambositra

Mgr CAIRES DE NOBREGA José Alfredo, Evekan’i  Mananjary, Administrateur Apostoliquen’i Farafangana

Mgr RAZAKARIVONY  Fulgence, Evekan’Ihosy

Mgr RAKOTOZAFY Vincent, Evekan’i Tolagnaro

Mgr ROBASZKIEWICZ Zygmunt, Evekan’i Morombe

Mgr MALO Michel,  Evêque Emérite d’Antsiranana

Mgr RANDRIAMBOLOLONA Philibert, Archevêque Emérite de Fianarantsoa

Mgr RAZAKARIVONY Raymond, Evêque Emérite de Miarinarivo

Mgr SCOPELLITI Antoine, Evêque Emérite d’Ambatondrazaka

Mgr ZEVACO Pierre, Evêque Emérite de Tolagnaro

Mgr PELLETIER Donald, Evêque Emérite de Morondava

Mgr TOASY Armand, Evêque Emérite de Port-Berger

 

 

 

 

 

 

 

 

+ Jean Claude RANDRIANARISOA                                            + Désiré TSARAHAZANA

Secrétaire Générale de la CEM                                                    Président de la CEM


Partager l'article:

Lakroa en direct
  • 30 Jun. 2018 - 08:40-

    Remplacement à l’Assemblée Nationale. « Le Député dont siège devient vacant est remplacé par le suppléant élu en même temps que lui, sauf en cas d’annulation de l’élection, jusqu’au renouvellement de l’Assemblée nationale ». .Que suivant le certificat de décès n°65969 versé au dossier, sieur ABDILLAH est décédé le 21 février 2018 à l’hôpital Apollo de New Delhi. La vacance d’un siège de Député à l’Assemblée nationale est constatée, à la suite du décès de sieur ABDILLAH. Est proclamé Député à l’Assemblée nationale, le candidat EDIZARD, premier suppléant de la liste VPM-MMM de Vohémar. (Arrêt de la HCC du 28 juin 2018).

  • 30 Jun. 2018 - 08:34-

    Remplacement au sénat.« Le député nommé membre du Gouvernement est suspendu d’office de son mandat. Il est remplacé par son suppléant » et que « Les dispositions des articles 71 à 79 sont applicables, par analogie, au Sénat ». Que par décret n°2018-540 du 11 juin 2018, le Sénateur ANDRIAMANDAVY VII Riana a été nommé membre du Gouvernement. Qu’il y a donc lieu de suspendre d’office de son mandat le sénateur Riana  Andriamandavy VII. Est proclamé Sénateur de Madagascar le candidat Rajaonarivelo Henri Velomaro, premier suppléant de la liste « HVM » de Fianarantsoa. (Arrêt de la Hcc du 28 juin 2018.

  • 29 Jun. 2018 - 13:34-

    Dates des élections présidentielles.-  Le Premier ministre, Ntsay Christian, a annoncé lors d'un point de presse qu'il a donné à Mahazoarivo ce 29 juin la date des élections présidentielles. Le premier tour se tiendra le 7 novembre 2018 et le second tour se tiendra le 19 décembre 2018. La convocation des électeurs se fera dans le courant du mois d’août. Suivant la Constitution, le président de la République Hery Rajaonarimampianina, s'il se porte candidat, devrait démissionner le 7 septembre de cette année.

  • 16 Jun. 2018 - 10:10-

    Minisitera MPAE : mitohy ny asa. Isan’ny Miinisitera tsy nisolo ny minisitra mitantana azy ny Minisiteran’ny Fambolena sy Fiompiana. Nahatsapa ankehitriny ny mpitantana ity minisitera ity fa misy mpanakorontana tafiditra ao anatiny ka nahatonga azy i reo hanao fanambarana. Nanambara ireo tompon’andraikitra ao amin’ny minisiteran’ny fambolena sy fiompiana ny alakamisy 14 jona lasa teo teny Ampadrianomby fa mandeha tsara ny asa rehetra ao amin’ny minisitera. Tsy mba nahitana olana hatramin’izay na dia minisitra Hvm aza no nitondra tao hatramin’izay ka hatramin’izao. Nilaza ireo tompon'andraikitra fa tsisy tombontsoa ho azon'ny Firenena indrindra ny tantsaha sy ny mpiompy amin'ny fanakorontanana.

  • 05 Jun. 2018 - 06:58-

    Concours pour pourvoir les 40 postes d’inspecteurs du Trésor. Le ministère des Finances et du Budget informe que le dépôt de dossier pour le concours de recrutement d'élèves inspecteurs du trésor est ouvert depuis ce 4 juin. A noter que 40 postes sont à pourvoir, dont 35 sur concours direct et 5 pour les fonctionnaires du ministère. Le concours se tiendra du 22 au 23 novembre 2018 à Antananarivo Renivohitra, Antsiranana I, Fianarantsoa I, Mahajanga I, Toamasina I et Toliara I. http://www.tresorpublic.mg/tresorpublic/download.php?path=wp-content/uploads/2018/06/&file=concours_ins_2018.pdf

  • 26 May. 2018 - 11:34- GBM Fête des Mères. La GBM ou Grande Braderie de Madagascar a ouvert ses portes ce 23 mai comme annoncé dans les médias. On observe une grande affluence dans les allées. Selon MadaVision la règle de la réduction minimale de 15% est respectée par les participants.
  • 26 May. 2018 - 08:27-

    Décision HCC. Décision n°18-HCC/D3 du 25 mai 2018 Relative à une requête en déchéance du Président de la République Hery Rajaonarimampianina : La Haute Cour Constitutionnelle, Vu la Constitution ; Vu l’Ordonnance n°2001-003 du 18 novembre 2001 portant loi organique relative à la Haute Cour Constitutionnelle ; Vu la loi n°2014-043 relative à la Haute Cour de Justice ; Les rapporteurs ayant été entendus… (lire la suite sur  http://www.lakroa.mg/item-1389_articles_politique_18-dacision-relative-a-une-requate-en-dachaance-du-prasident.html

  • 22 May. 2018 - 07:11-

    Nouveau cardinal. Le Pape François a annoncé ce 20 mai dimanche de Pentecôte, qu’il créera le 29 juin prochain 14 nouveaux cardinaux dont 11 parmi eux sont des électeurs. Parmi ces 14 nouveaux cardinaux se trouvent l’Archevêque Désiré Tsarahazana. L’équipe de http://www.lakroa.mg/ salue ce nouveau cardinal en particulier et toute l’Eglise catholique notamment à Madagascar pour cette nomination. Que le souffle de l’Esprit Saint souffle sur ce nouveau cardinal pour donne un nouvel élan toujours plus positif sur l’EKAR que cela influe positivement sur la vie du pays.

  • 19 May. 2018 - 09:50-

    GBM Fête des mères. La Grande Braderie de Madagascar dédiée à la fête des Mères se déroulera du 23 au 27 mai 2018. Comme d’habitude les visiteurs bénéficieront d’une garantie d’obtenir une remise de 15% minimum. Les visiteurs auront une large gamme de choix pour honorer les mamans. Mais les stands traditionnels seront aussi là pour satisfaire toutes les demandes.

  • 09 May. 2018 - 11:42-

    Daty 3. Nanao fanambarana ny CENI ka nanolotra daty telo. Momba ny datim-pifidianana dia tranga telo no azo eritreretina ka nanaovan'ny CENI tolokevitra :
    - Tranga voalohany: Fifidianana Filoham-pirenena mialoha ny fotoana (alarobia 29 aogositra ny fihodinana voalohany)
    - Tranga faharoa: Fifidianana Filoham-pirenena tanterahina araka ny voalazan'ny andininy faha 47 amin'ny lalàm-panorenana (alarobia 28 novambra ny fihodinana voalohany)
    - Tranga fahatelo: Fanemorana ny fifidianana noho ny antony voalazan'ny Lalàm-panorenana hatrany (29 mai 2019 ny fihodinana voalohany)
    Hahafahana mandrindra araka ny tokony ho izy ny fifidianana sy manatanteraka izany ao anatin'ireo tranga roa voalohany (izany hoe amin'ity taona 2018 ity) dia takiana hazava amin'ity volana mey 2018 ity ny lalàm-pifidianana sy ny fandaminana ara-politika.

  • 05 May. 2018 - 15:04-

    Médiation du FFKM. Le FFKM continue à son rythme sa médiation. Une médiation qui a été ouverte par un culte œcuménique le dimanche 29 avril 2018. Un culte où déjà on a remarqué l’absence d’une certaine partie des acteurs politiques. Puis le lundi 30 avril, le FFKM a invité les députés de chaque camp. Seul le camp des députés “pro-régime” s’est fait représenter. Le camp des députés 73 n’a pas répondu à l’invitation du FFKM. Les quatre chefs d’Eglise du FFKM se sont déplacés, ce 4 mai, à Tsimbazaza pour rencontrer le président de l’Assemblée nationale et à Anosikely pour rencontrer le président du Sénat.

  • 05 May. 2018 - 12:59-

    Dates du recensement. Le Premier Ministre, Mahafaly Solonandrasana Olivier, a présidé ce 3 mai 2018 la cinquième réunion du Conseil National du Recensement (CNR). Cette réunion du CNR s’inscrit toujours dans le cadre de la préparation du troisième recensement général de la population et de l’habitation (RGPH-3). L’objet principal de cette réunion du CNR est de soumettre aux membres du CNR une proposition de date pour la réalisation du lancement du dénombrement. Ainsi, il a été validé que le recensement aura lieu du 18 mai au 10 juin 2018 à commencer par la numérotation de bâtiments (18 au 24 mai 2018), et par la suite, le  dénombrement de la population et des ménages (25 mai au 10 juin 2018).

  • 05 May. 2018 - 09:21-

    MTS. Le parti MTS (Malagasy Tonga Saina) a tenu son congrès le 4 mai 2018 à Antanimena. A l’issue de ce congrès, Mirasoa Razanamasy a été élu au poste de Secrétaire général du parti. Il remplace à ce poste Benjamina Ramanantsoa. Le Congrès a également désigné les coachs par Faritany. Concernant les afairres nationales, Roland Ratsiraka, président national du MTS, prône le « Soa toavina », faisant valoir le dialogue. Pour lui, il vaut mieux qu’un candidat soit présenter par un parti cela suppose l’existence d’une organisation. Le MTS affirme aligner des candidats à toutes les échéances électorales.

  • 03 Apr. 2018 - 08:58-

    Joyeuses Pâques à tous et à chacun. www.lakroa.mg souhaite à tous et à chacun de Joyeuses fêtes de Pâques. Que chaque jour qui se lève soit un jour de Pâques, un jour de victoire pour le monde. Dans son homélie de la nuit de Pâques 2018, le Pape François nous a invités à « transformer l’espérance en gestes concrets de charité ». La suite nous appartient.

  • 23 Mar. 2018 - 07:59-

    Passage de Eliakim (bilan du 22 mars à 20h). Le bilan provisoire global en date du 22 mars 2018 transmis par le Centre d'Etudes de Réflexion de Veille et d'Orientation du Bngrc nous donne les chiffres suivants : A l’échelle nationale, le bilan provisoire global fait état de : 21 décédés ; 50 872 sinistrés ; 19 439 déplacés cumulés ; 1 491 cases d’habitations endommagées ; 13 345 d’habitations inondées ; 2 392 cases détruites.

  • 20 Mar. 2018 - 07:58-

    José Vianey candidat aux présidentielles. Chaque week end apporte son lot de candidat à la candidature au poste de président de la République de Madagasikara. José Vianey vient d’annoncer sa candidature ce samedi 17 mars 2018 au Paon d’Or. Si l’on se réfère aux informations dans les informations, José Vianey ou Vijo a annoncé sa candidature en son  nom propre et non comme candidat du parti RAM. Ce parti certainement va entériner prochainement cette volonté du candidat Vijo. C’est devenu le modus vivendi.

  • 19 Mar. 2018 - 08:45-

    Passage de Eliakim. Le bilan provisoire global en date du 18 mars 2018 à 18h transmis par le Centre d'Etudes de Réflexion de Veille et d'Orientation du Bngrc nous donne les chiffres suivants : A l’échelle nationale, le bilan provisoire global fait état de : 17 décédés ; 15 772 sinistrés ; 6 282 déplacés cumulés ; 251 cases d’habitations endommagées ; 1 271 cases d’habitations inondées ;  648 cases détruites.

  • 19 Mar. 2018 - 08:29-

    200 étudiants s’imprègnent du Fisandratana2030. Hugues Ratsiferana, Conseiller spécial du Président de la République, a eu comme invité près de 200 étudiants issus de plusieurs universités de la Capitale (des universités publiques et des instituts supérieurs privés). Ces étudiants ont pu s’imprégner du Fisandratana 2030, dans l’amphithéâtre du Centre d’Application de Développement Intégré (Cadi), durant la matinée du 17 mars 2018. Après la présentation succincte du Fisandratana 2030 les étudiants ont pu poser des questions sur ce programme présidentiel. Le président Rajaonarimampianina est passé pour partager avec ces étudiants son expérience de vie.

  • 15 Mar. 2018 - 07:38-

    Jour J pour Aok’izay. C’est aujourd’hui 15 mars de 12h à 12h05 que le rendez-vous a été fixé par les organisateurs pour sensibiliser les tenants du pouvoir sur l’insécurité. Les organisateurs demandent une table ronde aux dirigeants mais surtout l’effectivité des décisions prises. Pour ce jour les organisateurs demandent à tous et à chacun de faire le maximum de bruit (klaxon, son de cloche, sifflet…) pour que ce cri soit entendu en haut lieu. Les organisateurs se donnent rendez-vous sur le parking de Jumbo Score Ankorondrano pour faire le maximum de bruit.

  • 15 Mar. 2018 - 07:36-

    Salon du chocolat et de la gourmandise. Pour la deuxième année consécutive, Wednesday Morning Group a choisi le chocolat et la gourmandise pour son activité de levée de fonds. Cet événement se déroulera durant la journée du 17 mars et se tiendra au Carlton Anosy. “Ce sera une journée d’animation, de démonstration, de préparation, mais surtout de dégustation” annonce les organisatrices car WMG est une association composée uniquement de femmes. Le but de WMG est de recueillir des fonds pour permettre la réalisation des actions sociales de cette Ong.

Du même auteur

economie
societe

Dans la même rubrique

societe
societe
Publicité